Zandary Malagasy / Fanadiovana Vola Maloto ?

Resaka iray isan’ny natsidik’i #Lalatiana Rakotondrazafy sy #Fidel Razarapiera tamin’ny fotoan’androny ity tantara fanadiovam-bola mikasika ny angidimby ampiasain’ny zandary malagasy ity. Tamin’izany fotoana dia mbola resaka taratasy angamba no tao an-dohan’ny maro, fa eto kosa dia ilay vahiny nanao ny fanadihadiana ifotony tany Belgique mihitsy no hitantara azy amintsika [fr].

Mipetraka ny fanontaniana hoe: tena tsy nahalala fa voafitaka ve ny #HAT tamin’izany fotoana izany, sa nahafantatra fa nanao hitsin-dàlana satria tsy maintsy miseho hoe nanao zavatra teo imason’ny vahoaka Malagasy sy #Madagascar?

Publicités

Lisitr’ireo mpihazakazaka ho filoham-pirenena

Tapitra tamin’ny 5 ora tamin’ity Alahady 28/04/2013 ity ny fametrahana taratasy firotsahana hofidiana ho filoham-pirenen’i Madagasikara.

Indro atolotra anareo araka ny filaharany tamin’ny nanaterany ny mombamomba azy teny amin’ny CES ireo rehetra nahatontosa izany.

Marihana ety ampiandohana fa nisintony ny azy, tsy ho isan’ny mpihazakazaka i AVOKO.

Ny mampanontany tena dia ny hoe amin’ireto 40 mahery ireto, iza no hahavita hamerim-bola? Ary iza no hitafy henatra manoloana ny tany ama-monina? Tsy kilalao mantsy ny fiainam-pirenena fa hoe hotsapatsapaina.

Ny iriana koa dia mba hahalala menatra ka tsy hanao ny fomba fahiny hoe ‘SITRANY AHAY MBA…’ Ka mirotsaka ho Filoha, dia avy eo tsy menatra mipetraka ho amin’ny toeran’ny Minisitra, na depiote, nohon’ny tsy fananana hambo.

Hajo Andrianainarivelo (Vondrona Politika Miaradia),
Jean Lahiniriako (Komity Manohana an’i Lahiniriako),
Roland Ratsiraka (MTS),Pierrot Rajaonarivelo (MDM),
Sylvain Rabetsaroana (PNJ Mazava),
Jean Louis Robinson (Avana),
Saraha Georget Rabeharisoa (parti vert),
Brigitte Rabemanantsoa R (Ampela Manao politika),
Roland Rabearison (FAM),
Julien Razafimanazato (Eto Sehatra ho an’ny Daholobe),
Monja Roindefo (MDM),
Jean Pierre Rakoto (indépendant),
Lalao Ravalomanana Rakotoniariny (mouvance Ravalomanana),
Ny Rado Rafalimanana (indépendant),
Joseph Randriamampionona (indépendant),
Roger Kolo (indépendant),
Rajemison Rakotomaharo (Mamafisoa),
Jules Etienne (Madagasikara Fivoarana),
Jean Eugène Voninhitsy (Les As),
Clément Ravalisaona (AME) ,
Sabine Ramamonjiarivola (indépendant),
Alain Tehindrazanarivelo,
Patrick Rajaonary (indépendant),
Didier Ratsiraka (AREMA),
Mickael Dofo Bréchard (MIM),
Fleury Lezava (HARENA),
Noelson William (indépendant),
James Francklin Rakotomahanina (indépendant),
Malala Savaron (indépendant),
Guy Ratrimoarivony( indépendant),
Richard Razafy Rakotofiringa (indépendant),
Faharo Ratsimbalison (indépendant),
Stephan Narison (indépendant),
Roseline Emma Rasolovoahangy (indépendant),
Fetison Rakoto Andrianirina (RDS),
William Ratrema (PATRAM-GAM),
Dolin Rasolosoa (indépendant),
Mbohoazy Zefania (indépendant),
Hasimbola Rakotoaritsika (Malagasy Miray sy mifankatia),
Tianasoa Freddy (OBAMA),
Radavidson Andriamparany (FFF),
Joella Anthoni Ndakana (indépendant),
Edgard Razafindravahy (TGV).

Afaka andro vitsy dia hanao antsapaka ny tompon’andraikitra momba izany, hamaritana ny filaharan’ireto mpirotsaka ireto ao anatin’ny taratasim-pifidianana (biletà tokana). Mety mbola hisy ny hihintsana aorian’ny fandinihana antontan-taratasy.
famintinana: mpandraharaha 2 , profesora 2 , amin’ny anaran’ny tenany miisa 9  no hita ao anatin’ireo mpirotsaka

Ny solotenan’izy ireo fotsiny dia efa ho hipoka ny efitrano fifidianana, mety ho eny an-tokotany izany ny mpanara-maso hafa. Handeha amin’ny ara-dalàna tokoa va re izy io e? Asa re !

Andron’ny Tany 2013 (#earthday2013)

HPNX0212

Chargé d’affaire Eric Wong

 

Andron’ny Tany anio na «Earth Day» . Tsy haiko ny fomba nentin’ny hafa nankalaza izany tany an-toeran-kafa, nefa inoako fa tsy ho latsa-danja noho izay natao teny amin’ny Masoivoho Amerikana teny Andranomena androany maraina.

100_8997

Lanonana tsotra, tena tsotra, nefa manana ny toerany sy hevitra ampitaina ho an’ny tsirairay no nisy teny an-toerana. Tonga amin’ilay fiteny hoe ‘symbolique’, saingy tsy izay lafiny izay no hitondrantsika ny tatitra fa ny zava-boarakitra tao anatin’ilay hetsika. Fiarovana ireo zava-maniry atahorana ho lany tamingana.

100_8989

Lanonana nifandrimbonan’ny Masoivoho Amerikana (#usembassy) tamin’ireo mpiara-miombon’antoka taminy izy ity: toy ny Tany Meva, ny avy amin’ny SAF FJKM, Alliance Voary Gasy, Madagascar National Park, Conservation Internationale Madagascar…sns… Ary zanak’ireo karazan-javamaniry fantatry ny maro amin’ny hoe ‘palmier’ niisa 3 no novolena nandritra izany. Vitsy angamba hoy ianao. Eny vitsy tokoa, satria na ny sasany amin’izy ireo aza dia efa teo an-dalam-pahafonganana no hita, avy novonjena nanangonana voa sy namelomana zanany mba ho azo volena toy izao indray.

HPNX0229

100_8992

Ny iray tamin’izy ireo aza moa dia efa tany Hawaï tany no hita, ary kisendrasendra no nahitàna hoe mbola nisy iray tavela tao amin’ny valan-javaboahary tao Ranomafana. Ahitana ilay karazana Palmier, mamono tena afaka 10 taona eo ho eo amin’ireto voavoly androany ireto. Alohan’ny hahafatesany anefa dia manome voa izy, rehefa avy mahatratra ny haavo ilainy, sy misampana.

Ndeha ianao ho entina an-tsary hanatrika izany, mba ho toy ny teny an-toerana ihany koa. Ary ny angatahana amintsika mpamaky, raha misy mahalala ny anaran’izy ireo amin’ny teny Malagasy, dia mba apetraho anaty toerana natokana ho an’ny fanehoankevitra, satria tsorina fa dia tena sahirana tokoa izahay nitady izay anarana Malagasy izay, fony teny an-toerana teny, saingy tsy mbola afa-po. Misy ny hoe Satrana, Dimaka, saingy na ireo nitondra azy aza, izay vazaha roalahy, dia mbola misalasala tsy mahazo antoka ny amin’izay tena anarana Malagasy marina ho an’izy ireto, satria hoy izy, na ilay hoe Dimaka aza, dia miovaova araka ny toerana aleha ny fahafantaran’ny olona azy.

Ankoatra ity tatitra fohy ity dia mbola ho avy eto ihany koa ny dikanteny tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Chargé d’affaire avy ao amin’ny Masoivoho, nataony nandritra ny fanokafana ny lanonana.

100_8990

100_8993

100_8994

100_8995

100_8998

100_8999

100_9000