kabary nalaina tanaty aterineto

Tany anaty resaka ifanakalozana anaty aterineto no nahitako azy ity. Koa satria samy mankalaza ny 29 mars amin’ny fombany ny tsirairay dia indro mba avoakako eto tsy asiam-panovana izany.

***********************************************************

Lundi 29 mars 2010 12h43 De: « Rary »

Ajouter l’expéditeur dans les contacts À: serasera@yahoogroupes.fr, « Serasera malagasy » <serasera@serasera.com>

Mail avec pièce jointe 3 fichier(s) (5512 ko)



kabarin’ny Filoha marc ravalomanana

Fankalazana ny fitsingerenan’ny 29 mars 1947

29 Marsa, andro fankalazana ny tsingerintaonan’ny Fihetsiketsehena Lehibe tamin’ny taona 1947, izay nitarika ny fahazoana ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Ry Vahaoka Malagasy, Mpiray Tanindrazana,

Ny voalohan-teniko, dia fisaorana an’Andriamanitra noho ny nahatratrarantsika izao andro lehibe, manan-tantara eo amin’ny Firenena Malagasy izao.

Miarahaba ny Vahaoka Malagasy rehetra manerana ny Nosy aho, sy ireo monina amin’ny firenena maro, manereana an’ izao tontolo izao.

Miarahaba manokana ihany koa ireo bekotro maro olatra, akanga sisa nanamborana, tapa-porohona sisa tsy may. Mankasitraka sy midera ny herimpo, ary ny fitiavan-tanindraza na nasehonareo izahay. Aza matahotra, fa hijoro ho mendrika ny ohatra nasehonareo izahay, ary hijoro hatramin’ny farany.

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Miray fo sy saina aminareo aho amin’izao andron’ny 29 Marsa izao, andro miavaka indrindra eo amin’ny tantaran’i Madagasikara.

29 Marsa, andro fahatsiarovana, andro fandinihin-tena ho an’ny mpitondra sy ho an’ny olom-pirenena tsirairay avy, andro handrefesana ny fitiavantsika marina ny Tanindrazantsika sy ny vahoaka malagasy, andro hanehoana ny fanapahan-kevintsik a ho amin’ny hoavy.

29 Marsa 1947?. Andro nanokatra ny fotoana nitondran’ny Malagasy tia tanindrazana faisana noho ny fiandrandrany ny hiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, namoizany ny fahalalahany, eny ny ainy, satria tsy misy antony hihariana fananana sy fahalalana, eny fahendrena aza, raha mbola vahoaka voazanaka sy voageja. Tsy nahazaka izany ireo razantsika maherifon’ny firenena, ka naleony nisotro ny aleoko maty.

Toy izany koa isika ankehitriny, 29 Mars 2010.

Nitsidika antsika Andriamatoa Président Jacques Chirac tamin’ny taona 2005. Tamin’izany indrindra no nanambarany am-pahibemaso, fa « inacceptable », na « tsy azo ekena » ny fomba namoretana ny fihetsehan’ny mahery fo, tia tanindrazana malagasy tamin’ny taona 1947, nanoherana ny mpanjanatany.

Efa ela ny fifandraisan’i Madagasikara sy Frantsa. Nampiraisin’ny tantara, ny kolontsaina, ny fiteny, ary ny soatoavina isika. Firenena miteny frantsay isika, ary reharehantsika ny maha firenena mahaleotena antsika ihany koa.

Maro ireo teratany Malagasy monina any Frantsa. Mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny firaisan’ny fianakaviamben’ny firenena miteny frantsay izy ireo, na eo aza ny maha Malagasy azy manana kolontsaina hafa. Isika rehetra dia te hiaina araky ny soatoavina repoblikana lehibe fonoson’ny teny hoe: Liberté, égalité, fraternité, na fahafahana, fitoviana, firahalahiana.

Iaraha-mahita anefa ny manjo ny firenentsika ankehitriny. Voaosiosy ireo soatoavina ireo.

Tao anatin’ny 12 volana monja, dia niova tanteraka i Madagasikara noho ny nafitsoky ny fitondrana tsy ara-dalàna, nandrombam-pahefana herintaona lasa izay. Ilay Firenena nandroso tsara, efa nanomboka niroborobo iny, nitsitongana lasa fanjakan’i Baroa, potika, rava tanteraka noho ny krizy ara-politika, krizy ekonomika, ary sosialy. Lasa tany tsisy lalàna, hanjakan’ny hery pamoretana sy ny fanenjehana ireo mijoro, mitaky ny ara-dalàna.

Nihena ny famokarana. Very tanteraka ny fifampatokisana, na teo amintsika samy Malagasy, na teo amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. Lasa ny mpamatsy vola. Maro ireo orinasa nikatona, koa aman’hetsiny ireo tsy an’asa.

Mafy ny fiantraikan’izany amin’ny fiarahamonina sy ny isan-tokantrano. Tena mahonena. Tena mahaontsa ny mahazo ny fianakaviana maro. Ao ireo zara raha misakafo, ary marobe ny ankizy tsy afa-mianatra, satria tsy manam-bola handoavana ny saram-pianarana intsony ny ray aman-dreny.

Rava sy potika tanteraka ireo ala voajanahary sy ny tontolo iainana, izay nimatimatesantsika niaraka tamin’ireo mpamatsy vola sy ny firenena sakaiza.

Niray feo izao tontolo izao, nanameloka ny fandrobaham- pahefana nataon’olombitsy mitam-piadiana. Izay no nahatonga ny Vondrona Afrikana nampiatra sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo. Ny tanjona, dia ny hamerenana azy ireo, hanaja izay efa nifanekeny, ka nosoniavina tany Maputo sy tany Addis Abeba.

Voalaza tamin’izany, fa hiroso amin’ny fampihavanam- pirenena isika, na “réconciliation nationale”, ary hajoro ireo rafim-pitantanana isaky ny ambaratongany sy ny governementa iraisana, izay hanomana fifidianana malalaka sy mangarahara, iarahana manatanteraka amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena.

Izany safidy malalaka izany no hany lalan-tokana afahan’ny Vahoaka Malagasy mamaritra marina ny hoaviny sy ny hoavin’ny Firenena, fa tsy ny fanaovana amboletra, hiroso irery amin’ny fanapahan-kevitra, ka hanao saritsarim-pifidian ana akory.

Antenaina fa’i Frantsa sy ny Vondrona Eropeana, dia hiray hina amin’ny Vondrona Afrikana, hampiatra ny sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo.

Izay ihany no afahana mampanaiky ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo hamela ny Vahaoka Malagasy hisafidy ny hoaviny, amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka sy mangarahara.

Mandeha ny fotaona, ka arakaraky ny fahanginan’ireo mpitondra ao Paris sy ireo mpanapa-kevitra any Bruxelles no mampitarazoka ny fangirifirin’ny Vahaoka Malagasy, izay zara raha mahita hanin-ko hanina isan’andro.

Ny tantaran’ny fihetsiketsehena notarihan’ireo mahery fo tia tanindrazana tamin’ny taona 1947, dia mampiseho fa tsy maintsy tonga ny fahafahana, na eo aza ny hery mpamoretana sy ny fanenjehena.

Koa matoky an’i Frantsa isika. Tsy hangina faona eo akory izy, fa hiova ny fomba fijeriny. Ka samy hanaja sy handala ny fotokevitra fonoson’ireo teny hoe: “liberté, égalité, fraternité”, ary koa ny sata ijoroan’ny Repoblikan’i madagasikara, dia ny “ tanindrazana, fahafahana, fandrosoana”.

Manana andraikitra lehibe amin’ny zava-misy aty Madagasikara koa i frantsa, indrindra fa ireo mpitondra. Noho izany, dia manantena aho, manantena isika, fa hiray hina amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Président Nicolas Sarkozy amin’ny fampiharana ny sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo, na koa handray anjara mivantana amin’ny fanerena azy ireo, hanaja izay efa nekena sy nosoniaviny tany Maputo sy tany Addis Abeba, ka hanjaka eto Madagasikara indray ny soatoavina demokratika.

Mitodika manokana amin’ny Foloalindahy sy ireo mpitandro filaminana aho.

Tomponandraikitra voalohany amin’izao zava-misy izao ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana rehetra.  Tsy afa-miala isika, satria tsy diso ny teny faneva atao hoe: “Hoan’ny Tanindrazana”. Tandroka aron’ny vozona, ary kitro ifaharan’ny Firenena isika. Koa raiso ny andraikitra! Sahia!

Tsy misy tsy diso akory raha mbola eto an-tany. Ary ny mahatsiaro tena no afaka mandinika, sy mifamela. Ka tonga ny fotaona hirosoantsika amin’izany fifamelana izany, izany fifankatiavana izany, fandrindram- pihavanana, afahana miroso amin’ny fanarenana marina ity Firenena malalantsika ity. Samy tomponandraikitra isika mianankavy.

Ry Malagasy, Mpiray tanindrazana,

29 marsa 2010 ? Andro afahantsika mandinika sy mamakafaka ny zava-misy, ary andro afahantsika mandray fanapahan-kevitra. Amin’ny kiohon-dalana anankiray lehibe isika  ankehitriny, koa alao hery ary, ry vahoaka malagasy. Alao hery ary, samy tia tanindrazana isika. Ny fifamelana no zava-dehibe, koa miandry anao ny firenena. Miandry anao ireo taranaka ho avy. Manatrika anao ireo iray mehery fo…

Aza mandraraka ilo mby an-doha, fa isika izao no hoavin’ny Firenena. Mijery antsika izao tontolo izao. Miandrandra antsika ny firenen-drehetra eran-tany, nohon’ny fahendrena izay ananantsika Malagasy, noho ny soatoavina ananantsika.

“Mitsangana ry tanora, mitsangana k’aza manana ahiahy,

‘zao no andro sady ora, mijoroa, sahia tokoa ho lehilahy!

Sahia ho tena vehivavy!”

Homba antsika mandrakariva anie, Andriamanitra!

GTT Montpellier

29 mars 1947 / 29 mars 2010

63 taona izay ny 29 Mars 1947. Ady no natao hamerenana indray ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Ady no natao mba hiverenan’ny fahaleovantena Malagasy. Tratra ve anefa ny tanjona? Tanteraka ve ny nofinofy? Misy hilaza fa eny, misy kosa hanao hoe ‘Tsia, mbola lavitra ny làlana’.

Samy hanana ny fanehoan-keviny avy ny tsirairay, saingy ny iraisana dia ity ‘Madagasikara tokana no iaraha-monina, na raha tsy monina eto, dia Madagasikara tokana no nipoirana’. Inona no nentinao ho azy? Ny herin-tsandrinao ve ho fanabeazam-boho ny ambaindain’ny tsara efa ananany na tokony hananany mba hahalafatra ny fari-piainan’ireo Malagasy tsirairay monina ao? Sa ny herin-tsainao mba hanany fitoniana sy filaminana ka hiadam-pinaritra ny rehetra? Na koa ny vola amam-panananao ve mba hanasoavanao azy? Ianao no mahalala.
Enga anie ka mba ho nisy ny avy aminao na dia sombiny kely monja ihany aza, fa tsy ho sanatria ho isan’irony ‘mpitazana anjorony’ [spectateurs] fotsiny, ka ny ‘taim-bava’ sy ny famporisihana avy eny amin’ny ‘tribune’ no mafotaka, fa rehefa injay asaina mandray anjara tokoa, mba arotsaka an-kianja dia ‘tsy misy hapoaka’, na lasa ‘moana tampoka’ tsy mahita aloaky ny vava intsony sanatria.

Tsy ho lava ny resaka fa inty atolotra ho an’ny rehetra ny tononkalo iray nosoratan’ireo isan’ny ngeza lahy amian’izany, koa samia misaintsaina

29 MARSA 1947

Londolondon- draho-mainty no nanemitra ny lanitra.

Ny vony ‘zay namelana aza, nandosiram-pofo- manitra.

Na ny vorona mpitoetra sy mpisioka an-tendron-kazo,

Na ny ravina an-tsampaho: nitanondrika, nalazo,

Nanambara ny alahelony ireo maty tsy nandà

Sy ny ahitra aman-tany zary notinondra-drà.

Eny! Basy marovava no injao, nitatatata

Toa nanisa ireo nianjera, potraka ao anaty akata.

Ny hany re nanelingelina: horakoraka nisesy

Izay nataon’ireo tam-basy falifaly fa nandresy.

Hovitrovitr’olon’ ory no nafenin’ny kirihitra

Tao anaty feom-basy nilaza ady be narihitra.

Sentosenton- dreny tia ‘zay namoy ny matoany.

Kiakian-jazabodo, namoy ny rainy tanoloany.

Tolokolokon’olon- dresy, ‘zay voageja sy voagia,

Mitalaho indrafo…nefa, indrisy, sanatria.

‘zato endriky ny vohitra: rota sady sisan’afo.

‘reto endriky ny zaza: nandosiran-tsafosaf o.

Mason-dreny sesehena no lonaky ny ranomaso;

Lamosin-dehilahy koa, vaofin-kapoky ny ankaso.

Na izany aza anefa, samy mbola manantena

Ny handresy hatrany hatrany sy hanavo-pirenena.

Hery roa tsy sahàla no nifanandrina ombieny;

Basy no an’ny fahavalo…nefa izany tsy neken’

Ireo maherifon’ny Nosy…ny azy ny ainy no nomeny

Sy notànany ho ampinga, aron’ny fahareseny.

Nitompoany ny hery ananany, ary izany dia lazainy

Fa antoky ny fandreseny amin’ny ady ‘zay efainy;

Ka na lany fahana aza, fa ny ràny dia nihanaka!…

Io no hajariany ho solika hampahery ny taranaka.

Nomelohina tsy diso ireo Kiadim-pirenena,

F’izay nitaky fahafahana, novonoina, nohosena.

Firifiry akory moa notifirina tsy an’antra

Ka nanjarian’ny zazabodo ho kamboty sy nahantra?

Eny!…ny ràn’ireo namoy ny ainy no zary “soli-pahafahana” .

Ny nofon’ireo Maritiora, nanjary fàkany sy fàhana.

Ny tolokon’izy ireny, reraka sy nihararetra

No namoa ny fahafahana ho an’ny Malagasy rehetra.

Rajaonimaria Henri

Nodimandry i MEDICIS

Rehefa avy eny Antaninarenina ka handeha hody, omaly alina, dia nisy nanendaka teny akaikin’ny SOCIMEX, ka voatsindrona antsy avy any ivoho nitsatoka hatrany amin’ny fony ilay mpanakanto avy any atsimo, mpitendry accordeon antsoina hoe MEDICIS. Ny fiarovany ny vadiny no nitarika ny tsindrona antsy nataon’ireo mpanendaka azy. Nentina teny amin’ny HOMI ny lehilahy, saingy nanodidina ny misasakalina dia tsy tana ny ainy.

Maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviana sy ny
fianakaviamben’ny zavakano ny Gazety_adaladala

HJRA 26 mars 2010

Isaorana etoana aloha ny mpandray ny marary mila vonjy maika sy ny Cession Urgences (asa raha noho io sampana io hoe mampiditra ny vola ka avela ihany hiasa ihany!) fa dia misosa ny ao. Fa rehefa vita ny eo dia mahita ny kalvery (calvaire) amin’izay ny marary sy ny mpanaraka azy.

Tratry ny lozam-pifamoivoizana i R. Lantoxxx. Vita soa aman-tsara ny Radio sy ny plâtra tamin’ny tratrany. Niara-niditra tamin’ny zanako moa izy (izany hoe andro iray no nahatongavana tao amin’ny HJRA). Fandriana 11 sy berceau 1 no tao amin’ny efitrano nitambaranay. Ankoatra ny anay sy ny fandriana nisy an’i Lanto dia maro koa ireo ankizy tratry ny fahatapahan’ny taolana ao amin’io varavarana faha-300’ny toeram-pitsaboana lehibe eto andrenivohitr’i Madagasikara io. Samy nanana ny antony: nianjera teny an-tokontany, nianjera tamin’ny tohatra, navadiky ny fiara nitondra azy, nodonin’ny fiara, nanao fanatanjahantena tany am-pianarana, sns…

Rehefa samy nisedra ny fiandrasana ora maro mba hahazo ny fikarakarana tany amin’ny REA U ireo rehetra tao (satria tsy nisy tsy niaritra an’izay izay rehetra nohenoina) dia nisedra ny teny feno trerona ataon’ireo mpanampy na mpanadio trano sy ny sasany amin’ireo mpanosika fandriana.

Rehefa vita moa ny ao amin’ny REA U ka tafiditra amin’ilay lazain-dry zareo hoe ‘miakatra’ ianao, dia tokony hisy, aorian’ny fametahana plâtre amin’ilay olona tapaka,  ny fanaovana ny ‘radio contrôle’. Dia samy niandry ny anjarany avy ny rehetra. Voatondro ho androany zoma maraina ny maromaro tamin’ireo marary tao amin’ny varavarana faha-300 no tokony hanao ilay ‘radio contrôle’. Io no hamaritra ny fahafahanao mandeha mody na tokony hanohizanao ny fitsaboana sy fanaraha-maso eny anivon’ny HJRA (izany hoe tsy tokony hody ny marary raha ratsiratsy ny valin’io ‘radio contrôle’ io). Nandeha nidina namonjy ny toerana tokony hanaovana izany ny ankamaroan’ireo olona voatendry.

Minitra vitsy izay no lasa, indreny fa nitandrozotra niverina niakatra daholo ireo olona saika hanao ‘radio contrôle’. Ny antony ve? Nahazo valinteny tsy mendrika avy amin’ireo tomponandraikitra tany ambany.

Tsy manao ny ‘contrôle’-nareo izahay fa mbola manao grevy. Ny urgences ihany no raisinay. Tsy mandray anareo izahay raha tsy mivaly ny fitakianay. Izay  te-hanao ‘radio contrôle’ dia afaka mandeha manao izany any ivelany any. OSTIE, JIRAMA sns… Izay tianareo

Koa satria te-hivoaka haingana an’ity ‘helo’ iray eto an-tany ity ny maro dia nisy ny nandeha nitsapa ny halalin’ny rano tany ivelany tany. Isan’ireny ny fianakavian’i R. Lantoxxx. Niverina sanganehana anefa satria ny hohanina aza mila tsy haharaka, nefa ny zavatra naleha koa, raha tiana ho vita, dia mbola handoavana Ar 14.000 be izao raha OSTIE, Ar 9.000 raha JIRAMA. Tezitra ny anadahin-jaza izay miahy mivantana azy ka nahateny fa

mpitsabo tsy vanona tsy misy ilàna azy. Tsy izaho mihitsy no ampifilafilaina amin’izay ‘radio’. Ahorony ny entana dia andao handeha hody. Grevy aho, grevy. Hita mihitsy hoe olona tsy nanao fianianana tokoa.

Talohan’io tokoa mantsy dia efa niresadresaka izahay samy mpiandry marary tao, ka nifampita vaovao teo ny amin’izay mba fantatry ny tsirairay. Nandritra izany no nifampizarana ny hoe

ny tsy fantatry ny maro anie dia tsy nisy intsony ny ‘fianianan’i Hypocrate’ nanomboka tamin’ny taona 2005 e! Tsy mahagaga raha tsy mahatsapa ny lanjan’ny aina ny ankamaroany ary tsy miraharaha sy tsy mametraka ny lanjan’ny soatoavina Malagasy manao hoe ‘izay marary andrianina‘ ry zareo

Tsy niandry izay mpitsabo mpanao fisafoana isan’andro intsony araka izany ireto ankohonana kely fa nolanjainy ny entan-keliny dia iny ry zareo no lasa. Nihanahana fotsiny ny eran’ny trano, hatramin’ny mpitsabo rehefa nilazana fa lasa tsy nila fifampiraharahana ny teo amin’ny fandriana faha-7. ‘Evadé’ no nanasokajian-dry zareo azy ireny ary nolazain’ilay tao amin’ny biraon’ny ‘major de service’ fa tsy tompon’antoka amin’izay miseho any intsony ny hopitaly. Tsy izy irery anefa no nanao toy izay fa na ny teo amin’ny farafara faha-5 koa aza dia efa nanao tari-dositra ny marainan’ity zoma 26 mars 2010 ity koa. Ny antony dia satria efa andro maro ry zareo no tao ary nilazàna fa mbola misy tsy mety kely ao amin’ny tànan-janany ka ilàna vola hatramin’ny 750.000 Fmg na Ar 150.000, ny fanaovana an’izay. Rehefa nasain’ireto olona ireto nojeren’ny mpitsabo hafa anefa ny ‘radio’ natao tamin-janany (izay marihana fa mpitsabo ao amin’ny HJRA ihany) dia nilaza kosa io fa tsy ‘grave’ ary tsy mila an’izay fitsaboana fanampiny izay ilay tànan-janany. Tsy inona io fitsaboana fanampiny io fa ny hoe hasiana vy any amin’ny taolan’ilay zaza.

Fa efa miresaka an’io vy io ihany isika, dia anisan’izay nilazana an’io koa izahay. Soa fa efa niresaka mialoha ny rehetra (karazana latabatra boriborin’ny mpiandry marary no misy rehefa tsy eo ny mpitsabo sy ny mpisafo) ka efa fantatray mialoha ny sangodim-panina fanaon’ny sasany ao amin’ilay toeram-pitsaboana. Raha alarobia ny zanako no niditra tao (tamin’ny 11 ora antoandro) ary tsy nahazo ny taratasy fanomezan-dàlana hiakatra any amin’ny fandriana tokony hisy azy raha tsy tokony ho efa tamin’ny 5 ora hariva, dia zara raha nisy mpikarakara nandritry ny marainan’ny andro faharoa. Ny tolakandron’ny andro faharoa vao nisy ny fijerena ilay zaza sy fampividianana carnet ary cahier 50 pages + vovon-tsavony. Tsy nisy izay mba totory ravina natao momba ny tokony hotandremna, na ny sakafo sahaza tokony hohanina mba hanafaingana ny fahasitranana sns…(Mahatsiaro ny eny amin’ny HOMI aho amin’io, nahazo izany mantsy izahay teny tamin’ny fotoan’androny)

Tsy mba anisan’izay voateny hanao ilay ‘radio contrôle’ mihitsy izahay hatramin’ny harivan’ny andro faharoa io. Rehefa izany dia nanapa-kevitra aho ny hanatona ny ‘major de service’  nilaza tamin’ny ny zava-misy sy ny mety hangatahanay famindran-toerana (transfert) ho eny amin’ny HOMI Soavinandriana. Nitsotra ilay mpitsabo, fa

ny olana anie ramose dia izahay te-hitsabo e. Satrinay ho vita daholo ireo ankizinay ireo, saingy ireo tokony hanampy anay dia iarahantsika mahita fa ireo mitokona ireo. Dia tsy misy azonay atao mihitsy. Indrindra moa fa raha resaka mila fandidiana ilay mahazo ny zaza.

Isaorana manokana etoana kosa ireo mpianatra ho mpitsabo manaraka ombieny ireo mpisafo hitanay nanomboka ny harivan’ny Alakamisy. Tena nanao izay ho afany sy tamin’ny fony na dia tsy isan’irony nanao fianianana aza. Maromaroa ny tahaka azy ireny. Nisy tamin’ireny ankizy mpianatra ireny no nahavita ny anjarany ary tsy nahavita nandao ny toerana niarahany niriaria tamin’ireo ankizy raha tsy tonga niserana nanao veloma ny farafara tsirairay nokarakarainy Tao anaty tarehy miramirana sy falifaly no nisarahana tamin’izy ireny.

Nanapa-kevitra aho noho ny resaka tsy fijerena loatra ny marary voalazako tery ambony, sy tohin’ny resaka nataoko tamin’ny ‘major de service’ rehefa naheno tamina mpitsabo mpanao fisafoana iray nilaza tamin’ny vadiko nanao hoe

omena safidy ianareo ,

1* na atao plâtre dia miandry ‘radio contrôle’ avy eo hijerena na nety na tsia, dia mandeha mody na mijanona arakaraky ny valiny eo. Na,

2*  asiana ‘vis’ ny tongotr’ilay zaza

Nolazaiko azy ireo ny fanapahana noraisiko ka hoy aho hoe

Asio plâtre ny tongo-janako, dia omeo ‘billet de sortie’ izahay hitondranay azy mivoaka ny HJRA. Tondroy mazava ny andro tokony hanaovana  ‘contôle’ dia miverina izahay amin’izay fotoana izay

Dia natao tokoa ireo. Fa nifanindran-dàlana tamin’ireo dia efa niresaka tamin’ny mpitsabon’ny orinasa ihany koa ny vadiko ny amin’ny hanaovana transfert, na izay mety ho fanohizana ny fitsaboana.

…Tonga soa aman-tsara aty an-tokantranoko ny zanako. Saingy ny saina aman’eritreritro dia any amin’ny varavarana faha-300 mandrakariva. Mahatsiaro ireo fianakaviana kely efa tao sy mbola hijanona ao noho ny tsy fananam-bola, ary indrindra fa ilay zazavavy kely voahitsaky ny fiara tsy asiana plâtre satria mahantra reniny. Indrisy fa raha nisy izay azoko namonjena azy taty amiko, dia ho nataoko tokoa izany. Zazavavy kely tokony ho roa taona eo izy ary ny feny no tapaka raha ny filazan’ilay reniny. Tsaroako manokana eto koa ilay zazalahikely sy ny reniny zary lasa mpiandry tanana ao amin’ny varavarana faha-300 noho ny tsy fanananm-bola sy ny hoe

tsy misy bloc operatoire azo andraisana an’ilay zaza

na noho ny mpitsabo mpanampy mitokona.

Ho anareo rehetra ireny, Andriamanitra mahita ny mahazo anareo, ary Andriamanitra koa mahita izay nanao izany taminareo.

Misaotra an’ilay ramatoa nanolo-tena nanadio ny WC iraisana? Henatra ho an’ireo nilaza azy ho nahita fianarana ny fihetsikao satria ianao avy any ambanivohitra lavitra any no nanome anatra sy fitaratra ho an’ireo be galona (aiza ka ianao mbola manasa gabone dia ny sasany mihevitra ny tenany ho manampahaizna sy ambony noho ny hafa efa tonga sahady hanary maloto, ka nony tenenina dia hoe

aleo alefako fa omeko Ar 100  ianao manadio azy

Izany no teo-tsaina rehefa zatra manambany olona. Izany koa no vokatry ny tsy fandraisana andraikitra na fanomezana vahana be loatra ireo mpikarakara sy mpanadio ny toeram-pitsaboana izay zary lasa patirao be ao amin’ny tanàna. Sahy mibetroka sy mandrahona mpiandry marary mihitsy aza moa ny sasany. Mahavita misintontsintona mpiandry marary rehefa misy ny tsy mazavazava sy tsy mifanaraka amin’ny sainy. Aiza ko andro misasakalina dia misy mpiandry marary asaina mivoaka mankany an-tokontany fa hoe tsy manara-dalàna. Oadray leiretsy e!!! Mba saino ihany ny zavatra atao e! Nefa anie ilay rangahy be ka avy any Ambatomanoina ny iray ary ilay iray hafa kosa avy any Tsiroanomandidy e. Misy mantsy indraindray ny marary tapa-tongotra toy ny an-janako, mila olona roa vao afaka mikarakara azy (rehefa hipipy ohatra ilay marary na hi-kaka) Sa ianareo mpiandry raharaha ao amin’ny alina afaka hifanampy amin’ilay mpiandry marary hibata na hamafa ny maloton’ilay marary. Aza mba miseho ho hentitra amin’ny azo andeferana rangahy fa maha-romotra a! Fantaro aloha ny antony dia avy eo mibedy raha tokony hibedy fa tsy tonga dia miseho hoe izaho no afaka miteny fa ianareo kosa mangina. Tsia dia tsia a! ‘Tsy ang aty‘ hoy ny fiteny an! Tsy hoe rehefa mba manana fahefana kely dia mibontsimbontsina eraky ny lalantsara sy n y efitrano. Azafady an! Tsy ny resa-politikanareo no hamonoana alona.

Nisy tranga henjana be hitako sy natrehan’ny masoko niseho tao amin’ny REA U saingy mitady ny sehatra azoko anehoana an’izay aho ankehitriny.


(camera cachée mikasika ny fialan’ny hopitaly raha sendra mandositra ny marary)

Protégé : HJRA 24 mars 2010

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Antaninarenina: fanafihana tsy tafita…

Andro antoandro be nanahary. Tsy nisy nanampo na inona na inona. Tampotampoka teo, nirefotra ny basy. Roa no nitsirara tamin’ny tany. Iray azo sambo-belona ary nisy ny tafaporitsaka.


Raha ny filazan’ny GIR nanao ny opération teny an-toerana dia izany Lova kely izany ny iray tamin’ireo lavo. Ary mbola fantarina kosa ny amin’ilay miakanjo mena.


Voalazan’ireo teny an-toerana nanatri-maso ny fiandohan’ny tantara fa namaly sy ‘ni-birda’ ilay miakanjo mena ary niafara tamin’ny tifitra avy amin’ny polisy izany (version N°1 io). Rehefa nojerena ny tao anaty sakaosy dia nahitàna PM sy chargeur feno hipoka ary puce telephone portable iray. Ankoatra an’io dia nisy karazana karatra ihany koa izay tsy hay na karatra momba ny inona na momba ny inona. Feo teny an-toerana ihany koa no nilaza fa raha tena nampiasa ilay basy teny aminy ireto olona ireto (raha nanana fotoana) dia maro no tavela teo Antaninarenina satria mety hanao tifitra variraraka avy amin’ny PM teny aminy ry zareo. Ary dia ‘hihinana’ avokoa hatramin’ny mpandalo sy ireo mpivarotra amoron-dalana.

Voa teo amin’ny masony ilay miakanjo mena, raha teo amin’ny lohaliny sy ny tratrany kosa ilay ‘Lova kely’.

Rehefa nanontaniana moa ireo polisy roa azo nanontaniana teo an-toerana (isan’ny nandray anjara tamin’ny fanakanana ity fanafihana mitam-piadiana ity), dia samy nanana ny filazany. Ny iray nilaza fa ny ‘Rishi-or’ no saiky hotafihana, ary ny iray hafa nilaza fa ny ‘B.O.A’ no saiky hapoakan’ireto andian-olona ireto (version N°2 io).

Tsy mbola voafaritra mazava araka izany izay tena tanjona farany saika halehan’ireto andian’olona nitam-piadiana ireto. Fa ny hita dia teo anoloan’ny Rishi-Or izy roalahy no tapitr’aina. Andrasana araka izany ny filazana ofisialy avy amin’ireo mpitandro filaminana.


Ny tena nahazendana ny rehetra dia ny fahasahian’ireto olona ireto nirotsaka hanao operation eny Antaninarenina, izay tsy lavitra ny toerana misy ny FIS ary feno mpitandro filaminana miaro ny lapa. Fanehoan-kery ve no saika hatao sa zavatra hafa mihitsy? Itony angamba no tonga amin’ny lazaina hoe ‘Mangarom-biby an-davaka’.

Fa ny version N°3 izay azo rehefa nilamina tsara ny tanàna dia ity: Efa hatrany Antsahamanitra tany no mety ho nanarahan’ny GIR azy roalahy ireto, nisy ny nihainohaino teny an-jaridainan’Antaninarenina ka rehefa nahita fa efa fantampatatry ny polisy ny operation kasaina hatao dia niala ny zaridaina ary nifanenjehana, fa rehefa teo anoloan’ny Rishi-Or Antaninarenina vao voasakana. Nasaina nandohalika hoy ilay nitantara ka nosavain’ny iray tamin’ireo polisy taty amin’ny sisin-dalana ny sakaosy. Ny polisy iray kosa nanambana basy avy ary amin’ny arabe. Rehefa nilaza ilay nisava fa basy no tao anatin’ilay sakaosy dia nifandimbiasan’ireto polisy roalahy ireto ny fitifirana azy roalahy, izay marihin’ilay mpitantara fa efa nasaina nandohalika teo amin’ny arabe, teo anelanelan’ireo fiara nijanona teo. Raha ity version N°3 ity izany no jerena dia tsy nisy mihitsy ny resaka fifampitolomana voalazan’ny version N°1.

Mbola samy miandry izay hambaran’ny polisy amin’ny alalan’ny TV sy ny Radio indray e!

Ny nampalahelo tamin’ity raharaha ity dia tsy nisy fanadiovana ny sisin-dalana feno rà fa niandrasana ny oram-be io tolakandro io izany mba hiverenan’ny fahadiovana. Na teo aza anefa ny oram-be dia tsy nisy nitsimpona kosa ireo taim-bala nitifirana azy roalahy fa mbola teo an-toerana foana. Nefa raha ny firesaky ny polisy hatr’izay dia tsy maintsy vidian’ny fianakaviana ny isan’ny bala lany vao azo ny razana. Inona ar no marina amin’io?

Misy mantsy mametraka ahiahy ny amin’ny antony namonoana azy roalahy ireto raha ny mpitazana teny an-toerana.

Vaovao farany: Araka ny voalaza tamin’ny TV Plus io hariva io dia naman’i Dorrick ireto jiolahy voatifitra teny Antaninareinina ireto. Basy PM MAc 49, sy bala roa no teny amin’izy ireo. (nefa raha ny hitan’ny masoko aloha dia toa fenofeno ihany ilay izy)

Mitomany an’i Kamba kely ny foko(2)

Herintaona omaly maraina ny 19 mars 2009.

Tsy ny krizy politika ihany no tsaroan’ny gazetyadaladala, fa ny namoizany koa ny zandrikeliny Kamba. Tsy asiako resaka betsaka fa maro tamin’ny mpanaraka ny gazety no nahalala ny aminy. Nefa ho an’izay tsy nahafantatra kosa dia fampahatsiahivana tsotra no atao:

Zazalahy kely tratry ny aretina saropady tany amin’ny lohany tany izy. Nonina tany Mahajanga. Nanaovan’ny mpitoraka blaogy Diana Chamia antso avo teto amin’ny ateineto mba hahafahana mitsabo azy. Niara-nientana ny rehetra, na ny teto Madagasikara, na ny tany ampita, ka vory ny vola nilaina. Nentina niakatra an’Iarivo izy ary tao amin’ny HJRA no notsaboina. Vita soa aman-tsara ny fanadidiana natao. Niverina nody tany Mahajanga izy. Tany no notohizana ny fanaraha-maso. Saingy hafa ny sitrapon’Andriamanitra ka nalainy nodimandry izy tamin’io 19-03-2009 maraina io

Tamin’io andro io indrindra no nanoratako teto ny lahatsoratro mitondra ny lohateny hoe « Mitomany an’i Kamba kely ny foko »

Mahatsiaro manokana an’i Viviane kely anabaviny ny tomponandraikitry ny gazetyadaladala amin’ny vaninandro toy izao. Io no ilay kambana aminy. Efa lehibe sy matanjaka tsara ary mikarenjy eraky ny tanàna i Viviane ankehitriny