#MALOK’ILA (13) PATSA IRAY TSY OMBY VAVA

Sarimihetsika malaza ary saika ezahana vokarina aminà andiany samihafa ny MALOK’ILA. Tsy misy maharatsy an’izay, ary ny hanandratra ny an’ny tena aza no mila ilofosana sy tsara atosika mba ho reharehantsika rehetra.

Indro kely anefa, asa fa indraindray tokoa toa sarotra ny mihazona laza na toerana iray mandritra ny fotoana maharitra. Atahorana ho izay no hitranga raha ity zavatra hita tetsy Ambohijatovo ity no hitohy. Efa fanindroany io fa tsy vao izao. Tsy tadidy na efa navoaka teto ihany ny teo aloha, na ity fanindroany no voalohany hotantaraina.

TSIKY SY TOMANY

Tsotra ny anton’ity lahatsoratra ity. Raha fahafinaretana sy tsikitsiky eo anivon’ny fianakaviana sasany no entin’ny sarimihetsika MALOKILA hatramin’ny nivoahany, dia mba araho daholo ny sary havoaka manaraka eto, satria mety ho ny tsikin’ny sasany, no ho tena MALOK’ILA ara-bakiteny ho an’ny sasany kosa raha sanatria mitranga ny PATSA IRAY TSY OMBY VAVA. Nahoana angaha hoy ianareo?

Eo aminà kihon-dàlana faran’izay tena mampidi-doza no nametrahana ny tranokely fampahafantarana sy famarotana ny vokatra MALOK’ILA an’ny #Scoop Digital. Ny zavatra mahagaga dia misy polisy mpandamina fifamoivoizana eo akaiky eo, fa tsy miraharaha ny eo amin’io faritra io mihitsy. Aleony mijoro ery akaikin’ny tsangambato (an’ny Baiboly angamba izy io) ary dia, na miresaka amin’ny mpamily Taxibe, na mitazana ny any Analakely. Ny tena naka ny sary indray aza no nanaovany tsiky mandreraka. Tamin’ny famarotana ilay andiany teo aloha, teo amin’ity faritra ity ihany, dia nezahana natao ny naka ny hevitr’ilay mpandrindra fifamoivoizana teo tamin’izany fotoana. Ny valinteniny dia hoe:

Aleo eo fa eo no fantany fa mety

ARAKA NY KARAMA RAISINA VE?

Raha izany, tsy fandaniana ny hetra aloanay sy ny volam-bahoaka amin’ny ankapobeny ve ny fanomezana karama an-tapitrisa an-dry zalahy ireny? Tsy ny eo ihany an, fa rehefa mpitandro fiaminana mandrindra fifamoivoizana amin’ny ankapobeny mihitsy. Tsy ahitàna faritra, na iray aza, eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara, ka hoe milamina sy mirindra ny fifamoivoizana amin’ny toerana be mpivezivezy. Mibaby tànana no ataony. Marina fa mba mampihena ny tsy fifanajan’ny mpamily ny fisian-dry zalahy rehefa eo izy, fa hita ho tsy sahaza ny karamany kosa ny vokatra sy ny fihetsika hita eny amperin’asa eny

TSY IZAHO ILAY BANDY

Hiverenana ny horonantsary MALOK’ILA. Asa raha sampana ara-barotra hafa mihitsy no miadidy ity tranolay kely etsy Ambohijatovo ity, na ny mpamokatra no tompon-kevitra tamin’ny fametrahana azy io teo. Fa raha ny fijery azy amin’ny saina tsy miangatra dia fanaovana tsinontsinona ny mpamily sy ny mpandefa an-tongotra ilay izy. Toy ny miteny hoe:

Aleo ho avy izay ho avy, rehefa tsy izahay no voa dia tsy olana.

Izany hoe vain-drahalahy tsy mba maharary raha sanatria misy loza mitranga eo noho ny tsy fifankahitan’ireo avy any Ambohijatovo ambony sy ny avy any Ambondrona, rehefa hifanapa-dàlana.

Lava loatra ny resaka fa ndeha ny sary no hampitenenina

ny trano hazo fivarotam-noky hatry ny ela iretsy ambadik’ilay tranolay manaMALOK’ILA ny làlan’ny daholobe

nalaina avy aty aloha ity fiara ity dia alaintsika avy any aoriana indray avy eo

toy izao ilay 4X4 rehefa alaina avy aty aoriana. Ilay R12 koa jereo tsara fa sahirana vao hahita na misy na tsia ny midina avy any ambony, ny avy any ambony ho sahirana mahita ny avy aty amin’ny haviany

Aiza ve ka ao anaty tournant X tsy ifampitazanana no asiana an’izao, Tena MALOKA TANTERAKA ity fa tsy MALOK’ILA intsony

Maty i Joe Smokin Frazier

Tany aminì’ny taona 1975 tany dia ireto no zavatra isan’ny tsy mba adinoko: ny anarana Cassius Clay, Joe Frazier, Dédé Rats (ndao ampio ….mba hanatanteraka fa…)… sy ny boky mena

Tamin’izany taona izany aho no efa nankafy nanaraka ady totohondry sy ireny fanatanjahantena somary mahery setra ireny tamin’ny fahitalavitra. Mainty sy fotsy no tao amin’ny renibeko tamin’izany fotoana. Ary mbola ireny mamnpiasa lampe ireny fa tsy toy ny ankehitriny efa circuit integrés sns….  Tamin’izany no tena mba nahatsiarovako ity anarana iray ity ‘Zo Fraziry’,, tsy mbola hay tamin’izany izay fanoratra azy, fa taty aoriana vao nanitsy tena.

Olo-nalaza tamin’io sehatry ny ady totohondry io, efa tompon-daka olaimpika sy tompon-daka erantany tamin’ny sokajy mavesatra tany amin’ny taona 1970, ary nifanandrina tamin’i Mohameda Ali. Ny Alatsinainy teo  i Joe Frazier, no nodimandry tao Etazonia teo amin’ny faha-67 taonany rehefa avy nararin’ny homamiadan’ny Aty. Avy any Caroline Atsimo izy.

Ny ringa nifanandrinany tamin’i Mohameda Ali no isan’ny nanamarika ny vanim-potoanany sy nampiditra azy ho tao anatin’ny tantaran’ny ady totohondry erantany, tamin’ny 8 martsa 1971, tao amin’ny ringan’i Madisun Square Garden, New York. Feno hipoka ny toerana ary efa niedinedina tao i Mohameda Ali niandry azy mbola nanantena handrombaka fandresena hatrany.

Nifandimbiasan’i ‘Zo Fraziry’ sy Mohamed Ali teny foana ny fehikibo naha-tompondaka. Sady mpivahalalo izy roalahy ireto no mpifanaja ihany koa.

ity ny iray amin’ireo ady nifanandrinay tamin’i Mohammed Ali

Zendana izao tontolo izao tamin’io 8 martsa 1971 io fa samy nanatrika mivantana ny toto afo nahazo an’i Mohamed Ali sy ny nandresen’i ‘Zo Fraziry’ azy tany amin’ny fiverenana an-tsehatra faha-15 rehefa tratry ny totohondry mihodin’ny tànana havian’ity farany ka nitsirara teo ambony sehatra.

Io no andro lehibe indrindra teo amin’ny fiainany, tsy hoe fotsiny noho izy nahazo fandresena fa nahazoany koa ny toerana misy azy teo amin’ny fiarahamonina sy ny fanajàna mendrika azy.

Fandresena 26 no azony nadritra ireo fiakarany ringa ka ny 23 tamin’izany dia tamin’ny alalan’ny fampiatoana ny lalao avokoa, na K.O

Mandria am-piadanana Steve Jobs

Nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany i Steve Jobs, PDG Apple, rehefa nitolona tamin’ny homamiadan’ny Pancreas nandritra ny fotoana maharitra.

Teraka ny taona 1956 izy , ary tsy mba notezain-dray sy reny, fa nomena hatsangan’olon-kafa kosa (Paul sy Clara Jobs ). Rehefa izany dia ireto farany no nanome anarana azy sy nanabe. Tany Mountain View sy Cupertino, toerana misy ny foiben’ny Apple izy no lehibe.

Fantatra amin’ny kiriny sy ny fihenjanany i Steve nandritra ny androm-piainany sy ny tontolon’ny fandraharahana nirotsahany.

Bandy tsotra fitafy, nefa mitaky mandrakariva ny hatsaran’endriky ny zavatra nataony.  Steve Wozniak no niara-niasa taminy nanangana ny Apple tamin’ny taona 1976. Raha vao miresaka iPod, iTunes sy, taty aoriana kely, ny iPhone sy ny iPad, ny Macintosh , NeXT, Pixar izay namidiny tamin’i Disney tamin’ny 2006, ilay sarimihetsika Toy Story »  nivoaka tamin’ny 1995,  dia tsy misaraka amin’ireny  koa ny  anaran’i Steve Jobs. Isan’ny olona nampivoatra tanteraka ny tontolon’ny teknolojia sy ny resaka finday ilay rangahy iny fony fahavelony.

Efa niomana ho amin’ity andro fitsaharany ity ihany izy raha n y teniny nataon’ny nanolona aireo mpianatra maro tamin’ny taona 2005 no dinihana

hoy izy tamin’izany:

« Me rappeler que je serai mort bientôt est l’outil le plus important que j’ai jamais trouvé pour m’aider à faire les choix importants dans ma vie. Car presque tout (toutes les attentes externes, toute la fierté, toute la peur de l’embarras ou de l’échec) disparaît face à la mort, ne laissant que ce qui est réellement important. »

Ny fahatsiarovako fa ho faty tsy ho ela aho no fitaovana manan-danja indrindra manampy ahy hanao safidy goavana eo amin’ny fiainako. Satria saika ny zavatra rehetra mihitsy […] no tsinontsinona manoloana ny fahafatesana, ary tsy mamela afa-tsy izay tena manan-danja

Namela mananontena iray (Laurene Powell) sy zaza telo hary tao anaty tokantrano ara-dalana izy (Reed,  Erin,  Eve), ary zaza iray hafa ivelan’ny trano (Chris-Ann Brennan), zanaka iraisany amin’ilay mpiray sekoly taminy (Lisa ) . Ary indrindra fa ireo mpiasa miisa 49.000 niaraka taminy.

Raha te-handefa fiaraha-miory amin’ireo fianakaviany sy mpiara-miasa dia azonao atao izany amin’ny alalan’ity adiresy mailaka ity

 rememberingsteve@apple.com

Harry Potter Misikidy Amin’ny Teny Malagasy

Be mpitia tokoa raha ny horonantsary ahitàna ilay boay kely mpanao majika (magie) Harry Potter sy ilay sipakely namany Hermione. Tsy tara amin’izany ny Malagasy. Saingy mba nahalala ve isika Malagasy fa ilay teny ampiasain’ilay ranamana iny rehefa hamoha varavarana dia TENY MALAGASY avy amin’ny faritra Sakalava any?

Nanontany tena tokoa mantsy ny maro tamin’ireo mpankafy, ary dia nanototra fanontaniana ny mpanatontosa azy iny ny amin’izay dikan’ilay teny tononiny isaky ny hamoha varavarana mihidy. Hoy izy hoe ALOHOMORA.

Teny nindramin’i J.K. Rowling avy amin’ny fanaovana sikidy Malagasy izy io (sorcellerie hoy ny vazaha). Iray amin’ireo 16, fomba fametraka ny vaton-tsikidy. Ary ny Signe Zodiacal BELIER no mifanandrify aminy.

Tany aloha dia sidiki no noeritreretin’ny mpanoratra ho niavian’izy io, ary avy any Afrika Andrefana, saingy tsy araka izany rehefa natao ny fikarohana sy ny fandalinana, fa hay ny sikidy Malagasy no tiany holazaina.

Nanamafy izany ny famoahana nataon’ilay Akademisiana Malagasy J.C. Herbert nivoaka tao amin’ny ‘la Revue de Madagascar’, izay azo ampifandraisina tsara amin’ny fampiasà-dry Harry Potter ilay teny, hamahana varavarana mihidy toy ny mpangalatra.

Tany amin’ilay horonantsary Harry Potter à l’école des sorciers (1997) no nampiasàna voalohany io teny Mlagasy ALOHOMORA io.

Azo lazaina fa Mpisikidy / Ombiasy izany i Harry Potter raha teto Madagascar. Tsara mba mandalo aty ilay zalahy iny mijery ny tany niavian’ny tenim-pahefany.

The Meanings of the 16 Figures of Sikidy

MPANJAKA (Princes) ANDEVO (Slaves)



Taraiky
This figure signifies solitude, death, a journey. Thinness. South.
(European name: Via)



Alahijana
King, strength, good for marriage and foundations of houses. Presence of a woman/women, presage of death. South.
(European name: Laetitia)



Asambola
This figure denotes abundance. South. Also: Asombola
(European name: Populus)



Betsivongo
Spouse. Stubbornness, tears, heals swellings. North. Also: Alisay, Betsimisay, Alikasajy
(European name: Tristitia)



Adabara
This figure symbolises fire, as well as the Creator and that which is most sacred. East. Also: Adabaraha
(European name: Fortuna Major)



Alakarabo
Sign of robbers and misfortune, workers and harvests. West.
(European name: Puer)



Alahasady
Represents chiefs and the elderly. Pride and domination. Food and anger. South.
(European name: Fortuna Minor)



Alikisy
Brings riches, good for matters of love, a favourable day, land, the Earth. West.
(European name: Puella)



Alohotsy
Money but also misfortune. Good for legal issues. Chief/boss or child. Wit. Wounds. West.
(European name: Acquisitio)



Alabiavo
Joy, the presence of a ghost, riches, clothes, jewels. North.
(European name: Rubeus)



Adalo
Tears, land, protects against enemies, boss, child. North.
(European name: Amissio)



Alohamora
The diviner, the crowd, heartbreak, favourable to thieves. East. Also: Alaimora, Alahamora
(European name: Albus)



Alotsimay
This figure signifies slaves, bad thoughts, weights and measures, protects from thieves and enemies. East. Also: Alatsimay
(European name: Conjunctio)



Alakaosy
Evil thoughts, arguments, trials, bad destiny, wars, children. West.
(European name: Caput Draconis)



Alokola
Protects from vagabonds, signifies the house and food. West.
(European name: Carcer)



Karija
Slaves, cold words, a type of fate. North.
(European name: Cauda Draconis)

The Chart
Renin-tsikidy

4 3 2 1












5
6
7
8
























9 10 11 12 13 14 15 16