#M21112 / Gl Ravalomanana Richard sy ny tarehi-marika

Tsy aritro ny tsy hanoratra ity zavatra ity rehefa avy nihaino ny fanazavan’ny Gl Ravalomanana momba ny tarehi-marika mikasika ny maty sy ny naratra nandritra ny hetsika teny #Ivato tamin’ny Sabotsy 21 Janoary 2012 lasa teo teto #madagascar

Raha olon-kafa no nanangona ny vaovao momba ireo isa navoakako, dia mety  ho nisalasala ihany aho hamaly, saingy hatreto dia niezaka foana namoaka izay niainana sy hitan’ny maso ny tena, koa dia entiko ity lahatsoratra ity ho fanitsiana ny isa izay naroson’ingahy Gl Ravalomanana. Mino aho fa misy ny telephone azony iantsoana tsara ny Hopitaly Loterana, na azony atao koa ny manantona mivantana eny manamarina ny arosoko etoana.

4 no niditra tao amin’io hopitaly io ny Sabotsy hariva hatramin’ny 7ora hariva latsaka nialako teny, ka toy izao no fizarazaran’izy ireo:

1 sempotry ny entona

3 naratra ka vehivavy ny 2 ary lehilahy ny iray

Amin’ireo naratra ireo dia i Mme Olivia no vehivavy voa teo amin’ny lohany, ary ilay vehivavy monina eny 67 Ha no vehivavy faharoa ka teo amin’ny ranjony no voa. Samy voatery nozairina daholo ireo olona ireo. Farany dia ilay lehilahy voa teo amin’ny hato-tànany.

Indro avoakako eto amin’ny sary daholo izany rehetra izany ho porofo.

Zendana koa aho nahita ny lohateny tamin’ny gazety MIDI Madagasikara omaly nilaza fa 2 no naratra, 1 maty, 7 voasambotra. Dia gazety azo lazaina fa isan’ny goavana sy zokiny toy ireny ve no hanao hadisoana toy izany, ka tsy mba hanadihady tsara sy hanangona ny vaovao araka ny tokony ho izy? Somary nitsiky vendrana ihany ny tena nahita an’izay no sady nieritreritra ny hoe: « Enjehina ery ny olon-tsotra sy bilaogera toa anay rehefa manangona vaovao, ka lazaina fa tsy ao anaty rafitra, noho izany dia tsy tokony hijabaka amin’izany fanangonam-baovao izany », nefa voaporofo tamin’iny indray mitoraka iny fa mbola manana ny toerany sy tsy azonareo matihanina ireo tsinontsinoavina ny bilaogera sy ny media sosialy.

Ireto ary ny sary nampanantenaina

Mme Olivia, tsy navelan'ny vadiny halaina sary akaky, teo am-pandraisana azy tao amin'ny hopitaly

ilay vehivavy avy any 67ha voa teo amin'ny ranjony

ilay lehilahy voa teo amin'ny hato-tànany

ity kosa ilay lehilahy sempotry ny entona, mameno ny isa ho 4

Kiraron'ilay vehivavy avy eny 67ha

kapoaka matevina nandefasana ny entona, niantefa teny amin'ny lohan'ny iray tamin'ireo vehivavy naratra

Publicités

#Guantanamo 10 taona Tsy an-kiteniteny

loharano nahazoana ny sary

====> http://www.facebook.com/disobedience

Folo taona androany ny fonjan’i Guantanamo. Tsy hasian-teny betsaka fa aleo ny sary no hilaza azy aloha anio. Mety mbola hisy ny fotoana hitondrana azy amin’ny teny Malagasy

COSFA – RUGBY nisetrasetra teo Andravoahangy

Zavatra natrehin’ny maso ity tanisaina ity.

Niampita tamin’ny faritra tsy tokony hiampitàna eo amin’ilay boribory manoloana ny paositra Andravoahangy io ireto 3 lahy avy amin’ny COSFA, anaty fanamiana maha mpanao RUGBY azy mihitsy zalahy amin’io, survet fotsy ambony ambany. Nisy moto nihodina tamin’io fihodinana io, ary somary nanakaiky azy ireo. Ry zareo amin’io eny afovoan-dàlana. Tonga dia nokapohan’ilay teo amin’ny sisiny mafy ny ‘retrovisuer’ havia tamin’ilay moto ka niodina tsy tamin’ny toerany intsony. Tsy naharitra ilay nitondra ity farany, ka niverina nangataka fanazavana. Inona ho ianao no valintenin’ilay nanao ny tsy nety?

Fa tsy hitanao angaha fa miampita izahay, ary tsy misy fiampitàna eto

Namaly izany ilay mpitondra moto no sady niteny hoe

tsy azoko mihitsy ny antony tokony hanimbanao zavatra, nefa ianao sady efa any anaty arabe, no any amin’ny faritra tsy tokony hiampitàna

Nampian’ilay mpitondra moto tamin’ny hoe

raha tena nihevitra ny handona anao aho, tsy hanana ny rariny mihitsy ianao satria tany anaty faritra tsy izy mihitsy. Ary azoko toriana naie ianao raha izay no tiako e. Dia any amin’ny fitsarana sy ny assurance ianao no miresaka

Fa vao mainka toa nanome hery ireto mpisotasotan’ny COSFA izany, ka mbola nopehany indray ny retrovisuer havanan’ilay moto, ary dia tapaka tarangana.

Nisy manamboninahitra ambony avy amin’ny tafika nanao double tamin’ny moto , mbola nandeha nanivaka tamin’io làlana io ihany koa fa tsy nanaraka ny fiolahana, sady tsy nanao aroloha , nahita tsara ny fifanazavana teo, ary nijanona nanontany ny fandehan-javatra. Tsy nisy nataon’ity manamboninahitra ity afa-tsy ny nanala ny azy, ary tsy nasiany resaka ny momba ilay zavatr’olona simba

Tsy dia mahagaga loatra raha tsy misy vidiny eny anivon’ny fiarahamonina ny miaramila, eny fa indraindray aza, dia eny anivon’ny fianakavian’izy ireny nihitsy ry zareo no tsy misy hajany. Ry zareo izay eritreretina ho tandroka antoky ny fandriam-pahalemana sy tokin’ny vahoaka. Nefa toa mivadika ho tandroka hanoto sy  horohoro ho an’ny maro kosa.

COSFA RUGBY, mba sampana fanatanjahantena tokoa va re, ary mianatra izany toe-tsaina mpanao fanatanjahantena izany, sa fanofanana inona no raisina ao anatiny ao? Mampanontany tena rana ny zavatra hitako androany

Adinoko fa nisy polisy mandamina fifamoivoizana eo amin’io faritra io, fa tsy nihetsi-bolomaso akory.

Ary mba manao ahoana tokoa moa ny amin’ny anjara andraikitry ny mpitantana ny tanàna sy ny resaka fifamoivoizana amin’ny fametrahana ireny faritra natao ho fiampitàna ireny e?

Mahantra ve ny Malagasy?

Sady ENY no TSIA no valin’iry fanontaniana natao lohateny.

Fa iza tokoa moa no mametra, ary inona no mari-pandrefesana ny fahantràna e?

Ny PNUD amin’ny alàlan’ny antsoiny hoe IPH (Indice de Pauvreté Humaine) ijerena ny tokony hananan’ny tokantrano nefa tsy ananany, sy ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale) no nametraka fa raha tsy mahazo 2 dollars, (eo amin’ny Ariary 4.000) isan’andro ianao farafahakeliny, mba ho enti-mivelona dia olona mahantra no ikilasiana anao.

Dia mipetraka ny fanontaniana fanampiny manao hoe: Mba firy amin’ny Malagasy re no mahazo izay isan’andro e?

Raha atao mantsy ny kajy dia eo amin’ny $ 60 amerikana/volana na Ariary 120.000 / volana izany no tokony hiditra amin’ny tokantrano Malagasy iray vao azo lazaina ho eo amoron-tevan’ny fahantràna izy. Amoron-tevana satria io no fetra faran’ny ambany tsy hidinana any ambanin’ny tsipika mamaritra anao ho mahantra.

Raha mijery antontan’isa eny amin’ny sampana mpiandraikitra ny momba izany anefa isika dia hahita fa mahery be amin’ny antsasaky ny vahoaka Malagasy, hatramin’ny 70%, no tsy mahita afa-tsy ny 1/3-n’io 2 dollars isan’andro io.

Na io aza anefa no zava-misy dia tsy mety miaiky ary tsy manaiky ny ho tondroina fa mahantra izany mihitsy ny Malagasy sasany. Hita taratra izany ao anatin’ilay hiran’i Mamy Basta, ilazany fa hoe mafy toto RaMalagasy, ary ompaina reny vao miha-mahery, ary mbola manamafy izany ny fomba fiteny eny anivon’ny fiarahamonina eny.

Mba hanaronan’ny ankohonana Malagasy iray ny fahantrany dia aleony mampiasa ny teny hoe SAHIRANA, na dia efa hita izao aza fa mahantra noho ny mahantra. Sahia anie ianao miteny hoe ‘Tena mahantra ry zareo atsy avaratra, sns….e‘, dia hahita ny anganonao ianao. Ary henoy ny fiteniny azy rehefa milaza ny tsy fahafaha-mividiny, na ny tsy fahafahany manatanteraka zavatra iray noho io antony io ny tokantrano Malagasy iray: Sahirana akia / lesy izahay a. Fa tsy misy mihitsy hiteny hoe Mahantra lesy /akia izahay a.

I Madagasikara no isan’ny manana io fidirambola ambany indrindra io aty Afrika, satria ny an’ny hafa mahita manodidina ny  $100 / volana.

Betsaka tokoa no mizaka an’izay fahantrana izay, na dia betsaka koa aza ny banky milaza ho mampindram-bola hanalàna fahasahiranana (fahantrana). Fampindramana izay mbola mamatotra bebe kokoa an’ireo izay afa-miditra amin’izay làlana izay, tsy ho afa-trosa, izany hoe alentika hatrany hatrany ho mpitrosa mandrakizay. Fa famnpindramam-bola mampilendalenda kosa ho an’ireo 70% voalaza ery ambony, satria tsy ho afaka ny hahazo izany velively izy ireo noho ny antoka tsy maintsy hotakian’ny banky aminy. Ny hohaniny aza mboa hokarohana. Rahoviana izany izy ireny sy ny taranany no ho afaka hindrana vola hanorenana fihariana? Ankamantatra

Ankoatra ny IPH, dia misy koa ny fandrefesana ny fivoaran’izay ananan’ny tokantrano tsirairay amin’ny alalan’ny antsoin-dry zareo hoe IDH (Indice de developpement Humain)

Ny toerana misy antsika :

Tsy nety votsotra teo amin’ny laharana 130 hatramin’ny 140 amin’ireo firenena 169 hatrany no nisy antsika hatramin’ny taona 2000 nanombohana io fomba fandrefesana io.

Raha hiresaka lafin-javatra hafa toy ny fanabeazana sy fitsaboana indray isika, dia mbola mitoetra foana iry 70%  tsy afaka mitsabo tena sy mampiana-janaka iry.

Iza no tena mizaka ny mafy?

Toy ny any amin’ny tany mahantra rehetra, dia ny vehivavy sy ny kilonja no tena mizaka ny tsy eran’ny aina.  Raha ny taham-pahafatesana sy ny fahelàna velona no hojerentsika dia toy  izao no tarehi-marika azo aroso:

  • reny 350 amin’ny 1000 no mamonjy toeram-pitsaboana rehefa hiteraka,
  • zaza 24  /1000 no tsy azo eo am-piterahana,
  • 22 /1000 maty alohan’ny 5 taona

Izao dia i Madagasikara no manana ny taha ambony indrindra amin’ny resaka Peste eran’i Afrika.

Manan-karena ny Malagasy

Raha jerena amin’ireo harena mivoaka an-tsokosoko sy lazaina fa ato ankibon’i Madagasikara, dia manan-karena ny Malagasy.

Valin’ny fanontaniana ery amin’ny lohateny: Mpanan-karena mipetraka anaty trano bongo ny Malagasy. Tompony mangataka ny atiny, ary efa zatra ny mihafy. MAFY TOTO sy TSY LAITRAN’NY BALAN’NY FAHANTRANA, VONOINA TSY METY MATY.