Lahatsary ho fanombohana
Andro maromaro izay ny eto Antananarivo renivohitra no nahatsapa fa mavesabesatra sy mankarary maso ary maha-te-hatory izany ny rivotra iainana. Tsy mandeha lavitra isika dia efa mahita ny antony mahatonga izany.
Io tolakandro io dia setroka tsy nahitàna ny faravodilanitra no nandrakotra ny lanitra. Raha ny marina dia tsy ny faravodilanitra intsony no tsy tazana, fa metatra maromaro miala ny toerana misy anao dia efa mila tsy ho hita intsony.
Ny sary maromaro hitanao ato dia nalaina tamin’ny ora tsy dia mifanalavitra loatra, saingy ny andro no tsy mitovy. Ny voalohany dia ny Rova tazanina avy eny amin’ny Carlton, tamin’ny 23 Oktobra 2015, nanodidina ny tamin’ny 5 ora hariva latsaka tany ho any. Ny ambiny kosa dia sary nopihana teny Andravoahangy ny 25 Oktobra 2015 tamin’ny 5 ora sy 26 mn.
Ataovy àry ny fampitahàna ny atao hoe rivotra madio, sy ny hoe tontolo iainana maloto, raha eto amin’ny sary voalohany ianareo afaka mahita hatrany amin’ny kilaometatra iray mahery, ary amin’ireo sary manaraka kosa, metatra vitsivitsy aza manahirana.
Tranga tsy teto amintsika ihany no nisy ny toy izao, fa hatrany Malezia sy Indonezia ary Filipina koa (any amin’ny faran’ity lahatsoratra ity misy rohy).
Avy aiza ny olana?
Tsy tongatonga ho azy ny setroka tahaka ireny, fa misy loharano nipoirana: ny tevy ala, ampian’ny doro tanety. Toy ity nampitain’i Mandresy Ralisetra, mpikambana aminà vondrona iray ao amin’ny Facebook ity, izay ahitàna ala mirehitra any amin’ny faritr’i Mangoro, sy ny manodidina ny làlam-pirenena faharoa (#RN2)
Atahorana ny hisian’ny aretina aterany (aretin’andoha, sery, aretin’ny taovam-pisefoana, …)
Tsy vitsy ny olona manontany na manome tsiny noho ny zava-mitranga.
An’iza ny andraikitra?
Raha ny tsirairay no anontaniana, dia ny fanjakana no voatondro voalohany ho tomponandraikitra tsy nahefa ny anjara tandrify azy.
Axel Ravonjinirina Tokony manao etat d’urgence ny fanjakana @ zao, mobilisation ny force rehetra mimaitrisé an’io afo io!Isantaona zao ve otrzao ihany!Refa atao ramatahora sy atao sava hao ireo mpandoro tanety dia gadraina tsisy masa manao tsony saingy fanjakana tsisy antenaina fa matory andro tsisy ilana azy sady tsy mahabaiko n’inin!
Fomba fijery izay toa midika fandosirana andraikitra ihany koa avy amin’ny tsirairay anefa, raha ny voalazan’ity fanehoankevitra iray ity no jerena:
Rado Andrianina Rabemanantsoa Ny fisainan’ireo mpandoro tanety mampalahelo, fa ny tsy fandraisan’Andraikitry ny fanjakana koa vao maika mahakivy tanteraka!
Asa aloha izay ho fepetra ho raisina manoloana izao zavatra mitranga izao. Fa raha ireo firenena tany Azia no asiantsika resaka, dia nandraisana fepetra mihitsy ny tsy hivoahana ny trano mandra-pisavan’ny zavon-tsetroka nandoto ny rivotra niainana tany aminy. Satria zava-dehibe voalohany indrindra ny fahasalamana.
Fanontanian’ireo olom-pirenena ny hoe :
Sylvia Ranaivojaona Mila olona mahatsapa tena ry namana Malagasy Te Hilamina eto an ! ar mahalala ny tokon ataony d mahay mandray andraikitra tandrify az !!!
Ka rehefa tsy mety anarina, dia ampiharina aminy ny lalàna misy, mba tsy ho ny olon-tsotra no hitondra sy hampihatra ny fitsaràna heveriny fa sahaza
Ho lava ity resaka ity, saingy efa hisasaka ihany ny alina, ka aleo amin’ny manaraka tohizana. Ndeha ny sary amin’izay no ampitenenina.
lahatsoratra mifandraika aminy:
Shina: ny haloton’ny rivotra ifohana any Pékin, sariitatra sy sivana
Sary Maneho Ny Dona Ratsy Ateraky Ny Zavon-tsetroka Ao Azia Atsimo Atsinanana
Tonga ao Azia atsimo-atsinanana noho ny doro ala mamaivay ao Indonezia indray ny zavon-tsetroka
Filed under: anao ny fitenenana, fahantràna, fahasalamana, fampianarana, fiaraha-monina, lalàna, loza_voajanahary, sosialy, tapatapany, toetr'andro, tontolo iainana, tontolon'ny asa, vonjitaitra | Tagged: # Pékin, #Azia, #doro, #haze, #mangoro, #Shina, #zavon-tsetroka, andravoahangy, Antananarivo, Carlton, Madagasikara, RN2, ROVA | Leave a comment »