Voasambotra i Henri Lecacheur (place 13 Mai 1972)

Vao avy niatrika fialan-tsasatra nandritry ny herinandro teo tay amin’ny faritra andrefana aho, no sendra nitsipalotra tamin’ny pejin’ny gazety « L’Express » omaly ny masoko. Voalaza tao fa hidina eny amin’ny « Place du 13 Mai 1972 » i Henri Lecacheur. Tsy naharitra ny tena, noho ilay kirin’antitra ka dia lasa nony tonga ny fotoana voatondro mba handeha hizaha izay zava-misy.

Rehefa ela nifampiandrasana sy nifanaovana fangalam-piery ny mpitandro filaminana (Gendarmes sy Polices, izay hita nisitritsitrika eran’ny pavillons sy arcades, eny fa hatreny amin’ny esplanade manoloana ny paositra Analakely mihitsy aza) dia roso ihany ny fanatonan’ingahy Henri L. ny vahoaka rehefa tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka tany ho any. (tamin’ny 9 ora no fotoana nifanomezana saingy noho iretsy fifampitazanana tetsy ambony iretsy dia izay vao nanomboka ny raharaha).

Efa niandry rahateo ny olona, ka nony tsinjo namindra niampita avy ery amin’ny Hotel de France i Henri Lecacheur (teny no nijanona sy niandry tao anatin’ny fiarany izy), dia niazakazaka amin’izay ny olona nanodidina sy niandry izay hambarany (samy liana rahateo ny rehetra)





Ny nampalahelo anefa dia tsy nisy 1 mn sy sasany no nitenenany, dia efa mpitandro filaminana misaron-tava no niditra an-tsehatra nisambotra azy. (GSIS hoy ny mpialaza vaovao iray ao amin’ny Fahitalavitra tsy miankina iray eto Antananarivo sendra tafaresaka tamiko teny an-toerana).

Ny hany teny fohy voalazan’ingahy io dia ny filazana atamin’ny vahoaka fa :

…ampy izay ny jadona…dia mangataka ny hevitrareo vahoaka aho, inono no hataontsika?…Vonona aho ny hanao sorona, eny fa hatramin’ny aiko raha ilaina,…miandry izay hevitrareo aho….

Teny fohy toy izay no voambarany dia efa enindahy misaron-tava izay tsy nisy nanamùpo velively no nisisika nandray azy tao anivon’ny vahoaka tao.


 

 

 

 

 

 

 

Hoy ny kiakiaky ny olona nanatrika ny zava-misy:

Avelao izy e! – Avelao izy hiteny raha tena misy marina ny Demokrasia sy ny Fahalalahana dradradradraina isan’andro eto amin’ny tany sy ny firenena… Izao ve no fahazakanareo ny fahalalahana miteny sy ny fanehoan-kevitra e!…

Namaly kosa ireto mpisambotra fa hoe :

Vetivety ihany no ilànay azy, ary tsy hatao na inona na inona izy fa averinay ihany k’ah!

Rehefa nahita ny fomba nisamborana azy kosa anefa ny maro dia tsy tana ny taim-bava fa nivoaka izao karazan-teny rehetra izao, ary betsaka ireo olon-tsotra no nilaza hoe:

Manoatra noho ny misambotra gangster sy mpamaky trano ny fanjakana… Sady efa mangalatra ny volan’ny CUA, no mbola matahotra fanehoan-kevitra ihany koa. Raha hendry izy dia ataovy ny ampamoaka nandritry ny fitantanana ny CUA nataon’ireo rehetra nandalo tao talohan’i Andry RAJOELINA…Lalina ihany ity resaka pôlitikan’ny BE SANDRY ataonareo mpitondra ity…

Fa isan’ny fanehoan-kevitra nivoaka tao koa ny hoe:

Nanao hadisoana ihany i Henri Lecacheur fa tokony ho nampiasa megaphone mba hahavory olona haingana kokoa, fa ny tsy nahavorian’ny olona maro tanaty fotoana fohy no nahafahan’ireny mpitandro filaminana ireny niditra mora sy nisambotra azy toy iny. Tsy tokony ho ny vavay fotsiny ny nampiasainy, amin’izay mantsy mba naheno na ny teny lavitra teny aza ka mety ho nanatona nanatevina laharana ireo mpihaino…

Vita izay rehetra izay dia niverina amin’ny fiainany andavanandro i Analakely sy ny manodidina azy. Izaho koa mba handeha hamonjy ny iray viliako. Noana be aho izany fa efa amin’ny 12 ora sy 20 mn izao. Apetrako ny « peniko virtoaly ».

…Tantara mitohy…