Andro ratsy misodisody

Fikorontanana faharoa amin’ity taon-tsikilaonina  2010-2011 ity ary manaraka zotra mianatsimo aloha hatreto. Atsimo-atsimo andrefana no lalany ary any amin’ny manodidina an’i La Réunion any ka 11 km/ora no hafainganam-pandehany

Na dia mbola lavitra aza no misy azy dia tsy afa-bela amin’ny tokony ho fiomanana ny amin’izay mety ho fiaviany isika eto Madagasikara.

Raha tonga ny fetra hanomezana anarana azy dia ny Nosy Maorisy no hanome izany, ka ho ABELE no anaran’izany rivodoza izany.

Publicités

#TEDxTana 2010: Fisaorana

Ny eto amin’ny °Gazety_Adaladala dia maneho fisaorana feno ireo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka iny hetsika #TEDxTana 2010 natao tao amin’ny MDLC (Madagascar Development Learning Center) iny. Tsy adino amin’izany isika mpanotrona na teratany na vahiny.

Sedra voalohany ho anay mpitoraka bilaogy nanopme aina mivantana ny hetsika iny, ary tsorina fa dia nanao izay tratry ny aina sy izay kely mba vita ny rehetra tamin’ny fitorahana bolongana sy fandefasana Tweets nandritry ny hetsika.

Malagasy no nanomana ny hetsika, nefa azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra na izany aza.

Be ny zavatra azon’ny mpanatrika, voaresaka tao daholo na ny zavakanto, na ny tontolon’ny asa, na ny toetr’andro sy ny tontolo iainana…  Nahafinaritra ny tontolo nifaneraserana tao, ary ny tena tsy ho adino dia ilay namaranan’i Jean Emilien ny anjara fisehoana an-tsehatra nataony, ka niarahan’ny rehetra niredona ny « Maitso malama sy ny Ô rila e! »

Manako eran-tany ankehitriny ny #TEDxTana 2010, ary mbola hanako amin’ny lafiny tsara hatrany i #Madagascar

Mankasitraka ry zalahy a!

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Beinvenu RAJAONSON – Banky Iraisampirenena

Iza moa i Bienvenu Rajaonson ?

Mpandray anjara fitenenana amin’ny #TEDxTana 2010 izy, izay atao eto amin’ny MDLC Anosy, Antananarivo, Madagasicara

Tomponandraikitra misahana ny resaka tontolo iainana ao amin’ny iraka maharitry ny Banky iraisampirenena eto Madagasikara.

Efa tomponandraikitry ny fandaharanasam-pirenena momba ny fambolena hazo
Tale mpanatanteraky ny Conservation International
Mpiandraikitra tetikasa ao amin’ny Banky Iraisampirenena

lohatenin’ny fandraisam-pitenenana

Énergie et genre

Énergie, environnement et changement climatique

Énergies renouvelables

Biocarburants

Mécanisme de financement

Sehatra irotsahana:

Biocarburants

Gestion des ressources ligneuses

Inona no nandrisika azy hiditra ho mpikambana amin’ny Riaed :
hizara ireo traikefa sy andrana natao teto Madagasikara

Niresaka momba ny famokarana sy ny fanodinana ny vokatra azo avy amin’ny fary mba hatao angovo fampiasa ao an-tokantrano izy nandritry ny #TEDxTana 2010.

Haka bahana kely ny mpanoratra dia ho hatavezina eto ihany ity resaka ity saingy efa azo atao ny mamaky azy amin’ny teny anglisy ato presentation TEDX final , Resaka alikaola io nefa aza manahy anefa ianareo mpisotro fa tsy hahalany ny toaka gasy tsy akory ny fampiasàna azy ho solika fandrehitra an-dakozia.

Fifandraisana:

BP 4140, Banque mondiale 101 Antananarivo, Madagascar
mailaka: brajaonson@worldbank.org

Spécialiste principal environnement à la mission résidente de la Banque mondiale à Madagascar.

P.O.BOX 4140, Banque mondiale 101 Antananarivo, Madagascar
Courriel : brajaonson@worldbank.org

Compétences, parcours professionnel…

Responsable du programme national de reboisement
Directeur Exécutif Conservation International
Chargé de Projets Banque Mondiale

Thèmes d’intervention

  • Énergie et genre
  • Énergie, environnement et changement climatique
  • Énergies renouvelables
  • Biocarburants
  • Mécanisme de financement

Secteurs d’intervention :

  • Biocarburants
  • Gestion des ressources ligneuses

Motivation pour devenir membre du Riaed :
Partager les expériences conduites à Madagascar

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Mandrantoso Ndrianiaina – JOJOPIL Innovations

jojopil! Innovations.

Mandrantosoa Ndrianiana, mpamorona ny JOJOPIL, orinasa manao tolotra mifandraika amin’ny resaka ingenierie informatique

jojopil! Innovations dia nitsangana tamin’ny Desambra 2007 ary manome vahana manokana ny orinasa Malagasy te ho hita bebe kokoa eo anivon’ny aterineto, amin’ny maha-orinasa Malagasy azy rahateo. Inona avy ohatra no applications fantatsika ka ampiasaina betsaka eto amin’ny aterineto: ireto no be mpahalala indrindra. facebook, webmail, forum, google apps, sns…

Ny tetikasa voalohany voajorony dia ny  tananalife, izay ampiasainy koa ho toy ny fitsapàna maripàna. Niainga avy amin’io no nahatsapàny fa vitany tsara ny hamaly ny hetahetan’ireo tonga manatona azy.

Orinasa voalohany eto Madagasikara mampiasa ny  Ruby on Rails, izay fitaovana entiny manafaingana ny asany ny Jojopil Innovations, miaraka amin’ny fanomezana tolotra manara-penitra sy avo kalitao ao ampandraisanao ny vokatra.

Afaka manao ny atao hoe etudes sy ny asan’ireny antsoina hoe consultants ireny koa ny jojopil! Innovations. ho an’ireo orinasa te hanatsara ny vokatra arosony!

Mandray anjara amin’ny #TEDxTana 2010 ety amin’ny MDLC Anosy, Antananarivo – Madagasikara  ny Jojopil Innovations. Ary izy mihitsy aza no nanakinana ny fananganana sy ny fampandehanana ny tranonkalan’ny #TEDxTana 2010.

Famelabelarana nentiny kosa ny mikasika ny mbola azo ampiasana ireny solosaina antitra ireny ho azo ampiasaina ho toy ny vao indray, amin’ny alalan’ny fandrohizana azy rehetra ireny amin’ny fampiasana ny LINUX. Ny Linux izay voalaza nandritra ny fanolorana fa tsy laitran’ny balan’ny ‘virus informatika’. Fohy nefa nazava ary tsy nilana fampiasana saina henjana ny fanazavana nentina

Mandrantosoa de Jojopil, ilay bandy cool

Fifandraisana
jojopil! Innovations.
TR41 Ampahimanga
Ambohimanambola
Antananarivo Avaradrano, Analamanga 103
Madagascar
mailaka:tosoa@jojopil.com
tranonkala: http://jojopil.com

#TEDxTana 2010: Fandraisana anjaran’i Jean Emilien

Mombamomba an’i Jean Emilien Rakotonandrasana (nalaza tamin’ilay hirany hoe  ‘Maintso malama’)

Teraka tamin’ny  03 septambra 1963 tao Ambalavao Tsienimparihy – Fianarantsoa ary taranaka mpiangaly zavakanto niara-nalevina tamin’ny jejy voatavony (ny raibeny). Nandritra ny fety an-tsekoly sy lanonam-pianakaviana nandraisany anjara no nahamarihan’ny olona azy voalohany sy nanohanana azy tamin’ny lafiny hira. Kabaosy (gitara nentindrazana Malagasy) no niantombohany teny am-piandrasana omby mandritry ny fotoam-pialantsasatra. RAMOMA Pauline no reniny. Indray andro dia nahatsikaritra mpitsoka farara iray izy, nanaraka ny hiran’ireo  mpianatry ny rainy, RAVOAVY Jean.

Fianarantsoa, toerana niaviany

Sarotra ihany ny niaingany ho mpiangaly zavakanto satria tsy dia nankasitraka izany loatra ny rainy, izay nahavita mihitsy namotika ny kabaosy fitendriny teo an-tampon-dohany. Lalan-jotra hafa mantsy no noeritreretin-drainy ho tokony nizorany. Avy amin’ny lafin-dreny dia mpilalao   » horija »  sy  « jejy voatavo »  ary raha ny lafin-dray kosa dia mpiangaly « lokanga » sy « kabaosy ».

Teo amin’ny faha-17 taonany, rehefa nihevitra ho mahavita tena dia nandao ny tokantranon-dray aman-dreny. Mpitendritendry teny amin’ny toby fiantsonanan’ny fiara mpitatitra mampitohy faritany ireny izy taorian’izay.

Mbola zaza vao 5 taona i Jean Emilien ny 14 oktobra 1968 raha niaka-tsehatra voalohany tao amin’ny Kaominin’i Talatan’Ampano.

Fony mbola mpianatra, nandritra ny andro tsy fianarana, dia miaraka amina namana vitsivitsy izy miangaly ny mozikany. Saingy niha-sarotra ho azy ny mamory namana ka teraka tao aminy ny eritreritra hamatotra ny farara eny an-tendany mba hahafahan’ny tànany mitendry kabaosy; io fomba io no nahafahany mihira ka sady nitsoka farara no nitendry kabaosy. Ary teraka teo koa ny anaram-petaka hoe « L ‘ homme orchestre ».

Fiakarana an-tsehatra nandritra ny #TEDxTana 2010 miaraka amin'ilay « kabôsy » amin'ny endriny maoderina namboarin'i Jacob Aci, ilay nanamboatra ny gitara fitendrin'i Sting sy ry Kassav. Natao fanomezana ho azy izy iny fa tsy taka-bidy raha eny anivon'ny tsena no hividy azy i Jean Emilien.

 

Ny 5 febroary 1982 no nanao fandraisam-peo voalohany tao amin’ny RNM (Radio Nasionaly Malagasy) i Jean Emilien ka hira 10 tamin’io fotoana io no noraketina. Misy amin’ireo sangan’asany no lasa hira famantarana fandaharana mandeha ao amin’io fandefasampeo io. Isan’ireny ny « Handeha hiala voly » sy ny  « Voromangan’i Gasikara »

Teo ny tahotra fony izy nentin’i Rossy niaka-tsehatra voalohany indrindra tao amin’ny KANTO Antanimena, nefa hoy izy tany an-tsainy tany hoe « Kabosy ity, azo atao amin’izay itiavako azy ». Nankafizin’ny mponin’Antananarivo avy hatrany anefa ny asa kantony ka nisy ny nanipy zavatra teny ambony lampihazo, izay noheveriny fa vokatry ny tsy hafalian’ny mpanotrona (satria nankimpiny ny masony mba hankaherezany tena nandritra ny hira nataony), saingy rehefa nahirany ny maso, dia akory ny hagagàny fa hay vola madinika ireo natsipin’ny olona ireo ho fankasitrahana azy.

Teny ambony sehatra nandritra ity #TEDxTana ity dia niantso ny rehetra i Jean Emilien mba hanampy azy hahatanteraka ny tetikasany ho fambolena hazo

Nandalo kely tamin’ny mozika tandrefana izy talohan’ny nilomanosany tao anatin’ny vako-pirenena, ny vako-drazana, ka ny rija no tena nifotorany na dia maro aza ireo gadon-kira malagasy (vakisaova, basesa, salegy, jejy, saranga). Ny tehaka (voasolon’ny kabaosy) sy  ny angorodao ary ny don-tany no tena fampiasa ankehitriny, raha nitsinjaka narahan-tehaka tsy nisy mozika no fanao fahiny.

Mandrotsirotsy ny mpankafy azy ny feo an’orona sy maranitra fanaony, ravahan’ny farara sy  ny kabaosy izay nampiany tadim-peo manokana mba hanakatra ny beso. Sady mahay mikabary ihany koa i Jean Emilien.

Niarahan'ny rehetra niredona ny "Maitso malama" sy ny " O Rila re e" teto amin'ny #TEDxTana 2010 androany

« Hey Madagascar » no rakikira voalohany nataony tany Parisy tamin’ny 1991 ary « Ezaka » tamin’ny 1995 no faharoa. Roa taona taorian’io dia nampitoviana tamin’i Robert Johnson, ilay rain’ny gadona « blues », izay fitaratr’i John Lee Hooker sy Eric Clapton izy rehefa nahazo ny Medaly Volamena nandritry ny fifaninanana mitsoka farara, « Hohner 91 », « Certificate of Honor for excellence in Diatonic tremolo by SPAH –IHO-HOHNER », taona 1991, Détroit, Etazonia. « Miandraza » tamin’ny 1998 no rakikira fahatelo.

cerificat of honnor

Efa imbetsaka izy no masoivohon’ny mozika Malagasy nanerana izao tontolo izao.

Gabon - Jona 2003

Indreto vitsivitsy amin’ireo hira malazany, izay azonao henoina sy alaina amin’ny aterineto:

  1. Miandraza
  2. Likenana
  3. Belina
  4. Fanoriha
  5. Rasoa
  6. Tsy aveloko
  7. Kapetsaka
  8. Mitodiha
  9. Teholy
  10. Aza meka

Taty aoriana vao nisy ny fitiliana ireo talenta vao misondrotra eto Madagasikara (TVM, RTA), fa raha ny tamin’ny andron’i Jean Emilien no jerena dia tsy nisy mihitsy izany, ary ny vahiny aza no nandray anjara betsaka tamin’ny fanondrotana ny mpanakanton’ity Nosy ity tamin’izany fotoana.

Mandray anjara amin’ny #TEDxTana i Jean Emilien Rakotonandrasna amin’ity andiany 2010 ity.

Fifandraisana aminy :

Tel : +261 32 04 022 20 / +261 34 18 725 84

e-mail : feonandringitra@yahoo.fr

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Anja Besson – Designer

Iza moa i Anja Besson Rasolondraibe

Anja Besson seriny aminìny fanazavana

Isan’ny mpandray anjara fitenenana mandritra ny #TEDxTana 2010 Anja Besson Rasolondraibe

 

Metisy franco-Malagasy. 28 taona amin’ity 2010 ity, graphiste free-lance miasa miaraka amin’ireo  fikambanana ara-kolotsaina samihafa rehefa avy nianatra  momba ny zavakanto, ary nahazo diplaoma avy amin’ny  NABA School of art ao Milan, Italie.
Ny rainy no nampianatra azy ny resaka hosodoko. Mbetika styliste, graphiste, scénographe de boutique amin’reny toeram-pivarotana ireny …Araka izany dia tsy hoe nandeha ho azy sy nisosa milamina akory ny làlana nodiaviny: nitady sy nanangona traikefa teny rehetra teny… Loharanom-pahalalàna daholo ny zavatra rehetra.

Adino teto ny hoe D..toy ny Dizina...

Japoney no nanao an'io saingy nanamarika azy manokana

Asa kanto mifototra amin’ny olona sy ny tsirairay ary ny zavatra tsapa rehefa mihaona amin’izy ireny no ataony ka betsaka ny fomba ampiasainy hanehoana ny mampiavaka ny tsirairay amin’izany. Collage, taratasy, baoritra, loko menaka, encre de chine, loko atsifotra (bombe) … miezaka ny tsy hilatsaka any amin’ny graffiti mitratrevatreva anefa.

Hafatra ampitainy:

Mifamatotra akaiky ny graphisme sy ny sary. Ny graphiste tsy hoe olona iray miangaly solosaina fotsiny mba hanome endrika pejy iray, afaka ny ho mpanao hosodoko, na sary sikotra koa izy…Aleo mihetsika toy izay mitantara. Tena ilaina ny manomboka amin’ny fanaovana sary aloha, vao miasa mivantana amin’ny solosaina.

Rehefa hisafidy ny haingo dia  ny graphiste no tsy maintsy manome soso-kevitra mikasika ny sary natao tanana, na saripika, na typographie. Izany no ilazana fa ilana asa be sy fahamatorana ary saina mahataka-davitra ny graphisme. Ny fitiavana mikarokaroka izany no tena mibaiko…Antony iray safidiny hanao ity asa ity izany…Ary amin’ny asa toy izao, tsy misy zavatra efa tonga dia azo antoka…mila mitozo amin’ilay asa ary manao fanandramana, hoy hatrany izy.

Fanovana natao ho an'ny Café de la Gare

Hafatra voalohany indrindra raha te-hanao ity asa ity dia ny fanarahana fiofanana momba ny resaka graphisme amin’ny fomba tranainy, vao miditra amin’ny solosaina … graphisme fa tsy PAO. Io dia ampiarahana amion’ny fahalalana ankapobeny, ara-javakanto sy ny lalàna mifehy.
Tena zava-dehibe ny fahaizana mampiasa ny mason’ny tena mba hanakàrana ny teknika nampiasain’ireo graphiste hafa satria indraindray tena manahirana tokoa ny mpanjifa. Ho namanao mahatoky amin’ny fanatanterahana ny asa ireny rehetra ireny.

Seza tonta norakofana bemiray, ary mbola azo namidy lafo tsara mihitsy avy eo

Hafatra faharoa: mila manana faharetana, indrindra manoloana ireo mpanjifa sarontsarotiny izay efa manana ny noheveriny any anaty lohany any …

Mandany ron-doha, mandany fotoana, ary manimba vao manorina...

Tsy maintsy mahay mandresy lahatra, manana risi-po hanazava amin’izy ireny fa hoe ny graphiste dia afaka manolotra hevitra hafa ary indrindra tsy tokony hanaiky resy amin’ny lafiny karama.

Ato daholo no miainga izany rehetra izany