Fintina ny fanambaran’ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina

Fanambaràna natao ny harivan’ny 25 Febroary 2010 tamin’ny 8 ora alina mahery teo. Tsy ny hafatra manontolo no hitanao eto fa sombiny amin’ilay fanambarana

…mitodika amin’ny Malagasy rehetra tsy vaky volo aho….itondrako ny olana…sy ny làlana ivoahana amin’izany….

..manana ny fiandrianany tsy azon’iza na iza esorina aminy ny firenena iray… Mila fanovàna ny firenena, mijoro isika ary mbola hijoro amin’izany adidy lehibe izany…herintaona no nisian’ny fifandaminana …nitadiavana vahaolana, nisian’ny fiafanarahana samihafa…tsy nahitana vokany…be ny fandeferana…hikatsahana filaminana …tsy nahavaha olana…Natomboka ny fiaraha-mitantana…ny ala-nenina rehetra fa tsy nahomby….tonga ny fotoana handraisantsika Malagasy andraikitra…tsy mendrika ny Malagasy ny fampihorohoroana na avy ato anatiny na avy any ivelany…tsy misy afa-tsy ny fifidianana no ala-olana…Ny Malagasy  samy Malagasy no afaka mahita ny vahaolana. Fotoana izao hanehoantsika ny tena fitiavan-tanindrazana…tanindrazana iaraha-manana sy iaraha-monina…Manasa ny hery piolitika sy ny fiarahamonim-pirenena izahay…hiara-manao atrik’asa amin’ny 04 martsa sy 05 martsa. Tsy ny mpitondra, na ny ankolafinkery efatra ihany fa ny rehetra….vonona izahay handinika izay fepetra heverin’ny besinimaro fa ilaina hampilamina ny tontolo politika eto Madagasikara…ny tanjona: hahatongavana amin’ny fikarakarana fifidianana…hametraka ny CENI hikarakakra izany fifidianana izany anaty mangarahara tanteraka…voarainay ny hafatry ny firaisambe Afrikana mikasika ny sazy…Madagasikara an’ny Malagasy…..Mandra-pahatongan’ny fifidianana dia vonona izahay hanokatra ny andrim-panjakana samihafa amin’ny ankolafy samihafa…ao anaty fifanajana sy fiaraha-mitantana…Hasehontsika amin’izao tontolo izao fa manana ny fahendreny ny Malagasy

Vice-Amiral Hypolyte RAMAROSON

Nanongan-tena i Marc Ravalomanana‘ hoy ny  Vice-Amiral Hypolyte izay vao avy notendrena ho Praiminisitra lefitra hisahana ny raharaham-bahiny. ‘Auto-putchiste‘ moa no fomba nitenenany azy.

Hangataka ny namana vahiny, hono, izy  (Amerikana, Frantsay, sy ny Eropeana) ny amin’ny hiverenan’ireto farany hijerena amin’ny maso tsy miangatra ny raharaha tena nisy marina teto Madagasikara. Nolazainy fa ‘tsy manana ny antom-pisiany‘ koa ny fifanarahana rehetra tany Maputo noho i Pr Zafy Albert. Ary tsy matahotra na iza na iza izy.

Manoloana ity filazana farany ity dia maro no lasa fisainana raha mahatsiaro ny tenion’ingahy RAKOTOAMBOA Jean Louis tao aminn’y RADIO FAHAZAVANA nilaza fa ‘hidina eny amin’ny fokontany hitady izay mpomba an’ingahy Andry RAJOELINA ‘ ary tsy avelany raha tsy mandadilady sy milalaka ny faladihany. Dia ahoana ny amin’izay????

Hampiana tsikelikely eto ihany ny vaovao amin’ny fotoana maha-mety azy.

Manohana ny fanapahan-kevitry ny Fitondrana Tetezamita ny AKFM

Namoaka fanambarana mandrisika ny fitondrana amperinasa ny AKFM  ka ao anatin’izany no ilazany ny amin’ny tsy tokony hihemoran’iry voalohany amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny hanatanteraka fifidianana, na eo aza ny sazy izay arangarangan’ny GIC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ambarany ao anatin’izany ihany koa ny tokony handraisana fepetra ka hialan’i Madagasikara ao amin’ny SADC fa tsy mitondra tombontsoa ho an’ny Malagasy ny fijanonana ao anatin’io raha araka ny fanambaran’ity antoko politika ity hatrany.

Rolland Ratsiraka: inona no antoka?

Mangataka fanazavana matotra sy mazava tsara amin’ny HAT ingahy Rolland Ratsiraka momba ny resaka fifidianana.

Tsy latsaky ny 3 volana vao vita hoy izy ny fanontana ny bileta tokana, koa inona no antoka azon’ny HAT omena ny amin’ny hahatanterahan’ny fifidianana amin’ny fotoana voatondro, sy ao anatin’ny mangarahara tanteraka.

FISEMA: Fanambaràna tamin’ny 18 Febroary 2010

Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, sy manodidina ny fanapahan-kevitry ny GIC dia namoaka izao fanambarana manaraka izao ny FISEMA

FISEMA_FANAMBARANA FEV-10

FIRAISAN’NY SENDIKAN’NY MPIASAN’NY MADAGASIKARA
CONFEDERATION GENERALE DES SYNDICATS DES TRAVAILLEURS DE MADAGASCAR
AFFILIEE A LA CONFEDERATION SYNDICALE INTERNATIONALE – C.S.I.
Lot III H 8 ISOTRY B.P. :172 Antananarivo- 101
Adresse Télégr: FISEMA ANTANANARIVO
Tél: (261)33 11 874 14
e-mail: fisema@gmail. com

FANAMBARANA
Tapitra tamin’ny 06 Febroary teo ny fe-potoana farany nomen’ny « Groupe International de Contact » (G.I.C).an’ireo ankolafy politika efatra handaminana izao krizy politika izao. Izao iaraha-mahita izao anefa fa tsy hita izay fifanarahan- drizareo. Koa dia miandry izay ho fanapahan-kevitry ny G.I.C. indray ny rehetra amin’izao fotoana izao ary mety tsy ho voasakana intsony ireo fanasaziana ahazo an’I Madagasikara, izay ny vahoaka irery ihany no tena hizaka izany. Ny Vondrona Eoropeana moa dia efa namoaka ny fanapahan-keviny ary ny Amerikana dia nampihantona ny A.G.O.A., izay nahatonga ny mpiasa an’aliny ho very asa tsy fidiny.

Mazava fa tsy nisy ny marimaritra iraisan’ireo ankolafy efatra ireo noho:
– Ny tsy fahamatorana ara-politika, ka minia mikimpy tsy mahatsapa fa efa latsaka ankaterena tanteraka ny Firenena ankehitriny;
– Ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra, ka ny ady seza – izay afenina amin’ny hoe “ fitiavan-tanindrazana” sy ny hoe “fitakiam-bahoaka” , no tena mibahana ary anton’izao fizirizirian’izy ireo tsy hitady izay vahaolana tena iraisana.

Fa eo indrindra ihany koa ny teti-panoron’ireo firenen-dehibe sasany, izay samy manana izay ankolafy tohanany avy, ka mahay mampiady angely.

Ny FI.SE.MA. dia nanohana foana ny fanalana izay mpitondra mpanao jadona, mba izorana amin’ny fitondrana tena demokratika marina, ka hikatsahana ireo tena tombontsoam- bahoaka. Saingy eo amin’ny fitondrana ireny tolom-bahoaka ireny, dia tokony ho naka lesona tamin’ireo tolom-bahoaka teo aloha – izay samy nandresy daholo – ny mpitarika; saingy nampiverin-dalana indray ny Firenena teo amin’ny lafiny toe-karena sy sosialy ary ny Demokrasia, ka toy ny manao dingana iray mandroso ny Firenena fa avy eo dia manao dingana roa mihemotra. Amin’izao fotoana izao dia efa azo tsapain-tanana ny fihemorana, saika amin’ny eo amin’ny lafiny rehetra mihitsy.

Koa mba tsy ho ny vahoaka irery intsony no hizaka samirery ny voka-dratsin’izao fizirizirian’ireo ankolafy efatra izao, dia takian’ny FI.SE.MA. :

– Fifanatoan’ireo ankolafy politika maika – ary miaraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena, raha ilaina izany – mba hitadiavan’izy ireo vahaolana mahasoa sy iraisana ho an’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy ka hivoahana amin’izao krizy izao;

– Ny famoahana ny karama sy tombontsoan’ireo mpitondra politika isan’ambaratonga ary ny hampihenana izany, mba tsy ho be loatra toy izao ny elanelana misy amin’ny karama, satria ireo olona miasa “manao tana-maro” ohatra dia tsy mandray afa-tsy 2 000 Ariary isan’andro iasana – latsaky ny iray dolara, izay fetra farany ambany tokony ho raisin’ireo mahantra.

– Ny fampitoviana tsy hisy fanavakavahana ny marin-karama (grille indiciaire) an’ireo mpiasam-panjakana isan-tokony avy, ka ny mason-tsivana amin’izany dia :
> Ny isan’ny taona nianarana taorian’ny nahazoana ny Baccalauréat sy ny diplaoma azo
> Ireo loza mety ianjady amin’ny fanatanterahana ny asa;

– Ny fanajana tanteraka ny Zo sy ny Fahalalahana demokratika sy sendikaly, indrindra ny zo hitokona (droit de grève) sy hanao filaharana an-dalam-be; koa melohin’ny FI.SE.MA. amin’ny heriny rehetra izay fisamborana sy fanasaziana amin’ny endriny samihafa mety hatao amin’ny mpitarika sendikaly noho ny fitakiana ataony.

– Ny fananganana haingana ny Filan-kevitra Ara-toekarena sy Sosialy ( Conseil Economique et Social) ka ny voalohan’asany dia ny handinika izay fomba hanarenana izao toe-karena marary izao; ka hanana ny solontenany amin’izany ireo sendikan’ny mpiasa, arakaraky ny Solontenan’ny Mpiasa ananany tamin’ny taona 2009;

– Ny famoriana haingana ny TELO TONTA : Ny Fanjakana – Ny Vondron’ny Mpampiasa – Ny Sendikan’ny Mpiasa – mba hamoaka lalana manokana vonjimaika eo amin’ny tontolon’ny asa tsy miankina amin’ny Fanjakana hiatrehana izao krizy izao.

Antananarivo, faha 17 FEBROARY 2010

AMIN’NY ANARAN’NY FI.SE.MA.

NY SEKRETERA JENERALY LEFITRA

Lovasoa FETRA HARINORO MALALATIANA

NY SEKRETERA JENERALY
José RANDRIANASOLO

Andry Rajoelina niatrika mpanao gazety

Na inona na inona tapaky ny GIC amin’ny fandinihana ny olan’i Madagasikara, dia vonona hiroso amin’ny fifidianana ny HAT, Ary bileta tokana no hampiasaina, mba tsy hisian’ny fanambazam-bola ireo mpifidy amin’ny fividiana ny vaton’ireo mpifanandrina rehefa mivoaka ny biraom-pifidianana.

Amin’ny volana Mai no hanaovana azy, hoy izy , na inona hidona, na inona hihatra. Ireo raha fintinina amin’ny teny vitsy ny nambaran’Atoa Andry Rajoelina teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra androany hariva nandritry ny 15 min teo ho eo.

Tsy hisy intsony ny fampiasana ny ‘ordonnance’ mandritry ny fotoam-pifidianana tany aloha rehetra tany teo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy, mba tsy hahafahan’ny olona iray ho afaka mifidy amin’ny biraom-pifidianana maromaro.

Tsy hihemotra sy tsy hatahotra izay sazy lazaina fa hampiharina amin’ny tenany izy Andry Rajoelina, araka ny nambarany fa tsy noho ny fankahalana na tsy fitiavana olona no entina hanasaziana an’i Madagasikara sy ny Malagasy raha araka ny nambarany  hatrany.

Fa ety anjorony kosa dia milaza ny hidina etsy amin’ny esplanade Analakely ny avy any amin’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana – pasitera – (mitaky ny hampiharana ny fifanarahan’i Maputo), rehefa avy nanentana an’Antsahamanitra, amin’ny Sabotsy izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hanao Diabe ho eny amin’ny kianja monisipalin’i Mahamasina. Nanambara anefa R. Alexandre, Talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny tananan’Antananarivo Renovohitra fa ny eny Antsonjombe no nomena malalaka hampiasain’ireo mpitondra fivavahana hanaovany ny hetsika amin’io Sabotsy io.

Andro ratsy faha-12 sy 13:Tempête Tropicale Gelane

Any amin’ny 1100 Km atsimon’i Vohemar no misy ilay andro ratsy niforona tao amin’ny Ranomasimbe Indiana ankehitriny ary efa nahazo anarana izy io

Nomena ny anarana hoe GELANE izy io.

Ankoatra azy io dia efa misy sahady faritra andro ratsy (faha-13)  efa araha-maso manaraka azy avy aoriana. Mbola any amin’ny 2600 Km ny morontsirak’i La Réunion anefa ity farany. Point 925 INVEST aloha no entina amantarana azy hatreto (Ny sary rehetra dia nalaina avy amin’ny an’ny Naval Research Laboratory avokoa)

Fisavana kara-panondro: inona no antoka?

Misy ny fisavana kara-panondro atao amin’izao fotoana izao. Ekena fa tsy anavahana na iza na iza izany.

Fa ny ‘indro-kelin’ny mpandrafitra’ amin’izy ity dia izao: ahoana kosa no anavahan’ny besinimaro ny tena mpitandro filaminana ara-dalàna manao ny asany amin’ireo ‘ahi-dratsy’ manararaotra misisika anaty vary mba handotoana iretsy voalohany sy hanaovana ny asa ratsiny?

Ny faritra rehetra dia azon’ny mpiasava anatanterahana izany avokoa, ka eo indrindra no hiseho  ny olana. Mangataka antoka ary ny vahoaka, nefa ‘inona no antoka?’

Asa raha misy aminareo tompon’andraikitra amin’izy io afaka manome izay antoka izay fa mitaintaina no sady faly ny olona amin’ny fandraisana ilay andraikitra. Antsy roalela izany ilay izy, ka mba hampitony ireto ‘akohokelinareo notsipazam-potsimbary’ ireto (ny vahoaka io), dia mba asio fanazavana matomatotra kokoa, ary amin’ny sehatra sy fampahalalam-baovao rehetra ho fanomezan-toky azy ireny.

Faritr’ Andro ratsy faha-12

Misy faritr’ andro ratsy indray ao amin’ny ranomasimbe Indiana. Io no faha-12 amin’ity taon-tsikilaonina (na taonan’ny rivo-doza) ity (2009-2010). Mbola any amin’ny 1245 km avaratra/avaratra-atsinanan’ny morontsirak’i La Réunion no misy azy.

Na izany aza anefa dia tsara ihany ny hanaraha-maso azy io ho fiomana’ireo amin’iny morontsiraka avaratra sy avaratra-atsinanan’i Madagasikara iny.

sary avy amin’ny http://www.m-r.li

Masi-mandidy ve?

Raha tsy diso aho dia i Ludger Andrianjaka no niventy ity  hira ity voalohany tamin’ny feo mangany sy avo dia avo.

Nosy tanindrazako,

‘zay navelan’ny razako…

Foiko ho anao ny aiko…

ry Madagasikarako….

Ny ranomasina no valam-parihy

mamefy ny Foko rehetra hifankatia…

Madagasikara ho an’ny Malagasy

Malagasy kosa ho a’ni Madagasikara.

Andinindininy vitsy fotsiny ihany ireo notsongaiko ireo. Ary ireto roa farany no tena mba tiako hotsindriana mafimafy kokoa.

Tena mifamatotra marina ve izy roa ireo sa mpifamofo mbola afaka mifampifilafila ihany? Raha ny zava-misy mantsy dia tsy masi-mandidy eo amin’ny tany navelan’ny razany ho azy ny Malagasy fa ny vahiny no tena mifehy sy mitazona ny lamboridy, ka toy ny soavaly voatampi-maso ny ‘olona rehetra noheverina ho mpitondra manam-pahaizana’ teto amin’ity tanindrazantsika ity.

Angamba ilay toe-tsaina mihitsy koa no tokony hofafana (truncate na drop – raha fiteny amin’ny tontolon’ny haitao anglisy) fa toa zary mbola mitampisaka ao foana ilay misolelaka sy tsy maintsy miantsy ‘approbation’ avy amin’ny vahiny vao afaka, na vonona hanatanteraka zavatra. Marina amin’ny lafiny maro io. Toa tsy mba misy izay ‘hazondamosina Malagasy’, fa i Jean Ping izao no toa Filoham-pirenen’i Madagasikara.

Ny fitenenana an’ireo tsy midika hoe tsy tokony hihainon y hafa ny Malagasy, fa fotsiny, tiana hapetraka ny hoe ianareo mpanao politika (na liona tanora, na voaibe, na dinaozoro, na tsy haiko koa…), mba farito aminay Malagasy ny tena ataonareo hoe ‘Fitiavan-tanindrazana. Fanina ny maro, ary ny aleo dia tsorina fa asangodinareo ho fanina ny maro.

Miseho lany ankehitriny ny savoritaka anivon’ny sehatra maro (dokotera, tafika, orinasa, halatra sy endaka eny anaty fiarahamonina, sns…) Ka apetraka ny fanontaniana hoe, tratranareo ve ny tanjonareo? Sa tratra ny tanjon’izay naniraka anareo? LMifanipaka toa valala an-karona ny mpiray ‘vilia’ sy ‘vodirindrina’.

Ny tombontsoan’ny besinilmaro no aoka hojerena mandrakariva, sao tonga amin’ilay fiteny taloha hoe ‘Tetiteteho fa ratsy fanahy’, satria ny tantara dia mbola mitohy ary ny tantara dia mbola hitsara.

Fa tsy sanatria hoe ho toy ny fahatsiarovana sisa izay rehetra mandalo eto amin’ity firenena ity ka izay vita dia ifamelana avy eo, na atao ‘dossi’rs classés’. Isan’ny tsaroana manokana amin’izany izay nitranga 35 taona lasa izay (11 febroary / fevrier 1975), ka namonona ana’i Richard RATSIMANDRAVA, nefa tsy mbola nisy nipika ihany izay fandehan’ny fanadihadiana. Toa izay tokony ho vavolombelona aza dia maty amin’ny fomba tsy hay daholo ny ankamaroany. Ny boky na izay soratra navelan’i Mopera Remi Ralibera indray izao no andrasana hoe inona no tena raketiny momba iny raharaha iny.

Veloma ihany ny aina, hahita izay antenaina.

Hioty ny soa tsy ho lany, hiadam-pinaritra hatrany.