Fisavana kara-panondro: inona no antoka?

Misy ny fisavana kara-panondro atao amin’izao fotoana izao. Ekena fa tsy anavahana na iza na iza izany.

Fa ny ‘indro-kelin’ny mpandrafitra’ amin’izy ity dia izao: ahoana kosa no anavahan’ny besinimaro ny tena mpitandro filaminana ara-dalàna manao ny asany amin’ireo ‘ahi-dratsy’ manararaotra misisika anaty vary mba handotoana iretsy voalohany sy hanaovana ny asa ratsiny?

Ny faritra rehetra dia azon’ny mpiasava anatanterahana izany avokoa, ka eo indrindra no hiseho  ny olana. Mangataka antoka ary ny vahoaka, nefa ‘inona no antoka?’

Asa raha misy aminareo tompon’andraikitra amin’izy io afaka manome izay antoka izay fa mitaintaina no sady faly ny olona amin’ny fandraisana ilay andraikitra. Antsy roalela izany ilay izy, ka mba hampitony ireto ‘akohokelinareo notsipazam-potsimbary’ ireto (ny vahoaka io), dia mba asio fanazavana matomatotra kokoa, ary amin’ny sehatra sy fampahalalam-baovao rehetra ho fanomezan-toky azy ireny.

Une Réponse

  1. Salama ee
    Tsy dia maharesy lahatra ny fanazavana ny mpitandro ny filamina ee,sady mampanahiko ny hanavahana azy ireo araka ny teninao mpanoratra .
    Aza misaraka amin’ny CIN ary koa
    Mazotoa daholo ee

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :