Lisitra sy filaharan’ireo kandidà ao anaty biletà tokana

lisitra sy filaharana farany ho hitanao ao anaty biletà tokana #mdg2013 #mdg13

1.RAVALISAONA Clément Zafisolo,
2. RAVALOMANANA née RAKOTONIRAINY Lalao Harivelo,
3.JULES ETIENNE Rolland,
4 .RABEHARISON Roland Dieu Donné dit VAHÖMBEY,
5. RATSIRAKA Iarovana Roland,
6.ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona,
7. RAKOTO Fetison Andrianirina,
8. RABEMANANANTSOA Brigitte Ihantanirina ,
09. RADAVIDSON Andriamparany Benjamin,
10.VITAL Albert Camille ,
11. RAKOTO Jean Pierre,
12. DOFO Mickaël Bréchard,
13.RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin,
14. RATSIRAKA Didier Ignace,
15. RAJAONARY Patrick Ratsimba,
16. RABEHARISOA Saraha épouse GEORGET,
17. RASOLOSOA Dolin Rina Josephson,
18. TINASON Freddy,
19. RAZAFIARISON Laza,
20. MONJA Roindefo Zafitsimivalo,
21. KOLO Christophe Laurent Roger ,
22. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Alain,
23. RAJEMISON RAKOTOMAHARO,
24. RAKOTOMALALA Marcel Fleury,
25. LAHINIRIKO Jean,

26. RASOLOVOAHANGY Roseline Emma,
27.VONINAHITSY Jean Eugène,
28. RAJAONARIVELO Pierrot Jocelyn,
29. RAJOELINA Andry Nirina,
30.RAFALIMANANA Ny Rado,
31.RANDRIAMANANTSOA Tabera
32. RATREMA William,
33.JEAN-LOUIS Robinson Richard,
34. RAZAFINDRAVAHY Edgard Marie Noé,
35. RAHARIMANANA Venance Patrick,
36. RATRIMOARIVONY Guy,
37.RAZAFIMANAZATO Julien,
38. RATSIMBALSON Faharo,
39.RABETSAROANA Willy Sylvain ,
40. NOELSON William,
41. LEZAVA Fleury Rabarison.

23/06/2013 : fanombohan’ny fampielezan-kevitra

Mpisolovava an-jatony no hofanin’ny CENIT mba hisahana ny olana ara-pifidianana

Rahoviana no fametraham-pialana ho an’ireo rehetra tokony hanao izany? Miandry dia mahita isika rehetra e!

Publicités

Andry Rajoelina niatrika mpanao gazety

Na inona na inona tapaky ny GIC amin’ny fandinihana ny olan’i Madagasikara, dia vonona hiroso amin’ny fifidianana ny HAT, Ary bileta tokana no hampiasaina, mba tsy hisian’ny fanambazam-bola ireo mpifidy amin’ny fividiana ny vaton’ireo mpifanandrina rehefa mivoaka ny biraom-pifidianana.

Amin’ny volana Mai no hanaovana azy, hoy izy , na inona hidona, na inona hihatra. Ireo raha fintinina amin’ny teny vitsy ny nambaran’Atoa Andry Rajoelina teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra androany hariva nandritry ny 15 min teo ho eo.

Tsy hisy intsony ny fampiasana ny ‘ordonnance’ mandritry ny fotoam-pifidianana tany aloha rehetra tany teo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy, mba tsy hahafahan’ny olona iray ho afaka mifidy amin’ny biraom-pifidianana maromaro.

Tsy hihemotra sy tsy hatahotra izay sazy lazaina fa hampiharina amin’ny tenany izy Andry Rajoelina, araka ny nambarany fa tsy noho ny fankahalana na tsy fitiavana olona no entina hanasaziana an’i Madagasikara sy ny Malagasy raha araka ny nambarany  hatrany.

Fa ety anjorony kosa dia milaza ny hidina etsy amin’ny esplanade Analakely ny avy any amin’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana – pasitera – (mitaky ny hampiharana ny fifanarahan’i Maputo), rehefa avy nanentana an’Antsahamanitra, amin’ny Sabotsy izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hanao Diabe ho eny amin’ny kianja monisipalin’i Mahamasina. Nanambara anefa R. Alexandre, Talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny tananan’Antananarivo Renovohitra fa ny eny Antsonjombe no nomena malalaka hampiasain’ireo mpitondra fivavahana hanaovany ny hetsika amin’io Sabotsy io.

Aza taitai-homa-menaka e!

Be  ny nitsinjaka fa hoe izay vao sahy nandray fepetra hentitra Andriamatoa Andry RAJOELINA. Hentitra tokoa angamba, saingy hentitra mitondra ho aiza sy hitondra inona anefa?

Izao no fomba fijeriko azy (ahy manokana): 20 Martsa no tondroina hanaovana fifidianana, izany hoe 3 volana sisa. Dia ireto ny fanontaniako:

1* Efa mipetraka tsara ve ny rafitra rehetra hiatrehana an’izany hatrany amin’ny fokontany rehetra any?

2* Izay voafidy eo dia ho solotenam-bahoaka ho any amin’ny Repoblika faha-4 (raha tsy diso aho!), no sady handrafitra ny Lalampanorenan’izay Repoblika faha4 izay. Ireo anefa no hanendry ny Praiminisitra. Ka ilay Praiministra anefa dia an’ny Tetezamita ihany (raha mbola tsy diso ihany aho!). Ka raha izany sao mba ho tonga hatrany amin’ny Repoblika faha-4 indray koa ilay tendrena eo? Tsy dia manara-penitra loatra mantsy ilay hoe ny mpanendry (solontenam-bahoaka) hiditra hatrany amin’ny Repoblika faha-4, nefa, ity notendrena hijanona anatin’ny fetran’ny Tetezamita.

3* Iza ary aiza avy no hakàna ireo ho mpikambana ao anatin’ilay Komity hisahana ny fifidianana?

4* Mbola ilay lalàna nolavina ihany ve no ho enti-manomana ny fifidianana?

5* Raha TSIA, dia iza , na rafitra toy inona no hanomana ilay lalàm-pifidianana hampiasaina?

Sao lahy ka hanao toy ilay Fihaonambem-pirenena natao teny Ivato. Ny vola lany, ny fotoana very, fa avy eo tsy nasian’ny olona sira akory na kely aza. Tsy sanatria hoe hiladilady foana amin’ny any ivelany, fa ny tiana hotsindriana dia ny hoe efa voahevitra lalina ve ilay fanambarana tamin’iny valan-dresaka nataon’ingahy Andry RAJOELINA teny Iavoloha iny, sa teo ampototry ny molony teo no tonga dia nolazaina ho ren’ny vahoaka tsy mandady harona?

Manahy aho. Sao dia taitai-homa-menaka, na sambany nahita ronono mandroatra ka mijabaka anaty vilany. Samy may daholo no fiafaran’ireo roa ireo mantsy.

Saika hadinoko, somary nahataitra kely ny saiko koa ity lafiny iray ity: isaky ny manao valan-dresaka toy iny Andry RAJOELINA dia toa i Onitiana Realy sy Johary Ravaojanahary  foana no mpametraka fanontaniana. Misy antony manokana ve, sa ireo no tena sangany? Tsy fantatro fa mba omeo valin-teny aho ho an’izay mahalàla.

Fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy

Tapaka taorian’ny fivoriamben’ny antoko AME izany fa dia ny filoha nasionalin’ity antoko ity (Clément Ravalisaona.) no arotsak’izy ireo hofidiana amin’ny fifidiana ho filoham-pirenena Malagasy ho avy eo.

Tsy olana ho an’ity antoko ity koa ny hitondran’i Andry Rajoelina ny Tetezamita

NY (TSY) LAHARAM-PAHAMEHANA

Samy manana ny ‘maika‘ ho azy ny rehetra. Samy mametraka laharam-pahamehana araka izany ihany koa. Be ny mampikaikaika. Raha ny valalabemandry no anontaniana izay mampikaikaika azy dia ‘ny vidin-tsakafo, ny vdin-jiro sy rano’ no sady laharam-pahamehany no koa mampikaikaika azy. Miankina amin’izay laharam-pahamehanna sy mampikaikaika ny hafa nefa io azy io. Ohatra fotsiny, ny fitaterana, izay sady manjifa solika no koa mampiasa jiro sy rano. Vokany, manitsy, na mampiakatra tsotra izao ny sarany izy ireny mba hamenoana ny bangany. Afa-manoatra ve nefa ny orinasa mpamokatra sy mpivarotra ( na solika io, na herinaratra sy rano, hatramin’ny mpitatitra koa aza e) ? Satria manana izay laharampahamehany sy mampikaikaika azy koa izy ireny, toy ny hoe ny vidiny avy any an-dafy any mihitsy no mikorontana (saingy tsy dia fahita firy aty Madagasikara ny hoe nidina ny vidin’entana, rehefa nidina ny any am-potony any, ( efa nisy kely ihany , sao misy ho tezitra amiko sy hilaza ahy ho mpandainga eo). Betsaka araka izany no mampikaikaika sy laharampahamehana ho an’ny sokajy tsirairay.

Fa mba manana ny heveriny ho fandaminana izay hamehana izay koa ny Fanjakana foibe. Mivory izao ny Antenimiera roa tonta ( ireo Solombava sy Loholona). Isan’ny laharampahamehana ao ny fandinihana ny tetibola 2009. Ilaina maika io ho azy ireo (tsy mandiso an’izay koa aho).
Manana izay heveriny ho laharampahamehana koa ny FFKM sy ny vondrona miara-dia eo amin’ny resaka pôlitika. Ho azy ireo dia tafiditra amin’izany ny Lalana hifehy ny fifidanana eto Madagasikara.

Nandramako ny nandinika sy nampifanakaiky ireo heverin’ny andaniny sy ny ankilany amin’ny tontolon’ny pôlitika ireo ho laharam-pahamehana (iretsy roa farany etsy ambony ireo), ka izao no fahitako azy:

Tonga dia izay mety ho fijerin’ny Fitondrana sy izay mety ho valin-teny azon’izay mpitaky ny handinihana io Lalàna io no ezahako takarina. Mino aho fa raha amin’izao fotoana izao no hitenenana hoe ‘Diniho ny fanovana ny Lalàna mifehy ny fifidianna eto Madagasikara’, da hoy ny valin-teny hoe

‘Tsy laharam-pahamehana izany, Tsy raharaha maika satria mbola rahoviana vao hisy fifidianana, aleo hilamina dia misesy’.

Dia mitsatoka eo ny amin’iny.

Fa rehefa any andro any taona ka tonga indray ny fotoana fifidiana (na ndeha hataoko hoe efa miha akaiky), dia izao no valin’teny mety ho azo :

‘Ny fikarakarana ny fifidiana izao no maika, fa tsy zavatra kilalao ny fandinihana izany resaka Lalàna izany ka hoe hatao an-kamehana’

Ny tiako hisarihana ny saina izany dia tsotra: te-hanontany antsika tsirairay izay mamaky aho, inona marina no mamaritra ny hoe ‘hamehana’? Sa rehefa metimety amiko ny hanao azy ho hamehana dia lasa hamehana izy, fa rehefa manelingelina ahy dia mivadika tsy hamehna indray?

Samy mampiasa ny teny ‘hamehana’ daholo mantsy na ny ‘an-kamehana’, na ny ‘laharampahamehana’. Anao ny safidy, izaho tsy mandidy.

Nandatsa-bato

Niniana natao ilay lohateny hoe « Nandatsa-bato » satria tsy fifidianana no natrehiko teto Antananarivo raha ny sary entiko ho anao no jerena akaiky.

Tsy nisy afa-tsy vato TIM sy valopy no nameno ny latabatr’ireo birao noteteziko (EPP Behoririka, EPP Andravoahangy I sy II, EPP Antanimena, EPP Ankadifotsy ISCAM)

sunp0019.jpg

Raha ny taha-pahavitrihana moa dia ambany tokoa. Ary inoako fa tsy mbola nisy toy iny. Lany andro nanoko resaka sy nialoka noho ny hafanàna fotsiny sisa ireo mpikambana tamin’ireny biraom-pifidianana ireny. Zarany aza nisy anay nandehandeha teny naka sary sy nampiresaka azy.

Ireto sary rehetra ireto dia nalaina teo anelanela’ny 11h sy 12h. Raha misy olona 1700 mahery no voasoratra (saiky isak’ireo birao notsidihako io an!), dia nanodidina ny 70 teo raha be indrindra no tonga nifidy tamin’io ora io (12h). Topazo maso anie ity fandraisana ny isan’ny olona tao amin’ny EPP Andravoahangy II ity e! Isao ny isan’ny tsanganana sy ny andàlana, dia ataovy ny kajy tsotsotra avy eo.

sunp0021.jpg

Ny olona nandràsana tsy tonga, ny hanoanana nanomboka namely. Midinika sy mifandamina ny amin’izay handeha hisakafo mialoha sisa no azo natao. Kanjo tonga tampoka ny olom-boafidy iray eto amin’ny firenena, izay mitàna andraikitra ambony ihany koa eo anivon’ny andrim-panjakana iray. Nombàm-bady ny lehilahy ary efa somary nahenoana fofona alikaola ihany koa. Koa raha izy aza moa nahenoana izany, dia ahoana no hinoana fa tsy mba haka tàhaka izany koa ny olona tsotra? Araho ny tohiny. 

sunp0023.jpg

sunp0027.jpg

Rehefa avy nifidy ingahy olom-boafidy sy ny vadiny, narahin’ity garde de corps, dia namonjy fiara mba hody. Asa anefa na efa nalemin’ny alikaola ny hozatra ka tsy nahazàka tsara intsony ilay tongotra tokony handingana ilay rojo vy nanelanelana ny varavaran’ny fiara sy ny tenany. Niezaka ihany ingahirainy ny handingana, kanjo, loza fa natsipin’ny rojo nitsinkasina tamin’ny tany teo imasom-bahoaka teo.

sunp0031.jpg

Koa raha toy ireny daholo tokoa moa ny ohatra omena ny vahoaka, tsy dia hahagaga antsika loatra raha mihena ny fitokisana sy fitiavan’ny daholobe ny mpitondra azy ankehitriny.

Karazana felaka teha-maina fanindroany nahazo ny fitondrana ny valin’iny latsa-bato iny satria raha ny vokatra tsy tena mbola ofisialy manerana an’i Madagasikara navoakan’ny Ministeran’ny Atitany androany maraina, dia 30,71% ny taha-pahavitrihan’ny olona nandeha nifidy. Tsy tokony hitondra fisainana lalina ho an’ny mpitondra ve izany?

Asa lahy!