19 Aogositra (1839 – 2016) vs 13 Mai

Maro ireo Andro Iraisampirenena natokana ho an’ny karazana hetsika samihafa.

Ny 19 Aogositra 1839 no tsaroana rehefa tonga ny fankalazàna ny Andro Manerantany ho an’ny Fakàna Sary.  Io no andro voalohany nilazana tamin’ny fomba ofisialy ny namoronana ny ‘Saripika’ voalohany indrindra.

Naka aingam-panahy sy nanatsara ny asan’i Nicéphore Niepce izay maty tamin’i 1833 i Louis Dageurre. Tamin’ny 19 Aogositra 1839, nasehon’ny solombavambahoaka Frantsay François Arago,  tao amin’ny Akademian’ny Siansa ny daguerréotype, voka-pikarohan’i Louis Dageurre ary io nitarika io fankalazana io taty aoriana, raha tany amin’ny tontolo Arabo fony taonjato faha-10 sy Gresy Antika no efa fantatra ireo fototra ilaina amin’ny resaka famoronana sary

Raha mbola nandalo dingana samihafa ny fivoahan’ny saripika ho hitan’ny masontsika (pihana, avy eo entina sasàna hifindra amin’ny taratasy) tamin’izany fotoana izany, dia efa eo noho eo kosa no azo jerena izay sary nopihan’ny tsirairay tamin’ireo fitaovana raitra (niomerika) fampiasa ankehitriny. Dingana lavitra, nefa nitondra fanavaoana goavana izany.

Tamin’ny taona 2015, tany ampita tany dia nisy hetsika niavaka natokana hankalazana io andro io: rehefa tonga ny tamin’ny  6:39 hariva (18h39, mivaky hoe 1839 rehefa esorinao ny ‘h’). Tamin’io ora io dia nasaina niato tamin’izay nataony ny olona mba handrakitra an-tsary ny manodidina azy. Satria tokoa mantsy natao hitahirizana tantara sy vanimpotoana iray tao anatin’izany tantara izany ny sary.

Ho fankalazako io andro io, na dia tsy tamin’ny 18h39 aza no nakàna ny sary (sarotra ihany mantsy ny haka sary tafika isan-tokony nandrakotra an’Analakely sy ny manodidina azy hatramin’ny alina, ka tsy hampiasa tselatra / flash) , dia indro atolotro anareo ery amin’ny faran’ny lahatsoratra ireo sary vitsivitsy nopihako ny 19 Aogositra 2016 teo amin’ilay toerana manan-tantara amin’ny resaka politika: #13Mai #Analakely #Madagasikara, malaza amin’ny fanaovana hetsipanoherana sy fenehoan’ny vahoaka ny tsy fankasitrahana ireo endrika isehoan’ny fitantanana ny sosialim-bahoaka ataon’ny fitondrana. Sehatra iray ihany koa nosafidian’ny fanjakàna hampisehoana amin’ny vahoaka fa voafehiny amin’ny tànany roa ireo hery rehetra eto amin’ny firenena.

Zavatra iray iriko mba hataon’ny Ministeran’ny Kolontsaina- rehefa tonga ny 19 Aogositra isantaona – ny handrisika ny olona haka sary ny manodidina azy, ary entina hanaovana fampirantiana aminà toerana iray (ha ha ha…hevitro io fa dia tsy maninona na hisy hangalatra indray aza, raha izay no hahatsara zavatra). Fa mba hahafahana manana tahirintsary momba ireo vakoka ihany koa dia angatahako ny hahafahan’ny rehetra maka sary ireny toerana natokana ho vakoka ho an’ny firenena ireny. Fa tsy sanatria rehefa any aoriana misy fahavoazana indray, vao hanao antso avo amin’ny olontsotra hoe « Sao misy manana tahiry » (nefa ny olona raràna tsy ho afaka maka sary akory)

#13Mai #Analakely #AppelManifAFP

DSC_0208_2

DSC_0198_2

Ato ny sary misimisy kokoa

VEHIVAVY LEHIBE MPANDREBIREBY

Efa tantara nisy tany aloha izy ity. Misy tamintsika no efa nandre, na niharany teny amin’iny faritra « petite vitesse » iny. Nangingiana teo aloha teo, saingy niverina kosa tato ho ato araka ity tatitra iray voaray ity. Ny hevi-dehiben’ny tatitra voaray no ezahana hivoaka (afa-tsy ny anaran’olona voatanisa tao anatiny).  Tany aloha dia lehilahy iray mampanao zavatra atao ambany lela izany no nalaza ho nanao azy, ary ankehitriny indray dia efa vehivavy lehibe tsy ampoizinao no manatanteraka fampiesonana eny an-dàlana eny. Tsy dia ataoko hoe ‘fisolokiana’ loatra no azo amaritana ny ataony, fa dia fandraikiraikena angamba no akaiky kokoa.

Tandremo àry! Araho ny tatitra iray avy amin’ny tsara sitrapo:

 

Tranga voalohany:
Femme de ménage tao aminà toeram-piasana iray no tratra t@ izy ity ka tena nitomany tena saika tapaka lalan-drà mihitsy, efa marary fo rahateo ilay ramatoa! Orinasa vitsivitsy no hanaovany ny asa fanadiovana isan’andro, noho izany raha atambatra ny vola totalin’ny karamany isam-bolana @ ireo orinasa ireo dia eo @ 100.000 Ar/volana eo.
T@ faran’ny volana teo ary dia andro iray no nandraisany ireo ambim-bola karamany rehetra avy tao @ireo orinasa samihafa niasany ireo (Alatsinainy 30 Jona teo io andro io, efa nisy nanome « avance » ireo orinasa sasany talohan’ny fety 26 Jona ka mitontaly eo @ 50.000 Ar sisa no tontalim-bola noraisiny io faran’ny volana Jona io). Nony efa vita daholo ny asany t@ ireo orinasa iasàny ireo, ary voarainy daholo koa ny ambim-bola karamany rehetra dia mba niantsena kely tao Analakely ny anao vavy fa hoe nisy patalohan-janany mba tiany ho vidina tao! Dia voavidy ilay pataloha ka nihazo ny làlana hody (fahazàrany ny mandeha an-tongotra mandeha mody any Ankorondrano isan’andro rehefa avy miasa). Rehefa nandalo teo @ arcade misy ny magazay Bao Laï iny izy no nisy vehivavy lehibe iray niantso azy moramora avy ao aoriana ka toy izao manaraka izao no niseho :
Nisy vehivavy lehibe, efa “ramatoa », hoy izy, no nanaraka sy niantso azy moramora avy ao aoriana niteny hoe “ô ry Madama a, mailomailo ianao fa misy bandy roalahy rery manaraka aoriana rery efa tsikaritro nitilitily anao efa ela fa mpanendaka angamba ireo, te hanendaka anao » dia ampiany hoe « aza miherika mihitsy ianao aloha », sady @ io ilay ramatoa efa mitankosina aminy miara-dalana aminy dia tena miresaka mandresy lahatra tsara azy! Dia manohy ny resany ihany izy hoe « mijanona mihitsy ianao aloha dia esory sy avohay daholo izay zava-tsarobidy eny aminao dia ampirimo fa ho endahin’ireo bandy ireo ianao raha tsy mahay! » Ilay femme de ménage koa kelikely sady katahotahotra kely izay ka tonga hono dia nivarahontsana avy hatrany naheno an’izay, Dia nijanona tokoa, ilay ramatoa koa mijanona niaraka taminy sady nanao hoe “aleo ampiko ianao fa mampalahelo ahy raha sanatria voan’ireo bandy ireo! » Dia nesorin’ilay ramatoa, hono, ny peratra volamena alliance teny @ ilay femme de ménage, nataony anaty sachet kely efa teny an-tanany, ilay femme de ménage @ io rano an-dravina mangovitra matahotra, dia nanampy indray ity ramatoa ratsy toetra nanao hoe « raha misy vola koa anaty poketranao any dia esory ovay toerana fa izay angamba no tena tilin’ireo bandy ireo any aminao miaraka @ ity peratra ity! » Dia asa izay nahazo ilay tra-doza fa toy ny hoe voan’ny fandraikiraikena marina angaha fa dia nanaiky, namoaka ny vola rehetra avy any @ poketra teo imason’ilay ramatoa, dia io @ izany mody manampy, « ataontsika ato @ ity sachet kely ity miaraka ao daholo ny peratra sy vola dia jereo fa ato no asiko azy an!! » Dia hitan’ilay ramatoa izao, hono, ilay peratra sy ireo volany rehetra nataony anaty sachet kely dia nasitriny t@ ilay harona nisy ilay pataloha vao avy novidina! « Ao daholo ilay izy dia mandehana @izay mandeha mody haingana »  hoy izy « fa tsy mahita n’inon’inona any @ poketranaoany ireo raha ilay poketra no tetehiny fa efa niova toerana ny volanao sy ny peratrao!Izay fa veloma dia mitandrema tsara @ sisa!!! » Dia nisara-dalana zareo!Ilay femme de ménage @ io mbola nisaotsaotra azy no sady rano an-dravina ihany, ka tsy nanohy ny làlana nody aloha fa lasa namonjy niditra tao @ ilay birao iray fiasàny ao Analakely mba haka souffle kely fa natahotra mafy no sady mba hoe hipetrapetraka hanamboatra entana tao aloha! Kanjo inona no niseho?? Tonga tao @ ilay birao dia nosavaina ny harona nisy ilay pataloha fa hoe hijery ilay peratra sy ireo vola mba hamboarina tsara ny toerany,  tsy nisy n’inon’inona afa tsy ilay pataloha sisa tao, ilay sachet kely nivoromborona tsy nisy n’inon’inona no indro hita tao niaraka t@ ilay pataloha! Dia nitomany tena nifamonjen’ny tao @ birao ilay ramatoa, fa lasa daholo ny ambin-karama rehetra vao noraisina, niaraka t@ peratra mariazy volamena! Tena loza ilay mpampiesona!!

Izao izany no tena fandehany :
Mety efa narahany ela sy voadinidinika ela ny momba ilay olona hoasiany, mety misy namany vitsivitsy miaraka aminy manao izay asa izay, efa nitily elaela anao izy hoe misy peratra na firavaka sarobidy eny aminao, na koa mety hitany ianao hoe avy nandray na nikirakira volabe tany ho any, nividy zavatra ohatra ka namoaka vola, dia narahany ka rehefa hitany hoe olona mety mareforefo mora fitahina na mora resena lahatra ny toetoetranao dia avy @izay izy manantona anao manao ity fomba ratsy ity !
Koa mailomailo rehefa mandeha eny an-dalanà, aza mety rebireben’olona loatra fa tena misy mahay mandresy lahatra @ zavatra tsy ampozinao! Fihino tsara ny poketra na ny kitapo ary aza varimbariana loatra, indrindra rehefa mividy zavatra ka mamoaka vola, na koa rehefa mi téléphone eny an-dalana eny, fa mety tsy ampoizinao fa mety misy manara-maso ianao @ zavatra sarobidy misy eny an-koditrao sy eny aminao : vola, firavaka, téléphone, malette misy ordi portable sns…Aoka ho mailo foana e!!!

Tranga faha-2 :
Vao avy notantarain’i D…  ahy izao maraina izao fa cas mitovy tsisy valaka @ io no nahazo ilay rangahy mpampianatra vao maty t@ herinandro teo, ilay mipetraka tao Ankadifotsy, efa voan’ny AVC, mitondra tehina sy efa malemy ny tànany ilany iny!Vao maty t@ herinandro teo tany @ hôpitaly hono fa victime n’ilay zavatra toy ilay nahazo ilay femme de ménage io koa, asa efa 15 andro  lasa izay! Vehivavy lehibe izany koa hono no namely azy! Teo ambony tetezana teo Behoririka indray no nanaovany azy. Narahany ilay rangahy, dia noresahany toy ny teo aloha, fa toa peratra volamena alliance koa angaha no nanaovan’ilay rangahy (olona efa malemy ila mitondra tehina mandeha irery koa moa ka mbola manao peratra volamena ihany !!tsy hoe mandatsa akory a!!), dia noresahan’ilay ramatoa teo, hono, dia nataony @ fanaovany azy koa, « ampiko ianao » hoy izy « fa ianao efa malemy io ve dia ho endahin’olona fotsiny eo mba mampalahelo », dia izy mihitsy hono no nanala ilay peratra teny @ ilay rangahy ka  nataony anaty sachet kely dia nasitriny tany @ harona sa kitapon’ilay rangahy angaha, dia hoe « io hitanao io tsara izy io a!ataoko ato fa jereo tsara! » Dia lasa izy nandeha! Fa nony tonga tany an-trano hono ilay rangahy nojerena ny kitapo sa harona fa tsy tao akory ilay peratra fa sachet kely vide nivoromborona no tao! Safotra teo ny anao lahy ka toa nihombo indray ilay izy efa voan’ny AVC teo iny ary tonga dia nampidirina hôpitaly, dia ni-« délire » foana andro vitsivitsy nanao hoe “dia ilay ramatoa iny ve no nahavita an’izao, tena tsy nampoiziko”,. Farany, maty t@ herinandro teo ilay rangahy, nivoaka t@ gazety ilay faire-part, tena hitako mihitsy, fa i D….. no niteny androany hoe « iny ilay rangahy mipetraka tao Ankadifotsy mitondra tehina mpiantsena irery iny!! »
Dia gaga fotsiny aho fa hitako teny Ankadifotsy foana tokoa izay rangahy izay fa mpiantsena eo @ bara vy eo foana, na t@ izy tsy mbola nalemy aza, dia izy irery foana no miantsena, dia elabe izy tsy hitahita, hay izany voan’ny AVC, fa nony hitako taty aoriana dia ilay malemy ny tànany ilany, ny tongony ilany koa ilay mitsipitsipika ireny dia izy lasa nitondra tehina, fa mbola miantsena irery foana….
Dia izay no tantara sy faits divers mamoa-doza tsy aritro mba tiko avoakanao […]! Tsisy lainga ireo ka izany no tokony amoahana azy fa manjary hanjakazaka izany ramatoa izany fa raha azoko tsara izany dia mifindrafindra toerana izy manao ny asa ratsiny, ary ny olona hitany mareforefo no tena ataony lasibatra!!

Fanamarihana: Nivoaka gazety Midi tamin’ny herinandro lasa ny Filazana manjo tamin’ny anaran’ilay rangahy mpampianatra, araka ny tatitra noraisina hatrany

 

Dia efa mahita asa hafakely tokoa ny sasany mba hahafahany mivelona an. Ao ny mivarotra amoron-dàlana, n y mivarotra am-pitsanganana, ary ao koa ny mampiesona. Misy sekoly fiofanana manokana ve sa nampiana-tena izy ireny? Asa re!

Esory ilay sarinà lohan’omby

Resabe tety anaty serasera sy teny anivon’ny fiarahamonina ny eritreritry ny PDS CUA – #Ny_Hasina_Andriamanjato hanaisotra ilay sarinà lohan’omby tsy ho hita intsony amin’ny mari-pamantarana ny tanànan’Antananarivo. Betsaka no naneho ny hasosorany, tao ny tsy nanan-kolazaina. Tsy mba isan’ireny tsy nanan-kambara ireny i Raozigasy fa hoy indrindra izy nandefa hafatra ho setrin’io eritreritra manidina io:

 

Ombin’ny arivolahy

Malagasy ianao izao vao Kristiana
ka ireo ombin’Iarivo, aleo kely eo hijanona
sa tianao mihitsy soloina vokovoko
dia ny tokontaniny, ovaina fotsy loko ?

Malagasy ianao, izay vao Kristiana
ilay resaka Finoana, aleo aloha hilamina
ianao ange Filoha, napetraka ho Laika
ary ny toeranao, seza Politika

Malagasy ianao, izay vao Kristiana
ny sonian’ny tantara, aza salovanina
izay laharam-pahamehana, ireny aloha jerena
ny atambom-pahalemana, andramo mba resena

Malagasy ianao, izay vao Kristiana
izaho raha miteny, tsy hoe dia mila vanona
raha diso moa ny hevitro, avereno ho ahy
f’aleo hipetraka eo, ny ombin’ny arivolahy

Raozigasy

 

Fa izany eo ihany, tsara ihany kosa ny mba hanolorana dera ho an’ingahy PDS tamin’ny fahasahiany nanadio  ny fifamoivoizana sy ny faritra Analakely omaly 15 Aprily 2014. Voaloko tsara ny sisin-dàlana, nalalaka ny arabe, tonga ara-potoana tany an-tokantrano ny tsirairay. Tamin’iny lafiny iny, « Misaotra eram-po, eran-tsaina ». Andrasako manaraka aminao, PDS, ny fanadiovana ny sisin-dàlana amin’ireto mpivarotra amoron-dàlana ireto. Aleo hikamenona any ny mpivarotra fiara, aleo himonomonona any izay very fihinanana amin’ny tsy fanarahana lalàna, fa mila fiovàna ny tanàna. Ny tsirairay aloha no mila manova tena vao ho afaka hitaky fiovàna amin’ny hafa manodidina azy, ary dia hiova ho azy ny tontolo.

Nihetsika ve ny CUA (Antananarivo Renivohitra)

Ity ilay lavaka nodradraiko teto foana! Asa na ahoana fa mba nisy polisy niambina izy ity tamin’io hariva nandalovako io, ary nisy nanisy vato ihany koa. Voamariko anefa fa toa misy dianà fitrosonana izany eo amin’ilay izy. Enga anie tsy ho ilay nolazaiko. Fa raha sanatria ka nisy an’izay, hjo anareo nahita, mba tolory tànana aho, omeo sary, ho entiko manatitra voninkazo etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo Mairie raha sanatria ka nisy ny famoizana aina naterany.
Ankoatra izay, hitantsika ao anatin’ny lahatsary ihany koa ny tsy fanarahan-dalànanareo mpamily fiara. Dia hikamenona foana hoe ny scooter no miditra any anaty arabe miteraka ny loza nefa ny ataon’ny mpamily no mahatonga azy ireny tafiditra lalina any afovoany any, sy tafahoatra aty amin’ny file inverse

Analakely: nidina an-dalambe i Laza Razafiarison sy ny mpanara-dia azy

Tsy asiana teny betsaka, fa indro alefa ho anareo mpamaky ny sary vitsivitsy azo androany tetsy Analakely, anoloan’ny hotel Glacier. Nidina an-dalambe i Laza Razafiarison sy ny mpanara-dia azy io maraina io. Mitaky fanovàna rafitra, no sady mitaky ihany koa ny hifaranan’izao tetezamita izao, izay ahiany hitohy hatramin’ny 10 taona mahery ho avy.
Araka ny re talohan’ny nahatongavanay teny an-toerana dia nirefotra ny entona mandatsa-dranomaso, ary nisy ny voasambotra sy naratra ary ny fakàna ny fanamafisam-peo.

101_9517 101_9516 101_9518

Nilaza moa ireto mpitarika fa tsy matahotra fisamborana, ary mikitika ny tsy fikitika, hono, izay misambotra n’i Laza Razafiarison. Nambarany ihany koa fa ho avy isanandro izy ireo

101_9519 101_9537 101_9536 101_9535 101_9534101_9531 101_9530

 

Ny an’i Laza Razafiarison izany aloha izao no hita, fa ry Alain Andriamiseza koa efa mikononkonona fidinana eny Ambohijatovo amin’ny Sabotsy ho avy io. Dia hafàna indray ve izany i Madagasikara?

101_9529 101_9528 101_9527 101_9526 101_9525 101_9520 101_9524 101_9523 101_9521 101_9522

Eto kosa ny lahateny fohin’ingahy Laza Razafiarison

Mitokona ny BFV/SG

Hatairana ny an’ny maro tamin’ny Zoma antoandro raha tonga teo anoloan’ny vavahady vy BFV/SG Antaninarenina. Nikatona ary tsy azo nidirana. Latsaka kely ny  tamin’ny 11 ora  tamin’izay. Tonga indray ny Sabotsy, be no nanantena ireo namana fa ho afaka hisintona vola eny amin’ireny milina ireny. Teo Analakely no niseho ny tantara. Nikatona ihany koa. Nangahiahy teo fotsiny.

100_8785

Androany indray, feno olona nitangorongorona teo amin’ny parking BFV/SG Antaninarenina, aty ambany. Nandefa fisainana ny mpandalo « Fa misy inona? – Sao nisy namaky dia tsy azo idirana rha tsy tonga ny polisy? – sns… »

Rehefa mba nanontany ny mpanjifa, dia valinteny sadasada sy fitaka no nataon’ny avy any anatin’ity banky. Resaka Maintenance informatique, hono.

100_8783

Hay ny ao ambadik’ity zava-mitranga ka resaka fitokonana mihitsy. Karama, indray , hono, hoy ireo mpanaraka ety amin’ny sisiny e.

Nanomboka nihiakiaka ny mpanjifa nanao hoe : « Avoahy ny volanay, Avoahy ny volanay ».  Izany tokoa no tonga amin’ilay hoe ny an’ny tena ihany no ananan-doza. Ny fotoana lany, ny vola tsy azo. Ary raha sanatria tokoa moa ka vola tokony hanaovana vonjy aina amin’ny resaka fanafody sy fandidiana no saika halaina tao amin’ity banky ity nanomboka tamin’ny Zoma? Mba ahoana ny amin’izay.

100_8784

LAhatsorara mifandraika amin’izany, ato

Antananarivo #m2506 / 26 Jona (J-1)

Nivoaka kely nijerijery ny zava-misy tmain’ity harivarivan’ny 25 Jona 2012 ity ka izao no tsikaritra:

1* feno olona eny rehetra eny. Midika tokoa va re izany fa fety ny andro. Angamba, saingy ho ahy izay mpandeha amin’ireny arabe irny saika isan’andro vaky (Analakely, Behoririka, Ambondrona, Soarano, sy ny manodidina) dia niampy kely noho ny isan’andro no fahitako azy. Izany hoe niova, saingy tsy dia be loatra

2* Tery kokoa noho ny andavanandro araka izany ny àlna, na ho an’ny mpandeha an-tongotra, na ho an’ny mpamily toa anay. Satria dia zara raha misy faritra mitovy refy amin’ny fiara avelan’ireo mpivarotra mba hizorana.

3* Mbola voaporofo indray androany ny fanamparam-.pahefana ataon’ireo manana ny basy sy ny ‘lalàna’ any aminy.

Dia mbola hisy indray aloha ny tsy ho faly hamaky ny lahatsoratra fanakianana o ity fa dia ‘Akory atao eeee!’ izy no hita teny, ary dia tantarin’ny maso nahita.

Ndeha ny sary amin’izay no hampitenenintsika, ary arahana fanazavana kely manaraka azy tsirairay eny

Ny arabe midina etsy amin’ny farity Behoririka ity hitanao an-tsary ity. Jereo tsara ny faritra izoran’ny fiara.

Ilay arabe teo ihany saingy rhefa lasa izay fiara nandalo teo amin’ny faritra

Tsy hiala lavitra isika fa eo ambony kely eo fotsiny. Azonao jerena eto amin’ny sary ny elanelana misy ny sisin-dàlana amin’ny andaniny roa sy io mpivarotra mitorevaka anaty arabe io, ary iry mitsangana ery aoriana

Fiolahan-dàlana eo ambony eo ihany ity (Behoririka). Hiverenantsika ity faritra ity rehefa somary maizina ny andro

Mbola ilay fiolahana etsy ambony ihany, fa ny tiana haseho dia ny fahasahian’ity ramatoa mivarotra eo anatin’ny arabe, ary iretsy ampita izay mahatonga ny mpandeha an-tongotra hidina koa any anaty arabe

Ireo mpivarotra etsy ampitan’ilay ramatoa eo amin’ny sary etsy ambony, ary tena ao anaty fiolahana tanteraka

10 metatra miala ilay fiolahana tetsy aloha, raha hitodi-toha ho any amin’ny tsena Pochard

Mbola azo lazaina ho misy asany ve itony karazana mpitandro filaminana itony sa ‘espece en voie de disparition’ ? Ny karama anefa natao midangana, ny asa tanterahana tsy mandeha amin’izay andrasana, …Ntsss tsy alehany!

Ireo arendrina miandry mpividy eny an-.tsenan’Analakely

Hitodi-doha hiverina any Behoririka amin’izay indray isika

Mazava loatra fa tahaka ny amin’ny andro mazava, dia mbola mitoetra hatrany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana

Fa teto no tena nisehoan’ny tsy nampoizina. Nisy ity fiara nitondra mpitandro filaminana ity nisosososo avy any amin’izay niaviany tany. Tsy misy laharana izy io. Olona teo amin’ny 4 na 5 teo no tsikaritra tao anatiny. Nododosany daholo ny rehetra teo alohany. Ary raha voadonany aza ilay olona teo akaikin’ny fiolahana voalaza ery ambony, dia azo antoka fa tsy maintsy namoy ny ainy. Rehefa hitany fa nitohana tsy afaka nandeha intsony izy teo amin’ilay fiolahana dia ilay taxibe laharana 4885 TAJ teo alohany no nanalany ny fony.

Tsy tahotra tsy henatra fa raha vantany vao azony natao ny nilahatra tamin’ity taxibe dia ny fandrahonana sy ny vazavaza, ary ny fitakiana taratasy no nataon’ilay iray teo akaikin’ny mpamily. Azy tokoa moa ny fahefana, ary toa nanaiky nilefitra mora foana koa ity mpamily nanoloana ireto TOMPON’NY FAHEFANA ka dia nanome izay notakiany. Vao azony ny taratasy dia iny indray ity fiara fa niezaka ny handodona ireo teo alohany, nefa anie ka tsy afaka ny ho lasa lavitra akory e. Tsy maintsy nanaraka ny dian’ireo teo alohany mandra-pahatonga tery Antanimena ambany. Efa vesaran’ny fanomanana ny rahampitso va re sa inona no mampiasa saina e? Efa lasa ny taratasy vao tonga saina ny mpamily ilay taxibe fa na dia ny anaran’ireto naka ny taratasy, na ny laharan’ilay fiara aza tsy misy fantatra akory.

Eto dia fanontaniana no apetraka AN’IZA NY ANDRAIKITRA amin’ny fisian’ny fitohanana sy ny gaboraraka? Amiko dia tafiditra amin’izany daholo na ingahy Edgard RAZAFINDRAVAHY mitantana an’Antananrivo Renivohitra, ny ny POLISY mandray karama be nefa tsy alehany mameno ny tanàna, na ny mpitondra fanjakana tarihan’ingahy Andry Rajoelina toa faly MIJERY FOTSINY satria matahotra ny ho very seza raha sanatria hanakorantana ireto mpandika lalàna mameno tanàna ireto.

Mirary fety milamina sy anaty fiadanana ho an’ny rehetra amin’izao fahatongavan’ny fahatsiarvana ny 26 Jona izao. Niniako tsy tenina ny hoe #fahaleovantea (#Independance) satra toa mbola be loatra ny marika ahitako fa tsy tena mbola mahaleo tena ny taniko, dia i #Madagasikara  (#Madagascar)

++++++++++++++

Bilaogy miresaka fahaleovantena tsara mba topazanao maso koa ny ato izay ny namana Mamisoa no mitantana azy

Ambohijatovo #m2305 Pr RAJAONARIVELO Paul

Dia niatrika sy nanatanteraka ny teny nataony ary ny Pr #RAJAONARIVELO Paul tamin’ity anio ity araka ny antso nalefany tao amin’ny FreeFM 104.2 .

Profesora sy ny tomponandraikitra amin’ny tifandroana ny filaminana

Tsy dia nahazo olona maro nanao ahoana ny androany raha oharina amin’ireo teo alohany. Dia an-tongotra avy any afovoan’Alalakaley tany no niakarany ho eny Ambohijatovo. Hihaona amin’ny lehiben’ny EMMO no voalohan-daharana. Nefa rehefa tonga teny dia tsotra no valiny azony.

Tsy eo ny tompon-tanàna, ary mihidy ny faritra. Tsy misy lakile

Rehefa izany dia niatrika indray ireo mpaka sary sy mpanao gazety ingahy Profesora mba hanao fanambarana. Tamin’izany no nitanisany andinin-dalàna vitsivitsy mikasika ny resaka fanehoan-kevitra an-dalambe, na anaty faritra mihitdy. Nolazainy fa nisy tamin’ireny no tsy mba vakian’ny tompon’andraikitra rehefa miresaka lalàna momba ny famoriana vahoaka, fa dia izay metimety aminy ihany no ampahafantarina sy dradraina amin’ny haino aman-jery.

Rehefa vita ny fanambarana ho an’ny mpanao gazety teo amin’io faritra io dia lasa izy sy ireo olona vitsivitsy mpanaraka azy nidina ho eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo (vaovao) mba hangataka ny lakile hanaovany fanazavan-kevitra.

Niroso ho any amin’ny Lapan’ny Tanàna

Vao teo am-bavahady dia efa tsy nisy namoha ny tao amin’ny Lapan’ny tanàna. Ny naka sary sy lahatsary (video) an’ireo mpirohotra aza no nataon’ireo tao, rehefa avy niofanakalo resaka fohy tamin’ireto vahiny tonga hitsidika.

Haody ny aty eee! Ao ve ny tompon’ny tanàna azafady? — Tsy ao izy tompoko, ary tsy afaka ny handray anareo ihany koa izahay

Rehefa tsy nahazo ny fanalahidy teo indray ny Profesora dia nandray fitenenana tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo ary nitondra ireo olona nanaraka azy niala teo. Toa hoe hiverina eny Ambohijatovo. Teo anoloan’ny vavahadin’ny Lapa no nilazany fa hotsaroan’ny tantara ireo tsy nanome ny fanalahidy mba hampiasana ny kianja ho fanehoana hevitra, ary fitaovana iray ho amin’izany fitsarana izany ny fifidianana.

Hotsarain’ny tantara ianareo, hoy izy mantsy ny mpiasan’ny kaominina

Tsy tafakatra hatreny akaikin’ny kianajan’Ambohijatovo intsony aloha ny Profesora sy ny mpanaraka azy hatramin’ny fotoana nialan’ny tena teny an-toerana, fa nifanehatra tamin’andian’olona nanakana ny firoson-dry zareo teo anoloan’ny BNI

Hatreo aloha no azo notantaraina raha ny mikasika ity andro ity. Ho hita eo ihany izay ho fivoaran’ny raharaha.

Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. « Hiady amin’adala tokoa ve moa » hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

« Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene »

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

« Efa ho retraité aho »  « 30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo? »

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao « ady idy »

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.

 

Hetsika #12Mai2012

Saika hanao fanazavan-kevitra tamin’ireo mpomba azy teny #Ambohijatovo indray ireo parlemantera roalahy avy amin’ny ankolafy #Ravalomanana. Rehefa avy nanatona ireo mpitandro filaminana nangataka alàlana izy ireo dia tsy nahazo rariny. Rehefa izany dia nilazàna izy ireo hanao izany any amin’ny kianja #MAGRO Behoririka.

Teny an-dàlana anefa dia nizara 3 teo ireto olona nitanjozotra ireto (izay narahan’ny mpitandro filaminana mba tsy hisian’ny korontana, ary dia ireto mpitarika mihitsy aza moa raha ny heno no nangataka izay fiarovana izay). Ny ampahany voalohany nijanona tety akaikin’ny #TAHALA #RARIHASINA, ny faharoa teo amin’ny #13Mai ary ny sisa (fahatelo) dia nanohy ny dia ho any Behoririka.

Nisy ny fifamaliana teo amin’ireo mpitarika roalahy sy iretsy nidongy hijanona tao afovoan-tanàna, ary nivoaka tamin’izany aza ny fitenenana naherihery avy amin’ireo mpanara-dia fa hoe nahatsiaro ho nolalaovin’ireo mpanao politika ry zareo, nolaniana andro. Na dia niezaka ny handresy lahatra azy ireo aza ny mpitarika dia tsy nahita nangirana, fa dia niparitaka ny hetsika.

Ny tetsy amin’ny kianja 13Mai no ndeha hiverenana. Nifampitazana sy nifampiandry teny indray ny EMMO sy ny mpanao fihetsiketsehana. Nitohy hatramin’ny efa maizina moa izany fifampiandrasana izany ary niafara mihitsy tamin’ny fisamborana olona telolahy, taorian’ny nisian’ny fikasana handoro fiara tsy lavitra ny arabe mivily mankany amin’ny Lisea #Rabearivelo iny.

Isan’ny nanamarika ny andro androany hariva ihany koa ny nakan’ny mpitandro filaminana iray ny finday misy fakàna sary teny amin’ny mpanao gazety iray, sy nanitsahany an’izanyary ny nanipazany azy lavitra dia lavitra ilay toerana nitrangan’ny famotehana. Asa raha fantany hoe mpanao gazety ity olona nanaovany herisetra, na noheveriny ho olon-tsotra. Teto dia nahatsiaro ny zavatra nahazo ny namana iray mpaka sary an-gazety niharan’ny fisamborana sy ny daroka rehefa nentina tao amin’ny #Bain-douche tamin’ity herinandro ity ny vitsivitsy nanatrika teo. Fihetsika izay tsy voalohany no sady angamba tsy ho ny farany koa. Mahamenatra satria nony injay nentina tao amin’itsy birao voalaza ilay mpanao gazety, ka fantatry ny tao fa mpanao gazety, dia navoaka toa tsy nisy inona iny, nefa raha ny heno dia hoe efa nasaina nanao sonia an-tery ny fakàna ambavany azy,talohan’ny nahatongavan’ireo mahafantatra azy ho mpanao gazety.

Aleo hatsahatra ny bla bla bla, fa ndeha hijery sary isika e, ny androany hariva.

Sary 1 : Mifampitazana sy mifampiandry

ireo fiara mivezivezy miezaka mamno lolo ny olona mivorivory

dia voatery foana hanimba zavatra ve rehefa hoe maneho hevitra? Fisainana efa tokony hialàna

Voaendaka daholo natao sakana ny sisin-jaridaina teto amin’ity hazo ity sy ny manodidina azy

Ery amin’ny farany somary lavitra amin’ny sary ery dia misy fiara mipetraka. Tsy nisy nanampo fa hisy hanandrana handoro izy io rehefa harivariva manomboka ho maizina

ireo tery ampita niandry izay hiseho

Rehefa nesorina ny sakana teo aloha, dia mbola nisy indray ny famerenana nametraka vaovao rehefa maizimazina iny ny androany

Sezan’ilay fiara saika hisy handoro izy ity. Soa fa mora nesorina sy nosintonina hivoaka tao amin’ilay fiara fa saika loza

Ity kosa ilay fiara tompon-tseza. Nahagaga fa teo akaiky teo ihany ny tompon’izy io saingy tsy nahatsikaritra izay nanipy ny afo tao anatiny

Iray tamin’ireo telo lahy voasambotra, rehefa nifanenjehana sy notadiavina tany anaty trano fisotroana tsy lavitra teo

Hatreo aloha ny androany. Asa raha hanao ahoana ny ampitso. Milaza hanao fanateram-boninkazo ny sasany, hankalaza tsingerintaona voalohany ny hafa, ny hafa indray mbola hanohy ny androany , hono. Vokatry ny fahantràna daholo izany