Esory ilay sarinà lohan’omby

Resabe tety anaty serasera sy teny anivon’ny fiarahamonina ny eritreritry ny PDS CUA – #Ny_Hasina_Andriamanjato hanaisotra ilay sarinà lohan’omby tsy ho hita intsony amin’ny mari-pamantarana ny tanànan’Antananarivo. Betsaka no naneho ny hasosorany, tao ny tsy nanan-kolazaina. Tsy mba isan’ireny tsy nanan-kambara ireny i Raozigasy fa hoy indrindra izy nandefa hafatra ho setrin’io eritreritra manidina io:

 

Ombin’ny arivolahy

Malagasy ianao izao vao Kristiana
ka ireo ombin’Iarivo, aleo kely eo hijanona
sa tianao mihitsy soloina vokovoko
dia ny tokontaniny, ovaina fotsy loko ?

Malagasy ianao, izay vao Kristiana
ilay resaka Finoana, aleo aloha hilamina
ianao ange Filoha, napetraka ho Laika
ary ny toeranao, seza Politika

Malagasy ianao, izay vao Kristiana
ny sonian’ny tantara, aza salovanina
izay laharam-pahamehana, ireny aloha jerena
ny atambom-pahalemana, andramo mba resena

Malagasy ianao, izay vao Kristiana
izaho raha miteny, tsy hoe dia mila vanona
raha diso moa ny hevitro, avereno ho ahy
f’aleo hipetraka eo, ny ombin’ny arivolahy

Raozigasy

 

Fa izany eo ihany, tsara ihany kosa ny mba hanolorana dera ho an’ingahy PDS tamin’ny fahasahiany nanadio  ny fifamoivoizana sy ny faritra Analakely omaly 15 Aprily 2014. Voaloko tsara ny sisin-dàlana, nalalaka ny arabe, tonga ara-potoana tany an-tokantrano ny tsirairay. Tamin’iny lafiny iny, « Misaotra eram-po, eran-tsaina ». Andrasako manaraka aminao, PDS, ny fanadiovana ny sisin-dàlana amin’ireto mpivarotra amoron-dàlana ireto. Aleo hikamenona any ny mpivarotra fiara, aleo himonomonona any izay very fihinanana amin’ny tsy fanarahana lalàna, fa mila fiovàna ny tanàna. Ny tsirairay aloha no mila manova tena vao ho afaka hitaky fiovàna amin’ny hafa manodidina azy, ary dia hiova ho azy ny tontolo.

Publicités

Nihetsika ve ny CUA (Antananarivo Renivohitra)

Ity ilay lavaka nodradraiko teto foana! Asa na ahoana fa mba nisy polisy niambina izy ity tamin’io hariva nandalovako io, ary nisy nanisy vato ihany koa. Voamariko anefa fa toa misy dianà fitrosonana izany eo amin’ilay izy. Enga anie tsy ho ilay nolazaiko. Fa raha sanatria ka nisy an’izay, hjo anareo nahita, mba tolory tànana aho, omeo sary, ho entiko manatitra voninkazo etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo Mairie raha sanatria ka nisy ny famoizana aina naterany.
Ankoatra izay, hitantsika ao anatin’ny lahatsary ihany koa ny tsy fanarahan-dalànanareo mpamily fiara. Dia hikamenona foana hoe ny scooter no miditra any anaty arabe miteraka ny loza nefa ny ataon’ny mpamily no mahatonga azy ireny tafiditra lalina any afovoany any, sy tafahoatra aty amin’ny file inverse

Raharaha JIRAMA vs CUA : Valintenin’ny Ministeran’ny Rano

Rehefa nanao fanairana (teny Soanierana) ny mpiasan’ny JIRAMA omaly 23/08/2012 , dia nahazo fiantsoana ho eny Ambohitsorohitra ireo mpitarika. Taorian’izany rehetra izany dia nivoaka ity taratasy ity

Avy Ny Orana, Tonga Ny Fako, Tsy Tara Ny Aretina

Efa nanao izao ho afany ihany ny tompon’andraikitra tamin’ny fanadiovana ireny lavaka fivarinan-drano maloto rehetra nanerana ny tanàna ireny nandritra ny vanim-potoana maina. Nosokafana daholo ny ‘dalle’, nalalahana ny tatatra, sy ny sisa.

Tonga àry ity ny orana, fotoana natao hitsaràna ny vokatra. Nandaitra ve ny ezaka natao, sa mbola misy ny tokony hasiana fandinihana manokana?

Niara-tonga tamin’ny orana (na natoraly io na nataon’olombelona, tsy any no olana)….tonga niaraka taminy ihany koa ny fitosahan’ireo fako samihafa nafenimpenina tany ambadimbadika rehetra tany.

Iza no homena tsiny?

Faritra telo no mba voatsidiko sy hitako maso: Firaisana fahatelo, Firaisana Faha-6. Fa tsindriako manokana ireto tanàna manaraka ireto.

  1. Soavinandriana ambanin’ny HOMI: misy lakandrano fandehanan’ny rano maloto izay ety amin’ny ilany ambany ety, akaikin’ilay toerana malalaka kely misy fiandrasana fiara mpitatitra, alohan’ny hifandraisany amin’ny arabe aty Besarety manoloana ny Farmasia iny.  Tena zendana aho mahita hoe fako mety hahafeno irony karazana fiara 404 misy labasy irony no mitohana eo amin’ilay sakana napetraka eo amin’io faritra io. Rehefa dinihanao anefa ny antontam-pako mivangongo eo, dia tsy hafa fa ireny avy nampiasaina tany an-tokantrano ireny no betsaka. Kamo ve ny olona handeha hanatitra ny fakony any amin’ny toerana natao ho amin’izany ka zara aza misy an’io lakandrano io hialana vonkina?
  2. Faritra Ambatolampy sy iny Ambohimanarina (Fir6) iny. Misy toerana fanariana fako amin’ireo faritra ireo efa tena feno hipoka tokoa, ka na fiara vaventy 3 hatramin’ny 5 avy amin’ny fivondronana (#CUA)  aza no hanao be midina eny, dia inoako marimarina tokoa fa tsy hisy ho diso fanantenana, satria samy hahazo ny anjarany, tsy hisy hiverina maina izany. Manampy trotraka an’izany moa ny tsy fisian’ny caniveau, na tatatra mba natao hanarian’ny olona, na hivoahan’ny rano maloto avy any an-tokantrano amin’ìny faritra Ambohimandroso Ambohimanarina, amin’io ambony manomboka eo amin’ny bassin fanasan-damba io ka somary miditra mankany anaty tanàna toy ny ho  any Antsahamasina, na koa hiverina hiakatra ho aty amin’ny fiangonana Alfa sy Omega.  Dia eny rehetra eny ny olona no mamafy ny rano malotony. Nahoana? Satria rehefa nanontaninaa ny olona dia ny tompon’andraikitry ny fokontany mihitsy no tsy mivaky loha. Naleon’ny fokontany nanao rarivato ny lalankely tsy misy tatatra ho an’ny vahoaka, toy izay nanao azy roa miaraka mba ho tombontsoan’ny fiaraha-monina. Asa manaraka hono izany….Asa tokoa re!!!
  3. Iny Mahavoky ambadiky ny mpivarotra hazo mivoaka mankany Besarety iny

An’iza ny fahavoazana?

Rehefa tonga ny orana, ary miparitaka ny fako, an’iza tokoa ny fahavoazana?

Ny tokony ho tsapan’ny rehetra dia samy tompon’andraikitra amin’izany izaho sy ianao. Ny fako natsipiko, natsipinao, natsipitsika noho ny fahalainana sy tsy am-piheverana teny rehetra teny, na dia miezaka aza ny tompon’andraikitra voatondro manokana hijery ny amin’izany,…ireny fako nataontsika ireny no maha-tompon’andraikitra voalohany antsika.

Fa tompon’andraikitra tsy afa-miala amin’izany ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tokony avy. Satria izy ireny tokony hanao fanentanana mandrakariva, tsy ho aminà haino aman-jery iray na roa voafaritra fotsiny, fa tokony hisandrahaka be araka izay tratra, ary tokony handray fepetra henjana amin’izay minia mbola tsy manaja ny mpiara-belona. Ny olana mantsy dia efa ZATRA AMBANANA amin’ny ho fampiharana lalàna, izay mijanona ho imolotra fotsiny sy ambony latabatra ny vahoaka Malagasy, ka tsy miraika intsony. Lazaina fa hatao an’izao na izao izay manao an’itsy na iry, nefa aiza akory……?

Dia tonga ny aretina, ary samy hiala vola avokoa,  na ny isan-tokantrano mba ho fitsaboana izay trà-pahavoazana, na ny fanjakana mba tsy hipariahan’izany any amin’ny faritra hafa. Ka tsy ny NISOROKA VE NO TSARA noho ny fanampenan-davaka lava izao e?

Ho anao izay mamaky ity kahatsoratra ity ary, entano ny manodidina anao, manomboka amin’ny tena, ny ankohonana sy izay rehetra mifandray aminao isan’andro, mba hanary ilay toe-tsaina mamohehatra manao hoe AN’I DADA SA AN’i NENY, dia tsy asiana fanajàna… Antsika mianakavy hoe, ka ‘ndeha ho hajaina, fa fanànana iombonana ny tontolo iainantsika, samy tompony daholo.

Ho an’ny manampahefana isan-tokony kosa (Fokontany, #CUA, sns….) , raiso ny andraikitra tandrify, ary mba jereo ifotony ny tena olana sy ny zavatra andrasan’ny vahoaka, fa tsy faly haneho zava-bita, nefa tsy mifanitsy amin’ny filàny akory.

Manotra indray ny C.U.A ry reto a!

Rehefa misy ny tsy mety ataon’ny zanaka dia voatonona foana ny hoe ‘ mba zanak’iza ary itony? »

Aza gaga araka izany raha tonga dia ny C.U.A no voasoratra ery amin’ny lohateny satria androany maraina dia nisy saonjo iray namarara tamin’ireto zanany .

Tamin’ny herinandro lasa dia nadio ny sisin-dàlan’Antaninarenina (tsy hoe nadio tanteraka anefa fa nisy ihany teny antsefantsefany teny). Voaroaka niala teny mantsy ireo mpivarotra amoron-dàlana. Ary dia nihevitra ny maro fa hoe noho ny fankalazàna ny 07 Febroary no nahatonga an’izany. Nitohy andro vitsy taty aoriana anefa ilay izy. Saingy….Saingy…

Androany maraina raha niverina nandalo teny ny tena (tokony ho tamin’ny 11 ora 15 mn) dia zendana sy ketraka. Tsy handeha mihitsy ity fampiharana lalàna ity raha be saonjo mamarara toy ilay zalahy tratrako androany izay no iainana any anaty biraon’ny C.U.A any. Aza hitako anie izany.

Avy aty amin’ny EDBM nankany amin’ny BOA nandroso sy niverina (an-tongotra) ny diako. Inty lehilahy iray, mpiasan’ny C.U.A, manao ny satroka (kasikety) misy soratra C.U.A amin’ny hidiny, tenisy manga sy fotsy, akanjo bà misy soratra POLICE DES MARCHES ao an-damosina, ary eo amin’ny tanan’akanjo havia misy ny laharana 86.

Vao lavitra dia efa nifampiteny ireto roalahy mpivarotra DC amoron-dalana manakaiky ny BOA

Miala any ary ny an’ialahy. Iny !

Dia tonga ranamana nolazaina etsy ambony. Satria be olona nijery CD teo dia mba nahalala nihataka kely ihany ranamana ka niankina tamin’ny fiara iray tsy lavitra teo. Ireto mpivarotra CD  kosa rehefa avy nifampiresaka mangina taminy dia nihataka nanakalo vola madinika ny iray, no sady nampilaza ilay namany iray mpivarotra vatomamy sy sigara tsy lavitra azy teo…

Tsy niala lavitra aho ary tsy niafina rahateo koa fa nataoko hitan’ilay ranamana tsara fa izy  no arahako maso.

Somary niahotra ihany ranamana na hanohy na tsia, hidina mankaty akaikin’ny Mampiely Baiboly.

Rehefa tonga teo amin’ireo mpivarotra akanjo bà anaty sobika ranamana, teo amin’ilay ramatoa mpivarotra eo akaikin’ny trano fanasàna sary eo, dia efa naha omana ny anjarany ny teo, ary dia ny niankina nandry ny vola sisa no nataony.

Tonga tety amin’ny Mampiely Baiboly ihany nony farany…Dia niankina teo ami’ny fiara nanoloana teo indray ranamana niandry ireo mpivarotra nanodidina teo, satria tsy maintsy mbola nitady madinika indray ny rehetra.

Asa re!  Tsy nandray karama am-bolana maro va re ilay ranamana iny ka ny mpivarotra no avela tsy hanara-dalàna mba hanavotana ny faran’ny volana tsy maintsy boriboriana e? Sa dia efa tandra vadin-koditra ao amin’ny C.U.A ao ny tsy maintsy manotra?

 

Fanavaozam-baovao 17 Febroary 2011 : Nandalo teo Antaninanarenina ny tena io maraina io (17 Feb 2011) ary dia nahita fa madio ny sisin-dàlana. Misy mpiasan’ny fivondronana roa tsinjoko eo. Ny miakanjo ny akanjoba mitondra ny laharana 151 dia mitsatoka eo anelanelan’ny Mampiely baiboly sy ny BFV/SG, ary ny miaknjo ny 110 kosa dia ery akaikin’ny tranoben’ny EDBM. Ireo mpivarotra indray dia milanja ny entany manao fangalam-piery amin’ilay lalana midina mankany Antsahavola iny. Enga anie hitohy ny fandraisana andraikitra tahaka izao, mba tsy hiverenan’iry hadalana natrehi-maso tery ambony iry.

Raha mandà izay voalaza etsy ilay ranamana voatifitra eto io, dia afaka mifandray amiko  ny C.U.A hifanatrehako aminy. Na tsy nitondra fitaovana fandraketana an-tsary aza aho dia tadidiko hatramin’ny endriny, amin’izato izy ranjanana sy mijehanjehana amin’ny ecouteurs tsy miala eny an-tsofina sy ilay laharana 86 (izay inoako fa misy fandraisana an’ireny any amin’ny birao any hoe iza no naka ny akanjo mitondra laharana toy izao , na toy izatsy). Efa nisy toy io koa tsikaritro teny anoloan’ny P.M.U Soarano, raha iny izaho nijoro teo akaikin’ny iray tamin’ireo mpivarotra amoron-dalana ireo.

Ho tonga anie ny tena fampiharana marina ny lalàna, ka mba tsy ho anio hafa no lazaina, rahampitso hafa no atao!

Tokony hanova fomba fanao ve?

Misy zavatra mba manitikitika ny saina ihany ny zavatra nitranga teto amin’ny tanàna teo aloha kely teo.

Nitaky ny hanemorana ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna ny AMM. Rehefa tsy nahazo valiny dia nilaza hidina an-dalambe. Ary dia nidina tokoa anie izany ry Guy Maxime R. sy ny namany vitsy.

Nandràra ny fidinana an-dalambe ny prefektioran’ny polisy misahana an’Antananarivo Renivohitra. Ny antony naroso dia ny hoe satria fotoanan’ny fifidianana.

Rehefa nidina an-dalambe satria tsy nahita rirany ireo mpikambana tao amin’ny AMM, na dia mbola tsy niloa-bava aza dia nosamborina.

Tsy ela akory taorian’izay navoaka ny fanambaràna tamin’ny haino amanjery fa hoe hahemotra ilay fifidianana, anton’ilay fidinana an-dalambe.

Niakatra fitsarana ilay voasambotra ary voasazy sazy mihatra 2 volana an-tranomaizina.

Vàka ny saina nandinika an’izay. Tsy tapi-pahaizana mpahay lalàna moa ny tena no sady tsy te-hisalovana ny asan’izy ireny, fa mba mandefa fisainana fotsiny ihany amin’ny hoe « Fa angaha tsy azo natao sazy mihantona izy iny? « .  Ny antony itenenana an’izay dia satria toa nanome rariny an’iretsy mpitaky ihany ny namoahana fanambaràna nony tato aoriana fa hoe hahemotra ilay fifidianana.

Hiresaka Ministera sy CUA indray isika:

Mikasika ny fitantanana ny tanàna no hasian-teny. Niteraka resa-be ilay fanamboaran-trano ataon’ny BAO LAI. Iza no tompon’andraikitra? Ny andaniny milaza fa misy tsy mandeha ilàlany ao amin’ny ankilany ao ka dia niantso ny BIANCO hiditra an-tsehatra hanara-maso ny ankilany. Ny ankilany indray milaza fa fahefany sy ny andraikiny ihany no notanterahany tamin’ny fanomezan-dàlana nataony.

Efa hatrany amin’ny andro taloha tany no efa olana foana ny amin’io sàta mifehy an’Antananarivo Renivohitra io. Isan’ny fifandirana teo amin’ny Ben’ny tanàna tamin’ny fotoan’androny (Marc RAVALOMANANA) izany raha mbola teo amin’ny fitondrana ingahy RATSIRAKA Didier. Nefa dia toetra nodimbiasan’iry voalohany nony injay koa izy tonga teo min’ny fitondrana ka ingahy RAJOELINA Andry indray no ben’ny tanàna. Ankehitriny dia trà-pàrany eo amin’ny fitondrana HAT i Andry RAJOELINA ary dia mitady hitranga sy hiverina ny taloha. Tsy hay aloha izay tompon’ny hevitra na ny fitondrna foibe, na ny Ministeran’ny Fanapariahana Fahefana (Hajo A.), fa ny hita dia ny fihenjanan’ny tady eo amin’ny CUA sy io Ministera io amin’izao fotoana.

Fotoana angamba izao hamoahana ny hoe iza no iza, ary iza no manao inona sy tokony hanao inona eto amin’ny tanàna, fa manjary toa lasa fanaovanareo politikan’ny fangalam-piery Antananarivo Renivohitra.

Aoka hazava ny resaka fa tsy ny vahoaka ihany no tokony hanova fomba fanao, fa ianareo dia ianareo mpitondra sy be fampanantenana ireny indrindra aza no tokony ho voalohany amin’izany.

+++++++++++++++++++++<<<<<<>>>>>>++++++++++++++++++++++

Fanatsaràna an’Antananarivo

Sehatra maitso:

Nikarakara ny zaridaina sy ny sehatra maitso eran’ny tanànan’Antananarivo ny C.U.A.   Araka ny filazan’ireo tompon’andraikitra amin’izay dia noho ny maha-ivon’ny Madagasikara azy fa tsy noho ny fahatongavan’ny faha-50 taonan’ny Fiverenan’ny Fahaleovantena fotsiny.
Isan’ireny ny ao Ampasika. Tsy tokony hisy intsony ny fanentanana ny olona hoe ‘hajao sy arovy ary kolokoloy ny zaridainantsika‘ fa tokony handeha ho azy izany. Fananana iaraha-manana rahateo ireny.
Fanambin’ny C.U.A ny hanome ny sahaza ho azy ny vahoaka, hoy izy ireo, ka izany no antony nanaovana ny hetsika.
Mampalahelo anefa ny mahita ny zavatra nandaniana aina sy fotoana simbain’ny ‘vahoaka’ ihany toy ireny. Tokony hifanabe sy hifampitondra izany ny ‘isika samy isika‘ fa tsy voatery hasiana mpiambina akory ireny zava-bita ireny. Tokony hosarotiny amin’ireny ny tsirairay.
Taorian’ny Ampasika, Mahamasina,Antanimbarinandriana, Senat, Avenue izay natao tao anatin’ny roa volana monja, Masay sy Andohalo no nasiana mpiambina manokana noho izy ireny misy foto-drafitrasa hafa ankoatry ny zaridaina.

Ny andraikitry  ny tsirairay:
Fokontany: nasiana fanentanana fanatsarana teny, ary dia niezaka nanatsara sy nanadio ny FKT, nametraka voninkaza sns

Pompier: manampy amin’ny fanondrahana sy fanadiovana ny tanana.

sampan’asa hafa: mpiara-miombon’antoka « tia an’Antananarivo », ka isan’ireny ny GASTRO PIZZA nikarakara ny Andrefan’Ambohijanahary hatrany Soanierana

mponina manodidina: misy izy ireny no manome tànana sy miaro ary manondraka ireny zaridaina kely napetraka ho haingon’ny tanàna ireny

Misy ‘sites’ maromaro eto Antananarivo raha io resaka ‘sehatra maitso’ io. Isaky ny ‘site’ tsirairay dia misy tomponandraikitra ka ahitana olona fito na valo eo izay mikarakara ny zaridaina. Mpiasan’ny C.U.A sampana sehatra maitso ireo. Ankoatra ireo dia mbola misy zana-tsampana hafa maromaro ao anatiny ao, arakaraka ny fahaizana manokana sy andraikitra takian’ilay asa atao. Mba ho Antananarivo mirindra sy maha-te honina tokoa Antananarivo dia apetraka arakaraky ny toerana ny voninkazo. Misy voninkazo mety amin’ny toerana iray, misy tsy mety eo amin’io toerana io noho ny toe-tany misy eo. Apetraka koa arakaraky ny hoe ‘toerana fitsangatsangana sa tsia,be  mpandalo sa tsia, sns…’

Fepetra noraisina manokana momba ny tsenan’i Mahamasina ny hoe averina hofefena ny zaridaina, entanina koa ny mpivarotra isak’Alakamisy tsy hanao maloto sy hanipy ranon-dolana any anaty zaridaina. Hisy araka izany ny fanaraha-maso mba ho fifanabeazana tsy hiafara amin’ny fanasaziana. Faharoa dia angamba hasiana ora fivohàna sy fikatonana toy ny eny Ambohijatovo ihany koa mba tsy ho baranahiny sy ho simbasimba foana ny eo amin’io sehatra maitso Mahamasina io.

Fanentanana manokana: Vahoaka miasa sy miady amin’ny fiainana ny vahoaka eto Antananarivo. Noho izany tsy fisian’ny fotoana fakana aina noho ny fitadiavana izany, dia mitady fotoana sy toerana  mba hahafahana miala voly kely ny olona. Tsy voatery handeha lavitra ho eny amin’ny By-Pass foana. Fa rehefa tonga ny fety dia mba afaka misitraka ireny aty afovoan-tanana aty ihany. Ny mahagaga anefa dia isaky ny tonga ny fety dia simba ny tanàna sy ny zaridaina rehetra. Miverina manamboatra indray. Toa tsy tsapan-tsika fa soa ho an’ny vahoaka tsirairay, fahafinaretana ho an’ny tsirairay, lova ho an’ny taranaka aoriana no nanaovana ireny rehetra ireny.

Raha Mahamasina monja no resahana dia azon’ny mpiandry marary, mpivarotra, mpiandry taxibe, mpianatra hialana sasatra na hiandrasana fotoana eo rehefa tonga ny fotoana voatondro ho fivohan’ny zaridaina. Aoka ho tandremana ny fahadiovana, hosorohana ny fanimbana. Fanajana ireo niasa nanatsara izany ary fanajanao ny tenanao ihany koa satria misy volanao nirotsaka tao, na mivantana io na ankolaka.