Mitokona indray ny BFV/SG

Ho zendana indray izay tsy mahalala androany fa hoe mitokona mitaky fisondrotan-karama 13% ny mpiasa ao amin’ny #BFV-SG #Madagascar

Nantsoina hanatevina laharana ety Antaninarenina daholo koa ireo mpiasa rehetra any amin’ny zana-tsampana. Inona re no hitranga androany e? Haharitra mandra-pahoviana indray koa izy ity?

Mazava loatra fa ny mpanjifa hatrany no hihinana ny tadin’ny fanitsaka amin’izay fandehany eo. Koa mahaiza mitsitsy ny eo an-tànana aloha fa sao sanatria mbola amin’ny fotoana tsy voafetra izy ity vao hifarana

Indreto sary vao maraina atolotra anareo

DSCF0732

DSCF0733DSCF0734

 

 

Publicités

Mitokona ny BFV/SG

Hatairana ny an’ny maro tamin’ny Zoma antoandro raha tonga teo anoloan’ny vavahady vy BFV/SG Antaninarenina. Nikatona ary tsy azo nidirana. Latsaka kely ny  tamin’ny 11 ora  tamin’izay. Tonga indray ny Sabotsy, be no nanantena ireo namana fa ho afaka hisintona vola eny amin’ireny milina ireny. Teo Analakely no niseho ny tantara. Nikatona ihany koa. Nangahiahy teo fotsiny.

100_8785

Androany indray, feno olona nitangorongorona teo amin’ny parking BFV/SG Antaninarenina, aty ambany. Nandefa fisainana ny mpandalo « Fa misy inona? – Sao nisy namaky dia tsy azo idirana rha tsy tonga ny polisy? – sns… »

Rehefa mba nanontany ny mpanjifa, dia valinteny sadasada sy fitaka no nataon’ny avy any anatin’ity banky. Resaka Maintenance informatique, hono.

100_8783

Hay ny ao ambadik’ity zava-mitranga ka resaka fitokonana mihitsy. Karama, indray , hono, hoy ireo mpanaraka ety amin’ny sisiny e.

Nanomboka nihiakiaka ny mpanjifa nanao hoe : « Avoahy ny volanay, Avoahy ny volanay ».  Izany tokoa no tonga amin’ilay hoe ny an’ny tena ihany no ananan-doza. Ny fotoana lany, ny vola tsy azo. Ary raha sanatria tokoa moa ka vola tokony hanaovana vonjy aina amin’ny resaka fanafody sy fandidiana no saika halaina tao amin’ity banky ity nanomboka tamin’ny Zoma? Mba ahoana ny amin’izay.

100_8784

LAhatsorara mifandraika amin’izany, ato

POWER BALANCE – FITAKA BEVAVA

Manana io karazana ‘bracelet’ io ve ianao? Nanova zavatra teo amin’ny fainanao? Ary sao mba terenao hanaiky ny fisian’ny fiovana fotsiny kosa ny sainao, mba tsy hanenina amin’izay vita?Tany Eoropa tany izy io dia namidy 26 euros ny iray ary na ry David Beckham sy Ronaldo Cristiano ary Kim Gevaert aza dia mba isan’ny voajono taminy. Namidy toy ny mividy mofo izy tamin’izany fotoana. Nampitsiry hevitra tao an-tsain’ny mpanao hosoka rahateo koa moa izany mba haka tàhaka azy ity sy hanao azy ho fidiram-bola. Vita amin’ilay akora antsoina hoe « silicone » izy ity. Mety hiloko fotsy, mainty na « fluo », ary eo afovoany no misy sary voasikotra tamin’ny alalan’ny teknolojia antsoina hoe « hologramme ».Ary nodradraina fa afaka hitondra firindràna sy tanjaka eo amin’ny toe-tenan’ny olona mitondra azy. Nameno tsena tany Belzika izy io tamin’ny 2010.

Le bracelet Power Balance était une arnaque

ilay mpanjakan’ny fandrindram-piainana. Hahaha

Nisy aza moa tafakatra ambonin’ilay voalaza ery ambony ny vidy nandrosoana azy teny amin’ny tsena, narahana doka mampilendalenda toy izao:

« Power-Balance dia teknolojia mampiasa ny  hologramme nokarakaraina manokana miaraka aminà fréquences miara-miasa amin’ny hery avy amin’ny tenan’ny olombelona mba hanatsara ny firindrany sy ny tanjaka ary ny fahalefahany.
Taorian’ny vokatra tsy mampino hita tany USA, efa azo jifaina eto Eoropa ankehitriny ny Power Balance !
Vidiny tsy mampino !
vidiny tokony ho izy : 35,90 €
Vidiny mandritra ny fotoana voafetra : 24,90 € »
tao amin’ny http://www.leaderpharma.com/.

Nampiasa fatratra ny Facebook mba hanelezana sary sy hanaovana dokambarotra tamin’ny alàlan’ny fampandraisana anjara ireo atleta samihafa ny Power Balance. Ary tamin’izany dia vitany mihitsy ny nampitandrinasao voafitaky ny mpanao hosoka! Hasahiana re izany! Izy ireo izay mpanao hosoka sy mpamita-bahoaka rahateo.

Maro ny mpampahalala vaovao tamin’izany no efa nahatsikaritra fa tsy misy fototra ara-tsiantifka azon’ny Power Balance hanamarinana ny zavatra lazainy. Ho an’i Frantsa dia ny tranonkala Surf Prevention no nampitandrina voalohany. Fa tsy nandray fepetra mifanaraka amin’izany ny sampan-draharaha Frantsay miaro ny mpanjifa sy mpanenjika ny fanaovana hosoka, na ny Direction Générale de la Concurrence, de la Consommation et de la Répression des Fraudes (DGCCRF), raha ny mifanohitra amin’izany kosa no nataon’ny ACCC tany Aostralia. Tonga dia nanasazy avy hatrany ny tompon’ny ‘bracelet Power Balance’.

Voatery nilaza ny marina sy niaiky ny Power Balance taorian’ny fandraisana andraikitra nataon-dry zareo Aostraliana fa dokambarotra feno fitaka sy lainga no nataony, ary tsy misy fototra siantifika manamarina ny zavatra nolazainy. Noteren’ny Aostraliana ihany koa ry zareo  hamerina ny volan’iro mpanjifa izay manao fangatahana ho amin’izany ary mahatsiaro tena ho voarebireby. Noterena hanaisotra ny laza masaka fanaony tao amin’ny tranonkalany sy ny fonosan’entany ihany koa.

Hatramin’ny faran’ny taona 2009 dia nisy koa ireo orinasa hafa nirotsaka tamin’ny fandrebirebena ka nahita vokatra toy ny azy ity, ary ny Power Tonic dia isan’ireny, nolazaina fa « bracelet magnétique dernière génération », namidy (29€) teny amin’ny Farmasia sy toeram-pivarotana fanafody samihafa.

Greg Whyte, manampahaizana manokana momba ny fanatanjahantena ary mampianatra ao amin’ny Anjerimanontolon’i Liverpool dia nilaza fa ireny no antsoina hoe ‘effet Placebo’, izany hoe rehefa resy lahatra ianao, dia toa mandaitra sy nahitàna vokatra ilay izy, mandra-paha….tonga saina anao fa hoe hay fita-bitro no nahazo anao.

Taorian’ny nataon’i Aostralia, iza no firenena ho sahy hilaza ampahibemaso fa hoe fitaka bevava mahatsiravina iny? Sa hanakombom-bava satria nahita rirany kely tao, na tena tompon’antoka voalohany mihitsy koa aza angamba?

Mba te-hahazo fanehoan-kevitra avy amin’ireo eto Madagasikara (#Madagascar) izay efa nividy azy iny koa aho raha misy afaka mametraka amin’ity lahatsoratra ity ianareo mpamaky. Satria dia nanaovana dokambarotra be teto amintsika izy ity ary namidy taminà farmasia teny Antaninarenina teny, ho an’ny teto an-drenivohitra. Isaorana mialoha. Toy ity ny endrika sasany amin’ireo ‘bracelets fototry ny resatsika eto:

Power Balance arnaque Le bracelet Power Balance = Arnaque

Fanontaniana mampiasa loha: tena tsy nahafantatra an’izao zavatra izao ve ny mpiaro ny mpanjifa eto Madagasikara? Toy izany koa ny manampahefana isan-tokony? Sa sao sanatria hoy aho tery aloha ka , na mahazo tombony ao anatiny, na tena mpisehatra voalohany amin’izy ity? Ohatra hoe, nifampiraharaha tamin’ny tany amin’ny mpanao azy mihitsy hoe, aiza ho anay fa hainay ny mandafo an’io, SATRI any Madagasikara ny DIKY ihany no tsy azo amidy. Miala tsiny
Lahatsoratra mifandraika:

Firehetana tao amin’ny BFV/SG Antaninarenina

Fomba efa nahazatra ny ao amin’ity banky BFV/SG eto Antaninarenina ity ny manangona ireo poti-taratasiny ho anaty fonosana plastika, ary manatoby izany aty amin’ny tokotany ambany ambadiky ny tranoben’ny banky. Toy izany foana nandritra ny taona maro

Eto no toerana fanangonan-dry zareo ny potika antontan-taratasy tsy ampiasainy intsony

Asa anefa izay nitranga tamin’ity maraina ity, tokony ho tamin’ny 10 ora mahery teo, fa nidona-tsetroka tsy nisy toy izany ny manodidina. Hay ka avy ato amin’ireto poti-taratasy notehirizina no nisy firehetana tsy fanta-piaviana.

Nanao afon’ampombo nisoko mangina tato ny afo, ary niakatra moramora ny setroka

Nandeha ny eritreritra hoe afon-tsigara natsipin’ny olona nandalo tery ambonin’ilay tetezan-kely miampita mankao amin’ny toerana fametrahana fiara va re no antony, sa ….? Tsy misy valiny iny.

Voafehy ihany ny firehetana

Ny tsikaritra aloha dia ny ezaka natao hamonoana ny afo, sy ny fiatoana nandritra ny minitra maromaro tamin’ny asany  ho an’ireo mpiasa vitsivitsy tonga nitazana tery ambony. Soa fa efa manana ny vonona ho fiatrehana ny afo tahaka izao ilay toerana.

Ireo mpiasa liana hahafantatra ny zava-niseho

Izany ny amin’iny afo tao amin’ny BFV/SG iny, fa misy afo politika mikotrika koa eto amin’ny firenena izao. Tandremo sao varimbariana rehefa mandeha eny an-dalana eny ka ho tratry ny tampoka, fa androany no nolazain’ireo mpitarika hetsika fa hanohizany ny fidinany an-dalambe sy ny ho fanombohana ny fitokonana faobe.

Oaity andy syyy!

Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. « Hiady amin’adala tokoa ve moa » hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

« Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene »

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

« Efa ho retraité aho »  « 30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo? »

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao « ady idy »

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.

 

The first Zombie Walk of Madagascar / 31·10·2011

Here are some pictures from the first Zombie Walk of Madagascar. It took place at Antananarivo from Antaninarenina to Gare Soaran. . We see in these pics  that Malagasy know how to play in a calm and total respect of others.

Enjoy!

1* during the preparation

at Discotheque the 6

Their Chief
2* During the Walk

and we finish with this one, a zombie from Global Voices Online - Lingua Malagasy (Candy)

Mpangataka niteny anglisy – gaga aho

Zoma maraina ny andro. Niala ny trano toy ny olon-drehetra namonjy lahasa. Saingy rehefa tonga teo amin’ny fisasahan’ny maraina, ilay efa fiomanana hiala hamonjy sakafo iny indray, dia mba nandeha nitsidika ny Tsenam-boky nokarakarain’ny  FMBM / Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy ny tena.

Teo an-tampon’ny tohotohobaton’Antaninarenina teo no toera-nofinidy hanaovana ny tsenam-boky, toy ny andiany teo aloha ihany. Maro ny olona no niato kely nanopy maso ireo karazany maro azo nisafidianana, na dia ho fahafinaretan’ny maso tsy hitondra hody fotsiny ihany aza. Samy mandalo eo daholo mantsy izay rehetra miakatra an’iny havoana iray eto Antananarivo iny, na ny teratany na ny vahiny.

Tsy dia ny boky loatra no fototry ny resako etoana. Fa mpangataka. Eny tsy diso ianao, mpangataka miandry sy  manaraka ireny vahiny ireny.

Indreo andianà vahiny vitsivitsy mandalo sy mijery ity tsenam-boky ity toy ny olona rehetra ihany. Tsy lavitra eo kosa, zaza roa mifampitrotro. Angamba ilay ankizivavy mitrotro mety ho zokiny iray tampo amin’ilay bitika eny an-tanany.

Nanatona mora iretsy andiam-bahiny ireto zaza mifampitaiza, ka nony tonga teo amin’ireo vahiny, toa ahy efa nahatratra rahateo ny nisy azy ireo koa, dia zavatra tsy nampoiziko no nipololoatra nivoaka ny vavan’ilay heverina ho zokiny.

Asa na efa nofantarin’ireto ankizy sy narahany nialoha tany ananona tany ireto vahiny ireto, fa raha vao tonga teo amin’izy ireo ry zareo, dia tsy mba tamin’ny fomba mahazatra (rehefa tsy teny Malagasy, dia teny frantsay) no nanaovany ny fitalahoany mba hahazo izay pitiny avy any amin’ireto nozohiany fa teny Anglisy madio rano, tsy nisy diso na ny fomba fiteny na ny firafitra, no nanaovany ny tambezony. Tsy naharitra ny tena fa nanongilan-tsofina sao mba diso fihaino ihany. Tsia, tsy diso fihaino mihitsy fa tena teny Anglisy no nataony.

Lasa ny saina nanao hoe: nandia fianarana hatraiza àry ity zaza ity no nitsahatra? Nefa rehefa nojerena akaiky sy nalaina sary an-tsaina, lavitra araka izay mety ho takatra, dia toa sarotra heverina ny hoe tonga hatramin’ny kilasy faha-enina rakalakely. Ary na tonga hatrany aza, dia mbola azoko anaovana fanamby fa vitsy dia vitsy ny ankizy Malagasy no mahafehy ny firafitra sy fiteny ny Anglisy.

Raha tsy lasa lavitra indray tamin’ny fianarany izy, dia taiza no nianarany ilay fomba fangataka?

Ny namana vitsivitsy nizaràna ity fahitàna manokana ity dia nahenoana fanehoan-kevitra samihafa, tonga hatramin’ny hoe: Na izy misy an’ireny ‘assistante sociale’ireny mampianatra azy (atao tsianjery maimbo ve?), na efa misy koa eto amintsika ny olona manakarama ireny zaza irany anaty tambajotra (sanatriaviko anie izany)

Natao tsianjery tokoa ilay fomba fangataka – nanaraka miadana teny aho nandritra ny metatra vitsy – satria ny teo foana no miverina mandra-pirotsaky ny rakitra.

Hoy aho anakampo hoe, efa nivoatra ilay sehatrasa, satria dia asa tokoa io ho an’ny sasany, ary angamba ny hafa efa ela no nahafantatra ny fisiany fa izaho no taraiky. Tsy misy maharatsy azy fa taratry ny fanontoloana daholo koa angamba izany.

***********************************************************************

Hetsika miandry anao ato ho ato eny amin’ny CCI Ivato

TEDxAntananarivo 2011 « Ideas For Women Cancer Control In Africa.

***********************************************************************