Fanafihana ny toby #RFI #Ivato 22 Jolay 2012

Toby efa nanana tantara toy izao tamin’ny fotoana teo aloha ihany no isehoan’ny tantara androany. Ny toby RFI eny Ivato, tsy lavitra ny seranam-piaramanidina.

Vao maraina nanodidina ny tamin’ny 5 ora dia nisy andia-miaramila nirongo fiadiana PM, PA, Kalack notarihan’izany Caporal Koto Mainty antsoina amin’ny hoe « Black Man » izany, mpiambina manokan’ny Minisitry ny Fiarovana teo aloha, Général Rakotonandrasana, niditra tao amin’ity toby ity, ka nampirefotra ny fitaovam-piadiany mba ho fampitandremana sy hanakanana ny ety ivelany tsy hiditra.

Somary tsy dia nampino ny sasany ihany ny fampitàna ity vaovao ity tany am-piandohana, saingy rehefa nanomboka niparitaka kosa moa ny tweets sy hafatra FB isan-karazany dia taitra ihany izay nilaza azy tsy ho taitra.

Ny marainan’ny androany tokoa mantsy dia nandefa feo voarakitra ho an’ny onjam-peo tsy miankina iray teto an-drenivohitra ireto mpihoko, ka tamin’izany no nilazany fa efa noho ny fahasahiranana tafahoatra iainan’ny vahoaka Malagasy dia :

….mijoro ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena, mihatra ny lalàna mifehy ny tany miady, aoka ho tony ny rehetra ka hanaraka tsy tapaka ny radio sy ny televiziona. Masina ny Tanindrazana.

Ato ny feon’ilay mpitarika notsoriahana nalaina tamin’ny scoop #FreeFM

Toy izay ilay fanambarana nataon’ny mpitarika tao amin’ny RFI Ivato. Ary vao mainka niha-nafàna koa ny raharaha teny an-toerana. Nitohy ny fifampitifirana mitsitaitaika. Izay nikisaka tsikelikely ho any amin’ny fampiasàna ny mavesabesatra kokoa.

(Nesorina androany maraina ny rohy mankany amin’ny feo, noho ity hafatra ity hita tao amin’ny rindrin’ny namana iray  ao amin’ny Facebook io maraina -23 / 07 /2012- io milaza hoe noho io feo nalefan-dry zareo io no itadiavana ny tao amin’ny FreeFm sy hisamborana an-dry zareo.)

Tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva teo dia niverina niakatra teny Ambohimitsimbina indray ny mpitandro filaminana iray camion, saika haka ny émetteur ny Free FM, soa fa vao teo am-piantsonana ry zareo dia mba efa nampandre ny mpiara-miasa tato amin’ny onjampeo ny mpifanolo-bodirindrina ka mba tafatsoaka soamantsara ireo mpiara-miasa, tany anaty kirihitr’ala tany, ary mba voavonjy ny émetteur sy ny solosaina iray. Trano efa foana no novantanin’izy ireo tao.

Tena ramatahora sy fampihorohoroana no misy, satria dia niteny tao amin’ny TVM ireo lehiben’ny mpitandro filaminana ary dia nilaza fa henjehina ilay onjampeo namoaka ny fanambaran’ireo mpikomy tao amin’ny RFI Ivato tamin’ny maraina, izany hoe ny Free FM io izany.

Tsy izahay no namaky ilay fanambarana fa nampita fotsiny izahay, ary vaovao rahateo izany, fa zany hoe tsy mety amin’ity fanjakana Jadona ity dia ilany vaniny.

Tamin’ny 17 novambra 2010 anefa raha nisy fikomiana toy izao ihany koa tao amin’ny BANI Ivato dia namoaka ny fanambaran’ireo mpikomy ny haino amanjery tahaka ny Tv plus ohatra fa tsy mba nenjehina fa rehefa Free FM dia maika ery hanenjika ilay Fitondrana.

Hatramin’ny oviana no hampiasa ramatahora toy izao ity fanjakana ity? Fa angaha moa tsy zava-nitranga niadivana tamin’ny 2009 ity maka ankeriny émetteur-na onjampeo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ity? Nefa dia averin’ilay nitarika ny olona hitolona tamin’izany izy ankehitriny rehefa nahazo Fitondrana izy.

Dia izay ve izany ilay fiovana? Asakasatsika fa matoa mbola tsy taitra isika mbola mety izany zao zavamisy iainan’ny firenena izao koa, ny Free FM dia nanapa-kevitra fa mba ho fiarovany ireo mpiara-miasa rehetra sy ny fitaovana kely mba ananany, dia tsy handefa ny onjampeo intsony aloha satria mahatsapa rahateo fa tsy misy mihitsy araka izany ny fahalalahana hiteny raha vao maneho hevitra na mampita vaovao tsy dia metimety amin’izay tian’ny fanjakana Rajoelina. I

antsorohanay tanteraka izay fanapahan-kevitra izay, mety ho faharesena angamba, koa basy sy miaramila ve no miambina anao raha vao miteny ianao ahoana moa no tsy ho resy ny tanam-polo toa anay?

Midera ny herim-pon’ny mpiara-miasa rehetra, ary mankahery antsikafa tsy maintsy misy farany ny zavatra rehetra. Fisaka loatra ny marina ka saro-tadiavina saingy tsy misy ratsy manjaka mandrakizay izany. Mino koa isika fa raha hisy koa ny farany, tsy ho foana ny fanantenantsika an’Andriamanitra.

(Raha araka ny hafatra ihany dia i Lalatiana RAKOTONDRAZAFY no niteny mivantana azy ity tao amin’ilay onjam-peo)

Nisy ireo zotram-pitaterana fiaramanidina no nanafoana ny sidiny mandalo an’Ivato AIR France, Kenya Airways, sns.., raha toa kosa ka namela malalaka ny fipetrahana ihany ny teny an-toerana. Ny miainga no voasakana. Mety ho azo an-tsaina ihany ny anton’izay satria ny fidinana dia toa avy aty amin’ny faritra mifanohitra amin’ny misy ilay fikomiana.

Nandefa filazana fampitandremana ho an’ireo terataniny avy hatrany ireo masoivoho vahiny teto an-toerana mba tsy handalo eny amin’ny manodidina, ary ireo mihevitra ny handray sidina ho aty Madagasikara, mba hanatona ny kaompania tokony hitondra azy aloha. Isan’ny nanao izany ny Frantsay sy ny Amerikana

US Embassy Madagascar
Emergency Message to American Citizens:

The Embassy has received reports of soldiers taking over a military base near to the international airport in Antananarivo. Gunfire has been reported. Flights in and out of the airport have been suspended. American citizens in Madagascar are advised to avoid the area until the situation is resolved. Americans planning to travel Madagascar should check with their airlines before commencing travel to the country

Isan’ireo sidina nofoanana tamin’ity anio ity ireto : La Réunion, Paris, Maurice, Johanesbourgh, Djaodji, Nairobi.

Sarotra tokoa ho an’ny mpanangona vaovao ny nanangona izany teny an-toerana, isan’izay ity tranga iray notaterin’ny #Antsiva ity he, niezaka nanatona ny RFI ny mpanao gazety saingy noroahana sy nanapoahana basy ka samy nihazakazaka nanavotra aina avokoa.

Tao anatin’ireo fifampitifirana ireo dia voalazan’ny TV Plus Madagascar fa maty nandritra ity fihokoana androany ity ny Capitaine Pascal nanao fanelanelanana, zazavao iray, ary ny Caporal Black ilay nitarika ny gidraka.. Ny loharano avy eny an-toerana koa no mbola nilaza fa mbola misy lieutnant iray hafa maty, ary misy polisy iray nanao fanamiana sivily maratra.

Alisoa Rasoanaivo 14H08: Antsiva, manomboka ny fanafihana ao RFI , manala ny sivily manodidina rht ny miaramila zao

RT @newsmada: Assaut donné. Lance roquette utilisé
Les mutins essayent aussi de sortir du camp
#Ivato

Tao amin’ny #MaTV no nandrenesana fa hoe nandositra ny mpiambina teo ivelan’ny RFI raha vao nisy zavatra nipoaka mafy avy ao anaty toby (Lance roquette ve?)

Fa teny an-tsefantsefan’ny fifampitifirana teny dia nisy ny fiarabe niala avy eny Ampahibe namonjy ny teny Ivato sy nijanona teny Andanomena. Ary ankoatra izay dia nisy ihany koa ny 4 X 4 pick-up nivezivezy avy ao amin’ny BANI nankao amin’ny RFI.

Tokony ho tamin’ny 5:20 hariva dia tsinjon’ny teny an-toerana mandositra mivoaka ny toby ireo miaramila avy ao an-toby noho ny fanafihana ny RFI. Asa fanadiovana, na ratissage moa no nolazaina fa natao sisa nanomboka tamin’io fotoana io.

Nandritra ny 12 ora mahery araka izany no nisy ny fifanakalozana tifitra tamin’ity androany ity, 12 ora mahery satria tsy nitony izany raha tsy efa dila ny tamin’ny  7:10 hariva.

Nivoaka daholo izao karazana eritreritra samihafa izao, niainga tany amin’ny fiahiahiana azy iny ho sarin’ady natao ho fialàna bàla tsy hankanesana any Seychelles hifanatrehan’i Andry Rajoelina sy Ravalomanana Marc, ka tonga hatrany amin’ny hanihany nahatsiarovana ny tantara an-tsary famakin’ny ankizy fahiny.

Hery Zo Rakotondramanana bon, yapluka attendre Remenabila passer du côté du RFI Ivato pour saluer tout ce beau monde qui est en train de jouer à cache-cache à balles réelles … Ensuite Benandro arrivera pour sauver la situation … et ce sera un happy ending 🙂 Je crois que ce scenario foireux que je viens d’inventer il y a quelques secondes tient plus la route que ce qui est réellement en train de se passer à Ivato depuis ce matin … Quitte à faire un film, autant être plus créatif, non?

@jentilisa dia manontany momba ny zava.niseho androany raha toa zavatra noforonina sy fandrebirebena mba hanemorana ny fihaonana tokony hisy amin’ny herinandro no nisy.

Zo Andriamifidisoa cinema un 22/07 à #Madagasikara, y a pas d’autre chose + inventée et + credible pour ajourner sommet à deux? koi d’autre? #Madagascar
And if the real purpose of this mutiny was just a masquerade to prevent the meeting between #Ravalomanana and #Rajoelina? #Madagascar #Ivato

Iza no hahazo tombony, iza no ho faty antoka? Hoy indrindra i @jentilisa tao amin’ny Twitter

Kel k’en soit l’issue de 7 affrontement, le grand perdant sera tjr Ravalomanana Marc et sa mouvance

Ny fanehoan-kevitry ny Jeneraly RAMAKAVELO Désiré ato

Isa farany voaray : 3 no maty, 4 naratra, 30 zazavao noraisin’ny BANI rehefa nitsoaka avy ao, 74 mpihoko voasambotra ka 4 amin’ireo sivily

Publicités

Ambohijatovo #m2305 Pr RAJAONARIVELO Paul

Dia niatrika sy nanatanteraka ny teny nataony ary ny Pr #RAJAONARIVELO Paul tamin’ity anio ity araka ny antso nalefany tao amin’ny FreeFM 104.2 .

Profesora sy ny tomponandraikitra amin’ny tifandroana ny filaminana

Tsy dia nahazo olona maro nanao ahoana ny androany raha oharina amin’ireo teo alohany. Dia an-tongotra avy any afovoan’Alalakaley tany no niakarany ho eny Ambohijatovo. Hihaona amin’ny lehiben’ny EMMO no voalohan-daharana. Nefa rehefa tonga teny dia tsotra no valiny azony.

Tsy eo ny tompon-tanàna, ary mihidy ny faritra. Tsy misy lakile

Rehefa izany dia niatrika indray ireo mpaka sary sy mpanao gazety ingahy Profesora mba hanao fanambarana. Tamin’izany no nitanisany andinin-dalàna vitsivitsy mikasika ny resaka fanehoan-kevitra an-dalambe, na anaty faritra mihitdy. Nolazainy fa nisy tamin’ireny no tsy mba vakian’ny tompon’andraikitra rehefa miresaka lalàna momba ny famoriana vahoaka, fa dia izay metimety aminy ihany no ampahafantarina sy dradraina amin’ny haino aman-jery.

Rehefa vita ny fanambarana ho an’ny mpanao gazety teo amin’io faritra io dia lasa izy sy ireo olona vitsivitsy mpanaraka azy nidina ho eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo (vaovao) mba hangataka ny lakile hanaovany fanazavan-kevitra.

Niroso ho any amin’ny Lapan’ny Tanàna

Vao teo am-bavahady dia efa tsy nisy namoha ny tao amin’ny Lapan’ny tanàna. Ny naka sary sy lahatsary (video) an’ireo mpirohotra aza no nataon’ireo tao, rehefa avy niofanakalo resaka fohy tamin’ireto vahiny tonga hitsidika.

Haody ny aty eee! Ao ve ny tompon’ny tanàna azafady? — Tsy ao izy tompoko, ary tsy afaka ny handray anareo ihany koa izahay

Rehefa tsy nahazo ny fanalahidy teo indray ny Profesora dia nandray fitenenana tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo ary nitondra ireo olona nanaraka azy niala teo. Toa hoe hiverina eny Ambohijatovo. Teo anoloan’ny vavahadin’ny Lapa no nilazany fa hotsaroan’ny tantara ireo tsy nanome ny fanalahidy mba hampiasana ny kianja ho fanehoana hevitra, ary fitaovana iray ho amin’izany fitsarana izany ny fifidianana.

Hotsarain’ny tantara ianareo, hoy izy mantsy ny mpiasan’ny kaominina

Tsy tafakatra hatreny akaikin’ny kianajan’Ambohijatovo intsony aloha ny Profesora sy ny mpanaraka azy hatramin’ny fotoana nialan’ny tena teny an-toerana, fa nifanehatra tamin’andian’olona nanakana ny firoson-dry zareo teo anoloan’ny BNI

Hatreo aloha no azo notantaraina raha ny mikasika ity andro ity. Ho hita eo ihany izay ho fivoaran’ny raharaha.

Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. « Hiady amin’adala tokoa ve moa » hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

« Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene »

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

« Efa ho retraité aho »  « 30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo? »

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao « ady idy »

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.