Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. « Hiady amin’adala tokoa ve moa » hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

« Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene »

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

« Efa ho retraité aho »  « 30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo? »

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao « ady idy »

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.

 

2 Réponses

  1. Fanampiny kely: nanararaotra nitafatafa t@ olona teny ny tenanay ary ny ankamaroany dia nilaza hoe: « izao foana ve ny hatao ho fiainana eto Madagasikara??? Leo be zay !!!

    • tsy mahagaga indray raha izay no miseho satria nisy nangalatra fahefana mba hamadiahana sy hivarotana ny tanindrazana amin’ny vahiny ankolaka ka nanaovana ireo Malagasy sorona teny Ambohitsorohitra (ny lazaina fa filoha ankehitriny anefa tsy teny mihintsy tamin’io), dia rariny ry zareo raha mitaky izay zavatra nangalarina izay. Angamba miaraka manaiky an’izay daholo raha tsy hoe olona jamba roa angaha izy.
      Misaotra

Laisser un commentaire