Fihaonambe GlobalVoices – Santiago/Chili

Milay be zalahy ny takelaka fandraisana ao amin’ny GlobalVoices a! Nasiam-panavaozana ny fandraisana kak tena sady misarika ny maso, no hitako ho mailamailaka kokoa noho ilay teo aloha.

Raha hitsidika ny amin’ny Teny Malagasy ianao dia asio ‘mg.’ fotsiny eo alohan’ilay tranonkala amin’ny teny Anglisy, Dia izay!

Manasa anao ary hitsidika ny tranonkalanay e!

Aza adino koa fa misy ny fihaonanan’ny mpanoratra, mpanao gazety, mpitoraka blaogy, ireo mafana fo, sy ny maro tsy voatanisa miara-miasa amin’ny Global Voices ao amin’ny renivohitr’i Chili (Santiago) Isan’ny mandray anjra isika Malagasy ka solontena 3 izahay no avy ao Madagascar ary 1 hafa avy any Etazonia.

Fianakaviambe ahitana karazam-pahalalana maro ny Global Voices ary miresaka ny lafim-piarahamonina rehetra. Na sosialy io , na politika, na toekarena, na Teknolojia, na Fahasalamana..Maro e! Aza variana na mivanaka fa tao daholo ny olona no naka!

Tsy ho any Afrika Atsimo raha…

Nahazo taratasy avy amin’ny Joachim Chissano ingahy Rajoelina ary mivaona amin’ny resaka nifanaovana tamin’ny Frantsay sy ny Afrikana Tatsimo hono no voalaza tao anatiny.

Araka izany dia nilaza izy fa raha tsy mazava ny anton’ny fiantsoana ho any ary sonia sisa no tokony hatao dia tsy handeha ho any izy

Ny bolabola ‘bois de rose’ nogiazana noho ny filazana azy ireo ho tsy ara-dalàna no hanaovana ny fanaka rehetra ao anatin’ity Lapan’ny tanàna vaovao ity.

Nandritra ny fitsidihana ny trano vaovao ho an’ny Lapan’ny Tanana tetsy amin’ny kianja 13 mai no nanaovany izany fanambarany izany.

Raha raisna izany izay nambarany izay hoe mifanohitra ny voalazan’ny taratasy voaray sy ny zavatra nifanarahana tany amboalohany dia mazava fa tsy mihevitra ny handamina velively ny raharaha ‘Madagascar’ ny vahiny. Mihazakazaka ny raharaham-pirenena tato ho ato ary dia samy hahita eto isika mianakavy fa dia hafana indray ity zavatra ity raha ireny fanipazana zavatra mipoaka tetsy sy teroa ireny no atambatra amian’ity fanambarana androany ity.

Edgard Razafindravahy moa dia nilaza fa ezahana hatrany ny fampilaminana ity tanana Antananarivo ity. Amen

CUA/Fantsakana afovoan’ny arabe

Tsy lavitra akory no misy io toerana io fa raha manitsy avy any amin’ny Lapan’ny Tanana ho any Tsaralalana (Conforama) ianao ka tonga eo amin’ny sampanana ‘Aigle d’or’ ilay mivily ho any amin’ny hopitalin’ny ankizy iny.

Misy rangahy iray manovo dia manovo rano ery (amin’ny zinga) eo afovoan’ny arabe eo.

Mpanasa fiara no asan-drangahy io ary dia tsy sahirana izy satria eo akaikiny eo ihany ny fantsakana, izay sady tsy andoavam-bola, no mampidi-bola, na dia hanimba ny lalam-bahoaka aza.
Ary mba ahoana no hanjo ireo mpandoa hetra rehetra manoloana ny zava-misy toy izao?

Tsy ilay asa no ratsy, fa ilay fomba anaovana azy no kianina.

Manadio tanana ny CUA hoy ny fanambarana, manampina làlana, saingy asa raha mba efa hitany io, ary ankoatra an’io dia mampanontany tena ny mpandoa hetra ihany koa ny amin’ity fitohanana vokatry ny mpivarotra amoron-dalana eran’ny tanana ity. Tsaralalalan Soarana, Behoririka, Andravoahangy, … hatraiza hatraiza e. Aoka ho fantatry ny mpiadidy ny tanàna fa na ny mpandeha an-tongotra mandeha amin’ireny toerana ireny koa aza dia isan’ny mpandoa hetra, ka tokony hahazo ny tambiny avy amin’izany, amin’ny tolotra sahaza tokony ho azy. Tsy hoe satria ny tobin-dasantsy goavana, dia azo andraisana fepetra haingana sy mahomby (raha hahomby!) fa ny olon-tsotra madinika ka afaka miandry. Aoka hitovy ny fandraisana ny tsyrairay fa samy olom-pirenena.

Sa ahoana hoy ianao?

Herisetra, satria nahoana?

Minitra vitsy talohan’ny anoratana ity lahatsoratra ity dia nisy fipoahan-javatra mafy tany Amparibe akaikin’ny tranon’ny Minisitry ny Fitsarana. Raha ny filazan’ny sendra mba azo nanontaniana dia toy ny firefotry ny grande na ireny baomba artisanale ireny indray ilay izy. Tsy mbola voafaritra ny zavatra mety ho naterany fa ny hitan’ny manodidina dia nisy fiara marque Renault (taxi) nirifatra mafy sy 4 x 4 pick up fotsy nandritra io fotoana io, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina.

Vaky daholo ny fitaratry ny trano nanandrify ilay lavaka eny akaikin’ny vavahady (50m eo ho eo no elanelan’ny vavahady sy ny lavarangana nisy ny fitaratra vaky)

Ankoatra an’io dia nisy camion benne nanainga ny benne teo aminy ho ambony dia ambony ary nirifatra mafy koa ka nanapaka ny fils electriques amin’iny faritry ny Marais Masay iny.

Mipetraka ary ny fanontaniana: Iza no te-hanao inona eto amin,’ity firenena ity? Fa toa ezahana hisy fisamantsamahana eny anivon’ny fiaraha-monina, ka rehefa tsy nety niady ny olona samy olona, tsy tafita koa ny resaka fiaviana sy finoana dia ny tafika no andrakandramana. Ary dia izao feno sarintsarina herisetra izao eran’ny tanàna. Tombontsoa ho an’iza ny faty olona, ary tombom-barotra ho an’izay ny faharavana?

Fanonganam-panjakana…

Olona 16 no voasambotra androany teny Ambohijanaka noho ny resaka fikasana fanonganam-panjakana saika hatao androany hariva. Ahitana olon-tsotra sy miaramila amperin’asa sy manamboninahitry ny tafika ao anatin’ity vondrona ity.

Tsy mbola ananana ny antsipiriam-baovao fa asisika eto ihany araka ny fahatongavany

Ny F.I.S sy ny EMMO/REG no nanatontosa ny fisamborana.

Ny Lapan’i Mahazoarivo no notetehana hotafihana tamin’ity alina ity (amin’ny 1 ora maraina ny Alatsinainy 19/04/2010)

Reserviste no nanao ny recrutement ka iray tamin’ireo tsy tafiditra tanaty fiara tetsy Mahamasina no nosamborina sy nilaza ny marina ary nahafahana niakatra hatrany amin’ireo namany rehefa nanaovana antso fitaka ireto farany.

Ny ex-militaires izany dia miisa 15 no efa tratra. Ary tamin’ny alalan’ny fitaka an-telefaona niantsoana sivily iray mba haka ‘reservistes 4 mbola vonona hanao ny opération’ no nahazoana sy nahitana ny toerana nanomanana ny fanafihana saika hatao androany alina.

Ankoatra ireo efa tratra dia mbola misy manampahefana 5 no tafiditra ao anatiny. Baiko azon’izy ireo ny hoe manomana tenue de combat fa izay tsy manana dia homena,. Ny basy kosa dia eny Mahazoarivo no hozaraina. 200.000 Fmg isaky ny iraka (isan’andro) no voalaza fa karama raisin’ireto olona ireto, izay efa tafakatra ho 19 eo ho eo ankehitriny no voasambotra (fanampim-baovao azo ny 18 /04 /2010 tamin’ny 6 ora hariva). Ankoatr’ireo izay mbola arahan-dia sy tsikilovina amin’izao fotoana.

Loharanom-baovao :RNM, TVM, TV Plus

Maty Andry RAJOELINA raha…

Tsy vitsy no naheno ilay fianjerana angidimby (helicopter) tany amin’ny faritr’Anjozorobe iny. Vazaha roa no voalaza fa maty nandritra iny loza iny. Fa ny tena tiana hampitaina ary mino aho fa tsy dia maro no nahalala azy dia tsy an’iza akory ilay angidimby nianjera fa an’ny filohan’ny HAT raha ny filazan’ny onjam-peo iray teto Antananarivo.

Mpanamory manokan’ny filohan’ny HAT no maty tamin’ilay fianjerana tany amin’ny manodidina an’Anjozorobe. Somary nanaitra ihany ny nahalalana ilay vaovao milaza ny maha -azy ilay fitaovana sarobidy. Satria tokoa dia tsy maintsy lasa ihany ny saina hoe : fa naninona no ny azy no nianjera? Teraka noho izany ny ahiahy ny amin’ny hoe ‘mety ho izy RAJOELINA mihitsy no nokendrena hidaboka tamin’iny dian’ny angidimby ho any Antalaha iny, saingy tsy izay no lahatra’ , sy ny hoe ‘dia nokitihana mialoha mba hisy fahasimbana mihitsy angamba izany ilay fitaovana ka niandry ny fotoana hitrangan’ny loza fotsiny sisa’.

Nefa raha izy tokoa no nokendrena dia saika zava-doza no nitranga raha tonga tamin’izay notadiaviny izay olona nieritreritra an’izany. Saingy moa ve vaha-olana sa hanampy trotraka ny olana ny zavatra toy izany raha nitranga tokoa? Maty Andry RAJOELINA raha nisy kely foana araka izany.

Toa mahalasalasa saina ihany tokoa mantsy ny fandehan-javatra tato ho ato rehefa mahita ireto mpitantana ao amin’ny FIS mifanipaka sy mifanasa vangy ireto ny vahoaka. Ny ety ivelany aza manahirana ny saina, izao indray koa ny ao anaty harona no manao fombam-balàla.

Dia inona tokoa re no ho fepetra horaisin’ny tafika rehefa tonga ny fetra (izay tsy fantatsika hoe rahoviana) napetrak’izy ireo mba hitondrana ny ‘feuille de route’ sy ny vaha-olana amin’ny krizy iainantsika ity e?

« Izay maharitra vadin’Andriana » hoy ny Ntaolo izay, nefa toa tiana ho fantatra mialoha ihany . Sa sao taitai-homa-menaka eo aho…?

Ny hevitra tera-bary (ao amin’ny SERASERA)

Mivaky loha mitady vaha olana amin’ny krizy ny maro. Ao anatin’izany rehetra izany koa anefa dia misy ny mivaky loha mifanasa vangy. Indrindra indrindra fa eo anivon’ny serasera anaty aterineto. Asa na noho izy ireny tsy mifankahitva tava, fa mifankahalala anarana sy adiresy mailaka fotsiny, na ahoana, fa dia mampalahelo raha ny krizy nataon’izy efatra mianaka no hampizarazara anareo rehetra. Nataoko ihany ny tsy hiresaka sy tsy hitatitra intsony ny resaka politika teto, nefa manahirana ny saina ihany ny mahita ny fifandonanareo ao anaty serasera ao. Ny ompa reny sy ny vely avoahangy sisa angamba no tsy haiko hoe rahoviana! Enga anie tsy hiafara amin’izany ny raharaha.

Rehefa mba tafahaona amin’ireo namana rehetra mpiara-misera (Malagasy aty Madagasikara) aho, ary matetika mihitsy izahay no misy fihaonana, dia faly sy finaritra ery mahita fa na dia tsy mitovy hevitra sy samy manana ny lalan-kizorany, ny olona na firehana mampandripandry ny sainy aza ny tsirairay, dia afaka mifanakalo hevitra tsara anaty tsikitsiky, sy manodidina latabatra iray, mandeha eo ny misotrosotro sy ny mihinankinana, lavitra anay ny hieritreritra zavatra hafa toy ny hoe: aleo mitandrina fa olona tsy mitovy hevitra amin’ny tena anie ireto ka sao manao vorika am-bava, sns.. Mety ho henjana ilay fomba anehoako azy, nefa dia izay aloha no hitako fa mety amoahako azy ka miala tsiny indrindra. Mba afaka ny hanao toy izany ve ianareo mifandrangitra sy mifanasa vangy ireo? Mba manokana fotoana iray hoe mba mifnatri-tava dia miresaka, dia eo no mifamboraka sy mifandresy lahatra. Esory ilay ahiahy hoe ka ho hita eo aho hoe iza sy ny hoe aiza. Na izaho aza efa nisy fotoana nifampitadiavana teto amin’ity tontolon’ny virtoaly ity, saingy tato anatin’ny herinandro vitsivitsy nieritreretana dia nanapa-kevitra fa aleo lazaina izay azo lazaina, ary aleo ho avy izay ho avy. Nahoana? Satria matoky aho rehefa mihaona amin’ireo namana rehetra nolazaiko tery ambony, ankoatra ny hafa any ambadika, fa tsy ho tafatoetra ela eto Madagasikara izany fanapenam-bava izany (raha sanatria ka efa misy mikononkonona). Koa sahia zalahy mifanatrika ianareo any ampita any dia mifanazavà ankitsim-po ah!

Jereo anie itony resaka itony e:

[serasera] NY HEVITRA TERA-BARY

Dimanche 11 avril 2010 0h31

De: « Sxxx » <xxx@orange.fr>

À: « yyy » <yyy@yahoo.fr>, « zzz » <zzz@gmail.com>

Cc: serasera@yahoogroupes.fr, serasera@serasera.com

yyy!
Hoy ianao : « na zany aza ao koa no tena misy TIA Tanindrazana » , mba tanisao hoe iza ao amin’ ny HAT no mahafeno io?
Mbola hoy ihany koa ianao : « rebireben’ny RENIMALALA na ny firenena hafa any de reveo ao fa antsika, mba LEHIBE @ zay fa efa 50 taona zao ». Hoy aho hoe, angamba ianao io tsy any Madagasikara ka tsy mahita fa i Renimalalanareo anie no mitaingimbozona ny HAT.
Eto amin’ny serasera ianao, ka anisan’ireo manao lala-kitan-kisoa ve ianao sa tsia?
Manahy aho mantsy fa toa manondro tena ianao arak’ilay fehezan-teninao farany, hoy aho anakampo mamaky ny taratasinao : tsy ny tenany ve no resahiny io?
i Sxxx
From: zzz
Sent: Saturday, April 10, 2010 11:43 PM
To: yyy
Subject: Re: [serasera] NY HEVITRA TERA-BARY

Salama,

Dia amin’izao mifalia fa efa miadana tsara ianareo. Ampy sakafo. Tsy
misy mahantra intsony. Tafita.
Mahagaga tokoa hoe inona marina no mampivadika atidoha anay aty andafy
amin’izany. Ianareo ao Madagasikara aza mahazaka sy milamina tsara.

Mazotoa sy miadàna ao ary e.

zzz

2010/4/10 yyy <yyy@yahoo. fr>:
Miarahaba ny PISERA rehetra.
Manaraka ity serasera ity ihany rehefa manam-bola handoavana internet, efa antaonany maro izay. Marihina amin’izany fa manao lalan-kintan- KISOA daholo ny ankamaroan’ny mpisera eto. Amin’izao fotoana izao de ny fanenjehana ny HAT sy ny TGV no mafotaka eto. T@ 2002 de nilelaka an-ndr8. Amin’ny lafiny ray de tsy misy maharatsy izany fa ny mampalahelo de kely tadidy daholo ianareo mianakavy.
Apetrao @ laoniny aloha ny tantara.

1-Inona no nahatonga ny Revolution Orange?
Marc Ravalomanana  4 mandats pour finir la construction par zzz R.
L’Express de Madagascar, Edition n° 3601 du 09-01-2007

Avec sa force actuelle, l’opposition ne peut pas jouer le rôle de contre-pouvoir. Ce qui faciliterait la marche du président réélu Marc Ravalomanana vers un troisième ou un quatrième mandat…
Avy eo nisy ny SAKOROKO raha ts’zany na mandrapahafatiny aza ny RAINAREO prezidà teo foana. Aza kely ati-doha fa raha tsy fanonganam-panjakan a na zay ilazanreo azy tsy niongana teo mihitsy izy. Zao nareo mitady oe hiverina @ LEGALITE, (mieritrereta) . Avy eo lazainareo fa ny HAT ndray no namono olona teny Ambohitsorohatra (Lundi noir)…

2-Famine dans le Sud  Déjà des victimes
Madagascar Tribune, N° 5451 : Mercredi 03 Janvier 2007, Alphonse M.
Contrairement aux informations véhiculées par certains médias, le « kere » (famine) qui sévit dans le sud de l’île a déjà fait des victimes. Selon notre source, faute de nourriture, des pertes de vie humaine ont été signalées dans la région de l’Androy sans compter la quasi inexistence de l’eau. Les femmes et les enfants sont les plus touchés par ce fléau. Sur le marché, les bétails sont bradés pour pouvoir acheter des aliments…
Lazainareo fa ny HAT no mampahantra antsika, ny fahantrana efa teo foana fa aza dondrona, ny vola any am-paosiny DADANAREO. Tsy hiova akory izany na iza na iza hitondra fanjakana eo. Amboary ny saina de hamafiso ny lalàna. Trafique de Bois de Rose, d’influence, de corruption, fa ahoana e! Iza no nanomboka lay fintrandrahana bois de rose??? efa teo anie reo hazo ireo vao tonga teo ny HAT e! Tsy manadio an-dry zalahy akory, fa nareo be vava reo ve raha nahita ny saosy nihanahana teo de ahoana???
Des milliers de Malagasy qui ont perdus leur travail ? Ny fianakavinako koa ao anatin’izany, tsy maninona io fa reveo, rehefa manendy atody ts’maintsy misy vaky. Tadidio fa na ho ela na ho aingana de ts’maintsy ho foana ny tsena hafak’haba (zone franche),nitontona @ zao fotoana zao zany.
Des MILLIERS D’ENFANTS et de familles qui sont à la rue, sans nourriture, sans foyers, vivant au jour le jour. Zany indrindra no mila fanovana, tsy vao androany akory no misy izany, ary aza manao ririnin-dasa tsy mba tsaroana fa io resaka io foana no nahatonga ny SAKOROKA teto DAGO, 1972 à 2002 en passant par ceux de 1991 et 2001 na 2009, vokany rà mandriaka no narotsaka teto @ FIRENENA.

3-FEHINY: Na nareo any andafy any aza de hafahafa fisainana tsy mahatanty zany DEMOKRASIA zany. Tsy eken’ny sainareo raha tsy mitovy hevitra ny olona rehetra. Ataonareo anaty harona ray daholo ny olona rehetra ao @ HAT ary tsy maintsy mitovy fisainana. Olona samihafa daholo anie ireo e! ao ny mpangalatra tsy misaina afa-tsy ny hanolana volam-bahoaka, ao ny mpitady seza, ao ny mpanao polifika masiso hatramin’ny 1960, na zany aza ao koa no tena misy TIA Tanindrazana. Ireo no atao oe vahoaka malagasy ary hevitra ray no tanjona « HANOVA ZAVATRA » repoblika faha 4.
Aoka isika samy malagasy no hifandamina, ary raha mety rebireben’ny RENIMALALA na ny firenena hafa any de reveo ao fa antsika, mba LEHIBE @ zay fa efa 50 taona zao.
Hatreo aloha fa vonona hifanandrina aminareo aho.
« il faut toujours se référer à l’histoire pour pouvoir mieux se repérer et améliorer les choses. Ou à les corriger. Un pays qui n’a pas de source historique, flotte ».(OLALA, Me Willy Razafinjatovo)

Des piques aux détracteurs du régime
Midi Madagascar, Parution N° : 7729 du 10 janvier 2009 Recueillis par Dominique R.

Marc RAVALOMANANA. « Pour ceux qui s’aventurent à fustiger le régime, nous serons intraitables », a averti le président de la République…

OppositionLe CRN mobilise certaines régions
Midi, Parution N° : 7493 du 2 avril 2008 par Fano Rakotondrazaka

…Les dirigeants du CRN réunis hier à la villa Elisabeth… Le membre fervent du Comité pour la réconciliation nationale (CRN), Tabera Randriamanantsoa, a fait un bilan de 1882 détenus politiques depuis l’avénement de Marc Ravalomanana au pouvoir. Il a annoncé hier, à la villa Elisabeth, que l’identité de ces personnes, ainsi que les conditions de leur détention feront l’objet d’une publication prochaine.

Raha ny akama no mangetotra de tsy maimbo fa raha ny hafa de mampi- degôba.

Mampiantso mpanao gazety indray ingahy Andry RAJOELINA rahalina amin’ny 8ora sy 30 mn, ka asa izay vaovao lehibe ho lazainy ho antsika ao fa dia samy miandry izany e! Enga anie tsy hanao « fotoan-gasy » indray.

Vaovao farany (11 Aprily 2010, 7 ora hariva)

***************

Nofoanana tamin’ny ora farany ny valan-dresaka tokony ho natao ho an’ny mpanao gazety. Hahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra. Hidinika amin’ireo manamboninahitry ny tafika ingahy Andry RAJOELINA ny 12 Aprily 2010.

Sady misatroka no mielo i Camille Vital

Tsaroan’izay naharaka ny vaovao tamin’ny 27 Martsa 2010 fa nahazo (notolorana) helicopters ny tafika Malagasy. Re koa tamin’io fa namory manamboninahitra maromaro avy ao amin’ny taifka (tonga hatramin’ny avy any amin’ny faritany aza) ny Jeneraly Noel RAKOTONANDRASANA ka tamin’izany no nilazany fa fivoriana handinihana izay fomba hamahana ny krizy ilonan’ny firenena no anton’ilay fivoriana (izany hoe fivoriana politika izany). Re koa tato aoriana fa misy mivorivory any Vohipiraisana tany.

Nifamahofaho tao an-tsain’ny maro hatry ny ela, ary indrindra fa nanampy trotraka io voalaza etsy ambony io, ny amin’ny toerana raisin’ny miaramila manoloana ny olana diavin’ny firenena. Etsy andaniny koa moa dia efa hatry ny ela no hitan’ny maro ny maha-fitondrana mihanahana ( raiso amin’ilya lalantsaina hoe attentisme) ity fitondrana HAT ity.

Teraka koa teo anivon’io fitondrana io ny ady mangatsiakan’ny samy mpikambana ao anatiny ao, ka na efa nisy aza fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta sy ny fitondrana, dia gaga sy zendana ny mpitazana avy eo mahita mambra avy anatiny ao mivoaka ety ivelan’ny sehatra ka manao fanambaràna ho an’ny daholobe, manome ny heviny manokana (izay matetika no mifanipaka) amin’ilay fanapahana efanoraisin’ny governemanta.

Nisy tamin’ny gazety mpiseho isan’andro teto Madagasikara no namoaka ho lohateny lehibe ny mikasika ny Minisitra Noel RAKOTONANDRASANA. Ary dia nitontona io hariva io ny vaovao sy ny didy tamin’izay famisavisana natao an-gazety izay.

Nolazain’ny Praiminisitra Camille Vital àry fa mifamahofaho ny raharaham-pirenena ka namoaka didim-panjakana ny HAT, ary manomboka tamin’io fotoana namakiana ny didy io dia miloloha zavatra roa ny tenany: voalohany dia Praiminisitra izy, Faharoa indray dia raisiny ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena. Nofaritany ho tanjona amin’izany ny tsy maintsy hanatanterahana ny voalazan’ny fikaonan-doham-pirenen’ny foloalindahy sy n y hahatanterahan’ny fifidianana.

Fa izay tena nandrasako dia ity: Tsy niteny izay didy fanafoanana ny fanendrena ny Jeneraly Noel RAKOTONANDRASANA ingahy Camille Vital fa tonga dia ilay 2010 / 187 tamin’ny 07 Aprily 2010 no novakiany.

Mbola andrasako koa ny fanehoan-kevitr’ilay voakasika mivantana amin’izao raharaha izao, sy izay ho fanambaran’ny miaramila.
Dia ho sanatria ve hanaraka ny ‘afindrafindrao tsy azo avela’ sy ny fomban-drazana izay tsy hita ny maharatsy azy’? Tsy inona no tian-ko lazaina fa izao: matetika (raha tsy izay foana mihitsy aza angamba) dia izay olona esorina amin’ny toerana nahafatifaty azy teo amin’ny sehatry ny fanaovana politika na ny fitondrana teto Madagasikara, rehefa tonga amin’izay fotoana hoe nesorina izay, dia miditra any amin’ny laharan’ny mpanohitra avy hatrany (ozona ve sanatria?). Indrindra indrindra fa isan’ny antony nanesorana azy ny ‘fiampangana’ (na dia tsy tsorina mivantana aza) ho nikasa hanongam-panjakana. Angamba tsy hadinon’ny maro ilay fihetsiketsehana be teny Antaninarenina sy AMbohitsorohitra ny Zoma lasa teo hifoha Sabotsy. Dia samia miandry izay ho ampitso e!

Misy raha dônky anyyyyyy!

Hifanolotra atody

Ho avy ny fety kristiana ‘Paka’. Tsy misaraka amin’io andro io sy ny manodidina azy ny resaka Chocolat, lakolosy, bitro sy atody. Misy tantarany ny niavian’ireny, saingy tsy hidirantsika lalina loatra.

Midika inona ho an’ny maro ary ny ‘Paka’? Ao ny mandray azy ho ilay Andro nitsanganan’i Kristy taorian’ny namonoana azy. Ao ny mandray azy ho androm-pibebahana sy Fihavaozana indray eo amin’ny fiainana. Ao ny mametraka azy ho toy ny andro firavoravoanan fihinanana sy fisotroana fotsiny.

Fanao any ivelany any, rehefa tonon’andro ‘Paka’ ny mifanolotra zavatra ka isan’ireny ny ‘atody’. Zavatra fady tamin’ny Malagasy sasany tany aloha tany izany hoe mifanolotra atody izany. Maha kizo fara sy mahaboribory fiainana, hono (ataovy an-tsaina ilay fiteny hoe : vato kiboribory). Fa ankilany kosa anefa dia midika fitohizan’ny aina izy, nefa koa raha ny bikan’ny ivelany no jerena dia milaza fahatanterahana. Mifamela ny olona nanana disadisa amin’io andro io, na efa mialoha azy akory aza (mandritry ny herinandro masina).

Be ny disadisa amin’izao fotoana eto amin’ny samy Malagasy (tsy ny monina sy mipetraka eo ambonin’i Madagasikara ihany, fa na ireo zanaka am-pielezana eran-tany koa aza). Mba hisy ve izay fifamelana sy fihavaozana izay amin’ity ‘Paka 2010’ ho avy ity? Nandeha ny feo fa hoe taorian’ny tsidika tselatra nataon’ireo iram-panjakana frantsay mba hitadiavana vaha olana momba ny krkizin’i Madagasikara, dia mery hisy ny fihaonana Andry RAJOELINA sy Marc RAVALOMANANA. Nilaza anefa MArc RAVALOMANANA androany fa tsy misy an’izany ary tsy hihaona velively amin’i Andry RAJOELINA raha tsy eo koa RATSIRAKA Didier sy ZAFY Albert. Mandeha koa ny fivoriana ankiafinafina etsy sy eroa. Voalaza mihitsy fa misy fikasana hanongam-panjakana any ho any. Resahana ny mety hisian’ny ‘explosion sociale’ goavana eto Madagasikara ato ho ato. Karazana atody re izao.

Mba iza amin’ireo atody ireo no tianao hatao fanomezana amin’ity ‘Paka 2010’ ity?

Ny irariana fotsiny dia ny mba hahaizan’ny tsirairay mifanolotra ny atody tsara indrindra, dia ny fihavanana sy ny firaisankina. Fa tsy ho sanatria ‘lamokan’atody’, na ‘atody poak’aty’ efa notrohin’ny mpanolotra mialoha izay tao anatiny, na koa ‘atody vato’ tsy hita ho hanina fa sahaza kosa ho haingon-trano hampiraraka ny ivy fotsiny.