Ny hevitra tera-bary (ao amin’ny SERASERA)

Mivaky loha mitady vaha olana amin’ny krizy ny maro. Ao anatin’izany rehetra izany koa anefa dia misy ny mivaky loha mifanasa vangy. Indrindra indrindra fa eo anivon’ny serasera anaty aterineto. Asa na noho izy ireny tsy mifankahitva tava, fa mifankahalala anarana sy adiresy mailaka fotsiny, na ahoana, fa dia mampalahelo raha ny krizy nataon’izy efatra mianaka no hampizarazara anareo rehetra. Nataoko ihany ny tsy hiresaka sy tsy hitatitra intsony ny resaka politika teto, nefa manahirana ny saina ihany ny mahita ny fifandonanareo ao anaty serasera ao. Ny ompa reny sy ny vely avoahangy sisa angamba no tsy haiko hoe rahoviana! Enga anie tsy hiafara amin’izany ny raharaha.

Rehefa mba tafahaona amin’ireo namana rehetra mpiara-misera (Malagasy aty Madagasikara) aho, ary matetika mihitsy izahay no misy fihaonana, dia faly sy finaritra ery mahita fa na dia tsy mitovy hevitra sy samy manana ny lalan-kizorany, ny olona na firehana mampandripandry ny sainy aza ny tsirairay, dia afaka mifanakalo hevitra tsara anaty tsikitsiky, sy manodidina latabatra iray, mandeha eo ny misotrosotro sy ny mihinankinana, lavitra anay ny hieritreritra zavatra hafa toy ny hoe: aleo mitandrina fa olona tsy mitovy hevitra amin’ny tena anie ireto ka sao manao vorika am-bava, sns.. Mety ho henjana ilay fomba anehoako azy, nefa dia izay aloha no hitako fa mety amoahako azy ka miala tsiny indrindra. Mba afaka ny hanao toy izany ve ianareo mifandrangitra sy mifanasa vangy ireo? Mba manokana fotoana iray hoe mba mifnatri-tava dia miresaka, dia eo no mifamboraka sy mifandresy lahatra. Esory ilay ahiahy hoe ka ho hita eo aho hoe iza sy ny hoe aiza. Na izaho aza efa nisy fotoana nifampitadiavana teto amin’ity tontolon’ny virtoaly ity, saingy tato anatin’ny herinandro vitsivitsy nieritreretana dia nanapa-kevitra fa aleo lazaina izay azo lazaina, ary aleo ho avy izay ho avy. Nahoana? Satria matoky aho rehefa mihaona amin’ireo namana rehetra nolazaiko tery ambony, ankoatra ny hafa any ambadika, fa tsy ho tafatoetra ela eto Madagasikara izany fanapenam-bava izany (raha sanatria ka efa misy mikononkonona). Koa sahia zalahy mifanatrika ianareo any ampita any dia mifanazavà ankitsim-po ah!

Jereo anie itony resaka itony e:

[serasera] NY HEVITRA TERA-BARY

Dimanche 11 avril 2010 0h31

De: « Sxxx » <xxx@orange.fr>

À: « yyy » <yyy@yahoo.fr>, « zzz » <zzz@gmail.com>

Cc: serasera@yahoogroupes.fr, serasera@serasera.com

yyy!
Hoy ianao : « na zany aza ao koa no tena misy TIA Tanindrazana » , mba tanisao hoe iza ao amin’ ny HAT no mahafeno io?
Mbola hoy ihany koa ianao : « rebireben’ny RENIMALALA na ny firenena hafa any de reveo ao fa antsika, mba LEHIBE @ zay fa efa 50 taona zao ». Hoy aho hoe, angamba ianao io tsy any Madagasikara ka tsy mahita fa i Renimalalanareo anie no mitaingimbozona ny HAT.
Eto amin’ny serasera ianao, ka anisan’ireo manao lala-kitan-kisoa ve ianao sa tsia?
Manahy aho mantsy fa toa manondro tena ianao arak’ilay fehezan-teninao farany, hoy aho anakampo mamaky ny taratasinao : tsy ny tenany ve no resahiny io?
i Sxxx
From: zzz
Sent: Saturday, April 10, 2010 11:43 PM
To: yyy
Subject: Re: [serasera] NY HEVITRA TERA-BARY

Salama,

Dia amin’izao mifalia fa efa miadana tsara ianareo. Ampy sakafo. Tsy
misy mahantra intsony. Tafita.
Mahagaga tokoa hoe inona marina no mampivadika atidoha anay aty andafy
amin’izany. Ianareo ao Madagasikara aza mahazaka sy milamina tsara.

Mazotoa sy miadàna ao ary e.

zzz

2010/4/10 yyy <yyy@yahoo. fr>:
Miarahaba ny PISERA rehetra.
Manaraka ity serasera ity ihany rehefa manam-bola handoavana internet, efa antaonany maro izay. Marihina amin’izany fa manao lalan-kintan- KISOA daholo ny ankamaroan’ny mpisera eto. Amin’izao fotoana izao de ny fanenjehana ny HAT sy ny TGV no mafotaka eto. T@ 2002 de nilelaka an-ndr8. Amin’ny lafiny ray de tsy misy maharatsy izany fa ny mampalahelo de kely tadidy daholo ianareo mianakavy.
Apetrao @ laoniny aloha ny tantara.

1-Inona no nahatonga ny Revolution Orange?
Marc Ravalomanana  4 mandats pour finir la construction par zzz R.
L’Express de Madagascar, Edition n° 3601 du 09-01-2007

Avec sa force actuelle, l’opposition ne peut pas jouer le rôle de contre-pouvoir. Ce qui faciliterait la marche du président réélu Marc Ravalomanana vers un troisième ou un quatrième mandat…
Avy eo nisy ny SAKOROKO raha ts’zany na mandrapahafatiny aza ny RAINAREO prezidà teo foana. Aza kely ati-doha fa raha tsy fanonganam-panjakan a na zay ilazanreo azy tsy niongana teo mihitsy izy. Zao nareo mitady oe hiverina @ LEGALITE, (mieritrereta) . Avy eo lazainareo fa ny HAT ndray no namono olona teny Ambohitsorohatra (Lundi noir)…

2-Famine dans le Sud  Déjà des victimes
Madagascar Tribune, N° 5451 : Mercredi 03 Janvier 2007, Alphonse M.
Contrairement aux informations véhiculées par certains médias, le « kere » (famine) qui sévit dans le sud de l’île a déjà fait des victimes. Selon notre source, faute de nourriture, des pertes de vie humaine ont été signalées dans la région de l’Androy sans compter la quasi inexistence de l’eau. Les femmes et les enfants sont les plus touchés par ce fléau. Sur le marché, les bétails sont bradés pour pouvoir acheter des aliments…
Lazainareo fa ny HAT no mampahantra antsika, ny fahantrana efa teo foana fa aza dondrona, ny vola any am-paosiny DADANAREO. Tsy hiova akory izany na iza na iza hitondra fanjakana eo. Amboary ny saina de hamafiso ny lalàna. Trafique de Bois de Rose, d’influence, de corruption, fa ahoana e! Iza no nanomboka lay fintrandrahana bois de rose??? efa teo anie reo hazo ireo vao tonga teo ny HAT e! Tsy manadio an-dry zalahy akory, fa nareo be vava reo ve raha nahita ny saosy nihanahana teo de ahoana???
Des milliers de Malagasy qui ont perdus leur travail ? Ny fianakavinako koa ao anatin’izany, tsy maninona io fa reveo, rehefa manendy atody ts’maintsy misy vaky. Tadidio fa na ho ela na ho aingana de ts’maintsy ho foana ny tsena hafak’haba (zone franche),nitontona @ zao fotoana zao zany.
Des MILLIERS D’ENFANTS et de familles qui sont à la rue, sans nourriture, sans foyers, vivant au jour le jour. Zany indrindra no mila fanovana, tsy vao androany akory no misy izany, ary aza manao ririnin-dasa tsy mba tsaroana fa io resaka io foana no nahatonga ny SAKOROKA teto DAGO, 1972 à 2002 en passant par ceux de 1991 et 2001 na 2009, vokany rà mandriaka no narotsaka teto @ FIRENENA.

3-FEHINY: Na nareo any andafy any aza de hafahafa fisainana tsy mahatanty zany DEMOKRASIA zany. Tsy eken’ny sainareo raha tsy mitovy hevitra ny olona rehetra. Ataonareo anaty harona ray daholo ny olona rehetra ao @ HAT ary tsy maintsy mitovy fisainana. Olona samihafa daholo anie ireo e! ao ny mpangalatra tsy misaina afa-tsy ny hanolana volam-bahoaka, ao ny mpitady seza, ao ny mpanao polifika masiso hatramin’ny 1960, na zany aza ao koa no tena misy TIA Tanindrazana. Ireo no atao oe vahoaka malagasy ary hevitra ray no tanjona « HANOVA ZAVATRA » repoblika faha 4.
Aoka isika samy malagasy no hifandamina, ary raha mety rebireben’ny RENIMALALA na ny firenena hafa any de reveo ao fa antsika, mba LEHIBE @ zay fa efa 50 taona zao.
Hatreo aloha fa vonona hifanandrina aminareo aho.
« il faut toujours se référer à l’histoire pour pouvoir mieux se repérer et améliorer les choses. Ou à les corriger. Un pays qui n’a pas de source historique, flotte ».(OLALA, Me Willy Razafinjatovo)

Des piques aux détracteurs du régime
Midi Madagascar, Parution N° : 7729 du 10 janvier 2009 Recueillis par Dominique R.

Marc RAVALOMANANA. « Pour ceux qui s’aventurent à fustiger le régime, nous serons intraitables », a averti le président de la République…

OppositionLe CRN mobilise certaines régions
Midi, Parution N° : 7493 du 2 avril 2008 par Fano Rakotondrazaka

…Les dirigeants du CRN réunis hier à la villa Elisabeth… Le membre fervent du Comité pour la réconciliation nationale (CRN), Tabera Randriamanantsoa, a fait un bilan de 1882 détenus politiques depuis l’avénement de Marc Ravalomanana au pouvoir. Il a annoncé hier, à la villa Elisabeth, que l’identité de ces personnes, ainsi que les conditions de leur détention feront l’objet d’une publication prochaine.

Raha ny akama no mangetotra de tsy maimbo fa raha ny hafa de mampi- degôba.

Mampiantso mpanao gazety indray ingahy Andry RAJOELINA rahalina amin’ny 8ora sy 30 mn, ka asa izay vaovao lehibe ho lazainy ho antsika ao fa dia samy miandry izany e! Enga anie tsy hanao « fotoan-gasy » indray.

Vaovao farany (11 Aprily 2010, 7 ora hariva)

***************

Nofoanana tamin’ny ora farany ny valan-dresaka tokony ho natao ho an’ny mpanao gazety. Hahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra. Hidinika amin’ireo manamboninahitry ny tafika ingahy Andry RAJOELINA ny 12 Aprily 2010.

Publicités

Vetso.serasera.org

Maro ny takelaka azo tsidihana ao amin’ny vohikalan’ny SERASERA.ORG, fa notsongaiko manokana ny VETSO.SERASERA.ORG.  Sehatra iray ifanenan’ny kanto Malagasy sy ny mpankafy azy izy io.  Tsy natao ho an’ny matihanina irery anefa ny fandraisana anjara ao, fa na ianao mamaky ity hafatra ity aza dia afaka mametraka izay vetsovetsom-po na aingam-panahy sendra nandalo taminao ka noraiketinao an-tsoratra. Iza no mahalala, mety ho izay soratra kely napetrakao izay no hitondra anao ho amin’ny sehatra avo atsy aoriana.

Manerana ny vazan-tany rehetra no nipoiran’ny kanto voarakitra ao amin’ny VETSO.SERASERA.ORG, ary maroloko sy tsy mialonjafy ihany koa.

Isan’ireo nametraka ny kanto avy aminy i Raozigasy, ary tena nitondra fofona namerovero tonga hatraty anaty fo sy fanahiko koa, ka dia zaraiko aminao.

Manentana anao aho mba handalo kely amin’izany takelaka izany, na dia ho minitra vitsy monja aza fa tsy hanenenanao ny mahalala fa hay marobe ny Malagasy no mànana talenta, ary marobe ny Malagasy no mbola mitàna tsara ny fomba fanoratra sy ny tsipelina nolovainy.

Indro ary atolotra anao izay vokatry ny tany entin’i Raozigasy:

=========>  ZARAO ETO

Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona
Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona
Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty
Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty

Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava
Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava
Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia
Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miria

Zarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina
Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina
Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka
Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandreraka

Zarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo,
Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo
Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy
Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavy

Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa
Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho
Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina
Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina

http://vetso.serasera.org/news/raozigasy )

Isaorana manokana i Raozigasy tamin’ny namelany ny hametrahana ny asa sorany teto.

Kamba: Vaovao avy any Mahajanga

Nidina tany Mahajanga izahay tamin’ny faran’ny herinandro lasa (Paka) teo mba hanangona vaovao momba ny fianakavian’i Kamba, sy hamita ny adidy tsy vita ihany koa fony mbola nahateo am-bohitra ny razana. Nisy ny sary nentina avy any, toy ny sarin’i Kamba (miisa 3) talohan’ny famonosana azy (Nalaina tany amin’ny naman’i Diana Chamia),

dsc00963

dsc00964

ary ireo sary nalaiko manokana tany an-tokantranon’ny reniny, ka ahitantsika an’i Viviane (ilay kambana tamin’i Kamba) sy ny reniny ary ireo mianadahy iray tampo aminy mbola velona, dia i Said sy Berthine. Raha zaza mbola tsy nahay afa-tsy ny mikisakisaka amin’ny tany no nanateranay an’izy telo mianaka teny amin’ny taxi brousse fahiny, dia zazavavy kely pelipelika sy mihazakazaka eran’ny tokotany no ahalalana an’i Viviane ankehitriny. Izy io be kilaoty kely eo anoloan-dreniny io.

sunp0303

sunp0306

Tafiditra tao anatin’ny dia ihany koa ny fijerena izay mbola azo atao hanampiana ny ankohonana kely sisa tavela. Misy efatra mianaka moa izy no mbola miara-miaina ao.  Ankoatra ireo dia misy ihany koa ireo mpiray tampo amin-dreniny miray tokotany amin-dry zareo ao.

sunp0312

sunp0307

Betsaka ny resaka nifanaovana tamin’i maman’i Kamba. Tafiditra tanatin’izany ny fitantarany ny andro farany nahitany an-janany tsy nahatsiaro tena intsony sy ny fitondrana azy tany amin’ny dokotera. Ny fanafody voavidy, nefa ny aina nafoy.

Tsy zakany hatramin’izao ny fahalasanan’I Kamba kely, noho izany dia ireo kilalao sy zavatra rehetra  nampiasaina tamin’ny fikarakarana azy fahavelony, tapitra nomeny sy nozarainy taman’olona avokoa. Saingy tsy misy navoakany ny trano kosa ny sarin-janany rehetra.
Hoy izy

Ireny no tsy foiko ka notazoniko

Mivarotra arina (charbon de bois) eo anoloan’ny vavahadiny no asa fitadiavana vola anampiany ny sasa lamba izay efa fanaony taloha sy mbola nampiana koa tato aoriana.

Noho i Viviane mbola kely sy tsy mahaleo tena tsara dia sakanan’ny zokibeny tsy hiasa ivelan’ny trano, hono, izy. Nefa i Said dia andoavana saram-pianarana 60.000 FMG isam-bolana, raha any amin’ny sekolim-panjakana kosa i Berthine. Ary dia io zokibeny tsy mamela azy hiasa any ivelany io no mifanampy aminy amin’ny fandoavana izay saram-pianarana izay. Rehefa noresena lahatra moa i maman’i Kamba ny amin’ny hoe tsy voatery ho eo foana i Zokibenao nefa ny fiainana tsy maintsy hitohy, dia nanaiky nanao iretsy sasa lamba voalaza ery ambony

Nahatsapa ho irery sy sahirana mafy tokoa aho tamin’ireny krizy ireny, satria ny zaza tsy maintsy entina any amin’ny hopitaly rehefa marary, nefa ny bombe lacrymogene tsy zakan’ny ankizy rehetra. Ny lehibe aza taty tsy nahatanty. Izaho rahateo sady manangy no lehilahy, i kamba etsy andaniny marary any amin’ny hopitaly, i Viviane ao ambavahadin’ny hopitaly tsy maintsy omena nono satria tsy azo nampidirina tany amin’ny hopitaly ny zazakely.

Marihana ho an’izay tsy mahalala fa nilaozam-bady ny renin’i Kamba. Izy daholo noho izany no mihevitra izay hamelomana azy efatra mianadahy teo an-tanany, na eo aza ny fanampiany mpiray tampo.

Na teo aza anefa ny elanelan-tany dia tsy nitsahatra izahay avy aty Antananarivo nandefa izay azo natao rehetra ho fanohanana ny fianakaviana tany Mahajanga. Ho fanamaivanana ny vidim-panafody. Nisy koa taminareo namana no nitondra izay voatsirambin’ny tanana

Ho antsika rehetra nanao izay tratra sy nahatsiaro azy, ho anareo rehetra izay nandefa fanampiana ho azy, dia hoy i maman’i Kamba nampitondra hafatra anay nandalo tany hoe:

Misaotra betsaka, ho tahian-janahary, fa tena nanana raiamandreny tokoa izahay, nanana mpiray tampo, ary na teo aza ny elanelan-tany dia tsy namela anay ho irery ianareo fa rehefa tafavoaka ny HJRA ny tsaikinay iny, dia mbola nanohy hatraty Mahajanga ianareo. Tsy nitsitsianareo vola aman-karena i Kamba. Nahavita be ianareo tamin’ny fanohanana ara-bola, nisy nitondra fanafody sy Farilac, sns…. Tsy voavalinay ireny, fa hitanareo ihany ny fianakavianay fa tena fianakaviana sahirana tanteraka. Andriamanitra hamaly ny soa vitanareo.

Tsaroany manokana tamin’ireo teny ireo ny Armée du Salut (izay fantany bebe kokoa amin’ny alalan’i Mino, Avylavitra, Mavo), ny Serasera ary ny maman’i Lova Rakotomalala izay tonga vatana nijery azy ireo tany Mahajanga nisolo tena ireo malala-tànana tsy nitonona anarana, ka isan’izany ireo fianakaviana Italiana mazoto amin’ny fanaovana asa soa ho fanampianana ny fianakaviana Malagasy sahirana, sy nanaovany fanamarihana manokana hoe:

veloma sy misaotra any amin’ilay olona tsy nahay teny gasy iny, fa ny saoferan’ny taxi no nanjary mpandika teninay taty Mahajanga

Fa izay tena zavatra tsy nampoizinay mivady tamin’ny zavatra nitranga tany an-toerana dia ny filazan’i Maman’i Kamba ny fisian’ny olona nanararaotra ireny fitsaboana ny zaza ireny mba hanangonan-karena sy hieboeboana eran’ny tananan’i Mahajanga. Misy ny anaran’olona voatonontonona amin’izany. Tsy iray monja an ! Fa ilay olona monina any an-toerana no tena fanta-poko fanta-pirenena satria ny vadiny ihany,hono,  no mitantara eran’ny tanana ny fandehan’ny afera maloto.

Toy izao no fitrangany, araka ny fitantaran’i Maman’i Kamba azy.
Nifankahita tamin’i Diana Chamia ry zareo ary dia fantatsika ny tohiny.

Tonga tany Antananarivo, dia zara raha nahazo lamba iray sakaosy (fripperie) izahay,

hoy i maman’I Kamba,

ary raha mba niteny tamin’io olona nanodina ny vola io aho, dia nambaran’ity farany fa efa manana ny làlany ny vola fa ireny aloha no anjaranareo. Dia nividianana zavatra madinidinika teny indray avy eo….Nefa,

hoy hatrany i maman’i Kamba,

dia hitako izao ny valopy feno vola vahiny, vola miloko manga izany ilay izy, ary tsy vola gasy an, haiko lokon’ny vola gasy jiaby io…

Indray mandeha io olona io no voalazany fa mba nitsidika azy teny amin’ny hopitaly fony taty Antananarivo…

Nony tonga tany Mahajanga dia nisy fotoana nilaza ilay olona fa hanatitra vola hividianana fanafody. Tonga tokoa izy nanatitra, toa 150.000FMG angaha. Dia izay koa no nanitsahany farany ny tokonam-baravaran-dry Kamba kely mandrapahafatin’ny zaza araka ny filazan’i maman’i Kamba hatrany.

Izao anefa no vaovao farany voaangonay mivady tany: nalahelo mafy i maman’i Kamba saingy tsy nisy azony natao aloha nandritra ireny fahoriana nidona taminy ireny. Normal angamba hoy ianao? Eny tokoa, saingy ny tohiny no hahitanao izay tena vao mainka nandetika lalina kokoa ny fantsin’ny fijaliana. Tongan’ny olona tany am-poto-tsofiny fa hoe

ny volan-janany dia nahavitan’ilay olona trano misy efitra telo.

Ary tsy iza,hono, no nivoahan’ny feo fa ny vadin’ilay olona ihany.
Tsy nisy fotoana nanamarinana ny momba an’io intsony aho na dia naniry mafy ny handeha hijery ilay trano sy izay monina ao aza, noho ny tsy nilazan’i maman’i Kamba ny fisian’izay olana lehibe izay raha tsy efa hariva be talohan’ny andro hiverenanay hody aty Antananarivo. Nampanantena anefa izy fa hisy fotoana hanomezany vaovao lehibe ho antsika mikasika an’io trangan-javatra mampalahelo azy io.

Misy moa ny olona no tsy mahalala an’i Kamba sy ny tantarany

hoy i maman’I Kamba (satria toa maromaro ihany no niteraka kambana ry zareo ao Mahajanga), ka dia manontany an’ilay vadin’ity nanodina ny vola hoe

Kamba iza moa izany?

Ka novalian’ity olona hoe

Ilay tsaiky nentina tany Antananarivo nodidiana iry e

Taty aoriana ny olona vao nisy tonga saina, rehefa naheno fa maty ny zaza hoe,

hay ve iny ilay kamba nolazain’ilay olona fa nahazoany vola nanaovana trano e.

Ary dia nolazainy tamin’i maman’i Kamba ny tantara.

Olona tsy fantatro velively, tsy mbola nanan-draharaha tamiko ary tsy mbola hary niresaka tamiko no nahalalako an’izany. Ary dia niezaka nanontany ny olona aho, ka ao Tsararano ao no misy ilay trano natsangana tamin’ny vidin’ny ain-janako

Tena asa re rey olona izay fomba hatoriana ao anatin’izany trano izany, fa tsy hampanonofy ratsy ve izany, raha ‘ndeha hataontsika hoe tsy hanangatra ny zazakely?
Izahay mivady moa dia velom-panontaniana mihitsy hoe fa angaha tsy niteraka izy mivady izany, dia valiny azonay ny hoe efa nahalehibe zaza tokoa ry zareo, ary toa misy mianatra aty Antananarivo aty aza.

Miala tsiny fa sarobabay izy ity ka izay voa aza tezitra, zavatra natao koa moa ka samia mizaka ny vavan’ny olona araka izay nataony e!

Tsy zakako notehirizina mantsy ka tsy maintsy navoakako eto sao hankarary an-doha ahy.

Filazan’ny renin’ny zaza ireo, ary tateriko aminareo etoana araka izay resany. Ninia tsy namoaka anarana mihitsy ny mpanoratra na dia nisy tokoa aza ny fanononany anarana nandritry ny resaka nifanaovana taminy.

Samia ho tahian’Andriamanitra daholo isika rehetra.

Anao ny fitenenana(*)

FANEHOAN-KEVITRA VOARAIKO TAMIN’NY ALALAN’NY  YahooGroups androany 21 febroary 2009. Aseho tsy misy novàna, tsy nanampiana tsy nanalàna.

De: « X.X. » <XXXX@yahoo.com>

Ajouter l’expéditeur dans les contacts À:serasera@yahoogroupes.fr

Any,

Misy ny manohana ary misy koa ny tsy manohana…, ny etsika na ny tsy hetsiky ny andaniny sy ny ankilany… Ny azoko ambara antsika rehetra eto dia democracym-bola izao; ary tsindrio fa efa mandady no misy amin’ny Mscar. Mikipy izay tsy mahita fa mahantra ny vahoka, efa mandady mihintsy aza; izay no tena marina…Tananarive dia tsy Mscar; fa jereo ny any @ faritra rehetra any dia ahita isika fa mahantra io fierenana io! Raha tsy mahavita ny mpitondra dia tsy misy mahamenatra no miala, izay no tena democracy… na iza isolo, na iza andray ny fitondrana; refa tsy mavoa ianao dia manetrE tena aloha miala eh…tsy manana code d’honneur mantsy ny olon’ny Gasikara…omaly aho zao nandre fa niala ny ministre economy japs… »fa mamo eny imason’olona » ..tsy miandry alana akory ny PM sy ny Ministres toa ireny firenena mandroso ireny rehefa tsy mendrika…satria izany no BUSHIDO…ary izany no tena olona nahazo fahalalana.. . fa tsy pseudo diplome et virtual connaissance et avoirs… . Lazaiko anareo, vao tsy ela akory dia Moa va re lavin’izao tontolo izao ny hetsika fanonganana dia ny ohatra vitsy no omeko anareo: Iceland; Thailand; Myanmar; Nepal-Butan; Laos; Cambodia etc…manaiky foana ny communaute internationale rehefa mirafitra ny fitondrana.. .ary ny fanonganana fanjakana dia tsy mifanohitra amin’ny democracy mihintsy raha mahita ny vahoaka fa mijaly izy, IZY izay nametraka anao teo amin’ny vato maro…ZONY no manala anao eo; raha tsy mifanaraka t@ fifanarahana nifidiananana anao no ataonao???? Democracy izany !!! Zako ve na isika raha nifidy anao aho ohatra dia nde ataonao MANDADY mihintsy, ny karama tsy maharitra roa andro akory de lany, ny inflation manangatra; ny insecurite etsy an-daniny; ny activites liberales menacees-voahelinge lina; ny investissements mandalo SAMIFIN et BIANCO et declaration des avoirs sy plus de 50 M Fmg @ Bank..etc..satria izay hono no conditions BM/FMI (tsy mahita izany aho nefa eto GCC countries, raha anao investissement Dubai ianao tsisy anontany mihintsy hoe avy taiza io milliard io…, na republic bannaniere.. .); ny taxes etc…ampadadianao ve aho dia ilaza ianao hoe mitady tsy democrate aho raha hanalana anao eo @ fitondrana.. .fa hoy ianao hoe MANDRASA alo leisy fa ny mandatko mbola tsy lany…ary izahay mbola tsy VOKY, tsy mety kosa izany e!!! tena tsy mety…; miafina ao anaty Etat de droit ianao ve ary manandratra izany ho democracy nefa ny ataonao tsy democracy mihintsy…de mbo rariny ho an’ireto vahoaka maro tsy mahita tenenina…? ?? Mandainga izay mpiasa fanjakana Malagasy ka maharitra plus de 10Jours ny karamany…. sns fa mety manao asa hafa na efa hainao ihany eh biz’na… na corruption dans les service publique angamba… . Amoaka volam-bahoaka ianao tsy manontany akory; hanatrika fivoriam-be eran-tany ianao, fianakaviana iray manontolo no mande ary mihitatra izay tsy izy ny dia au frais ny contribuable. ..; miditra ny entanao tsy mando taxes…na mahazo faveur; mihorina ny orin’asanao- mahazo subvention.. .tsy rariny izany ry zareo ah! De ahoana isika no manaiky ny hoe domiko tapany ity hinanako erany! izay no misy @ Mscar. Nahoana isika no manaiky fa tokony hanaja ny democracy sy ny Etat de droit…nefa ianao efa ampandadiziny sy feheziny @ lafiny rehetra…?? ?aza mody matory fa mirata e!? Aza mijery tavan’olona aloha fa ny REALITY fa tsy VIRTUAL REALITY no ataontsika.. . marary kokoa io farany io mantsy rehefa natao ny fandinihina raha miala tampoka ny casque de simulation de la realite…smile! !!! Azonao andramana izy io fa namoaka io casque io i TOSHIBA… . Mety ilaza ianao hoe izay tonga eo dia ho avy anao koa…tsy olana, mety hisaina ihany angamba izy! Izay ihany no ahy…democracy foana io, ary eken’izao tontolo izao foana io…fa ny mpamendrofendro seza sy ny Leches bottes sitrany ahay vazana mitsako no maro @ Mscarntsika. .. . Siora dia courage…satria mbola mihaina ao @ Monde de la Dualite isika Malagasy, ka mitady foana ny equilibre naha dia misy aza ny mizana mitanila; (ka nefa ny CHAOS anie ka tsara mba hisian’ny harmony ehh….hoy ny Ntaolo izay hoe, hitomany ianao anio fa mbola hitsiky kosa rampitso; sady tsisy koa izany hoe marary an-doha nandra-matiny izany- fa izay nahay niala haingana ihany no tsy voa ny Cancer ny loha aloha-smile: Tandremo sao lasa toa ny Hittler, Tzar; Napoleon…sns nihevitra hifehy ka nafehiny); naha dia efa namorana ny Trinity sy ny Quator aza izao Tontolo izao… ho @ dimension na societe vaovao. rahaja