France/Afrique sy ny 14 Jolay

Niaraha-nahita ny fitsivalanan’i Afrika Atsimo (Afrique du Sud)  mba tsy hahafahan’i Madagasikara mandray anjara amin’ny fivoriana tany Nice. Re anefa tato aoriana fa anisan’izay nahazo fanasana hanatrika ny fivoriana atsy La Réunion ary asaina koa hanatrika ny fankalazana ny fetin’ny 14 Jolay any Frantsa i Madagascar.

Hatreto aloha dia hoe handray anjara amin’ny matso lehibe hatao amin’ny 14 Jolay 2010 eo amin’ny Champs Elysée ny tafika Malagasy . Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ihany koa ny nanomezan’ny Frantsa fahaleovantena ireo firenena afrikana nozanahany izany.Iza koa moa no mahalala na mbola fihetsika hanamafisana ankolaka sy itadiavana paika vaovao hanjanahana amin’ny fomba ‘mihaja’ izany?

Ny tiana hotsindriana anio dia ny hoe, dia nampaninona antsika anefa izao ny tsy fandraisana anjara tany Nice? Fa angaha rehefa tsy mitankosina amin’i Frantsa dia tsy hahita mangirana? Nanenina mafy angamba ingahy Sarkozy nony nandre fa nitsoratsoraka ny Sinoa nanolotra fiaraha-miasa amin’ny Madagasikara. Very hevitra ny vaventy fa toa ho votsotra i Madagasikara (Madagascar) sy ny hareny. Sahiran-tsaina fa ho lasan’ny sasany ny tombontsoa zatra nobankoavina teto.

Ny tiana hotsindriana mafy koa dia ny hoe ‘mba manàna hambo toy ny Maraokana (Maroc) sy ny toa azy, sahy niteny fa tsy dia misy ilàna izay fivoriana any Nice izany‘. Asehoy amin’izao tontolo izao fa tena manana ny hambo ilaina sy ny fiandrianam-pireneny i Madagasikara fa tsy hoe rehefa mivovo ny ambasadaoro itsy , na ny solontenam-pirenena irao, dia tsy maintsy marina sy to teny eto amin’ity Tanindrazantsika ity.

Hita amin’iretsy fanapahan-kevitra ‘tsy nanasa‘ avy eo indray ‘manasa‘ etsy ambony ireo fa tena ‘boloky lahy homam-boantseva‘ ilay Nicolas Sarkozy. Sady mamy ny atsy no fy ny aroa. Tsy te-hamotsotsa an’i Madagasikara, nefa koa toa manana toerana goavana ihany Afrika Atsimo raha oharina amin’iry voalohany. Fanina indray avy eo rehefa nahita ny sasany nitsoraka naka ny hena teny an-tanan-tsaka mihanahana sy misabakabaka fisaina.

An’ny Malagasy i Madagasikara, tsy an’ny Amerikana na ny Frantsay, ka asehoy amin’izao tontolo izao fa manana ny maha-izy azy amin’ny lafiny rehetra ity firenena ity.

Tsy ho any Afrika Atsimo raha…

Nahazo taratasy avy amin’ny Joachim Chissano ingahy Rajoelina ary mivaona amin’ny resaka nifanaovana tamin’ny Frantsay sy ny Afrikana Tatsimo hono no voalaza tao anatiny.

Araka izany dia nilaza izy fa raha tsy mazava ny anton’ny fiantsoana ho any ary sonia sisa no tokony hatao dia tsy handeha ho any izy

Ny bolabola ‘bois de rose’ nogiazana noho ny filazana azy ireo ho tsy ara-dalàna no hanaovana ny fanaka rehetra ao anatin’ity Lapan’ny tanàna vaovao ity.

Nandritra ny fitsidihana ny trano vaovao ho an’ny Lapan’ny Tanana tetsy amin’ny kianja 13 mai no nanaovany izany fanambarany izany.

Raha raisna izany izay nambarany izay hoe mifanohitra ny voalazan’ny taratasy voaray sy ny zavatra nifanarahana tany amboalohany dia mazava fa tsy mihevitra ny handamina velively ny raharaha ‘Madagascar’ ny vahiny. Mihazakazaka ny raharaham-pirenena tato ho ato ary dia samy hahita eto isika mianakavy fa dia hafana indray ity zavatra ity raha ireny fanipazana zavatra mipoaka tetsy sy teroa ireny no atambatra amian’ity fanambarana androany ity.

Edgard Razafindravahy moa dia nilaza fa ezahana hatrany ny fampilaminana ity tanana Antananarivo ity. Amen

Misy maty …ireo tavela atsy Afrika Atsimo

Somary manaitra anao angamba ny lohateny, saingy ity no solon’ireo « teboka telo’ eo anelanelany.

Misy maty zanaka (12 taona) ireo tavela atsy Afrika Atsimo, rehefa avy any Maputo. Zanak’ingahy RATSIMBAZAFY Heritafika.

Teny avy amiko: Akaiky ny Noely, maneran-tany dia misy ny fampirimana ny famaky sy ny langilangin’ady rehefa akaiky toy izao ny Noely. Io ilay antsoina amin’ny teny mahazatra hoe ‘trève’.  Na tsy nisy aza ity fahoriana ity, tsy ho azo natao ve ny nampandefitra hambom-po? Sa dia efa lalina dia lalina loatra ny tsy fahaizana mifandefitra, sy ny tsy fahaizana mifanaja eo aminareo samy mpanao politika Malagasy ireto?

Asa raha tena fitiavan-tanindrazana tokoa no mibaiko anareo firehana rehetra ireo (ianareo efatra mihitsy), na fitiavan-tena, fa ianareo no manao sangodina, dia ny vahoaka no fanina. Mahagaga.