Don-Dresaka Tv Plus 26 Septambra 2015

Olana iainana isanandro ny fahatapahan’ny herinaratra. Marina fa misy manerana ny tany ny toy izany, toy ny atsy Libanona, Afrika, sy faritra hafa. Fa ny f'(h)erin’ny tena aloha no tsapa ho maharary, ka izay no ifantohan’ity lahatsoratra ity androany.

Marobe isika no mpanaraka ny fandaharana « Don-Dresaka » ao amin’ny fahitalavitra Tv Plus Madagascar. Betsaka no nifampiantso an-telefaona fa hoe hiakatra sehatra indray ny resaka ‘delestage’ izay mampikaikaika ny maro (olon-tsotra, mpandraharaha,…). Tsy vitsy ny mikamenona sy manandratra ny feony ety anivon’ny serasera ety. Nisy mihitsy aza ny famoronana vondrona « Mpanjifa Jirama« .

Misy ny miantso fihetsehana, saingy hatreto aloha dia mbola ny Wake Up Madagascar no hany sahy nirotsaka niseho an-dalambe naneho ny fanoherany ity fahatapahan-jiro sy rano isaky ny mahatsiaro ity raha ny teto Antananarivo no resahana, ny ankoatra izay dia manao adin’akoholafy fantaka fotsiny ihany sy vovòn’alika mahery an-tanàna, fa vao anangonan’ny olona vato, dia ny rambo no arovana alohan’ny zavatra hafa rehetra.

Santionany amin’ny fanehoankevitra any anaty tambajotra sosialy itony

Efa miala any ny insécurité, fanafihana teny Isotry tao anatin’ny délestage. Sa vé andrasana misy maty maromaro fa Tamin’ny ity mbola karana 1 ihany aloha vao soit ahita solutions ny fanjakana soit hihetsika raMalagasy? Grrrrr !

Voakiana betsaka tamin’izany fahatapahana izany ireo mpiasa, izay tsy sasatry ny nitondra fanazavàna hoe tsy avy amin’izy ireo velively ny antony mahatonga ny fahatapahana, ary ho fitsinjovany ihany koa antsika mpanjifa no nanaovany ny hetsika, satria tsapany fa misy fitaka bevava hanaovana izay hahaosa ny orinasa ao anatin’ilay resaka fiarahana miasa amin’ny Symbion, anton’ny nanaovany fitokonana.

Dia ny tian’zareo tenenina izany dia hoe : Midina mankeny mihintsy ny filoha sy ny minisitra manapaka ny jironay in-3 isan’andro???? Toa mahagaga izany a! Sa ve oe sarim-bavy daholo ny mpiasan’ny JIRAMA sasany ?

Anga congé ny mpiasan JIRAMATY androany f to tsis délestage

Izany anefa tsy entina hilazàna fa hoe ny mpanjifa rehetra no manenjika ny mpiasa, fa mba misy amintsika ihany no mahatakatra hoe tsy fidiny azy ireo ny manjo azy

  • Nirina RakotonarivoNirina Rakotonarivo JIRAMA=SOLIMA, efa raikitra ny zarazarao hanjakana e!! ho ela velona ny SYMBION, ENELEC, HENRI FRAISE, AGRECO sns… mbola hoavy koa ny vérité de prix fa aza mikorapaka e!!! io ny santionany rehefa tsy maharaka ny solika sy ny vola homen’ny fanjakana ireo orinasa vahiny ireo @ fotoana hilany azy dia maizina isika rehetra, tsy misy mitsinjo vahoaka izany eo nge e!

Tsetsatsetsa tsy aritra: ilay resaka ENELEC (karàna) no isan’ny nametraka ny resaka groupe WARTSILA tamin’ny taona 2007, ary mitohy mitsentsitra io orinasa io hatramin’izao, ankoatra ireo hafa mpiara-mahazo tombontsoa aminy.

Mi 2007, ENELEC a commencé à installer des centrales thermiques au fuel lourd et fournit désormais plusieurs grandes villes de Madagascar à travers le réseau de la JIRAMA que sont Antsiranana, Majunga, Tamatave et Toliara en s’appuyant sur les technologies fiables de la marque de la firme finlandaise WARTSILA avec sa gamme de générateurs Wartsila 20 et Wartsila 32.

Tsy hiverenana hotanisaina eto ireo fepetra sy famoretana samihafa nitarainan’ireo mpiasa ireo nandritra izay fitokonana nataony izay (resaka Baomba, EMMOREG, fandrahonana samihafa…) fa ny vao haingana indrindra niarahan’ny rehetra nahalala dia ny fampidirana am-ponja mpiasa 2 avy tamin’ireo mpitarika ny fitokonana. Andro maromaro talohan’io indray kosa no efa nisy andianà mpiasa nilaza ny fahavononana hiaraka hiasa amin’ny amerikàna hampihodina ny toby fihariana herinaratra ao Mandroseza.

Tamin’iny herinandro vao nifarana iny dia nanao fanambaràna fifarànana fitokonana ireo sisa ambiny. Nipetraka tao anatin’ny maro ny fanontaniana hoe : ‘Natahotra ve sao voa toy iretsy 2 voalaza teo aloha?-  Voatampina ve ny maso ka nangina?  Azo ve ny nilaina? sns… Santionany tamin’ny fanontaniana nibosesika tao an-tsain’ny maro ireo.

Rehefa nandre àry ny maro fa hiakatra sehatra indray hitondra fanazavana ny mpiasa nanao ny fitokonana, ho ao amin’ny fahitalavitra, fandaharana « Don-Dresaka », dia maro no liana, niandry…niandry…kanjo indrisy fa tsy nisy. Nikaroka tany anaty Youtube, fa tsy nahita.

Araka ny fitrandrahana tetsy sy teroa, dia toa nahazo fiantsoana hitondra fanazavana momba izay antony nifampiresahany tamin’ireo ao amin’ny intersendikaly ingahy minisitra. Taorian’izay dia tonga ny teny midina ‘avy any ambony’ nilaza fa tsy azo atao indray ilay fandaharana, tamin’ny ora farany.

Tsy hiresaka izay « demaokrasia…demaokrasia » fitanisan’ny maro aho eto, satria amin’ny sasany izy io midika fahalalahana maneho hevitra, amin’ny hafa indray midika ho fanaovana izay tiana hatao, ary ho an’ny Baroa dia midika ho ‘tsy misy bedy‘. Ialako lavitra araka izany ny hamaritra ny dikany ho anao mpamaky. Fa izay tiako, mpanoratra, hiampita aminao dia ity: Fanjakàna Polisy ve no misy eto amintsika sa Fanjakana Mpiahy? Anao no mamaly izany

Iarahantsika rehetra manaiky angamba fa lasa resaka mampizarazara ny fomba fijerin’ny rehetra ity resaka JIRAMA ity, nefa aoka ho tsaroantsika rehetra fa tsy biby fampitahorana ny mpitondra, fa isika no mampindrana azy ireny ny fahefana, manomboka amin’ny filoham-pirenena ka hatramin’ny tafika sy ny zandary ary ny polisy. Raha isika vahoaka no hifanakiana sy hifampitsikera lava eto, dia milalao ny lalaon’ireo mpitondra sy ny mpiara-dia aminy isika, ary izay indrindra aza no tanjona ezahany tratrarina mba hahafahany manao izay tiany hatao eto amin’ity firenena ity: ny vahoaka difotry ny fifampitsikerana sy ny tahotra, ry zareo miasa any ambadika amin’ny fitsentsefana sy ny fambotriana. Tianao hitohy ve ny tahàka izany?

Entina hamaranana azy ity, dia indro ny fehiny mahalaza tsara ny fihetsiky ny maro amintsika

Ny sahaza antsika dia mimenomenona eto amin’i Facebook momba ny délestage, izay no haintsika (izaho koa tafiditra anatin’izany) dia rehefa tapaka ny jiro ka tsy mandeha ny ADSL na low bat ny finday dia ajanona kely ny fimenomenomana. Dia mitohy indray avy eo. Faible loatra isika (izaho koa) ka tsy hahavita hidina an-dalambe ! Hendry loatra sa faible … ?

Publicités

Behoririka: Sinoa mamono mpiasa Malagasy

Taitra ny rehetra androany nahita ireto Malagasy marobe nangorona ny entany sy niara-nirona nanoloana ny tsy rariny nataonà sinoa iray mpitazona tranombarotra etsy Behoririka.

Araka ny feo re avy eny an-toerana dia nisy mpiasa tao amin’io fivarotana io no notondroin’ilay sinoa ho tompon’antoka amin’ny tsy fahampian’ny isan’ny entana. Niharan’ny heriserta io (toa vehivay raha ny filazan’ny maro). Nisy mpiasa iray hafa (toa lehilahy kosa ity farany) nirotsaka niaro ilay tovovavy Malagasy niharan’ny herisetra.

Voadaka tany amin’ny an-kasarotany ranamana ary lavo tamin’ny tany. Na efa lavo aza anefa dia mbola nohitsakitsahan’ilay sinoa ihany ary tsy namelany raha tsy efa nalemilemin’ny hitsaka sy daka.

Nisy tamin’ireto olona marobe teny an-toerana no nilaza fa toa nipotsaka mihitsy ny tsinain’ilay zalahy Malagasy io (toa hoe voatrobaky ny hety). Samy namoy ny ainy na ny niaro na ny narovana tamin’ity raharaha ity, araka ny vaovao voaray.

Niray feo moa ireto olona marobe ireto tamin’ny hoe tokony ho, na nentin’ilay sinoa tany amin’ny polisy hatao fanadihadiana ilay mpiasa, na nesoriny tamin’ny karama, fa tsy azy akory ny ain’ny Malagasy, na dia azy aza ny vola mikararana.

Hatezerana ny an’ireto mpiara-miasa sy mpivarotra teny an-toerana ka niafara tamin’ny fitakiana ny hanolorana azy ireo an’ilay sinoa.

Tonga hatramin’ny hoe

« Aina solon’ny aina », « Tsy mahavidy aina Malagasy iray ny vola iray sakaosy », « Mivoaha daholo ny Gasy fa may ity anio raha tsy mivoaka eto ilay sinoa ».

Tokony ho tamin’ny 12h 26mn  ny tena no nandalo teo amin’ny toerana.

Minitra maromaro taorian’izay dia nanomboka ny famakiana varavarana nataon’ireo olona marobe nitangorona teo; samy niharan’izany na ny taty amin’ny faritra ambany amin’ilay tranobe na ny tany ambony mizotra ho any Tsiazotafo iny. Efa saika voavaha mihitsy izany talohan’ny nahatongavan’ny EMMO/REG tamin’ny 1 ora tolakandro.

Koa satria tsy nisy làlana hafa nahafahan’ireo Malagasy tavela tao anaty trano hivoaka intsony, dia maro tamin’izy ireny no teny ambony tafon-tranon’olona no nanao izay hanavotana ny ainy.

Ny zavatra tena nahatezitra ireo olona marobe ihany koa dia ny nahita ireo telolahy tao anatin’ilay fefy vy nanidy ny trano sy niaro mafy n y tsy hahatafidiran’ireo olona tao. Izy ireo indray no natsangan’ireo teny ivelany ho fahavalo.

hoy ny avy ety ivelany

« Aza milamina eo anie ioty hahitan’ialahy isany ny anjaran’ialahy isany miaro sinoa ireo eeeee, efa hita izao fa mamono mpiasa Malagasy ny sinoan’ialahy mbola arovan’ialahy ihany »

Izy telo lahy kosa avy any anatiny manondraka ny olona amin’ireny fitaovana famonoana afo, misy vovoka ireny (SICLI). Mazava ho azy fa mandositra noho ny tahotra ireo olona marobe, ary miverina indray rehefa lava ilay vovoka fotsy nafafy teo.

Tamin’ny fotoana niverenana nandalo teny (2 ora tolakandro) dia tsy mbola mivaha ny olana, tsy mbola nisokatra ny làlana, ary tsy mbola niala ireo olona marobe. Atahorana araka izany ny hitàran’ity raharaha ity ho amin’ny zana-tohatra mafampana, satria nisy sinoa tsy naninona tsy naninona, efa niharan’ny herisetra sahady teny amin’iny akaikin’ny Building Soarano ho any amin’ny Petite Vitesse iny raha vao niandoha teo amin’ny 30 na 45 mn teo ity fifanjevoana sy fangalam-piery ity.

Azonao atao ny mijery ny sary ao amin’ny flickr eto

Fanampin-dahatsary ao amin’ny Youtube ireto ambany ireto, mbola samy nalaina teny Behoririka ihany.

Marihina fa ny sary, ny lahatsary ary ny feo dia nalaina mivantana teny avokoa fa tsy nionona tamin’ny honohono fotsiny. Zonao mamaky ny mino, ary fahefanao tanteraka ihany koa ny tsy mino, toy ireo izay nilaza fa tsy nisy izany maty izany. Mitatitra no atao eto, ary miandry ny fanamarinana na fandisoana isika arakaraky ny hirosoan’ny ora sy minitra miasika ity raharaha ity.

*************

Amin’ny 15h 30 izao, aty Antaninarenina ny mpanoratra no mandre feon-javatra mipoaka any lavitra any, toa ireny baomba fandatsahan-dranomaso sy feom-basy ireny

**********

Amin’ny 20h 15 izao eto Madagascar. Ity ny fanavaozam-baovao farany ananako hatreto:

Nanao fanambarana ny Masoivoho Sinoa ny amin’ny tsy maintsy hanolorana ny Fitsarana Malagasy ilay Sinoa nanao hadalàna tetsy Behoririka, ary miantso ireo teratany Sinoa rehetra eto Madagascar mba hahay miara-monina amin’ny Malagasy sy hanaja ny lalàna misy eto. Maniry koa ny Masoivoho Sinoa ny tsy hisian’ny akony ratsy eo amin’ny fifandraisan’ny Sinoa sy ny Malagasy avy amin’ity tranga androany ity.
Voalaza moa izany hatreto fa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny naratra. Misafotofoto araka izany ity vaovao ity

Fort Duchesne 20mai2010

Marihana eto ampiandohana fa azonao atao ny mijery ny sary ao amin’ny flickr (avylavitra)

Talohan’ny fifandonana dia ny mpihoko nanohana an’i Lieutnant Colonel Andrianjafy Raymond no tompon’ny faritra ambony rehetra.

Teny ihany koa ireo olona tonga nanohana ny antson’ny mpitondra fivavahana. Nisy ny sakana natao nanerana ireo lalana mankany amin’ny toby. Efa vonona tao anatin’ny faritra misy ny fasan’ny maherifon’ny firenena ireo seza sy trano lay hanaovan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fotoana.

Nidina avy any anaty toby tany ny Gl ZAFERA ka naneho ny tsy hafaliany amin’izao fihetsika ataon’ny ampahany avy ao amin’ny F.I.G.N izao; nakorontany daholo ireo seza efa voaomana teo no sady nolazainy fa fanonganam-panjakana izao ataon’ireto olona ireto izao. Rehefa vitany izany dia niverina nankany an-toby izy ary tsy niala tao hatramin’ny farany amin’ny maha-tompon’andraikitra voalohany azy ao amin’ity toby ity. Araka ny fantatra taty aoriana dia tsy nitsahatra ny nandresy lahatra iretsy mpihoko ny Gl ZAFERA mba hiverina amin’ny fanapahan-kevitra ka hitolo-batana.

Tokony ho tamin’ny 10:15 dia nanokatra ny ‘tantara’ teny amin’ny mankeny amin’ny fasan’ny maherifo (Mausolé) ny F.I.S

Rehefa nahita izany ireo tao an-toby dia nanomboka ny poa-basy voalohany. Naharitra tany amin’ny 20 mn na antsasakadiny mahery tany izany. Rehefa nahita ireo avy amin’ny EMMO/REG fa sarotra ny raharaha raha hidina tokoa ireto avy any ambony, dia nanomboka namaly tifitra sy niezaka ny niakatra nankany amin’ny toby.

Hatrany amin’ny manodidina ny tamin’ny 11 ora na mahery tany ho any ny fifanakalozana tamin’ny tifitra.

10:30.Nandefa ny mpianatra tany aminy nody ireo sekoly teny amin’ny manodidina. Hatrany amin’ny Anjerimanontolo (Ankatso) dia najanona daholo ny fampianarana. Ireo mpianatra, zanaky ny tao amin’ny toby ka saiky handeha hody, dia nasaina namonjy avy hatrany ny teny amin’ny Toby Ratsimandrava mba ho fitandroana ny ain’izy ireny. Ny fianakaviana, vady aman-janak’ireo tao amin’ny toby, koa dia niangaviana mba hiala tao sy hamonjy ny toby Ratsimandrava. Nisy tamin’ireny ny vao tera-bao.

12:30 Nanamafy ny filazana ny Cl RAVALOMANANA Richard fa efa nasaina nila tao daholo ny fianakavian’ireo mpihoko. Toy izany koa ireo sivily tonga hanatrika ny HMF. Saingy ireto mpomba ny HMF moa na dia efa voahodidina sy efa tsy afa-manao na inona na inona aza dia mbola nihogahoga sy nanompa ny EMMO/REG avy ery ambony akaikin’ny fasana ihany.

Na dia tsy mitohy aza, dia nisy mitsitapitapy eny ihany ny poa-basy.

12:45. Lehilahy iray no tratra niakatra tamin’ny moto ho any amin’ny FIGN (araka ny teniny mihitsy io an), ary rehefa nosavaina ingahirainy dia nahitana saron-tava tany aminy. Tonga dia notazonin’ny Cl Ravalomanana ny karapanondrony ary nasainy namonjy ny toby Mahamasina izy sy ny moto nentiny. Tsy nanda mihitsy moa ity olona ity fa nilaza mazava hoe azy vao avy novidiany teny Andravoahangy ilay ‘cagoule’ ary handeha hamonjy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no anton-diany.

13:05.  Heno teny amin’ny toerana avo teny fa nisy tamin’ireo mpomba ny HMF no tsy te-halaina sary ka nitora-bato ny foiben’ny La Gazette de la Grande Ile, izay tsy aiza fa aty amin’ny sampana-dàlana miakatra ho any amin’ny Mausolé iny. Nanome baiko teo noho eo ny Cl Ravalomanana Richard ny mba hisian’ny andiana mpitandro filaminana hijery haingana any sy hisambotra izay tompon’antoka amin’izany.

16:XX Niresaka mivantana tamin’ny mpanangona vaovao ny Cl Ravalomanana Richard ary nitady manokana ny mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana sy ny Antsiva (fa toa izany no radio henoin’ireo mpihoko tao an-toerana nisy azy ireo tao). Hita teny foana ny mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana talohan’io fampiantsoana io, saingy nony natao ilay antso dia nanjavona ranamana. Ny anton’ny fampiantsoana moa dia ny mba hahazoan’ny Cl Ravalomanana miditra mivantana amin’ireo onjam-peo ireo hilaza ny faniriany hifampiresaka mivantana amin’ireo ao an-toby mba tsy hisian’ny rà mandriaka. Aleo hoy izy mifampiresaka. Lany fahana mantsy ny findainy araka ny filazany ka dia naleony nandeha tamin’izay làlana izay

Nisy ny fifampiraharahana tany ambadika tany ary niandry hatramin’ny ora farany ny Cl Ravalomanana vao nangataka ny hidirany mivantana amin’ny fampielezam-peo ka nilazany fa ala nenina farany io ataony io satria nadamoka ny fanelanelanana natao hatramin’ny tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any.

Talohan’io anefa dia efa nisy, araka ny filazany, ny fikazan’ny Lt Cl Raymond hitolo-batana saingy matahotra ny amin’ny ainy izy, no koa tsy navelan’ireo namany hivoaka fa hoe miara-maty ao.

4:30 hariva na mahery kely teo ho eo no nanomboka ny fiakarana sy fakàna tanteraka ny toby nisy ireo mpihoko. Rehefa azo anefa ny toby dia efa tsy tao intsony fa tafaporitsaka ny Lt Cl Raymond sy ny mpiara-dia sasany taminy. Nisy ny maty tavela tao anaty toby.

Araka ireo vavolombelona nanatri-maso dia nanao akanjo sivily ary namonjy fiara Prado Fotsy efa niandry azy teny amin’ny manodidina teny izy ireo ary nirifatra nanitsy tany Besarety tany. Tsy nisy laharana ny fiara. Nisy ny fanamiana sy fitaovam-piadiana nariana tany anaty kirihitra, ary nisy ny navela tao anatin’ny toby ihany rehefa nandositra izy ireo. Ny hafa tamin’ireto nandositra ireto anefa, araka ny filazan’ireo nahita hatrany, dia nitondra ny fitaovam-piadiany nanaraka azy. Ary nihazo ny renivohitra ny diany.

Tombana: Nanomboka tamin’ny 10 ora mahery tany ka hatramin’ny tamin’ny 5 ora hariva nialana teny an-toerana dia toy izao ny tarehimarika azo:

3 no maty ka FIS (Ramarson Mahafaly) iray, F.I.G.N iray, olon-tsotra iray (Raharinjatovo Justin 65 taona).
maherin’ny 7 ny naratra

Fanonganam-panjakana…

Olona 16 no voasambotra androany teny Ambohijanaka noho ny resaka fikasana fanonganam-panjakana saika hatao androany hariva. Ahitana olon-tsotra sy miaramila amperin’asa sy manamboninahitry ny tafika ao anatin’ity vondrona ity.

Tsy mbola ananana ny antsipiriam-baovao fa asisika eto ihany araka ny fahatongavany

Ny F.I.S sy ny EMMO/REG no nanatontosa ny fisamborana.

Ny Lapan’i Mahazoarivo no notetehana hotafihana tamin’ity alina ity (amin’ny 1 ora maraina ny Alatsinainy 19/04/2010)

Reserviste no nanao ny recrutement ka iray tamin’ireo tsy tafiditra tanaty fiara tetsy Mahamasina no nosamborina sy nilaza ny marina ary nahafahana niakatra hatrany amin’ireo namany rehefa nanaovana antso fitaka ireto farany.

Ny ex-militaires izany dia miisa 15 no efa tratra. Ary tamin’ny alalan’ny fitaka an-telefaona niantsoana sivily iray mba haka ‘reservistes 4 mbola vonona hanao ny opération’ no nahazoana sy nahitana ny toerana nanomanana ny fanafihana saika hatao androany alina.

Ankoatra ireo efa tratra dia mbola misy manampahefana 5 no tafiditra ao anatiny. Baiko azon’izy ireo ny hoe manomana tenue de combat fa izay tsy manana dia homena,. Ny basy kosa dia eny Mahazoarivo no hozaraina. 200.000 Fmg isaky ny iraka (isan’andro) no voalaza fa karama raisin’ireto olona ireto, izay efa tafakatra ho 19 eo ho eo ankehitriny no voasambotra (fanampim-baovao azo ny 18 /04 /2010 tamin’ny 6 ora hariva). Ankoatr’ireo izay mbola arahan-dia sy tsikilovina amin’izao fotoana.

Loharanom-baovao :RNM, TVM, TV Plus