Taorian’ny haintany sy ny faharitàn’ny rano eny IKOPA, dia misy tsetsatsetsa tsy aritra ity, no sady fanairana sy fiangaviana.
Tena miangavy anareo tomponandraikitra aho. Aza misy manontany ahy hoe » Iza izany? » Fa mety ho ianao mamaky io, na mety ho ny manodidina anao, ka ampitao aminy.
Toerana roa tsy mitovy, saingy samy lalovan’ny renirano IKOPA no itondrako anareo an-tSARY, sy ilazako ny ahiahiko, dia ny Barrage JIRAMA eny ambanin’Ambohipo mampiditra ny rano ho ao amin’ny farihy Mandroseza, sy ilay tetezana kely etsy TANJOMBATO. Koa samia mamisavisa.
Ritra tokoa ny rano ary toa zary lasa fahafinaretan’ny olona aza ny mivezivezy tsy amin’ahiahy eny amin’ireo faritra ireo. Lasa kianja filalaovan’ny ankizy koa ny ampahany sasany. Iraisan’ireo faritra roa ireo ny tranga sasany. Nefa misy ihany koa ny mampiavaka manokana ny eny amin’ny Barrage JIRAMA.
Hatreto aloha aho tsy mbola nandre fampielezampeo, na nahita tanaty gazety ny fampitandremana toy ity ho ambarako ity, koa dia efaiko ny anjarako.
Asa raha fantatrareo mihevitra ny tenany ho tompondandraikitra ireo fa hatramin’ny 7:30 mn ny hariva dia mbola misikotra amalona ao anaty vato ao ny olona. Sahirana tsinona ka dia mitady ny sitrany ahay ho arapaka, na havadika ho vola mba ho vatsin’ankohonana. Tsy olona iray na roa no manao izany, fa andiany mihitsy. Etsy andaniny koa anefa dia feno ireo liana te-hahita, na ‘mpilingilingy’ midina eny amin’ireo toerana ireo.
Voalazanareo fa efa novohàna ny vavarano any Tsiazompaniry hamonjy an’IKOPA. Koa hoy aho: » Sao lahy mba tokony handray fepetra ianareo, Mba mametraha miaramila any amin’ny lalàn’ny rano any mba hampita tsy tapaka ny toerana efa tratry ny rano , hahafahanareo maminavina ny hafainganany sy ny fotoana tena tokony hahatongavany amin’ireo faritra ireo. Mba asio miaramila ihany koa miandry io barrage io, fa taomin-dry zalahy ahisany toerana ny vato mba hanenjehana ireo amalona ao ambany ao. Mety hiteraka fahavoazana ho an’ny barrage izany any aoriana, na tsy ho anaty fotoana fohy aza.
Ny fakàna amalona eo ihany, fa ny atahorako dia ho tampohin-doza ao ireo olona ireo, ka tsy te-handre amin’ny fampielezampeo aho, na hahita lohateny vaventy anaty gazety hilaza, fa hoe « Nisy olona lasan’ny rano…na maty nifanitsaka teny ambony vato teo ampandosirana ny rano tonga ».. Fa be loatra mantsy ny ankizy kely hitako eny.
ATSIPY NY TADY HO AN-TANDROKY NY OMBY, NY TENY HO AO AMPON’NY MAHALALA , ARY TSY MISY HANANATRA DALA FA NY HENDRY IHANY…Vita ny adidiko
Araho ny sary
Andro maromaro izay ny eto Antananarivo renivohitra no nahatsapa fa mavesabesatra sy mankarary maso ary maha-te-hatory izany ny rivotra iainana. Tsy mandeha lavitra isika dia efa mahita ny antony mahatonga izany.
Io tolakandro io dia setroka tsy nahitàna ny faravodilanitra no nandrakotra ny lanitra. Raha ny marina dia tsy ny faravodilanitra intsony no tsy tazana, fa metatra maromaro miala ny toerana misy anao dia efa mila tsy ho hita intsony.
Ny sary maromaro hitanao ato dia nalaina tamin’ny ora tsy dia mifanalavitra loatra, saingy ny andro no tsy mitovy. Ny voalohany dia ny Rova tazanina avy eny amin’ny Carlton, tamin’ny 23 Oktobra 2015, nanodidina ny tamin’ny 5 ora hariva latsaka tany ho any. Ny ambiny kosa dia sary nopihana teny Andravoahangy ny 25 Oktobra 2015 tamin’ny 5 ora sy 26 mn.
Ataovy àry ny fampitahàna ny atao hoe rivotra madio, sy ny hoe tontolo iainana maloto, raha eto amin’ny sary voalohany ianareo afaka mahita hatrany amin’ny kilaometatra iray mahery, ary amin’ireo sary manaraka kosa, metatra vitsivitsy aza manahirana.
Tranga tsy teto amintsika ihany no nisy ny toy izao, fa hatrany Malezia sy Indonezia ary Filipina koa (any amin’ny faran’ity lahatsoratra ity misy rohy).
Avy aiza ny olana?
Tsy tongatonga ho azy ny setroka tahaka ireny, fa misy loharano nipoirana: ny tevy ala, ampian’ny doro tanety. Toy ity nampitain’i Mandresy Ralisetra, mpikambana aminà vondrona iray ao amin’ny Facebook ity, izay ahitàna ala mirehitra any amin’ny faritr’i Mangoro, sy ny manodidina ny làlam-pirenena faharoa (#RN2)
Doro ala sy tanety mitondra setroka manempotra
Atahorana ny hisian’ny aretina aterany (aretin’andoha, sery, aretin’ny taovam-pisefoana, …)
Tsy vitsy ny olona manontany na manome tsiny noho ny zava-mitranga.
An’iza ny andraikitra?
Raha ny tsirairay no anontaniana, dia ny fanjakana no voatondro voalohany ho tomponandraikitra tsy nahefa ny anjara tandrify azy.
Axel RavonjinirinaTokony manao etat d’urgence ny fanjakana @ zao, mobilisation ny force rehetra mimaitrisé an’io afo io!Isantaona zao ve otrzao ihany!Refa atao ramatahora sy atao sava hao ireo mpandoro tanety dia gadraina tsisy masa manao tsony saingy fanjakana tsisy antenaina fa matory andro tsisy ilana azy sady tsy mahabaiko n’inin!
Nomena HoseaMapalaelo inona netaonle mpitondra? Ts maasalama mitsy zao reto a
Fomba fijery izay toa midika fandosirana andraikitra ihany koa avy amin’ny tsirairay anefa, raha ny voalazan’ity fanehoankevitra iray ity no jerena:
Rado Andrianina RabemanantsoaNy fisainan’ireo mpandoro tanety mampalahelo, fa ny tsy fandraisan’Andraikitry ny fanjakana koa vao maika mahakivy tanteraka!
Asa aloha izay ho fepetra ho raisina manoloana izao zavatra mitranga izao. Fa raha ireo firenena tany Azia no asiantsika resaka, dia nandraisana fepetra mihitsy ny tsy hivoahana ny trano mandra-pisavan’ny zavon-tsetroka nandoto ny rivotra niainana tany aminy. Satria zava-dehibe voalohany indrindra ny fahasalamana.
Fanontanian’ireo olom-pirenena ny hoe :
Mianjaika NiniFa mba misy vé izany minisitry ny tontolo iainana izany eto Mkara eto sa tsia?
Angamba kosa tsy ho avelantsika ho an’ny fanjakana irery ny andraikitra momba izany, fa samy tokony handray ny anjara tandrify azy ny rehetra. Olona any anaty fiarahamonina misy antsika any ihany no manao ireny asa maloto ireny – noho ny hasomparana, na noho ny tsy fahalalàna ihany koa. Azontsika atao ny mifanentana araka izany, mba hisian’ny fiovàn’ny toetsaina.
Sylvia RanaivojaonaMila olona mahatsapa tena ry namana Malagasy Te Hilamina eto an ! ar mahalala ny tokon ataony d mahay mandray andraikitra tandrify az !!!
Ka rehefa tsy mety anarina, dia ampiharina aminy ny lalàna misy, mba tsy ho ny olon-tsotra no hitondra sy hampihatra ny fitsaràna heveriny fa sahaza
Ho lava ity resaka ity, saingy efa hisasaka ihany ny alina, ka aleo amin’ny manaraka tohizana. Ndeha ny sary amin’izay no ampitenenina.
Fantatsika fa amin’ny Aprily any izay vao tapitra ny « SAISON CYCLONIQUE. Tianay àry ny mizara amintsika fa misy RIVODOZA niforona any amin’ny 2600KM ATSINANAN’i SAINTE MARIE ANY: ALAVITRA ANTSIKA izy izany, ka dia tsy ahiana hisy fiatraikany amin’ny toetry ny andro misy eto amintsika, AZA MANAHY FA LAVITRA ANTSIKA IZANY, tsy maintsy mampandre mialoha hatrany izahay ny amin’ny fizotrany.
Loharano: Météo
(loharano: FB Météo Madagasikara)
Amin’izao fahavaratra dia matetika isika no maheno hoe : « ZCIT », Zone de Convergence Intertropicale.
Fantatsika hoe inona marina tokoa moa izy io ?
Fanazavana TSOTRA sy FOHY no entina aminareo, amin’ny alalan’ny sary :
Raha TSORINA dia FARITRA AHITANA ANDRO RATSY izy io, izany hoe, ny ratsy amintsika eto dia ahitàna ORANA, na/sy ORANA TANDRIFIN-DRAHONA/Mety ARAHIN-KOTROKA.
Manodidina izao Tontolo izao ny ZCIT, mitondra orana foana izy. Rahefa fotoam-pahavaratra aty amintsika, dia tonga aty MADAGASIKARA izy.
Haintsika hoe manana ANARANA MARO IANTSOANA AZY ny ZCIT?
Ohatra:
– ZCIT = POT AU NOIR (izany hoe TSY MAZAVA, MAMPIDI-DOZA: dangereux)
– ZCIT= ZIC (Zone inter-tropicale de Convergence)
– ZCIT= Front intertropical….
Hatreo indray àry aloha e, dia amin’ny manaraka indray manao misimisy
Raha ny VINA ho an’ny HERINANDRO, dia HANORANA TANDRIFIN-DRAHONA ARAHI-NKOTROKA, saika manerana ny Nosy AFA-tsy ny TENDRONY ATSIMO: hanao TANIKA ORANA: izany hoe tsy tafalatsaka ny orana fa mitanika fotsiny. Ny maripana tsy hisy fiovana
Rehefa avy nifampiresaka tamin’ny tomponandraikitry ny pejy Facebook Météo Madagasikara ny eto amin’ny bilaogy, dia nahazo alàlana hamoaka malalaka ireo torohay sy fampianarana avy ao amin’izany pejy izany.
Ho hitanao matetika eto araka izany ny toetrandro, indrindra fa mandritry ny fotoana tena ilàn’ny vahoaka ny fampitandremana isankarazany. Toy ny fandalovan’ny rivodoza, ny fomba fiteny sy loko fampiasa amin’ireny fotoana isian’ny loza voajanahary ireny, sy ny maro hafa ihany koa
Isaorana ny Météo Madagasikara, ary manantena ihany koa fa hahafa-po anareo mpamaky ny zavatra atolotra.
Ahiahy sy saina tsy nandry no nandraisan’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina ny fampilazàna natao azy ireo omaly. Nambara tamin’izany fa tao Anjomakely sy Amboanjobe ny valala. 20km fotsiny miala ny renivohitra, ao atsimotsimo ao. Tao no nambara fa hatory ireto biby ireto ny alin’ny Talata 08 Aprily 2014 teo.
Androany maraina àry ( 09 Aprly 2014), tsy niandry ela ny mponina izay nandre ny filazàna fa efa niomana ny amin’izay hitranga. Nanangona kodiarana tsy ampiasaina intsony. Hatao inona angaha hoy ianao?
Fiarovana ny olona sy ny fanànany
Hoy ny raim-pianakaviana iray raha sendra tafaresaka tamin’ny tena:
Ny varinay ramose efa miandry fotoana fotsiny dia hojinjaina, nefa ny valala ity mandom-baravarana. Mba tsy handry fotsy ny taranaka dia aleo ny tena no mihetsika fa tsy hiandry ny fanjakana tsy ho hita eo. Raha tena nataony ho laharam-pahamehana ve io tsy efa tany ifotony, fony izy adrisa no novonoina, fa nony hoe etsy akaikin’ny Lapam-panjakana vao hikoropaka? Sahala amin’ny fanaovana tsinontsinona ireo tany rehetra nolalovan’ilay andiam-balàla izany amiko. Sa Antananarivo manana ny sata manokana ho azy – tsy azon’ny valala itsahana na dinganina?
Màna avy any an-danitra ve?
Ho an’ireo renim-pianakaviana indray dia ny naniraka ny zanany hisambotra sy hanangona valala no nataon’ny sasany. Rehefa nanontaniana izy ireny dia tao ny namaly hoe:
sitrany ahay ramose laoka a! Sady manampy amin’ny famonoana sy fandroahana izahay no mba maka ny anjaranay amin’ity laoka tonga fotsiny ity.
Ary dia roboka tokoa ry zazalahy kely miaraka amin’ny rantsan-kazo, manenjika sy mikapoka valala ary manangona azy ireny ao anaty tavoahangy plastika.
Ady gasy ho fandroahana valàla
Tamin’ny 9 ora maraina araka ny filazan’ireo vatan-dehilahy teny an-toerana no efa tonga teny an-toerana (By_Pass) ny andiam-balàla. Tamin’io ora io dia efa raikitra koa ny fandoroana lobolobo noheverina fa toerana mety hitobian’ny valàla. Ireo kodiarana efa nomanina koa, natomboka ny fandoroana azy ireny. Ary tsy teny an-tanimbary irery fa hatrany anaty tokontanin’olona tany mihitsy no nahitàna dona-tsetroka. Maintin’ny setroka ny faritra teny amin’ny manodidina. Rehefa tsy hita tokoa moa izay famonoana valàla ataon’ny fanjakana, tsy handray an-tànana ny fiarovana ny tenany sy ny fanànany ve ny vahoaka?
Mahomby amin’ny ampahany
Tsy azo lazaina ho nahomby tanteraka anefa ireo rehetra fandoroana natao ireo. Betsaka tamin’ireo valala mantsy no tsy niala lavitra fa nihodinkodina teny ambony teny ihany nitily izay toerana azony ipetrahana. Tanimbary daholo no eo ambanin’izany rehetra izany, vary izay efa teraka ary miandry andro hijinjàna sisa raha ny hita amin’ny toerana sasany.
Very fanahy mbola velona
Hoy hatrany ireto olona ireto:
« Fomba ny miaro izay kely ananana, saingy very fanahy mbola velona ihany rehefa mahita hoe miady irery manoloana ny tranga toy izao, satria tsy hita izay nataon’ny tompon’andraikitra. Asa raha toa ka aorian’izao vao mody hihetsika ny sampana mpamono valàla mba hiaro ny volinay, sy ahitàna hoe mbola misy ry zareo ary manao ny asany. Na mety iniana tsy vonoina ve sanatria ny valàla fa sao tsy misy intsony koa asa hataony aoriana? »
Ny CNLA no tondroin’izy ireo amin’io.
Fanehoan-kevitra io tolakandro io teny amin’ny By-Pass no nentiko ho anao mpamaky teto. Fa izay mba hevitrao, ahoana? Aposahy iarahantsika mifanakalo. Fa eo ampiandrasana izany, indro ny lahatsary nalaina teny an-toerana
Io hariva io anefa dia nisy ity filazana ity avy amin’ny fanjakana foibe ( isaorana i Domoina Rasamoelson namitany hafatra):
FANAMBARANA
Manoloana ny fandalovan’ny andiam-balala teto Antananarivo ny Talata 8 aprily sy Alarobia 9 aprily 2014 dia mampahafantatra ny vahoaka ny Fiadidian’ny Repoblika fa efa mandray andraikitra tanteraka ny Ministeran’ny Fambolena mikasika ny famonoana ireny valala ireny. Tsy tokony hanana ahiahy isika vahoaka araka izany.
Koa manao antso avo amin’ny vahoakan’Antananarivo sy manerana ny Nosy izay mety handalovan’ny andiam-balala mba ho mailo ka tsy hihinana an’ireny valala ireny satria biby efa voararaka fanafody izy ireny ka mampidi-doza amin’ny fahasalamana.
Ilazana ireo tompon’andraikitra amin’ny Fokontany rehetra hampita izany hafatra izany amin’ny vahoaka mba hisian’ny fitandremana mikasika ny sanatria fihinanana an’ireny valala voapozina ireny.
Source : Fiadidiana ny Repoblika, sonia tsy fantatran’anarana