Toetrandro: Vaovao farany

Fantatsika fa amin’ny Aprily any izay vao tapitra ny « SAISON CYCLONIQUE. Tianay àry ny mizara amintsika fa misy RIVODOZA niforona any amin’ny 2600KM ATSINANAN’i SAINTE MARIE ANY: ALAVITRA ANTSIKA izy izany, ka dia tsy ahiana hisy fiatraikany amin’ny toetry ny andro misy eto amintsika, AZA MANAHY FA LAVITRA ANTSIKA IZANY, tsy maintsy mampandre mialoha hatrany izahay ny amin’ny fizotrany.
Loharano: Météo

Publicités

Faritra andro ratsy (Système depressionnaire)

(sary avy amin’ny http://www.m-r.li/a_suivre.html)

Andro ratsy faha-8 mananontanona aty amin’ny ranomasimbe indiana (océan indien) ity miseho any amin’ny 3300 km atsinanana/avaratra-atsinanan’ny Nosy Mascareignes ity. Tsy mbola misy aloha ny atahorana hatramin’izao. Nefa kosa tsara ihany ny anaraha-maso akaiky azy, raha araka io sary io. Raha tsy levona alohan’ny fotoana izy ity dia hahazo ny anarana Edzani

11km/ora ny fikisahany, 998hPa ny trindry eo amin’ny ivony, 46 km/ora ny rivotra eo amin’izay ivo izay raha 65 km/ora kosa ny tafiotra aterany eny an-dranomasina

Sary ho fanaingoana fotsiny (mason'ny rivodoza FIRINGA)

fanampim-baovao azo ny 07 janoary 2010: tsidiho eto ny tatitra avy amin’ny IRN

Ratsy ny andro

Oram-be sy kotro-baratra tsy nifandrenesana no niainan’Antananarivo sy ny manodidina azy tamin’ity tolakandro sy ny harivan’ny Alahady ity.  Ny tenanay moa dia nandray fepetra haingana mihitsy nanala ny fitaovana rehetra mandeha amin’ny herinaratra mba hisorohana ny mety ho fahavoazana.  Nampivarahontsana loatra mantsy na dia ny nandre  ny fidoboky ny varatra fotsiny aza.

Mety misy ifandraisany amin’ny faritra’andro ratsy ao amin’ny Ranomasimbe Indiana ihany angamba izany seho rehetra izany. Misy andro ratsy tokoa mantsy any amin’ny 1300 km  Avaratra-Atsinanan’i   Mascareigne any. Toy izao ny sary azo avy amin’ny zanabolana (Météo France).

RIVO-DOZA ‘CLéo’

Mihaodihaody any amin’ny 1800 Km avaratr’Antsiranana amin’izao fotoana ny rivo-doza Tropikaly ‘Cléo’. Tsy mbola misy fiantraikany loatra amian’ny toetry ny andro eto Madagasikara izy io aloha hatreto.

Ity dia filazana momba ny toetr’andro voaray tamin’ny 3 ora tolakandro.

rivodoza Cléo ny andron'ny 08 desambra 2009

Mitondra rivotra 175km/h ao amin’ny masony, ary  215km/h kosa any amin’ny sisiny ivelany

11km/h eo ny hafainganam-pandehany, ary mety hipaka amin’ny morontsiraka avaratr’i Madagasikara izy afaka iray herinandro eo. Ilaina sahady araka izany ny miomana, ho fisorohana ny loza.

Ny anaran’ireo Rivo-doza amin’ity taona 2009/2010 ity :

ANJA, BONGANI, CLEO, DAVID, EDZANI, FAMI, GELANE, HUBERT, IMANI, JOEL, KANJA, LUNDA, MOHONO, NIGEL, OLYMPE, PAMELA, QUENTIN, RAHIM, SAVANA, THEMBA, UYAPO, VIVIANE, WALTER, XANGY, YEMURAI, ZANELE

Asa miandry izay hitondra an’i Madagasikara

Rehefa mihaino ny olona miresaka ianao ary manaraka ihany koa ny vaovao, dia mahatsapa fa misy tranga eo amin’ny 20 isan’andro eo no hita amin’ny gripa AH1N1 eto Madagasikara.

Mbola ny olona miresaka ihany koa no mampita fa any am-pita any dia misy tena ny iray tanàna mihitsy no fehezina tsy hifanerasera amin’ny any ivelan’ny faritra misy azy mba tsy hipariahan’ilay aretina.

Raha ireo voalaza ireo àry no jerena dia ho asa goavana tokoa no miandry izay te-hitondra an’i Madagasikara atsy ho atsy. Tsy ny resa-politika foana tokoa mantsy no hitsinjovana vahoaka, fa ao dia ao mihitsy ny toy ity resaka fahasalamana taterina etoana ity.

Tsy tenenina intsony ny aretina hafa izay vokatry ny tsy fahalalana ka andoroan’ny sasany ny tanety (sa dia ankasomparana fotsiny izao?) ary dia miteraka setroka manempotra eto Antananarivo andrenivohitra amin’izao fotoana izao. Mangidihidy ny maso, mafaipaika ny ati-orona, ary sempotra ny menavava, ny tratry ny aretina sohika moa dia mampalahelo ny mahazo azy.

Resahana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny antony mahatonga izany. Fa ny tena fandraisana an-tànana ny vahaolana hanafoanana azy, efa mba nisy, misy ary tena mba hisy ve?

Miovaova

be ny zavatra miova amin’izao fotoana.
Toetr’andro
**********
Nilaza ny sampana mpandinika ny toetr’andro eto Madagasikara tamin’ny tatitra farany navoakany fa miovaova ny toetr’andro eto, fa tsy toy ny taloha intsony. Mihafoy ny fhavaratra ary mihamafy ny rivo-doza. Rehefa ho avy koa anefa ny orana dia hivatravatra fiavy. Izany rehetra izany dia tsy inona fa noho ny ataon’ny olombelona ihany. Tavy, doro tanety, fanimbàna tsy amim-piheverana ny àla, nefa ny fanoloana izay nongotana sy nadaboka tsy maharaka akory, mba tsy hitenenako hoe zàra raha misy. Tsy mahagaga araka izany raha ny toerana tsy noeritreretina hisy havandra no nahitana havandra (toy ny tany Andohan’Ilakaka), ary koa raha lehibe tsy araka izay fantatra ny haben’ireny havandra ireny (300 ka hatramin’ny 500gr ny vongany iray, ary tany Vohipeno aza dia 50 kg be izao ny iray). Be ny voly nadrasana ho masaka tsara no nampanenina ireo tompony, fa tao anatin’ny indray mipi-maso dia nafoy ho toy ny tsy nisy. Nahatratra hatrany amin’ny 20 cm ny haavon’ny havandra tamin’ny faritra maro nilatsahany. Ngoly ny vodi-mangahazo sy ny ovy ka dia be no simba, ny ravina fihinana moa dia tsy lazaina intsony.

Isan’ny antony koa ny tsy fiheverana efa fanaon’ny sasany toy ity nitranga tao Antanimena amin’ny andro antoandro be nanahary ity: nandoro ireo entany vita amin’ny plastika  tsy nalain’ny tompony sy tsy nisy nividy ny tao amin’ny douane. Amin’ny andro mazava be izao, nefa feno olona mivezivezy sy mivarotra eo amin’ny manodidina eo. Tazana hatrany amin’ny kilometatra maro ny setroka mainty be niakatra avy tao. Ary efa niantsoan’ny olona mpamono afo avy ao Tsaralalana mihitsy aza fa noheverina ho trano may. Kay olona tsy ampy fiheverana no fototry ny olana. Mbola ialako tsiny foana ny teny mahitsihitsy fanaoko e!

Toe-tsaina
*********
Miovaova koa ny toe-tsaina fa raha ny Malagasy mpandàla aina sy tia anaka taloha no sainina, dia tsy izay no hita sy atrehina ankehitriny. Be ny fatin-jzazakely ariana etsy sy eroa, vokatry ny fanalàn-jaza. Voalaza mihitsy aza tamin’ny tatitra avy amin’ny FNUAP tamin’ny herinadnro fa i Madagasikara no voalohany indrindra manana tanora kely taona indrindra sy betsaka indrindra aty Afrika amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra. Tsy ireharehana izany sanatria fa tena zavatra mahamenatra. Ny raiamandreny ve no efa tsy mahatontosa an-tsakany sy andavany intsony ny adidy , sa ny taranaka no diso manara-drenirano amin’ny resaka fanontoloana? Asa lahy! Ho aiza isika ity e? Gaga ianao mandeha eny an-dalana eny fa tsy lahy tsy vavy, ireny ny mpianatra Malagasy fa mba mipololotra amin’ny resaka sigara koa. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: fa angaha moa izy ireny efa mikarama sa vola avy aiza no nividianana azy? Ary raha tsy mikarama sy tsy novidiana indray dia iza no nanome? Betsaka koa ny tovovavy ankehitriny no misy miantso amin’ny finday, dia any dia lasa izao.. Hainao angamba ny tiako hambara. Sao avy any àry ny vola e? Tsy haiko fa dia miovaova tokoa ny toe-tsaina fa izaho angamba no efa Ntaolo be tsy maharaka ilay toetr’andro miovaova ery ambony.

Mbola io resaka teo-tsaina io ihany dia izao no hitako; rehefa nisolo mpitantana ny tanàna iray, dia rava izay nataon’ny teo aloha. Ohatra amin’izany ny hatsaran-tarehin’Analakely teo aloha teo. Lasa nofinofy sisa. Ka iza ary no nanimba e? Ny niditra ve sa ny nivoaka? Na iza anefa na iza, dia izao fotsiny ihany; raha samy hiovaova teo-tsaina toy izany ihany, dia aleo zalahy mba miova ho tsara fa tena mamohehatra ilay itondran »ny sasany ny hoe fiovaovana a! Ho ahy, ho anao, ho antsika rehetra foana anie izay zavatra mipetraka sy vita eo e! Ary volanao no niasa teo nanamboarana azy ireny, sao odianao tsy fantatra ary izany! Io hetra hetra mampimenomenona ny maro io anie no mihodina any e! Koa tsy mandrora mitsilany ihany ve ireo miovaova toe-tsaina mankany amin’ny ratsy toy izany e!

Fanapahan-kevitra
****************
Inoako fa hisy hahatsiaro ny lahatsoratro momba ny foza orana ny maro aminareo. Tamin’izany fotoana dia nentiko teto ny fomba fijerin’ny tantsaha eny Betsimitatatra momba azy io. Sy ny hoe « azo hanina….tsy azo hanina….sns…’ Nisy mihitsy aza hoy ireo tantsaha ny fanenjehana anay raha maka ireny izahay. Ankehitriny anefa dia nivoaka tamin’ny Fampitam-peom-pirenena (RNM) fa azo atao dia azo atao ny mihinana azy io ary tsy misy atahorana. Haingam-pitombo be io foza orana io, nefa nosakanana ny fampiasana azy sy ny fakàna azy. 300 ka hatramin’ny 1200 atody isan-taona no avoakan’ny iray aminy. Isan’ny ady amin’ny fampihenana azy anefa ny fakàna azy any anaty rano, nefa dia efa firy volana aty aoriana vao avela indray halain’ny olona ilay izy.
Tena miovaova marina izao rehetra izao, efa tokony ho ririnina ny vaninandro eto Madagasikara amin’izao fotoana, nefa dia aleo lazaina fa tena mandoro ny hafanana. Lazain’ireo mpandinika azy io aza fa amin’ny taona 2050 dia hiampy 2.6°C ny hafanana ho an’i Madagasikara manokana.
Am-bava homana, am-po mierotra, ary tady atsipy an-tandrok’omby izy ity ry zalahy, teny alefa ho am-pon’ny mahalala. Diniho ihany izay aleha sy atao.

 

 

Rotsirotsy

Nandalo iny ny rivo-doza voalohany (FAME). Efa mihaodihaody any kosa  ny faharoa (GULA). Nanimba an’i Besalampy hatrany amin’ny 95% i  FAME. Nitondra orana eran’ny Nosy. Isan’ny nizàka izany sy mbola hizàka izany, tahaka izay efa nizakàny azy nandritry ny taona maro nivadibadika ny etsy anoloan’ny Rotsirotsy, akaikin’ny EPP Andravoahangy. Efa nisy fanamboarana ihany io làlana io saingy asa na ny fomba nanàovana azy no nisy tsy nety, na ny ataon’ny olona monina eny sy ny mpandalo koa no manimba azy, fa jereo anie ny fahasahiranana rehefa tonga ny orana e! Tsy tratry ny sary moa ny fako (tavoahangy plastika, sachets maro isan-karazany, sns…) navoaky ny rano avy any anaty dalle tany. Toerana fipetrahan’ireo mpivarotra amoron-dàlana rehefa tsenan’alarobia sy nay andavanandro koa io toerana io.

Ny sary hitanao eto dia ny rano efa somary nidina, fa rehefa ilay mbola ao anaty orana iny no mandalo eo ianao, dia tsy maintsy manofa Posy, na miandry ny orana hidina vao afaka mandeha. Na ny fiara fitaterana aza dia sahirana tokoa. Toy io ihany koa ny manoloana ny banky BOA izay tsy lavitra eo fa miala kely tokony ho 50 m miankavanana eo amin’ny sary.

sunp0019.jpg

sunp0020.jpg