Trano May Etsy, Trano May Eroa

Raha misy lohateny iray fahita tamin’ny gazety tato ho ato dia isan’ireny ny fahamaizana miseho lany etsy sy eroa.

DSC_00051Io hariva io dia toeram-ponenana maro no may sy levon’ny afo tetsy Antsahakely Besarety.
Tokony ho 20mn taorian’izay indray dia tranombarotra iray lehibe tetsy Ambatomitsangana Andravoahangy, mpivarotra ireny kojakoja ilaina amin’ny asa fanorenana sy ny fanamboarana ny atitrano ireny, no nirehitra. Loko sy akora simika, ary nahitàna zavatra vita tamin’ny plastika avokoa no hita tao. Izany hoe mora mirehitra. Araka ny voalazan’ny nanatri-nmaso ihany koa, dia nisy fipoahana avy ao anatin’ity trano ity taoriana kelin’ny nahitan’izy ireo ny afo sy ny setroka.

Azo ambara ho tsy nisy azo raisina ny entana tao anatin’ity tranombarotra ity, satria izay kely voasaringotra navoaka taorian’ny nifehezan’ny mpamono afo ny teo-draharaha, dia izay sisa tsy levon’ny afo, ary tafiditra anaty sokajin’ny brokatera.

DSC_00211

Soa aza fa tsy nahazo ireo tahirin’entana ahitàna valonan-damba marobe sy ireny simili-cuir ireny, izay tao amin’ny rihana voalohany. Raha sanatria nahazo ny rihana voalohany ny afo, dia tsy ho hita noanoa ny faharavana mety ho natrehana, ary tsy ho azo nialàna ny fahamaizana hatrany amin’ny ACEP.

ny fotoana nitadiavana izay fomba hamahàna ny misy ireo tahirinà valonan

ny fotoana nitadiavana izay fomba hamahàna ny misy ireo tahirinà valonan

Eto dia deraina manokana ny fahafoizan-tenan’ireo mpamono afo, nitolona nanao izay hifehezana izany, ary nisy mihitsy aza iray tamin’izy ireo torana teo amperinasa noho ny setroka.

nifamonjen'ireo namany ilay zalahy ity fa sempotra nitambotsitra

nifamonjen’ireo namany ilay zalahy ity fa sempotra nitambotsitra

Voatery mandady moa izy ireo mitady izay fototra niavian’ny afo, no sady mitifitra rano ihany.

natevina be ny setroka ka voatery nandady nizaha izay niaingàn'ilay firehetana

natevina be ny setroka ka voatery nandady nizaha izay niaingàn’ilay firehetana

Tombony ho an’ity tranobe ity ka tsy nihitaran’ny afo ho amin’ireo rihana rehetra sy ny efitra marobe taminy, ny fisian’ny toerana fanovozan-drano tsy lavitra teo, sy ny tsy fitohanan’ny fifamoivoizana, ka nahafahan’ny mpanono afo niasa haingana sy tamin-kalalahana tanteraka. Nampian’ire mpitandro filaminana. ihany koa.

Ndeha ary ny sary no avelantsika hiteny amin’izay e!

DSC_00141

DSC_00301

DSC_00331

DSC_00041

Raharaha hafa indray moa ny resaka andiam-balàla matory ao Ivato izao alina izao. Entanina ny olona tsy hihinana azy ireny rahampitso fa efa asiana fanafody izao alina izao

Valala, Mana Avy Any An-danitra Sa Fahavalo?

Ahiahy sy saina tsy nandry no nandraisan’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina ny fampilazàna natao azy ireo omaly. Nambara tamin’izany fa tao Anjomakely sy Amboanjobe ny valala. 20km fotsiny miala ny renivohitra, ao atsimotsimo ao. Tao no nambara fa hatory ireto biby ireto ny alin’ny Talata 08 Aprily 2014 teo.

Androany maraina àry ( 09 Aprly 2014), tsy niandry ela ny mponina izay nandre ny filazàna fa efa niomana ny amin’izay hitranga. Nanangona kodiarana tsy ampiasaina intsony. Hatao inona angaha hoy ianao?

Fiarovana ny olona sy ny fanànany

Hoy ny raim-pianakaviana iray raha sendra tafaresaka tamin’ny tena:

Ny varinay ramose efa miandry fotoana fotsiny dia hojinjaina, nefa ny valala ity mandom-baravarana. Mba tsy handry fotsy ny taranaka dia aleo ny tena no mihetsika fa tsy hiandry ny fanjakana tsy ho hita eo. Raha tena nataony ho laharam-pahamehana ve io tsy efa tany ifotony, fony izy adrisa no novonoina, fa nony hoe etsy akaikin’ny Lapam-panjakana vao hikoropaka? Sahala amin’ny fanaovana tsinontsinona ireo tany rehetra nolalovan’ilay andiam-balàla izany amiko. Sa Antananarivo manana ny sata manokana ho azy – tsy azon’ny valala itsahana na dinganina?

Màna avy any an-danitra ve?

Ho an’ireo renim-pianakaviana indray dia ny naniraka ny zanany hisambotra sy hanangona valala no nataon’ny sasany. Rehefa nanontaniana izy ireny dia tao ny namaly hoe:

sitrany ahay ramose laoka a! Sady manampy amin’ny famonoana sy fandroahana izahay no mba maka ny anjaranay amin’ity laoka tonga fotsiny ity.

Ary dia roboka tokoa ry zazalahy kely miaraka amin’ny rantsan-kazo, manenjika sy mikapoka valala ary manangona azy ireny ao anaty tavoahangy plastika.

Ady gasy ho fandroahana valàla

Tamin’ny 9 ora maraina araka ny filazan’ireo vatan-dehilahy teny an-toerana no efa tonga teny an-toerana (By_Pass) ny andiam-balàla. Tamin’io ora io dia efa raikitra koa ny fandoroana lobolobo noheverina fa toerana mety hitobian’ny valàla. Ireo kodiarana efa nomanina koa, natomboka ny fandoroana azy ireny. Ary tsy teny an-tanimbary irery fa hatrany anaty tokontanin’olona tany mihitsy no nahitàna dona-tsetroka. Maintin’ny setroka ny faritra teny amin’ny manodidina. Rehefa tsy hita tokoa moa izay famonoana valàla ataon’ny fanjakana, tsy handray an-tànana ny fiarovana ny tenany sy ny fanànany ve ny vahoaka?

Mahomby amin’ny ampahany

Tsy azo lazaina ho nahomby tanteraka anefa ireo rehetra fandoroana natao ireo. Betsaka tamin’ireo valala mantsy no tsy niala lavitra fa nihodinkodina teny ambony teny ihany nitily izay toerana azony ipetrahana. Tanimbary daholo no eo ambanin’izany rehetra izany, vary izay efa teraka ary miandry andro hijinjàna sisa raha ny hita amin’ny toerana sasany.

Very fanahy mbola velona

Hoy hatrany ireto olona ireto:

« Fomba ny miaro izay kely ananana, saingy very fanahy mbola velona ihany rehefa mahita hoe miady irery manoloana ny tranga toy izao, satria tsy hita izay nataon’ny tompon’andraikitra. Asa raha toa ka aorian’izao vao mody hihetsika ny sampana mpamono valàla mba hiaro ny volinay, sy ahitàna hoe mbola misy ry zareo ary manao ny asany. Na mety iniana tsy vonoina ve sanatria ny valàla fa sao tsy misy intsony koa asa hataony aoriana? »

Ny CNLA no tondroin’izy ireo amin’io.

Fanehoan-kevitra io tolakandro io teny amin’ny By-Pass no nentiko ho anao mpamaky teto. Fa izay mba hevitrao, ahoana? Aposahy iarahantsika mifanakalo. Fa eo ampiandrasana izany, indro ny lahatsary nalaina teny an-toerana

Io hariva io anefa dia nisy ity filazana ity avy amin’ny fanjakana foibe ( isaorana i Domoina Rasamoelson namitany hafatra):

 

FANAMBARANA
Manoloana ny fandalovan’ny andiam-balala teto Antananarivo ny Talata 8 aprily sy Alarobia 9 aprily 2014 dia mampahafantatra ny vahoaka ny Fiadidian’ny Repoblika fa efa mandray andraikitra tanteraka ny Ministeran’ny Fambolena mikasika ny famonoana ireny valala ireny. Tsy tokony hanana ahiahy isika vahoaka araka izany.
Koa manao antso avo amin’ny vahoakan’Antananarivo sy manerana ny Nosy izay mety handalovan’ny andiam-balala mba ho mailo ka tsy hihinana an’ireny valala ireny satria biby efa voararaka fanafody izy ireny ka mampidi-doza amin’ny fahasalamana.
Ilazana ireo tompon’andraikitra amin’ny Fokontany rehetra hampita izany hafatra izany amin’ny vahoaka mba hisian’ny fitandremana mikasika ny sanatria fihinanana an’ireny valala voapozina ireny.

Source : Fiadidiana ny Repoblika, sonia tsy fantatran’anarana

Valàla sa Fety? Iza no maika ?

Ho anao namako,

criquets_accouplement

Volana iray sisa dia hifety ny Valàla(bemandry), faritra maro anefa no rakotra ‘Valàla tsy mandry’. Sao tokony ho ny ‘valàla tsy mandry’ ary aloha no atrehan’ny fitondram-panjakàna vao ny fety fampatoritoriana ny Valàla(bemandry) ::

Firifiry moa izao no faritra mitaraina fa nolalovan’ny andiam-balàla? Voly tahaka ny inona, sy vokatra an-taoniny firy no tandindonin-doza vokatr’izany?  Toetrandro manome vahana ny fipariahany rahateo izao. Mampivarahontsana na dia ny mieritreritra fotsiny aza fa hoe tany amin’ny toerana sasany dia mainty ny lanitra nandritry ny fotoana nandalovan’ireny andiam-balala ireny, ary na ny fanamoriana fiara sy ‘moto’ aza dia nanano-sarotra tokoa sy nitaky fitandremana fatratra mba tsy hidiran’ny patsa iray tsy omby vava (sy tsy hitelemana valàla eny am-panidinana – araho tsiky kely).

Isan-taona dia tsaroan’ny maro ny fisian’ireo fetibe isan-karazany, karakaraina etsy sy eroa, manerana ny faritany – ho fampandriana adrisa sy familiana ny saina hanadino vetivety ny olam-piainana andavanandro sy ny krizim-pifidianana – ka isan’ireny ny podium, sy ny fandefasana afomanga. Vola an-davitrisa no mitsefotra anaty minitra vitsy mandritra ireny fotoana ireny.

Ho avy ity ny volana Jona, raha misy ny tokony hosemporina ho faty, dia tsy ho ireo vorona mipetraka am-pilaminana etsy amin’ny manodidina an’Anosy velively kosa angamba, fa ireny andiam-balàla izay tsy hoe ‘tokony hapetraka ho fahavalom-pirenena’, fa ‘tsy maintsy raisina ho fahavalo manani-bohitra’ mihitsy.

Satrin’ny Valàla(bemandry) hahita lanonana sy hifety isak’izay misy, ary izay indrindra, izay fahalemena izay no toa lalaovinareo mpitondra isan’ambaratonga sy handrebirebenareo ny vahoaka. Ka na dia efa hita aza fa tsy tokony ho anaty laharam-pahamehana, dia atao ihany. Mino tanteraka aho fa raha voazava tsara amin’ny vahoaka Malagasy ny antony tsy anasiana fety mitalakotrokotroka amin’ity indray mitoraka ity, noho ny hamehana ka hamiliana ny vola efa nomaninareo holaniana amin’izany, mba hoentina kosa hamonoana ny andiam-balàla ‘tsy mandry’, dia hanaiky io vahoaka io fa aleo tsy misy fetibe, toy izay hiaina anaty tsy fahampiana atsy ho atsy, ka hiafara amin’ny ‘Valàla mifanipaka an-karona’ eto Madagasikara eto isika mianakavy. Tsy maintsy izay mantsy no hitranga rehefa raikitra ny fifanilihana andraikitra aoriana ao rehefa mitranga ny tsy mety.

Raha mitsidika ny tranonkalan’ny Ministeran’ny Fambolena ianao, dia ity no hita ery ambony ery: « Fambolena Voarindra, tosika ho an’ny Fanavotam-pirenena ». Koa ho anareo mpitondra (na dia efa tamin’ny 2011 aza no vaovao farany misoratra ao amin’io tranonkala io momba ny ady amin’ny valàla, miampy resaka rotsak’orana fotsiny ho an’ny taona 2013), asehoy aminay vahoaka fa tena mikatsaka izay hahasoa anay tokoa ianareo, mikatsaka ‘fanavotam-pirenena’ tokoa ianareo, fa tsy sanatria ho ‘resin’ny valàla -tsy mandry- ‘ amin’ny afindrafindrao eo isika mianakavy. Anisan’ny fanavotam-pirenena ny ady amin’ny ‘valàla tsy mandry’, mba hiadanan’ny valàla(bemandry) sy ny ambanilanitra rehetra.

lahatsoratra mifandraika amin’ny resaka valàla:

http://agir.avec.madagascar.over-blog.com/article-lutte-antiacridienne-seulement-15-millions-de-dollars-collectes-117833373.html

http://www.maxisciences.com/criquet/une-invasion-de-criquets-ravage-les-cultures-de-madagascar_art29458.html