Lesona 1: Momba ny fampiasàna ny LOKO mandritry ny andro ratsy sy rivodoza

NY CODE COULEURS:
ALERTE VERTE (Maitso): AVIS D’AVERTISSEMENT/ LOZA FANAIRANA
ALERTE JAUNE (Mavo): AVIS DE MENACE/LOZA MANAMBANA
ALERTE ROUGE (Mena): AVIS DE DANGER IMMINENT/LOZA MITATAO
ALERTE BLEUE (Manga): ALERTE LEVEE/ANY AORIAN’NY LOZA

codecoul_fr

fampiasana Loko

alerte Verte

alerte Jaune

alerte Rouge

Loza Fanairana

loza Manambana

loza Mitatao

Mpiara-miasa sy loharano: Météo Madagasikara

Rivodoza / Cyclone ABELE

mNa dia tsy dia atahorana loatra ho an’ny faritra misy antsika, Madagasikara,  aza ity fiandohana rivodoza voalohany aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Ocean indien ity, dia tsara ihany ny mba mahalala azy. Tsy atahorana satria tsy mbola ampy ny fepetra rehetra mety hahafahany mivoatra ho tonga amin’ny maha rivodoza, noho ny maripànan’ny rano mbola tsy tonga amin’ny tokony hahafeno azy…. Na izany aza dia mety hanatona ihany ny faritra manakaiky antsika iry, toa an’i Maorisy sy La Réunion….

Raha tsy tratrany moa ny fepetra haha-rivodoza azy dia mety ho foana eo amin’ny maha-TTM (Tempete Tropicale Moderée) azy izy ka i Maorisy (Maurice)androany Alarobia no manome ny anarany amin’iza fotoana izay, izay tokony ho ABELE raha ny fandaharana ao anatin’ny vanim-potoana 2010-2011… Anaran-dehilahy nofinidin’i Lesotho ny hoe ABELE.

Fisaorana ho an’i Lionel ao amin’ny Météo Réunion (Merci Lionel, de Météo Réunion)

Rivodoza DAVID

Efa nahafeno ny fepetra ahafahana manome anarana azy ilay faritr’andro ratsy tao Avaratra-Atsinanan’ny Mascareignes androany, ka dia nomena ny anarana hoe DAVID.

Mba tonitony aloha ny toetr’andro teto Antananarivo androany tontolo. Tsy nisy ny orana. Izay rahalina no asa.

Arahantsika eny ihany ny fivoaran’ity faritr’andro ratsy ity. Raha ny filazan’ny manampahaizana dia hihamafy izy ity ato anatin’ny 3 na 4 andro eo ho eo.

Hatreto dia mikisaka Andrefana- Avaratra Andrefana ny diany, ary mety hivadika tampoka ho Atsimo-Atsinanana ary hivadika ho Andrefana – Atsimo Andrefana indray noho ny fisian’ny Anticyclone avy ao Atsimon’ny Mascareignes.

Cyclone « JOKWE? » indray

Vaovao voaray tamin’ny 13h Madagascar: Misy cyclone ao amin’ny Ocean Indien. Jokwe no nahenoako ny anarany .

Ity no andro ratsy faha-12 taty amin’ny faritra.

Mikisaka miakandrefana izy io ary mamonjy an’i Diego raha ny fizotrany. Mbola any amin’ny 190km miala an’i Diego ao amin’ny Avaratra atsinanana no misy azy ity, nefa hitondra orana betsaka sy rivotra mahatratra 80km isan’ora. 250km ny savaivony ary miadana ny fifindrany. Voakasiky ny filazana loza manambana daholo ny faritr’i DIANA, SAVA ary SOFIA.

Ampitampitao malaky azafady

Tsy prturbation araka izay voalazan’ny sary intsony fa sary talohan’ny nahazoany anarana io an!

jokeway.gif

Ny vinavina ho làlana hizorany

jokeway_12.png

ireo làlana nizoran’ny andro ratsy hatrizay

lalana.png

Cyclone_YVAN Fialan-tsiny

Dia tena misy tsy vanombanon-toetra ny olona an! Momba ilay resaka Sainte Marie dia nataon’ny mpanao gazety izay nahitana ny rain’ilay niantso nila vonjy avy any Sainte Marie . Ary isaorana i Fanja Saholiarisoa (www.lexpressmada.com du 20-02-2008 page 7)  fa nampitainy ao ny hafatra avy amin’ilay raim-pianakaviana. Toy izao izany hafatra izany « Les personnes ensevelies sous les decombres de l’hotel Antsara à Sainte Marie s(en sont, par contre, sorties saines et sauves« . Toraka voninkazo ho an’i Fanja. Fa ny tena zava-doza tamin’iny lalao ratsy iny dia raha sanatria moa ka mba olona taizan’aretim-po ilay fianakaviana namaky ny LA UNE nilazana ilay vaovao ratsy hoe maty , dia mba ahoana?

 Tsy dia hanome tsiny be fahatany anefa aho, satria dimy minitra talohan’ny nanoratako ity dia mbola tsy mety mahazo an’ireo laharana narosoko anao teto, fa tsy misy réseau angamba ny ORANGE any. Raha akapoka izany ny fandehan’ity tantara ity dia io lafiny fifandraisana io no  tsy nahafahana nanamarina haingana ny vaovao (raha tsy vao omaly) Izay no tena fositra. Niezaka ihany moa izahay ny nanangona, ary mbola hanangona araka izay azo atao. Fa hatreto aloha izany dia izay ny momba iny resaka iny

Eto dia manolotra fialantsiny betsaka aho ho anareo mpamaky, na izaho izay niandry tamin’ny RNM nandritry ny alina, sy nahita ny lohatenim-baovao vao maraina aza dia mba VOAFITAKA ihany koa. Tohina ka avy hatrany dia nampita taminareo ny vaovao vao mafana. Miala tsiny koa amin’ireo fianakaviana mety ho taitra nahita ity lahatsoratra ity. Tsy namoaka ity mihitsy aho androany raha tsy efa hoe « ny rain’ilay tra-doza mihitsy » no nanamafy ny vaovao tsara. Izay inoako fa dia noho ny fahaizan’ny Malagasy mifanome tanana manoloana ny loza sy antambo toy ireny no naha-avotra azy ireo..

Eto ampamaranana dia tsetsatsetsa tsy aritra ity. Nisy vehivavy teraka tampoka nandritry ny évacuation natao azy, ary dia nomen’ny chef du corps des sapeurs pompiers toro-hevitra ireo raiamandreny mba hahatsiarovana ny andro omaly. Iza hoy ianao no natao anaran’ny zaza : IVAN IKOPA.

Teo koa ny resadresaka fohy nataoko tamin’ireo olona hitako teo anoloan’ny Parking JUMBO SMART. Efa ho tamin’ny roa maraina ny sasany tamin’izy ireo no teo araka ny filazany, ary amin’ny dimy hariva aho no miresaka aminy. « Tsy mbola nisy nijery izahay » hoy izy ireo « ary ny ampitsonay mbola tsy fantatra. Ny fitaovana fiasako sy ny akoho amam-boroko lasan’ny rano any daholo, tsy nahavimbina afa-tsy ny tety an-koditra izahay miampy ireto seau sy vilany kely ireto. Ary lamba firakotra sendra voaramby. Ny ankizy manomboka manavin’ny hatsiaka, ny lehibe efa kodron’ny harerahana. Ny hanina tsy nisy afa-tsy izay natolotr’ireo sendra niantra. Tsy haiko intsony hoe ahoana no mbola hahafahanay miaina aorian’izao. Tsy fantatra izay ny trano na efa nirodana na ahoana fa efa iray metatra amin’ny tafonay sisa tazanay farany tamin’ny fotoana nakan’ny vedette anay tany. Eto (anoloan’ny JUMBO SMART Tanjombato) izahay no mitangorona sy mifampikarakara ambara-pahatongan’ny fanampiana sy ny hoe ho aiza« . Izany no toreo henonao raha nandeha teny an-toerana omaly hariva tamin’ny dimy ora. Ny orana anefa amin’izany tsy mitsahatra ny milatsaka, na dia tsy mivatravatra aza fa mitohy sy mijanona.

Azonao jerena amin’ireto rohy ireto ny herin’ny rano eny an-toerana

http://www.youtube.com/watch?v=TzqwfOBo-CI

http://www.youtube.com/watch?v=_VLOafeZqgw

http://www.youtube.com/watch?v=QlDaWSx_ri4

http://www.youtube.com/watch?v=Mh1tH_h-OTY

CYCLONE « IVAN »

Niditra tao Sainte Marie omaly ny cyclone IVAN. Nandrava zavatra maro, fa ny tena tiako hampitaina eto dia ny fahatapahan’ny fifandraisana nahatonga faty olona sivy tany an-toerana. Omaly dia nisy vehivavy niantso maika ny rainy  taty Antananarivo nilaza fa nianjeran-javatra ny hotely nisy azy ary dia nirodana ka tototra ao miaraka amin’ny olona valo hafa izy. Ary dia io rainy io kosa nandefa antso vonjy tao amin’ny RNM (Radio National Malagasy). Naverina tao amin’ny Radio io antso io sao mba misy afaka mamonjy azy ireo  any an-toerana. Rehefa avy nandefa ny antso tao amin’ny Radio ity raim-pianakaviana dia niverina niantso an-janany tamin’ny telefaonina indray, nefa indrisy fa tsy nisy nandray intsony izay antso rehetra nataony.

Na izahay nihaino ny radio aza dia nangitakitaka sy nientana anaty ihany niandry izay tohin’ity tantara ratsy ity mndra-paharainan’ny andro.

Tapaka daholo ny fifandraisana tany an-teorana taorian’ilay antso nataon’ilay ray mahantra. Eny fa na ny BLU tokony ho nampiasain’ny BNGRC (sampana misahana ny vonjy taitra mandritry ny tranga toy izao) aza dia tsy nandeha. Koa lasa antso tany an-tany efitra ilay filàna vonjy nataony.

Nivoaka tamin’ny gazety rehetra androany maraina fa tapitra maty avokoa ireo olona sivy tototra tao amin’ity hotely tra-doza ity. Indrisy, mampalahelo.

Maniry fiononana feno ho an’ny fianakavian’izy ireo, no sady maniry koa ny hahitana vaha olana momba ny antony nahafaty azy ireo vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fifandraisana ka tsy nahafahana nandray andraikitra ara-potoana.

Tsy misy ny fampianarana eto amin’ny faritra Analamanga androany 18-02-2008 noho i IVAN mbola mitoetra ato anatin’ny faritra (ao Ankazobe ny foibeny tamin’ny telo maraina teo), na dia efa tara be tokoa aza vao nalefa ny filazana (maro tamin’ireo raiamandreny no nisavily teo anelanelan’ny hoe halefa sa tsia any ampianarana ny ankizy). Efa lasa nivoaka ny trano daholo mantsy ny ankabeazan’ireo mpiditra maraina vao namoaka fialazana ny fari-piadidiam-pampianarana fa hoe foanana ny fampianarana anio

Rotsirotsy

Nandalo iny ny rivo-doza voalohany (FAME). Efa mihaodihaody any kosa  ny faharoa (GULA). Nanimba an’i Besalampy hatrany amin’ny 95% i  FAME. Nitondra orana eran’ny Nosy. Isan’ny nizàka izany sy mbola hizàka izany, tahaka izay efa nizakàny azy nandritry ny taona maro nivadibadika ny etsy anoloan’ny Rotsirotsy, akaikin’ny EPP Andravoahangy. Efa nisy fanamboarana ihany io làlana io saingy asa na ny fomba nanàovana azy no nisy tsy nety, na ny ataon’ny olona monina eny sy ny mpandalo koa no manimba azy, fa jereo anie ny fahasahiranana rehefa tonga ny orana e! Tsy tratry ny sary moa ny fako (tavoahangy plastika, sachets maro isan-karazany, sns…) navoaky ny rano avy any anaty dalle tany. Toerana fipetrahan’ireo mpivarotra amoron-dàlana rehefa tsenan’alarobia sy nay andavanandro koa io toerana io.

Ny sary hitanao eto dia ny rano efa somary nidina, fa rehefa ilay mbola ao anaty orana iny no mandalo eo ianao, dia tsy maintsy manofa Posy, na miandry ny orana hidina vao afaka mandeha. Na ny fiara fitaterana aza dia sahirana tokoa. Toy io ihany koa ny manoloana ny banky BOA izay tsy lavitra eo fa miala kely tokony ho 50 m miankavanana eo amin’ny sary.

sunp0019.jpg

sunp0020.jpg