Lesona 2 : Fanasokajiana ny Rivodoza

NY RIVODOZA ao amin’ny fari-dranomasina atsimo andrefan’ny ranomasimbe indiana. (BASSIN SW de l’OI)

Classification_PertTrop

classification_PertTrop2

(Loharano : Météo Madagasikara)

Publicités

Lesona 1: Momba ny fampiasàna ny LOKO mandritry ny andro ratsy sy rivodoza

NY CODE COULEURS:
ALERTE VERTE (Maitso): AVIS D’AVERTISSEMENT/ LOZA FANAIRANA
ALERTE JAUNE (Mavo): AVIS DE MENACE/LOZA MANAMBANA
ALERTE ROUGE (Mena): AVIS DE DANGER IMMINENT/LOZA MITATAO
ALERTE BLEUE (Manga): ALERTE LEVEE/ANY AORIAN’NY LOZA

codecoul_fr

fampiasana Loko

alerte Verte

alerte Jaune

alerte Rouge

Loza Fanairana

loza Manambana

loza Mitatao

Mpiara-miasa sy loharano: Météo Madagasikara

Andro ratsy mihaodihaody

Misy andro ratsy mihaodihaody any amin’ny 1800 km Avaratra.Atsinanan’ny Mascareignes.

Mety mbola lavitra angamba hoy ianao, saingy tsara kokoa ny efa miomana mialoha, noho ny tsy nahalala na ninia tsy nahafantatra

AandroRatsyAndroRatsyIreto ny anaran’ireo rivodoza voalahatra ho amin’ity vanim-potoam-pahavaratra ity

Anarana Firenena nanolotra Lahy sa Vavy
Adjali Comores Vavy
Bansi Maurice Lahy
Chedza Botswana Vavy
Diamondra Madagascar Vavy
Eunice Zimbabwe Vavy
Fundi Kenya Lahy
Glenda Afrique du Sud Vavy
Haliba Swaziland Vavy
Ikola Tanzanie Vavy
Joalane Lesotho Vavy
Kesha Seychelles Vavy
Lugenda Mozambique Vavy
Mahara Malawi tsy mifidy
Nathan France Lahy
Oscar Afrique du Sud Lahy
Puleng Lesotho Vavy
Quotto Madagascar Vavy
Roselina Mozambique Vavy

Rivodoza / Cyclone ABELE

mNa dia tsy dia atahorana loatra ho an’ny faritra misy antsika, Madagasikara,  aza ity fiandohana rivodoza voalohany aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Ocean indien ity, dia tsara ihany ny mba mahalala azy. Tsy atahorana satria tsy mbola ampy ny fepetra rehetra mety hahafahany mivoatra ho tonga amin’ny maha rivodoza, noho ny maripànan’ny rano mbola tsy tonga amin’ny tokony hahafeno azy…. Na izany aza dia mety hanatona ihany ny faritra manakaiky antsika iry, toa an’i Maorisy sy La Réunion….

Raha tsy tratrany moa ny fepetra haha-rivodoza azy dia mety ho foana eo amin’ny maha-TTM (Tempete Tropicale Moderée) azy izy ka i Maorisy (Maurice)androany Alarobia no manome ny anarany amin’iza fotoana izay, izay tokony ho ABELE raha ny fandaharana ao anatin’ny vanim-potoana 2010-2011… Anaran-dehilahy nofinidin’i Lesotho ny hoe ABELE.

Fisaorana ho an’i Lionel ao amin’ny Météo Réunion (Merci Lionel, de Météo Réunion)

Rivodoza Edzani

Edzani, izany no anarana nomen’ny sampana mpanaramaso ny toetr’andro ao Maorisy ho an’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny Ranomasimbe Indiana omaly Alarobia. …

nahazo anarana avy amin'i Maorisy ilay faritra andro ratsy

Mizotra Andrefana-Atsimo Andrefana ny làlany , amin’ny hafainganam-pandeha  9 km/ora.

170 km/ora ny rivotra entiny eny an-dranomasina eny.

sary avy amin’ny http://www.m-r.li/cyclone/08_20092010/exp_microond_07011010.html

Vinavinaina hipaka an-tanety eto Madagasikara izy ity afaka herinandro eo ho eo.

Rivodoza faran’ny taona (DAVID)

Araka  ny fanarahan-dia farany ny rivodoza DAVID dia nihanahazo hery ao amin’ny Ranomasimbe indiana izy. Mety hiditra amin’iny sisiny atsinanan’ny Madagasikara iny izy afaka 2 na 3 andro eo raha tsy misy fiovana.

Dia efa miomana izany araka io voalaza io fa dia mety ho ao anaty orambe sy rivo-mahery ny fankalazana ny faran’ny taona sy ny fandirana amin’ny taona vaovao 2010.

Rivodoza DAVID

Efa nahafeno ny fepetra ahafahana manome anarana azy ilay faritr’andro ratsy tao Avaratra-Atsinanan’ny Mascareignes androany, ka dia nomena ny anarana hoe DAVID.

Mba tonitony aloha ny toetr’andro teto Antananarivo androany tontolo. Tsy nisy ny orana. Izay rahalina no asa.

Arahantsika eny ihany ny fivoaran’ity faritr’andro ratsy ity. Raha ny filazan’ny manampahaizana dia hihamafy izy ity ato anatin’ny 3 na 4 andro eo ho eo.

Hatreto dia mikisaka Andrefana- Avaratra Andrefana ny diany, ary mety hivadika tampoka ho Atsimo-Atsinanana ary hivadika ho Andrefana – Atsimo Andrefana indray noho ny fisian’ny Anticyclone avy ao Atsimon’ny Mascareignes.