Andro ratsy mihaodihaody

Misy andro ratsy mihaodihaody any amin’ny 1800 km Avaratra.Atsinanan’ny Mascareignes.

Mety mbola lavitra angamba hoy ianao, saingy tsara kokoa ny efa miomana mialoha, noho ny tsy nahalala na ninia tsy nahafantatra

AandroRatsyAndroRatsyIreto ny anaran’ireo rivodoza voalahatra ho amin’ity vanim-potoam-pahavaratra ity

Anarana Firenena nanolotra Lahy sa Vavy
Adjali Comores Vavy
Bansi Maurice Lahy
Chedza Botswana Vavy
Diamondra Madagascar Vavy
Eunice Zimbabwe Vavy
Fundi Kenya Lahy
Glenda Afrique du Sud Vavy
Haliba Swaziland Vavy
Ikola Tanzanie Vavy
Joalane Lesotho Vavy
Kesha Seychelles Vavy
Lugenda Mozambique Vavy
Mahara Malawi tsy mifidy
Nathan France Lahy
Oscar Afrique du Sud Lahy
Puleng Lesotho Vavy
Quotto Madagascar Vavy
Roselina Mozambique Vavy
Publicités

Faritra andro ratsy (Système depressionnaire)

(sary avy amin’ny http://www.m-r.li/a_suivre.html)

Andro ratsy faha-8 mananontanona aty amin’ny ranomasimbe indiana (océan indien) ity miseho any amin’ny 3300 km atsinanana/avaratra-atsinanan’ny Nosy Mascareignes ity. Tsy mbola misy aloha ny atahorana hatramin’izao. Nefa kosa tsara ihany ny anaraha-maso akaiky azy, raha araka io sary io. Raha tsy levona alohan’ny fotoana izy ity dia hahazo ny anarana Edzani

11km/ora ny fikisahany, 998hPa ny trindry eo amin’ny ivony, 46 km/ora ny rivotra eo amin’izay ivo izay raha 65 km/ora kosa ny tafiotra aterany eny an-dranomasina

Sary ho fanaingoana fotsiny (mason'ny rivodoza FIRINGA)

fanampim-baovao azo ny 07 janoary 2010: tsidiho eto ny tatitra avy amin’ny IRN

Rivodoza DAVID

Efa nahafeno ny fepetra ahafahana manome anarana azy ilay faritr’andro ratsy tao Avaratra-Atsinanan’ny Mascareignes androany, ka dia nomena ny anarana hoe DAVID.

Mba tonitony aloha ny toetr’andro teto Antananarivo androany tontolo. Tsy nisy ny orana. Izay rahalina no asa.

Arahantsika eny ihany ny fivoaran’ity faritr’andro ratsy ity. Raha ny filazan’ny manampahaizana dia hihamafy izy ity ato anatin’ny 3 na 4 andro eo ho eo.

Hatreto dia mikisaka Andrefana- Avaratra Andrefana ny diany, ary mety hivadika tampoka ho Atsimo-Atsinanana ary hivadika ho Andrefana – Atsimo Andrefana indray noho ny fisian’ny Anticyclone avy ao Atsimon’ny Mascareignes.