Asandrato ny feonao ! #raiseyourvoice

#RaiseYourVoice Asandrato ny feonao ! Izay no lohahevitra voizin’ny andron’ny bilaogy androany (#blogactionday  #‎Oct16‬ ‪#‎BAD2015‬ )

Asandrato ny feonao! Asandratra ho an’iza anefa? Ho an’ny mpitondra ihany ve? Ho an’ny mpiray firenena? Ho an’ny eto anatiny irery? Sa ho an’izao tontolo izao?

Isan’ireo tsy mba nanaiky, ary tsy manaiky sy tsy hanaiky ny hangina aho isak’izay misy zavatra fantatro fa tsy rariny ary tokony hanandratako ny feoko! Tsy manoloana ny herisetra ara-nofo atao amin’ny hafa ihany anefa, fa izay rehetra mety ho endrik’izany herisetra izany (ara-tsaina, ara-panahy koa). Ary tsy anavahako toerana ihany koa!

Zavatra iray isan’ny nahataitra ahy ny fanakànana ahy tsy ho afaka intsony manaitra (mandefa notification) ho an’ny pejy Facebook-n’ny Fiadidiana ny Repoblika. Tany aloha anefa dia tsy nisy izay olana izay. Fanaoko mantsy izany isaky ny misy zavatra tiako hampahafantarina azy ireo sy hisarihana manokana ny sainy momba ny fiarahamonina sy ny fiainana andavanandron’ny Malagasy. Asa inona loatra no antony? Izay izaho ve dia tokony ho atahorana? “Vitsika itsahako aza tsy maty”, hoy ny namako rehefa mivazivazy iny. Koa dia gaga ny tena.

Sakafo iainan’ny Malagasy izao ny fahatapahan’ny herinaratra maharitra ora maro, ary tena maharitra ora maro tokoa. Tsy misy tsy mitaraina. Mitaraina saingy tsy sahy miteny imasom-bahoaka, mitaraina saingy tsy sahy mihetsika. Satria nahoana? – Matahotra ny hohenjehana sy hifanehatra amin’ny EMMO (fitaovam-panjakana entina hamoretana sy hanampenana ny vavan’izay tsy faly)

Eto anefa aho dia hanandratra ny feoko indray mandeha indray, ho anao Atoa Hery Rajaonarimampianina. Tsy mba vavan’olona hafa, na teny nampitaina mantsy no nanome toky anay vahoaka izay tompon’io fahefana omena tantaninareo io, dia izahay vahoaka izay mandoa ny karamanareo, izahay vahoaka izay ampijalianareo — eny, Andriamatoa, tsy vavan’olona hafa fa ny anao no nanome toky anay sy nilokaloka ary nanizingizina fa fotoana fohy monja no ilainao hanafoanana ny fahatapahan’ny herinaratra (#Delestage). Nanome fepotoana mihitsy aza ianao tamin’izay fotoana izay: 3 volana, 6 volana…Fa toa izahay vahoaka indray ity, raha ny marina, no v(oa)olana am-bolana maro, na an-taonany mihitsy.
Izaho akory tsy milaza hoe tsy nisy ny fahatapahana tany alohan’ny nitondranao. Tsy marina izany, Tena nisy tokoa. Saingy amiko(-nay), ny tenin’olondehibe – ary tsy olonolom-poana ianao—dia tokony homena voninahitra amin’ny alàlan’ny fanatanterahana azy ho asa (fa tsy kabary mitefotefoka sy mihevotrevotra fotsiny). Nampiharinao taminay ny matoritoria fa hanaterana hena, fa hay harona foana tsy misy na inona na inona no teny an-tànanao, dia iny no tianao horaisinay…Tsia, Andriamatoa, tsy ekenay ny tahaka izany. TANTERAHO NY FANOMEZANA TOKY NATAONAO…satria averiko indray, ny vavanao no nilaza io lokaloka io (araka ny hita amin’ny lahatsary etsy ambany) ary tsy olona mamo ianao raha niteny izany fa vory saina tsara mihitsy, araka izany, mahalala ny zavatra lazainy sy hataony.

Matoa anefa aho tsy misalasala manoratra sy mifandray aminareo mpitondra isan-tsokajiny ireo tamin’ny alàlan’itony tambajotra sosialy itony dia tsotra ny antony: satria te-hahita fiovàna mankany amin’ny tsaratsara kokoa, manandratra ny feo mba ho renareo satria isika rehetra manambatra ny herintsika no hahavita zavatra. Zonay ny miteny, tsy hanakiana fotsiny koa anefa, fa mba manolotra hevitra hanaovana zavatra miabo ho an’ny fiarahamonina sy ny firenena. Zonay ny mihetsika mba hitondra fiovàna fa tsy hangina lava hizàka fotsiny izay zavatra miseho (indrindra fa ny tsy mety). Gaga anefa aho fa izay rehetra miteny, ary anisany izaho manoratra, dia tratry ny fanilihana sy ny sivana, mba tsy hilazako hoe fandrahonana mivantana na ankolaka. Sivana iray mahazo ahy izao ny tsy fahafahako intsony mandefa ‘notification’ amin’ny pejy Facebook-nareo Présidence de la République de Madagascar . Tsy olako izany, fa farafaharatsiny mba nahalalako hoe hatraiza no fetran’ny fahaiza-miainan’izay mitantana (ilay pejy sy ny hafa koa aza angamba).

Aleo faranako eo fa sao hiraraka eto daholo ny alahelo tsy zaka rehetra. Fa alohan’ny tena hiatoako dia averiko indray fa maharary ny vahoaka ity fahatapahan’ny herinaratra nolazainao fa hovahanao anaty 3 na 6 volana ity. Efa mianatra mantsy izao ny zanak’ireo ‘mpampiasa anao’ ireo, ka tsinjovy ihany sao tezitra eo ireo vao hosahirana tsy handray karama eo isika rehetra. Miaraka sahirana mantsy avy eo—Azafady! Hay moa tsy ao anaty rakibolanareo ny teny hoe ‘sahirana’ sy ny hoe ‘fahasahiranana’ , fa efa natolotry ny vahokaa niaraka amin’ny fahefana nomeny anareo ny ‘fahafenoana’ sy ‘ fahasambarana’. Azafady fa diso aho tamin’iny.

Ity tsy kiana fa tena zava-nisy: ilay fampanantenana POAKATY NATAONAO

————————————–

Fandraisako anjara misoratra any amin’ny http://www.blogactionday.org

Publicités

Don-Dresaka Tv Plus 26 Septambra 2015

Olana iainana isanandro ny fahatapahan’ny herinaratra. Marina fa misy manerana ny tany ny toy izany, toy ny atsy Libanona, Afrika, sy faritra hafa. Fa ny f'(h)erin’ny tena aloha no tsapa ho maharary, ka izay no ifantohan’ity lahatsoratra ity androany.

Marobe isika no mpanaraka ny fandaharana « Don-Dresaka » ao amin’ny fahitalavitra Tv Plus Madagascar. Betsaka no nifampiantso an-telefaona fa hoe hiakatra sehatra indray ny resaka ‘delestage’ izay mampikaikaika ny maro (olon-tsotra, mpandraharaha,…). Tsy vitsy ny mikamenona sy manandratra ny feony ety anivon’ny serasera ety. Nisy mihitsy aza ny famoronana vondrona « Mpanjifa Jirama« .

Misy ny miantso fihetsehana, saingy hatreto aloha dia mbola ny Wake Up Madagascar no hany sahy nirotsaka niseho an-dalambe naneho ny fanoherany ity fahatapahan-jiro sy rano isaky ny mahatsiaro ity raha ny teto Antananarivo no resahana, ny ankoatra izay dia manao adin’akoholafy fantaka fotsiny ihany sy vovòn’alika mahery an-tanàna, fa vao anangonan’ny olona vato, dia ny rambo no arovana alohan’ny zavatra hafa rehetra.

Santionany amin’ny fanehoankevitra any anaty tambajotra sosialy itony

Efa miala any ny insécurité, fanafihana teny Isotry tao anatin’ny délestage. Sa vé andrasana misy maty maromaro fa Tamin’ny ity mbola karana 1 ihany aloha vao soit ahita solutions ny fanjakana soit hihetsika raMalagasy? Grrrrr !

Voakiana betsaka tamin’izany fahatapahana izany ireo mpiasa, izay tsy sasatry ny nitondra fanazavàna hoe tsy avy amin’izy ireo velively ny antony mahatonga ny fahatapahana, ary ho fitsinjovany ihany koa antsika mpanjifa no nanaovany ny hetsika, satria tsapany fa misy fitaka bevava hanaovana izay hahaosa ny orinasa ao anatin’ilay resaka fiarahana miasa amin’ny Symbion, anton’ny nanaovany fitokonana.

Dia ny tian’zareo tenenina izany dia hoe : Midina mankeny mihintsy ny filoha sy ny minisitra manapaka ny jironay in-3 isan’andro???? Toa mahagaga izany a! Sa ve oe sarim-bavy daholo ny mpiasan’ny JIRAMA sasany ?

Anga congé ny mpiasan JIRAMATY androany f to tsis délestage

Izany anefa tsy entina hilazàna fa hoe ny mpanjifa rehetra no manenjika ny mpiasa, fa mba misy amintsika ihany no mahatakatra hoe tsy fidiny azy ireo ny manjo azy

  • Nirina RakotonarivoNirina Rakotonarivo JIRAMA=SOLIMA, efa raikitra ny zarazarao hanjakana e!! ho ela velona ny SYMBION, ENELEC, HENRI FRAISE, AGRECO sns… mbola hoavy koa ny vérité de prix fa aza mikorapaka e!!! io ny santionany rehefa tsy maharaka ny solika sy ny vola homen’ny fanjakana ireo orinasa vahiny ireo @ fotoana hilany azy dia maizina isika rehetra, tsy misy mitsinjo vahoaka izany eo nge e!

Tsetsatsetsa tsy aritra: ilay resaka ENELEC (karàna) no isan’ny nametraka ny resaka groupe WARTSILA tamin’ny taona 2007, ary mitohy mitsentsitra io orinasa io hatramin’izao, ankoatra ireo hafa mpiara-mahazo tombontsoa aminy.

Mi 2007, ENELEC a commencé à installer des centrales thermiques au fuel lourd et fournit désormais plusieurs grandes villes de Madagascar à travers le réseau de la JIRAMA que sont Antsiranana, Majunga, Tamatave et Toliara en s’appuyant sur les technologies fiables de la marque de la firme finlandaise WARTSILA avec sa gamme de générateurs Wartsila 20 et Wartsila 32.

Tsy hiverenana hotanisaina eto ireo fepetra sy famoretana samihafa nitarainan’ireo mpiasa ireo nandritra izay fitokonana nataony izay (resaka Baomba, EMMOREG, fandrahonana samihafa…) fa ny vao haingana indrindra niarahan’ny rehetra nahalala dia ny fampidirana am-ponja mpiasa 2 avy tamin’ireo mpitarika ny fitokonana. Andro maromaro talohan’io indray kosa no efa nisy andianà mpiasa nilaza ny fahavononana hiaraka hiasa amin’ny amerikàna hampihodina ny toby fihariana herinaratra ao Mandroseza.

Tamin’iny herinandro vao nifarana iny dia nanao fanambaràna fifarànana fitokonana ireo sisa ambiny. Nipetraka tao anatin’ny maro ny fanontaniana hoe : ‘Natahotra ve sao voa toy iretsy 2 voalaza teo aloha?-  Voatampina ve ny maso ka nangina?  Azo ve ny nilaina? sns… Santionany tamin’ny fanontaniana nibosesika tao an-tsain’ny maro ireo.

Rehefa nandre àry ny maro fa hiakatra sehatra indray hitondra fanazavana ny mpiasa nanao ny fitokonana, ho ao amin’ny fahitalavitra, fandaharana « Don-Dresaka », dia maro no liana, niandry…niandry…kanjo indrisy fa tsy nisy. Nikaroka tany anaty Youtube, fa tsy nahita.

Araka ny fitrandrahana tetsy sy teroa, dia toa nahazo fiantsoana hitondra fanazavana momba izay antony nifampiresahany tamin’ireo ao amin’ny intersendikaly ingahy minisitra. Taorian’izay dia tonga ny teny midina ‘avy any ambony’ nilaza fa tsy azo atao indray ilay fandaharana, tamin’ny ora farany.

Tsy hiresaka izay « demaokrasia…demaokrasia » fitanisan’ny maro aho eto, satria amin’ny sasany izy io midika fahalalahana maneho hevitra, amin’ny hafa indray midika ho fanaovana izay tiana hatao, ary ho an’ny Baroa dia midika ho ‘tsy misy bedy‘. Ialako lavitra araka izany ny hamaritra ny dikany ho anao mpamaky. Fa izay tiako, mpanoratra, hiampita aminao dia ity: Fanjakàna Polisy ve no misy eto amintsika sa Fanjakana Mpiahy? Anao no mamaly izany

Iarahantsika rehetra manaiky angamba fa lasa resaka mampizarazara ny fomba fijerin’ny rehetra ity resaka JIRAMA ity, nefa aoka ho tsaroantsika rehetra fa tsy biby fampitahorana ny mpitondra, fa isika no mampindrana azy ireny ny fahefana, manomboka amin’ny filoham-pirenena ka hatramin’ny tafika sy ny zandary ary ny polisy. Raha isika vahoaka no hifanakiana sy hifampitsikera lava eto, dia milalao ny lalaon’ireo mpitondra sy ny mpiara-dia aminy isika, ary izay indrindra aza no tanjona ezahany tratrarina mba hahafahany manao izay tiany hatao eto amin’ity firenena ity: ny vahoaka difotry ny fifampitsikerana sy ny tahotra, ry zareo miasa any ambadika amin’ny fitsentsefana sy ny fambotriana. Tianao hitohy ve ny tahàka izany?

Entina hamaranana azy ity, dia indro ny fehiny mahalaza tsara ny fihetsiky ny maro amintsika

Ny sahaza antsika dia mimenomenona eto amin’i Facebook momba ny délestage, izay no haintsika (izaho koa tafiditra anatin’izany) dia rehefa tapaka ny jiro ka tsy mandeha ny ADSL na low bat ny finday dia ajanona kely ny fimenomenomana. Dia mitohy indray avy eo. Faible loatra isika (izaho koa) ka tsy hahavita hidina an-dalambe ! Hendry loatra sa faible … ?