Fotoam-pijinjana…

Raha vao miresaka fotoana fijinjana isika dia misaina vokatra avy hatrany.

Inona avy no vokatra azo jinjaina? Ho an’ny raiamandreny manabe ankizy dia ny fahendrena sy ny fahaizana no vokatra andrandrainy. Ho an’ny ankizy mianatra dia ny laharana misoratra any anaty filazam-pahaizana, na ny fahafaham-panadinana. Ho an’ny mpiasa am-birao dia ny tambin-kasasarana noho ny asa natao rehefa tonga ny faran’ny volana. Ho an’ny tantsaha kosa, ary ity no foto-dresaka androany, dia ny fiakaran’ny vokatra eny an-tsaha.

Tsy zavatra mora ny miandry vokatra. Mba nirotsaka niaina azy io aho tamin’iny taom-pamokarana lasa teo iny. Isan’ireo mba manana tanimbary eo Betsimitatatra nolovaiko aho, ary nandray fanapahan-kevitra mba hanaraka akaiky ny fiainan’izany tantsaha mamboly vary izany, mandra-piakatry ny vokatra. (Any amin’ny faran’ny lahatsoratra ny sary rehetra)

Ny Vary Aloha (ndeha hataontsika tsotsotra hoe mandositra ranobe) no fanao eo Betsimitatatra. Atao aloha ny voly vary satria rehefa tonga ny fotoanan’ny orana sy ny rivodoza dia tsy misy azo avotana ny eny raha tondraka ny rano. Tatao anatin’ny roa taona anefa izao dia mba voafehy tsara aloha ny fandrindrana ny rano nataon’ny APIPA avy etsy Ambodimita, ka dia faly ny mpamboly. Noho izany dia tsy maintsy any amin’ny volana Jolay any dia efa atao vita karakara ny tanimbary, efa voasaintsaina ny resaka ketsa sy ny kenonkenona rehetra momba ny voly vary hatrehina manomboka eo amin’ny volana Aogositra eo ho eo raha tara indrindra. Mafotaka tokoa ny asa tanimbary, ny fihosena azy sy ny fanalàna ahitra. Manaraka avy eo ny fanetsana (famindràna ny ketsa ho eny amin’ny tena tanimbary hiandrasana ny vokatra any amin’ny volana Janoary manaraka ny fanetsana any). Manomboka eo dia tsy maintsy araha-maso ny voly natao, sao be ahitra, sao mila zezeika, sao misy tsy mety e!

Isan’ny tsy mety hita eny an-tanimbarin’i Betsimitatatra ny HALATRA. Tena ontsa tanteraka tokoa ny foko nahita ireto mpivady, izay tsy nihevitra velively fa hisy hangalatra ny voly natao sy nandrasana nandritry ny volana maro. Tanimbary iray manontolo no fongana. Lehibe tokoa ilay taninmbary, nefa mahagaga hoe tamin’ny fotoana manao ahoana no nakàna ny vary teo, ary dia tsy ho nisy nahalala ve ny olona nilatsaka nijinja teo? Nitomany nigogogogo toy ny zazakely teo amoron-tahalaka teo izy mivady, ary tsy vitan’ny hoe bongo, fa tena nivonto mihitsy ny mason’izy roa.

Na dia tsy tompon’ny very aza aho dia mba izan’izay niantso ny fitsaran’ny lanitra kosa hianjera amin’izay nahavita zavatra toy izany. Tsy tsapan’izy ireny ve fa vola sy harena miampy herin-tsandry sy fotoana maro no lany, izay vao mba mioty ny vokatry ny hasasarany ny olona? Sa dia efa malaina hisasatra sy zatra ny mitavana ny tsy an’ny tena ka tsy maninona fa ampanginina ny foen’ny fieritreretana? Ho ambaka ireo antsoina hoe mpanintsana sy mpitsimpona ve ireny olona sahy nitsetsitra ny hasasaran’ny hafa ireny? Misy tokoa mantsy ireo olona tsy mba manana tanimbary hovolena no manao izay asa fitsimbonana sy fanintsanana izay, toy izay hangalatra.

‘Ndeha hiverenantsika amin’izay ny fotoana fijinjana.

Rehefa tonga ny fotoana voatondro fa hampakarana ny vary,dia tonga eny an-tanimbary daholo ireto sokajin’olona ireto: ny tantsaha nasaina namboly sy nanara-maso ny voly, ny mpijinja, ny mpitaona sy mpively, ny mpanitsana na mpitsindroka (arakarak’izay iantsoana azy), ny mpanihika. Miandahy miambavy ny rehetra amin’izany. Saingy tsy maintsy misy ny mijanona any an-tanana mikarakara ny sakafon’ny mpanao raharaha. Asa be koa io mahandro io an; In-droa na in-telo misakafo ireo mpanao raharaha mandram-pahavitan’ny fijinjana sy ny fivelesam-bary. Ary tsy sakafo kely fa tena amin’ilay fitenin-dry zareo azy hoe ‘Sakafon’ny mpiasa’ tokoa. Ny ankizy kosa indray dia mifampitaiza eny an-tsisiny eny. Mifangaro eo ny zanaky ny Tanan-dehibe sy ny zanaky ny Tantsaha. Tsy misy fihafahafahana na ‘tsy mety hifangaro’ fa dia amin’ny fo madio sy tsy misy politikan’ny fihatsarana velatsihy no ifanosonana. Mahafinaritra ery! Raha mba ny lehibe mantsy no toy izany an! Oadray, nanonofy aho teo fa azafady!

Ny fampakarana ny vary mandeha, ny fialamboly sy fanalàna hamohamo koa tsy avela.

Tsy aleo ve ny sary amin’izay no ampiresahana fa toa lava be izy izany!

1* fiomanana amin’ny asa voly vary

2* Fandroahana ny omby hihosy tanimbary

3* Ny fotoam-panetsana

4* Mijinja ny nafafy

5* Mitaona ho eny am-pamoloana

6* Mively vary

7* Mamatratra ny voam-bary ho ao anaty gony

8* Mandraitra ny gonim-bary alohan’ny hitaterana azy ho an-tsompitra

9* Maka bahana fa hitatitra ny gony

10* Mifampitaiza ny ankizy

11* Mirotsaka ny mpitsimpona rehefa afaka ny mpijinja

sy ny mpanihika (rehefa tsy mandrara ny tompon-tanimbary)

dia manala havizanana rehefa vita ny asa rehetra

Ny fotoana fisakafoanana. In-telo raha be indrindra, ary ind-droa raha kely indrindra no misakafo ireo mpanao raharaha. mandra-pahavitan’ny fijinjana. Ny rano fisotro madio (nalaina avy any amin’ny 700 m any ho any) dia in-telo amin’ity ‘bidon’ ity vao ampy ho azy ireo.

Ny asan’ny mpanintsana: rhefa afa-po tamin’ny vely nataony ireo mpively vary dia atsipiny ny fatorana teny an-tanany. Ireny kosa indray no tatazan’ireto mpanintsana (izay tsy manan-draharaha velively amin’ny rehetra ataon’ny mpamboly sy ny tompon-tanimbary). Mitondra lafika izy ireo, ary miaraka amin’ny vy mafonja (fer rond) hivelesany ny ambi-mololo atorak’ireo mpively. Raha tsara vely ny vary,dia miala maina ny mpanintsana. Raha manao kitoatoa kosa anefa ny mpively, dia mahita hatramin’ny eraky ny sceau fitondra mantsaka izy ireo mandram-pahavitan’ny fivelesana.

Trakitra nameno tanàna omaly

Teto Antananarivo no niseho ny tantara.

Tsy an-kiteniteny ity fa dia trakitra (tract) nameno iny faritr’i Faravohitra sy ny manodidina azy iny omaly. Saiky nahazo izany daholo ny ankabeazan’ireo nandalo ny faritra. Tsy fantatra kosa hoe iza no tena niaingany, tsy nisy sonia rhateo ny hafatra.

26 janoary 2009/26 janoary 2010

Herintaona lasa izay ny Alatsinainy mainty ‘Lundi Noir 26 janoary (26 janvier)’ izay nisia’ny doro trano sy asa fandrobana isan-karazany niandohan’izao krizy iainan’ny Malagasy rehetra ankehitriny izao.

Rahoviana no hivaha ny krizy?

Miandry dia mahita!!!!!

Fanampiny : ho entina ho anao anaty lahatsoratra manokana izay mba tadidy manodidina ny andron’ny 26 janoary 2009 (Nanomboka tamin’ny fifampihantsian’ny roa tonta avy eny Ivato 25 janoary 2009 – Marc Ravalomanana, ka hatramin’ny irehetan’ny tanana ny 26 janoary)

Akon’Andoharanofotsy

Ramatoa iray monina eny Andoharanofotsy no nitatitra ny vaovao atolotra anareo mpamaky amin’ity androany ity.

Zavatra niseho nandritry ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny trano fonenan’ny olona ambony sy mpanao politika iray, sy fanta-bahoaka loatra (indrindra fa tao anatin’izao krizy izao).

Misy miaramila maromaro miambina ny tranon’ingahy io. Asa anefa, hoy ity nitantara, izay zavatra niseho fa tety ivelany tety ny sasany tamin’ireo miaramila mpiambina azy no nanapoapoaka basy. Raha nandre sy nahita izany ity ramatoabe iray (tokony ho 70 taona any ho any) dia tsy nahatanty ka niteny an’ireto miaramila ny amin’ny tsy tokony ho nanaovany izany. Teny toy ny fanaon’ny reny amin’ny zanany, hoy hatrany ny mpitantara, no nataon’ity ramatoabe ity. Nefa felaka tehamaina no nasetrin’iretsy niantefan’ny anatra nataony (Fa dia nentin’inona loatra????)

Nahita ny zava-nitranga, hoy ny mpitantara, ny tovolahy iray (tokony ho 30 taona any ho any) ka niteny koa an’ireto miaramila ny amin’ny tsy nampety ny namelahany tehamaina ilay ramatoa lehibe izay tokony ho reny , na reniben’izy ireo akory aza. Tonga dia voan’ny toto-vodibasy ilehio.

Nentina maika teny amin’ny HJRA ity farany hahazo ny fitsaboana zahaza azy. Saingy indrisy fa raha mbola teo am-pikenonkenonana hanala ny volo nanodidina ny ratra teo amin’ny lohany vokatry ny daroka vodibasy natao azy ireo mpitsabo, dia efa nandao azy kosa ilay ‘tsy roa aman-tany’. Tapitra ny ainy.

Rehefa henon’iretsy namono ary ny vaovao, hoy hatrany ny fitantarana, dia nilevim-belona tsy nivoaka tety ivelan’ny toerana nambenany intsony ireo miaramila, fa nisitrika ao an-tokotanin’ity mpanao politika malaza, izay sady mpitarika fikambanana ihany koa ity.

Tsy hay aloha hatreto na hatraiza ny andraikitra noraisin’ingahy mpanao politika sy olona ‘ambony’ io, na hatraiza, nanoloana ny voina sy ny setrasetra nataon’ireo miaramila miambina ny tananany.

Fa mipoitra ny fanontaniana manao hoe: ‘Fa manakory sy manakory tokoa moa ny fepetra ahazoana miaramila hiambina ny tena, ary firy no tokony ho isany? Raha misy afaka mitondra fanazavana dia mba zarao etoana.

Nihinana (nisotro manko e) ny amaniny…

Kay kay kay! Adala marina ity gazety ity ka. Toa miteniteny foana sy tsy nampoizina.

Tsia an! Tsy adala araka ny anarana nomena azy ny gazetyAdaladala, fa tena zava-nisy ary ara-bakiteny tokoa no lazaina sy tondroin’iry lohateny ery ambony iry.

Tsy mbola afaka ao an-tsain’ny maro, ary mbola ambetin-dresaky ny fampahalalam-baovaoa maro manerana ny tany ny fahavoazana naterak’ilay horohorontany mahery vaika tany Haiti.

Raha voalazan’ny mpitondra tenin’ny firenena mikambana tokoa mantsy tamin’ny sabotsy teo (taorian’ny nilazana fa hitsahatra amin’izay ny asa fikarohana ireo tra-doza) fa hoe tsy midika izany fa tsy afaka ny hihetsika ireo mpamonjy voina rehefa misy antso atao azy ireo, dia mbola nisy tokoa ny olona hita velona na dia efa andro folo mahery taty aoriana aza. Betsaka rahateo ireo mpamonjy voina avy amin’ny firenen-tsamihafa tonga any an-toerana.

Fa ny tena nahatonga ny lahatsoratra dia ny hoe, rehefa tiana tokoa ny hiaina, na hitazona izay aina kely sisa ananana, mandra-pahita izay ho tohiny, dia mahavita manao ny tsy fanaony amin’ny andro ‘tsy maha-ory’ ny olombelona. Fahiny, raha tra-doza tany an-tendrombohitra feno ranomandry tany ny vondron’olona vitsivitsy, dia tsy nahita hohanina. Ala-olana mba ho fihazonana ny aina, dia nohanina ny fatin’izay tsy tafita. Nofinidy manokana ny faritra bebe nofo. Natao izany mandra-pahatongan’ny vonjy. Fa  ny an’ity tovolahy iray tany Haiti ity kosa, mba ho fihazonanana ny aina, dia ny fivalanandranony (pipi na antsoina koa hoe amany) no sotroiny isak’izay mihetsika. Sitrany ahay mba avotra izay ho avotra. Ary dia naha-avotra azy tokoa ilay ‘nanao ny tsy fanao’. Tena ara-bakiteny mihitsy e! NIHINANA NY AMANINY LERY VAO TAFAVOAKA VELONA.

Mino aho fa tsy nahatohina anao ny lohateny rehefa hijery ity lahatsoratra (amin’ny teny frantsay) entin’ny rohy omeko anao ity ianao.

Izaho tsy hiteny hoe manaova toa azy, fa na izany aza, rehefa misy ny mahazo (sanatriavina anie izany), aza mihafihafy, aza menatra rehefa tsy misy mahita, raha izay no hanavotanao ny ainao, mandra-pisian’ny tara-pamonjena tsy hay hoe rahoviana no ho avy.

Tsiky kely aloha e! Zaaaaayyyyyyyyy! Misaotra.

Tsy an-kiteniteny..Serasera

*

Dikanteny malalaka:

* olona 90 no voan’ny gripa H1N1 dia ny rehetra no te-hanao saron-tava

* olona 5 tapitrisa no tratry ny SIDA, fa tsy misy na iray aza mety hanao fimailo

* olona 1000 no matin’ny gripa A ao anatin’ny firenena manan-karena iray, dia loza be izay

* An-tapitrisany no matin’ny tazo any Afrika, azy ny azy…

Aelezo..

Fa ahoana ihany e…?

Mba niara-nandeha an-tongotra nombam-bady aman-janaka aho androany hariva. Nialana kely ny fitaingenana kodiaran-droa. Ilaina rahateo ny mampiasa vatana.

Tanjona ny mba hanome toerana ho an’ny fianakaviana, fa dia efa tototry ny asa sy ny fanarahana ity raharaham-pirenena ity loatra ny saina amam-potoana mandritry ny herinandro. Tsy avelan’ny zava-panao tsy hitoditodika anefa.

Zavatra telo no voamariko teny an-dalana rehetra teny.

Voalohany, ny mpivarotra ‘anaty arabe’ (fa tsy amoron-dàlana intsony). Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana ny tanàna (RAKOTONDRAVAHY Edgar) tamin’ny hanesorana azy ireny teny amoron-dàlana ka nametrahana azy ireo tamin’ny toerana voatondro mazava (Namontana, Petite Vitesse, Behoririka…). Naàto nandritra ny andro vitsivitsy ny fakàna hàban-tsena noho ilay fandaminana natao, ary nolazaina avy eo fa miverina nanomboka tamin’ity herinandro ity. Anisan’ireo hitakiana haban-tseana ary ve ireto mpivarotra anaty arabe ireto? Tsy fantatro ny valiny. Fa raha ny zavatra hita aloha dia mitombina foana ny fitsarana nataon’ny rehetra tany aloha tany hoe ‘sadasada manan-tsoratra ilay fandaminana’. Ny teto amin’ny GazetyAdaladala moa dia efa nametraka fa hampikorontana ity fandaminana noraisina ity. Indrindra fa toa lalaovina sy tsy atao araka ny tokony ho izy ny fampiharana ny lalàna sy ireo teny nomena momba izany. Androany fotsiny izao dia nandrenesana feo ny mpivarotra iray etsy anatin’ny araben’i Behoririka (ilay midina avy any amin’ny magazay lehibe IRRESISTIBLE – ex-GAULOISE- Soarano iny) fa hoe ‘manao risoriso sy mifidy tavan’olona ireo mpiasan’ny Kaominina manao ny asa fandaminana eny an-toerana. Misy hoy izy ny mpivarotra ilazàna mba handositra, ary misy ireo tonga dia raofina ny entany. Miverina indray ny fangalam-pierin’ny mpivarotra ‘amoron-dàlana sy anaty làlana’ miaraka amin’ireo mpiasan’ny Fivondronana sy ny fiara manga-beny, tonga hatrany amin’ny faritry ny tetezana sy ny mizotra ho any Andravoahangy iny izany tranga izany. Fa ahoana ihany e? Mifanatrika eo ireo mpivarotra  nalàna ka natsofoka ao am-bàla, sy ireo mibodo ny làlam-bahoaka ho toeram-pitadiavam-bola. Dia mandram-pahoviana no handraisan’ny mpitantana ny tanàna (CUA) andraikitra hentitra sy matotra e? Sa mbola andran’asa no natao tamin’iny fotoana iny?

Faharoa, manomboka eo anoloan’ny Lisea RABEARIVELO manitsy mankany afovoan’Analakely sy ny mivily hivoaka aty amin’ny NAZA Electronic. Tsy misy hafa amin’izay miseho etsy Behoririka ny zavatra hita eny amin’io faritra io. Tsy misy firaharahàna ny mpandeha an-tongotra sy ny mpampiasa làlana izany mihitsy, fa hatrany anaty fiolahan-dàlana aza dia ametrahana entam-barotra, na rehefa tsy ny entana, dia ny mpivarotra no mametraka ny sezany ao anaty làlana fa ny entana kosa eo ambony ‘trottoir’. Fa ahoana ihany e? Ampiharina ve ity fanadiovana an’Antananarivo sy ny arabeny ity sa inona no andrasana sy antenaina ao ambadik’izao rehetra izao e? Mahagaga an! Mahatalanjona.

Fahatelo, dia ny fanakànan’ny Pôlisy’ ny fiara mpitatitra hitanay teny Behoririka nanoloana ny tranoben’ny Fifankatiavana Sinoa-Malagasy. Roa ireo mpitandro filaminana nanakana ny zotra 144 teo amin’io toerana io. Tsy hainay izay antony aloha satria efa nijanona ela teo ilay fiara mpitatitra no tazanay lavitra, ary tsy niala raha tsy efa tonga teo akaiky teo izahay. Fa ny tena tiana hahatongavana dia ity; ny iray tamin’ireto mpanàkana no nàka ny taratasin’ny fiara, fa ny iray kosa nandeha niala lavidavitra somary niakatra ny làlana mankany amin’ny tetezana (làlana hizoran’ilay fiara rehefa avy eo). Hay ka efa nitsena azy tany aloha tany ny mpandray saran-dàlan’ilay zotra 144 voasakana teo. Nandeha ny ady varotra, ary tsy tazan’izy ireo sy tsy nalehan’ny sainy mihitsy izahay mianaka manaraka mora sy mihaino ny resaka nifanaovan’izy ireo avy ato aoriana (indrisy fa tsy nànana fitaovana nandraisana ny feo izahay, fa raha tsy izany dia tena vaovao ‘nilay be’ izy ity). Ny anton’ny ady varotra dia tsy inona fa ny mba hamerenana ny taratasy sy izay ho takalon’izany. Sarotra ho an’ireto mpitatitra rahateo ny toe-javatra nitranga satria ao anatin’ny faran’ny herinandro no voakapa ranjo. Ka raha tokony handoa vola any amin’ny birao ihany ve, tsy aleo mifampiraharaha amin’ingahy ‘sefo’ ety ambony ‘trottoir’, amin’izay ny taratasy azo, ny fotoana tsy very, ny tena tsy mahazo ‘lagy’? Fa ahoana ihany e? Fa tena mbola tsy ampy ve ny nanondrotana sy nanomezana tombon-dahiny an’itony sokajin’asa itony efa hatry ny fitondrana Ravalomanana sy hatramin’izao Tetezamita izao e? Mahalasa saina ihany mantsy fa toa lasa toy ny ‘sotro ranon-tsira’ angamba ny fahazoana vola be ho tambin’asan-dry zalahy ireny ka tsy mety fa toa vao maika mampitady zavatra hosotroina foana.

Rehefa mba anontaniana ny anton’ity tsy fetezana hanaraka lalàna sy fandaminana ity ry zalahy, dia valinteny azo foana ny hoe

‘ka mbola tsy mivaha ny krizy tsinona k’ah!

Ka alefa ihany ny fanontaniana hoe ‘FA AHOANA IHANY E?