Michel sy ny atelier ZAVA MANENO

Nisy fampisehoana mivelatra nokarakarain’ny Alter.native tao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano (Gymnase Couvert Ankorondrano). Nifototra tamin’ny resaka momba ny Tontolo iainana izy io. Isan’ireo izay nandray anjara tamin’izany ny Atelier ZAVA MANENO.

100_30941

Saiky zava-maneno vita avy amin’ny Bamboo (ireny volotara be irony) no tena vokarin-dry zareo.

Iray amin’ireo mpamorona ao amin’ity atelier ity i Michel. Izy no namorona ny Ala-maneno, ny Ela-maneno

100_31011

ary ny Tangorona (amponga madinika 14 milahatra ary azon’olona maro iarahana mively). Misy ny ampahantsary (vidéo) niresadresahana taminy, nefa noho ny fikirakirana ara-tekkinika dia mbola tsy afaka ampakarina etoana izany, fa homena antsika amin’ny manaraka raha mety ilay izy.

Mandra-piandry an’izay anefa dia atolotra anareo eto ny sarin’ireo vokatry ny atelier ZAVA MANENO

Isan’ny zavatra manavanana an’i Michel ny fanamboarana amponga avy amin’ny voatavo, na dia eo aza ireo karazan’amponga hafa. Raha ny filazany dia miara-miasa amin’ny tarika toy ny an-dRAJERY sy ny hafa izy. Saingy noho ny fitadiavana dia samy mandeha samy mitady aloha izao, fa rehefa misy ny tokony hifanatonana sy hifanampiana dia mivondrona indray ny mpanakanto. Ka dia velona eo ny kidaombaramita.

100_30971

100_30981

100_30991

100_31001

Nolazain’i Michel fa isan’ny antony nisafidianana ny Bamboo ny fahafahan’izy io manone solofo hainga aorian’ny fanapahana azy. Amin’izay hoy izy tsy dia miantraika loatra amin’ny tontolo nakana azy ny fakàna ny akora hanaovana ilay zava-maneno

100_31021

100_31051

TELMA ve ‘mitapy’ e?

100_3136MIsy ora telo ireto omeko anareo mpamaky. Samy nandefasan’ny TELMA hafatra ho ahy avokoa. Ary tsy izaho irery no nahazo ireo fa izahay rehetra (5) ato an-trano.

Andro 24-10-2009, 10h 42 alina

Andro 24-10-2009, 11h 52 alina

Andro 24-10-2009, 12h 38 alina

Hafatra (mitovy foana an!) : Pour votre fidélité, TELMA vous a offert 500 ar de crédit le 23 octobre 2009. Merci pour votre confiance.

Dia nony nifoha maraina ianao nijery ny fahana ao anaty findainao dia mahita toy izao:

Votre crédit est de  2 Ar, valable jusqu’au 20 jan 2010. Compte bonus: …Ar vers toute destination, …SMS vers Telma, 500 Ar vers Telma.

Avy eo indray, misy hafatra vaovao miditra amin’ny finday manao toy ity manaraka ity:

andro 25-10-2009, 11h 18 antoandro

Le ministère de l’envirionnement a un message à vous transmettre. Merci d’appeler gratuitement le 034 05 620 04

Mbola samy nahazo an’io daholo koa izahay 5 ato an-trano an! Ary mino aho fa ny mpanjifa rehetra ao amin’ny TELMA mihitsy.

Fa nony injay ianao nipingapinga niantso ilay laharana nomena dia hoy ny hafatra :

Votre appel ne peut aboutir car vous n’avez pas accès au service.

Dia nanandrana niantso laharana hafa mihitsy amin’izay ny tena mba hojerena ny fandehany momba ilay fanomezana 500 Ar (Telma miantso Telma io), dia akory ny hagaganao fa hoy ny hafatra hoe:

Votre crédit est insuffisant pour cet appel.

Mahagagaga an! Mahatalanjona. Fa iza no tiana hanaovana sangisangy e? Sa tena heverin’i TELMA ho paiso daholo ny olona rehetra, ka lalaovina amin’ilay hoe ‘vous a offert’. Fa efa lany andro’ izany ilay fanomezana (périmé) ka nivadika ho fanomezana misy poizina (cadeau empoisoné).

Miala tsiny aminareo mpiasa ao amin’ny TELMA aloha ny tenako fa dia izany no zavatra nisy e. Koa, na ianareo manome, na ampirimo any aminareo any ny anareo fa aza adalaina toy izao ny be sy ny maro.

Raha zavatra tokony ho nomenareo tamin’ny 23-10-2009 ve dia aty amin’ny sasakalin’ny 24-10-2009 ny hafatra vao tonga any amin’ny tsirairay?  Sa fialàna bala amin’ny resaka masiso ao amin’ny TELMA ao indray koa io zavatra mitranga io? Tsy fantatro!

Soa ihany aloha fa tsy ny tolotrareo irery no ampiasainay fa raha tsy izany dia mety ho azonareo atao amin’izay tianareo ny rehetra.

Dia mba aiza ilay teny filamatra hoe  ‘TELMA, Fixe, mobile, internet voalohany eto Madagasikara ». Toa resaka kobaka am-bava fotsiny. Sa diso aho?

Valin’ny Fitorian’i Monja sy resaka ‘Praiminisitra 4’

Dia manan-karena amin’ny lafiny maro marina ity Madagasikarantsika ity ka! Tsy ny harena an-kibon’ny tany ihany, na ny anaty ranomasina, na ny tany midadasika sy azo volena, na ny olona afaka miasa, na ny antoko politika.  Ary tena tsy diso aho milaza hoe ‘olona afaka miasa’. Raha jerena amin’ireo ‘praiminisitra 4 be izao’ ireto: Monja Roindefo, Manandafy, Mangalaza, Manorohanta. Tena ‘4-M*’ zalahy a! Ahatsiarovako namana manokana ny hoe ‘4-Mi’, kopa-tànana ho azy e!

Dia tena efa tsy lany olo-manga tokoa i Gasikara an! Ary maninona tokoa moa raha miaraka mipetraka anaty Lapa iray ry zareo ireo dia miaraka mampandroso ny tany sy ny firenena e? Amin’izay samy tomponandraikitra amin’izay fandehanana na fikatsoan’ny raharaham-bahoaka.

Tsy izay anefa no misy fa iray ihany no afaha hitoetra, ary dia iadiana mafy tokoa ny amin’izay satria ‘te-ho lohany‘ daholo, satria samy ‘favy‘.

Amin’ny 3 ora tolakandro mahery izao eto Madagasikara. Dia ampitaina ho fantatry ny rehetra fa Tsy mahefa hanao ny fitsarana ny conseil d’état ka dia nolavina ny fitorian’i Monja Roindefo. Izay no valin’ny fitoriana nataony teny amin’ny Conseil d’état. Ary dia efa valinteny nomen’ny fitsarana azo lazaina ho ny faratampony no navoaka, ka tsy misy fitsarana hafa azo atao intsony.

**************************************xxxxxxxxxxxx***********************************

Na eo aza ny fahasarotan’ny raharaham-pirenena, tsy misakana anao izany  hitsidika ny BOMBs , ka handatsaka ny anjaranao ho an’ity blaogintsika ity ho fanohanana azy.

BestOfMalagasyBlogs

BestOfMalagasyBlogs

Marisarisa ny rehetra

Sempotry ny setroka Antananarivo

Sempotry ny setroka Antananarivo

Marisarisa ny rehetra eto andrenivohitra amin’izao fotoana izao. Maro ny antony mahatonga an’izay: eo ny doro tanety manempotra sy mitondra fahamainana any anaty orona sy ny maso any, fa eo indrindra koa ny toetrandro izay manafaingana ny fipongatry ny aretina isankarazany.

Fotoana vitsy monja dia nipariaka eran’ny Nosy ny gripa AH1N1. Eran’ny Nosy, satria raha teo Antananarivo, tamin’ny alalan’ireo mpianatra avy niala sasatra tany Eraopa no niandohany, dia efa nahitàna tranga koa ankehitriny any amin’ny faritra. Efa zato mahery izany izao (193)  ny tranga AH1N1 hita eto Madagasikara. Tao Ambanidia sy Tsiadana no vao nisy hita indray omaly.

Be ny mitaraina ho marary an-doha, ao ny milaza ho sempontsempotra. Miakatra ny maripana iainana isan’andro. Tsy atao mahagaga izany raha ny fahitàna an’Antananarivo miaina ao anaty setroka isan’andro vaky izao. Vao omaly izao dia tanety midadasika no nifamonjena tany amin’ny 60 Km miala ny renivohitra. Nandefasana fiaraben’ny mpamono afo mihitsy. Tsy mbola hay izay niafarany any na maty ny afo na efa nahazo ny ala manodidina an’Antolojanahary.

Tsy ny lanitra no manga fa ny rivotra fohana

Tsy ny lanitra no manga fa ny rivotra fohana

Tsy ny doro tanety ihany anefa no manempotra ny mponin’Antananarivo fa eo koa ny setroka avoakan’ny fiara eran’ny làlana.  Efa tsy misy intsony ve ny fanaraha-maso ireny fiara midonaka be ireny e? Sa dia efa tonga soa indray Ragoragora sy ny Rainizavona amin’ny fitsarana fiara?

Hatramin’ny fotoana nametrahana azy dia an-jatony isan’andro ny antso voarain’ny 124 mba hanontany vaovao na toro-hevitra momba ny gripa AH1N1. Azonao atao koa ny miantso izany maimaim-poana. 184 ho an’ny antso Fixe.

SAMIFIN:Tamba-jotran-jiolahy mihaja

Namory ny mpanao gazety ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny SAMIFIN, Razaraniaina Jean Claude,  omaly. Tamin’izany no nanaovany tatitra momba ny fanaraha-maso ny fanadiovana vola maloto sy ny trafics isan-karazany.

Nambarany àry fa misy dia misy tokoa ny tambajotra mpamoaka  vola vahiny (devises) sy vatosoa sarobidy (volamena, sns…) ary mpampiditra entana eto amin’ny firenena tsy mandalo ny fanaraha-maso sy tsy mandoa haban-tseranana. Vola izay tokony hiditra any anaty kitapom-bolam-panjakana.

Tambajotra lehibe izy ity satria ahitàna mpamongady amin’ny resaka Quincaillerie, mpiasa amin’ireo kaompaniam-pitaterana an’habakabaka (mpanamory ‘pilotes’, mpikarakara ny mpandeha eny ambony fiaramanidina ‘stewards/hotesses’, mpitandro filaminana, mpiasan’ny fadintseranana ‘douaniers’ …)

Efa maty paika tanteraka ny fomba fiasan’izy ireo amin’izany ary saika isan-kerinandro na isan-tapa-bolana no misy vola vahiny, na vato sarobidy anaty valizy kely mivoaka antsokosoko eo Ivato.  Antsoin’ny « Atidohabe »  mialoha ilay tomponandraikitra eny Ivato, alohan’ny hiondranan’ny mpandeha rehetra, ary ilehio no mitondra ny valizy kely sy mametraka azy any anaty fiaramanidina amin’ny toerana tokony hipetrahan’ilay olona hitondra izany. Izany hoe mandalo sous-douane tsy misy olana mihitsy ny fananam-be eto. Ary any anaty fiaramanidina vao mihaona ny entana sy  ny tompony rehefa avy nampitain’ingahy mpanelanelana ny laharan’ny seza mifanandrify tokony hipetrahan’ilay mpandeha. Maro ny mpaniraka, fa ny mpiray tsikombakomba kosa dia mitoetra ho ny teo ihany. Ny làlan-kizoran’ny entana kosa dia mandalo any Frantsa na Bangkok na Afrika Atsimo na Kenya vao mipaka any  Dubaï rehefa miala eto amin’ny Nosy, saingy rehefa miverina dia mandalo kely atsy Maorisy vao mankaty Madagasikara, amin’ny endrika entam-barotra toy ny kojakoja elektronika fampiasa an-tokantrano, na kojakoja fanolo, sns… Tsy afaka mamaritra mazava ny bolongam-bola mihodina ao anatin’io tambajotra io kosa anefa ny SAMIFIN hatreto.

Momba ny filazana fa misy amin’ireo Olom-panjakana ambony mety tafiditra amin’ny resaka fanadiovana vola maloto dia nilaza ny lehiben’ny SAMIFIN fa tsy afaka mirotsaka an-tsehatra mivantana raha tsy misy fanambarana fiahiahiana ataon’ny Banky voarainy mikasika ny tahirim-bolan’ireo mpanao politika mety ho tafakatra any amin’ny lavitrisa ny volany. Sampana mpanangom-baovao sy mampahafantatra ny tomponandraikitra tandrify izany no anjara asan’ny SAMIFIN fa tsy afaka manao fanadihadiana lalina amin’ny lafiny lalàna.

Manoloana ireo rehetra ireo, sy alohan’ny hampiharana ny lalàna  dia nampiantso ireo kaompaniam-pitaterana an’habakabaka miasa eto Madagasikara, ny mpitandro filaminana, ny CIS, ny Ladoany Malagasy, ny sampandraharahan’ny Rano sy ny Ala ry zareo ao amin’ny SAMIFIN sy ny ACM.  Nilaza i Douan Clarisse, Tale mpisolo toerana ao amin’ny ACM fa efa misy tetikasa ho fanamafisana ny fanarahamaso eny amin’ny seranam-piaramanidina. Matoa mantsy, hoy izy, misy  ny tranga toy izao dia misy izany olona tsy mandray ny andraikiny ao, ary eo koa ny tsy fahampian’ny fitaovana izay vao mainka mampanano-sarotra ny asa

Dia miandry ny anaran’ireo « Atidohabe » izany isika rehetra e! Raha hivoaka indray koa aza…!

Fanambaran’ny PFNOSCM (vovonana iraisan’ireo Société Civile)

Indro atolotra ny rehetra etoana ny fanambarana izay milaza fa tsy isan’ireo mikatsaka seza ao anaty governemanta akory ny Firaisa-monim-pirenena.

« Ny Voifiraisana (PFNOSCM) miatrika ny toe-draharaham- pirenena »

Ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Nasionaly momba ny Sori-dàlana sy ny Fanaraha-maso isam-paritra sy isa-tsokajiny ao anatin’ny Voifiraisana – Vovonana Iombonan’ny Firaisa-monim- pirenena eto Madagasikara avy amin’ny Faritra 22 izay nivory ara-potoana ny 16 sy 17 oktobra 2009 teto Antananarivo (Foibe toerana Tsiadana), dia manao izao fanambarana manaraka izao :

1* / Fampahatsiahivana ny foto-kevitra ijoroan’ny Voifiraisana

Araka ny foto-kevitra ijoroan’ny Voifiraisana na ny PFNOSCM, voafaritra ao anatin’ny Vina, ny iraka ampanaovina azy ary ny velirano nataony, izay miompana amin’ny fiarovana ny fiandrianam- pirenena sy ny tombotsoam-pirenena ary ny soatoavina Malagasy, dia manamafy fa : Tsy miova amin’ireo foto-kevitra ijoroany ny Voifiraisana hatramin’ny nitsanganany (Convention nationale natao tamin’ny 23-25 jiona 2005) ;

Noho izany, dia :

* mampahafantatra sy manamafy fa ny Voifiraisana dia manana ny anjara-toerany lehibe eo amin’ny famahana ny krizy na eo amin’ny fampandraisana anjara ny vahoaka isa-paritra eo amin’ny fitadiavana vahaolana, ny fifandraisana sy fifandresen- dahatra amin’ireo ankolafin-kery efatra sy ny filohany avy ho fitsinjovana ny tombotsoam-pirenena , ny fifandraisana sy fifandresen- dahatra amin’ireo vondrona iraisam-pirenena rehetra, amin’ireo mpanelanelana vahiny sy ny Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikana, ny fifanelanelanana mivantana amin’ny samy malagasy ary ny fanentanana ny firaisa-monina sivily eran-tany hanohana ny vahoaka malagasy mankato ireo sori-dàlana narahina sy fanapahan-kevitra noraisina ary andraikitra sy asa notanterahina hatramin’izao ho fitadiavam-bahaolan a

* tohizana sy amafisina ireo fiarahana mitady vahaolana amin’ny krizy mianjady amin’ny firenena araky ny fomba fiasa izay nofaritana tamin’ny fivorian’ny CNOSS tamin’ny volana martsa 2009 : vahaolana ifanarahana, eken’ny rehetra, iombonana ary tsy misy herisetra.

2*/ Momba ny fifanarahana sy ny Satan’ny Mapotô

* ampiharina an-tsakany sy an-davany ny fifanarahana sy ny sata nosoniavina tany Mapotô 1 ary niarahana nanao sonia teto Madagasikara.

* vonona hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny Voifiraisana : ny ankolafin-kery politika efatra, ny fiombonambe iraisam-pirenena, ny GIC, ny fikambanana sy vondrom-pikambanana amin’ny sehatra nasionaly sy isa-paritra ary iraisam-pirenena Fandraisana anjaran’ny Voifiraisana sy ny hoavin’ny firenena

* handray anjara amin’ny fanomanana, ny fikarakarana, ny fanatanterahana ny Fihaonambem- paritra sy ny Fihaonambem- pirenena iarahan’ny rehetra araky ny voalaza ao amin’ny and . 17 sy 24 ao amin’ny Satan’ny Mapotô

* vonona ny handray andraikitra amin’ny fananganana sy fanamafisana ireto rafitra ireto : Conseil Electoral National Indépendant (CENI), Conseil National de la Réconciliation (CNR) ary ny Conseil Economique et Social (CES)

3*/ Fanamarihana

Zava-dehibe ny fiaraha miasa amin’ireo firenena avy any ivelany izay miara mitady vahaolana amin’ny krizy atrehin’ny vahoaka malagasy. Na izany aza anefa, dia tsy ankatoavin’ny Voifiraisana ny fitsabahana amin’ny raharaha tokantranon’ny Malagasy izay mahakasika ny tombotsoam-pirenena sy ny fiandrianam- pirenena.

Natao teto Tsiadana, Antananarivo, androany faha 17 oktobra 2009

Fréquence Plus vs Gilbert RAHARIZATOVO

Taorian’ny filazan’ingahy RAHARIZATOVO fa hitory ny Radio Fréquence Plus izy dia nanambara kosa Andriamatoa Mbinintsoa RANAIVOSON fa mangataka ny porofo avy amin’ingahy minisitra ry zareo ao amin’ny fampielezam-peo.

Tsy misy mihitsy amin’ireo tahirim-peo ananan’ny Radio Frequence Plus momba izay fanalam-baraka izay, hoy hatrany izy. Ary raha momba ny resaka amin’ny antso an-telefaonina no entina hanamarinana ilay fitoriana, dia niteny ity tomponandraikitra voalohan’ny Fréquence Plus ity fa tsy izay rehetra lazain’ny olona miantsy akory dia horaisina ho marina daholo. Manao izany fampidirana antso izany daholo moa ny ankabeazan’ny Fampielezam-peo maro eto andrenivohitra eto. Ao ny manohana, ary tsy vitsy koa ny mitondra fanakianana na fanaratsiana tsotra izao fotsiny. Ny valala misy, ny mpilaza mahay rahateo, ary  » Ny teny toy ny atody, raha foy manana elatra« 

An’iza àry ny marina? Miandry dia mahita isika eeee!

Manara-penitra ve sa tsia?

100_2981Tranobe iray etsy ambadiky ny Foiben’ny Assurance Aro Antsahavola ny ny Bongou taloha, ary ny UCB amin’izao fotoana no nisehoan’ny tantara ratsy omaly tolakandro.

Vao naorina ity trano ity, ary dia mazava ho azy fa misy ireny antsoina hoe échafaudage ireny. Avo dia avo tokoa raha ilay foto-drafitrasa.

Feon-javatra mikorontana sy mirodana no re tampoka teo. Hay ilay échafaudage no nikorotsaka. Tsy haiko na nisy naratra na tsia,fa ny zavatr voamarika avy ety lavitra ety dia nisy olona iray tavela niantona tamin’ny sisin-trano. Samy variana nihanahana nijery azy teo ny rehetra. Isan’ireny aho, ka tsy azo sary ilay zalahy raha tena tokony ho nalaina tokoa. Efa voasinton’ny namany niditra tamin’ny varavarankely teo akaiky teo izy vao samy lasa daholo namonjy ny seza fiasana indray ny rehetra. Teo vao taitra haka sary.

100_2986Androany maraina dia efa niverina niasa daholo indray ireo rehetra miasa ao amin’ilay toerana. Tsy fantatra aloha izay fandehan’ny resaka tao momba ilay niseho ny omalin’iny. Fa matoa nitohy ny asa dia tsy nisy naninona izany ny mpiasa. Angamba!!!

Fa raha sanatria tokoa moa ka nisy namoy aina toy ilay teny Mascar teo, dia mba ahoana? Ary manara-penitra ve ny nanaovana ilay échafaudage amin’ny hazo nofantsihana fotsiny, sa tsia? Avo dia avo mantsy ilay fijorony teo.

Na izany aza, efa milingilingy manao Spiderman eo indray ry zalahy androany, ka dia akory atao tokoa, ny kibo noana tsy maintsy mihinana…..

Zava-nipoaka nanaitra tanaty torimaso

100_2980

sary natao haingo

Nipaika ny tamin’ny valo ora sy sasany alina. Niomana ny hiakatra am-pandriana ny maro rehefa sasa-dahàsa nandritry ny andro. Tsitapitapitr’izay, nisy feo nipoaka somary nigobona mafy tany ivelany tany.

Niolomay niakatra tany amin’ny terasse ny tenako mba hizaha ny zava-nisy. Nitodika havia, nijery havanana, fa tsy nahatsikaritra na inona na inona tamin’iny faritra Andravoahangy, Ambatomainty, Soavimbahoaka sy ny fara-tazana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina iny.

Feno olona tazana manasongasonga ny varavarankeliny sy mifanontany eran’ny tanàna,

Fa misy inona? Inona no nitranga?

Nijanona ho fanontaniana tsy nisy valiny izany nandritra iny alina tontolo iny. Ny fiara amin’izany manao tari-dositra amin’iny ambanin’ny fiangonana Andravoahangy Fivavahana iny.

Ny tao an-tsain’ny maro dia ny hoe angamba nisy jiolahy sy mpitandro filaminana nifanenjika tany ananonanona tany.

Maraina ihany ny andro. ‘Ndeha hiasa aho ary haka ny Scooter tany amin’ny toerana fametrahana azy aho no nilazan’ilay mpiambina tompon’anjara hiditra handray ny asany iny maraina iny, fa hay olona ‘tsy ampy saina’ [fiteniny azy noho ny zava-tsy voahevitra nataon’ilay olona io] no nanapoaka afomanga tamin’iny alina iny. Valo ny fipoahana re, ary tena nitalakotrokotroka tokoa. Voalazany moa fa tezitra mafy tokoa ireo mponina teny amin’ny manodidina ilay nahavanona fitondran-tena tsy mendrika ity, ary nihevitra ny hitondra ny raharaha eny anivon’ny Fokontany farafaharatsiny mba ho fisorohana ny fiverenan’izany any aoriana. Tranga faharoa mantsy ity niseho alina ity, satria efa nisy olona nanao fety ka nanao toy io teny Mahazoarivo teny taona vitsy lasa izay.

Mandra-piandry an’izay rehetra izay anefa dia efa nandeha ny resaka eran’ny làlana. Toy ny hoe

‘Rotika mihitsy angamba izay ilay olona voatifitra alina, poa-basy izany, poa-basy izany an!’

Misy ny lalàna mandràra ny fanaovana tabataba amin’ny alina aorian’ny amin’ny sivy ora, dia ho sanatria ve izay no antony nahasahian’ilay nanapoaka azy hanao ny nataony tamin’ny valo ora sy sasany alina? Raha izay tokoa, dia efa tena mahay mampiasa lalàna izany ny olona. hihihihi

Hitory,hono, ingahy Gilbert RAHARIZATOVO

Dia re izany izao fa hametraka fitoriana noho ny fanalana baraka azy ingahy Gilbert RAHARIZATOVO. Voatonony manokana tamin’izany ny Radio Frequence Plus, izay notondroiny ho nanala baraka azy tamin’ny filazana azy hoe nanodinkodina zaza tsy ampy taona, nangala-bola tany amin’ny banky, nividianana villa présidentielle, ary voateny koa ny raharaha momba ny razan’ny mpanjaka nafindra eny Ambohimanga. Nolazainy fa misy ambadika politika avy lenta ao anatin’ilay fanalàna baraka azy

Nisy ihany koa moa ny gazety an-tsoratra nilaza momba ireo raharaha ireo tamin’ny fotoan’nadrony, saingy tsy voalazan’ingahy RAHARIZATOVO kosa na isan’izay ho tafiditra ao anaty fitoriana na tsia.

Wait and see…!