Protégé : TANDREMO ITY LAHARANA ITY FA MPISOLOKY => 034 37 831 48

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Publicités

Fampanginana ny #WakeUpMadagascar – Fanampenam-bava Ny Serasera

Ny rehetra no nahamarika fa hatramin’ny omaly efa alim-be (05 Desambra 2014) dia faran’izay nanahirana tokoa  ny niditra tamin’ny tontolon’ny serasera (ny #TELMA #Moov aloha no tsikaritro, fa tsy haiko ny tambajotra hafa). Ny alina tokoa mantsy no mba afaka manokana fotoana betsaka kokoa hanarahana izay mitranga sy hifaneraserana ny ankamaroan’ny vahoaka.

Rehefa nifoha io maraina io indray dia izao no zavatra tsikaritra: afaka miditra amin’ny tontolon’ny aterineto ianao, saingy nobahanana ny fidiranao amin’ny #Facebook (tsy tapaka tanteraka fa nohasarotina). Marihako mihitsy hoe ny fidirana amin’io sehatra iray io no nobahanana (niniana amiko fa tsy hoe antony ara-teknika) satria izay tambajotra hafa rehetra fampiasako isanandro (mavesatra lavitra noho ny FB aza) dia azo nidirana vetivety daholo.

Tahotra:

Efa andro maro ihany koa no niarahan’ny rehetra nahafantatra ny fisian’ny fanentanana nataon’ny #WakeUpMadagascar ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, mba ho avy hanao tohivakana manodidina ny farihin’ #Anosy haneho ny tsy fahazakàna intsony ny fahatapahan-jiro sy rano #JIRAMA manjo matetika ny vahoaka. Sady ho fanairana ihany koa ny mpitondra momba ny hirifiry zakain’ny vahoaka.

Raha ny lamina tany aloha (izay tsy nisy fanovàna hatreto) dia anio Sabotsy 06 Desambra 2014 amin’ny 10 ora no hanaovana izay tohivakana izay. Kisendrasendra angamba hoy ianao no nifandrifian’ireo rehetra ireo. Tsia kosa anefa hoy aho!

Tsy kisendrasendra ny fibahanana ny fidirana Facebook (FB) nanomboka omaly Zoma, nitohy androany Sabotsy. Hetsika niainga avy tao anaty FB ny Wake Up Madagascar. Tsy vitsy ny olona no nahita ny hafatra (na dia tsy nilaza mivantana ny heviny teo amin’ilay pejy aza). Nifampizaràna rahateo tany anaty vondrona (groupes) isankarazany tany ny fisiana sy ny antom-pisian’ilay hetsika, izay efa nomarihana fa hatao am-pilaminana. Nasain’ny mpikarakara ny hetsika mihitsy aza ny EMMO mba ho tonga eny an-toerana ka hamerina ny olona izay midina anaty arabe, hiverina hiakatra eny ambony trottoir natao ho an’ny mpandeha an-tongotra. Tanjona amin’izany ny tsy hanelingelenana ny fifamoivoizana sy ny hahitàna izay miketrika korontana.  Tsy kisendrasendra, hoy aho, ilay fibahanana satria atahoran’ny mpitondra fanjakana fa sao mbola ho be no hahita ny hafatra ka ho avy hamaly ny antso; atahoran’ny fanjakana fa sao tena ho sahy hatramin’ny farany tokoa hiroso hanatanteraka ny hetsika ireo mpikarakara; atahoran’ny fanjakana fa sao ho vanja handrehitra ny afon’ny lonilonim-bahoaka efa nihotrika ela io.

Lonilony mihotrika:

Efa ela tokoa ny vahoaka no nilaza fa leo, efa ela no niaritra mangina, ary malaza loatra amin’ny fahendrena sy fahaizana miaritra ‘treffle’ amin’izay rehetra mitranga. Hatramin’izay anefa dia nifori-dava tsy niteny, ary samy nahita ireo rehetra nifandimby nitondra ity firenena ity, fa rehefa io vahoaka niaritra ‘trefle’ io no mitroatra, dia efa ratsy izay no fiafaran’ny tantara. Koa io loinilony nihotrika ela tany anaty fiarahamonina io no heveriko (izaho manoratra) ho antony iray nanosika ny Wake Up Madagascar hanaitra ny sain’ny maro. Io lonilony nihotrika ela io no mbola heveriko fa tian’ny mpifehy hampanginina mba tsy hihitatra lavitra fa sao hanapaka ny tongon-tsezany; io lonilony nihotrika ela io no mbola eritreretiko koa ho ao ambadiky ny fibahanana ny FB manjo ny maro nanomboka omaly ka mitohy androany.

Fomba hafa:

Entaniko ianareo rehetra izay afaka manao izany mba hikarokaroka sy hifanontany, hitady fomba hafa hifampizaràna vaovao sy fanentanana, satria misy tokoa izay fomba hafa izay, izay tsy hotononiko eto fa sao dia hosakanany eo koa sanatria. Tsy hoe manentana anao hanatrika ny hetsika androany akory no tanjoko amin’ny fanoroana anao hoe misy fomba hafa, fa fanoroako anao hoe « Zonao ny hahalala vaovao, zonao ny ho afaka hikaroka sy haharay izany vaovao izany », ka ny fanakànana anao toy izay mitranga ankehitriny tsy ho afaka hanatrika na miserasera amin’ny manodidina anao, dia fanimbazimbàna ny zo fototra omen’ny lalam-panorenana anao. Koa raiso fa « Anao ny fitenenana »

Fomba fanao:

Tsy i Madagasikara akory, na ny Wake Up Madagascar, no voalohany nampiasa ny fomba fanaovana tohivakan’olombelona mba ho fanehoana AM-PILAMINANA ny tsy fahafaliana, na ho fanairana. Firenena maro maneran-tany no efa nanao izany, vahoaka maro sesehena no efa nampihatra izany, ary isan’ny vahoaka iharan’ny tsy fetezan-javatra ihany koa na ny mpitandro filaminana aza, ka dia namela ireny hetsika ireny hizotra am-pilaminana. Tsy voatery hanao herisetra akory vao ho fantatra fa hoe NIHAINO NY VAHOAKANY NY MPIFEHY.

Avylavitra (http://mg.globalvoicesonline.org)

 

Ny tsianjery maimbon’ny #MOOV sy #TELMA

Feno boloky vraky be ao amin’ny #Moov #TELMA ao an, sady tena hain-dry zareo tsara ny mampamerin-desona azy ireo:
-redemarrer-o aloha ny modem
-vider-o ny cache
-sao marobe ny ordi miasa
-tratry ny limitation 40Go ianao
-tsy mampiasa azy à bon escient
-ping-éo ity sy iroa
-sao mila tokony hosoloina ny prise ery amin’ny modem
-apetraho iny telefaona iny fa hanao verification ligne izahay
-handefa technic(h)iens izahay hijery ny installation
-novaina ny distribution sy Transport
-ny ordi-nao no misy problème fa ny aty aminay mety tsara st misy olana
-mandefasa maila amin’ny service client, indro omena anao n y mailaka handefasanao azy
-firy ny numero de contact hahafahanay miantso anao
.
.
.
santionany ireo fa dia efa an-taonany izao tsy hitako izay fiovàny e.
Rehefa teneninao izy hoe entre 23h sy 05h dy matin, misosa be ny connexion dia izy indray no mizesta hoe: hay ve , hitanao izany… Sahala amin’ny hoe tsy maintsy miari-tory ianao vao afaka manao ny zavatra tokony hataonao
Milay ho’aho ny 8Mega e! , efa mba ahazoana 1Ko à 15Ko /s , na ADSL filaire io, na ilay clé 3G vao nomena ahy nampiasaina nanomboka omaly aza an!

Avy nifanjinja tamin’ny #Moov teo mikasika ity connexion merdique ity, fa angaha izy manaiky ho diso izany e! Tsy manaraka ny norme internationale hono ny zavatra nataony hatramin’izay ka izao vao nampihariny, ka sady tsy mampiasa ny connexion à bon escient aho no tratry ny limitation 40Go. Koa satria ilay ingahy niresaka tamiko maika hody no sady tsy te-hihaino ny menomenoko dia notapahany tsy nasiany sira ny resaka nifanaovako taminy. Tsy adinony kosa anefa ny nilaza tamiko fa mihaino ahy mivantana nandritra ny resakay ny tele sy lehibeny. Hanova zavatra ve anefa izany? Ny fantatro aloha dia sady tsy mahalala fomba manapaka fotsiny ny antsoko, no mpangalatra maka tsy tapaka ny volako any amin’ny banky kanefa tsy manome ahy ny fahafaham-po tandrify an’izay vola sintoniny izay ity orinasa ity.
#Moov maimbo….

“Namanabe Hall” / Fampitam-baovao 15062012

Inauguration du “Namanabe Hall” du Centre ValBio le 2 Juillet à Ranomafana

Le 2 Juillet, 2012 Son Excellence le Premier Ministre et le Ministre de l’Enseignement Supérieur, accompagnés du Dr. Samual Stanley et du Dr. Patricia Wright de l’Université de Stony Brook, inaugureront le “Namanabe Hall”, un nouveau bâtiment dédié à la recherche, l’art et les échanges communautaires à Ranomafana. Ce bâtiment, qui donne sur la chute d’eau, la rivière et la forêt pluviale, a trois étages, avec jardin et panneaux solaires sur le toît, une salle de conférence pour 80 personnes, une salle de formation dotée d’ordinateurs, un studio audio-visuel, de dortoirs et d’un laboratoire scientifique moderne et sophistiqué. Le laboratoire sera équipé pour faire l’étude de la biodiversité (génétique, hormones et parasites) et les maladies infectieuses. Tout le campus sera équipé de l’Internet haut débit avec des fibres optiques fournis par la compagnie Telma.

Le “Namanabe Hall” fait partie du Centre ValBio. Il est, non seulement une plate-forme dédiée à la recherche sur la biodiversité à l’intérieur du Parc National de Ranomafana, mais aussi un centre pour l’art à l’environnement et les échanges communautaires axées sur l’éducation ayant trait à la conservation, la santé/hygiène et le dévelopment économique. Cette approche intégrée sur la préservation de la forêt pluviale est un élément-clé pour l’ICTE (l’ONG qui gère le Centre ValBio) pendant 26 ans. Le Centre ValBio emploie 80 personnes provenant de la région et travaille en étroite collaboration avec Madagascar National Parks afin d’aider à protéger et conserver la biodiversité speciale, y compris le lémurien bamboo doré (Hapalemur aureus) le très grand lémurien bamboo (Prolemur sirus) en voie d’extinction. Le Centre ValBio collabore avec la Mairie de Ranomafana pour encourager les artisans locaux à la construction d’une série de magasins dans le centre ville. Depuis l’année dernière, le Centre ValBio a travaillé en partenariat avec l’Ambassade des Etats-Unis et la Mairie pour encourager les musiciens et artistes locaux à participer au programme “Arts in Environment.”

TELMA sy ny M-VOLA

Raha resaka aterineto tsy mandeha amin’ny laoniny no nampalaza ny DTS/Moov izay ao amin’ny TELMA ihany teo aloha kely teo (raharaha mbola mitohy), dia mipongatra koa izao ny olana momba ny M-VOLA.

Be ireo manao tolotra fandoavam-bola amin’ny alalan’ny finday eto amintsika, isan’ireny  ny Orange, ny Airtel, fa izay anton-dresak’i DotMg ao anatin’ny lahatsorany « Raha toa moa ka … tsy M , » sy nigohany ny mangidy kosa dia ny an’i TELMA.

Fa inona tokoa moa no azo ambara mikasika izay voalazany? Raha ny zava-niainako manokana aloha dia ity:

* nandefa « rappele-moi » ho an’ny anabaviko aho fa tsy niantso mivantana. Nandefa SMS ny TELMA fa hoe « Le compte de votre correspondant est en periode inactive. Conseillez-lui de recharger son compte« . Izany hoe tereny aho hiantso mivantana ilay olona (vola miditra ho azy izay), no sady teneniny ankolaka hanery ilay olona antsoiko mba hampiditra fahana (mbola vola miditra ho azy koa izay). Tsy mazava tsara ny fipetrak’ilay hoe « periode inactive » satria rehefa antsoina io laharan’ny anabaviko io , dia mandray soa aman-tsara. Samy manana nyfandraisany ny hoe « inactive » raha izany fa ho ahy tsy mahay teny frantsay dia « tsy miasa » no andraisako an’izay.

Tsy nisalasala mihitsy moa ny namana namaritra ny tompon’ny tolotra ho « bandes d’amateurs »

DTS Moov – ADSL – marina ve izany?

Efa fotoana ela no niarahako tamin’ny tolotra MOOV First (alina sy faran’ny herinandro tany am-boalohany – Soirée Week-end). Ary noho izay faharetana sy fahitan-dry zareo fa hoe isan’ny mpanjifa nahafa-po azy izay ny tena, dia nomeny tolotra vaovao mampiasa ADSL tsy misy fetra (ADSL Illimité 24h/24h 7j/7j).

Fampitahana ireo karazana tolotra
CDMA no nampiasaiko tany aloha (020 26 XXX XX), ilay mampiasa karatra kikisana, sy poste telephonique misy antenne kely ireny, talohan’ny nampiasana ilay ‘Soirée Week-end’ sy nifindràna tamin’ilay tolotra farany nomena ahy.

Raha oharina tamin’ilay CDMA dia mba nahafa-po tokoa ilay Soirée Week-end fa aina no matezà hiari-tory isaky ny misy zavatra lehibebe atao. Ny naha-samihafy ilay tolotra farany (illimité) tamin’io S/WE io indray dia izy azo ampiasaina amin’ny fotoana rehetra (izay ora tianao hidirana). Toa mba nety ihany ny resaka ‘vitesse’ teo ampiandohana. Saingy nony tato aoriana kely dia nampanontany tena (na nampiteny ny moana mihitsy) ny filonan’ilay tolotra.

Fa hatao inona moa izy ity?
Raha fitaovana hifandraisana sy hifanakalozana amin’ireo vondron’olona miara-miasa amin’ny tena maneran-tany no nampiasàna azy io tany amboalohany tany dia niampy ny fanaovan’ny ankizy fikarohana momba ny fianarany sy ny lesony, ary miampy ny haitraitra kely isan-karazany tato aoriana.

Eo amin’ilay lafiny fifandraisana amin’ny mpiara-miasa mihitsy no lasa olana ankehitriny satria SADY MILONA BE NO TAPAKA LAVA ilay tolotra amin’izao fotoana izao. Tsy mipetraka 24 ora amin’ny 24 ora eo ampototry ny solosaina ny tena, fa isak’izay mila sy misy zavatra maika hatao no miditra eo. Akory anefa ny fahasorenanao rehefa iny ianao maka ‘fichier’ be hadiry iny, na ianao ilay mandefa iny, no tapaka ny fifandraisana (connexion). Tsy voatery hànana ilay antsoina hoe ‘fonction reprise’ anefa ny tranonkala ifandraisana, na ny rindrambaiko ampiasain’ilay mifandray aminao. Dia mazava ho azy fa miverina maka, na mandefa azy indray hatrany amin’ny voalohany no sazy mavesatra miandry anao. Izany rehetra izany anefa dia midika sahady, midika foana, fahaverezam-potoana, ary indrindra fahaverezam-bola ho ahy mpanjifa (satria ny sandan’ilay tolotra dia miala foana any amin’ny kaontiko any amin’ny banky -prélèvement automatique). Ka asa raha mba tokony hosandaina koa ny fahasorenana sy ny fotoana very toy izany?

Rehefa natao àry ny fitarainana dia namaly soamantsara ny hafatra nalefa ho azy ny FAI. Nomena laharana hatrany ireo fitarainana nataoko. Nisy ny fifampiresahana an-telefaona nifanaovana tamin’ireo mpisahana ny mpanjifa (na andro na alina) sy tamin’ny teknisiana avy amin’ny mpanolotra (FAI). Noahiahian’izy ireo ho ny solosaina no nisy olana. Fepetra noraisiko àry ny hampanao fizahana ny solosaiko ka niantso teknisiana hanao izany. Tsy nisy ny olana hita.

Rehefa ela nifampiantsoana sy nifampitadiavana teny ny roa tonta dia tonga kosa ny TELMA nanao famindràna ny tariby teny amin’ny andry voatokana ho amin’izany. Naàto araka izany ny fifandraisana tao an-trano mandra-pahavitan’ilay famindràna. Rehefa vita izany dia niverina ny fifandraisana. Mazava ho azy fa tsy hijanona eo amiko mandritry ny ora maro ireo mpiasa mba hanamarina ny fahatapahana mateti-pitranga fa rehefa hitany fa tafiditra amin’ny tranonkala ianao, dia mandeha izany ny Net ao aminao. Dia lasa izy nony vita ny anjarany. Tsy mbola nahavaha ny olan’ny fahatapatapahana sy ny filonan’ny fifandraisana anefa izany firotsahan’ny TELMA an-tsehatra izany.

Nisy fotoana indray niantso ny mpisahana ny mpanjifa Moov aho (andro hafa ary andro alina io) nanazava ny amin’io olako io. Nandritra ny firesahana dia tapaka indray ny fifandraisana (Net), ka teo noho eo ihany dia nilazako ny amin’izay izy. Nomarihany tamin’io fotoana niresahanay io fa tratran’ny encombrement ny ‘ligne ampiasaiko’ ka hovahàn-dry zareo avy any. Dia niverina tafiditra tokoa indray.

Nisy fotoana mbola niantso indray aho (andro hafa koa ary andro alina io). Ary dia mbola tapaka teo ampiresahana teo koa ilay Net. Ny nahagaga dia ny nilazàna tamiko fa hoe ‘tsy tracé’ aty aminay (Moov) izany fahatapahana lazainao izany, fa ‘connexion 2h sans interruption no hitako ato’ hoy ilay nandray ny antsoko.

Rehefa tsy hita àry izay fototry ny olana dia voatery nijery ifotony ny solosaiko aho, izay niafara tamin’ny fanaovana ‘formatage’ mihitsy sao hoa ny fichiers systèmes no misy voadona. Dia naverina indray ny fifandraisana (Net) tao aorian’izay, saingy tsy nivaha hatrany ny olana amin’ny fahatapatapahana sy filonana (lenteur).

Napetraka tamiko indray ny fanontaniana sao solosaina maromaro no miaraka miasa. Tsia no valiny satria solosaina iray ihany no miasa amin’io ao an-tokantrano.

Farany dia nasaina nentiko tany ny Modem mba hatao fitiliana fa tsy nahitàana olana koa. Ny techicien avy ao ihany anefa no nilaza tamiko ny ampitson’izay fa tsy ampy hanaovana fitiliana modem raha izay minitra vitsy na ora iray.
Ankoatra izay dia nolazain’ilay nandray ahy teny Andraharo koa fa izany MG4 izany sy ny satelita no fototry ny olana. Oadray zalahy! Lazao izay marina e!

Manoatra noho ireny ‘connexion’ any amin’ny ‘cyber-café’ ireny, izay tsy maintsy iandrasana minitra vitsy isaky ny hanokatra pejy. Raha any mantsy dia azoko eritreretina ihany ny hoe ‘saturée’ ny bande passante satria hifampitsinjaràn’ny solosaina marobe, na koa hoe tsy dia sécurisée ny ligne ka miovaova arakaraky ny isan’ny mpitsidika sy ny takelaka tsidihana ny fisosàna (fluidité).

Misy fitarainana nalefako indray any (andro vitsy lasa izay) ka dia ho hita eo izay valiny sy ho fihatsaran’ny tolotra. Nosoratana any daholo hatramin’ny andro sy ora nitrangan’ireo fahatapahana tsy fantatra antony rehetra tao anatin’ny efa ho tapa-bolana.

Fifanarahana 2 taona vaovao no nifanaovako tamin’ny DTS Moov mifanaraka amin’io tolotra ADSL io izay tokony hifarana ny faran’ny taona 2011, nefa toa mahalasa saina ihany ny amin’ny tokony hitohizana na tokony hanatsaharana ilay fifanarahana, raha ny zavatra iainako hatreto no jerena!

Ka efa tena ADSL tokoa ary ve ity atolotra ny mpanjifa eto Madagasikara ity sa …?

TELMA ve ‘mitapy’ e?

100_3136MIsy ora telo ireto omeko anareo mpamaky. Samy nandefasan’ny TELMA hafatra ho ahy avokoa. Ary tsy izaho irery no nahazo ireo fa izahay rehetra (5) ato an-trano.

Andro 24-10-2009, 10h 42 alina

Andro 24-10-2009, 11h 52 alina

Andro 24-10-2009, 12h 38 alina

Hafatra (mitovy foana an!) : Pour votre fidélité, TELMA vous a offert 500 ar de crédit le 23 octobre 2009. Merci pour votre confiance.

Dia nony nifoha maraina ianao nijery ny fahana ao anaty findainao dia mahita toy izao:

Votre crédit est de  2 Ar, valable jusqu’au 20 jan 2010. Compte bonus: …Ar vers toute destination, …SMS vers Telma, 500 Ar vers Telma.

Avy eo indray, misy hafatra vaovao miditra amin’ny finday manao toy ity manaraka ity:

andro 25-10-2009, 11h 18 antoandro

Le ministère de l’envirionnement a un message à vous transmettre. Merci d’appeler gratuitement le 034 05 620 04

Mbola samy nahazo an’io daholo koa izahay 5 ato an-trano an! Ary mino aho fa ny mpanjifa rehetra ao amin’ny TELMA mihitsy.

Fa nony injay ianao nipingapinga niantso ilay laharana nomena dia hoy ny hafatra :

Votre appel ne peut aboutir car vous n’avez pas accès au service.

Dia nanandrana niantso laharana hafa mihitsy amin’izay ny tena mba hojerena ny fandehany momba ilay fanomezana 500 Ar (Telma miantso Telma io), dia akory ny hagaganao fa hoy ny hafatra hoe:

Votre crédit est insuffisant pour cet appel.

Mahagagaga an! Mahatalanjona. Fa iza no tiana hanaovana sangisangy e? Sa tena heverin’i TELMA ho paiso daholo ny olona rehetra, ka lalaovina amin’ilay hoe ‘vous a offert’. Fa efa lany andro’ izany ilay fanomezana (périmé) ka nivadika ho fanomezana misy poizina (cadeau empoisoné).

Miala tsiny aminareo mpiasa ao amin’ny TELMA aloha ny tenako fa dia izany no zavatra nisy e. Koa, na ianareo manome, na ampirimo any aminareo any ny anareo fa aza adalaina toy izao ny be sy ny maro.

Raha zavatra tokony ho nomenareo tamin’ny 23-10-2009 ve dia aty amin’ny sasakalin’ny 24-10-2009 ny hafatra vao tonga any amin’ny tsirairay?  Sa fialàna bala amin’ny resaka masiso ao amin’ny TELMA ao indray koa io zavatra mitranga io? Tsy fantatro!

Soa ihany aloha fa tsy ny tolotrareo irery no ampiasainay fa raha tsy izany dia mety ho azonareo atao amin’izay tianareo ny rehetra.

Dia mba aiza ilay teny filamatra hoe  ‘TELMA, Fixe, mobile, internet voalohany eto Madagasikara ». Toa resaka kobaka am-bava fotsiny. Sa diso aho?