Ambohijatovo #m2305 Pr RAJAONARIVELO Paul

Dia niatrika sy nanatanteraka ny teny nataony ary ny Pr #RAJAONARIVELO Paul tamin’ity anio ity araka ny antso nalefany tao amin’ny FreeFM 104.2 .

Profesora sy ny tomponandraikitra amin’ny tifandroana ny filaminana

Tsy dia nahazo olona maro nanao ahoana ny androany raha oharina amin’ireo teo alohany. Dia an-tongotra avy any afovoan’Alalakaley tany no niakarany ho eny Ambohijatovo. Hihaona amin’ny lehiben’ny EMMO no voalohan-daharana. Nefa rehefa tonga teny dia tsotra no valiny azony.

Tsy eo ny tompon-tanàna, ary mihidy ny faritra. Tsy misy lakile

Rehefa izany dia niatrika indray ireo mpaka sary sy mpanao gazety ingahy Profesora mba hanao fanambarana. Tamin’izany no nitanisany andinin-dalàna vitsivitsy mikasika ny resaka fanehoan-kevitra an-dalambe, na anaty faritra mihitdy. Nolazainy fa nisy tamin’ireny no tsy mba vakian’ny tompon’andraikitra rehefa miresaka lalàna momba ny famoriana vahoaka, fa dia izay metimety aminy ihany no ampahafantarina sy dradraina amin’ny haino aman-jery.

Rehefa vita ny fanambarana ho an’ny mpanao gazety teo amin’io faritra io dia lasa izy sy ireo olona vitsivitsy mpanaraka azy nidina ho eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo (vaovao) mba hangataka ny lakile hanaovany fanazavan-kevitra.

Niroso ho any amin’ny Lapan’ny Tanàna

Vao teo am-bavahady dia efa tsy nisy namoha ny tao amin’ny Lapan’ny tanàna. Ny naka sary sy lahatsary (video) an’ireo mpirohotra aza no nataon’ireo tao, rehefa avy niofanakalo resaka fohy tamin’ireto vahiny tonga hitsidika.

Haody ny aty eee! Ao ve ny tompon’ny tanàna azafady? — Tsy ao izy tompoko, ary tsy afaka ny handray anareo ihany koa izahay

Rehefa tsy nahazo ny fanalahidy teo indray ny Profesora dia nandray fitenenana tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo ary nitondra ireo olona nanaraka azy niala teo. Toa hoe hiverina eny Ambohijatovo. Teo anoloan’ny vavahadin’ny Lapa no nilazany fa hotsaroan’ny tantara ireo tsy nanome ny fanalahidy mba hampiasana ny kianja ho fanehoana hevitra, ary fitaovana iray ho amin’izany fitsarana izany ny fifidianana.

Hotsarain’ny tantara ianareo, hoy izy mantsy ny mpiasan’ny kaominina

Tsy tafakatra hatreny akaikin’ny kianajan’Ambohijatovo intsony aloha ny Profesora sy ny mpanaraka azy hatramin’ny fotoana nialan’ny tena teny an-toerana, fa nifanehatra tamin’andian’olona nanakana ny firoson-dry zareo teo anoloan’ny BNI

Hatreo aloha no azo notantaraina raha ny mikasika ity andro ity. Ho hita eo ihany izay ho fivoaran’ny raharaha.

Publicités

Lapan’ny tanàna vaovao – Institut d’hygiène sociale

Toy ny teny Behoririka androany tamin’ny 4 ora tolakandro dia nisavoritaka koa ny teo amin’ny Lapan’ny tanàana vaovao io hariva io, nanodidina ny tamin’ny 6 ora teo ho eo.

Tsy dia nisy inona loatra anefa fa ny fahasahian’ny sasany tamin’ireo mpivarotra amoron-dàlana misangy ny mpitandro filaminana no tena antony.

Nalain’ny sasany tamin’ireo mpivarotra ireo ny baoritra tsy miasa intsony ka mody nanangana korontana izy no sady nandrehitra izany sy nanipy azy teo afovoan-dalàna.

 

Nisy nikitika vodin-tsoavaly ry zalahy teto androany hariva an! Soa fa tsy tratry ny tsipaka be mahafaty

Sanatria ve efa tonga eto ny "esprit Kamikaze" no dia misy sahy misangy ratsy toy izao?

 

Nadiodio tao anatin’ny seondra vitsy toy ny hoe tsy nisy fitohanana iny ery teo amin’ilay faritra. Hay va re ka mba afaka atao tsy misy fitohanana ihany eo rehefa misy izay mahamaika e! Fa rehefa tsy misy mahataitra izany dia mi-sitilina eny ambony familiana, na eny ambony arabe eny koa ny mpandeha an-tongotra.

 

Tsy mahazatra ny mahita ity ampahan-dàlana ity malalaka toy izao rehefa faran'ny herinandro. Toy ny hoe notsofin'ny rivotra tampoka teo daholo ny fiara teto

 

Ny zavatra voamarika kosa aloha dia ny hakingan’ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana nipoitra tampoka avy aty amin’ny faritry ny Lisea Rabearivelo. Raikitra ny mandroso/mihemotra teo amin’ny mpamily. Ny fetsifetsy moa tonga dia nivily tsy nisy fihambahambàna niditra tao an-tokotanin’ny Lisea.

 

ireo mpitandro filaminana nipoitra avy aty amin'ny faritry ny Lisea

Tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo dia efa vonona teny an-tanan’ireto mpitandro filaminana ny baomba mandatsa-dranomaso, saingy tsy nisy nilàna loatra ny fampiasàna azy ka tsy nisy ny narefotra teo amin’io faritra voalaza io.

 

Fotoana firavan’ireo mpianatra manamafy fahaizana avy ao amin’ny ACCEEM indrindra ny taoriana kelin’izay fotoana izay. Tsy nisy nahalala ny fisian’izay zavatra izay anefa izy ireo satria vetivety ihany dia voalamina ny raharaha.

Fa ny nahavaka kely ny saina teo ampihainoana ireo olona nialokaloka tao anaty tokotanin’ny Lisea dia ny nihainoana ilay rangahy iray somary sola loha izay niampiditra ny  fiarany tao. Nony tafavoaka ny fiarany ingahirainy dia niteny fa hoe ny TGV ihany no mitady handoro ny Lapan’ny tanàna vaovao mba handotona ny ankolafy telo. Asa aloha izay ho fahamarinan’izany! Fa ny mahalasa saina dia ny hoe: Tombontsoa ho an’iza ny fananana Lapa tsara tarehy toy io? Ary raha voadoro tokoa io, iza ary rahoviana no hahatsangana ho solony? Tsy idirantsika ny hoe vola avy aiza, na an’iza, afa-tsy ny hoe samy mandoa hetra ka zara aza mahita foto-drafitrasa mitsangana toy ireny ho fiononan’ny saina hoe rehefa tsy fantatra izay nalehan’ny hetra naloan’ny tena, dia angamba mba isan’ny lasa ao  nentina nanangana azy io. Asa re!

Fa raha mijanona mitsangana eo moa izy io, tsy izay rehetra mifandimby mitondra eo moa no afaka hampiasa azy? Raha tsy hoe azo ahorona toy ny tsihy angaha ilay Lapa ka entin’izay nanngana azy hatrany am-pasana raha azo atao!

Nanomezan-tsiny ny hafa ny 26 janoary 2009, ny fanaovana zavatra tsy voahevitra sy ny sisa. Koa raha milaza ho hendry sy nanome tsiny izay nanapo ireny ny aty aoriana, dia angamba fahendrena ny mitahiry ny zava-bita, na avy amin’iza io, na avy amin’iza, fa tsy ho lany andro hanangana isaky ny mihetsika izao foana.

Ny olana eto amin’ity Malagasy ity dia ny olona no jerena sy ankahalaina, ary dia manaraka azy daholo hatramin’ny asany, na tsara io na ratsy. Nitranga izany faha-Ratsiraka, mbola niverina faha-Ravalomanana ary dia io fa tarazo mbola hita izao faha-Rajoelina izao.

Manjaka tokoa ankehitriny ny antsoina amin’ny teny frantsay hoe « incivisme », ny fahapotehan’ny toe-tsaina eo amin’ny Malagasy, hany ka lasa manaotao foana tsy misy fiheverana, fa mampiasa fotsiny ilay hoe « fanatisme » na ny mpomba ny fitondrana, na ny mpandrodana fitondrana. Tsy lehibe, tsy kely fa tratr’io « incivisme » io daholo. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: Rahoviana no ho voatsabo izay areti-mandoza tafiditra ao anatin’ny fiarahamonina Malagasy izay (enga anie mba ho ny eto Antananarivo ihany no tratra fa zava-doza raha sanatria mihanaka amin’ny Madagasikara manontolo ny aretin-tsaina toy izany), Afaka andro maromaro ve? Volana? Taona iray, folo, zato? Manahy aho sao dia efa tena very tanteraka tsy ho hita intsony ilay toe-tsaina maha-Malagasy ny Malagasy.

Afaka andro vitsy dia ho tonga ny andro iraisam-pirenena napetraky ny Firenena Mikambana ho Andron’ny Fandeferana (16 Novambra – Journée Internationale de la Tolérance) . Koa iza amin’ireto mpifanandrina efatra eto ambonin’ity kianjabe antsoina hoe Madagasikara iombonana ity re no handefitra e?

 

Tsy ho any Afrika Atsimo raha…

Nahazo taratasy avy amin’ny Joachim Chissano ingahy Rajoelina ary mivaona amin’ny resaka nifanaovana tamin’ny Frantsay sy ny Afrikana Tatsimo hono no voalaza tao anatiny.

Araka izany dia nilaza izy fa raha tsy mazava ny anton’ny fiantsoana ho any ary sonia sisa no tokony hatao dia tsy handeha ho any izy

Ny bolabola ‘bois de rose’ nogiazana noho ny filazana azy ireo ho tsy ara-dalàna no hanaovana ny fanaka rehetra ao anatin’ity Lapan’ny tanàna vaovao ity.

Nandritra ny fitsidihana ny trano vaovao ho an’ny Lapan’ny Tanana tetsy amin’ny kianja 13 mai no nanaovany izany fanambarany izany.

Raha raisna izany izay nambarany izay hoe mifanohitra ny voalazan’ny taratasy voaray sy ny zavatra nifanarahana tany amboalohany dia mazava fa tsy mihevitra ny handamina velively ny raharaha ‘Madagascar’ ny vahiny. Mihazakazaka ny raharaham-pirenena tato ho ato ary dia samy hahita eto isika mianakavy fa dia hafana indray ity zavatra ity raha ireny fanipazana zavatra mipoaka tetsy sy teroa ireny no atambatra amian’ity fanambarana androany ity.

Edgard Razafindravahy moa dia nilaza fa ezahana hatrany ny fampilaminana ity tanana Antananarivo ity. Amen

Tonga ny fetra…

Taorian’ny fangalam-piery samihafa nandritry ny fotoana elaela ihany, ary indrindra taorian’ireny disadisa nisy teo amin’ny C.U.A, na ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireny, dia nomen’ny PDS RAKOTONDRAVAHY Edgard hatramin’ny 04 Janoary 2010 ireo mpivarotra amoron-dalana mba hahazoan’izy ireo mivarotra mandritry ny fetin’ny faran’ny taona. Nisy mihitsy ny làlana navadika ho tsena vonjimaika noho izany. Ary dia nanao izay danin’ny kibony tokoa ry zareo mpivarotra amoron-dàlana. Soavaly tapa-kofehy e! Zara raha afaka mikisaka ny fiara, eny fa na dia ny olona aza dia sahirana mafy tokoa vao mba afaka manisaka ny tongony rehefa handalo an’i Soarano sy Behoririka.

Tonga ny fetra nomen’ny tao amin’ny C.U.A ho an’ireo mpivarotra amoron-dàlana. Hisy hamaly ary ve ny antso amin’ny fanokafna amin’izay ny làlana navadika ho tsean, ary ny fialàna amin’ny sisin-dàlana sy ny arabe mba ho an’izay tena tokony hampiasa azy amin’izay tokoa.

Ho hitantsika eo ny havoaky ny ampitso, fa ny irariana dia ny hoe: enga anie ka mba ho samy olona tompon’andraikitra amin’izay hahasoa sy hahatrasa an’ity Antananarivo Renivohitra ity ny rehetra.

Ny zavatra hita mantsy dia mampalahelo. Raha mba niezaka ny nanangana ny Lapan’ny tanàna vaovao ny tompon’andraikitra (izay efa vita hatramin’ny tafo raha ny fijery ivelany fotsiny), ny hafa kosa indray, nandritra ireny faran’ny taona ireny, dia nanao ny manodidina io Lapa vaovao io ho toeram-pivoahana sy fanaovana maloto. Mba toe-tsaina inona re izany e?

Nandritra iny faran’ny taona iny moa dia tsy niafina tamin’ny rehetra ny naha-toeram-pilalaovana sy filokana ny teny amin’ny areben’ny Fahaleovantena. Ny fivarotana zava-pisotro mahamamo sy ny mahadomelina moa tsy lazaina etoana intsony.

Dia rhampitso izany mifankahita e!

Mirary anao hifoha sy hahita maraina vaovao ka hisosa amin’ny arabe migodanan’Antananarivo Renivohitra ary e!

Lapan’ny tanàna vaovao (tafo)

Nisosa tokoa ny asa fanamboarana ilay Lapan’ny tanàna vaovao etsy amin’ny kianjan’ny 13 mai, etsy Analakely. Tato anatin’ny volana vitsy tokoa mantsy dia efa eo ampanafoana azy ity sahady amin’izao fotoana ny orinasa niandraikitra ny fanamboarana azy.

Lapan'ny Tanàna vaovao

Koa raha azo natao tanatin’ny fotoana tsy ela toy izany àry ny fanamboarana azy ity, maninona no tsy tanteraka tany aloha tany? Mampametra-panontaniana ny maro ihany koa ny hoe ‘taiza ny vola? Iza no mpanohana? Inona no tambiny? sy ny sisa tsy voatanisa.

Raha manana hevitra moa ianao momba izay rehetra izay dia mba ampitampitao eto ho fantatry ny maro, nefa aoka mba ho ny tena izy no hivoaka, fa tsy sanatria ho fanosoram-potaka fotsiny ihany. Aleo lavitra aza apetraka amin’ny  ‘honohono’ ny filazanao azy raha tsy fantatrao mazava ny fahamarinan’izay ambaranao.

Avy eny Antanintrenina no nakana ity sarin’ny Lapa vaovao andalam-panafoana ity

LAPAN’NY TANANA VAOVAO (Antananarivo)


Natao androany 17 mey 2008 teo amin’ny kianja malazan’ny 13 mai ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny vatofehizoron’ny lapan’ny tananan’Antananarivo vaovao. Tsy nahasakana ny olona ny erikerika vao maraina fa tamin’ny valo ora dia efa feno olona Analakely. Tonga teny kosa ny Ben’ny tanana tamin’ny folo ora katroka. Tonga teny koa ny solontenan’ny vatican (Augistin K.),ny tahirim-bola iraisam-pirenena, ny banky iraisam-pirenena sy ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena samihafa. Ny solontena vahiny miasa sy monina eto amintsika, masoivoho vahiny toy ny avy any amin’ny vondrona eropeana, Frantsa, senegal, allemagne, ny fiaraha-monim-pirenena, RAJEMISN rakotomaharo filoha lefitry ny Antenimieran-doholona, ny solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo renivohitra, sy filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Mamy Rakotoarivelo.
Banga kosa ny toerana natokana ho an’ny mpikambana ao amin’ny gouvernemanta.
Maro koa ireo mpanao gazety vahiny tonga nanatrika ny fotoana.
Tsy nisy tonga kosa na i Guy Willy Razanamasy,na Marc Ravalomanana,na Patrick Ramiaramanana izay efa samy Ben’ny tanana nitondra ity tanana ity

Ny endrika ivelany dia ezahana tsy dia hiova firy na dia nasiana fanatsarana ihany aza, fa ny ao anatiny kosa dia hiova. (Hitanao ao amin’ny Flickr Avylavitra ireo sombin-tsary teny an-toerana). Nosorohana tamin’ny ampahany lehibe ihany ny zaridaina ary navela amin’ny toerany kosa ny trano fivoahana. Misy fampirantiana ny tantara eo an-toerana ary nolazain’ny tompon’andraikitra fa andro vitsy ihany no mety hipetrahan’izany eo mba ho fisorohana ny hetraketraky ny mpanimba. Ilay sary lehibe miantona ery ambony kosa dia tsy hiala intsony fa ho tazanin’ny mpandalo eo maraina sy hariva

Feno olona nanodidina ny kianja, ary notapahana ireo lalana rehetra miditra eo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena mandra-pahatapitry ny lanonana.
Toy izao ny lahatenin’ireo vitsivitsy nandray fitenenana. Marihana fa ny Talen’ny kabinetran’ny Ben’ny tanana no nandray an-tanana ny fandaharam-potoana teny an-kianja, nampian-dRamatoa Maholy

Fidy Ratsimbazafy, filohan’ny Faritra no nisolo tena ny fitondrana: « …Antananarivo no lahimatoan’i Madagasikara, koa tsy maintsy hataontsika rehetra ho vaindohan-draharaha ny fikarakarana sy fanatsarana izany tanana izany. Koa matokia ianareo fa ny fitondram-panjakana dia eo anilanareo mandrakariva ary mpiara-miombon’antoka amin’izany fampandrosoana ny tanana izany. Ny soa fianatra, koa tokony ho fianarana ho an’ny hafa izao ezaky ny tanan’Antananarivo izao ho fanarenana ny vakoka nentin-drazana, sy ny soatoavina Malagasy. Manolotra fisaorana manokana ho an’ireo angady nananana sy vy nahitana ny ho enti-manana izao asa fanarenana izao. »

Fihavanana, firaisan-kina ary fitiavana io no teny filamatra entin’ny Ben’ny tanana manorina izao asa izao. Efa azo ampiasaina avy hatrany ny 50 isan-jato amin’ny vola nomen’ireo mpiara-miombon’antoka hoy izy, izay tsy iza fa ny tanana’Antananarivo Renivohitra, ireo mpanampy avy any ivelany ary ny fitondram-panjakana izay nanome vola ihany koa ho fanampiana amin’ny fanatanterahana azy.

Hoy ny Ben’ny tanana fahafito mitondra ny tananan’Antananarivo,

Andriamatoa Andry RAJOELINA:  » Miara-manoratra ny tantara isika rehetra ankehitriny, Foto-kevitra telo no entina hanorenana ny vatofehizoron’ny asa izay ho tanterahantsika dia ny « fihavanana, ny firaisankina ary ny fitiavana. Ny fihavanana dia milaza fa iray ihany isika: firaisankina satria hanao soroka miara-milanja ary tongotra miara-mamindra ary Fitiavana satria io no fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra nomena antsika olombelona. Ho porofoina fa isika miaraka dia hery lehibe. Tombony ho antsika izany. Ny lapa tokoa mantsy no maha-tanana, ka tokony homen-danja ny renivohitr’i Madagasikara, ho reharehan’Antananarivo ary ho lova hapetraka ho an’ny taranaka fara mandimby. Koa vonona sy resy lahatra aho ary hampiasa ny fahaizako sy ny heriko manontolo mba hanatsarana sy hampandrosoana ity tananatsika ity ho Antananarivo maoderina. Antananarivo maoderina, tanana mifototra sy mijoro amin’ny fahendrena Malagasy. Miara-miasa ny mponina rehetra mba hivelarany, ary hisokatra amin’ny hafa ihany koa mba hahafahana manatratra ny tanjona.

Fanombohana ihany io hoy ny ben’ny tanana Andry RAJOELINA fa mbola be ny ho avy, izay tsy voatery (tsy tsara) ny holazaina dieny izao.

Nanentana moa ny Ben’ny tanana ny amin’ny tokony hiovan’ny teo-tsaina mba tsy ho faly manimba zavatra lava izao. Ka ho lany andro amin’ny fanarenana foana.

Hoy kosa ny Rev. Pasteur Andriamanjato Richard (ben’ny tanana taloha) :

…nisy trano lehibe teto ivoho teto dia taty amin’ny lafiny avaratra nisy ny birao nantsoina hoe ny prezidan’ny antenimieran’ny tananan’Antananarivo dia ny tenanay izany, taty tamin’ny lafiny atsimo nisy ny biraon’ny antsoina hoe delege general du gouvernement izay napetraka hitantana ny fanatanterahana ny asa tato amin’ny tananan’Antananarivo araka ny rafitra izay natao tamin’ny repoblika voalohany. Tsy hitanisa ireo samihafa nitranga aho, fa ny tian-ko tsiahivina fotsiny etoana eto anoloanareo besinimaro mponina eto amin’ity faritra ity, eto Antananarivo, sy isika rehetra izay miandraikitra ny fandehan’ny tantaran’ny firenena, na aiza na aiza misy antsika ary na inona na inona toerana izay sahanintsika indrindra indrindra fa eo amin’ny fiandraiketana ny firenena izany, ho antsika rehetra dia hoe, izay tiako hampahatsiahivina fotsiny dia ny hoe, izany lapan’ny tananan’Antananarivo izany dia vavolombelon’ny dingana maro samihafa natao amin’ity tanana ity…may tao ny boky volamena izay isan’ny rakitry ny tantara sarobidin’ny tanana sy ny firenena satria tao no fametrahan’ireo olo-malaza ny soniany rehefa nandalo teto Madagasikara izy ireny. Isan’izany ny Jeneraly DE Gaules izay indroa nanoratra tao.

Hoy indray RASAMISON Odette L (mpiatantsoratra farany talohan’ny fahamaizan’ny lapa taloha) :

 » mpitantsoratra tranainy tao amin’ny lapan’ny tanana tamin’izany fotoana izany, teo am-perinasa no naheno ny tabataba sy ny horakoraka taty ivelany. Niaraka tamin’ireo mpisora-panambadiana maromaro tamin’izany fotoana izany. Taitra aho tamin’izany ary nitsidika teo am-baravarankely. Nahita tsara tamin’izany fotoana izany ny ra latsaka, ny tapa-tongotra, ny maty. Nitsipatsipaka toy ny valala ireo taranaka nentina nangataka ny zony..izany no valin’ny fangatahany. Kanefa tamin’izany tsy nisy mbola afaka nanome izany valinteny izany fa dia mbola niahotrahotra teo daholo ry zareo. Nandritr’izay fotoana izay anefa an! nihorakoraka ny ankizy. ny FRS kosa tamin’izany teny an-davarangana miaraka amin’ny lacrymogenes, basy….Ireo taranaka dia tsy nisy afa-tsy tanam-polo teny an-tanany »

Rehefa vita ny fisaorana sy fandraisan-tanana ireo vahiny manan-kaja sy solotenan’ireo masoivoho vahiny dia nidina nandray tanana ireo vahoaka marobe nanamorona sy nanodidina ny sehatra ny Ben’ny tanana Andry RAJOELINA.

Isan’ny nasaina sy nanome voninahitra ity fotoana ity ny zanak’Itompokolahy RAKOTONIRINA Stanislas, Ben’ny tanana voalohany indrindra teto Antananarivo, dia Andriamatoa RAKOTONIRINA Adrien izany.
Tsara ny manamarika fa rahampitso 18 mey 2008 dia hanomboka avy hatrany ny fanarenana ity lapan’ny tananan’Antananarivo ity. Haharitra roa taona ny asa fanamboarana ka mpanao tao-trano avy any ivelany (izany PARDON izany no hiandraikitra azy) miaraka amin’i Mamy RAJAOBELINA. Mitentina 12 milliars de FMG ny vola novinavinaina ho lany amin’izany

Vakio ato na ato ny tononkalo nentin’i RADO nanamarika iny fotoana iny