NAZA Electronic Tsaralalana

Nisy zava-nipoaka androany teo anelanelan’ny fiara iray sy ny fitaratry ny tranoben’ny NAZA Electronic Tsaralalana. Tsy lavitra ny SEIMAD no misy an’ity toerana ity. ary misy toerana fiandrasana fiara fitaterana iraisana tsy lavitra eo.

Vaky ny fitaratra tamin’ny NAZA Eletronic, ary tsy dia naninona kosa ilay fiara. Olona iray no voalaza fa naratra teo amin’ny tongony havia raha teo am-pividianana vata fampangatsiahana sy nijery auto-radio tao amin’ity toeram-pivarotana lehibe ity.

Hatreto dia tsy misy zavatra betsaka holazaina fa ny zavatra iray sendra mandalo ato an-tsaina dia ny amin’ilay nolazaina fa baomba iray tsy nipoaka saika hanimbàna zavatra teny amin’ny toby fampidiran-dranon’ny JIRAMA Mandroseza. Faritra be mpandalo ve ilay izy, ary raha tsia, ahoana no nahitàn’ny mpitandro filaminana azy sy nahafahany nanao izay tsy hipoahany? Fanontaniana iny? Hisy valiny ve? Tsy fantatro…..

Fa hiverina momba ny zavatra tetsy Tsaralalàna isika. Mahagaga ny fahasahian’ny olona an, tsy ilay hoe hanapoaka no tiana horesahana, fa ilay tia mijerijery sy mizaha ny zava-misy na nitranga, nefa zava-mipoaka no resaka eto. Raha izany moa no sanatria ka mbola nisy niafinafina tsy nipoaka tany ho any, fa niandrasana ny hahabe ny olona fotsiny vao narefotra, dia angamba ho zava-doza noho ilay hoe iray no naratra.

ireto ny sary azo teny an-toerana androany.

ilay fiara nanoloana ny fitaratra ben’ny tranon’ny NAZA

Ny fahasinban’ilay fitaratra

ireo kiriana mijery ny zava-misy. Rha izao moa no sanatriavina ka…..!

Misy camera de surveillance eo ambanin’ilay ‘N’, nahafahana nahita izay nametraka ilay zava-nipoaka (araka ny heno dia toa efa nisy ny voasambotra)

tokony ho hatraiza moa no atao hoe Périmètre de sécurité?

iray amin’ireo fiara vaovao natolotra ho an’ny mpitandro filaminana

Publicités

May ny TIA Shop / TIA COM etsy Analakely

Efa any an-tafon-trano ny afobe, nefa ny varavarana aty ambany tsy mbola misy novohana

Tsy vitsy amintsika no efa nividy zavatra, na farafaharatsiny nandalo teo amin’ity magazay iray lehibe etsy ampitan’nyInstitut d’Hygiene Social ity. Ny TIA Shop / TIA COM etsy Analakely no tiana hasiana resaka.

Nirehitra teo anelanelan’ny tamin’ny 7 ora sy 7ora sy sasany teo izy io. Betsaka tokoa ny fahavoazana. Latsaka ny ranomason’ireo very fananana, nolelafin’ny afo. Niezaka nanao izay ho afany hifehezana nyafao ihany koa ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna, saingy tsy voafehy ny afo raha tsy efa tany amin’ny manodidina ny tamin’ny 9 ora sy 30 mn alina tany ho any.

Zavatra iray isan’ny saiky ratsy tamin’ity indray mitoraka ity ny nisian’ny mpanao gazety iray, manana namana ao amin’io magazay io, ka nanolo-tena nanampy ireo mpamoaka entana mba hanavotra izay azo avotana, tsy nifankahalala tao anaty fisafotofotoana anefa ny rehetra, ka dia noheverin’ny tra-pahavoazana ho toy ny mpangalatra ranamana, ary dia saiky matim-bono raha tsy nisy niaro ara-potoana. Very tao anatin’ity safotofoto ity koa ny findain’io mpanao gazety namana io.

Zavatra faharoa nanamarika ahy teny an-toerana koa ny fisian’ny iray tamin’ireo mpamonjy voina nivazavaza tamin’ny olona teo aminìny manodidina. Kiriana moa ny olona rehefa misy tranga toy ireny ka dia mitangorona sy manelingelina tokoa. Ny mpamonjy voina etsy efa sahirana sy mitolona hanao izay tratra hamonoana ny afo, ny olona koa sarotra tenenina. Dia tena mamo tokoa ilay iraikalahy niteny ny olona, sady mamon’ny asa, no mamon’ny rano (ilay rano mafana io lazaina io an). Nifangaro ireo zavatra roa ireo ka tsy atao mahagaga raha tonga hatramin’ny teny tsy mihaja niloaka ny vavany.

Tsy hain’ny mpanoratra izay antony, fa dia fotoana elabe (tamin’ny 8 ora 30mn) tany ho any vao tapa-kevitra ny hamaky varavarana ny mpamono afo. Talohan’izay dia ny tifi-davitra sy tifi-danitra hatrany no nampiasàna ny rano. Mbetika atondro mankany amin’ny varavaran-kely, mbetika alefa avy any ambony tafo any ny rano, mbetika koa avy eny an-davarangan’ny trano iray teo akaiky teo.

Tamin’ny 9 ora teo ho eo dia notapahana ny herinaratra. Efa nisy rahateo ny tariby tapaka nilatsaka tamin’ny tany, nefa ny toerana nitrangan’izay manoloana ny IHS somary maizimaizina ihany.

Karazan’entna maro no namidy tao amin’ity toerana ity: ny finday, lamaody, kojakojan-tokantrany, sy ny maro hafa.

Hain-trano niniana natao ve sa nateraky ny inona ity niseho tao Analakely ity? Tsy fantatra aloha ny valiny hatreto. Mifamahofaho be ihany mantsy ny filazàna azo avy amin’ireo tra-pahavoazana sy nanana toeram-pivarotana tao, tao ny nilaza fa efa nisy tamin’ireo mpivarotra no nitaonaentana andro vitsy talohan’ity fahamaizana ity. Ary nisy mihitsy ny nahavita niteny fa ireo Sinoa mpivarotra ao amin’io toerana io no ahiahiana amin’ity hain-trano ity. Misy ary ve izany ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy mpivarotra, sa inoa no tena marina?

Mandra-piandry an’izay anefa dia ndeha ianareo mpamaky entina an-tsary ho eny an-toerana

Tsy nifankahitana ny setroka indraindray

Mafy ihany ny asan'itony mpiady amin'ny setroka sy afo itony an!

Isan'ireo nanam-bintana nahavita nanavotra ampahan'entana ry zalahy ireto

Mivarotra aina maka itony kely tsy lanin'ny afo itony any anaty setroka any, no sady misedra ny fafy rano avy amin'ny mpamonjy hain-trano

ny mamoaka aloha no tanjona, dia mametraka izany eny amoron-dàlana, avy eo mitady izay hevitra manaraka

Mianika lavarangan'olona mba hahafahana mitifitra rano avy eny

 

Ity angamba no toeram-pivarotana tsy dia nahita faisana loatra miohatra amin'ireo hafa namany. Afaka namoaka izay tao anatiny, no sady tsy tratry ny afo koa

Efa nilelaka ny rindrin'ity trano mirehitra jiro ity koa ny afobe. Toa azo sary an-tsaina ny hafanana niaina tao anatiny tao sy ny mety ho fahasimban'izay zavatra nanakaiky na nihantona tamin'ny rindrina. Ity sary ity dia azo minitra vitsy talohan'ny nanapahan'ny JIRAMA ny herinaratra teo amin'ny faritra

 

Ety afovoan'ny arabe, miandry izay hitaterana ny tapa-porohana

 

Ho an'ity tompona magazay iray ity izao, mba ampahafirin'ny entana tao am-pivarotana re ireto avotra ireto e?

Rehefa avy novakiana ny varavarana avy aty amin'ny ambany rihana

Efa masaky ny afo talohan'ny nisokafan'ny trano ny entana

Aleo jerena ihany sao mbola misy ny azo raisina

ankoatry ny setroka toy izao, dia misy koa ny fipoahana mateitetika avy ao anatiny ao

Hitombo indray ny very asa, hampitombo laharana ny chomeurs. Krizy miampy krizy ity. Tana mihinan’ny taaaadin-kiraro mihitsy.

 

Loza raha may ny ala kely … farihin’i Mandroseza

Tsy nisy andro iray tsy nandrenesana anjomara fanairan’ireny fiarabe mpamono afo ireny teto Antananarivo. Na andro na alina dia tsy maintsy mandre azy ireny foana ny mponina. Toa zary lasa fahazarana mihitsy indray aza angamba, mba tsy hilazana hoe lasa tsy mahataitra.

Fiaraben'ny mpamono afo

Toa mampahatahotra ny hiteny hoe efa misy tia milalao afo sy faly mahita zavatra may koa ve ny Malagasy (pyromane)? Teo aloha teo mantsy dia tsy nisy tsy taitra nandre fa may ny ampahany tamin’ny valan-javaboahary voajanaharin’Ankarafantsika, nanaraka azy avy eo ny valan-javaboaharin’Isalo. Tsy hoe adino akory ny « hain-trano faobe » mitranga eto an-drenivohitra, toy ny teny Antohomadinika, raha tsy hiresaka afa-tsy io isika.

Tamin’ireny tranga ireny dia saiky tonga nidodododo sy nihazakazaka nijery ny zava-nitranga sy hoe « hitondra anjara biriky » ny olona isan’ambaratongany. Fa raha ity nitranga androany ity kosa no lazaina, dia tena nampalahelo: May ny ala kely (mbola tamin’ny ampahany ihany aloha) manodidina ny farihin’i Mandroseza. Ampahany hoy aho, nefa tsy azo tsinontsinoavina ny haben’ilay faritra may. satria lehibe ihany.

Kely fa zava-doza raha avela hihanaka

Hoy ny manodidina

Tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany maraina tany  no tonga teo niaraka tamina fiara 404 misy labasy ny olona vitsivitsy. Anton-dian’izy ireo ny handoro  antontan-taratasy am-patorana teo anatin’io faritra io. izay efa fanaon-dry zareo isaky ny andro sabotsy.

ireo antontan-taratasy nodorana nefa tsy may

Nilaza moa ireo mpiasa sendra ny tena teo amin’ilay toerana nisy ny fahamaizana fa tsy amperin’asa izy ireo no nisy niantso tamin’ny finday fa hoe

mirehitra ny ao anatin’ilay faritry ny ala kelin’ny JIRAMA.

Dia ho aiza izany ireo tarondro be teto?

Ary dia tonga nanohina ny antso tsy nisalasala. Na dia faran’ny herinandro tokony hialan-dry zareo sasatra sy hirevireveny aza (tsy afenina fa efa nahazohazo avy any amin’ny faritra nisy azy tokoa ny sasany tamin’izy ireo no tonga namaly ny antso).

Ankoatra ahy izay naharay antso avy amin’ny anabaviko monina eny amin’ny faritra akaikin’ny afo, dia nisy efatra teo ho eo angamba ireo mpiasa nijery ny fihanaky ny afo. Tsy fantatro na ny mponina  na ireo mpiasa no niantso voalohany ny mpamono afo. Tsy haiko na tamin’ny firy ireto mpiasa ireto no tonga teo an-toerana fa raha ny tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro nahatongavako teny dia tena mbola teo amperiny tamin’ny famonoana ny afo tokoa ny avy ao amin’ny mpamono afon’ny kaominina.

Raha ny teny heno avy amin’ireo mpiasa nanontaniana moa dia hoe tsy avy amin’ireo fako sy antontan-taratasy nodorana no niavian’ny afo fa avy amin’ny faritra ambany, akaikin’ny rano. Toerana izay lazain-dry zareo fa fieren’ny jiolahy sy ny mpanjono an-tsokosoko ary ireo mpifoka rongony. Fieren’ireo mpangalatra ihany koa hoy ny mponina eo akaiky eo.

Toa sarintsarim-piarovana ho an’ilay faritra ihany raha ilay tamboho natsangana manamorona ny arabe mankany Ankadindratombo iny. Raha tena miditra ao anatiny mantsy ianao dia hahita fa feno lala-masaka ao, izay efa ela nivezivezena tokoa. Mifampitohy sy mifandray avokoa izy ireny ary mivoaka mankany amin’ny lalam-by ery akaikin’ny lagara fiantsonan’ny fiarandalam-by ho any, na avy any Toamasina.

Saiky hangalatra fitia fa tsy nety ny androany e! Ramatoa nialoha lalana ka rehefa nifanena taminay (mpaka kitay) dia nitsiky sisa azo natao. Rangahy indray nitsirika ery ankavian'ny tamboho akaikin'ny lalamby ka tsy sahy nanaraka intsony. Amin'ny manaraka indray eeee!

Raha mihaino ny feon’ireo mponina eo akaiky eo indray, izay nilaza fa nahita ny fiandohan’ny afo sy nampandre ny tompon’andraikitra, dia avy amin’ilay fako nodorana ka nasavoritaky ny tadio no niavian’ny firehetàna. Tokony ho mba nisy ny fanaraha-maso ny afo natsangana araka ny fanamarihan’ireto mponina ireto, satria nambaran-dry zareo ihany koa fa indraindray maharitra iray andro mahery ny firehetana amin’ireo fako sy antontan-taratasy dorana eo ireo. Toy ny afon’ampombo misoko mangina.

Iverenana ilay sarintsarina fiarovana ilay faritra: sarintsariny amiko satria raha ny zavatra hafa tsikaritra tao dia vitan’ny olona ny mikapa hazo ao anatin’io faritra io, raha tsy ny tompony no nàka.

Dia hazo be no teto. Iza no nikàpa, tsy nisy nahita ve?

ny maka tanimena ao,

Ary sao mba ny mponin'ny citè ihany kosa no naka tanimena tety hananganana trano e? Asa lahy!

ny manao azy ho ‘trano fandriam-bahiny vonjy maika’, ny mametraka tsy amin-tahotra ny lakana fanjonoany eo amoron-drano eo,

tsy afenina intsony ny lakana fa avela ery amoron'ny lalam-by

tsy afenina intsony ny lakana fa avela ery amoron'ny lalam-by

ao ny mamadika azy ho trano fivoahana sy toerana fanariana fako na fanariana fatin’olona mihitsy aza ka indraindray dia efa mihintsa-nofo vao misy mahita (indrindra fa rehefa fahavaratra) hoy ny mponina eny. Na dia raisintsika hoe voafefy aza ilay mivoaka any amin’ny lagara, dia tsy olana ho an’izay te-hiditra ao ny miakatra ny tamboho avy aty amin’ny arabe ka miditra mankao. Nitaraina mihitsy aza ireto mponina eo akaikin’ilay faritra fa misy jiolahy tonga mifoka rongony ao anatin’io toerana io, ary amin’ny alina dia tafakatra hatrany ambony tafontranon-dry zareo. Nisy fotoana aza, amin’ny 11 ora alina, dia efa voasokatr’ireto jiolahy ireto mihitsy ny varavaran-kely tany ambony rihana.

Momba ilay hoe maka tanimena ao ny sasany dia tena zava-doza no hitranga atsy ho atsy satria feno lava-davaka be tokoa ao anatiny ao – lalina – ary ny iray amin’ireny dia ao ambany tamboho izay inoako fa efa tonga any ambanin’ny sisin-dàlana aloha kelin’ny tetezana mankany Ankadindratombo. Izany hoe dia efa miomàna izany fa atsy ho atsy mety hianjera ilay tamboho,ary hisy amin’ny ampahan-dalana , na farafaharatsiny sy sisin-dalana (trottoir) hanaraka azy.

Ny arabe mankany Ankadindratombo no ao ambadik’io tamboho io nakàna tanimena io

Nolazain’ny mpiasa iray ihany koa fa raha ny nanomanana ity faritra ity tany amboalohany dia ny ho fametrahana fitaovan’ny direksiona DLA ao amin’ny JIRAMA. Porofon’izany ny nahitàna andrin-jiro vitsivitsy mitsidrahaka ao anatiny ao. Ahitana vavahady roa ilay toerana, ilay ety ambony nidiran’ilay fiara nitondra antontan-taratasy hodorana, dia tariby monja no mba hidiny, raha mihidy cadenas tsy nahitàna fanalahidy hamohàna azy kosa ilay faharoa ery ambanimbany.

Saiky hatao fametrahana kojakoja no nanomanana ny toerana tany ampiandohana

Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva latsaka kely tany ho any dia niala teo an-toerana ireo mpamono afo. Teny an-dalana hody koa anefa ny tena no nahatsikaritra avy eny amin’ny toerana avo fa mbola misy afo niha-nahazo vàhana indray avy ery amin’ny morony ambany akaikin’ny farihy. Niverenana nantsoina indray ireo mpamono afo (efa tany Besarety ry zareo tamin’ny antsoko voalohany). Indroa niantso aho ka nielanelana teo amin’ny 5 mn teo izany. Fotoana vitsy taorian’ny niantsoana azy ireo ( 15 mn) dia tafaverina ireo fiarabe roa nantsoina. Ny afo amin’io efa mahavitra  2 na 3  metatra indraindray, rehefa sendra mitsoka be ny rivotra. Marihana fa avy nandalo ririnina isika ary be ny ravina maina nihintsna nameno ilay faritra. Nanamora ny fitaran’ny afo izany, nampian’ireo fako sy ‘sachet’ maro arian’ny sasany ao anatin’ilay faritra.

Olana iray teny an-toerana koa ny tsy fisian’ny atao hoe ‘bouche d’incendie’. Voatery noho izany ireo fiarabe nandeha tany Ambanidia tamin’ny voalohany, ary avy eo vao teny amin’ny tohodranon’ny JIRAMA tamin’ny fanindroany no naka rano.

Tsy nisy olon’ny fokontany nanatrika ny fahatongavan’ireo mpamono afo tamin’ny voalohany, ary tamin’ny famonoana afo faharoa aza dia nantsoina tany mihitsy ny lehiben’ny fokontany sy ny mpiara-miasa aminy vao mba nidina nijery ny zava-nitranga: Tsy takona nafenina anefa ny fisian’ny setroka sy ny anjomaran’ny fiarabe mpamono afo.

Tamin’ny 5 ora sy sasany hariva aho vao afaka tanteraka teny amin’ny faritra nisy ity fahamaizana ity, ary ny zavatra tena nanamarika ahy indrindra dia ny tsy nahitako tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny orinasa JIRAMA – na iray aza – tonga nanotrona sy nijery na nanadihady ny zava-misy. Teny anelanelany teny dia nisy ihany ny antso an-telefaonina nifanaovan’ny mpiasa iray tamin’ny ‘hoe lehibeny’ izay nangataka ny hifampiresaka amin’ny solontenan’ny mponina mipetraka eo akaikin’ilay faritra may, nefa tsy fantatro hoe inona no antony fa dia isak’izay mandray ny finday ireto mponina teo amin’ny faritra dia tsy misy namaly resaka any ambadika any, fa nangina na tapaka ny fifandraisana. Tsy nisy araka izany fifampiresahana teo amin’ilay ‘lehibe any anaty finday’ sy ny olona ‘saiky tra-boina’ teny an-toerana. Mahagaga an!  mahatalanjona!  Tsy zava-maivana velively anefa ny tohiny raha sanatrian’izany ilay firehetana faharoa ka tsy tsikaritra ara-potoana satria mety ho niredareda nandritry ny alina tao sy nandoro ireo ‘citè’ teo akaiky. Ireto farany rahateo efa nisy nipitihan’ny afo, ka raha ny filazan’ilay vavolombelona mitantara eto ambany dia nisy tamin’ny zanany mihitsy no may teo amin’ny tratrany. Soa fa tsy dia zava-doza loatra,. Fa na izany aza…

Talohan’ny nialan’ireo mpamono afo tamin’ny andiam-pamonoana voalohany dia nanafatra ireo mpiasa izy ireo (teo imasoko no nanaovany an’izay) mba hanara-maso ilay afo sy ny faritra manodidina. Ary tamin’ny fiverenany faharoa dia tezitra mafy izy ireo fa hoe tsy nandray ny andraikiny ireo mpiasa nafarana. Ireto farany izay nanamarika raha nanontaniako fa

avy any Atsimon’Ambohipo no naharay ny antso ka nidodododo namonjy an’i Mandroseza ny iray, ary ny iray hafa kosa avy any Avaratr’i Mahazoarivo.

Fomba ahoana hoy izy ireo no hanarahanay maso ny afo avy any ambadiky ny akata be any, ary izahay rahateo olona tsy amperin’asa fa mba tonga fotsiny nanohana ny antso sy manampy amin’izay tokony ho vita. Ny tokantranonay koa ve tsy kaontiana?

Isan’ny kiana nataon’ireto mpamono afo tamin’ireo mpiasa ny hoe

efa mba nilazana ianareo fa mba jereo ilay afo, nefa moa nareo aza mamo amperin’asa. Tsy eritreretinareo ny gas oil laninay sns…

Mino aho fa tsy nahafantatra itsy nolazaina tetsy ambony ireo mpamono afo hoe mpiasa tsy amperin’asa anie ary tany ampiatrehana ny fiainany manokana tany ireto manatrika azy eo amin’ity toerana ity.

Nisy olona sendra naheno izay ‘taim-bava’ avy amin’ny mpamono afo izay no tsy faly ka nimonomonona niteny hoe

Tsy ny asan’ialahy no atao tsara fa ialahy tsy namono tsara ny afo tokony hovonoin’ialahy no nahatonga an’io niverina. Ary ny hetra alohanay no miantoka ny gas oil fa tsy avy any ampaosin’ialahy. Ka vonoy ny afo dia mandehana mody

Soa fa tsy henon’iretsy avy any Tsaralalana ny teniny fa asa angamba izay ho tohiny. Mety tsy ny afo indray no voatondraka.

Mbola teo amperin’asa tanteraka ireo mpamono afo tamin’ny 5 ora sy sasany nialana teny an-toerana sy tsy nahitako tompon’andraikitry ny orinasa mba tonga teny an-toerana. Mampalahelo! Tena olom-pirenena tompon’andraikitra tokoa k’ah….! Hoy sisa  ilay iraikalahy nisotro kafe tetsy ampita hoe

izao no izy rehefa tany tsy misy fanjakana.

Fanjakana iza anefa ilay andrasana? Foibe sa fanjakan’ny JIRAMA ? Tsy fantatro ! F’angaha tokoa moa misy idiran’ny fanjakana ny fitiavana milalao afo? Ny andraikitry ny orinasa amin’ny tokony hiarovany ny fananany angamba no tokony hasiana resaka

Antenaina  fa mba efa maty tanteraka izay ny afo any an-toerana ary mba handry fahalemana ny olona.

Fa isan’ny tsy hita teny koa ny mpanao gazety matihanina!

Ato  ny video misy ny fijoroana vavolombelona nataona mponina iray monina tena eo akaikin’ity faritra nirehitra ity. Ao anatin’izay fijoroana vavolombelona izay no ilazany fa ny afo nandorana ny fakon’ny JIRAMA ihany no nandoro koa ny kirihitra manodidina ary nanampy tosika sisa ny rivotra. Afo izay raha nisy kely foana dia namoizan’ireto olona ireto ny fananana hàriny an-taona maro.

CUA/Fantsakana afovoan’ny arabe

Tsy lavitra akory no misy io toerana io fa raha manitsy avy any amin’ny Lapan’ny Tanana ho any Tsaralalana (Conforama) ianao ka tonga eo amin’ny sampanana ‘Aigle d’or’ ilay mivily ho any amin’ny hopitalin’ny ankizy iny.

Misy rangahy iray manovo dia manovo rano ery (amin’ny zinga) eo afovoan’ny arabe eo.

Mpanasa fiara no asan-drangahy io ary dia tsy sahirana izy satria eo akaikiny eo ihany ny fantsakana, izay sady tsy andoavam-bola, no mampidi-bola, na dia hanimba ny lalam-bahoaka aza.
Ary mba ahoana no hanjo ireo mpandoa hetra rehetra manoloana ny zava-misy toy izao?

Tsy ilay asa no ratsy, fa ilay fomba anaovana azy no kianina.

Manadio tanana ny CUA hoy ny fanambarana, manampina làlana, saingy asa raha mba efa hitany io, ary ankoatra an’io dia mampanontany tena ny mpandoa hetra ihany koa ny amin’ity fitohanana vokatry ny mpivarotra amoron-dalana eran’ny tanana ity. Tsaralalalan Soarana, Behoririka, Andravoahangy, … hatraiza hatraiza e. Aoka ho fantatry ny mpiadidy ny tanàna fa na ny mpandeha an-tongotra mandeha amin’ireny toerana ireny koa aza dia isan’ny mpandoa hetra, ka tokony hahazo ny tambiny avy amin’izany, amin’ny tolotra sahaza tokony ho azy. Tsy hoe satria ny tobin-dasantsy goavana, dia azo andraisana fepetra haingana sy mahomby (raha hahomby!) fa ny olon-tsotra madinika ka afaka miandry. Aoka hitovy ny fandraisana ny tsyrairay fa samy olom-pirenena.

Sa ahoana hoy ianao?

Fitsaboana: Aza mba marary ihany…

Tsy miafina amin’ny Malagasy maro ankehitriny ny fitokonana ataon’ireo dokotera manerana ny toeram-pitsaboana maro, tsy eto Antananarivo ihany fa efa mitatra hatrany amin’ny faritany mihitsy.

sary ho haingo fotsiny

Ny zavatra mampalahelo dia ity: misy amin’ireo marary tonga eny amin’ny hopitaly no tonga hiandry fahafatesana fotsiny noho io fitakian’ny dokotera io, sy ny fameran’izy ireo ny isan’ny andro tiany hiasana ( ary mba ahoana ny amin’i Hypocrate?). Tsaroako etoana ny antso an-telefaonina nataon’na renimpianakaviana iray tao amin’ny fampielezam-peo ANTSIVA nanao hoe

Misaotra anareo dokotera ao amin’ny HJRA fa maty ny havanay

Mahaontsa ny zavatra toy izany. Rehefa fo tsy misento lalina amin’izany dia efa fo vato.

Fa ny tena anton’ny lahatsoratra androany dia izay nahazo ny olona mifanerasera amin’ny tena isan’andro.

Tonga teto amiko hisambo-bola ity renim-pianakaviana iray fa marary ny zanany (androany io), mba hividianana fanafody. Tokony ho niditra hopitaly, hono, ilay zaza (araka ny filazany) saingy noho ny tsy fisian’ny vola dia naleo nentina fotsiny nody niaraka tamin’ny karine kely nanoratan’ny mpitsabio ny anaram-panafody hovidiana any amin’ny Fivarotam-panafody (pharmacie).

Izany eo ihany fa mba nanao ahoana no  niainany talohan’ny nahazoany ny anaram-panafody hanavotana an-janany izay mivalana sy miovaova maripàna be ihany?

Nentiny teny amin’ny Croix Rouge ilay zaza. Nilaza ny tao fa tsy misy dokotera fa mi-‘grevy’ ny mpitsabo ka

mandehana ento any amin’ny hopitalin’ny ankizy eo Tsaralalana

Rehefa tonga teo amin’ny ‘triage’ tao amin’itsy toeram-pitsaboana farany izy mianaka, dia toa ny mpiandry tanàna sy ireo mpanao ny asa fanadiovana, hoy izy , no hita eny rehetra eny.

Nanatona azy ny iray tamin’ireny mpiandraikitra ny filaminana eo amin’ny tobim-pitsaboana ireny, ka nanontany ny anton-diany. Rehefa fantatr’ilehio fa mila dokotera ary izy mianaka, dia tsy nihambahamba, hono, izy niteny fa

tsy miasa ny dokotera, nefa azoko atao ihany ny miantso dokotera raha vonona handoa consultation ianao. 50 000 Fmg raha kely indrindra fa mandeha arakaraky ny aretina. Dia rehefa mba vita dia mba manome kadoa kely ahy ianao avy eo.

Nanontany an’ilehio ilay renim-pianakaviana raha efa tafiditra ao anatin’izany ny fanafody. Nefa tsotra ny valinteny azony:

Consultation fotsiny izay, fa ny fanafody mbola hafa, na eny amin’ny farmasia ianao no mividy

Raha ao aminy anefa, hoy hatrany ity reny ity, no vidiana ny fanafody, dia lafo vidy tokoa. Naleony araka izany nividy izay mitovy fiasa aminy tany ivelan’ny tobim-pitsaboana.

Nomen’ireto olona ireto safidy moa izy mianaka, ka na handoa vola araka ny voalaza etsy ambony dia vita malaky ny raharaha, na tsy handoa vola fa hiditra hopitaly ny zaza dia miandry ny rariny eo.

Ny menaky ny aina anefa no tsy salama ka dia nanao ny tsy fanao ilay ramatoa mba hamonjena ny ain-janany

sary ho haingon-dahatsoratra monja ihany

Misy tsy milamina ao …

Tsy asiako resaka betsaka fa dia tsoriko amin’ny hoe misy tsy milamina ao anivon’ny tafika ao. Nandritry ny vaovaon’ny Radio Antsiva no heno izany fa nisy miaramila avy ao amin’ny RAS Amparibe niantso ny namany mba ‘hanamboatra’ ity firenena ity amin’ny fahaizany azy. 15 na 16 teo ho eo no namaly ny antso. Ho hita eo ny tohiny.

Fa teny anjoron’izay kosa dia sahotaka tsy nisy toy izany no niainana teo Soarano sy iny ambadiky ny Institut d’hygiene Social mankany Ambodifilao iny. Nijolofotra saiky nipoaka mantsy ny tobin-dasantsy Shell ao ambadiky ny tranoben’ny Firaisana Voalohany. Tongotra ankatoka no nataon’izay nandeha an-tongotra, mba hanalavirana ilay toerana. Foana vetivety ny fiara fitaterana sy izay nentin-tahotra rehetra. Izay tsy nahafoy fananana noho ny tahotra ny mpanararaotra kosa sisa no tavela (na nijanona) teo amin’ny toerany. Nivadika haingana nankany afovoan’Analakely ny diako raha toa ka taty Ambodifilao no noheverina hizorana. Indreny ny Fiaraben’ny mpamonjy voina (pompier)  avy ao Tsaralalana nfa voabahan’ny fitohanana iarahan’ny rehetra miaina isan’andro, amin’iny lalana avy any Tsaralalala mankany Behoririka iny. Raha izany no nisy ny tena hamehana tanteraka, dia efa faty mikararana no teo Analakely satria ny fiara tsy afa-nihetsika, ny olona an-jatony (na an’arivony mihitsy) no mivoivoy tsy mahalala na inona na inona akory amin’izay miseho ao aloha kely ao. Dia tsy hahagaga aloha raha haheno isika rehetra fa hoe be indray no voan’ny mpanararaotra  nanditra iny fotoana fohy iny. Famelezany mihitsy mantsy ny toy ireny.

fanampim-baovao : hanongana ny tetezamita no tanjon’ireo miaramila vitsivitsy izay voalaza fa niantso ny namany ‘hanamboatra’ ity firenena ity. Tany amin’ny manodidina ny amin’ny iray ora maraina no nambara fa niantombohan’ity resaka ity, ary fotoana vitsy taorian’io dia efa voahodidin’ny miaramila ny toby.

Nisy ny fizarana vola tamin’ireo miaramila nantsoin’ilay Adjudnat Chef. Araka ny tatitra dia misy ny manamboninahitra ambony tafiditra amin’ity raharaha ity izay voalaza fa tsy niditra mivantana tao amin’ny RAS Ampahibe fa niandry kosa taty ivelan’ny toby. Ilay Adjudant Chef ihany izany aloha no tena voatondro mivantana ary efa nosamborina sy eo ampela-tanan’ny zandary mba hanaovana famotorana. Misy koa moa filazana fa misy mpanao politika koa ao ambadik’ireto manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra ireto. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny fanomezana anarana. Fa na ny mpanao gazety aza dia tsy navela hiditra ilay faritra tamin’io maraina io.

Nilaza ny Praiminisitra miaramila Vital Camille fa tsy hilefitra amin’izay mitetika korontana ary nampitandrina mafy izay mikasa hanao izany eo anivon’ny tafika sy ny foloalindahy Malagasy.