Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. « Hiady amin’adala tokoa ve moa » hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

« Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene »

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

« Efa ho retraité aho »  « 30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo? »

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao « ady idy »

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.

 

Publicités

Apokalipsy / Tsy manara-dalàna, namoa-doza

Saiky faty olona maro no nitranga teo Ambohijatovo androany tolakandro. Fiara iray an’ny vondrom-bavaka APOKALIPSY tarihan’ny Pasitera Mailhol no tompon’antoka voalohany tamin’izany.
Ilay fiara nahavanon-doza
Rehefa nofotorana moa ingahy mpamily dia nilaza fa tsy niasa intsony ny tsindrihisatry ny fiara (frein) nentiny. Rehefa nitranga ny patsa iray tsy omby vava ka nangatahana taminy ny antontan-taratasy dia tsy hay be ihany izay marina fa mbetika toe hoe tsy hita niaraka tamin’ny entana tao anaty fiara, mbetika toa hoe any anaty fiara hafa, mbetika indray toa any an-trano aza. Saingy rehefa ny avy amin’ny mpitandro filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana no tonga, dia fantatra fa niniana nafenina ny taratasy. Nibaradaka ihany mantsy ranamana fa tsy any aminy ny permis fa mbola halaina. Ary rehefa nojerena koa ny antontan-taratasin’ny fiara dia efa lany andro ny fitsirihana fanao amin’ny fiara toy ity karazany nanao loza ity. Marihana fa itony minibus itony ilay fiara.

Antontan-taratasy lany daty toy izao no itondràna fiara ka niteraka ny loza

Fa nanao ahoana moa no fitrangan’ny loza?
Avy ny orana. Tsy maintsy hampiditra akanjo aro orana araka izany ny tena satria moto no entina. Nampakarina teny ambony trottoir ny kodiarandroa, ka rehefa vita ny fampidirana ny akanjo, dia nisosa miadana indray hamonjy ilay fanariam-pako tery ambany tery (raha mivoaka ny Tonelina Ambanidia ka hidina ho any Ambohijatovo iny). Noteren’ilay fomba fiteny hoe ‘Ny olombelona tsy akoho’. Teny ampisosàna miadana teny anefa (eny ambony trottoir hatrany amin’io fotoana io an), dia tsinjoko ao anaty retroviseur fa misy fiara, mbola lavitra raha ny fijery azy, any aorinako, ary noheveriko mihitsy aza raha ny habeny tao anaty fitaratra no hakàna sary an-tsaina ny elanelana nisy azy, fa fiara nijanona io tazako io. Teo ampiomanana ny haka sisiny hivalan-drano aho no sendra nitsipalotra tany anaty retroviseur indray ny masoko, ka akory ny hatairako fa efa ny sarin’ny lohaben’ilay fiara no hitako mivandravandra be tao anaty retroviseur. Mbola marihako hatrany fa eny ambony trottoir foana ny resatsika eto an. Efa ny fahafatesana no tao an-tsaiko saingy mbola mba niezaka ny hikisaka hiankavanana ihany. Satria koa nisy mpivady anankiroa tsinjoko tao aoriako tao, izay soa ihany fa tsy tratr’ity loza ity fa raha tsy izany dia maty tsy tra-drano. Nijanona ho faniriana anefa izany hikisaka izany fa tsy tanteraka intsony, satria segondra iray na roa taorian’ny nijereko ny retroviseur dia ny fipoahan’ilay fiara tamin’ny scooter notaingenako sisa no henoko talohan’ny nipitihako niankavanana, sy nahitako ny kodiarana aorian’ilay fiara nanosika ny lohako hikipily sy nanodina ny vatako 180°. Ny scooter koa dia nipitika tany amin’ny 5 metatra niala tamin’ny toerana nilatsahako, ary tokony ho 7 metatra amin’ny toerana nisian’ny fifandonana.
Ankavia, ny firan’ny APOKALIPSY, ery amin’ny havia, ny fiaraben’ny fivondronana, eto aloha kosa ilay scooter nofaohana teny ambony trottoir
Firaben’ny orinasa STAR iry ery aloha indrindra nataony tohana iry. Ao anelanelany ao kosa dia misy fiara madinika 3 hafa nafangarony natao tohana ihany koa.

Taorian'ny nandonany ny scooter dia ity Golf ity indray no nasiany

Tsy ampy hanajanona ny hazakazany ilay Golf fa mbola nampiany fiarakely roa hafa…
Manomboka eto dia alaivo an-tsaina ny hamafin’ny fifandonana. Azo itarafana an’izay ny fanaingan’ilay Peugeot 405 an’ilay 4 x 4 Mitsubishi teo alohany. Ity farany moa dia nifatratra tamin’ilay fiaraben’ny Star teo alohany.

Mianga mihitsy ny vodin'ilay Mitsubishi

Mafy anie izao e!

Saika be no maty
Fiara avy nitondra vondron’olona maromaro ity fiara ity, no izao tra-doza izao. Nisy fiaraben’ny Fivondronana  teo alohako teo . Rehefa avy nahadona ahy ilay fiaran’ny APOKALIPSY dia mba nahavita nisoroka ny fifatràrany tany amin’ilay fiara mpaka fako ihany. Naveriny niditra tany anaty arabe ny fiara, ka ireo nitohana teo amin’ny làlana no nataony tohana hanajanonana ny hazakazaka adàlany.

Ery aloha ny an'ny Star, manaraka azy eo ny 4 x 4 fiaran'ny Ministeran'ny Harena ankibon'ny tany, avy eo ilay Peugeot 405, ary ireto mifanakaiky ireto ny Golf sy ny APOKALIPSY

Fiara dimy  (5) izany no nifanosona sy simba teo, ka vehivavy iray no voatery nentina tany amin’ny hopitaly. Voatery nomena fitsaboana maika sy nozairina ny tarehiny. Mivonto be koa ny handriny havanana. Ny vadin’ny mpamily ilay Golf  io ramatoa io. Ilay mpamily ny fiara 405  koa dia voatery nentina niaraka tamiko tany amin’ny hopitaly mba hotarafina sao misy tsy metimety. Nitarainany ho nisy narary mantsy ny hatony, raha nidona indroa tamin’ny fitaratra, sy nironjona nankany aoriana nandritra ilay dona.
Raha tsy nisoroka ilay fiarabe mpaka fako ny mpamilin’ilay fiaran’ny APOKALIPSY dia be no maty tao anatiny tao. Avo dingana ihany mantsy ilay fiarabe, ka azo antoka avy hatrany ny hahatafasitrika ny ampahany maro amin’ilay fiara any ambaniny any, ary dia ho voatapak’ilay benne daholo ny faritra ambonin’ilay minibus.
Mba nisy madama iray izay no hany nanana fahatongavan-tsainy nihazakazaka nivoaka avy tao anatin’ilay fiaran’ny APOKALIPSY ka nijery izay nanjo ahy, sy nanontany raha misy tokony hatao maika amiko. Fa ny hafa kosa (tamin’ireto olon’ny APOKALIPSY ihany) dia nahavita niteny zavatra tsy ampiheverana sy tsy takatry ny saina.
Nandritra ny fanangonan’ireo mpitandro filaminana ny fanadihadiana nataon-dry zareo, dia tsy fantatr’ireto olona ireto velively hoe efa misy fianakaviako anie nantsoina ho tonga eo amin’io toerana nitrangan’ny loza io. Nisy tamin’ireto olon’ny APOKALIPSY  ireto no nahavita niteny fa hoe Mitady zavatra hono izahay niharan-doza ireto. Tena misy zavatra be tadiavin-dry zareo mihitsy. Rehefa naheno an’izay moa izahay niharan-doza dia tsy naharitra kosa fa niteny. Hoy aho hoe
Azafady kely fa raha ianao no teo amin’ny toerako, saika namoy aina tao anatin’izao loza izao, mety mbola ho izay ve no noteneninao ee?
Fanavaozana vaovao (10 mars 2011) : Nilaza tamiko ny vadiko fa ilay ramatoa nitondra ahy tany amin’ny hopitaly mihitsy kay no niteny voalohany an’ilay hoe Mitady zavatra be mihitsy ilay rangahy io. Saingy nipirina nony nolazain’ny vadiko azy fa henony daholo izay nolazainy teo ary izy no vadiko. Ary tsy hanaiky mihitsy izy raha tsy entina mandalo hopitaly ny vadiny (izaho izay). Dia nihatokatoka nanaiky sisa no nataony, ary nitondra anay mirahalahy tany amin’ny HJRA avy eo. Ary mbola izy io ihany koa ilay nihazakazaka nivoaka avy ao anaty fiaran’ny APOKALIPSY nijery izay nanjo ahy. Tsy nampoiziko.  Hay izany na ilay izy nihazakazaka nivoaka nijery ahy aza dia mety ho fihatsarambelatsihy sy tahotra ny ho tohiny fotsiny.
Ilay rangahy iray isan’ny niharam-boina koa dia niteny hoe
mba tandremo kely ny vava fa tsy fantatrao daholo ireo olona voadonanareo ireo.
Satria dia nisy mpahay lalàna tokoa tafiditra amin’ireto niharam-boina. Raha nandre izany ilay ramatoakely, nampiana lehilahy tanora iray, mbola avy amin’ny tarik’ilay fiara APOKALIPTIKA ihany (tsy haiko na vadiny iny na inony, ialako tsiny fa tsy fantatro) dia toa vao mainka aza nandrisika azy hiteniteny foana, ka hoy izy:
Tsy miraharaha izay zavatra simba any …ary tsy mahalala anay koa angaha? Tsy mahalala ahy koa angaha?
Asa re na mba olona ampy saina sy fanahy no afaka hiteny toy izany, na olona manao ahoana?
Vavolombelona hafa
Nisy ramatoa iray nametraka ny laharan’ny findainy aty aminay niharam-boina mihitsy (nitalahoana mihitsy raha ny marina ny mba hanomezany azy, haintsika ihany fa tsy dia tia voarirodrirotra loatra ny olona eto amin’izao fiainana izao). Io ramatoa io dia nidina avy tany anaty taxibe tany akaikin’ny tonelina tany rehefa hitany fa ho ela ilay fitohanana. Akory anefa ny hagagany fa ilay fiara nisosososo be avy nisongona an-dry zareo tany ambony tany no io namoa-doza aty ambany aty io. Raha ny elanelana voalazan’ilay ramatoa fa misy ny fiara nidinany sy ny toerana nitrangan’ny loza dia misy 120 metatra mahery. Manamarina ny endriky ny fiara hitako tao anatin’ny retroviseur ilay elanelana voalaza etsy ambony io. Satria ny toerana nahitako an’ilay fiara voalohany tao anaty fitaratra dia tokony ho mbola any alohan’ny andrin-jiro 3 miala amin’ny toerana nisy ahy talohan’ny dona. Taxibe maro izahay hoy ilay ramatoa no efa nosongonan’io fiara io tany aloha tany, ary nandeha mafy tokoa izy.
Mahagaga
Fa ny tena nahazendana ahy sy nanontaniako an’ilay mpamily dia ny hoe
mba hainao moa ilay vazivazy ratsin’ny mpampanao fanadinana rehefa maka Fahazoan-dalana hamily fiara r’ingahy? Hoy ry zareo ireny hoe raha misy olona sy alika miampita tampoka eo afovoan’ny arabe, eo anoloanao, ny inona no itsahanao voalohany? Valiny ho an’ny manan-tsaina Frein na tsindrihisatra. Fa tsy misafidy olona na alika. Nefa kosa ny anao dia izaho, naleonao nanintsy taty amiko na ho faty aho na ho velona fa nampalahelo anao ny handona na hanimba fiara na ilay rarivato tetsy amoron-dàlana, na koa handona andrin-jiro iray tamin’ireo 3 nandalovanao.
Namaly moa ranamana fa tsy tao an-tsainy intsony izany rehetra izany fa ny hoe tapaka ny frein no nibahana tao an-tsainy (raha ny marina dia hoe Raha ho faty aho, matesa rahavana, raha ho faty rahavana, matesa ny omby, io no nampiharin’ingahy mpamily ka aleony ny hafa no mihinan’ny…toy izay izy mianakavy sy ny fananany no mifafa ny….Ka dia izahay no nasainy naka ny toeran’ny omby).
Tsy dia mahagaga loatra raha izay fahatapahana frein izay, satria hay ilay fiara ka fiara tokony ho nandalo fitsirihana ary efa lany visite technique tamin’ny 7 Martsa lasa teo.
Fitahiana lehibe
Fa ny zavatra isaorako an’Andriamanitro, dia ny nitahiany ahy. Ratra kely eo amin’ny kihon-tongotro havanana sy amin’ny tànana havanana no azoko, miampy fanaintainana tao amin’ny foto-peko havanana ao, noho ny fianjerana tamin’ny fandakàna ny scooter ho solon’ny fahatra hanipy ny tena ho lavitry ny loza. Tery dia tery anefa ny trottoir ary haingana be ny fitrangan’ny loza ka tsy lasa lavitra ny tena fa vofaoka niaraka tamin’ilay scooter ihany, na dia tsy nanaraka azy tany amin’ny 5 metatra aza. Izay tsy nahita ahy, fa fotoana ela taty aoriana vao nandalo ilay toerana, dia samy niteny daholo fa tena maty angamba ilay mpitondra moto. Saingy talanjona rehefa nilazana fa izaho no teo ambonin’io. Na izaho aza gaga raha niverina nijery ireto sary ireto, hoe ahoana no tsy nahavoa mafy ahy? Nefa raha ny fitefoky ny dona, na tamiko, na tamin’ireo fiara, dia tena mafy dia mafy tokoa. Saingy ny valiny dia tsotra :  » Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy « 
Raha ny tolakandro ny loza no nitranga, dia mbola maro tamin’ireo fiara niharan-doza no tsy afaka teo amin’ilay toerana talohan’ny tamin’ny 8 ora alina ary hatramin’izao fotoana anoratana ny lahatsoratra izao aza angamba. Satria nisy mihitsy ny voatery nakàna mecanicien sy carrossier mba handrava sy hanamboatra azy teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza mba hahafahana manetsika ilay fiara.
Efa vita moa ny Constat fa ny hikarakara ny taratasy any amin’ny Assurance rahampitso sy ny any amin’ny BAC any Tsaralalana sisa no hatao.
Raha ny vaovao fantatra teny an-tsefantsefany teny, dia vao tamin’ny Alarobia koa io mpamily io no nanao loza, dia ity androany Alarobia ity indray ny manaraka (resaka mangiana, somary bitsibitsika, nifanaovan’ireo telo lahy avy amin’ny APOKALIPSY nasaina naka kamiao hanaterana ny fatin’ny scooter-nay nody moa no nahenoana an’izay an-dàlana, alohan’ny hiaingan’ity kamiaon’ny APOKALIPSY ity ho any Marovoay indray izao alina izao ihany.
Misaotra an’ireo namana nitondra fankaherezna sy niarahaba ny tena tsy maty fo aman’aina.
Farany
Ity avoaka ho anao eto ity ny lehilahy iray nanindry, tonga dia tsorina hoe nanindry aloka, tsy hoe hanao kolikoly akory no tiana ho lazaina, fa saika hiaro ilay mpamily nanoloana ny fitakiana taratasy nataon’ny polisy, rehefa tratra fa tsy nisy taratasy tany amin’ingahy mpamily. Rangahy io avy eo no naniraka tovolahy iray hafa haka ireo antontan-taratasy tany anatin’izany EXPLORER izany. Napetrak’ilay polisy tamin’ny toerany tsara moa ranamana satria naverina taminy ny fanontaniana natao tamin’ilay mpamily hoe
rehefa hitondra fiara moa ramose dia inona avy no tokony hamarinina mialoha?
Nihenahena tsy nety namaly ranamana ary dia ny nihataka sisa no nataony.

Saika hampianatra ny polisy hanao ny asany angamba ity rangahy apokaliptika ity (ilay miresaka aminà ramatoa)

Fa araka ilay fitenin’ny mpijery baolina hoe : Jereo kely ny tabilao, dia entaniko ianao mba hijery koa ny fitaratr’ity fiara ity. Efa mandeha sahady ny fampielezan-kevitra sy ny fangalarana depart amin’ny fifidianana ho avy. Fitoriana ny lala-mahitsy sy ny fahamarinana, ary fampianarana ny olona hanao ny araka ny lalàna ve hoy ianao? Asa re, fa mampieritreritra ihany….

Alehibeazo io sary io dia ho takatrareo ny tiako ho lazaina. Misoratra eo ny fampielezan-kevitra ankolaka momba ny taona 2013

Loza raha may ny ala kely … farihin’i Mandroseza

Tsy nisy andro iray tsy nandrenesana anjomara fanairan’ireny fiarabe mpamono afo ireny teto Antananarivo. Na andro na alina dia tsy maintsy mandre azy ireny foana ny mponina. Toa zary lasa fahazarana mihitsy indray aza angamba, mba tsy hilazana hoe lasa tsy mahataitra.

Fiaraben'ny mpamono afo

Toa mampahatahotra ny hiteny hoe efa misy tia milalao afo sy faly mahita zavatra may koa ve ny Malagasy (pyromane)? Teo aloha teo mantsy dia tsy nisy tsy taitra nandre fa may ny ampahany tamin’ny valan-javaboahary voajanaharin’Ankarafantsika, nanaraka azy avy eo ny valan-javaboaharin’Isalo. Tsy hoe adino akory ny « hain-trano faobe » mitranga eto an-drenivohitra, toy ny teny Antohomadinika, raha tsy hiresaka afa-tsy io isika.

Tamin’ireny tranga ireny dia saiky tonga nidodododo sy nihazakazaka nijery ny zava-nitranga sy hoe « hitondra anjara biriky » ny olona isan’ambaratongany. Fa raha ity nitranga androany ity kosa no lazaina, dia tena nampalahelo: May ny ala kely (mbola tamin’ny ampahany ihany aloha) manodidina ny farihin’i Mandroseza. Ampahany hoy aho, nefa tsy azo tsinontsinoavina ny haben’ilay faritra may. satria lehibe ihany.

Kely fa zava-doza raha avela hihanaka

Hoy ny manodidina

Tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany maraina tany  no tonga teo niaraka tamina fiara 404 misy labasy ny olona vitsivitsy. Anton-dian’izy ireo ny handoro  antontan-taratasy am-patorana teo anatin’io faritra io. izay efa fanaon-dry zareo isaky ny andro sabotsy.

ireo antontan-taratasy nodorana nefa tsy may

Nilaza moa ireo mpiasa sendra ny tena teo amin’ilay toerana nisy ny fahamaizana fa tsy amperin’asa izy ireo no nisy niantso tamin’ny finday fa hoe

mirehitra ny ao anatin’ilay faritry ny ala kelin’ny JIRAMA.

Dia ho aiza izany ireo tarondro be teto?

Ary dia tonga nanohina ny antso tsy nisalasala. Na dia faran’ny herinandro tokony hialan-dry zareo sasatra sy hirevireveny aza (tsy afenina fa efa nahazohazo avy any amin’ny faritra nisy azy tokoa ny sasany tamin’izy ireo no tonga namaly ny antso).

Ankoatra ahy izay naharay antso avy amin’ny anabaviko monina eny amin’ny faritra akaikin’ny afo, dia nisy efatra teo ho eo angamba ireo mpiasa nijery ny fihanaky ny afo. Tsy fantatro na ny mponina  na ireo mpiasa no niantso voalohany ny mpamono afo. Tsy haiko na tamin’ny firy ireto mpiasa ireto no tonga teo an-toerana fa raha ny tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro nahatongavako teny dia tena mbola teo amperiny tamin’ny famonoana ny afo tokoa ny avy ao amin’ny mpamono afon’ny kaominina.

Raha ny teny heno avy amin’ireo mpiasa nanontaniana moa dia hoe tsy avy amin’ireo fako sy antontan-taratasy nodorana no niavian’ny afo fa avy amin’ny faritra ambany, akaikin’ny rano. Toerana izay lazain-dry zareo fa fieren’ny jiolahy sy ny mpanjono an-tsokosoko ary ireo mpifoka rongony. Fieren’ireo mpangalatra ihany koa hoy ny mponina eo akaiky eo.

Toa sarintsarim-piarovana ho an’ilay faritra ihany raha ilay tamboho natsangana manamorona ny arabe mankany Ankadindratombo iny. Raha tena miditra ao anatiny mantsy ianao dia hahita fa feno lala-masaka ao, izay efa ela nivezivezena tokoa. Mifampitohy sy mifandray avokoa izy ireny ary mivoaka mankany amin’ny lalam-by ery akaikin’ny lagara fiantsonan’ny fiarandalam-by ho any, na avy any Toamasina.

Saiky hangalatra fitia fa tsy nety ny androany e! Ramatoa nialoha lalana ka rehefa nifanena taminay (mpaka kitay) dia nitsiky sisa azo natao. Rangahy indray nitsirika ery ankavian'ny tamboho akaikin'ny lalamby ka tsy sahy nanaraka intsony. Amin'ny manaraka indray eeee!

Raha mihaino ny feon’ireo mponina eo akaiky eo indray, izay nilaza fa nahita ny fiandohan’ny afo sy nampandre ny tompon’andraikitra, dia avy amin’ilay fako nodorana ka nasavoritaky ny tadio no niavian’ny firehetàna. Tokony ho mba nisy ny fanaraha-maso ny afo natsangana araka ny fanamarihan’ireto mponina ireto, satria nambaran-dry zareo ihany koa fa indraindray maharitra iray andro mahery ny firehetana amin’ireo fako sy antontan-taratasy dorana eo ireo. Toy ny afon’ampombo misoko mangina.

Iverenana ilay sarintsarina fiarovana ilay faritra: sarintsariny amiko satria raha ny zavatra hafa tsikaritra tao dia vitan’ny olona ny mikapa hazo ao anatin’io faritra io, raha tsy ny tompony no nàka.

Dia hazo be no teto. Iza no nikàpa, tsy nisy nahita ve?

ny maka tanimena ao,

Ary sao mba ny mponin'ny citè ihany kosa no naka tanimena tety hananganana trano e? Asa lahy!

ny manao azy ho ‘trano fandriam-bahiny vonjy maika’, ny mametraka tsy amin-tahotra ny lakana fanjonoany eo amoron-drano eo,

tsy afenina intsony ny lakana fa avela ery amoron'ny lalam-by

tsy afenina intsony ny lakana fa avela ery amoron'ny lalam-by

ao ny mamadika azy ho trano fivoahana sy toerana fanariana fako na fanariana fatin’olona mihitsy aza ka indraindray dia efa mihintsa-nofo vao misy mahita (indrindra fa rehefa fahavaratra) hoy ny mponina eny. Na dia raisintsika hoe voafefy aza ilay mivoaka any amin’ny lagara, dia tsy olana ho an’izay te-hiditra ao ny miakatra ny tamboho avy aty amin’ny arabe ka miditra mankao. Nitaraina mihitsy aza ireto mponina eo akaikin’ilay faritra fa misy jiolahy tonga mifoka rongony ao anatin’io toerana io, ary amin’ny alina dia tafakatra hatrany ambony tafontranon-dry zareo. Nisy fotoana aza, amin’ny 11 ora alina, dia efa voasokatr’ireto jiolahy ireto mihitsy ny varavaran-kely tany ambony rihana.

Momba ilay hoe maka tanimena ao ny sasany dia tena zava-doza no hitranga atsy ho atsy satria feno lava-davaka be tokoa ao anatiny ao – lalina – ary ny iray amin’ireny dia ao ambany tamboho izay inoako fa efa tonga any ambanin’ny sisin-dàlana aloha kelin’ny tetezana mankany Ankadindratombo. Izany hoe dia efa miomàna izany fa atsy ho atsy mety hianjera ilay tamboho,ary hisy amin’ny ampahan-dalana , na farafaharatsiny sy sisin-dalana (trottoir) hanaraka azy.

Ny arabe mankany Ankadindratombo no ao ambadik’io tamboho io nakàna tanimena io

Nolazain’ny mpiasa iray ihany koa fa raha ny nanomanana ity faritra ity tany amboalohany dia ny ho fametrahana fitaovan’ny direksiona DLA ao amin’ny JIRAMA. Porofon’izany ny nahitàna andrin-jiro vitsivitsy mitsidrahaka ao anatiny ao. Ahitana vavahady roa ilay toerana, ilay ety ambony nidiran’ilay fiara nitondra antontan-taratasy hodorana, dia tariby monja no mba hidiny, raha mihidy cadenas tsy nahitàna fanalahidy hamohàna azy kosa ilay faharoa ery ambanimbany.

Saiky hatao fametrahana kojakoja no nanomanana ny toerana tany ampiandohana

Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva latsaka kely tany ho any dia niala teo an-toerana ireo mpamono afo. Teny an-dalana hody koa anefa ny tena no nahatsikaritra avy eny amin’ny toerana avo fa mbola misy afo niha-nahazo vàhana indray avy ery amin’ny morony ambany akaikin’ny farihy. Niverenana nantsoina indray ireo mpamono afo (efa tany Besarety ry zareo tamin’ny antsoko voalohany). Indroa niantso aho ka nielanelana teo amin’ny 5 mn teo izany. Fotoana vitsy taorian’ny niantsoana azy ireo ( 15 mn) dia tafaverina ireo fiarabe roa nantsoina. Ny afo amin’io efa mahavitra  2 na 3  metatra indraindray, rehefa sendra mitsoka be ny rivotra. Marihana fa avy nandalo ririnina isika ary be ny ravina maina nihintsna nameno ilay faritra. Nanamora ny fitaran’ny afo izany, nampian’ireo fako sy ‘sachet’ maro arian’ny sasany ao anatin’ilay faritra.

Olana iray teny an-toerana koa ny tsy fisian’ny atao hoe ‘bouche d’incendie’. Voatery noho izany ireo fiarabe nandeha tany Ambanidia tamin’ny voalohany, ary avy eo vao teny amin’ny tohodranon’ny JIRAMA tamin’ny fanindroany no naka rano.

Tsy nisy olon’ny fokontany nanatrika ny fahatongavan’ireo mpamono afo tamin’ny voalohany, ary tamin’ny famonoana afo faharoa aza dia nantsoina tany mihitsy ny lehiben’ny fokontany sy ny mpiara-miasa aminy vao mba nidina nijery ny zava-nitranga: Tsy takona nafenina anefa ny fisian’ny setroka sy ny anjomaran’ny fiarabe mpamono afo.

Tamin’ny 5 ora sy sasany hariva aho vao afaka tanteraka teny amin’ny faritra nisy ity fahamaizana ity, ary ny zavatra tena nanamarika ahy indrindra dia ny tsy nahitako tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny orinasa JIRAMA – na iray aza – tonga nanotrona sy nijery na nanadihady ny zava-misy. Teny anelanelany teny dia nisy ihany ny antso an-telefaonina nifanaovan’ny mpiasa iray tamin’ny ‘hoe lehibeny’ izay nangataka ny hifampiresaka amin’ny solontenan’ny mponina mipetraka eo akaikin’ilay faritra may, nefa tsy fantatro hoe inona no antony fa dia isak’izay mandray ny finday ireto mponina teo amin’ny faritra dia tsy misy namaly resaka any ambadika any, fa nangina na tapaka ny fifandraisana. Tsy nisy araka izany fifampiresahana teo amin’ilay ‘lehibe any anaty finday’ sy ny olona ‘saiky tra-boina’ teny an-toerana. Mahagaga an!  mahatalanjona!  Tsy zava-maivana velively anefa ny tohiny raha sanatrian’izany ilay firehetana faharoa ka tsy tsikaritra ara-potoana satria mety ho niredareda nandritry ny alina tao sy nandoro ireo ‘citè’ teo akaiky. Ireto farany rahateo efa nisy nipitihan’ny afo, ka raha ny filazan’ilay vavolombelona mitantara eto ambany dia nisy tamin’ny zanany mihitsy no may teo amin’ny tratrany. Soa fa tsy dia zava-doza loatra,. Fa na izany aza…

Talohan’ny nialan’ireo mpamono afo tamin’ny andiam-pamonoana voalohany dia nanafatra ireo mpiasa izy ireo (teo imasoko no nanaovany an’izay) mba hanara-maso ilay afo sy ny faritra manodidina. Ary tamin’ny fiverenany faharoa dia tezitra mafy izy ireo fa hoe tsy nandray ny andraikiny ireo mpiasa nafarana. Ireto farany izay nanamarika raha nanontaniako fa

avy any Atsimon’Ambohipo no naharay ny antso ka nidodododo namonjy an’i Mandroseza ny iray, ary ny iray hafa kosa avy any Avaratr’i Mahazoarivo.

Fomba ahoana hoy izy ireo no hanarahanay maso ny afo avy any ambadiky ny akata be any, ary izahay rahateo olona tsy amperin’asa fa mba tonga fotsiny nanohana ny antso sy manampy amin’izay tokony ho vita. Ny tokantranonay koa ve tsy kaontiana?

Isan’ny kiana nataon’ireto mpamono afo tamin’ireo mpiasa ny hoe

efa mba nilazana ianareo fa mba jereo ilay afo, nefa moa nareo aza mamo amperin’asa. Tsy eritreretinareo ny gas oil laninay sns…

Mino aho fa tsy nahafantatra itsy nolazaina tetsy ambony ireo mpamono afo hoe mpiasa tsy amperin’asa anie ary tany ampiatrehana ny fiainany manokana tany ireto manatrika azy eo amin’ity toerana ity.

Nisy olona sendra naheno izay ‘taim-bava’ avy amin’ny mpamono afo izay no tsy faly ka nimonomonona niteny hoe

Tsy ny asan’ialahy no atao tsara fa ialahy tsy namono tsara ny afo tokony hovonoin’ialahy no nahatonga an’io niverina. Ary ny hetra alohanay no miantoka ny gas oil fa tsy avy any ampaosin’ialahy. Ka vonoy ny afo dia mandehana mody

Soa fa tsy henon’iretsy avy any Tsaralalana ny teniny fa asa angamba izay ho tohiny. Mety tsy ny afo indray no voatondraka.

Mbola teo amperin’asa tanteraka ireo mpamono afo tamin’ny 5 ora sy sasany nialana teny an-toerana sy tsy nahitako tompon’andraikitry ny orinasa mba tonga teny an-toerana. Mampalahelo! Tena olom-pirenena tompon’andraikitra tokoa k’ah….! Hoy sisa  ilay iraikalahy nisotro kafe tetsy ampita hoe

izao no izy rehefa tany tsy misy fanjakana.

Fanjakana iza anefa ilay andrasana? Foibe sa fanjakan’ny JIRAMA ? Tsy fantatro ! F’angaha tokoa moa misy idiran’ny fanjakana ny fitiavana milalao afo? Ny andraikitry ny orinasa amin’ny tokony hiarovany ny fananany angamba no tokony hasiana resaka

Antenaina  fa mba efa maty tanteraka izay ny afo any an-toerana ary mba handry fahalemana ny olona.

Fa isan’ny tsy hita teny koa ny mpanao gazety matihanina!

Ato  ny video misy ny fijoroana vavolombelona nataona mponina iray monina tena eo akaikin’ity faritra nirehitra ity. Ao anatin’izay fijoroana vavolombelona izay no ilazany fa ny afo nandorana ny fakon’ny JIRAMA ihany no nandoro koa ny kirihitra manodidina ary nanampy tosika sisa ny rivotra. Afo izay raha nisy kely foana dia namoizan’ireto olona ireto ny fananana hàriny an-taona maro.