Hetsika #12Mai2012

Saika hanao fanazavan-kevitra tamin’ireo mpomba azy teny #Ambohijatovo indray ireo parlemantera roalahy avy amin’ny ankolafy #Ravalomanana. Rehefa avy nanatona ireo mpitandro filaminana nangataka alàlana izy ireo dia tsy nahazo rariny. Rehefa izany dia nilazàna izy ireo hanao izany any amin’ny kianja #MAGRO Behoririka.

Teny an-dàlana anefa dia nizara 3 teo ireto olona nitanjozotra ireto (izay narahan’ny mpitandro filaminana mba tsy hisian’ny korontana, ary dia ireto mpitarika mihitsy aza moa raha ny heno no nangataka izay fiarovana izay). Ny ampahany voalohany nijanona tety akaikin’ny #TAHALA #RARIHASINA, ny faharoa teo amin’ny #13Mai ary ny sisa (fahatelo) dia nanohy ny dia ho any Behoririka.

Nisy ny fifamaliana teo amin’ireo mpitarika roalahy sy iretsy nidongy hijanona tao afovoan-tanàna, ary nivoaka tamin’izany aza ny fitenenana naherihery avy amin’ireo mpanara-dia fa hoe nahatsiaro ho nolalaovin’ireo mpanao politika ry zareo, nolaniana andro. Na dia niezaka ny handresy lahatra azy ireo aza ny mpitarika dia tsy nahita nangirana, fa dia niparitaka ny hetsika.

Ny tetsy amin’ny kianja 13Mai no ndeha hiverenana. Nifampitazana sy nifampiandry teny indray ny EMMO sy ny mpanao fihetsiketsehana. Nitohy hatramin’ny efa maizina moa izany fifampiandrasana izany ary niafara mihitsy tamin’ny fisamborana olona telolahy, taorian’ny nisian’ny fikasana handoro fiara tsy lavitra ny arabe mivily mankany amin’ny Lisea #Rabearivelo iny.

Isan’ny nanamarika ny andro androany hariva ihany koa ny nakan’ny mpitandro filaminana iray ny finday misy fakàna sary teny amin’ny mpanao gazety iray, sy nanitsahany an’izanyary ny nanipazany azy lavitra dia lavitra ilay toerana nitrangan’ny famotehana. Asa raha fantany hoe mpanao gazety ity olona nanaovany herisetra, na noheveriny ho olon-tsotra. Teto dia nahatsiaro ny zavatra nahazo ny namana iray mpaka sary an-gazety niharan’ny fisamborana sy ny daroka rehefa nentina tao amin’ny #Bain-douche tamin’ity herinandro ity ny vitsivitsy nanatrika teo. Fihetsika izay tsy voalohany no sady angamba tsy ho ny farany koa. Mahamenatra satria nony injay nentina tao amin’itsy birao voalaza ilay mpanao gazety, ka fantatry ny tao fa mpanao gazety, dia navoaka toa tsy nisy inona iny, nefa raha ny heno dia hoe efa nasaina nanao sonia an-tery ny fakàna ambavany azy,talohan’ny nahatongavan’ireo mahafantatra azy ho mpanao gazety.

Aleo hatsahatra ny bla bla bla, fa ndeha hijery sary isika e, ny androany hariva.

Sary 1 : Mifampitazana sy mifampiandry

ireo fiara mivezivezy miezaka mamno lolo ny olona mivorivory

dia voatery foana hanimba zavatra ve rehefa hoe maneho hevitra? Fisainana efa tokony hialàna

Voaendaka daholo natao sakana ny sisin-jaridaina teto amin’ity hazo ity sy ny manodidina azy

Ery amin’ny farany somary lavitra amin’ny sary ery dia misy fiara mipetraka. Tsy nisy nanampo fa hisy hanandrana handoro izy io rehefa harivariva manomboka ho maizina

ireo tery ampita niandry izay hiseho

Rehefa nesorina ny sakana teo aloha, dia mbola nisy indray ny famerenana nametraka vaovao rehefa maizimazina iny ny androany

Sezan’ilay fiara saika hisy handoro izy ity. Soa fa mora nesorina sy nosintonina hivoaka tao amin’ilay fiara fa saika loza

Ity kosa ilay fiara tompon-tseza. Nahagaga fa teo akaiky teo ihany ny tompon’izy io saingy tsy nahatsikaritra izay nanipy ny afo tao anatiny

Iray tamin’ireo telo lahy voasambotra, rehefa nifanenjehana sy notadiavina tany anaty trano fisotroana tsy lavitra teo

Hatreo aloha ny androany. Asa raha hanao ahoana ny ampitso. Milaza hanao fanateram-boninkazo ny sasany, hankalaza tsingerintaona voalohany ny hafa, ny hafa indray mbola hanohy ny androany , hono. Vokatry ny fahantràna daholo izany

Laisser un commentaire