VONOY DAHOLO IZAY MANELINGELINA

11 FéVRIER 1975 – 11 février 2016
1975….Indray andro, hono, teny Ambohijatovo ambony teny dia nisy ny famonoana ny filoham-panjakana teto amin’ity tany ity. Bala maromaro no nandady ny vata-tenany tamin’io andro io. Tao anatin’ilay fiara Peugeot 404 miloko mainty (mainty toa azy?) no nitrangan’ny ra mandriaka. Kômandô voafantina sy mpanao vy very ny ainy avy tamin’ilay GMP (Groupe mobile de police) no nanao ny “asa mahafaty” toa an-dry Zimbo, Mara Seth, Laza Petit Jean, Maurice Alphonse, Boto…Vita “natavy “ teo an-tany fiadiana tamin’iny andro iny ihany koa i Zimbo sy Mara Seth. Dia mba nilaza ny “marivo salosana” sy ny mpandika vilana fa toa mitovitovy an’ilay nanjo an’i John F Kennedy tany Amerika tamin’ny 22 novambra 1963 iny “indray andro, hono-n’ny Gasy” iny…

Poa toa izay dia indreo fa niharihary ho hitan’ny rehetra fa nitsangana ny fahefana tetezamitan’ny foko valo ambinifolon’ny Gasy, izay notarihin’ny Jeneraly Andriamahazo. Tsy maintsy ny foko 18 no natambatra tamin’ny fomba mailamailaka satria marefo ny hoza-dohan’ireo “mpamono olona”. Tsy maintsy naseho ho hitan’ny rehetra fa mahay miatsaravelatsihy ao anaty fitondrana iaraha-mitantana ny Gasy erak’ity Nosy ity. Iza no tao ambadiky ny ridao? Iza ireo maivan-doha tsy mahalala izay tany asiana ny tongony? Iza no tsy mahalala fa resaky ny mpandany andro ny fiaraha-mitantana (baikon’ny sehatra any ivelany) tamin’izany ?

Ny 21 martsa 1975 ihany dia efa natao ny haingon-tsehatra rehetra fa mba hikaroka “ireo” izay nahavanon-doza ny Gasy. “Raha Andrian-dray aho, raha Andrian-dreny dia mba avohay ho hitan’ny voamasoko izay rehetra mpiketrika ny zava-doza teto amin’ity tany ity”. Izany angamba no tany anatin’ny tsikalam-pieritreretan’ny Gasy tamin’izany?… Saingy indrisy fa na dia nijoro teo anoloan’ny hazomeloka daholo aza ireo oloben’ity tany ity toa an-dry Tsiranana, Resampa, Rabetafika, Rajaonarison…sy ny maro hafa, dia nitsaha-niketrika ny “fampisehoana” satria nifarana maimaina foana teo izany ny 12 Jona 1975.  30 no noafahana, ny sisam-paty tamin’ireo kômandô no nivantana tany amin’ny fonja fa ilay /ireo tompon’antoka dia nangatsiakiaka hatramin’ity ny anio. Izay rehetra maty ho an’ity tany ity ve dia mbola ho velona ao ampon’ny vahoaka Gasy tokoa? Mbola ilaina ve ny hahatsiahy izany rehetra izany?

Inona izao no tombony azo tamin’ny famonoana ny filoham-panjakana? Efa tsy miady intsony ve ireo Merina nateraky ny mainty enin-dreny sy ireo komohina mihevitra ho ambony razana? Efa nilamina tamin’ny fananganna ny tetezamitan’Andriamahazo ve ny ady nampisaritaka ny anivon-tany sy ny an-tsiraka rehetra? Iza amin’ireo Gasy miaina amin’izao andro izao no mahafantatra fa misy mpamporisika ny fisian’ny fahasamihafan’ny fiaviana, ny finoana, ny fomba sy ny firazanana mba hamotehana ity tanindrazana ity? Iza no tsy hahay fa nasesika hiady isika hatramin’izay kanefa ady tsy misy mpandresy no nataontsika, ary ady nandeha tany amin’ny famotehana fa tsy ho fanorenana?

Mbola misy tokony hovonoina ve eto? Mbola misy fahavalon’ireo mpiatsaravelatsihy sy mpanao ny ampihimamba ny haren’ity firenena ity? Mbola misy mpitondra fivavahana ve eto ka mahita tombony amin’ny fandripahana ny mpanelingelina azy? Mbola misy andian’olona ve eto mitady hanompo ny mpaniraka azy ka tsy maintsy hamono sy handripaka izay tsy mihevitra afa-tsy ny ho an’ny Gasy? Raha misy ireo rehetra ireo dia omen-jo izy rehetra hamono sy handringana ny Gasy, vonoy daholo dia hanjakao izay sisa tsy maty. Aripaho sy potipoteho izany tombotsoan’ny firenena Malagasy izany dia ny “mpaniraka” ihany tompoina. [ato ny tohiny]…
Mpanoratra : Ony RAMBELO

Publicités

Manohana ny fanapahan-kevitry ny Fitondrana Tetezamita ny AKFM

Namoaka fanambarana mandrisika ny fitondrana amperinasa ny AKFM  ka ao anatin’izany no ilazany ny amin’ny tsy tokony hihemoran’iry voalohany amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny hanatanteraka fifidianana, na eo aza ny sazy izay arangarangan’ny GIC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ambarany ao anatin’izany ihany koa ny tokony handraisana fepetra ka hialan’i Madagasikara ao amin’ny SADC fa tsy mitondra tombontsoa ho an’ny Malagasy ny fijanonana ao anatin’io raha araka ny fanambaran’ity antoko politika ity hatrany.

Feno miaramila ny tanàna…

Nanomboka tamin’ny efatra sy sasany teo ho eo dia hita nivezivezy eran’ny tanàna ny fiara 4 X 4 sy kamiao lehibe feno miaramila mirongo fiadiana. Nifanontany ny amin’izay zava-mitranga ny rehetra. Tsy nahitàna valiny mazava anefa izany raha tsy efa tany amin’ny dimy ora tany ho any.

Feno ‘agents de renseignements’ avy amin’ny mpitandro filaminana moa ny tanàna amin’ny fotoana tahaka izao, ary dia re avy amin’ireny fa nikasa ny hivoaka ny kianjan’ny MAGRO hitondra ny olona ho eny Ambohitsorohitra ry zareo ankolafy telo (Zafy , Ratsiraka, Ravalomanana) tamin’ity androany ity.

Raha vao nahare ny fikasan’ireo avy etsy amin’ny MAGRO ny Etat major mixte dia nandray fepetra ka nanamafy ny fiarovana an’Ambohitsorohitra (nahitàna miaramila nanamorona ny rindrin’ny Tranoben’ny Fizahantany teny Antaninarenina). Nametrahana miaramila teny afoavoan’Analakely, ary dia nirotsaka nandrava ireo olona nikasa hankeny Ambohitsorohitra hanatitra taratasy ho an’ny Filohan’ny Tetezamita ny mpitandro filaminana. Baomba mandatsa-dranomaso roa no nipoaka. Ary tonga hatrany amin’ireo faritra manodidina ny fanaparitahana ny olona. Tapitra nanidy varavarana daholo ny magazay tamin’iny faritra iny, ary nikorontana tsy nisy toy izany ny fifamoivoizan’ny fiara. Nandeha ny feo fa nisy fiara an’ny teratany frantsay nopotehin’ny olona teny.

Voarara ny fandraketana an-tsary ny faritr’Ambohitsorohitra sy ny manodidina azy tamin’ity hariva ity. Feno miaramila hatrany amin’ireo làlana midina mivoaka an’Antaninarenina.

Hatramin’ny hariva be efa ho tamin’ny fito dia mbola hita nivezivezy eran’Analakely sy ny faritra manodidina ireo mpitandro filaminana, ary ny ampahany sasany kosa nijanona teny Analakely niaraka tamin’ny fiarabe nitondra azy. Fiarovana ny amin’izay mety ho mpanararaotra handroba, araka ny filazan’izy ireo , no antom-pisian’izy ireo eny.

Nanao fanambaràna ny Praiminisitry ny Tetezamita (Camille Vital) ka tamin’izany no nanaovany fampitandremana fa handray fepetra henjana sy hentitra ny fanjakana ho an’ireo izay miziriziry hihoa-pefy.

Inona no hitranga rahampitso?

Praiminisitra miaramila: Albert Camille Vital

Voatendry omaly hariva ho Praiminisitry ny Tetezamita ny Colonel Albert Camille Vital, rehefa avy nitazona izany toerana izany vonjimaika Ramatoa Cecile MANOROHANTA.

57 taona ny lehilahy, avy any Toliara. Manampahaizana momba ny Genie Civl, nianatra tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha (URSS). Manana orinasa miantoka filaminana. Nandalo tao amin’ny École supérieure de guerre ao Paris tamin’ny taona 2001-2002.

Miantso ny daholobe sy ireo ankolafinkery rehetra ary  ny mpanao politika izy mba hifanohana hampandeha ny raharaham-pirenena. Voalohany amin’ny laharam-pahamehana napetrany ny hiantoka ny filaminan’ny fifidianana.

Io omaly hariva io ihany dia efa nisy ny filankevitry ny minisitra notarihany.

Fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy

Tapaka taorian’ny fivoriamben’ny antoko AME izany fa dia ny filoha nasionalin’ity antoko ity (Clément Ravalisaona.) no arotsak’izy ireo hofidiana amin’ny fifidiana ho filoham-pirenena Malagasy ho avy eo.

Tsy olana ho an’ity antoko ity koa ny hitondran’i Andry Rajoelina ny Tetezamita

Taratasy avy amin’i Pasteur Lala RASENDRAHASINA

Hafatra voaraiko ity ary satria ny gazety_adaladala araka ny maha adaladala azy dia maneho ny zavatra rehetre reny sy hitany, ka dia raiso araka izay fahitanao azy ny taratasy ary azonao atao koa ny mijery izany ao amin’ny blog Nes2dago izay mipetraka etsy ambany ny rohy.

http://news2dago. blaogy.com/ post/770/ 6315

Manoratra ho anareo aho ary miangavy anareo namana mba hanaparitaka izao resaka izao amin’ ny rehetra izay azonareo havaovana izany:

Ambaran’ ny AVI fa izaho no nitondra ny taratasy ordonnance avy amin-dRa8 manendry ny directoire militaire teo Antanimena. Nahoana no dia manao lainga marivo tototra tahaka izany Ratsirahonana Norbert sy
ny AVI. Izaho aza tsy nahafantatra akory fa momba izany directoire izany no antony hivoriana tao Antanimena tamin’ iny 17 Martsa 2009 tolakandro iny. Eo am-pisakafoana antoandro amin’ ny 12.30 antoandro
(17 Martsa 2009) izaho sy ny zanako no niantso ahy i Odon Razanakolona ka nanao hoe mangataka hihaona amintsika FFKM (averiko tsara amintsika FFKM) ny ONU fa misy zavatra maika ka dia ao Antanimena no fotoana
amin’ ny 1 ora tolakandro. Rehefa tonga teny aho taoriana kelin’ ny fotoana nomeny dia nilaza indray izy fa nahemotra amin’ ny 3 ora tolakandro ilay izy fa mbola  ny amin’ ny Filoha Ravalomanana ny ONU. Rehefa tonga ny tamin’ ny 3 ora tolakandro dia akory ny hagagako fa tsy izahay FFKM ihany no tao Antanimena fa ny avy amin’ ny opposition samihafa (isan’ izany Ratsirahonana) , ny Capsat, ary TGV.

Tsy nisy solontenan’ ny mouvance présidentielle kosa teo anefa!!! Teo koa ny Ambasadaoro Amerikana (izay nanao tsilian-tsofina tamiko teo andalantsara fa nametra-pialana ny Filoha Ra8 na dia famindram-pahefana @ miaramila aza hoy izy io nataony io. Fomba
mihaja diplaomatika ihany io hoy izy fa:fametraham- pialana no dikany) sy Afrikana Tatsimo ary ny ONU Dramé sy hafa koa. Dia tsy tohizako intsony ny tantara fa iny nitranga iny… Koa nahoana no lazain’ ny AVI aho fa niara-niitondra ilay taratasy ordonnance iny niaraka tamin’ny ONU sy ny Amerikana sns? Tena lainga marivo tototra izany ary misy porofo…
Ka dia ilaina ny manao démenti amin’ ny anarako avy aminareo namana, na izay fantatrareo fa afaka manao izany. Miezaka manadio tena mantsy Ratsirahonana sy ny AVI-ny fa hitany fa mitady hivadika ny tantara.

Lala Rasendrahasina
Filoha FJKM