VONOY DAHOLO IZAY MANELINGELINA

11 FéVRIER 1975 – 11 février 2016
1975….Indray andro, hono, teny Ambohijatovo ambony teny dia nisy ny famonoana ny filoham-panjakana teto amin’ity tany ity. Bala maromaro no nandady ny vata-tenany tamin’io andro io. Tao anatin’ilay fiara Peugeot 404 miloko mainty (mainty toa azy?) no nitrangan’ny ra mandriaka. Kômandô voafantina sy mpanao vy very ny ainy avy tamin’ilay GMP (Groupe mobile de police) no nanao ny “asa mahafaty” toa an-dry Zimbo, Mara Seth, Laza Petit Jean, Maurice Alphonse, Boto…Vita “natavy “ teo an-tany fiadiana tamin’iny andro iny ihany koa i Zimbo sy Mara Seth. Dia mba nilaza ny “marivo salosana” sy ny mpandika vilana fa toa mitovitovy an’ilay nanjo an’i John F Kennedy tany Amerika tamin’ny 22 novambra 1963 iny “indray andro, hono-n’ny Gasy” iny…

Poa toa izay dia indreo fa niharihary ho hitan’ny rehetra fa nitsangana ny fahefana tetezamitan’ny foko valo ambinifolon’ny Gasy, izay notarihin’ny Jeneraly Andriamahazo. Tsy maintsy ny foko 18 no natambatra tamin’ny fomba mailamailaka satria marefo ny hoza-dohan’ireo “mpamono olona”. Tsy maintsy naseho ho hitan’ny rehetra fa mahay miatsaravelatsihy ao anaty fitondrana iaraha-mitantana ny Gasy erak’ity Nosy ity. Iza no tao ambadiky ny ridao? Iza ireo maivan-doha tsy mahalala izay tany asiana ny tongony? Iza no tsy mahalala fa resaky ny mpandany andro ny fiaraha-mitantana (baikon’ny sehatra any ivelany) tamin’izany ?

Ny 21 martsa 1975 ihany dia efa natao ny haingon-tsehatra rehetra fa mba hikaroka “ireo” izay nahavanon-doza ny Gasy. “Raha Andrian-dray aho, raha Andrian-dreny dia mba avohay ho hitan’ny voamasoko izay rehetra mpiketrika ny zava-doza teto amin’ity tany ity”. Izany angamba no tany anatin’ny tsikalam-pieritreretan’ny Gasy tamin’izany?… Saingy indrisy fa na dia nijoro teo anoloan’ny hazomeloka daholo aza ireo oloben’ity tany ity toa an-dry Tsiranana, Resampa, Rabetafika, Rajaonarison…sy ny maro hafa, dia nitsaha-niketrika ny “fampisehoana” satria nifarana maimaina foana teo izany ny 12 Jona 1975.  30 no noafahana, ny sisam-paty tamin’ireo kômandô no nivantana tany amin’ny fonja fa ilay /ireo tompon’antoka dia nangatsiakiaka hatramin’ity ny anio. Izay rehetra maty ho an’ity tany ity ve dia mbola ho velona ao ampon’ny vahoaka Gasy tokoa? Mbola ilaina ve ny hahatsiahy izany rehetra izany?

Inona izao no tombony azo tamin’ny famonoana ny filoham-panjakana? Efa tsy miady intsony ve ireo Merina nateraky ny mainty enin-dreny sy ireo komohina mihevitra ho ambony razana? Efa nilamina tamin’ny fananganna ny tetezamitan’Andriamahazo ve ny ady nampisaritaka ny anivon-tany sy ny an-tsiraka rehetra? Iza amin’ireo Gasy miaina amin’izao andro izao no mahafantatra fa misy mpamporisika ny fisian’ny fahasamihafan’ny fiaviana, ny finoana, ny fomba sy ny firazanana mba hamotehana ity tanindrazana ity? Iza no tsy hahay fa nasesika hiady isika hatramin’izay kanefa ady tsy misy mpandresy no nataontsika, ary ady nandeha tany amin’ny famotehana fa tsy ho fanorenana?

Mbola misy tokony hovonoina ve eto? Mbola misy fahavalon’ireo mpiatsaravelatsihy sy mpanao ny ampihimamba ny haren’ity firenena ity? Mbola misy mpitondra fivavahana ve eto ka mahita tombony amin’ny fandripahana ny mpanelingelina azy? Mbola misy andian’olona ve eto mitady hanompo ny mpaniraka azy ka tsy maintsy hamono sy handripaka izay tsy mihevitra afa-tsy ny ho an’ny Gasy? Raha misy ireo rehetra ireo dia omen-jo izy rehetra hamono sy handringana ny Gasy, vonoy daholo dia hanjakao izay sisa tsy maty. Aripaho sy potipoteho izany tombotsoan’ny firenena Malagasy izany dia ny “mpaniraka” ihany tompoina. [ato ny tohiny]…
Mpanoratra : Ony RAMBELO

Publicités

Masi-mandidy ve?

Raha tsy diso aho dia i Ludger Andrianjaka no niventy ity  hira ity voalohany tamin’ny feo mangany sy avo dia avo.

Nosy tanindrazako,

‘zay navelan’ny razako…

Foiko ho anao ny aiko…

ry Madagasikarako….

Ny ranomasina no valam-parihy

mamefy ny Foko rehetra hifankatia…

Madagasikara ho an’ny Malagasy

Malagasy kosa ho a’ni Madagasikara.

Andinindininy vitsy fotsiny ihany ireo notsongaiko ireo. Ary ireto roa farany no tena mba tiako hotsindriana mafimafy kokoa.

Tena mifamatotra marina ve izy roa ireo sa mpifamofo mbola afaka mifampifilafila ihany? Raha ny zava-misy mantsy dia tsy masi-mandidy eo amin’ny tany navelan’ny razany ho azy ny Malagasy fa ny vahiny no tena mifehy sy mitazona ny lamboridy, ka toy ny soavaly voatampi-maso ny ‘olona rehetra noheverina ho mpitondra manam-pahaizana’ teto amin’ity tanindrazantsika ity.

Angamba ilay toe-tsaina mihitsy koa no tokony hofafana (truncate na drop – raha fiteny amin’ny tontolon’ny haitao anglisy) fa toa zary mbola mitampisaka ao foana ilay misolelaka sy tsy maintsy miantsy ‘approbation’ avy amin’ny vahiny vao afaka, na vonona hanatanteraka zavatra. Marina amin’ny lafiny maro io. Toa tsy mba misy izay ‘hazondamosina Malagasy’, fa i Jean Ping izao no toa Filoham-pirenen’i Madagasikara.

Ny fitenenana an’ireo tsy midika hoe tsy tokony hihainon y hafa ny Malagasy, fa fotsiny, tiana hapetraka ny hoe ianareo mpanao politika (na liona tanora, na voaibe, na dinaozoro, na tsy haiko koa…), mba farito aminay Malagasy ny tena ataonareo hoe ‘Fitiavan-tanindrazana. Fanina ny maro, ary ny aleo dia tsorina fa asangodinareo ho fanina ny maro.

Miseho lany ankehitriny ny savoritaka anivon’ny sehatra maro (dokotera, tafika, orinasa, halatra sy endaka eny anaty fiarahamonina, sns…) Ka apetraka ny fanontaniana hoe, tratranareo ve ny tanjonareo? Sa tratra ny tanjon’izay naniraka anareo? LMifanipaka toa valala an-karona ny mpiray ‘vilia’ sy ‘vodirindrina’.

Ny tombontsoan’ny besinilmaro no aoka hojerena mandrakariva, sao tonga amin’ilay fiteny taloha hoe ‘Tetiteteho fa ratsy fanahy’, satria ny tantara dia mbola mitohy ary ny tantara dia mbola hitsara.

Fa tsy sanatria hoe ho toy ny fahatsiarovana sisa izay rehetra mandalo eto amin’ity firenena ity ka izay vita dia ifamelana avy eo, na atao ‘dossi’rs classés’. Isan’ny tsaroana manokana amin’izany izay nitranga 35 taona lasa izay (11 febroary / fevrier 1975), ka namonona ana’i Richard RATSIMANDRAVA, nefa tsy mbola nisy nipika ihany izay fandehan’ny fanadihadiana. Toa izay tokony ho vavolombelona aza dia maty amin’ny fomba tsy hay daholo ny ankamaroany. Ny boky na izay soratra navelan’i Mopera Remi Ralibera indray izao no andrasana hoe inona no tena raketiny momba iny raharaha iny.

Veloma ihany ny aina, hahita izay antenaina.

Hioty ny soa tsy ho lany, hiadam-pinaritra hatrany.

RATSIMANDRAVA

 Hafatra nisy nandefa tamiko izy ity ary anio vao hitako. Tsy aritro fa zaraiko aminareo eto. 12-02-2008 isika izao, nefa ny teny rehetra voasoratra ato anatiny no mba tiako hodinihana sy hosaintsainin-tsika mamaky. Fa mba nankaiza tokoa moa ny fankasitrahana ireny olon’ny tantara ireny e? Sa dia hoe aleo ny lasa homba ny lasa ?

From: Rabesata

Sent: Saturday, February 09, 2008 11:14 AM

Subject: Mba RARINY vé ?

Natao tsy mba mahay mankasitra ve ? isika Malagasy . !  saha minia tsy mahalala ny adidy eo amin’ny firenena sy ny mpiray tanindrazana ?

Dia iray minitra monja no hatao amin’ny namohy ny ainy ho an’ny Firenena

IRAY MINITRA ISA-TAONA HO an-DRATSIMANDRAVA

          Feno 34 taona amin’ity taona ity ny namonoana ny Kolonely RATSIMANDRAVA.

Ny taona vitsy nanaraka dia nisy ny fahatsiarovana azy tamin’ny fomba nanetriketrika nokarakarain’ny Pastora isany RALIBERA sy FETY MICHEL ka nanaovana fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. . Hatramin’ny nahafatesan’izy mirahalahy dia nangina. Toa hadino RATSIMANDRAVA, ilay « tsy hiamboho adidy ».

          Ny SEDODIA no namoha ny ahatsiarovana taty aoriandriana kananatitra voninkazo teny amin’ny tsangambatony teny Ambohijatovo niaraka  tamin’ireo niaraka tany amin’ny Sekoly Saint-Cir sy ireo niaraka taminy tao amin’ny governemanta RAMANANTSOA. Tsy nisy kabary. IZAY NO MAHA IRAY MINITRA  ISA-TAONA HO AN-DRATSIMANDRAVA AZY.

Koa amin’ity  taona ity dia asaina ny mponin’Antananarivo hiaraka hanatitra voninkazo eny amin’ny tsangabaton’ ilay « tsy hiamboho adidy » androany Alatsinainy 11 Febroary amin’ny 11 ora. Asaina manokana ny fianakaviany,  ny  mpiangona ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, ireo niaraka taminy tany  amin’ny Sekoly Saint-Cyr, ireo niaraka taminy tao amin’ny Governemanta RAMANANTSOA.                     

        Ny olona maritiora toy izao dia tsaroan’ny mpiray tanindrazana lalandava. Ny an’ny amerikana ny pasitora MARTIN LUTHER KING izay maty nisy nitifitra dia namoahan’ny Prezida Ronald REAGAN didy ho androm-pirenena tsy iasana anefa andraisan-karama ny alatsinainy isan-taona izay tsingerin-taona nahaterahany, noho ny ady fitovian-jon’ ny mainty sy fotsy hoditra. Ny kolonely RATSIMANDRAVA dia niady hoan’ny « FOKONOLONA no fototra eo amin’ny fitondram-panjakana sy ho amin’ny fiandrianam- pirenena ».

Ny  rariny sy hitsiny dia ny Prezidan’ny Repoblika sy ny Ben’ny tananan’ANTANANARIVO- RENIVOHITRA no tokony hanao izao fahatsiarovana izao.

Izay liana te-hahafantatra bebe kokoa, indrindra ny tanora, dia tokony hamaky « Ny fokonolona », « Nahoana no avondrona ho fokonolona isika » nosoratan’i Pastora Fety MICHEL, « Maty ve RATSIMANDRAVA » nosoratan’i E.D. Andriamalala.

Antananarivo, faha 11 Febroary 2008-02-08

Ny SEDODIA

Sy ny Fikambanana Manaovasoa.

Aoka isika rehetra mba hihetsika hanohitra izany sy hanoratra mitambatra ho an’ny tomponandraikitra Malagasy fa tsy rariny izany .

**********************

Dia izay ny amin’iny Mailaka voaraiko iny. Mino aho fa nahaliana antsika rehetra.