Voasambotra i Henri Lecacheur (place 13 Mai 1972)

Vao avy niatrika fialan-tsasatra nandritry ny herinandro teo tay amin’ny faritra andrefana aho, no sendra nitsipalotra tamin’ny pejin’ny gazety « L’Express » omaly ny masoko. Voalaza tao fa hidina eny amin’ny « Place du 13 Mai 1972 » i Henri Lecacheur. Tsy naharitra ny tena, noho ilay kirin’antitra ka dia lasa nony tonga ny fotoana voatondro mba handeha hizaha izay zava-misy.

Rehefa ela nifampiandrasana sy nifanaovana fangalam-piery ny mpitandro filaminana (Gendarmes sy Polices, izay hita nisitritsitrika eran’ny pavillons sy arcades, eny fa hatreny amin’ny esplanade manoloana ny paositra Analakely mihitsy aza) dia roso ihany ny fanatonan’ingahy Henri L. ny vahoaka rehefa tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka tany ho any. (tamin’ny 9 ora no fotoana nifanomezana saingy noho iretsy fifampitazanana tetsy ambony iretsy dia izay vao nanomboka ny raharaha).

Efa niandry rahateo ny olona, ka nony tsinjo namindra niampita avy ery amin’ny Hotel de France i Henri Lecacheur (teny no nijanona sy niandry tao anatin’ny fiarany izy), dia niazakazaka amin’izay ny olona nanodidina sy niandry izay hambarany (samy liana rahateo ny rehetra)





Ny nampalahelo anefa dia tsy nisy 1 mn sy sasany no nitenenany, dia efa mpitandro filaminana misaron-tava no niditra an-tsehatra nisambotra azy. (GSIS hoy ny mpialaza vaovao iray ao amin’ny Fahitalavitra tsy miankina iray eto Antananarivo sendra tafaresaka tamiko teny an-toerana).

Ny hany teny fohy voalazan’ingahy io dia ny filazana atamin’ny vahoaka fa :

…ampy izay ny jadona…dia mangataka ny hevitrareo vahoaka aho, inono no hataontsika?…Vonona aho ny hanao sorona, eny fa hatramin’ny aiko raha ilaina,…miandry izay hevitrareo aho….

Teny fohy toy izay no voambarany dia efa enindahy misaron-tava izay tsy nisy nanamùpo velively no nisisika nandray azy tao anivon’ny vahoaka tao.


 

 

 

 

 

 

 

Hoy ny kiakiaky ny olona nanatrika ny zava-misy:

Avelao izy e! – Avelao izy hiteny raha tena misy marina ny Demokrasia sy ny Fahalalahana dradradradraina isan’andro eto amin’ny tany sy ny firenena… Izao ve no fahazakanareo ny fahalalahana miteny sy ny fanehoan-kevitra e!…

Namaly kosa ireto mpisambotra fa hoe :

Vetivety ihany no ilànay azy, ary tsy hatao na inona na inona izy fa averinay ihany k’ah!

Rehefa nahita ny fomba nisamborana azy kosa anefa ny maro dia tsy tana ny taim-bava fa nivoaka izao karazan-teny rehetra izao, ary betsaka ireo olon-tsotra no nilaza hoe:

Manoatra noho ny misambotra gangster sy mpamaky trano ny fanjakana… Sady efa mangalatra ny volan’ny CUA, no mbola matahotra fanehoan-kevitra ihany koa. Raha hendry izy dia ataovy ny ampamoaka nandritry ny fitantanana ny CUA nataon’ireo rehetra nandalo tao talohan’i Andry RAJOELINA…Lalina ihany ity resaka pôlitikan’ny BE SANDRY ataonareo mpitondra ity…

Fa isan’ny fanehoan-kevitra nivoaka tao koa ny hoe:

Nanao hadisoana ihany i Henri Lecacheur fa tokony ho nampiasa megaphone mba hahavory olona haingana kokoa, fa ny tsy nahavorian’ny olona maro tanaty fotoana fohy no nahafahan’ireny mpitandro filaminana ireny niditra mora sy nisambotra azy toy iny. Tsy tokony ho ny vavay fotsiny ny nampiasainy, amin’izay mantsy mba naheno na ny teny lavitra teny aza ka mety ho nanatona nanatevina laharana ireo mpihaino…

Vita izay rehetra izay dia niverina amin’ny fiainany andavanandro i Analakely sy ny manodidina azy. Izaho koa mba handeha hamonjy ny iray viliako. Noana be aho izany fa efa amin’ny 12 ora sy 20 mn izao. Apetrako ny « peniko virtoaly ».

…Tantara mitohy…

Publicités

FOMBA FIJERY_1

 

Natao maimaika loatra ny fametrahana ny rafitra fitsinjarana fahefana teto Madagasikara.
Mbola be no tsy mahalala ny fivadihan’ny faritany teo aloha ho fari-piadidiana. Izany hoe foana araka ny lalam-panorenana ny fisiany.
Ny teo aloha aza mbola tsy voafehin’ny sarambabem-bahoaka tsara dia efa ampidirina ny manaraka, ary dia toy izany hatrany. Tsy mba toy izay hita tany Eropa fony ry zareo hametraka ny fari-bola Euro, na ny momba ny espace Shengen. Efa nanomanana ela ny sain’ny olona ny amin’izany.
Ny eto Madagasikara indray kosa dia miova arakaraky ny mpitondra ny tany sy ny fanjakana ny rivotra iainana sy ny lokon’ny lanitra lolohavin’ny ambanilanitra.
Nolalovana teto ny resaka faritany, nodimbiasan’ny faritany mizakatena, niverenan’ny hoe faritany , ary ankehitriny dia ny hoe faritra indray no malaza.
Very andro mitady ny very foana ny Malagasy. Tsy hainy intsony ny hoe iza,inona, nahoana, sy ny sisa. Tsy mbola hita sy hay izay rafitra tena mahametimety ny mpitondra tsirairay mahazo toerana eo, isak’izay misy fiovan’ny mpitondra fanjakana.
Tafiditra amin’io resaka io koa ry zareo mpampianatra, satria mbola maro no sahirana mamantatra ny hoe taranja hatraiza ary inona marina no tena atao ao anatin’ilay LMD? Inona no atao ao amin’ny Licence? Inona indray ao amin’ny Doctorat? Toy izay koa ny ao amin’ny Maîtrise. Koa raha izy mpampianatra aza fanina, dia mba ahoana ny mpianatra sy ny raiamandreny?
Tsy milaza akory ny mpanoratra eto  hoe ratsy ny LMD an! Fa ny fahitana fotsiny hoe toa rehefa maheno ny rehetra miresaka eny rehetra eny ianao, dia zavatra tsy mbola vonona sy tsy voalanjalanja tsara ity tian-ko masaka sahady toy ny voalobo-jaza ity. Anisan’ny antony aroson’ireo mpampianatra moa ny tsy mbola fifanindran-dalan’ity rafitra Malagasy ity amin’ny fandaharam-pampianarana any ivelany any, ka ho lasa olana goavana ho an’ireo mpianatra Malagasy mandeha miondrana any ivelany aoriana kely ao.
Izao indray koa moa dia nanamafy ny Minisitra vaovao (RALAMBOMANANA Stangeline) voatendry hitondra ny resaka fampianarana fa tsy maintsy hapetraka ato ho ato ny fanalavana ny ambaratonga voalohany (Garabola) ho fito taona.
Dia ho sanatria ho ‘taranaka atao sorona’ (Géneration sacrifiée) indray ve ireo ankizy sy tanora manomboka hatreto? Ka ho lasa irony olona tsy hahay hamakafaka fa tonga dia hihianana am-bolony irony.
Raha mandinika tsara isika dia hahatsiaro fa ny sekoly Katolika dia « tsy nety loatra » nanaraka ambokony ireny fepetra sadasada naroso teo amin’ny sehatry ny fampianarana ireny, hany ka tsy mahagaga raha maro ny mpianatra avy amin’ireo sekoly tantanany no lasalasa daholo eo amin’ny sehatry ny fahalalana sy ny fandraharahana na fitantanana.
Tsy hoe manohitra ny rafitra akory ry zareo katolika raha manao izany fa kosa mahita hoe misy lalana tsaratsara kokoa hitany hampandroso ny mpianany ary dia raisiny amim-pahasahiana, rehefa hitany fa tsy dia manohintohina loatra ny an-drafanjakana. Ohatra fotsiny izao ity iray ity; manan-janaka mianatra izahay iray tokontany ato an-tanana, ny sasany mianatra amin’ny fanjakana, ny hafa indray mianatra amin’ny sekoly katolika. Betsaka kokoa ny fotoana ianaran’ny mpianatra katolika noho ny an’ny fanjakana. Izany hoe ireny andro tsy fianarana ireny dia lava loatra ho an’ny mpianatry ny fanjakana (toy ny araraotina mihitsy mba ho lava!), nefa kosa iny no araraotin’ny toeram-pampianarana kosa hanovozana fahaizana araka izay tratra. Tsy maty antoka kosa aloha ny raiamandreny mandoa vola amin’izay lafiny izay e. Na ny fanarahana ftsipika aza dia efa isehoan’ny tsy fitoviana eo amin’ireo lafiny roa lazaiko ireo.

Tantara lava raha ho itarina fa izay ny amin’iny. Mbola ho avy eto ny FOMBA FIJERY_2.
 

Fankalazana ny 1 Mey

Tonga ny 1 Mey 2008, ary nifanandrify ihany koa tamin’ny Andro fiakarana, izay fety kristiana. Toerana efatra samy hafa no nifanomezan »ireo sendikan’ny mpiasa ho ambohimpihaonany tamin’ireo mpiara-dia taminy. Teo ny nanao izany tany Andavamanba, ny hafa teny amin’ny kianja mitafo Ankorondrano rehefa avy niala teny Antanimena, ny sasany indray niala avy any Ampefiloha, nanoloana ny Tranombokim-pirenena mba hihazo ny Tranompokonolona Isotry.
Rehefa avy nitsirika ny teny Antanimena, izay tokony hiainga tamin’ny sivy maraina aho (nefa tsy nahita olona teny), dia lasa namonjy an’ireo tarika hiainga avy any Ampefiloha.

Mbola nahatratra ny fiomankomanana isan-karazany teny aho araka izay hitanareo amin’ny sary etsy ambony.
Niala teo ity andiany ity, izay nahitana Sendika maro (manodidina ny folo teo) ary nizotra nahazo an’iny manoloana ny CNaPS iny.

Avy eo niditra aty Ambalavao Isotry namakivaky ny tsena ary dia tonga teo amin’ny Tranompokonolona Isotry tamin’ny Folo teo ho eo.

Tsy azo lazaina ho maro, nefa koa tsy vitsy velively ireo olona tonga nanohina ny antson’ireo sendika tamin’ity.

Isan’ny antony naroson’ny sendika ho tsy nahataonana olona maro noho ireo ny tsy namoahan’ny prefet de police ny fanomezan-dalana raha tsy tamin’ny fotoana efa tena farany tokoa. Tsy afaka nanao fanentanana mifandraika amin’izay tokony ho tena izy intsony araka izany izy ireo. Teo koa moa (mbola ry zareo sendika ihany no milaza eto) ny fomba ankolaka nataon’ireo mpampiasa sasany nitondra ny mpiasa ao aminy hanao fitsangatsanganana, dia tsy ho afaka handre izay fanentanana sy tsikera ataon’ny vondrona sendikaly.
Noraisin’izy ireo ho samy niezaka nanao sakana araka izany , na ny fanjakana (tamin’ny alalan’ny prefet de police), na ny mpampiasa.

Maro tokoa raha ny sora-baventy nolanjaina hita teny an-toerana. Misy ireo solontena avy amin’ny FATEXMA, Chocolaterie ROBERT, COTE SUD, SICEH Hotel de France, FLOREAL, NIKENI, SIPED, GROUPE SIPROMAD sns..

Ny tantaran’ity tolon’ny mpiasa ity moa dia niandoha tany amin’ny taona 1884 tany, ho fitakiana ny ora 8 ho fetra’ny fiasana (tany Chicago Amerika). Telo andro (1- 2 -3 Mey) no nifandrohizana tamin’izany ary nisy mihitsy ny maty.
1889 dia nangatahan’ny Kongresy Iraisam-pirenena ny mba hahazoan’ny mpiasa rehetra mankalaza io vaninandro io ho toy ny andron’izy ireo manokana sy ho fahatsiarovana ny volana Mey 1884.

Raha ny filazan’ireo mpitarika ny diabe natao androany dia tsy tokony ho zo angatahina ny zo haneho ny tontolon’ny asa rehefa 1 Mey toy izao fa zo efa azo ary tokony ho eken’ny maro ny fisiany.

Mikasika ny fitsitokotokoan’ny fankalazan’ireo sendika ity andro ity indray dia toy izao no valiny azo avy amin’ingahy RANDRIANASOLO José SG Sendika FISEMA :

‘Toy ny fety kristiana ihany io, ny andro iray fa ny fomba entin’ny fiangonana tsirairay mankalaza ilay fety no samihafa. Dia toy izay koa no mitranga androany fa tsy hoe samy mandeha samy mitady akory ny sendika tsirairay’.

Ny foto-kevitra nentin’ireto vondrona sendikaly ireo hankalazana ny andron’ny asa androany moa dia ny hoe ‘Asa mendrika, fiainana mendrika’. Satria, hoy ihany ireo mpitarika (Dokotera Jeanne RAZANARIMANA):

raha ny mpiasa no osa, tsy misy firenena mandroso. Ary tokony hampihatra izay voalazan’ny lalana fa tsy tokony hisy fitakiana lava izao.

RANDRIANASOLO José no manohy toy izao:

‘…manomboka misy fihemorana ny fampiasana vehivavy amin’ny alina, na dia mbola misy ihany aza ny minia mikimpy. Izany dia noho ny ezaky ny sendika sy ireo solontenan’ny mpiasa…Tsy nisy fifampierana tamin’ny resaka lalana fampiasana vehivavy amin’ny alina… Ankehitriny dia misy fifanarahana iombonana 2 ezahana ho apetraka …fifampidinihan’ny telo tonta no tokony hitondrana ny resaka (tripartisme), araka izay voalazan’ny OIT (Madagasikara dia mpikambana ao)…’

Nomarihan’ireto mpitarika sendikaly ireto tao koa ny fisian’izany orinasa KARINA (ialana tsiny raha diso ny fanoratana azy, fa omena anao araka izay nahenoana azy fotsiny ilay anarana) izay mbola mampiasa ny mpiasa ao aminy amin’ity andron’ny 1 Mey ity, sy ireo magazay eny Behoririka, Mahavoky, Mascar izay Sinoa no betsaka amin’ireo mpampiasa.. Ny andro toy izao hoy izy ireo dia andro fandravonana ny tolon’ny mpiasa fa tsy tokony ho andro fitakiana lava araka izay andrasana sy andraisan’ny maro azy (indrindra fany mpampiasa sy ny fanjakana).

Isan’ny antso natao nandritra ity anio ity ny hoe:

1 * ho an’ny mpiasa==> hamafiso ny sendika, aza matahotra miditra ao anatin’io sehatra io fa ho fiarovana ano sy ny zonao izany.
2 * ho an’ny fanjakana ==> Mifantoha amin’ny tombontsoa iombonana fa aza mitongilana fotsiny amin’ny mpanambola, ka hanao ny mpiasa Malagasy ho toy ny entam-barotra
3 * ho an’ny mpampiasa ==> asio fitsiopi-dalao mazava ny tontolon’ny asa (ohatra ireny fandroahana faobe ireny). Ny securité de l’emploi no tadiavina fa tsy ny emploi. Fa raha ny efa manana no ho very asa, ho aiza isika mianakavy?

Nolazain’ireto mpitarika ihany koa fa mivoaka any amin’ny tranonkalan’ny OIT ny fanakianana maro momba ny tsy fetezana sy ny tsy fandehanan’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara, fa tsy araka izay ambaran’ny mpitondra ombieny ombieny. Hita any ihany koa hoy zareo ny fanakianan’ny OUA. (mbola mba hijery aho rehefa malalaka!!!!)
Nosafoina tao ihany koa ny resaka olana ara-tsakafo miseho maneran-tany.
Notakiana koa ny hanaovana amin’ny teny Malagasy ireo zo fototra (Droits fondamentaux) sy ny fanambaran’ny OIT tamin’ny 1998 momba ny fampiharana ireo zo fototra ireo, mba ho azon’ny mpiasa Malagasy rehetra tsara ny dikany sy ny zo tokony ho zakainy.

Ny zavatra hita aloha hatreto, hoy ireo mpitarika, dia:

rehefa mahasoasoa ny fanjakana sy ny mpanambola mpampiasa ny resaka dia ENY no valiny, fa raha manome soa ny mpiasa kosa dia na arirarira, na TSIA no setriny.

 

******   Tsy mety mipoitra ny sary natsofoko teto fa dia any amin’ny Flicks no ahitana azy e!  ******

Olona tsy hita nanjavonana

Lahatsoratra avy any Egypta no nanaitra ny aingam-panahy hitosaka eto androany. Nanampy trotraka koa moa ny fandrenesana isan’andro isan’andro ao amin’ny RNM (Radiom-pirenena Malagasy) ny antso fiaraha-mitady olona tsy hita hoe lasa aiza na lasa aiza.

Ekena aloha  fa misy ireo maty an-dalana noho ny hanoanana, noho ny aretina, noho ny lozam-pifamoivoizana nefa tsy nahitàna taratasy milazalaza ny momba azy teny amin’ilay olona. Nefa koa betsaka ny fakàna an-keriny sy ny famonoana any anelanelany any. Misy amin’izy ireny no ariana any anaty rano ka amatorana vatobe mba tsy hpoitra (nefa mbola naloan’ny rano ihany toy ilay Karana lahy teny Andranobevava), misy ny alevina an-tsokosoko any (toy ilay teny Ambohimanambola, momba ireo mpifankatia nanao anton’asa ny fanentanana lanonana, nonina teny Tanjombato, ary novonoin »‘ny namany ihany), ary misy koa moa ny tranga izay tsy haintsika hazavaina mihitsy.

Angamba efa tokony ho lavitra be ny fahatsiarovana izany andron’ny Gestapo sy ny fanjavonana noho ny antony pôlitika, na ny tsy fifanarahan-tsaina izany e! Ny hevitra ampiadiana dia atao toy ny ‘katsaka anaty lapoaly, ka izay tsy mahatanty mipitsika’. Sa ahoana hoy ianareo? Mitory fahambanian-tsaina mantsy izany amiko, ary midika tsy fahazakàna fahalalaham-pitenenana ihany koa.

Enga anie mba tsy hisy eto Madagasikara izay miseho any Egypta any. Hiaraka hivavaka isika hoe:

‘Zanahary ô tahio ny tanindrazanay, ….handry fahizay…..ireo mpitondra anay tariho lalandava koa, ho feno fahendrena, kinga sy mahay….’. Amen