Mbola #PowerBalance ihany

Nampalahelo ilay ramatoa iray tetsy akaikin’ny Le Six Antaninarenina omaly. Efa samy nahazo taona ihany izy mirahavavy niara-nizotra ireo.

Hoy ilay iray voalohany(1): Dia tsy hitako aky izay vokatr’ilay izy ka! Tena ny volako fotsiny no lany nividianana an’iny
Ilay faharoa(2) : Nefa anie misy olona milaza fa mahita tory ery tamin’izy iny e
(1): Firy akia izay namako nifampiresaka tamiko izay, tsy efa ho 7 angamba? fa raha nisy iray nilaza hoe nahita soa tamin’ilay izy
(2): nefa anie ny dokam-barotra r’inao toa mipoapoaka ery e. Ndaha akia miverina any dia asaivo soloiny hafa fa sao ilay azon-dry no tsy mety a
(1) koa raha tsy inona izy koa hanaiky an’izany, Taiza akia no nisy mpivarotra gasy mbola nanaiky an’izany
.
.

Tena marina loatra, tsy mbola betsaka ny mpivarotra (mpamitaka) hanaiky ny hamerina na hanolo zavatra toy izany, izay efa fantany tsara fa zavatra tsy manjary no namidiny taminao. Ny fanjakana aza moa minia tsy mijery (mahazo tsirony angamba) ka inona no iraharahiany anao izay vahoaka madinika ILAINA TSENTSEFINA ISANANDRO io

Mba fantatrao hoe inona ilay noresahan’ireto nenibe anankiroa nijaikojaiko ireto? ny  #POWERBALANCE amidin’ny JK sa GK na GICA group

Entano ny havanareo rehefa tsy azo resena lahatra mba hitaky facture mazava tsara tokoa, sao mba hisy ho sahy ihany hitondra ity resaka ity eny amin’ny fitsarana sy ny ambaratonga mahefa aoriana ao

6 Réponses

  1. mifanomeza tanana ianareo nividy azy io ary asio taratasy mazava tsara ny momba ny fitarainanareo ; raha ny marina dia tokony hanantona mpisolo vava ianareo ka hitondra ny fitarainanareo eo anatrehan’ny mpampanoa lalàna ; sandoka be vava io power balance io ; ary voaporofo eran-tany nisehoany fa lainga tanteraka izay voalazan’ny mpivarotra azy ho an’ny mpanjifa ; mazotoa daholo fa raha tsy mitambatra ianareo dia izy mpivarotra an’io ihany no hahazo vola tsy toko tsy forohana.

    • Miarahaba an-tsika rehetra.
      Raha ny hevitro, dia hoy aho hoe mety misy ihany ny mahita soa avy @ izy io @ alalan’ny « effet placebo », izany hoe ny saina mihitsy no efa resy lahatra hoe mandraitra le izy dia lasa mandaitra ho azy.
      Na izany ary dia tokony tsy de hieritreritra isika hoe fanambakana le izy satria mitovy @ mividy bracelet tsotra ihany ka zary efa lasa toy ny lamaody ilay izy. Moa ny olona izay mividy ihany koa ataoko fa efa samy lehibe mahafantatra izay tokony ataony.
      Ho ahy manokana, izaho tsy mampiasa, kanefa aleo ihany koa tsy manaratsy fa samy manaja ny safidin’ny hafa.
      Misaotra indrindra.

      • tsia diso ianao sa ianao koa mahazo tombotsoa @reny vidiny reny,fanambakana io fa @ fomba moderna ka vitsy @ gasy no mahatakatra az ka tokony ho enjehina

  2. Les gens sont en mal de vivre et il y a les gros malins de l’autre côté. Ces derniers réussissent à arnaquer les premiers, et ce dans le monde entier. Malheureusement, c’est arrivé à Madagascar dont la plupart est vraiment malade du vent politique et croit à une guérison miraculeuse en achetant ce bracelet, qui est psychologique. Et ça se vend comme des petits pains …. ou comme du sel (pas de riz qui est devenu une denrée cher pour les malagasy) !

  3. samy manana ny safidiny ny olona na hividy an’ireny izy na tsia, refa ts salama mants de mitady zay rehatra ahasalama ka refa mahasoa azy tsitako ny probleme ampiasana io na fanambakana io na tsia fa kosa ts tokony hanaratsy

    • mba hafa koa ilay hoe tsy olana na dia Fanambakàna aza an, tena manao vain-drahalahy tsy mba maharary ianao izany an! Ny anay aloha dia alahelonay rehefa fanambakàna e, rhefa ambakain’ny mpanao politika isika, midradradradra sy be vava mitaky fiovàna etc etc, fa rehefa ambakaina amin-javatra tsy manjary kay va re ka azo leferina eeeee

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :