OLON-DIA MIDELIRA

11 Andro izay no lasa taorian’ny nandaniana ilay lalànan’ny FAMORETANA (#codecom), ka tsy ahafahan’ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena maneho hevitra an-kalalahana intsony -na dia hitondra porofo aza ve ? – Ary andro maromaro koa no lasa taorian’ny nipoahan’ny raharaha #Soamahamanina.

Faritra ao #Imamo ao i Soamahamanina, ary raha vao miresaka Imamo isika dia tsy afaka misaraka amin’izany ny resaka #Tapia.  Tsy ilay famafàna faladihan-kiraro mety ho tonga voalohany ao an-tsainao mpamaky anefa io, fa ilay voankazo kely misy voa telo fihinanao rehefa tonga ny fahavokarany.

Tsy ny maha-voankazo azy ihany no ilàna, na ahafantarana ny Tapia, fa indrindra koa ny fifandraisany amin’ny fahaveloman’ny bibin-dandy. Efa fahagolan-tany ireo hazo  ( alan-tapia ) ireo, ary isan’ny zavatra sarotra ho an’ny olona ny mamelona iray amin’izany. Harena araka izany ny fanànana azy. Tsy vitan’ny harena fotsiny , fa vakoka mihitsy ho an’ny firenena sy ilay faritra misy azy.

Tato ho ato dia niteraka resabe, niafara tamin’ny fifanenjanana sy fifampitolomana tamin’ny #EMMO – karamain’ireo Shinoa mpitrandraka volamena – ity resaka Soamahamanina ity.
Efa tafiditra ho ao anatin’ny fiarovan’ny mponina ny tsy handravàna io alan-tapia ao amin’ny faritra misy azy ireo io ny mpitarika fivavahana isan-tsokajiny, ny solombavambahoaka avy any #Arivonimamo, ankoatry ny hafa tsy ho voatanisa. Midika izany fa manana ny lanjany sy ny toerany tokoa ilay alan-tapia.

Mipetraka ary ny fanontaniana: Tsy nahalàla ny fisian’ilay ala va re ireto olona nomen’ny vahoaka fahefàna hitantanana ny taniny sy ny hareny? Sa nanao bemarenina tsy niraharaha satria hoe efa notolorana fanomezam-pahefana hitantana ny sehatra rehetra ? Adinon’izy ireo ve fa mpindrana izy fa tsy tompony samirery ? Tsy tsaroany koa ve fa mandalo ihany ny fepotoana iasàny eo? Sa noho ny fahafantarany izay fepotoana voafetra izay no nitsirian’ny saina ratsy hanararaotra ny paiso an-kady?

Santionany amin’ireo fanontaniana mety hapetrakao olom-pirenena tsotra amin’ireo solombavanao ireo (na soloòbava hiteny na hihinana). Saingy manahy aho, mety hivaly fanontaniana ho ahy indray mantsy izy ireo. Dia ilay fanontaniana manao hoe ‘MISY MIHAINOOOOOO ?

Zavatra tsikaritra nandritra ity Repoblika Fahaefatra iainantsika ity ny fandraisana fanapahankevitra tsy ieràna, ny fandraisana fanapahankevitra an-katakonana (atao amin’ny alina), ary ny famahàna olana amin’ny alàlan’ny ramatahora. Tsy zava-miafina amin’ny vahoaka rehetra izany zavatra voasoratra izany.

Misy mitokona ve eny Ankatso? Alefaso ny EMMO sy ny Jeneraly mpitarika azy hamoritra sy hanakombona ny vavan’izay Beloha ao.

Misy mihetsiketsika hoe eny Tsimbazaza ? Ataovy amin’ny fomba mahazatra fa tsy hangina aiza ireo rehefa voapetaka kely eo!

Misy miseho azy ho mahery any Soamahamanina? Draiiiisy, mbola mihinana ato anaty felan-tanantsika ny EMMO sy ny mpitàna basy rehetra (azafady fa tsy haiko ny mampiasa ny teny hoe ‘mpitandro filaminana’)
Fihetsehana am-pilaminana no nataon’ny mponina, taorian’izay niseho tany Antsohihy. Nefa na am-pilaminana aza, ary naseho tamin’ny alàlan’ny fametrahana sorabaventy isam-baravarana sy teny an-davarangana, dia tsy tahotra tsy henatra ny zandary nihanika lavarangan’olona hanala ireny sorabaventy ireny, sy nandefa baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ny mponina naneho ny hasosorany tamin’izay zava-nitranga. Nisy ny olona nosamborina ka nahatonga ny mponina hanapaka ny làlana.

Nitsangana ny Eveka Jean Claude hanohitra hiaraka tamin’ny vahoaka. Niantso ny laika izy hiray hina sy tsy hisara-bazana ihany koa, hiaro ny taniny.

22/06: Mgr Ludovic RABENATOANDRO, nihaona tamin’ny tantsaha teny amin’n BUCAS Antanimena nitny hoe « Adidinay amin’ny maha RAD anay ny manao antso hanaitra ny rehetra momba ny fakàna an-keriny ny tanin’ny tantsaha. Izy ireo no mamelona antsika… esorina amin’ny tantsaha ny taniny…Mandeha antso aminareo mpitondra aho..Manaova ny marina..-Ny vahoaka izao no manao ny tolona fa tsy ny solombavany intsony…Firenena iaraha-manana ity.

23/06, Notanisain’ny Magadate daholo ireo karazana fikambanana am-polony miaro ny tany izay nilaza fa hiara-dia amin’ny mponin’i Soamahamanina ary hanome azy ireo ny tohana rehetra ilainy. Mbola atsangana any Soamahamanina ny OMC élargi mba hiaro ny Shinoa sy ny fanànany niteny hoe : izahay mpikambana amin’ny OMS Elargi eto Miarinarivo dia manao filazana manaraka izao, ny famoriambahoaka rehetra dia tsy maintsy ahazoana alàlana amin’ny fanjakana sy ny tompon’ny toerana (commune)…, tsy ekenay ny fihetsehana tsy nahazoana alàlana … mampitandrina ho an’izay alaim-panahy mikasa hanohintohina ny filaminana..

Misy fetra anefa, hoy ireo anti-panahy, ny zavatra rehetra. Mandra-pahoviana no hihinana eo ambony felan-tanananareo ny mpitàna basy sy ny be galona? Mandra-pahoviana? Ary efa nosaininareo ve fa rehefa mitombo ny kibony, dia mitombo manaraka azy koa ny fikarohana hanina ataony (hatendàny)? Ary rehefa tsy haharaka ny filàny ianareo, efa mba tonga tao an-tsainareo ve ny hoe ‘mety hitodika any aminareo ilay vava basiny’ ?
Aza dia mihevitra ny vahoaka ho dondrona isanandro vaky izao e!

Tantaranà fitohizam-pitondrana no entina hanamarinana ny fanomezana alàlana ny fitrandrahana volamena ataon’ireo Shinoa ao Soamahamanina. Fa inona moa no manakana anareo nampindramina fahefana ireo tsy handà izany rehefa hita fa mety hanohintohina ny fiarahamonina sy ny vakoky ny tany iraisantsika? Sa niraraka ny volabe ka sarotra ny hamerina ny volan’ireo Shinoa, sy hiteny aminy hoe aoka ihany, ka mandehana ianareo mody?  Asakasak’izay nihinana be tao anatin’ity raharaha ity, fa ho tsaroan’ny tantara izy ireo sy ny taranany.

Nilaza ireo solontenan’ny mponina ao an-toerana fa tokantrano telo aman’efatra no nasain’ny fanjakana nijoro, ho entiny milaza fa mankasitraka ny fitrandrahana volamena atao ao amin’ilay toerana ny mponina. Tsy nisalasala moa ilay ramatoa nisolo tena ireo tsy mankasitraka nilaza fa ‘lasalasa tampoka mihitsy ny fiainan’ireo tokantrano telo am’efatra ireo

Nivory ny governemanta tamin’ny alin’ny 19 Jolay 2016 ary nandray fanapahankevitra hampiato ilay fitrandrahana, rehefa hitany fa niha-nahamay ny fanoheran’ny vahoaka. Efa tapak’ireo mpanao gazety talohan’izay kosa anefa fa hidina hijery ny zavamisy any an-toerana izy ireo. Dia tonga tokoa ary ny andron’ny 20 Jolay 2016, ary dia EMMO nirongo fiadiana fitondra miady no nanakana ny làlan’ireo mpanao gazety tsy ho afaka hiditra an’ilay faritra. Ary tsy nisalasala ingahy kolonely nilaza fa ‘rehefa tsy nahazo alàlana ianareo, dia tsy afaka miditra any‘  Alalana izay alaina 24 ora mialoha amin’ireo Shinoa, ary rehefa ireo Shinoa no miteny aminy fa mahazo miditra ny mpanao gazety, dia homeny alàlana hiditra. Tsy vitsy tamintsika nanaraka ny onjampeo ‘miara-manonja’ tamin’ity androany ity no nandre izany vaovao izany.  Fa misy inona afenina ao? Ary Iza ireto mpanao gazety nahazo alàlana mialoha ka tafiditra tao amin’ilay faritra (hanatsaratsara ny filazana hatao manomboka rahampitso)? Ianareo ihany dia mety efa ho afaka hamaly an’izay.

Boda ny loha ry mpamaky ka hitsahatra kely aloha…fa tantara mitohy izy ity

Tsetsatsetsa tsy aritra kely, alohan’ny hifandaozana, no hilazana amintsika mpamaky fa dia efa fehezin’ny Shinoa koa izao ny sehatry ny famokarana arina fandrehitra (charbon de bois) ao an-tokantranonao. Aza atao mahagaga raha niakatra ny vidiny.

Efa fanjakan’i Baroa izao no misy. Ary satria voatonontsika ny anaran’i Baroa, dia indro misy fisaintsaina kely avy amin’ny OLONDIA MIDELIRA

Ny loharano nakàna ny antontan-kevitra : #‎OLONDIA_MIDELIRA‬:

Mitsangàna ry Baroa

Mihevitra isika fa ny “baroa”-ntsika dia azo iainana sy ampiharina amin’ny isam-bohitra. Tsy maintsy manaiky ny herintsika ny isan-tanàna? Tsy maintsy handohalika amintsika ny mpiray donak’afo rehetra?

Ny hery aman-tanjaka no naha-baroa ny baroa teo amin’ny tantarany, ary izany no nireherehany teo amin’ny fanjakany.
Saingy ny baroa dia tsy mila dinika, tsy mila hevitra ifampierana, tsy mila mandefitra. Koa iza no “adala” mifampidinika sy mandady rariny amin’ny hevitra toy izany? Iza no manaiky lembenana amin’ny setrasetran’ny tsy tia ny “rariny”? Na hifandrangotra isaky izay mahatsiaro aza isika mianakavy dia ady hatrany no haterak’izany.

Ny sasany hihevitra ny tenany ho saka tsy mety voky, ny hafa tsy mahandry ny andro hanidinana toy ny akoho ; ary tsy vitsy no manao toton’ondry bory fotsiny, sady tsy mety hamonjy ny vala no mideronina eny an-tsaha fa mataho-baratra.

Lalaovin’ny “tia rombo” ny “Fanahy” ka hainy an-tsipirihiny tao anatin’izay fihetsika nataony rehetra izay, fa « adalam-bola sy matim-boninahitra » isika.

Lahatsoratra hafa ho anao:

Marosada: Namidin’ny fanjakana amin’i Sinoa koa ny tany

Tsy ny any Soamahamanina ihany : lasan’ny Sinoa koa ny tany any Amboasary Gara sy Anjiro…

Soamahamanina : Suspension des activités de l’entreprise Jiuxing Mines S.A.R.L

Antananarivo Miblaogy 7 – HdO Le Bus Antanimena

Sahala ny efa fanaon’ireo mpitoraka bilaogy (bloggers) hatrizay, dia tonga teo amin’ny andiany faha-7 ny Antananarivo Mibilaogy. Zavatra izan’ny nampiavaka an’ity omaly ity ny namoahana voalohany ny tenifototra (hashtag) ho famantarana ny hetsika: #antambl . Ny Antananarivo Mibilaogy izay fotoana iray hihaonana mivantana ho an’ireo rehetra mpikamentsona any anaty tontolon’ny serasera any. Mitovy amin’ireno antsoin’ny Amerikana hoe ‘After Work’ irony no fomba fanao amin’izany. Tsy mialonjafy ny hetsika, ka na iza ianao, na iza te-hanatrika ny karazana fihaonana toy itony, dia asaina an-tanan-droa.

Toerana nofinidy hifamotoanan’ny maro ny tetsy amin’ny  HdO – Le Bus Antanimena.

Tsara ny toeram-pandraisana, toy ireny tany amin’ny trano fandraisana vahiny manokana irny ny rehetra. Ary isaorana etoana ny fanomezana maimaim-poana ny  fahafahana niserasera tamin’ny aterineto tamin’ny alalan’ny WIFI, izay raha somary nihisatra kely teo am-piandohana, dia nisosa tokoa fotoana fohy taorian’izay.

Nalalaka ny serasera. Fitaovana samihafa no azo nampiasaina. Jereo anie e: tsy manala hoho akory io namana iray io fa fitaovan-tserasera finday no ao an-tànany ao

Isan’ny toetra iray niavahan’ity andiany iray ity ny hafanam-pon’ireo mpandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra tanaty loha-hevitra samihafa. Tsy misy ny lohahevitra voafaritra mialoha horesahana, fa eo vaomifanentana ny amin’izay mahaliana ny tsirairay. Endrika iray ananan’ny Antananarivo Mibilaogy koa izay. Voaresaka nandritra izany, na ny resaka manodidina ny teknolojia avo lenta, na ny fomba hahafahana mitrandraka ny bilaogy hitondra tombontsoa ho an’ny tompony, na ny mikasika ny fiainana amin’ny ankapobeny. Tonga hatramin’ny fampitahàna ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’ny zava-misy any ivelany eo amin’ny lafiny fampandrosoana (I Jean Marc niresaka mikasika ny fomba nataon’ny Sinoa teo amin’ny lafiny fanabeazana). Hita tao ny lafiny rehetra eo amin’ny valan-tserasera samihafa (mpikarakara na mpampahafantatra lanonana sy fivoahana mitety tànana, ny mpitoraka bilaogy noho ny fitiavana manoratra fotsiny amin’izao, sns…Ary ny tena nanamarika ahy manokana dia ny fifandresen-dahatra teo aminay telo mirahalahy (Thierry – HeryZo – Avylavitra) mikasika ny handikana ny teny hoe ‘tweet’ ho amin’ny teny Malagasy: izaho nandroso ny hoe ‘bitsika’ na tazonina ho tweet ihany mandra-paha…HeryZo nametraka ny hoe ‘te-ho-hita’…Tanaty tokiky  lavareny no nifanakalozana hevitra momba an’io saingy hatreto aloha dia tsy mbola nisy hevitra matotra tapaka. Arosoy etoana raha misy hitanao mpamaky fa azo andikàna azy io. Saiky tsy nifarana mihitsy aza izany raha tsy nanery mafy ny hanoanana.

Tanaty fifanakalozana feno fifanajana sy firahalahiana tanteraka, toy ny hoe mpianakavy tafahaona no nifampitafàna, ary taorian’ny nandaozana ny HdO Antanimena dia nirodorodo namonjy ny Look’s Andravoahangy ny rehetra mbahiara-misakafo.

Tsy naka sarotra ny rehetra fa teny amoron-dalana ihany dia efa vita ny fivoriana maimaika nanapahana ny andron’ny 25 Febroary hanaovana ny fihaonaa manaraka.

Raha maro sy nazoto tamin’ny fandraisana fitenenana ny tsirairay omaly dia inoana fa tsy ho ambaka an’izay ny amin’ny manaraka. Nipoitra tamin’io fotoana namaranana ny diniky io aza ny soso-kevitra naroson’i JeanMarc Rolland hoe azo atao ny manao LiveStreaming mba handraisan’ireo tsy afa-manatrika anjara fitenenana raha misy tiany holazaina. Ny indrokelin’ny mpandrafitra amin’izay dia sao hanova ny endrik’ilay Antambl (mihaona vatana) izay hevitra izay, ka hiandry fotsiny any ambadiky ny fàfana any ny maro. Hafa ihany mantsy ilay mifanatri-tava.

Isaorana etoana i Andrydago namorona ny tenifototra, ary tsy adino koa ny maneho fisaorana anareo rehetra tonga namaly ny antso. Isaorana toy izany koany HdO Bar   Le Bus Antanimena nampiantrano.

Mankasitraka indrindra.

Ary entina hifandaozan dia ndeha hiaraka hitsiky amin’ireto harona hafakely ireto

Eeeeeeeh! Harona ireo fa aza ratsy saina eo an!

#TEDxTana 2010: Fandraisana anjaran’i Jean Emilien

Mombamomba an’i Jean Emilien Rakotonandrasana (nalaza tamin’ilay hirany hoe  ‘Maintso malama’)

Teraka tamin’ny  03 septambra 1963 tao Ambalavao Tsienimparihy – Fianarantsoa ary taranaka mpiangaly zavakanto niara-nalevina tamin’ny jejy voatavony (ny raibeny). Nandritra ny fety an-tsekoly sy lanonam-pianakaviana nandraisany anjara no nahamarihan’ny olona azy voalohany sy nanohanana azy tamin’ny lafiny hira. Kabaosy (gitara nentindrazana Malagasy) no niantombohany teny am-piandrasana omby mandritry ny fotoam-pialantsasatra. RAMOMA Pauline no reniny. Indray andro dia nahatsikaritra mpitsoka farara iray izy, nanaraka ny hiran’ireo  mpianatry ny rainy, RAVOAVY Jean.

Fianarantsoa, toerana niaviany

Sarotra ihany ny niaingany ho mpiangaly zavakanto satria tsy dia nankasitraka izany loatra ny rainy, izay nahavita mihitsy namotika ny kabaosy fitendriny teo an-tampon-dohany. Lalan-jotra hafa mantsy no noeritreretin-drainy ho tokony nizorany. Avy amin’ny lafin-dreny dia mpilalao   » horija »  sy  « jejy voatavo »  ary raha ny lafin-dray kosa dia mpiangaly « lokanga » sy « kabaosy ».

Teo amin’ny faha-17 taonany, rehefa nihevitra ho mahavita tena dia nandao ny tokantranon-dray aman-dreny. Mpitendritendry teny amin’ny toby fiantsonanan’ny fiara mpitatitra mampitohy faritany ireny izy taorian’izay.

Mbola zaza vao 5 taona i Jean Emilien ny 14 oktobra 1968 raha niaka-tsehatra voalohany tao amin’ny Kaominin’i Talatan’Ampano.

Fony mbola mpianatra, nandritra ny andro tsy fianarana, dia miaraka amina namana vitsivitsy izy miangaly ny mozikany. Saingy niha-sarotra ho azy ny mamory namana ka teraka tao aminy ny eritreritra hamatotra ny farara eny an-tendany mba hahafahan’ny tànany mitendry kabaosy; io fomba io no nahafahany mihira ka sady nitsoka farara no nitendry kabaosy. Ary teraka teo koa ny anaram-petaka hoe « L ‘ homme orchestre ».

Fiakarana an-tsehatra nandritra ny #TEDxTana 2010 miaraka amin'ilay « kabôsy » amin'ny endriny maoderina namboarin'i Jacob Aci, ilay nanamboatra ny gitara fitendrin'i Sting sy ry Kassav. Natao fanomezana ho azy izy iny fa tsy taka-bidy raha eny anivon'ny tsena no hividy azy i Jean Emilien.

 

Ny 5 febroary 1982 no nanao fandraisam-peo voalohany tao amin’ny RNM (Radio Nasionaly Malagasy) i Jean Emilien ka hira 10 tamin’io fotoana io no noraketina. Misy amin’ireo sangan’asany no lasa hira famantarana fandaharana mandeha ao amin’io fandefasampeo io. Isan’ireny ny « Handeha hiala voly » sy ny  « Voromangan’i Gasikara »

Teo ny tahotra fony izy nentin’i Rossy niaka-tsehatra voalohany indrindra tao amin’ny KANTO Antanimena, nefa hoy izy tany an-tsainy tany hoe « Kabosy ity, azo atao amin’izay itiavako azy ». Nankafizin’ny mponin’Antananarivo avy hatrany anefa ny asa kantony ka nisy ny nanipy zavatra teny ambony lampihazo, izay noheveriny fa vokatry ny tsy hafalian’ny mpanotrona (satria nankimpiny ny masony mba hankaherezany tena nandritra ny hira nataony), saingy rehefa nahirany ny maso, dia akory ny hagagàny fa hay vola madinika ireo natsipin’ny olona ireo ho fankasitrahana azy.

Teny ambony sehatra nandritra ity #TEDxTana ity dia niantso ny rehetra i Jean Emilien mba hanampy azy hahatanteraka ny tetikasany ho fambolena hazo

Nandalo kely tamin’ny mozika tandrefana izy talohan’ny nilomanosany tao anatin’ny vako-pirenena, ny vako-drazana, ka ny rija no tena nifotorany na dia maro aza ireo gadon-kira malagasy (vakisaova, basesa, salegy, jejy, saranga). Ny tehaka (voasolon’ny kabaosy) sy  ny angorodao ary ny don-tany no tena fampiasa ankehitriny, raha nitsinjaka narahan-tehaka tsy nisy mozika no fanao fahiny.

Mandrotsirotsy ny mpankafy azy ny feo an’orona sy maranitra fanaony, ravahan’ny farara sy  ny kabaosy izay nampiany tadim-peo manokana mba hanakatra ny beso. Sady mahay mikabary ihany koa i Jean Emilien.

Niarahan'ny rehetra niredona ny "Maitso malama" sy ny " O Rila re e" teto amin'ny #TEDxTana 2010 androany

« Hey Madagascar » no rakikira voalohany nataony tany Parisy tamin’ny 1991 ary « Ezaka » tamin’ny 1995 no faharoa. Roa taona taorian’io dia nampitoviana tamin’i Robert Johnson, ilay rain’ny gadona « blues », izay fitaratr’i John Lee Hooker sy Eric Clapton izy rehefa nahazo ny Medaly Volamena nandritry ny fifaninanana mitsoka farara, « Hohner 91 », « Certificate of Honor for excellence in Diatonic tremolo by SPAH –IHO-HOHNER », taona 1991, Détroit, Etazonia. « Miandraza » tamin’ny 1998 no rakikira fahatelo.

cerificat of honnor

Efa imbetsaka izy no masoivohon’ny mozika Malagasy nanerana izao tontolo izao.

Gabon - Jona 2003

Indreto vitsivitsy amin’ireo hira malazany, izay azonao henoina sy alaina amin’ny aterineto:

  1. Miandraza
  2. Likenana
  3. Belina
  4. Fanoriha
  5. Rasoa
  6. Tsy aveloko
  7. Kapetsaka
  8. Mitodiha
  9. Teholy
  10. Aza meka

Taty aoriana vao nisy ny fitiliana ireo talenta vao misondrotra eto Madagasikara (TVM, RTA), fa raha ny tamin’ny andron’i Jean Emilien no jerena dia tsy nisy mihitsy izany, ary ny vahiny aza no nandray anjara betsaka tamin’ny fanondrotana ny mpanakanton’ity Nosy ity tamin’izany fotoana.

Mandray anjara amin’ny #TEDxTana i Jean Emilien Rakotonandrasna amin’ity andiany 2010 ity.

Fifandraisana aminy :

Tel : +261 32 04 022 20 / +261 34 18 725 84

e-mail : feonandringitra@yahoo.fr

Fitsapan-kevitra (REFERENDUM) 17 Novambra 2010

Nisy  ny birao efa nivoha maraina tamin’ity androany ity. Ny fanamarihana azo entina voalohany aloha hatreto dia ny fisian’ny hadisoana betsaka Na ny andro sy taona nahaterahana, na ny anarana, na ny toeram-ponenana. Fa ny tena henjana dia ny tatitra avy amin’ny fianakaviana any Ambohidratrimo. Lisea efa tsy natao biraom-pifidianana hatry ny ela ary tsy ao anatin’ny tokony ho isan’ny birao fandatsaham-bato no voasoratra any anatin’ny kara-pifidianan’ny olona. Tonga teny ny olona vao nivanaka, ary nasaina nifindra amina birao hafa.

Ny anay ato an-trano aloha izao dia diso avokoa na ny anaranay mivady, na ny anaran’ireo raiamandreninay. Tsy mbola nisy mihitsy hadisoana toy izany nahazo anay tany aloha, fa dia gaga ianao hoe taiza no nakana an’itony ‘données’ itony? Sa ny mpanao saisie no vendrana?

Misy indray ny mpivady any amin’ny fokontany sasany ka ramatoa nahazo kara-pifidianana, rangahy tsy nahazo fa te-hampiasa ny kara-panondrony, nefa dia nolavin’ny tomponandraikitra fa hoe tsy afaka mifidy ramose. Hatraiza no fampahafantarana sy fanofanana nomena an’ireny tomponandraikitra ireny? Satria anisan’ny singa iray enti-mamaritra ny maha mangarahara ny fifidiana iray natao ny fahafahan’ny olona rehetra te-hifidy manatanteraka ny safidiny. Marina fa tsy terena ny olona hifidy, nefa izay te-hanao izany dia tsy tokony ho very zo.

Hanainga hitety tanàna mba hanangom-baovao indray aloha ny tena, saingy hisy ihany ny ekipa hampiditra fanampim-baovao mitsitaitaika eto arakaraky ny fahatongavan’izy ireny.

Heno tamin’ny fampielezam-peo iray fa misy andian-jiolahy any Manjakandriana any manakana ny olona tsy hifidy amin’ny alalan’ny fandrahonana.

Amin’ireo birao fandatsaham-bato voatsidika androany aloha dia nilamina amin’ny ankapobeny ny fizotran’ny fitsapan-kevibahoaka. Nisy ihany anefa teny an-tsefantsefany teny ny tsy fahatomombanana maro samihafa, toy ny an’ny birao tokony hifidianan’ireo avy etsy Ankorondrano andrefana: ny filohan’ny birao fandatsaham-bato mihitsy, miampy ny filoham-pokontany no sady tsy ao anaty lisitra no tsy manana kara-pifidianana. Birao mifanila aminy eo ihany no nahitana kosa fandraisana ny anaran’ireo olona tsy hita tabilao ireo ka soratana ao anaty kahie iray daholo mombamomba ireo rehetra te-haneho safidy nefa tsy hita lisitra sy sy nanana karatra. Nolazaina moa fa ho entina manitsy ny aoriana noho ny ‘hadisoana betsaka hita ao anaty lisitra nataon’ny CENI’ no antony hoy ireo teo an-toerana.Tetsy amin’ny CEG Antaninena no nitrangan’izany.

Fandraisana anaty kahie ny anaran'ireo tsy hita anaty lisitra

Zara raha nisy olona kosa ny tetsy amin’ny EPP ampitan’ny Lil’Optique Ankadifotsy tamin’ny fotoana nandalovana teny an-toerana tokonyu ho tamin’ny 9 ora sy fahefany.

Tao amin’ny EPP akaikin’ny ISCAM Ankadifotsy indray dia nahitàna famezivezena natao an’ireo olona manana karatra nefa tsy mahay mamaky izay karatra izay. Ramatoa iray no efa nanomboka niakatr’afo satria nasaina nitety efitrano tsy latsaky ny 5 vao niverina indray tao amin’ilay faharoa efa nalehany mba handatsaka ny safidiny. Ankoatra izay dia be no tsy faly sy niveri-maina noho ny tsy fahitana ny anaran’izy ireo tao anaty lisitra, no sady tsy nahazo karatra.

EPP Ankadifotsy II - ISCAM

EPP Vohibola Ampandrana: Maromaro ihany ny olona tonga nanefa ny safidiny. Isan’ny tonga teny koa ireo mpanara-maso Eropeana.

EPP Vohibola

Ny fiara nitondra ireo solontena eropeana niala ny EPP Vohibola

Soamanandrariny: Nisy fifandirana nivadika ho savorovoro ka miantso mpitandro filaminana ny ao an-toerana

Alasora: Misy ny kara-pifidianana nefa tsy ao anaty lisitra

Nitetitety ny araben’Antananarivo avy eo ka ao ireo toerana zara raha misy olona mandeha eny an-dalana. Toy ny hoe andro Alahady. Ny eny amin’ny manodidina an’Analakely sy ny mankany Isotry iny kosa dia mitohy hatrany amin’ny asa fivelomany isan’andro.

Talatamaty: Tonga nanatanteraka ny anjarany ingahy Pierrot Rajaonarivelo (MDM). Fa ny tsininy dia ity, mbola nanao fampielezan-kevitra ho an’ny TSIA ihany ity heverina ho isan’ny voky traikefa amin’ny resaka politika ity. Fanahi niniana ve sa fihantsiana.

Fitsapan-kevitra mandeha, Fivelomana mandeha

Ny fanamarihana faobe azo lazaina dia ity: KITOATOA BE ILAY LISITRA SY KARA-PIFIDIANANA fa misy ny olona efa nipetraka 30 taona mahery teo amin’ny fokontany iray, ary nandray anjara foana tamin’izay fifidianana rehetra nandalo teo, nefa dia tsy tao anatin’ny afaka mifidy tamin’ity indray mitoraka ity. Ao koa moa ireo olona izay rehefa tonga tokoa ny hoe hifidy vao taitra sy namonjy birao, ka any  no nibaboka sy nilaza fa isan’ireo nandrovitra ny fanisàna nomena azy, ary ny hafa nampirina azy « natao haingon-trano » (tena io mihitsy no teny nampiasainy). Izany hoe ifampizarana ve ny andraikitra noho ny hadisoana? Sa ny an’iza no bebe kokoa?

Tsy misy ihany koa ny solontenan’ny mpampanao TSIA any anatin’ireo birao fandatsaham-bato. Mbola lavitry ny antsasa-manila amin’ny mpifidy voasoratra anarana no tonga nandatsa-bato

Fanampim-baovao (15:00) Noho iretsy tandrametaka rehetra etsyu ambony dia mahazo mifidy ireo olona rehetra tsy hita anaty lisitra nefa te-hifidy rehefa mitondra kara-panondro sy certificat de résidence, na kara-pokontany, na ny kara-pifidianana tany aloha, ary novàna ny fepetra mifehy an’ity fitsapan-kevi-bahoaka ity: raha tokony ho amin’ny 4 ora dia nahemotra ho amin’ny 6 ora hariva ny fikatonan’ny birao rehetra eran’i Madagasikara.

Tsy mbola manaiky an’izay anefa ny tompon’andraikitry ny ao Tsarahonenana, kaominina Ambohidrapeto satriahono tsy mbola nahazo an’izany baiko midina izany ry zareo

Vaovao faramparany : Fihokoana manamboninahitra sy kolonely maromaro ao amin’ny tafika (BANI Ivato)

Nodimandry i MEDICIS

Rehefa avy eny Antaninarenina ka handeha hody, omaly alina, dia nisy nanendaka teny akaikin’ny SOCIMEX, ka voatsindrona antsy avy any ivoho nitsatoka hatrany amin’ny fony ilay mpanakanto avy any atsimo, mpitendry accordeon antsoina hoe MEDICIS. Ny fiarovany ny vadiny no nitarika ny tsindrona antsy nataon’ireo mpanendaka azy. Nentina teny amin’ny HOMI ny lehilahy, saingy nanodidina ny misasakalina dia tsy tana ny ainy.

Maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviana sy ny
fianakaviamben’ny zavakano ny Gazety_adaladala

Friday Talk

Nihaona nifampizara traikefa tao amin’ny ACC Antanimena ny Mpanao gazety matihanina (lazaina mandrakariva hoe traditional media) sy ny mpitoraka blaogy (mampiasa ny New Media, izay ny olon-tsotra no mampiasa azy be indrindra aloja hatreto- journalisme citoyen) nanomboka tamin’ny 4 ora folakandro teo ho eo ary tsy nifarana raha tsy efa nanodidina ny tamin’ny 6 ora hariva. Tamim-pirahalahiana tanteraka ny fihaonana sy ny fifampizarana traikefa.

Ny TELOMIOVA Project no tompon-kevitra tamin’ny fihaonana sy nitondra fanazavana momba ny fampiasana ireo fitaovana vaovao fampitàna maika sy haingana ny zava-mitranga eo anivon’ny fiaraha-monina, toy ny Twiter, sy ny maro hafa tsy voatanisa. Maro ny mpandray anjara, ary mbola naneho ny fahavononany hifamotoana amin’ny manaraka indray ny rehetra.
Nazavaina andritra ny fifanakalozana ny fomba fanokafana kaonty ho an’ny tsirairay, ny fomba hanarahan-dia ny vaovao alefan’ny namana nofinidin’ny tena mba harahana manokana, ny fampakàrana vaovao avy amin’ny alalan’ny finday. Nifampizarana koa moa ny takelaka manokan’ny tsirairay izay efa manana, ary ny adiresy hahafahana mifanoratra sy mifampita vaovao.

Nangataka toro-hevitra avy amin’ireo zokibe efa za-draharaha amin’ny fikarakarana vaovao moa ireo zandry mpitoraka blaogy, ka nampanantena ireo fa mbola be ny ho sisa, ary ny lalao mbola ho ela.
Nomarihan’ireo zokibe ireo fa sarotra (na teo aloha, na amin’ny fotoana rehetra mihitsy aza) ny fanangonam-baovao, ary indraindray aza dia voatery miditra amin’ny resaka ‘fanambazana’ mihitsy vao mba mahazo izay vaovao ilaina.
Tamin’ny teny anglisy ny ankabeazan’ny fanazavana sy ny fifanakalozan-kevitra, ny toerana rahateo dia natao ho amin’izany, nefa na dia izany aza dia nisy ihany ny fanomezana toerana ny teny Malagasy teo anivon’ny dinika nifanaovana.

Isaorana etoana ireo rehetra tonga, ny mpikarakara, ny mpampiantrano… ny rehetra izay nahatonga azy iny ho tontosa e!

‘Fotoanan’ny fampiharana izao’ hoy ilay zokibe iray tonga tao.

Taratasy avy amin’i Pasteur Lala RASENDRAHASINA

Hafatra voaraiko ity ary satria ny gazety_adaladala araka ny maha adaladala azy dia maneho ny zavatra rehetre reny sy hitany, ka dia raiso araka izay fahitanao azy ny taratasy ary azonao atao koa ny mijery izany ao amin’ny blog Nes2dago izay mipetraka etsy ambany ny rohy.

http://news2dago. blaogy.com/ post/770/ 6315

Manoratra ho anareo aho ary miangavy anareo namana mba hanaparitaka izao resaka izao amin’ ny rehetra izay azonareo havaovana izany:

Ambaran’ ny AVI fa izaho no nitondra ny taratasy ordonnance avy amin-dRa8 manendry ny directoire militaire teo Antanimena. Nahoana no dia manao lainga marivo tototra tahaka izany Ratsirahonana Norbert sy
ny AVI. Izaho aza tsy nahafantatra akory fa momba izany directoire izany no antony hivoriana tao Antanimena tamin’ iny 17 Martsa 2009 tolakandro iny. Eo am-pisakafoana antoandro amin’ ny 12.30 antoandro
(17 Martsa 2009) izaho sy ny zanako no niantso ahy i Odon Razanakolona ka nanao hoe mangataka hihaona amintsika FFKM (averiko tsara amintsika FFKM) ny ONU fa misy zavatra maika ka dia ao Antanimena no fotoana
amin’ ny 1 ora tolakandro. Rehefa tonga teny aho taoriana kelin’ ny fotoana nomeny dia nilaza indray izy fa nahemotra amin’ ny 3 ora tolakandro ilay izy fa mbola  ny amin’ ny Filoha Ravalomanana ny ONU. Rehefa tonga ny tamin’ ny 3 ora tolakandro dia akory ny hagagako fa tsy izahay FFKM ihany no tao Antanimena fa ny avy amin’ ny opposition samihafa (isan’ izany Ratsirahonana) , ny Capsat, ary TGV.

Tsy nisy solontenan’ ny mouvance présidentielle kosa teo anefa!!! Teo koa ny Ambasadaoro Amerikana (izay nanao tsilian-tsofina tamiko teo andalantsara fa nametra-pialana ny Filoha Ra8 na dia famindram-pahefana @ miaramila aza hoy izy io nataony io. Fomba
mihaja diplaomatika ihany io hoy izy fa:fametraham- pialana no dikany) sy Afrikana Tatsimo ary ny ONU Dramé sy hafa koa. Dia tsy tohizako intsony ny tantara fa iny nitranga iny… Koa nahoana no lazain’ ny AVI aho fa niara-niitondra ilay taratasy ordonnance iny niaraka tamin’ny ONU sy ny Amerikana sns? Tena lainga marivo tototra izany ary misy porofo…
Ka dia ilaina ny manao démenti amin’ ny anarako avy aminareo namana, na izay fantatrareo fa afaka manao izany. Miezaka manadio tena mantsy Ratsirahonana sy ny AVI-ny fa hitany fa mitady hivadika ny tantara.

Lala Rasendrahasina
Filoha FJKM

Affaire Lala Rasendrahasina – Le Fjkm reconnaît avoir menti

Message que j’ai reçu ce matin même

Affaire Lala Rasendrahasina – Le Fjkm reconnaît avoir menti

Le Secrétaire Général de l’Eglise protestante reformée ou Fjkm a reconnu dimanche dernier lors d’un culte qui s’est tenu au temple d’Andrainarivo qu’effectivement, les militaires n’ont jamais fait boire son…
urine au Président de cette église, le Pasteur Lala Rasendrahasina comme l’a affirmé le Commandant Charles Andrianasoavina. Rappelons que selon un membre du bureau de l’église, cette affaire s’est déroulée lors du moment où le Pasteur était retenu au camp du Capsat à Soanierana et ce membre a affirmé qu’on lui a fait boire son pipi ! Le Commandant Andrianasoavina Charles qui s’était chargé personnellement de la garde du Pasteur Lala Rasendrahasina est catégorique et l’officier était même allé plus loin en indiquant que si le Pasteur est vraiment un chrétien, il doit dans ce cas dire à toute la population malgache la vérité. La question se posait effectivement depuis que les « Mpiandry » ont trouvé et déterré les objets fétiches de Marc Ravalomanana, qui est toujours vice-président de l’Eglise réformée Fjkm. Ainsi, beaucoup ont douté de la sincérité et de l’honnêteté du Pasteur Lala Rasendrahasina, Président du Fjkm qui était propulsé à ce poste par l’ancien président de la République. Pire, certains fidèles du Fjkm soupçonnent que Lala Rasendrahasina est très au courant de ces pratiques diaboliques de Marc Ravalomanana. Le Président du Fjkm a donc été arrêté avec les trois plus hauts gradés de l’armée par les militaires lors de l’annonce d’un directoire militaire à Antanimena mardi dernier, après la démission de Marc Ravalomanana. Le pasteur était ensuite retenu au camp du Capsat à Soanierana pendant quelques heures, le temps de faire la passation de pouvoir entre le directoire militaire et le Président de la Hat Andry Rajoelina. Selon l’explication de ce membre du bureau du Fjkm, avant-hier au temple d’Andrainarivo, c’est durant ce laps de temps que l’affaire s’est déroulée. Et avant-hier, le Sg de cette église a annoncé qu’il s’agit d’un… malentendu venant d’un mot souvent utilisé par les Malgaches lorsque l’on a de l’émotion mais un mot que Lala Rasendrahasina n’a pas l’habitude d’entendre ! En tout cas, le débat est clos sur ce sujet sauf si d’autres vont encore soulever le petit oubli de présenter par la suite les excuses après avoir accusé les militaires.
Jean Luc Rahaga
Mardi, 24 Mars 2009 – http://www.laverite.mg

une réponse postée à ce sujet:

Salama,
Ka na nandainga izy moa na tsy nandainga, na nisotro ny malotiny izy na tsia, ny hitan`ny rehetra dia tsy mety ary tsy azo ekena ny fomba nangalana azy tetsy Antanimena. Hitan`izao tontolo izao fa tsy ny Malagasy irery, ary nisy ny fanavakavahana natao, maninona no tsy nosamborina doly ny FFKM tao? samy lazaina fa raimandreny daholo ary samy nilaza mijoro ho mpanelanelana. Nolazaina fa tsy ekena ny fitondrana miaramila, fa nga moa io pasitera io saika hitondra tao amin`ilay fanjaka miaramila?
rts

et encore une autre

Monsieur Jean Luc Rahaga et Koto Iniasy

Qu’il n’a pas bu ou pas, le traitement qu’il a eu, est loin de respecter la dignité humaine et le vrai problème est la. L’ambassadeur des Etats-unis dans son interview a bien confirmé qu’aucun être humain ne doit pas etre traité comme a été traité Pasteur Lala Rasendrahasina. Sachez que les gens qui sont responsables de ces actes seront poursuivis un jour ou un autre, ils ont agressé physiquement et verbalement Pasteur Lala Rasendrahasina (le film prouve bien tout cela les ambassadeurs etaient temoins)ils ont menacé des Ambassadeurs avec leur armes, ce sont des actes criminels tres grave et je crois qu’ils ne se rendent pas encore compte de la gravité de ce qu’ils ont faits..le débat est clos pour eux mais cette affaire ne fait que commencer

Dans ces deux films je note le fait suivant:

http://www.youtube. com/watch? v=WrgjZN3lrxk& eurl=http% 3A%2F%2Fgasy. net%2FVideo% 2F\
evenements-2009. html&feature= player_embedded

http://www.youtube. com/watch? v=Rl0_MG1Yz_ I&NR=1

Nosintonina ilay olona tao @ Capsat ny cravate-ny Pasteur Lala Rasendrahasina sady atositosika, dia nisy ny niteny hoe aoka fa moramora ihany, dia namaly ilay nisintona hoe : miala tsiny fa ahy ity fa avelao aho hanala ny foko…

avy eo tratry ny vono aloha ny hiaingan’ny fiara

la suite au Capsat on n’a pas su, le debut a Antanimena donne bien l’avant gout de ce qui allait se passer la-bas.. tena mampalahelo

La majorité des Malagasy n’ont pas encore vu ces deux films mais bientôt ils vont les voir, comme moi ils seront choqués, accablés et commenceront leur vraie resistance a ce soi-disant « tolom-bahoaka ho an’ny Demokrasia ».

Chacun a sa valeur Ethique et Morale mais personellement je réprouve et condamne les actes perpetrés a l’encontre de Pasteur Lala Rasendrahasina.

J’invite Jean Luc Rahaga de montrer ces deux films aux gens du Capsat et rendre compte aux Lecteurs de la Verité et les vahoaka Malagasy ce qui s’est vraiment passé a Antanimena pour mettre tout le contexte de la situation dans cette affaire pour le MANGARAHARA.

NB: ho an’ilay mpisavasa solosaina sy manembatsembana ny fandefasako message eto don’t waste your time.. vous avez mieux a faire ailleurs

FANATISME, quand tu tiens les Malagasy! ‘Pire aveugle celui qui refuse de voir

Mise à jour ce 27/03/2009:
hafatra hafa voaray momba ity resaka ity hatrany

Ajouter un drapeau à ce mail[serasera] Re: Re : Affaire Lala Rasendrahasina – coupt d’EtatVendredi 27 Mars 2009 8h44mn 32s
De: « Johanesa » Ajouter l’expéditeur dans les contacts À: « R haj » , « serasera malagasy » , « sera sera »
Diso fipetraka ny adihevitra Coup D’Etat. Probleman’ny firenena any ivelany sy ireo mpitady tombotsoa eto io resaka io. No probleman’ny Malagasy dia ny fitakiana fahafahana sy fandrosoana; fikatsahana fomba hampahomby ny fanesorana ny fahefana eo ampela-tanan’ izay manao ny tsy nety teto @ firenena. Koa aleo lavitra « coup d’Etat », azavaiko eto ambany, toy izay hamela ny hitohizan’ireo fomba fanao tsy mety.1- Filohampirenena teo aloha nametra-pialà na antsitra-po (« fanapaha-kevitro Izaho samirery »), namindra fahefana t@ fitondrana miaramila an-taratasy voasonia ary natao t@ alalan’ny ordonance ara-dalàna.2- Fitondrana miaramila namindra fahefana ara-dalàna t@ Andry antsitra-po (izany no marina na hiolaka ankavia na havanana ianareo, jereo ny fanambarana nataony, ary tonga teny Mahamasina ny 2 tamin’ireo 3 namindra fahafana ary tsy nanao fanambaràna raha nisy ny fanerena)3. Nohamarinin’ ny HCC fa nisy ny fametraha-pialà n’ny Filoha teo aloha.4. Nohamarinin’ ny HCC ny maha-ara-dalà na ny famindram-pahefana nataon’ny fitondrana miaramila t@ Andry,5. Nampanao fianianana ofisialy teny Mahamasina ny HCC araka ny lalàna6. Ny Membre ao @ HCC dia ny filoha teo aloha no nanendry azy ireo7. Tsy nisy rà latsaka toy izay niseho tany Afrika Koa mba anjarako indray ny mametraka fanontaniana:
1. Avy aiza ny 30 million $ nividianana Air force One Two
2. Azavao ireto teboka manaraka ireto: 70 milliards d’Ariary, soutirés de la maison d’assurances ARO,
62,5 milliards d’Ariary, du Port de Toamasina,
25 milliards d’Ariary de taxes douanières exonérées sur l’huile alimentaire,
20 milliards d’Ariary d’impôts non payés du groupe TIKO,
54 milliards d’Ariary extraits du ministère de l’Aménagement du Territoire et de la Décentralisation entre le 25 février et le 3 mars pour la préparation de l’accueil du Sommet de l’Union Africaine, dont 12 milliards d’Ariary sont déjà « consommés ».

JXXXXX