#TEDxTana 2010: Fisaorana

Ny eto amin’ny °Gazety_Adaladala dia maneho fisaorana feno ireo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka iny hetsika #TEDxTana 2010 natao tao amin’ny MDLC (Madagascar Development Learning Center) iny. Tsy adino amin’izany isika mpanotrona na teratany na vahiny.

Sedra voalohany ho anay mpitoraka bilaogy nanopme aina mivantana ny hetsika iny, ary tsorina fa dia nanao izay tratry ny aina sy izay kely mba vita ny rehetra tamin’ny fitorahana bolongana sy fandefasana Tweets nandritry ny hetsika.

Malagasy no nanomana ny hetsika, nefa azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra na izany aza.

Be ny zavatra azon’ny mpanatrika, voaresaka tao daholo na ny zavakanto, na ny tontolon’ny asa, na ny toetr’andro sy ny tontolo iainana…  Nahafinaritra ny tontolo nifaneraserana tao, ary ny tena tsy ho adino dia ilay namaranan’i Jean Emilien ny anjara fisehoana an-tsehatra nataony, ka niarahan’ny rehetra niredona ny « Maitso malama sy ny Ô rila e! »

Manako eran-tany ankehitriny ny #TEDxTana 2010, ary mbola hanako amin’ny lafiny tsara hatrany i #Madagascar

Mankasitraka ry zalahy a!

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Beinvenu RAJAONSON – Banky Iraisampirenena

Iza moa i Bienvenu Rajaonson ?

Mpandray anjara fitenenana amin’ny #TEDxTana 2010 izy, izay atao eto amin’ny MDLC Anosy, Antananarivo, Madagasicara

Tomponandraikitra misahana ny resaka tontolo iainana ao amin’ny iraka maharitry ny Banky iraisampirenena eto Madagasikara.

Efa tomponandraikitry ny fandaharanasam-pirenena momba ny fambolena hazo
Tale mpanatanteraky ny Conservation International
Mpiandraikitra tetikasa ao amin’ny Banky Iraisampirenena

lohatenin’ny fandraisam-pitenenana

Énergie et genre

Énergie, environnement et changement climatique

Énergies renouvelables

Biocarburants

Mécanisme de financement

Sehatra irotsahana:

Biocarburants

Gestion des ressources ligneuses

Inona no nandrisika azy hiditra ho mpikambana amin’ny Riaed :
hizara ireo traikefa sy andrana natao teto Madagasikara

Niresaka momba ny famokarana sy ny fanodinana ny vokatra azo avy amin’ny fary mba hatao angovo fampiasa ao an-tokantrano izy nandritry ny #TEDxTana 2010.

Haka bahana kely ny mpanoratra dia ho hatavezina eto ihany ity resaka ity saingy efa azo atao ny mamaky azy amin’ny teny anglisy ato presentation TEDX final , Resaka alikaola io nefa aza manahy anefa ianareo mpisotro fa tsy hahalany ny toaka gasy tsy akory ny fampiasàna azy ho solika fandrehitra an-dakozia.

Fifandraisana:

BP 4140, Banque mondiale 101 Antananarivo, Madagascar
mailaka: brajaonson@worldbank.org

Spécialiste principal environnement à la mission résidente de la Banque mondiale à Madagascar.

P.O.BOX 4140, Banque mondiale 101 Antananarivo, Madagascar
Courriel : brajaonson@worldbank.org

Compétences, parcours professionnel…

Responsable du programme national de reboisement
Directeur Exécutif Conservation International
Chargé de Projets Banque Mondiale

Thèmes d’intervention

  • Énergie et genre
  • Énergie, environnement et changement climatique
  • Énergies renouvelables
  • Biocarburants
  • Mécanisme de financement

Secteurs d’intervention :

  • Biocarburants
  • Gestion des ressources ligneuses

Motivation pour devenir membre du Riaed :
Partager les expériences conduites à Madagascar

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Mandrantoso Ndrianiaina – JOJOPIL Innovations

jojopil! Innovations.

Mandrantosoa Ndrianiana, mpamorona ny JOJOPIL, orinasa manao tolotra mifandraika amin’ny resaka ingenierie informatique

jojopil! Innovations dia nitsangana tamin’ny Desambra 2007 ary manome vahana manokana ny orinasa Malagasy te ho hita bebe kokoa eo anivon’ny aterineto, amin’ny maha-orinasa Malagasy azy rahateo. Inona avy ohatra no applications fantatsika ka ampiasaina betsaka eto amin’ny aterineto: ireto no be mpahalala indrindra. facebook, webmail, forum, google apps, sns…

Ny tetikasa voalohany voajorony dia ny  tananalife, izay ampiasainy koa ho toy ny fitsapàna maripàna. Niainga avy amin’io no nahatsapàny fa vitany tsara ny hamaly ny hetahetan’ireo tonga manatona azy.

Orinasa voalohany eto Madagasikara mampiasa ny  Ruby on Rails, izay fitaovana entiny manafaingana ny asany ny Jojopil Innovations, miaraka amin’ny fanomezana tolotra manara-penitra sy avo kalitao ao ampandraisanao ny vokatra.

Afaka manao ny atao hoe etudes sy ny asan’ireny antsoina hoe consultants ireny koa ny jojopil! Innovations. ho an’ireo orinasa te hanatsara ny vokatra arosony!

Mandray anjara amin’ny #TEDxTana 2010 ety amin’ny MDLC Anosy, Antananarivo – Madagasikara  ny Jojopil Innovations. Ary izy mihitsy aza no nanakinana ny fananganana sy ny fampandehanana ny tranonkalan’ny #TEDxTana 2010.

Famelabelarana nentiny kosa ny mikasika ny mbola azo ampiasana ireny solosaina antitra ireny ho azo ampiasaina ho toy ny vao indray, amin’ny alalan’ny fandrohizana azy rehetra ireny amin’ny fampiasana ny LINUX. Ny Linux izay voalaza nandritra ny fanolorana fa tsy laitran’ny balan’ny ‘virus informatika’. Fohy nefa nazava ary tsy nilana fampiasana saina henjana ny fanazavana nentina

Mandrantosoa de Jojopil, ilay bandy cool

Fifandraisana
jojopil! Innovations.
TR41 Ampahimanga
Ambohimanambola
Antananarivo Avaradrano, Analamanga 103
Madagascar
mailaka:tosoa@jojopil.com
tranonkala: http://jojopil.com

#TEDxTana 2010: Fandraisana anjaran’i Jean Emilien

Mombamomba an’i Jean Emilien Rakotonandrasana (nalaza tamin’ilay hirany hoe  ‘Maintso malama’)

Teraka tamin’ny  03 septambra 1963 tao Ambalavao Tsienimparihy – Fianarantsoa ary taranaka mpiangaly zavakanto niara-nalevina tamin’ny jejy voatavony (ny raibeny). Nandritra ny fety an-tsekoly sy lanonam-pianakaviana nandraisany anjara no nahamarihan’ny olona azy voalohany sy nanohanana azy tamin’ny lafiny hira. Kabaosy (gitara nentindrazana Malagasy) no niantombohany teny am-piandrasana omby mandritry ny fotoam-pialantsasatra. RAMOMA Pauline no reniny. Indray andro dia nahatsikaritra mpitsoka farara iray izy, nanaraka ny hiran’ireo  mpianatry ny rainy, RAVOAVY Jean.

Fianarantsoa, toerana niaviany

Sarotra ihany ny niaingany ho mpiangaly zavakanto satria tsy dia nankasitraka izany loatra ny rainy, izay nahavita mihitsy namotika ny kabaosy fitendriny teo an-tampon-dohany. Lalan-jotra hafa mantsy no noeritreretin-drainy ho tokony nizorany. Avy amin’ny lafin-dreny dia mpilalao   » horija »  sy  « jejy voatavo »  ary raha ny lafin-dray kosa dia mpiangaly « lokanga » sy « kabaosy ».

Teo amin’ny faha-17 taonany, rehefa nihevitra ho mahavita tena dia nandao ny tokantranon-dray aman-dreny. Mpitendritendry teny amin’ny toby fiantsonanan’ny fiara mpitatitra mampitohy faritany ireny izy taorian’izay.

Mbola zaza vao 5 taona i Jean Emilien ny 14 oktobra 1968 raha niaka-tsehatra voalohany tao amin’ny Kaominin’i Talatan’Ampano.

Fony mbola mpianatra, nandritra ny andro tsy fianarana, dia miaraka amina namana vitsivitsy izy miangaly ny mozikany. Saingy niha-sarotra ho azy ny mamory namana ka teraka tao aminy ny eritreritra hamatotra ny farara eny an-tendany mba hahafahan’ny tànany mitendry kabaosy; io fomba io no nahafahany mihira ka sady nitsoka farara no nitendry kabaosy. Ary teraka teo koa ny anaram-petaka hoe « L ‘ homme orchestre ».

Fiakarana an-tsehatra nandritra ny #TEDxTana 2010 miaraka amin'ilay « kabôsy » amin'ny endriny maoderina namboarin'i Jacob Aci, ilay nanamboatra ny gitara fitendrin'i Sting sy ry Kassav. Natao fanomezana ho azy izy iny fa tsy taka-bidy raha eny anivon'ny tsena no hividy azy i Jean Emilien.

 

Ny 5 febroary 1982 no nanao fandraisam-peo voalohany tao amin’ny RNM (Radio Nasionaly Malagasy) i Jean Emilien ka hira 10 tamin’io fotoana io no noraketina. Misy amin’ireo sangan’asany no lasa hira famantarana fandaharana mandeha ao amin’io fandefasampeo io. Isan’ireny ny « Handeha hiala voly » sy ny  « Voromangan’i Gasikara »

Teo ny tahotra fony izy nentin’i Rossy niaka-tsehatra voalohany indrindra tao amin’ny KANTO Antanimena, nefa hoy izy tany an-tsainy tany hoe « Kabosy ity, azo atao amin’izay itiavako azy ». Nankafizin’ny mponin’Antananarivo avy hatrany anefa ny asa kantony ka nisy ny nanipy zavatra teny ambony lampihazo, izay noheveriny fa vokatry ny tsy hafalian’ny mpanotrona (satria nankimpiny ny masony mba hankaherezany tena nandritra ny hira nataony), saingy rehefa nahirany ny maso, dia akory ny hagagàny fa hay vola madinika ireo natsipin’ny olona ireo ho fankasitrahana azy.

Teny ambony sehatra nandritra ity #TEDxTana ity dia niantso ny rehetra i Jean Emilien mba hanampy azy hahatanteraka ny tetikasany ho fambolena hazo

Nandalo kely tamin’ny mozika tandrefana izy talohan’ny nilomanosany tao anatin’ny vako-pirenena, ny vako-drazana, ka ny rija no tena nifotorany na dia maro aza ireo gadon-kira malagasy (vakisaova, basesa, salegy, jejy, saranga). Ny tehaka (voasolon’ny kabaosy) sy  ny angorodao ary ny don-tany no tena fampiasa ankehitriny, raha nitsinjaka narahan-tehaka tsy nisy mozika no fanao fahiny.

Mandrotsirotsy ny mpankafy azy ny feo an’orona sy maranitra fanaony, ravahan’ny farara sy  ny kabaosy izay nampiany tadim-peo manokana mba hanakatra ny beso. Sady mahay mikabary ihany koa i Jean Emilien.

Niarahan'ny rehetra niredona ny "Maitso malama" sy ny " O Rila re e" teto amin'ny #TEDxTana 2010 androany

« Hey Madagascar » no rakikira voalohany nataony tany Parisy tamin’ny 1991 ary « Ezaka » tamin’ny 1995 no faharoa. Roa taona taorian’io dia nampitoviana tamin’i Robert Johnson, ilay rain’ny gadona « blues », izay fitaratr’i John Lee Hooker sy Eric Clapton izy rehefa nahazo ny Medaly Volamena nandritry ny fifaninanana mitsoka farara, « Hohner 91 », « Certificate of Honor for excellence in Diatonic tremolo by SPAH –IHO-HOHNER », taona 1991, Détroit, Etazonia. « Miandraza » tamin’ny 1998 no rakikira fahatelo.

cerificat of honnor

Efa imbetsaka izy no masoivohon’ny mozika Malagasy nanerana izao tontolo izao.

Gabon - Jona 2003

Indreto vitsivitsy amin’ireo hira malazany, izay azonao henoina sy alaina amin’ny aterineto:

  1. Miandraza
  2. Likenana
  3. Belina
  4. Fanoriha
  5. Rasoa
  6. Tsy aveloko
  7. Kapetsaka
  8. Mitodiha
  9. Teholy
  10. Aza meka

Taty aoriana vao nisy ny fitiliana ireo talenta vao misondrotra eto Madagasikara (TVM, RTA), fa raha ny tamin’ny andron’i Jean Emilien no jerena dia tsy nisy mihitsy izany, ary ny vahiny aza no nandray anjara betsaka tamin’ny fanondrotana ny mpanakanton’ity Nosy ity tamin’izany fotoana.

Mandray anjara amin’ny #TEDxTana i Jean Emilien Rakotonandrasna amin’ity andiany 2010 ity.

Fifandraisana aminy :

Tel : +261 32 04 022 20 / +261 34 18 725 84

e-mail : feonandringitra@yahoo.fr

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Anja Besson – Designer

Iza moa i Anja Besson Rasolondraibe

Anja Besson seriny aminìny fanazavana

Isan’ny mpandray anjara fitenenana mandritra ny #TEDxTana 2010 Anja Besson Rasolondraibe

 

Metisy franco-Malagasy. 28 taona amin’ity 2010 ity, graphiste free-lance miasa miaraka amin’ireo  fikambanana ara-kolotsaina samihafa rehefa avy nianatra  momba ny zavakanto, ary nahazo diplaoma avy amin’ny  NABA School of art ao Milan, Italie.
Ny rainy no nampianatra azy ny resaka hosodoko. Mbetika styliste, graphiste, scénographe de boutique amin’reny toeram-pivarotana ireny …Araka izany dia tsy hoe nandeha ho azy sy nisosa milamina akory ny làlana nodiaviny: nitady sy nanangona traikefa teny rehetra teny… Loharanom-pahalalàna daholo ny zavatra rehetra.

Adino teto ny hoe D..toy ny Dizina...

Japoney no nanao an'io saingy nanamarika azy manokana

Asa kanto mifototra amin’ny olona sy ny tsirairay ary ny zavatra tsapa rehefa mihaona amin’izy ireny no ataony ka betsaka ny fomba ampiasainy hanehoana ny mampiavaka ny tsirairay amin’izany. Collage, taratasy, baoritra, loko menaka, encre de chine, loko atsifotra (bombe) … miezaka ny tsy hilatsaka any amin’ny graffiti mitratrevatreva anefa.

Hafatra ampitainy:

Mifamatotra akaiky ny graphisme sy ny sary. Ny graphiste tsy hoe olona iray miangaly solosaina fotsiny mba hanome endrika pejy iray, afaka ny ho mpanao hosodoko, na sary sikotra koa izy…Aleo mihetsika toy izay mitantara. Tena ilaina ny manomboka amin’ny fanaovana sary aloha, vao miasa mivantana amin’ny solosaina.

Rehefa hisafidy ny haingo dia  ny graphiste no tsy maintsy manome soso-kevitra mikasika ny sary natao tanana, na saripika, na typographie. Izany no ilazana fa ilana asa be sy fahamatorana ary saina mahataka-davitra ny graphisme. Ny fitiavana mikarokaroka izany no tena mibaiko…Antony iray safidiny hanao ity asa ity izany…Ary amin’ny asa toy izao, tsy misy zavatra efa tonga dia azo antoka…mila mitozo amin’ilay asa ary manao fanandramana, hoy hatrany izy.

Fanovana natao ho an'ny Café de la Gare

Hafatra voalohany indrindra raha te-hanao ity asa ity dia ny fanarahana fiofanana momba ny resaka graphisme amin’ny fomba tranainy, vao miditra amin’ny solosaina … graphisme fa tsy PAO. Io dia ampiarahana amion’ny fahalalana ankapobeny, ara-javakanto sy ny lalàna mifehy.
Tena zava-dehibe ny fahaizana mampiasa ny mason’ny tena mba hanakàrana ny teknika nampiasain’ireo graphiste hafa satria indraindray tena manahirana tokoa ny mpanjifa. Ho namanao mahatoky amin’ny fanatanterahana ny asa ireny rehetra ireny.

Seza tonta norakofana bemiray, ary mbola azo namidy lafo tsara mihitsy avy eo

Hafatra faharoa: mila manana faharetana, indrindra manoloana ireo mpanjifa sarontsarotiny izay efa manana ny noheveriny any anaty lohany any …

Mandany ron-doha, mandany fotoana, ary manimba vao manorina...

Tsy maintsy mahay mandresy lahatra, manana risi-po hanazava amin’izy ireny fa hoe ny graphiste dia afaka manolotra hevitra hafa ary indrindra tsy tokony hanaiky resy amin’ny lafiny karama.

Ato daholo no miainga izany rehetra izany

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Alice plane – Ashoka

Iza moa i  Alice Plane?

Alice Plane dia manampahaizana amin’ny Siansa politika sy ny varotra, nianatra momba ny Fifandraisana Iraisam-pirenena sy ny Fitantanan-draharaham-bahoaka, mpianatra fahiny tao amin’ny ESSEC, teraka tao Lille, Frantsa tamin’ny 1984. Nipetraka tany Angletera ary nivezivezy matetika tany amin’ny Firasana Sovietika teo aloha. Fampianaran-kariva no nianarany ny teny Rosiana.
Miasa ho an’ny Fikambanana iraisam-pirenena Ashoka (www.ashoka.fr), izay manohana ireo mpandraharaha mitodika amin’ny ara-tsosialy izy. Eto Antananarivo izy ankehitriny no monina ary miandraikitra iraka ho fametrahana ny Ashoka eto Madagasikara rehefa sodokan’ny hatsaran-tarehin’ny Nosy sy ny otrik’harena maro toa tsy ho lany ananany. Eo koa ny fahaiza-manao nentin-drazana sy ny asa-tanana Malagasy, mandalo kely amin’ireo saina tia mikarokaroka symampivanaka annan’ny Malagasy

Lakana roa nakambana ary nasiana seza eo amboniny io asehon’ny sary etsy ambony io.

Milaza i Alice fa mbola manana ny hoaviny ny entrepreneuriat eto  Madagasikara, saingy ny olana dia ny tsy fifampitokisan’ireo samy mpitondra tetikasa, na dia samy milaza ho entreprneurs sociaux aza izy ireny.

 

Isan’ny nanohina ny fony ny fahitàna ny fahantran’ny mponina sy ny tsy fanjarian-tsakafo. indrindra fa eny an-tanan-dehibe. Ny sary eto ambany dia nalainyta an-tananan’Antsirabe.

Mba mangataka re tompoko fa noana e!

Teo koa ny fahitana fa tsy ny ankizy rehetra no afaka miditra varavaran-tsekoly, izay mazana aza no mbola fandaharam-pianarana tsy mifandraika amin’ny zava-misy koa, ary mahatratra 40% ny taham-pandaozana toeram-piasàna ataon’ireo mpampianatra (Afa-baraka aho Gasikara keliko! Sa lasa namboly fa tsty ampy sakafo ry zareo?)

ASHOKA :
NY FIJERINAY : « Ny tsirairay dia afaka ny ho  mpandray anjara amin’ny fanovàna ».
NY ASANAY : Mirotsaka an-tsehatra amin’ny fametrahana rafitra sy fampivoarana ny sehatra Entrepreneuriat Social manerana izao tontolo izao, mba hisy bebe kokoa ny fiantrakany eo amin’ny fiarahamonina.
IREO TANJONAY 3 LEHIBE MIFAMENO :
Mifantina sy manaraka azy ireny mandritra  ny dingam-pivoaran-dry zareo, indrindra fa ireo mitondra fiovàna;
Mandray anjara amin’ny fampivelarana ny sehatry ny Entrepreneuriat social erantany amin’ny fanomezana fandaharan’asa sy fampandraisana andraikitra – toy ny  Concours IMPACT de business plans à vocation sociale, programme Jeun-E-S, Global Academy, sns…

Sary avy amin’ny  Ashoka ny sasany amin’ireo hitanao tato

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Malika – WWF

Ny sary sasany ato amin’ity lahatsoratra ity dia notsoahana avy amin’ny famelabelarana nataon’ny solontenan’ny WWF nandritry ny #TEDxTana 2010 – MDLC Anosy

Malika manazava ny fiarovana ny sokake ataon'ny WWF

Tokony ho i Tiana Ramahaleo : mpandrindra ny fandaharanasa fikajiana siantifika sy ny karazana ao amin’ny  WWF – Madagascar no namelabelatra teto, nefa noho itsy voalohany voatazona noho ny asa any Toliary, dia nifandamina tamin’i MALIKA izy hanao izany amin’ny toerany..

Tsy nasiana fanovàna ny soratra eny  anaty sary

Fanentanana hiarovana ny Sokake

Hazaina mba hamatsiana tsena iraisam-pirenena ny Sokake, indrindra fa ny tsena aziatika. Ho an’ny eto an-toerana kosa dia hatao hena na biby fiompy ao an-trano.

Atao kilalao ve? Nefa aleo lavitra izay toy izay lasa hena

Efa any Azia raha ny fijery an'ireto

Tamin’ny 2005, heverina ho nahatratra 60.000 amin’ny 3,5 tapitrisa tany ho any no tratran’izany izan-taona.

Sao tsy rariny kosa e!

Afaka 50 taona dia ho fongana any amin’iny faritra atsimo iny ny Sokake raha mitohy izany. Ny Sokake izay isan’ny ahalalàna iny faritra iny.

Sokake, mampiavaka ny faritra atsimo

Raha tsy mampanganohano ny masonao ny mahita ireto fatin-tsokatra marobe ireto, dia efa fo vato ny anao

Sokake miandry ny fotoana hanondranana azy an-tsokosoko

Tsotra ny tetika ampiasaina

Mampiasa mpanome vaovao izahay, mpanome vaovao vitsivitsy: fa amin’izao fotona maninona moa raha mpanome vaovao an-jatony na an’arivony  tsy mitonona anarana » mba hampahafantatra mangingiana ny fisian’ny fanondranana an-tsokosoko?

Eto Madagasikara, mazava loatra, vinavinaina ho 70% ny tanintsika, izany he 95% amin’ny mponina no rakotry ny tambajotran’ny finday.

Saiky ny 1 amin’ny Malagasy 3 no manana finday ary na min’ny faritra sasany tena lavitr’andriana aza, tsy mampaninona an-dry zareo ny mandeha an-tongotra 5 na 10 km mba hifandray amin’ny  « faritra hafa »

Saingy hatreto dia ny  RN10 mampitohy an’i Toliary sy Betioky, Ampanihy, hatrany Beloha no tianay hananana mpanome vaovao satria ireo faritra ireo no tena faritra mafana amin’ny fanondranana an-tsokosoko. Ny tatitra voaray no nahalalàna fa tsy latsaky ny sarety 10 feno sokatra no mandalo amin’ireo faritra ireo isan-kerinandro mba hamonjy an’i Toliary sy Antananarivo

Raha ity sary ity no jerena dia sarotra ny hiteny hoe tsy misy mahita izao fandripahana izao. Sa iniana tsy sakanana satria misy olo-maventy mahita maminy sy mahazo harena be avy amin'ny toy izao?

Alefa ny simaiso (sms) milaza ny toerana, ny isan’ireo mpanondrana an-tsokosoko, ny isan’ny sokatra ka ireny vaovao voaray ireny indray no ampidirina anaty lohamilina (serveur) ho tahiry, ho enti-manaitra sy hampandraisana andraikitra ny mpitandro filaminana.

Rehefa ela ny ela, inoanay fa hampihemotra ireo mpanondrana an-tsokosoko izany fomba izany.

Ny fandefasana vola no fivoarana farany nentin’io teknolojia io, koa nahoana moa raha mapiasaina koa izy handrisihana ireo mpanome vaovao nahita Sokake be indrindra (asiana tambiny ara-bola izany ny vaovao voaray sy voamarina raha azoko tsara) Amin’izay dia na ireo olona mipetraka et Antananarivo, USA, Eraopa aza dia afaka mandefa famporisihana ho an’ireo mendrika tamin’ny fanomezam-baovao.

Mandra-pahoviana ny toy izao no hitohy?

Ho an’izay mahay teny anglisy dia efa misy sombiny ato nosoratan’ny Madafun

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i RABARY Désiré

RABARY Désiré miteny eo anoloanireo mpanatrika ny #TEDxTana

Hoy i Mahatma Gandi manao hoe: « Ianao no tokony ho fiovana voalohany izay tadiavinao hisy eo amin’izao tontolo izao ». Isan’ny teny nampahatsiahivin’i Rabary Désiré nandritra ny famelabelarany io ary hery nanosika azy tamin’izay nataony.

Nilaza i Rabary Desire fa mampalahelo azy ny mahita ilay ala kely mahafinaritra  teo akaikin’ny fonenany mihena an-toerana isan’andro ary nandritry ny taona maro dia naniry ny hanana  fotoana mba holaniana amin’io ala kely  akaikin’ny fonenany io izy, ary izay no nanosika azy hanomboka ny valan-javaboahary tao Antanetiambo. (faritra Andapa)

Sary nindramina tamin'ny fanolorana nataon'i RABARY, ahitana ny toerana misy an'Antanetiambo

Novidiany taty aoriana ny tany nisy azy io mba hahafahany mitahiry ireo ragidro mpiaina anaty volotara ao anat’ilay faritra, mba hojeren’ny taranany any  aoriana. Vola noho ny herim-pony fony izy nanao mpitari-dalana mpizahatany tao amin’ny valan-javaboaharin’i Marojejy no nahazoany azy.

Marojejy sy ny hakantony

Noho ny fanohanan’ireo mpikaroka maro sy ny WWF dia tafiditra ao anatin’ny faritra arovana ankehitriny i Antanetiambo, ary misokatra ho an’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana

Sary nindramina tamin'ny fanolorana nataon'i RABARY, Antanetiambo tazanin-davitra

Tany aloha tany hoy hatrany Rabary Désiré dia nampitandrina ahy foana ny olona fa saropady ny filazana ny marina, nefa kosa tsy maintsy mitraka sy mijoro hatrany hanohitra ny kolikoly tsy mitsahatra sy ny fanakorontanana ny toeram-ponenana any anatin’ireny valan-javaboahary sarobidy ireny ny tena.

Ny faharavan'ny tontolo anaty ala ao an-toerana

Ny tatitra nataon’ny Missouri Botanical Garden izay nandalo tsy ela akory tao amin’ny Valan-javaboaharin’i Masoala hoy hatrany ny mpandahatra dia nahalalàna fa an’arivony ny olona miaina ao anatin’izy io ka sady manapaka tsy nahazo alàlana ny hazo sarobidy samihafa toy ny voamboana, no mamono koa ireo ragidro efa mila ho lany tamingana. Voatondro ho tompon’antoka amin’ny fitohizan’ny zavatra toy izany ny fitiavam-bola tafahoatra, ny kolikoly ary ny politika.

Fiaraha-miasa amin'ireo mpikaroka

Nangataka ireo rehetra nihaino izy mba hanao asa mivaingana kokoa fa tsy hionona fotsiny amin’ny fanoratana mikasika ny olan’i Madagasikara satria raha tsy misy fanaraha-maso entitra  atao amin’ny ala dia tsy ho ela dia ho fongana ny hazo voamboana eto Madagasikara, ary isan’ny vahaolana narosony ny tokony handraisana fepetra hiarovana ny voamboana avy aty Madagasikara eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena mikasika ny zavatra arovana, ao anatin’ilay antsoina hoe fifanarahana CITES (Convention on International Trade in Endangered Species). Atao karazana lalàna toy ny efa fisian’ny lalàna mandràra ny fanondranana ny ragidro avy eto Madagasikara. Tsy mety ny hamela ireo Sinoa mpanambola hitsotsotra eny ambony fandriana misanda 1 tapitrisa dolara natao tamin’ny andramena (bois de rose, rosewood) avy amin’ny alantsika  mihapotika isan’andro ary ny Malagasy kely kosa mitrongy vao homana

Tsy saro-pantarina ny vahaolana hiadiana amin’ny fahasimban’ny ala sy ny fihazàna hakàna hena hohanina any ambanivohitr’i Madagasikara, saingy sarotra tanterahana kosa.

Voalohany, resena lahatra hampiato ny fihazàna ny olona. Mbola misy ny olona eto Madagasikara no tsy miompy biby toy ny akoho,na omby na koa mamboly ny zavatra ilainy, fa mioty sy mihaza fotsiny any anatin’ireny faritra arovana ireny. Ilaina ampianarina hiaina zavatra maharitra ireny olona ireny.

Fampianarana ny ankizy mba hiaro ny tontolo iainany

Faharoa, mila manamafy ezaka isika manabe ny ankizy sy ny olon-dehibe koa  amin’ny anjara toerana lehibe tànan’ny ala eto Madagasikara. Tsy misy ala midika tsy misy rano fisotro. Miankina amin’ny ala izany ny fiainana ka rehefa tsy misy ala, tsy misy aina.

Ny zaha-voary koa dia loharanon-karena goavana ho an’i Madagasikara araka ny fahitan’i RABARY Désiré satria hahazo vola amin’izany ireo mponina eny an-toerana izay handrisika azy ireo ihany koa hiaro ny ala sy hiady amin’ny fahantrana, antony iray mahatonga azy ireo hanimba ny ala.

Hampiroboroboina ny Zaha-voary (Ecotourisme)

Farany hoy izy dia ny fandrindrana ny fahaterahana any amin’ny manodidina ireny faritra arovana ireny. Nitombo avo roa heny ny vahoaka Malagasy teo anelanelan’ny 1975 sy 2000 ary mbola ho avo roa heny amin’ny ankehitriny amin’ny taona 2035. Nampitombo ny tsindry mahatonga ny fahasimban’ny ala izany. Tsy manana fahafahana mampiasa fitaovana na fepetra fandrindrana fahaterahana ireny olona ireny na te hametra ny isan-jaza ateraka aza. Fantany anefa fa azony atao ny manana fiainana tsaratsara kokoa raha mba azony noferana ny isan-jaza ka sady manatsara ny ho avin’ny taranany ry zareo no manasoasoa ny ala.

Nisaotra ny mpihaino sy ny  #TED moa ingahy RABARY Désiré nanome sehatra azon’ny ala tropikalin’i Madagasikara namoahana ny feony, dia ny ala izay aina sy fanahin’ny tanindrazantsika.

Hoy indrindra izy namàrana ny teniny: Misy fiteny izay eto Madagasikara manao hoe, «Hazo tokana tsy mba ala ». Un arbre n’est pas une forêt, One tree is not a forest, koa ndeha isika hifanome tànana.

Nandray ny loka International Environmental Prize Seacology Prize

#TEDxTana 2010: Fandraisana anjaran’i Jenny RAHARIVOLA

Jenny Raharivola

(Ny sombiny amin’ireo fanolorana sasany ao anatin’ity lahatsoratra ity dia isaorana manokana an’i Jenny ny nanomezany azy ho an’ny Gazety_Adaladala)

Teratany Malagasy teraka tamin’ny  1988 i  Jenny Raharivola, mpitendry gitara, mpanoratra ary mihira ny kantony ho an’ ny asa mitsinjo ny maha-olona. Talohan’ny naha mpiangaly mozika an’i Jenny dia mpitazona zoron’akanjon-dreniny tao an-dakoziany no nataony mba hampitoniany ny hetahetany momba ny fahaiza-mahandro sakafo.. « Chez Lili » no toeram-pisakafona notantanin’ny fianakaviany ary toerana iray isan’ny fankafizana nahandro Malagasy. Ao ambadik’io toetra tsy tia sehoseho io misy olon’ny fo miafina, misy talenta goavana efa notrandrahany hatry ny fony fahazazany vao 11 taona monja. Fony mbola kely tokoa dia efa toa voasoritra sahady ny lalan-kizorany, te-hihira izy ho an’ilay « Neny Natiora », resy lahatra izy fa hampiasa ny talentany ho an’ny asa fanaovantsoa sy ireo mitodika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ao anatin’ny fijerena mandrakariva izay azo ifampizarana amin’ny hafa no anovozany ny heriny eo amin’ny tontolon’ny kantony.  Ny zavatra iainany andavanandro lafiany amin’ny mozikany sy ireo fihetseham-po mangina na mitratrevatreva asetrin’ny natiora, ny olombelona na ny sary voatahirin’ny masony  no taharo manome ireny rehetra ireny. Ny nifanenany tamin’ny ONG Vakan’ala no varavarana voalohany nisokatra ho azy tamin’ny maha artista manana fironana azy. Jenny Raharivola no nandrindra sy mihira ilay hira hoe « VakOn’ala » , hira fanevan’ilay ONG miaro ny tontolo iainana ary miara-miasa amin’ireo artista  Malagasy sangany toa an’i  ; Fanja Andriamanantena sy Silo.

 

Jenny miomana hihira ny VakOn'ala

Zavatra tokana no hany katsahiko hoy izy : « hizaha sy hitrandraka tontolo hafa, lafivalo hafa amin’ny resaka kolontsaina sy zavakanto ka ny hany tokana manosika amin’izany dia ny hetaheta hianatra hahatakatra ireo izay tsy mitovy amiko ».

Seho an-tsehatra mandritry ny #TEDxTana 2010

Raha mitambatra ny hery dia inoana hoy izy fa ho teny iraisan’izao tontolo izao ho entina manavotra ny tontolo iainana ny mozika0 indrindra fa ny alantsika eto Madagasikara izay tena mampanahy tokoa. Ilaina araka izany hoy izy ny manentana sy mampianatra na ny ankizy sy ny lehibe ny amin’ny fiarovana ny ala

#TEDxTana Photos/Sary/Pictures – MDLC Anosy

Dia hanomboka tsy ho ela raha toy zalahy e! Fa mandra-piandry an’izay aloha dia hanandrana hampakatra sary vitsivitsy hahitanareo ny ambiansy izahay. Havaozy matetitetika ity pejy ity fa hifandimby hisy sary miditra eto an!

ry zalahy ao amin'ny Toughstuff

ireo fampahafantarana kely madinidinika

Na ny rano fisotro aza TEDx koa

Miondrika dia efa mahazo ny ilaina: herinaratra, connexion....

ry zalahy misahana ny fifandraisana anatiny sy ivelany

Lalah, iray amin'ireo mpitoraka bilaogy ofisialy amin'ity hetsika ity

andrydago koa isany an!

tahiana ihany koa e!

Mifanakalo hevitra sy traikefa ao anaty firahalahiana tanteraka amin'i Hery

Jenny sy ny talentany

Ireo mpanotrona ny #TEDxTana 2010

Iay adala lahy miady amin'ny fahantrana

Alehibeazo ny sary dia ho hitanao eo ny santionany amin'ireo mpandray anjara sy mpanomana ny hetsika

Ireo mpanomana sy mpandray anjara

ny anaran'ireo bilaogy ofisialy etsy ankavanan'ny pejy natokana ho an'ny MAKATY

Hiato kely aloha ny fampiakarana sary fahiditra amin’ny tenba resaka isika0 Jereo ny lahatsoratra mifandraika amin’izany