OLONDIA MIDELIRA (31 Okt 2014)

Tsy Burkinabé aho fa Bôbôlita

Aty Andavabato ( Kapingo) aho fa tsy ao Ouagadougou…Soa fa tsy Burkinabé aho fa Bôbôlita. Efa ela no fantatry ny olondia toa ahy fa ny korontana politika efa lasa fomban-drazana tsy hita izay naharatsy azy ary efa iainana an-davanandro io ho an’ireo manan-tsaina sy olon-kendry.

Ho dorantsika raha mbola misy azo dorana satria mety ho maro no mihevitra fa fanehoany hevitra ny fandorana izay kely ananany. Efa may ny lapan’ny tanàna, ny teny Andafiavaratra, ny tao Manjakamiadana, ny RNM sy ny TVM…Fa olona adala kosa izay te-ho Burkinabé handoro an’i Tsimbazaza e! Tsy maintsy hiverina aty Kapingo izany ny gidro?

Raha tianao dia aleo aho hijanona aty Andavabato ihany hiaraka amin-dry Lemizo . Amin’izay na tsy hisy ho tantaraina intsony aza aho amin’ireo taranako dia mba afaka hihirahira ihany! Averimberiko eo ny hoe: ”foza orana,ho’aho, biby mi-torina”.

Ony Rambelo

Dikamitovy nanomezan’ny tompony alàlana

Publicités

Ny anay no tena izy…

Efa ela no nidradradrana teto mikasika ireny dokam-barotra famitaham-bahoaka ireny. Efa ela no niantsoantsoana teto mikasika ny andraikitry ny ambaratonga tsirairay tandrify izany. Tanteraka tokoa va re ilay hoe  ‘Aleo tara toy izay tsy misy’ ?

Ny tiana hahatongavana dia ny resaka dokam-barotra nataonà vondron’orinasa iray sy fahitalavitra  tsy miankina iray mikasika ireny bracelet sy fitaovana lazaina fa manatsara ny fahasalamanao, mifehy ny tosidrànao sns… ireny.

Nanomboka omaly dia mba nandre ny tena, tao amin’ny fampielezampeom-pirenena RNM sy ny TVM fa hoe nampitandrina ny ministeran’ny fifandraisana, sy ny ministeran’ny fahasalamana, ny amin’ny tsy tokony hanaovana dokam-barotra amin’ny zavatra toy ireny, satria tsy voaporofo ara-tsiantifika, ary tsy nomen’ny ministera fahazoan-dàlana hamidy amin’ny mpanjifa. Fa taiza foana hatrizay?

Mahalasa saina ilay hoe efa aty aoriana be aty vao ‘mody’ manao fanambaràna. Efa miliara maro no nefain’ny olona nividianana azy ireny, sy azon’ny mpamitaka tamin’ireny, vao ‘mody’ misy fanambaràna sy fandraràna. Hany ka mahalasalasa saina ihany hoe tena tamin’ny fo sy saina nandinika lalina tokoa ve no nandrafetana azy iny, sy nitanisàna ireo andinin-dalàna mandràra ny fanaovana an’izany dokam-barotra izany? Soa mantsy hoe ‘efa ampy ny azo ka aleo amin’izay mba mi-sauver la face’. Miala tsiny raha masiaka fiteny, satria efa ELA dia ELA no nitenenana teto. Ary efa tsy nitsahatra ny nandefa hafatra mivantana ho an’ilay fahitalavitra rahateo koa tamin’izany fotoana. Ekeko fa asa ny azy manao dokam-barotra, fa rehefa mba notairina hoe ‘misy zavatra tsy manjary ao’, dia mba tokony ho nisaina kely ihany vao nanohy taty aoriana. Ny zava-nisy mantsy dia vao mainka aza nampiakarin-dry zareo plateua ilay vondron’orinasa, ary noraisiny toy ny fandraisana vahiny manan-kaja, mba hitondra fanazavàna sy fanasàna ny tavany mikasika ireo fanakianana sy fanenjehana nafafy teto sy tany an-kafa rehetra tany. Misy ny haitao azony (ary fampiasany isanandro) nampiasaina tsara hanaovana fikarohana ny amin’ny maha-mitombina na tsia ireny kiana marobe ireny, nefa na tsy nataony, na tsy norararahainy, fa dia ny nanohy niasa nanampy an’ilay vondron’orinasa hanapariaka ilay vokatra hatrany no nataony.

Manomboka eto izany dia mbola manentana anareo rehetra mpanjifa izay mahita ity hafatra ity: tandremo sy fantaro ihany ny zavatra vidiana. Mba manontania olona maromaro aloha vao miroboka, fa tsy hoe olona iray dia ampy, ary aza mora roboka amin’ny filaza hoe ‘NY ANAY IHANY NO TENA IZY….. fa sandoka ireny tsy misy mari-pamantarana ireny. Isan’ny fitaka be sy fandrebirebena atao anao mpanjifa irey. Moa va tsy toy ireo antokom-pinoana maniry toy ny anana eran’ny tanàna manao hoe ‘ATY AMINAY NO MISY JESOSY…! ‘

Fa izay farany tiako hotsindriana dia ity: nahasorena ahy mafy ny tsy fahasahian’ireo tomponandraikitra mitanisa mivantana ireo karazam-bokatra iantefan’ny fampitandremany, sy izay orinasa na haino aman-jery nanao izany, mba hisy hisaintsainan’ny hafa. Sa mbola mipetraka koa ny hoe ‘présomption d’innocence’, nefa efa fantatrareo izao fa hoe nandika lalàna, izany hoe meolka na dia tsy mbola namoahan’ny fitsaràna didy mikasika izany aza. Maninona no tsy tonga dia tsipihana ao anaty hafatra ny hoe ‘toy ny POWER BALANCE sns…?

Ity kifonofonon-dragasy ity no efa tsy nampandroso hatrizay. Mba miova e! Mba mivantambantàna toa anay, sa mbola hiforiporitra hiandry ny hoe ‘Izay mahasoa ataon’Andriamanitra? ‘  ….Dia ho vatolampy angerezan’ny vorona eo foana isika mianakavy raha izany no izy

#TEDxTana 2010: Fandraisana anjaran’i Jean Emilien

Mombamomba an’i Jean Emilien Rakotonandrasana (nalaza tamin’ilay hirany hoe  ‘Maintso malama’)

Teraka tamin’ny  03 septambra 1963 tao Ambalavao Tsienimparihy – Fianarantsoa ary taranaka mpiangaly zavakanto niara-nalevina tamin’ny jejy voatavony (ny raibeny). Nandritra ny fety an-tsekoly sy lanonam-pianakaviana nandraisany anjara no nahamarihan’ny olona azy voalohany sy nanohanana azy tamin’ny lafiny hira. Kabaosy (gitara nentindrazana Malagasy) no niantombohany teny am-piandrasana omby mandritry ny fotoam-pialantsasatra. RAMOMA Pauline no reniny. Indray andro dia nahatsikaritra mpitsoka farara iray izy, nanaraka ny hiran’ireo  mpianatry ny rainy, RAVOAVY Jean.

Fianarantsoa, toerana niaviany

Sarotra ihany ny niaingany ho mpiangaly zavakanto satria tsy dia nankasitraka izany loatra ny rainy, izay nahavita mihitsy namotika ny kabaosy fitendriny teo an-tampon-dohany. Lalan-jotra hafa mantsy no noeritreretin-drainy ho tokony nizorany. Avy amin’ny lafin-dreny dia mpilalao   » horija »  sy  « jejy voatavo »  ary raha ny lafin-dray kosa dia mpiangaly « lokanga » sy « kabaosy ».

Teo amin’ny faha-17 taonany, rehefa nihevitra ho mahavita tena dia nandao ny tokantranon-dray aman-dreny. Mpitendritendry teny amin’ny toby fiantsonanan’ny fiara mpitatitra mampitohy faritany ireny izy taorian’izay.

Mbola zaza vao 5 taona i Jean Emilien ny 14 oktobra 1968 raha niaka-tsehatra voalohany tao amin’ny Kaominin’i Talatan’Ampano.

Fony mbola mpianatra, nandritra ny andro tsy fianarana, dia miaraka amina namana vitsivitsy izy miangaly ny mozikany. Saingy niha-sarotra ho azy ny mamory namana ka teraka tao aminy ny eritreritra hamatotra ny farara eny an-tendany mba hahafahan’ny tànany mitendry kabaosy; io fomba io no nahafahany mihira ka sady nitsoka farara no nitendry kabaosy. Ary teraka teo koa ny anaram-petaka hoe « L ‘ homme orchestre ».

Fiakarana an-tsehatra nandritra ny #TEDxTana 2010 miaraka amin'ilay « kabôsy » amin'ny endriny maoderina namboarin'i Jacob Aci, ilay nanamboatra ny gitara fitendrin'i Sting sy ry Kassav. Natao fanomezana ho azy izy iny fa tsy taka-bidy raha eny anivon'ny tsena no hividy azy i Jean Emilien.

 

Ny 5 febroary 1982 no nanao fandraisam-peo voalohany tao amin’ny RNM (Radio Nasionaly Malagasy) i Jean Emilien ka hira 10 tamin’io fotoana io no noraketina. Misy amin’ireo sangan’asany no lasa hira famantarana fandaharana mandeha ao amin’io fandefasampeo io. Isan’ireny ny « Handeha hiala voly » sy ny  « Voromangan’i Gasikara »

Teo ny tahotra fony izy nentin’i Rossy niaka-tsehatra voalohany indrindra tao amin’ny KANTO Antanimena, nefa hoy izy tany an-tsainy tany hoe « Kabosy ity, azo atao amin’izay itiavako azy ». Nankafizin’ny mponin’Antananarivo avy hatrany anefa ny asa kantony ka nisy ny nanipy zavatra teny ambony lampihazo, izay noheveriny fa vokatry ny tsy hafalian’ny mpanotrona (satria nankimpiny ny masony mba hankaherezany tena nandritra ny hira nataony), saingy rehefa nahirany ny maso, dia akory ny hagagàny fa hay vola madinika ireo natsipin’ny olona ireo ho fankasitrahana azy.

Teny ambony sehatra nandritra ity #TEDxTana ity dia niantso ny rehetra i Jean Emilien mba hanampy azy hahatanteraka ny tetikasany ho fambolena hazo

Nandalo kely tamin’ny mozika tandrefana izy talohan’ny nilomanosany tao anatin’ny vako-pirenena, ny vako-drazana, ka ny rija no tena nifotorany na dia maro aza ireo gadon-kira malagasy (vakisaova, basesa, salegy, jejy, saranga). Ny tehaka (voasolon’ny kabaosy) sy  ny angorodao ary ny don-tany no tena fampiasa ankehitriny, raha nitsinjaka narahan-tehaka tsy nisy mozika no fanao fahiny.

Mandrotsirotsy ny mpankafy azy ny feo an’orona sy maranitra fanaony, ravahan’ny farara sy  ny kabaosy izay nampiany tadim-peo manokana mba hanakatra ny beso. Sady mahay mikabary ihany koa i Jean Emilien.

Niarahan'ny rehetra niredona ny "Maitso malama" sy ny " O Rila re e" teto amin'ny #TEDxTana 2010 androany

« Hey Madagascar » no rakikira voalohany nataony tany Parisy tamin’ny 1991 ary « Ezaka » tamin’ny 1995 no faharoa. Roa taona taorian’io dia nampitoviana tamin’i Robert Johnson, ilay rain’ny gadona « blues », izay fitaratr’i John Lee Hooker sy Eric Clapton izy rehefa nahazo ny Medaly Volamena nandritry ny fifaninanana mitsoka farara, « Hohner 91 », « Certificate of Honor for excellence in Diatonic tremolo by SPAH –IHO-HOHNER », taona 1991, Détroit, Etazonia. « Miandraza » tamin’ny 1998 no rakikira fahatelo.

cerificat of honnor

Efa imbetsaka izy no masoivohon’ny mozika Malagasy nanerana izao tontolo izao.

Gabon - Jona 2003

Indreto vitsivitsy amin’ireo hira malazany, izay azonao henoina sy alaina amin’ny aterineto:

  1. Miandraza
  2. Likenana
  3. Belina
  4. Fanoriha
  5. Rasoa
  6. Tsy aveloko
  7. Kapetsaka
  8. Mitodiha
  9. Teholy
  10. Aza meka

Taty aoriana vao nisy ny fitiliana ireo talenta vao misondrotra eto Madagasikara (TVM, RTA), fa raha ny tamin’ny andron’i Jean Emilien no jerena dia tsy nisy mihitsy izany, ary ny vahiny aza no nandray anjara betsaka tamin’ny fanondrotana ny mpanakanton’ity Nosy ity tamin’izany fotoana.

Mandray anjara amin’ny #TEDxTana i Jean Emilien Rakotonandrasna amin’ity andiany 2010 ity.

Fifandraisana aminy :

Tel : +261 32 04 022 20 / +261 34 18 725 84

e-mail : feonandringitra@yahoo.fr

7 Febroary 2009: Nivarotra aina…

Iza no nivarotra aina?

Fanontaniana mipetraka avy hatrany ao an-tsain’ny maro io raha vao mahita iry lohateny.

Ny 7 Febroary 2009 tokoa mantsy no Sabotsy mihoson-drà niakaran’izao fitondrana Tetezamita izao ho eo amin’ny fitantanana ny firenena.

Ny 7 Febroary 2009 izay andro nanendren’i Andry Rajoelina an’i Monja Roindefo Zafitsimivalo ho Praiminisitra avy eny amin’ny Kianjan’ny 13 mai, Analakely.

Ny 7 Febroary 2009, andro nitondrana ireo olona an’aliny hiakatra ho eny Ambohitsorohitra fa hoe hametraka an’i Monja Roindefo ho ao amin’io Lapa io, satria an’ny Fiadidiana ny Tananan’Antananarivo ny Lapa ka atolony hiasan’ny Praiminisitra vao avy notendrena.

Rehefa tonga teny Antaninarenina ireo vahoaka marobe, nanomboka ny fifampiraharahana tamin’ireo mpitandro filaminana. Nandamoka izany. Ary raha ny resaka nataon’ingahy Fano Rakotondrazaka (mpanao gazety L’Express de Madagascar – fanadihadian’ny TVM nalefa androany 7 Febroary 2010) dia niteny ireo mpitandro filaminana teo Antaninarenina (manoloana ny BOA) fa halefany hiditra any ny vahoaka rehefa manao amboletra, saingy dia efa mampiomana ry zareo fa hitifitra ny avy ao anaty Lapa. Andro nahatapahan’ny clavicule-n’ingahy Kelly (mpaka sarin’ny gazety Midi-Madagasikara) teny ampiahazakazahana handositra ny tifitra.

Nihatakataka ny mpanao gazety maro izay nandre izay fampitandremana izay, ka niandry izay hiseho no sisa natao.

Eto no hivaly ny fanontaniana mipetra ao an-tsainy maro hoe : ‘iza no nivarotra aina?’

Nivarotra aina ny mpanao gazety Malagasy sy ireo mpaka sary marobe mba hanomezana anareo mpamaky ny vaovao misy sy mitranga eny rehetra eny. Tsara ny ahalalan’ny rehetra fa tsy mba manana fiantohana toy ireo mpanao gazety vahiny tonga aty manao ny asany ny mpanao gazety Malagasy (ny azy ireny mantsy volabe tokoa no tambin’ny firotsahany an-tani’ady toy ireny), fa dia miasa noho ny fitiavana ilay asa fotsiny (na mety koa noho ny tsy fahafahana manoatra, fa tsy misy atao afa-tsy izay – miala tsiny fa toa masiaka ilay fiteniko azy)

Rehefa nirefotra ny poa-basy voalohany dia samy nitsoaka nanavotra aina sy nitady izay hialofana ny mpaka sary sy ny mpanao gazety (toy ireo olon-drehetra ihany). Betsaka ny niditra tao amin’ny Hotel Colbert tamin’izany. Ka avy ao anatiny tao no nitily sy nijery izay niseho tety ivelany ny ankamaroan’ireo mpanao gazety namana.

Fotoana fohy taorian’izay no nahatsinjovana tovolahy vitsivitsy  nilanja vatana mangatsiakan’ny tovolahy iray. Tovolahy izay tsy iza fa i Ando (mpaka sary avy ao amin’ny RTA). Raha nisy kely foana dia tapaka tarangana ny tendany. Maty amperin’asa izy, Maty ‘nivarotra ny ainy’ mba hahazo vaovao, ‘nivarotra ny ainy’ mba hiavaka amin’ny maro.

Teny filamatra miafina aminay tsirairay avy tokoa mantsy (na dia any am-po tsy miloaka aza) ny hoe ‘Tsy manaiky ho gisitra‘ raha vao misy zavatra miseho, ary ‘ny hanao sy hahazo ny tsaratsara kokoa noho ny hafa‘ amin’izay hatolotra ny mpanjifany tsirairay avy.

Maro ireo maty, be ny tsy hita, tamin’ireo olona tonga teny Antaninarenina. Ireny rehetra ireny dia samy ‘nivarotra aina’ avokoa, saingy samy nanana ny antony nivarotany ny ainy.

Niompana manokana tamin’ny asa fanaovana izay hanangonana vaovao ny lahatsoratra, satria indraindray dia takon’ny zava-mitranga foana ny fahasarotan’io asa fanangonana vaovao io. Rariny araka izany raha ho azy no tena anton-dresaka teto.

Tsetsatsetsa tsy aritra: Mampalahelo fa dia tonga hatrany amin’ny fitarihana ny fikambanan’ireo niharam-boina (AV7) tamin’iny andron’ny 7 Febroary 2009 iny ny ady seza (eo amin’Atoa Etienne sy Bona)

Ialàna tsiny ny tsy fisian’ny sary momba ny andro androany 7 Febroary 2010, noho ny antony manokana avy amin’ny mpanoratra

Hetsiky ny mpitondra fivavahana (tohiny)

Hita nanatrika ny fotoana teny Antsahamanitra androany ny mpanao politika toa an-dry Mamy Rakotoarivelo sy  Rabetsitonta.

Marobe ny olona tonga nanatrika ny fotoana, ary saiky ireo mpomba ny filoha teo aloha Ravalomanana no nameno ny kianjan’Antsahamanitra (tonga namaly ny antso natao azy ireo omaly).

Marobe toy izany koa ireo mpitondra fivavahana, izay tsy menatra intsony maneho imasom-bahoaka ny toerana raisiny ao anatin’izao disadisa misy eto amin’ny firenena izao. Nilaza ny tsy hijanona intsony amin’ny fanaovana fampitandremana izy ireo fa hirotsaka hanao asa mihitsy amin’io herinandro io. Tsy ekena hoy izy ireo ny fampiasana ny fitsarana amin’ny fomba mitanila.

Io hariva io dia nisy mpitandrina F.J.K.M nivahiny tao amin’ny TVM (tsy miombon-kevitra amin’ireo namany tetsy Antsahamanitra) niantso ny mpino F.J.K.M mba handinika tsara, ho tony sy tsy ho entin’ny fientanam-po fotsiny amin’izao antso rehetra atao izao, ka ho lasa fitaovana fotsiny ho entina hanohana foto-kevitra. Tsy natao hanohana olona, na antoko, na fikambanana, ary tsy tohanan’olona, na antoko politika, na fikambanana ihany koa araka ny teniny ny Fiangonana. Raha fintinina dia tsy tokony haneho fiandaniana fa tokony hitoetra mandrakariva ho eo afovoany sy ho mpampihavana ny fiangonana. Toa an’i Jesoa Kristy, hoy izy, izay tia an’ireo olona rehetra ireo na mpomba an’iza izy na mpomba an’iza.

Aviavy sy hentitra tokoa moa ireo mpitarika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tetsy Antsahamanitra androany hariva. Isan’ny tena mafana fo hita ao anatin’ity hetsika ity ny mpitandrina avy ao amin’ny F.J.K.M Ankadikely Ilafy

Tany am-pamaranana ny fotoana dia nentanina ny olona rehetra nanatrika teo mba hanoratra ny laharan’ny findainy amin’ny taratasy kely, adiresy mailaka raha misy, ary dia notatazana toy ny fanatitra (rakitra) izany avy eo. Ny antony dia ny hoe raha misy tokony hifanentanana sy hifampiantsoana maika (hifamoriana) noho ny mety ho fivoaran’ny raharaha, dia andefasana SMS maika be ny tsirairay, ka tokony ho vonona amin’ny fotoana rehetra (na any ampandriana aza) mba hamaly sy hiainga avy hatrany hamaly ny antso atao.

Hafa kely indray iny tetikady iny an! Fa tanan’iza no handefa ny SMS an’arivony ho an’ireo avy etsy amin’ny MAGRO amin’izay fotoana izay? Satria izy ireo no betsaka tonga namaly ilay antso?

Indray andro, hono, tao amin’ny Moov….

Vaovao hitako tao amin’ny tranonkalan’ny Moov ity, ary somary nahalasa saina ahy ihany ny namaky azy. Asa izay hevitrao fa, amiko, dia efa nahitàna olana ny fidiran’ny mpitondra fivavahana amin’ny pataloha tery toy itony, nefa dia mbola mitranga indray izy izao. Sady izay indray anaty fotoana fitoriana no anaovana fanambarana politika. Sao dia diso kianja e! Raha nanao fampiantsoana mpanao gazety mantsy ry zareo dia mety ho azoazo ihany ny nieritreritra azy ho toy ny olom-pirenena rehetra afaka maneho hevitra. Fa ilay izy natao teo anoloan’ny mpino tonga nanatrika ny fotoana no mahasadaikatra.

Vakio anie ny fomba nitaterana azy tao amin’ny Moov e!

Raharaham-pirenena: Mpitondra fivavahana nampiaka-peo sy handray andraikitra raha toa…

(29-12-2009) – Miha miakatra ny maripana politika. Efa hatramin’ny mpitondra fivavahana avy no mihetsika ary nanambara fa: “lava reny ny krizy izay hita ho iniana ampitarazohana”.

Mpitondra fivavahana avy amin’ny fiangonana maro no nitsangana sy nampiaka-peo manoloana ny toe-draharaha politika ankehitriny. “Hetsiky ny mpitondra fivavahana” no nataon’izy ireo omaly teny Antsahamanitra ary avy hatrany dia fitakiana sy famakiana bantsilana ny zava-misy eto amin’ny firenena no nataon’izy ireo. “Mijaly ny vahoaka. Asa maro no efa votsotra ka olona maro no tsy an’asa sy ho very asa. Iainana ny tahotra sy tebiteby nefa misy ireo hita fa mitombo harena vetivety. Manjaka ny tsy fahamarinana, ny fampihorohoroana ny vahoaka, ny fisamborana olona tsy mitovy hevitra, ny fampidirana am-ponja”, hoy ny fanambarana. Dia hentitra ry zareo nilaza fa: “raha mbola ikirizana tohizana ny fomba ratsy ary iniana tsy karohina ny vahaolana dia vonona handray andraikitra ary hijoro hatramin’ny farany ny mpitondra fivavahana. Ny fitondrana miorina amin’ny herisetra dia miafara amin’ny herisetra”, hoy izy ireo.

Mbola miantso ireo mpanao politika mba hiverina hidinika anefa ireto mpitondra fivavahana ireto fa: “tsy hitondra ny vahoaka any amin’ny lojikan’ny ady an-trano ary ny fifampidinihana no lalana hivoahana amin’ny krizy”.
Takian’izy ireo tsy misy fepetra koa ny hamelana ny Radio Fahazavana handefa vaovao sy ny hamerenana ny “Ampenjiky”. Takiany koa ny hampiasana ny TVM sy RNM ho an’ny rehetra sy handefa vaovao tsy mitanila.
Tehaka mirefodrefotra no nandraisan’ireo kristianina tonga teny izany rehetra izany. Tsy nisy nahalala kosa anefa fa hisy fanambarana pôlitika tahaka ireny tamin’io fotoam-pivavahana io.

Ny Tahiry R.

Madagasikara/Maputo: tafaverina ireo firehana telo

Taorian’ny valan-dresaka nifanaovan’ny mpanao gazety sy ny filohan’ny tetezamita teny Iavoloha ny Alarobia alina teo, dia nahazo alalana hody ireo firehana (mouvances) telo tavela tatsy Afrika Atsimo, taorian’ny fihaonana nataon’izy ireo tatsy Maputo, Mozambika.

Ny solombavambahoaka TIM RATSIMBAZAFY Heritafika no nisantatra ny fahafahana mody an-tanindrazana. Mba hahafahany mandevina an-janany vavy. Notsenain’ireo mpomba ny firehana telo moa izy tamin’ny fahatongavany teny Ivato.

Nilaza ireo solontenan’ny firehana nijanona teto Madagasikara fa tsy hasiana resaka be ny fitsenàna ireo hiverina an-tanindrazana, mba ho fitsinjovana ny filaminana mandritra izao fety izao. Voamarika ihany na izany aza fa rakotra olona ny Toby fiantsonan’ny fiaramanidina eny Ivato, ary ahitana mpitandro filaminana maro ihany koa eny rehetra eny. Isan’ny hita eny an-toerana ny Commandant ROGER LUC.

Ny arofenitra avy etsy Mahazoarivo dia hita eny koa (hitsena an’ingahy MANGALAZA!), toy izay koa ny arofenitra avy eny amin’ny Kongresy (hitsena an’ingahy Mamy RAKOTOARIVELO), ankoatra izany dia ireo mpomba sy mpikambana maro avy amin’ireo firehana telo ireo.

Tonton AMBROISE kosa anefa etsy andanin’izay dia manao fanamby (défi) amin’ingahy Andry RAJOELINA mba hanao fifanatrehana mivantana ao amin’ny TVM sy ny RNM amin’io herinandro mitsidika io. Tsy ekeny, hono, ny hoe hasiana ‘trève politique’ izany, tsy ekeny ny hisian’ny fifidianana, raha toa ny vahoaka mbola mijaly sy noana. Fanambaràna nataony io androany raha niresaka tamin’ny mpanao gazety izy. Nolazainy moa fa tsy noho ny fetin’i Jesosy no tokony hisian’ny fitoniana, satria izany fetin’i Jesosy izany efa misy foana isan-taona, araka ny teniny. Koa asa na fotoanan’izany fifanatrehana izany tokoa izao, na mba mendrika ny hiaina fety milamina sy handray taona vaovao ao anaty fahatoniana aloha ny vahoaka. Ny mahafaly ahy hatreto dia ity: sarotra ampiadiana ny Malaagasy. Tsara raha mitohy…

Niantsona eny Ivato izao amin’ny 3 ora tolakandro izao izany ireo olon’ny firehana tavela tatsy Afrika Atsimo. Ny minisitra Afrika Tatsimo misahana ny raharaha ivelany moa no nikarakara sy nanao izay hahatontosa ny fampodiana azy ireo, raha ny resaka nampitaina.

Fanampim-baovao: tsy tafiditra tao amin’ny salon d’honneur fa tao amin’ny fidiran’ny zotra iraisam-pirenena ireo delegasiona nahitana an’i  ZAFY Albert, Ange RANDRIANARISOA, RAKOTO ANDRIANIRINA Fetison

Tsy nisy ny fanambarana niarahana fa rehefa tonga dia samy nandeha namonjy ny fiarakodia niandry azy tsirairay avy.

Andrasana moa izany izay mety ho fanambarana iraisana hataon’izy ireo rehefa tonga aty afovoan-tanàna.

Nitondra sora-baventy fiarahabana azy ireo tonga soa ireo olona maro nitsena sy niandry fanambarana avy amin’izy ireo.