#Apps4Africa #Madagascar

Ny Apps4Africa dia fifaninanana mamorona ireny karazana rindrambaiko fametraka amin’ny finday ireny. Natao ho an’ireo firenena aty Afrika izy io, ary tamin’ity taona ity dia tafiditra ao anatin’ny firenena nofidiana hiditra amin’ny andiany faha-7 i Madagasikara. Marième Jamme no nanazava tamin’ireo mpanatrika ny zavatra rehetra andrasana amin’ny mpirotsaka sy ireo mpanatrika tonga maro tao Tsimbazaza CIDST / Malagasy i-Hub. Anisan’ny mpiara-miombona antoka ao anatiny ny TED sy Indigo Trust. Ary raha ny fikarakaràna ny hetsika eto Madagasikara dia isan’ny nanohana tamin’ny fampitaovana ny Ambasady Amerikana.

Raha vao miresaka TED isika dia tsara ny manamarika fa Harinjaka Ratozamanana dia sady tompon’ny licence TEDx eto Madagasikara no mpikambana mpiara-manorina ihany koa ny Malagasy i-Hub.

Ny Fiovan’ny Toetrandro no ifantohana amin’ity andiany ity. Tonga maro ireo avy amin’ny sehatra maro samihafa: Antenimieram-pirenena, Conservation Internationale, WWF, Club Vintsy, Mpianatra momba ny fambolena avy any amin’ny ambaratonga ambony, mpikirakira teknolojia, ireo liam-baovao, ny mpandraharaha isan-karazany sy ny maro hafa tsy voatanisa. Saingy ny tena nahavariana sy nahalasa ny saina dia ity. TSY NISY SOLOTENA NY FITONDRAM-PANJAKANA, eny fa na dia hoe farafaharatsiny ny ministera voakasika aza, mba hanatrika ity sehatrasa ity.

Misokatra hatramin’ny faran’ity volana ity ny fandraisana ireo tetikasa vonona hifaninana.

Ny tsy nahitàna solotenan’ny fitondrana teny amin’ity hetsika nokarakarain’ny Malagasy i-hub ity dia toa milaza fa tsy ny sehatry ny fampianarana izay efa nasiana resaka teto ihany no tsy iasàn’ny mpitondra saina, fa tafiditra koa ny fiarovana ny resaka tontolo, sy ny fiovaovan’ny toetrandro.

Fa hiverina amin’ny Apps4Africa isika. Raha fanentanana sy fifanakalozan-dresaka tamin’ny fomba malalaka sy fifandresen-dahatra no nisy ny maraina, dia nizara ho andiany roa kosa ny mpanatrika tamin’ny tolakandro. Tao anatin’ireo andiany ireo dia samy nametrahana manampahaizana amin’ny fanoratana rindrambaiko, ary ny ambiny dia manampahaizana amin’ny sehatra misy azy avy. Ny tanjona tamin’ny fametrahana ireto andiany ireto dia ny hanaovana fifanakalozan-dresaka sy hamoahana foto-kevitra iray azo havadika ho vokatra fanjifa amin’ny alalan’ny finday, ka ho azon’ny rehetra ampiasaina mba hiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro. Ary dia nisy tokoa moa ny vinavina 2 tafavoaka nandritra izany. Nafàna tokoa ny fifanakalozana, ka tao ny naneho ahiahy ny amin’ny tsy mbola maha-ara-potoana ny zavatra toy itony ho an’ny Malagasy, izay ny tsy mbola maika afa-tsy izay ho ao am-biliany, noho ny fhasahiranana’ny isan-tokantrano.

Ny dingana arahana rehefa manana tetikasa azo iatrehana ny fiovan’ny toetandro ianao, nefa tsy manana fahaizana hamadika izany ho rindrambaiko azo ampiasaina ho an’ny rehetra anby anaty finday, dia ny mitady olona hanampy anao amin’ny fanatanterahana izany. Izay no tanjona tamin’ity androany ity.

Mbola hitohy ny hetsika rahampitso, saingy tsy eny Tsimbazaza (CIDST) intsony, fa ho eny amin’ny Ivontorean’ny Gazety Malagasy (Centre de Presse Malagasy) – WWF Antsakaviro indray. Manomboka amin’ny 10 ora.

Indro omena eto ambany ny rohy ahafahanao mamantatra bebe kokoa momba ity Apps4Africa ity. Alohan’ny hisoratanao anarana hifaninana dia tsara ny mahafantatra fa tsy mety ovàna intsony izay efa naelfa, koa vakio tsara alohan’ny hanoratanao ny tenanao, na ny tarikao hirotsaha hifaninana ao. Ny loka ho an’ny voalohany dia 15.000 dolara Amerikana, Ary ny irariana dia mba ho Malagasy izay voalohany izay.

http://apps4africa.org/fr/enter.php

Publicités

TEDx Antananarivo – CCI Ivato: mandeha ny andro

Mandeha tokoa ny andro fa dia efa ho tapitra ity ny volana Aprily, ary ora sisa no isaina dia volana May indray isika. Volana May ifamotonan-tsika koa amin’ny hetsika TEDx Antananarivo 2011 miaraka amin’ny Orange sy ny Fondation Akbaraly eny amin’ny CCI Ivato amin’ny 14 May manomboka amin’ny 9 ora maraina. Hiresahana manokana momba ny homamiadana eo amin’ny vehivavy aty Afrika.

Tsy ho monamonaina ny mpanatrika satria ankoatry ny famelabelarana dia hisy ny fandraisan’anjaran’ny mpanakanto samihafa mandritra io hetsika io.

Efa mandeha anaty fampahalalam-baovao maro samihafa ny fampahafantarana ny hetsika, ka isan’ny nanao izany ny gazety L’Express de Madagascar hitako androany

Toy ity ny sary fanentanana ao anatin’ilay gazety

Tsiky toy izao no handray anao eny amin'ny CCI Ivato ny 14 May ho avy izao, Sary an'ny L'Express de Madagascar

TEDx Antananarivo / CCI Ivato 14 Mai 2011

Tapa-bolana mahery andro vitsy monja sisa dia higadona ny 14 Mai 2011. Andro nofinidin’ny TEDx Antananarivo hampanakoako ho ren-tany ho ren-danitra ny feo mitondra ireo hevitra afaka hampandroso ny mpiara-belona. Hevitra tsy avy aiza fa avy teny anivon’ny fiaraha-monina ihany, saingy tsy dia re loatra ve, sa nodiana tsy norenesina? Raha izany, fotoana iray io hilazàna amin’ny olona rehetra fa any ho any misy olona mikatsaka ny hahasoa ny hafa, any ho any misy olona manana hevitra azo zaraina hampivoarana ny tontolo, any ho any misy manam-piniavana hijery ny hafa fa tsy ny tenany ihany. Ary indrindra indrindra, fotoana io hitondràna ho an’ny maro ny lohahevitra amin’ity andiany ity manao hoe « Des idées pour endiguer le cancer chez la femme en Afrique ».

Ankoatry ny zavatra hafa azo ifampizarana araka izany, dia horesahana mandritra io fotoana io ny hevitra azo aroso hisorohana ny homamiadana mahazo ny vehivavy aty Afrika.

Homamiadana, antony fahatelo mahafaty ny olona aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ary hamono olona 84 tapitrisa manerantany ato anatin’ny folo taona ho avy raha tsy misy ny ezaka hamongorana azy.

Homamiadana, aretina faharoa mamono ny olona any amin’ny tany mandroso ihany koa.

Homamiadana, tsy afaka miala amin’izany i Madagasikara. Hita eto ny karazana homamiadana samihafa, toy ny mahazo ny rà, ny nonom-behivavy sy ny maro hafa.

Misy toerana manokana omena antsika mpitoraka bilaogy amin’io andro io, izay isaorana manokana ny mpikarakara, koa entanina ianao mpitoraka bilaogy io, na raha misy fantatrao fa mpitoraka bilaogy tokony ho afaka manely ny feo mandritra io andro io, mivantana avy eny amin’ny CCI Ivato, dia ampitapitao ity hafatra ity. Homena fahafahana miditra maimaim-poana ianao amin’izany. Saingy kosa mila misoratra anarana. Raha manana solosaina finday moa ianao ho entina eny hanelezana ny zava-mitranga, dia vao mainka tsara, satria hisy WIFI matanjaka be hapetraky ny orinasa ORANGE Madagascar, miara-miasa amin’ny Fondation Akbaraly sy ny TEDx Antananarivo. Mandefasa hafatra momba anao sy ny bilaoginao ao amin’ny kaonty twitter @TEDxTNR manambara ny faharisihanao hiara-hiasa.

Ny CCI Ivato toerana handraisana ny TEDx Antananarivo 2011

Koa manentana anao tsy hanadino ny andron’ny 14 Mai 2011, fa ny TEDx Antananarivo dia miezaka hatrany manokatra valan-dresaka mora takatry ny rehetra, ho ahy, ho anao, ho an’ny tsirairay.

Ireo tenifototra azo anarahana ny TEDx Antananarivo : ao amin’ny Twitter @TEDxTNR , ao amin’ny Facebook  TEDx Antananarivo

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Beinvenu RAJAONSON – Banky Iraisampirenena

Iza moa i Bienvenu Rajaonson ?

Mpandray anjara fitenenana amin’ny #TEDxTana 2010 izy, izay atao eto amin’ny MDLC Anosy, Antananarivo, Madagasicara

Tomponandraikitra misahana ny resaka tontolo iainana ao amin’ny iraka maharitry ny Banky iraisampirenena eto Madagasikara.

Efa tomponandraikitry ny fandaharanasam-pirenena momba ny fambolena hazo
Tale mpanatanteraky ny Conservation International
Mpiandraikitra tetikasa ao amin’ny Banky Iraisampirenena

lohatenin’ny fandraisam-pitenenana

Énergie et genre

Énergie, environnement et changement climatique

Énergies renouvelables

Biocarburants

Mécanisme de financement

Sehatra irotsahana:

Biocarburants

Gestion des ressources ligneuses

Inona no nandrisika azy hiditra ho mpikambana amin’ny Riaed :
hizara ireo traikefa sy andrana natao teto Madagasikara

Niresaka momba ny famokarana sy ny fanodinana ny vokatra azo avy amin’ny fary mba hatao angovo fampiasa ao an-tokantrano izy nandritry ny #TEDxTana 2010.

Haka bahana kely ny mpanoratra dia ho hatavezina eto ihany ity resaka ity saingy efa azo atao ny mamaky azy amin’ny teny anglisy ato presentation TEDX final , Resaka alikaola io nefa aza manahy anefa ianareo mpisotro fa tsy hahalany ny toaka gasy tsy akory ny fampiasàna azy ho solika fandrehitra an-dakozia.

Fifandraisana:

BP 4140, Banque mondiale 101 Antananarivo, Madagascar
mailaka: brajaonson@worldbank.org

Spécialiste principal environnement à la mission résidente de la Banque mondiale à Madagascar.

P.O.BOX 4140, Banque mondiale 101 Antananarivo, Madagascar
Courriel : brajaonson@worldbank.org

Compétences, parcours professionnel…

Responsable du programme national de reboisement
Directeur Exécutif Conservation International
Chargé de Projets Banque Mondiale

Thèmes d’intervention

  • Énergie et genre
  • Énergie, environnement et changement climatique
  • Énergies renouvelables
  • Biocarburants
  • Mécanisme de financement

Secteurs d’intervention :

  • Biocarburants
  • Gestion des ressources ligneuses

Motivation pour devenir membre du Riaed :
Partager les expériences conduites à Madagascar

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Mandrantoso Ndrianiaina – JOJOPIL Innovations

jojopil! Innovations.

Mandrantosoa Ndrianiana, mpamorona ny JOJOPIL, orinasa manao tolotra mifandraika amin’ny resaka ingenierie informatique

jojopil! Innovations dia nitsangana tamin’ny Desambra 2007 ary manome vahana manokana ny orinasa Malagasy te ho hita bebe kokoa eo anivon’ny aterineto, amin’ny maha-orinasa Malagasy azy rahateo. Inona avy ohatra no applications fantatsika ka ampiasaina betsaka eto amin’ny aterineto: ireto no be mpahalala indrindra. facebook, webmail, forum, google apps, sns…

Ny tetikasa voalohany voajorony dia ny  tananalife, izay ampiasainy koa ho toy ny fitsapàna maripàna. Niainga avy amin’io no nahatsapàny fa vitany tsara ny hamaly ny hetahetan’ireo tonga manatona azy.

Orinasa voalohany eto Madagasikara mampiasa ny  Ruby on Rails, izay fitaovana entiny manafaingana ny asany ny Jojopil Innovations, miaraka amin’ny fanomezana tolotra manara-penitra sy avo kalitao ao ampandraisanao ny vokatra.

Afaka manao ny atao hoe etudes sy ny asan’ireny antsoina hoe consultants ireny koa ny jojopil! Innovations. ho an’ireo orinasa te hanatsara ny vokatra arosony!

Mandray anjara amin’ny #TEDxTana 2010 ety amin’ny MDLC Anosy, Antananarivo – Madagasikara  ny Jojopil Innovations. Ary izy mihitsy aza no nanakinana ny fananganana sy ny fampandehanana ny tranonkalan’ny #TEDxTana 2010.

Famelabelarana nentiny kosa ny mikasika ny mbola azo ampiasana ireny solosaina antitra ireny ho azo ampiasaina ho toy ny vao indray, amin’ny alalan’ny fandrohizana azy rehetra ireny amin’ny fampiasana ny LINUX. Ny Linux izay voalaza nandritra ny fanolorana fa tsy laitran’ny balan’ny ‘virus informatika’. Fohy nefa nazava ary tsy nilana fampiasana saina henjana ny fanazavana nentina

Mandrantosoa de Jojopil, ilay bandy cool

Fifandraisana
jojopil! Innovations.
TR41 Ampahimanga
Ambohimanambola
Antananarivo Avaradrano, Analamanga 103
Madagascar
mailaka:tosoa@jojopil.com
tranonkala: http://jojopil.com

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Anja Besson – Designer

Iza moa i Anja Besson Rasolondraibe

Anja Besson seriny aminìny fanazavana

Isan’ny mpandray anjara fitenenana mandritra ny #TEDxTana 2010 Anja Besson Rasolondraibe

 

Metisy franco-Malagasy. 28 taona amin’ity 2010 ity, graphiste free-lance miasa miaraka amin’ireo  fikambanana ara-kolotsaina samihafa rehefa avy nianatra  momba ny zavakanto, ary nahazo diplaoma avy amin’ny  NABA School of art ao Milan, Italie.
Ny rainy no nampianatra azy ny resaka hosodoko. Mbetika styliste, graphiste, scénographe de boutique amin’reny toeram-pivarotana ireny …Araka izany dia tsy hoe nandeha ho azy sy nisosa milamina akory ny làlana nodiaviny: nitady sy nanangona traikefa teny rehetra teny… Loharanom-pahalalàna daholo ny zavatra rehetra.

Adino teto ny hoe D..toy ny Dizina...

Japoney no nanao an'io saingy nanamarika azy manokana

Asa kanto mifototra amin’ny olona sy ny tsirairay ary ny zavatra tsapa rehefa mihaona amin’izy ireny no ataony ka betsaka ny fomba ampiasainy hanehoana ny mampiavaka ny tsirairay amin’izany. Collage, taratasy, baoritra, loko menaka, encre de chine, loko atsifotra (bombe) … miezaka ny tsy hilatsaka any amin’ny graffiti mitratrevatreva anefa.

Hafatra ampitainy:

Mifamatotra akaiky ny graphisme sy ny sary. Ny graphiste tsy hoe olona iray miangaly solosaina fotsiny mba hanome endrika pejy iray, afaka ny ho mpanao hosodoko, na sary sikotra koa izy…Aleo mihetsika toy izay mitantara. Tena ilaina ny manomboka amin’ny fanaovana sary aloha, vao miasa mivantana amin’ny solosaina.

Rehefa hisafidy ny haingo dia  ny graphiste no tsy maintsy manome soso-kevitra mikasika ny sary natao tanana, na saripika, na typographie. Izany no ilazana fa ilana asa be sy fahamatorana ary saina mahataka-davitra ny graphisme. Ny fitiavana mikarokaroka izany no tena mibaiko…Antony iray safidiny hanao ity asa ity izany…Ary amin’ny asa toy izao, tsy misy zavatra efa tonga dia azo antoka…mila mitozo amin’ilay asa ary manao fanandramana, hoy hatrany izy.

Fanovana natao ho an'ny Café de la Gare

Hafatra voalohany indrindra raha te-hanao ity asa ity dia ny fanarahana fiofanana momba ny resaka graphisme amin’ny fomba tranainy, vao miditra amin’ny solosaina … graphisme fa tsy PAO. Io dia ampiarahana amion’ny fahalalana ankapobeny, ara-javakanto sy ny lalàna mifehy.
Tena zava-dehibe ny fahaizana mampiasa ny mason’ny tena mba hanakàrana ny teknika nampiasain’ireo graphiste hafa satria indraindray tena manahirana tokoa ny mpanjifa. Ho namanao mahatoky amin’ny fanatanterahana ny asa ireny rehetra ireny.

Seza tonta norakofana bemiray, ary mbola azo namidy lafo tsara mihitsy avy eo

Hafatra faharoa: mila manana faharetana, indrindra manoloana ireo mpanjifa sarontsarotiny izay efa manana ny noheveriny any anaty lohany any …

Mandany ron-doha, mandany fotoana, ary manimba vao manorina...

Tsy maintsy mahay mandresy lahatra, manana risi-po hanazava amin’izy ireny fa hoe ny graphiste dia afaka manolotra hevitra hafa ary indrindra tsy tokony hanaiky resy amin’ny lafiny karama.

Ato daholo no miainga izany rehetra izany

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i RABARY Désiré

RABARY Désiré miteny eo anoloanireo mpanatrika ny #TEDxTana

Hoy i Mahatma Gandi manao hoe: « Ianao no tokony ho fiovana voalohany izay tadiavinao hisy eo amin’izao tontolo izao ». Isan’ny teny nampahatsiahivin’i Rabary Désiré nandritra ny famelabelarany io ary hery nanosika azy tamin’izay nataony.

Nilaza i Rabary Desire fa mampalahelo azy ny mahita ilay ala kely mahafinaritra  teo akaikin’ny fonenany mihena an-toerana isan’andro ary nandritry ny taona maro dia naniry ny hanana  fotoana mba holaniana amin’io ala kely  akaikin’ny fonenany io izy, ary izay no nanosika azy hanomboka ny valan-javaboahary tao Antanetiambo. (faritra Andapa)

Sary nindramina tamin'ny fanolorana nataon'i RABARY, ahitana ny toerana misy an'Antanetiambo

Novidiany taty aoriana ny tany nisy azy io mba hahafahany mitahiry ireo ragidro mpiaina anaty volotara ao anat’ilay faritra, mba hojeren’ny taranany any  aoriana. Vola noho ny herim-pony fony izy nanao mpitari-dalana mpizahatany tao amin’ny valan-javaboaharin’i Marojejy no nahazoany azy.

Marojejy sy ny hakantony

Noho ny fanohanan’ireo mpikaroka maro sy ny WWF dia tafiditra ao anatin’ny faritra arovana ankehitriny i Antanetiambo, ary misokatra ho an’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana

Sary nindramina tamin'ny fanolorana nataon'i RABARY, Antanetiambo tazanin-davitra

Tany aloha tany hoy hatrany Rabary Désiré dia nampitandrina ahy foana ny olona fa saropady ny filazana ny marina, nefa kosa tsy maintsy mitraka sy mijoro hatrany hanohitra ny kolikoly tsy mitsahatra sy ny fanakorontanana ny toeram-ponenana any anatin’ireny valan-javaboahary sarobidy ireny ny tena.

Ny faharavan'ny tontolo anaty ala ao an-toerana

Ny tatitra nataon’ny Missouri Botanical Garden izay nandalo tsy ela akory tao amin’ny Valan-javaboaharin’i Masoala hoy hatrany ny mpandahatra dia nahalalàna fa an’arivony ny olona miaina ao anatin’izy io ka sady manapaka tsy nahazo alàlana ny hazo sarobidy samihafa toy ny voamboana, no mamono koa ireo ragidro efa mila ho lany tamingana. Voatondro ho tompon’antoka amin’ny fitohizan’ny zavatra toy izany ny fitiavam-bola tafahoatra, ny kolikoly ary ny politika.

Fiaraha-miasa amin'ireo mpikaroka

Nangataka ireo rehetra nihaino izy mba hanao asa mivaingana kokoa fa tsy hionona fotsiny amin’ny fanoratana mikasika ny olan’i Madagasikara satria raha tsy misy fanaraha-maso entitra  atao amin’ny ala dia tsy ho ela dia ho fongana ny hazo voamboana eto Madagasikara, ary isan’ny vahaolana narosony ny tokony handraisana fepetra hiarovana ny voamboana avy aty Madagasikara eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena mikasika ny zavatra arovana, ao anatin’ilay antsoina hoe fifanarahana CITES (Convention on International Trade in Endangered Species). Atao karazana lalàna toy ny efa fisian’ny lalàna mandràra ny fanondranana ny ragidro avy eto Madagasikara. Tsy mety ny hamela ireo Sinoa mpanambola hitsotsotra eny ambony fandriana misanda 1 tapitrisa dolara natao tamin’ny andramena (bois de rose, rosewood) avy amin’ny alantsika  mihapotika isan’andro ary ny Malagasy kely kosa mitrongy vao homana

Tsy saro-pantarina ny vahaolana hiadiana amin’ny fahasimban’ny ala sy ny fihazàna hakàna hena hohanina any ambanivohitr’i Madagasikara, saingy sarotra tanterahana kosa.

Voalohany, resena lahatra hampiato ny fihazàna ny olona. Mbola misy ny olona eto Madagasikara no tsy miompy biby toy ny akoho,na omby na koa mamboly ny zavatra ilainy, fa mioty sy mihaza fotsiny any anatin’ireny faritra arovana ireny. Ilaina ampianarina hiaina zavatra maharitra ireny olona ireny.

Fampianarana ny ankizy mba hiaro ny tontolo iainany

Faharoa, mila manamafy ezaka isika manabe ny ankizy sy ny olon-dehibe koa  amin’ny anjara toerana lehibe tànan’ny ala eto Madagasikara. Tsy misy ala midika tsy misy rano fisotro. Miankina amin’ny ala izany ny fiainana ka rehefa tsy misy ala, tsy misy aina.

Ny zaha-voary koa dia loharanon-karena goavana ho an’i Madagasikara araka ny fahitan’i RABARY Désiré satria hahazo vola amin’izany ireo mponina eny an-toerana izay handrisika azy ireo ihany koa hiaro ny ala sy hiady amin’ny fahantrana, antony iray mahatonga azy ireo hanimba ny ala.

Hampiroboroboina ny Zaha-voary (Ecotourisme)

Farany hoy izy dia ny fandrindrana ny fahaterahana any amin’ny manodidina ireny faritra arovana ireny. Nitombo avo roa heny ny vahoaka Malagasy teo anelanelan’ny 1975 sy 2000 ary mbola ho avo roa heny amin’ny ankehitriny amin’ny taona 2035. Nampitombo ny tsindry mahatonga ny fahasimban’ny ala izany. Tsy manana fahafahana mampiasa fitaovana na fepetra fandrindrana fahaterahana ireny olona ireny na te hametra ny isan-jaza ateraka aza. Fantany anefa fa azony atao ny manana fiainana tsaratsara kokoa raha mba azony noferana ny isan-jaza ka sady manatsara ny ho avin’ny taranany ry zareo no manasoasoa ny ala.

Nisaotra ny mpihaino sy ny  #TED moa ingahy RABARY Désiré nanome sehatra azon’ny ala tropikalin’i Madagasikara namoahana ny feony, dia ny ala izay aina sy fanahin’ny tanindrazantsika.

Hoy indrindra izy namàrana ny teniny: Misy fiteny izay eto Madagasikara manao hoe, «Hazo tokana tsy mba ala ». Un arbre n’est pas une forêt, One tree is not a forest, koa ndeha isika hifanome tànana.

Nandray ny loka International Environmental Prize Seacology Prize