MITAFY LAMBA TONTA

Firifiry tokoa moa izay, nany marina kokoa, efa impiry no nitenenan’ireo tompon’ny fahefana teto Madagasikara fa « Manomboka izao dia hatao itsy, hampiharina iroa, tsy andeferana ny tahàka an’izatsy… » Na resaka fifamoivoizana io, na fandriampahalemana, – ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy e –  Fa dia andro vitsy, raha misy, no nisy ny fanatanterahana, dia very an-javony tany daholo ireny tsianjery maimbo famerin’ny mpifehy ireny. Saino anie ireto nosoratan’ny  OLONDIA MIDELIRA ireto e:

 

Mila ovàna ny politika sy ny fanaovana politika eto Madagasikara! Fanovàna tena izy, ary mikaroka ny tena fandrosoana marina ny isam-batan’olona. Politika miantehitra amin’ireo harena nananatsika hatrizay, ary politika tsy miankin-doha. Miaro hatrany ny hasina sy ny hambo tena Malagasy. Politika misokatra ihany koa amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany ho mpanaja ny fitoviana sy ny fahafanan’ny tsirairay.

Ireo indray izao no hevitra abosesika ao an-dohan’ny Gasy ato ho ato. Tsy hevi-baovao akory ireo fa efa fandre hatrizay saingy tsy nisy nanatanteraka na dia toy ny silak’hoho aza. Koa aza lany andro manazava ny sain’ny olompirenena fa efa hainy sy fantany ny tsianjery maimbo fanao hatrizay. Varotra firiperia (hevitra tonta) no mahazatra anareo e!

Raha tena mpanao politika manana tanjaka ara-kevitra dia tsy ho lany andro mampiteraka ao an-tanànan’Ambatobevohoka sy miandry papelika tsy ho hita. Raha Gasy mahatsinjo lavitra ihany koa dia tsy hanaiky lembenana amin’ny fampisotroana ronono amin’ny pô plastika.

Publicités

Goragora

Goragora
Raha misy angamba toerana eritreretina ho tsy sahin’ny sasany itsofohana sy tsy tokony haharenesana halatra na fahaverezan-javatra dia ny tobin’ny miaramila sy ny lapam-panjakana.
Na dia tsy dia nahoraka sy tsy nivoaka an-gazety aza anefa dia nisy tokoa ny fahaverezan-javatra tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra (fanitso 120 tokony hanamboarana ilay
lapa vaovao ao an-toerana no nisy nivarotra teny Isotry tamin’ny volana desambra 2007). Efa nivoaka an-gazety kosa ilay fahaverezana fitafiana sy kiraro ampolony maro an’ny miaramila teny amin’ny BANI Ivato.

Mampanontany tena ny momba ny fanaraha-maso ny fidirana sy fivoahana eny amin’ireny toerana ireny raha izany. Toa manjaka hatrany anatin’izy ireny ny goragora. Mampanahy araka izany na ny ain’ny olona sy ny mpiasa ao amin’izy ireny. Ny jiolahy manao ny ataony mampihorohoro eraky ny tanana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ary tsy mihafihafy mandatsaka aina. Tsy afaka hiaro tena akory manoloana azy ireny ny olon-tsotra.
Hay ka na ny tobin’ny miaramila koa aza, hatramin’ny lapa tokony ho isan’ny tsara ambina sy hentitra indrindra dia mba tongan’ny « mpamangy hafa kely » koa.

Ka jiolahy ara-bakiteny io sa ambony latabatra? Tsy haiko intsony, satria sarotra ny hino fa ho moramora toy izany ny haka zavatra any amin’ireny toerana ireny raha tsy misy mpiara-miombona antoka ao ambadimbadika ao. Firifiry tokoa moa izao ny polisy na miaramila na zandary tratra nanao asa-jiolahy, na nanampy jiolahy amin’ny famatsiana fitaovana azy ireny, hoy ianao. Ny polisy fotsiny no efa misy any amin’ny telopolo any ho any. Ao ny tafiditra amin’ny halatra fiara, ao ny tafiditra trotra izao amin’ny asa famakian-trano sy fanafihana ary vono olona. Mampalahelo!!!!
Fanafodiny ve?  « Ny aza voany ihany zanako ». hihihi