Affaire Lala Rasendrahasina – Le Fjkm reconnaît avoir menti

Message que j’ai reçu ce matin même

Affaire Lala Rasendrahasina – Le Fjkm reconnaît avoir menti

Le Secrétaire Général de l’Eglise protestante reformée ou Fjkm a reconnu dimanche dernier lors d’un culte qui s’est tenu au temple d’Andrainarivo qu’effectivement, les militaires n’ont jamais fait boire son…
urine au Président de cette église, le Pasteur Lala Rasendrahasina comme l’a affirmé le Commandant Charles Andrianasoavina. Rappelons que selon un membre du bureau de l’église, cette affaire s’est déroulée lors du moment où le Pasteur était retenu au camp du Capsat à Soanierana et ce membre a affirmé qu’on lui a fait boire son pipi ! Le Commandant Andrianasoavina Charles qui s’était chargé personnellement de la garde du Pasteur Lala Rasendrahasina est catégorique et l’officier était même allé plus loin en indiquant que si le Pasteur est vraiment un chrétien, il doit dans ce cas dire à toute la population malgache la vérité. La question se posait effectivement depuis que les « Mpiandry » ont trouvé et déterré les objets fétiches de Marc Ravalomanana, qui est toujours vice-président de l’Eglise réformée Fjkm. Ainsi, beaucoup ont douté de la sincérité et de l’honnêteté du Pasteur Lala Rasendrahasina, Président du Fjkm qui était propulsé à ce poste par l’ancien président de la République. Pire, certains fidèles du Fjkm soupçonnent que Lala Rasendrahasina est très au courant de ces pratiques diaboliques de Marc Ravalomanana. Le Président du Fjkm a donc été arrêté avec les trois plus hauts gradés de l’armée par les militaires lors de l’annonce d’un directoire militaire à Antanimena mardi dernier, après la démission de Marc Ravalomanana. Le pasteur était ensuite retenu au camp du Capsat à Soanierana pendant quelques heures, le temps de faire la passation de pouvoir entre le directoire militaire et le Président de la Hat Andry Rajoelina. Selon l’explication de ce membre du bureau du Fjkm, avant-hier au temple d’Andrainarivo, c’est durant ce laps de temps que l’affaire s’est déroulée. Et avant-hier, le Sg de cette église a annoncé qu’il s’agit d’un… malentendu venant d’un mot souvent utilisé par les Malgaches lorsque l’on a de l’émotion mais un mot que Lala Rasendrahasina n’a pas l’habitude d’entendre ! En tout cas, le débat est clos sur ce sujet sauf si d’autres vont encore soulever le petit oubli de présenter par la suite les excuses après avoir accusé les militaires.
Jean Luc Rahaga
Mardi, 24 Mars 2009 – http://www.laverite.mg

une réponse postée à ce sujet:

Salama,
Ka na nandainga izy moa na tsy nandainga, na nisotro ny malotiny izy na tsia, ny hitan`ny rehetra dia tsy mety ary tsy azo ekena ny fomba nangalana azy tetsy Antanimena. Hitan`izao tontolo izao fa tsy ny Malagasy irery, ary nisy ny fanavakavahana natao, maninona no tsy nosamborina doly ny FFKM tao? samy lazaina fa raimandreny daholo ary samy nilaza mijoro ho mpanelanelana. Nolazaina fa tsy ekena ny fitondrana miaramila, fa nga moa io pasitera io saika hitondra tao amin`ilay fanjaka miaramila?
rts

et encore une autre

Monsieur Jean Luc Rahaga et Koto Iniasy

Qu’il n’a pas bu ou pas, le traitement qu’il a eu, est loin de respecter la dignité humaine et le vrai problème est la. L’ambassadeur des Etats-unis dans son interview a bien confirmé qu’aucun être humain ne doit pas etre traité comme a été traité Pasteur Lala Rasendrahasina. Sachez que les gens qui sont responsables de ces actes seront poursuivis un jour ou un autre, ils ont agressé physiquement et verbalement Pasteur Lala Rasendrahasina (le film prouve bien tout cela les ambassadeurs etaient temoins)ils ont menacé des Ambassadeurs avec leur armes, ce sont des actes criminels tres grave et je crois qu’ils ne se rendent pas encore compte de la gravité de ce qu’ils ont faits..le débat est clos pour eux mais cette affaire ne fait que commencer

Dans ces deux films je note le fait suivant:

http://www.youtube. com/watch? v=WrgjZN3lrxk& eurl=http% 3A%2F%2Fgasy. net%2FVideo% 2F\
evenements-2009. html&feature= player_embedded

http://www.youtube. com/watch? v=Rl0_MG1Yz_ I&NR=1

Nosintonina ilay olona tao @ Capsat ny cravate-ny Pasteur Lala Rasendrahasina sady atositosika, dia nisy ny niteny hoe aoka fa moramora ihany, dia namaly ilay nisintona hoe : miala tsiny fa ahy ity fa avelao aho hanala ny foko…

avy eo tratry ny vono aloha ny hiaingan’ny fiara

la suite au Capsat on n’a pas su, le debut a Antanimena donne bien l’avant gout de ce qui allait se passer la-bas.. tena mampalahelo

La majorité des Malagasy n’ont pas encore vu ces deux films mais bientôt ils vont les voir, comme moi ils seront choqués, accablés et commenceront leur vraie resistance a ce soi-disant « tolom-bahoaka ho an’ny Demokrasia ».

Chacun a sa valeur Ethique et Morale mais personellement je réprouve et condamne les actes perpetrés a l’encontre de Pasteur Lala Rasendrahasina.

J’invite Jean Luc Rahaga de montrer ces deux films aux gens du Capsat et rendre compte aux Lecteurs de la Verité et les vahoaka Malagasy ce qui s’est vraiment passé a Antanimena pour mettre tout le contexte de la situation dans cette affaire pour le MANGARAHARA.

NB: ho an’ilay mpisavasa solosaina sy manembatsembana ny fandefasako message eto don’t waste your time.. vous avez mieux a faire ailleurs

FANATISME, quand tu tiens les Malagasy! ‘Pire aveugle celui qui refuse de voir

Mise à jour ce 27/03/2009:
hafatra hafa voaray momba ity resaka ity hatrany

Ajouter un drapeau à ce mail[serasera] Re: Re : Affaire Lala Rasendrahasina – coupt d’EtatVendredi 27 Mars 2009 8h44mn 32s
De: « Johanesa » Ajouter l’expéditeur dans les contacts À: « R haj » , « serasera malagasy » , « sera sera »
Diso fipetraka ny adihevitra Coup D’Etat. Probleman’ny firenena any ivelany sy ireo mpitady tombotsoa eto io resaka io. No probleman’ny Malagasy dia ny fitakiana fahafahana sy fandrosoana; fikatsahana fomba hampahomby ny fanesorana ny fahefana eo ampela-tanan’ izay manao ny tsy nety teto @ firenena. Koa aleo lavitra « coup d’Etat », azavaiko eto ambany, toy izay hamela ny hitohizan’ireo fomba fanao tsy mety.1- Filohampirenena teo aloha nametra-pialà na antsitra-po (« fanapaha-kevitro Izaho samirery »), namindra fahefana t@ fitondrana miaramila an-taratasy voasonia ary natao t@ alalan’ny ordonance ara-dalàna.2- Fitondrana miaramila namindra fahefana ara-dalàna t@ Andry antsitra-po (izany no marina na hiolaka ankavia na havanana ianareo, jereo ny fanambarana nataony, ary tonga teny Mahamasina ny 2 tamin’ireo 3 namindra fahafana ary tsy nanao fanambaràna raha nisy ny fanerena)3. Nohamarinin’ ny HCC fa nisy ny fametraha-pialà n’ny Filoha teo aloha.4. Nohamarinin’ ny HCC ny maha-ara-dalà na ny famindram-pahefana nataon’ny fitondrana miaramila t@ Andry,5. Nampanao fianianana ofisialy teny Mahamasina ny HCC araka ny lalàna6. Ny Membre ao @ HCC dia ny filoha teo aloha no nanendry azy ireo7. Tsy nisy rà latsaka toy izay niseho tany Afrika Koa mba anjarako indray ny mametraka fanontaniana:
1. Avy aiza ny 30 million $ nividianana Air force One Two
2. Azavao ireto teboka manaraka ireto: 70 milliards d’Ariary, soutirés de la maison d’assurances ARO,
62,5 milliards d’Ariary, du Port de Toamasina,
25 milliards d’Ariary de taxes douanières exonérées sur l’huile alimentaire,
20 milliards d’Ariary d’impôts non payés du groupe TIKO,
54 milliards d’Ariary extraits du ministère de l’Aménagement du Territoire et de la Décentralisation entre le 25 février et le 3 mars pour la préparation de l’accueil du Sommet de l’Union Africaine, dont 12 milliards d’Ariary sont déjà « consommés ».

JXXXXX

15 Réponses

  1. Tsy dia manan-kolazaina loatra, fa kosa misarika an’i avylavitra sy ireo mpomba an’i TGV, misarika am-panajana aho mba handinihanareo tsara ny toetran’ity fitondrana tetezamita ity. Izaho koa moa mba handinika tsara am-panetren-tena sao dia izaho angamba no tena jamba, sy mahazo vaovao diso foana. Raha diso daholo moa ny vaovao henoko rehetra dia isaorako an’Andriamanitra Andriananahary : enga anie tokoa mba hitondra ny malagasy amin’ny tsaratsara kokoa :
    – ny fitondran’i Andry.
    – ny namoahana ireo lazaina ho « gadra politika »
    – ny famelana ireo izay mahantra handoro zavatr’olona
    – ny fandrodanana fitondrana (izay ekeko fa tsy fitondrana lafatra)
    – ny fampiasana ny teny frantsay ho teny enti-mampianatra,
    – sns (ataovy lisitra eto daholo izay fanapahan-kevitra vaovao noraisin’i Andry)

    Tsy dia ilaina intsony raha ny fijeriko ny ady hevitra, fa aoka isika samy handinika ny zava-misy, sy hanokatra ny masontsika!

    Ny hevitro manokana fotsiny dia ity : ekeko fa tsy lafatra ny fitondran-dRavalomanana, nefa kosa dia mbola tsy mankasitraka velively ity filoha « Andry » ity aho.

    • Tokinao> miala tsiny raha tsy mitovy ny fomba fijery sy fitondra zavatra. Ny ahy dia tsotra, ny fahalalahana miteny sy mamoaka izay hita sy re no tadiaviko. Tsy afaka nanao izany aho nandritra iny fitondrana iny. Ary tsy vitsy amin’ireo mahalala ahy no mahatsiaro fa isan’izay nafana fo sy niseho erak’ireo fampahalalam-baovao maro isan-karazany aho tamin’ny fametrahana an-dRavalomanana ho eo amin’ny fitondrana. Ary ETO DIA AVERIKO HO REN-TANY HO REN-DANITRA, FA NA NY AMIN’IZAO FOTOANA AZA NO MAERINA NY TOY IZANY, KA MITADY HANAMPINA NY VAVAKO, DIA AVY INDRAY AHO. Efa nolazaiko izany tany aloha tany, ary nolazaiko koa raha nisy fivoriana niantson’ireo namana vitsivitsy ahy (nisy mpanao gazety zokiolona mihitsy tao, avy amina gazety malaza be izay saika hametraka plate forme,hono, mba hivondronanay ka hisy ligne redactionelle sy theme harahin’ny rehetra). Tsy ny hidina an-dalam-be isak’izay mihetsika no tiako lazaina, fa ny tsy hiverenan’ny fanampenam-bava sy ny fanaovana fitapitaka lava izao. Mety tsy ho nampoizinao izay valinteniko izay, nefa dia izay no ato anatiko koa miala tsiny indrindra. Sahala amin’ny fifandraisako amin’i zokibe Jentilisa no ilazako izany aminao: aoka isika ho toy ny olona manao daomy eo ambony latabatra, azo atao eo daholo ny taimbava rehetra, ny kapoka latabatra, ny ‘ompa’ koa aza angamba, saingy tsy hoe rehefa afaka manao izany eo an-databatra dia hifampiandry amin’ny antsy sy kobay ery ankodimirana avy eo. Azo ataon’ny mpanao daomy tsara ny mifamotoana indray rehefa vita ny daomy, ka miara-mifandona vera sy misotrosotro. Toy izany izahay mirahalahy, ny hevitra no tsy itovizanay, fa eo anivon’ny fiaraha-monina kosa dia tsy misy olana fa dia mifanerasera sy mifampiditra birao, mifampizara izay azo zaraina. KA MBA RAHOVINA RE NY MALAGASY REHETRA NO MBA HO AFAKA HIFAMPITONDRA SY HIFAMPIZAKA TOY IZANY E? Anjarantsika ny mifampitaiza amin’izany. Tsy ankasitrahako ny fifamonoana, tsy ekeko ny famotehana, nefa kosa faran’izay tsy zakako ny tsy fahafahako miteny.

  2. Tsy mahatanty ny vokatry ny lainga nataony ny mpomba an’i Ravalo ary tena very fihinanana angamba ka manao araka izay heriny mihitsy @ fanakorontanana @ ny lafiny rehetra. Na izany na tsy izany dia izao : isaorana ny Nahary fa teo i Andry afaka hanavotra sy hitondra ny Malagasy @ soa sy ny metimety kokoa.Tena iraka » Andriamanitra i Andry Rajoelina handrava ny asan’ ilay devoly misaron-tava mody mitonona ho mpino an’Andriamanitra. Masina ny tanindrazana , tsy havelan’Andriamanitra ho irery isika fa minoa fotsiny ihany. Avelao harary fo ireo izay tsy mahatanty ny fitondrana tetezamita fa io ihany no lalana iray hivoahana @ hadalana nataon-dRavalo rehetra.

    • LOL…dis moi, @zao fiainana zao ve, mbola mifaly ihany ianao hoe i Andry sy ny HAT no mitondra sa ianao anisan’ny « nouveaux riches »….tafavoaka tsara isika izao ka, tafavoaka @ lalana tokony ho izy!

  3. Miarahaba anao Rabenja.
    Ny olona tsy mitady ny rano ho ritra fa mitady ny amalona ho azo. Milaza ianao fa ireo notenenina ireo no marina na hiodina an-kavia na hiodina an-kavanana. Aza terena fotsiny toy izany izy ity fa diniho tsara izay lazaina fa tsy kaondrana daholo ny olona izay mamaky an’io zavatra nosoratanao io. Nyn maha firenena ny firenena iray dia ny Lalam-panorenana misy ao aminy izay tokony ho hajaina tahaka ny anankandriamaso. Mety tsy fantatrao angamba ny volaza rehetra ao nefa na izany aza dia ambarako anao fa ny ordonance nosoniavin’Andriamatoa Filoha Marc RAVALOMANANA (satria mbola Filoha foana izy hatramin’izao) dia tsy fametraham-pialana na dia heviny samirery izany fa famindrana fahefana mba ho entina hamitana iraka izay nosoritany mazava tsara. Manaraka izany moa dia voalaza amin’ny lalam-panorenana art. 52 fa ny famindrana fahefana azon’ny Directoire miltaire dia atao amin’ny Filoha izay voafidim-bahoaka aorian’ny mahalany azy tamin’ny fifidianana tena demokratika fa tsy amin’ny olona manendri-tena toy an’i Andry Tgv. Satria ninianareo nohitsakitsahina ny lalam-panorenana fa ovainareo araka iza mahamety anareo dia toa tsy fantatrareo izany Ka hoy aho hoe, Rabenja ô, na hiodina ankavia ianareo na hiodina ankavanana dia mbola manakery ny Lalam-panorenana teo aloha izay tsy azo kitihina mihintsy raha tsy mandalo fitsapan-kevibahoaka toy ny nataon’ny Filoha am-perinasa Marc RAVALOMANANA HERINTAONA LASA IZAY; Ary miteny aminao aho fa ho avy ny marina izay hamerina an’i Filoha Marc RAVALOMANANA tsy ho ela akory ho eo amin’ny fitondrana. Olombelona toy ny olona rehetra izy ka mety manana ny fahalemeny nefa tsy azo atao ny manararaotra izany fahalemeny izany satria tsy nisy Mpitondra tsy diso ny teo talohany koa maninona no atao toy izao izy izay hitam-poko hitam-pirenena fa nahavita zavatra be ho an’ny vahoaka malgasy rehetra ary mbola hanao mihoatra an’izany. Tadidio fa tsy mbola nisy Filoham-pirenena niaiky ny hadisoany teo anatrehan’ny vahoakany toy ny nataon’ny Filoha Marc RAVALOMANANA. Raha mba Malagasy ihany ianao dia tsy tokony ho nanao toetram-biby toy izao satria ny biby no tsy mba manana fandeferana toy izao nataonareo izao. Aiza ny soa toavina Malagasy izay tsy itovizantsika amin’ny firenena hafa. Mba matahora an’Andriamanitra fa sao diso tafahoatra loatra izao ataonareo izao noho ny fitiavan-tseza diso tafahoatra. Izao ianareo milaza fa hanao ny fikaonan-doham-pirenena(assise) fa maninona no izao vao hatao, ary manino no tsy nekenareo ny natolotry ny Filoha Marc RAVALOMANANA ? Inona no antony nandavanareo ny Fitsapakevibahoaka nokasain’ny Filoha RAVALOMANA hatao? Eny tsy mihevitra hafa tsy ny mitady seza tokoa ianareo mba hanapotehana izay vitan’ny Filoha sy hanapotehana an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy liam-pandrosoana satria nahazo baiko ny amin’izany fanapotehana izany mba hampahantra tanteraka ny malagasy izay hita fa nanomboka niarina izay. Koa aoka ny tantara no hitsara fa ny marina tsy mba mety levona ary izahay dia mbola mino sy manatena ary miandry ny hiverenan’ny Filoha handray ny toerany izay nopotehinareo. Izy rahateo koa efa zatra ny manarina ka tsy ho kivy amin’ny fanarenana ireo izay nopotehinareo satria manotrona azy ny malagasy rehetra sy izao tontolo izao.

  4. Misaotra an’i avylavitra namaly.
    Tsisy tsininao mihitsy ny tsy fitoviantsika hevitra. Izaho aza no mieritreritra hoe : sao izaho aza no diso fijery [fa tsy azon’ody aloha e :)].

    Niresaka momba ny fahalalahana hilaza hevitra ianao : « idealy » io amiko ka tsy ho tratra mandrakizay raha mbola tany ny tany : indrindra aty amin’ny tany mahantra. Misy manko olona sasany : rehefa avela hilaza hevitra dia lasa miteny ratsy, mamingavinga, sy mitarika hanakorontana. Noho ireo dia ilaina ny sivana. Na izany aza dia ekeko tokoa ny famelana ny tsirairay hilaza izay hitany raha ao anatin’ny zony izany. [ny zonao hono dia voafetran’ny zon’ny hafa koa : zoko ny miteny nefa zon’ny hafa koa ny hilamina sy tsy haheno izay rehetra azo lazaina :)].

    Raha heverinao moa fa halalaka kokoa ny fanehoan-kevitra amin’izao nialàn-dRavalomanana izao dia iriko ho marina tokoa izany. tena irìko amin’ny foko manontolo mihitsy. Hisy toy izany ve! Ny mba ahafahanao mitsara fotsiny dia ity : andramo tsikeraina (tsikera marina) ilay fitondrana … na koa diniho ireo zavatra iharan’ny mpitsikera.

    Nanome ohatra momba an’i jentilisa ianao … ka dia lazaiko eto fa tsy manana kakay aminao velively aho ‘ka. Izaho aza no manontany tena indraindray hoe : sao dia izaho no diso fandinika ny zava-misy.

    Na izany aza dia tsahiviko koa fa tsy hisy mandrakizay ny hifampitondran’ny Malagasy rehetra ho toy izany antsika sy ianao izany. « Idealy » koa io🙂. Ho ohatra dia jereo fotsiny ireo gasy mandroba izay tsy mitovy hevitra aminy. Tsy misy afaka hanova izany toetra izany.

    Hevitra ny antsika ka ampiadiana.

    • Tokinao > aoka isika izay mahatsapa fa tokony hisy ny fiovana toe-tsaina tsy hiraviravy tànana. Aoka hanantena mandrakariva ka mba hiandrandra fa ho tonga eto amin’ny Malagasy ny toy izay nitranga tany Philadelphie nandritra ireny fifidianana savaranonando tany Amerika ireny. Ny andaniny esty ampita manao lanonana ho fandokafana ny azy, ny ankilany etsy ampita koa manovokovoka mafy ny fanasohasoana ny olona natolony, nefa dia metatra vitsy no manelanelana, tsy misy ny fifandonana, tsy misy ny faty olona, tsy misy ny zavatra simba. Inoako kosa aloha fa tsy tonga dia nipetraka ho azy teo amin’ny vahoaka Amerikana izany toetra izany, koa nahoana moa no tsy anantenako fa mba ho tonga aty amin’ny taniko koa ny toa izany. Manomboka amiko sy ny manodidina ahy izany. Misaotra indrindra amin’ny fahalalahan-tsaina asehon’i Tokinao. Mba ho maro anie ny hahay mifanakalo hevitra toa antsika (tsy miady hevitra hoy aho fa mifanakalo, mba hialana koa ilay voambolana hoe ‘miady’ e!)

  5. Je trouve que la reunion des journalistes du 25 mars 2009 est deja un premier pas certes mais aussi un acte qui peut servir d’exemple pour les autres secteurs de la société et de l’économie, car menée dans l’état d’esprit de la réconciliation, a savoir essayer de définir ensemble, autour d’une table, vers quoi se diriger et comment aller dans un sens constructif.

    Oui, la réconciliation nationale semble urgente. Qui devrait se réconcilier et a propos de quoi?
    (1) Il faut réconcilier le peuple malagasy sur les champs d’actions prioritaires de la transition, et
    (2)établir bien sur le calendrier correspondant aux actions à mettre en oeuvre pour la réalisation du consensus qui va résulter de cette réconciliation/assise nationale
    Comme il y a une *mésentente latente* – terme emprunte d’une internaute- (l’argument avance etant que la transition n’est pas la voix du peuple car ca n’a pas été le fruit d’une élection), une réconciliation nationale servirait en fait alors à définir ensemble et se mettre d’accord sur le programme ou la mission à éxecuter par la transition:
    -C’est pourquoi les décisions résultant de la réconciliation nationale doivent être validées par tous les acteurs inculques.
    -C’est pourquoi une réconciliation nationale est importante et urgente car elle permet la participation des tiers et la prise en compte des idées des représentants de ceux qui sont concernes, donc permet d’éviter que ceux qui sont au pouvoir pendant la transition monopolise le pouvoir (exécutif-législatif-judiciaire), auquel cas ce sera du sur-place.
    -On pourra dire que c’est un Accord national: ce qui est valable en terme de droit, car ça peut être vu plûtot comme un contrat entre les acteurs-participants et les exécuteurs du contrat.
    Pour cela,
    (1) Définir/designer les acteurs de la réconciliation nationale
    (2) Pré-définir les champs d’actions et les priorités a considérer comme thèmes autour desquels la réconciliation doit avoir lieu,
    (3) Définir les ordres du jour, les lieux et la durée de la reconciliation.
    En parallèle, il faut voir la faisabilité (par rapport aux moyens), le calendrier d’exécution et enfin la mise en oeuvre.

    —> Le peuple malagasy doit se reconcilier a propos des priorités et des champs d’actions a travailler durant cette transition. Par peuple j’entends:
    -les divers partis politiques doivent être tous representes: TIM, Leader Fanilo, MFM, AREMA, etc.
    -les diverses communautés doivent être tous représentés: tous les foko (Antadroy, Merina, Sakalava, Tsimihety etc.), les karana, les chinois, la diaspora, les vazahas zanatany (?), bref au moins toutes les 22 régions, peut-être 23 avec la diaspora comme elle a apparemment des revendications légitimes aussi comme le droit de vote dans les ambassades entre autres.
    -représentants de l’armée, gendarmerie et police
    -les diverses sociétés civiles
    -les divers syndicats
    -les représentants des divers secteurs de l’économie (agriculture/écologie, éducation, santé publique, énergie, transport, communication, instituts financiers, etc.)
    -les représentants du corps de la justice
    etc.

    —> Le but de telle concertation est de définir les champs d’actions et les priorités en terme de:
    – Paix et sécurité (Comment les garantir le plus tôt possible? Comment bien préparer une paix durable?)
    – Garantie des droits de l’homme, respect des libertés fondamentaux,
    C’est a dire assurer le service minimum ou la *continuité de l’Etat* pour emprunter le vocable de M. Ranjeva.
    – Elaboration de la constitution en parallèle avec un mécanisme et un structure étatique adéquat (quelles institutions? quelle structure? quels codes?)
    – Appareil judiciaire indépendant (comment le mettre en place effectivement au plus tot?)
    – Information/formation et éducation civique de masse
    – Définir les priorités par secteur (en incorporant une vision a long terme, cad planification durable): agriculture/écologie, éducation, sante publique, énergie, transport, communication, justice, instituts financiers, sécurité publique, etc.
    – Elaboration de code électoral adéquat
    – Budget d’Etat: optimisation de gestion selon les priorités / Comment garantir la transparence de cette gestion?
    […] etc.

    —> En fait, ce serait plutot un ensemble d’accords sur plusieurs volets/sujets. Mais au préalable il faut,
    (1) inventaire des infrastructures: état des choses et état de la situation,
    (2) Inventaire des moyens disponibles,
    (1) et (2) ne vont pas être vraiment possible, mais le fait de commencer le processus de concertation au niveau des régions et/ou de chaque secteur de l’économie est un moyen de contourner ça peut-être pas parfaitement mais c’est mieux que des bases vides.
    (3) situer les problèmes et/ou les désaccords,
    (4) élaborer des solutions,
    (5) Faisabilité avec calendrier de mise en oeuvre.

    *1ere etape: La discussion devrait être organisée et commencée au moins dans chacune des 22 regions, sur la base des mêmes thèmes partout. Ces thèmes doivent être préalablement définies.
    En parallèle, une première discussion doit être initiée dans chaque secteur de l’économie et de la société (agriculture/écologie, éducation, sante publique, énergie, transport, communication, justice, instituts financiers, l’armée, etc.)
    A l’issu de la discussion, un (ou plusieurs) représentant(s) est désigné comme porte-parole pour véhiculer leurs propositions et leurs idées au niveau de la province.

    *2eme étape: Une synthèse ou des accords au niveau de la province est ensuite organisée et discutée.

    *3eme étape: Ensuite, les représentants des 6 provinces se rencontrent pour discuter et aboutir aux accords nationaux. Ce sont ces accords nationaux qui devraient consister comme programme de la transition.

    PS: Il est essentiel que des visions a long terme portant sur l’intérêt général soient incorporées dans le résultat de ce processus de concertation.

    Open source🙂 sans restriction de diffusion, de traduction ni de correction et/ou amélioration du texte.

  6. NB: Idealement, en face des representants de chaque secteur de l’economie et de la societe devrait se trouver un ministere de la transition qui aurait en charge l’execution du consensus et des Accords etablis lors de la reconciliation dans ce secteur.

  7. même le président Lala Rasendrahasina a dit qu’il n’a pas bu mais on lui a obligé de boire son urine mais il avait réfusé .
    il parait qu »on lui fait d’autres chose très horrible mais il ne l’avait pas dit .

    je connais ce pasteur , il ne ment pas ! On attends le bon moment pour toute vérité!

  8. Na marina na tsia, d ts rarny loatra n oatran ireny…f raha mfamadka zany le situation d sanatria ve n archeveque ndray no atao oatr ireny… ny tenin ne d oe nasain ny capsat nisotro izy e! mbola ts nisotro izy zany f zay n tenin ny miaramila… sady le miaramila gasy sasany koa nge mentalité= »0″.
    mis itvizana @ le any afrika rebelle reny ny sasany… any ambanivohitra anay 600AR/kg ny akotry…na mbla apidtra menaka « made in china » 100% cholesterol aza tsis zany oe 2000Ar zany…teo ravalo irery no nanana , f zao ministra sy hat ko mba manana @ zay…
    d aiza ny anjaran ny vahoaka, f toa mihamilentika hatrany…f nahagaga d tao anatin ny krizy no betsaka ny 4×4 nidtra tao @ port ny toamasina…@ io ny frantsay d faly ery maita anay malagasy mikorontana, ts adalan Ra8 ihany ny nandaka an le ambassadeur iny…na eo az izay rehtra izay dia misy foana ny fanantenana…ndrindra ho an izay mino…

  9. mampalaelo ny toe-javatra misy ao amin’ny fiangonana FJKM Ambatomena Fitiavana eny Alakamisy Ambohidratrimo noho ny afotsiky ny ramatoa ray amanadreny mpitandrina Florence,toy izao avy ireo zava miseho mampalahelo ka mampihena sy lasa mampareforefo ireo olona miangona ao amin’ny fiangonana :
    – didy jadona eo amin’ny asan’ny sampana ka dia tereny hitovy amin’ny izay ao antsainy ihany ny zavatra atao fa tsy manana fahalalahana ny sampana tsirairay amin’ny asa izay atao.
    – fifosana etsy sy eroa ireo mpiangona sy mpikambana ao amin’ny sampana ka lasa mampihena ny herimpon’izy ireo.
    – fanodikodinana sy fampiasana ny volam-piangonana amin’ny fitadiavan’ny tena manokana (mahamenatra eo antrehan’ny fiaraha monina)
    – ny fiarahana sipa amin’ny olona iray ao am-piangonana nefa dia manambady niteraka roa izao ramatoa mpitandrina ary dia tena manala-baraka eran’ny tany amamonina fotsiny.
    – manginy fotsiny amin’izay ny figafiana ireo olona mianatra diakona nefa dia roasina alohan’ny fanokanana sy ny mbola maro hafa ao ampiangonana
    vokany :
    – nihena faran’izay zokiny ny isan’ireo mpivavaka ao ampiangonana,raha esorina ireo sampana isankarazany toy ny dorkasy,sekoly alahady,sampana lehilahy kristiana,sampana tanora,voko2 manga, sampana laika dia mety eo amin’ny 30 eo ho eo sisa ireo mpivavaka tsotra ao ampiangonana
    – ireo mpikambana ao amin’ny sampana izay miisa eo amin’ny 200 eo dia hita fa ny 80 % dia efa tena tsy mankasitraka intsony ny zavatra afitsok’ity mpitandrina ity eo amin’ny fiainan’ny fiangonana
    – hita ho mirona tanteraka any amin’ny fitiavam-bola ny fanentanana ataon’ny mpitandrina fa tsy hita intsony ny fanentanana eo amin’ny fiainam-panahy.
    leo noho izany ireo olona eo anivon’ity fiangonana ity ka manantena fiovana ,izany hoe hahazo mpitandrina vaovao ny fiangonana,ramatoa mpitandrina anefa dia miziriziry fa tsy misy olona afaka ny hanala azy eo amin’ny toerany izany.
    manantena antsika tompon’andraikitra eo anivon’ny fjkm noho izany mba handray fepetra manoloana ny zava miseho satria mihena hatrany ireo olona kristiana mino an’Andriamanitra sy jesosy kristy noho ny zava miseho eo anivon’ny fiangonana ary ihany koa manala –baraka tanteraka ny Fjkm eo anivon’ny fiaraha-monina

  10. Ny mampalahelo dia ny fiangonana FJKM no efa miova, ny mpitondra foibe efa manao izay fantany, manompo olona hany ka ny Pasteur ao aminy efa manao izay fantany koa

    • Olona iray no manao tsy mety ao @ sahan’ny FJKM, dia ny FJKM rehetra no mahazo loza…ahlala…samy manana ny faharesen-dahatra ny tsirairay fa aza mitsara ny amin’ny hoe miova na tsy miova. Mpiasan’ny birao Foibe angaha ianao ka mahalala izay rehetra ataony ao sy ny hoe manompo olona? mety marina fa misy manao izany ao fa lazaiko aminao kosa, fa rehefa mivory ny zanak’Andriamanitra dia mba eo koa Satàna, ary mety misy ny tsy mijoro @ asa fanompoany fa tsy ny rehetra no manao izany. Ny Satàna tsy maintsy mitady fomba hidirana anembatsembanana sy hanalana baraka ny asan’ny Tompo fa io arakaraky ny fijoroan’ny tsirairay. Ny tsara atao dia ny mitondra am-bavaka fa tsy ny mitsara akory, ny asa fanompoana an’Andriamanitra no tena asa tsara indrindra nefa izany koa no asa sarotra indrindra satria mafy ny ady @ fanahy ratsy rehefa tonga eo ka misy ny olona izay mety marefo ny finoany sy ny fijoroany ka voarebirebin’ny Satàna fa kosa ny anjaran’ny mpino dia ny mivavaka ho an’izay hitantsika fa tsy mety fa tsy ny mitsara fotsiny. Manana ny hevitra hieverany ny tsirairay ny Tompo sy ny fomba hanefeny ny finoan’ny tsirairay koa aoka isika handinika ny momba antsika avy, izay vao mijery ny handry eny alohan’ny mason’olona hafa. « Koa mifamelà heloka ianareo, ary MIFAMPIVAVAHA mba ho sitrana ianareo. Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » Jak5.16

  11. Fantatro tsara raha io fjkm ambatomena fitiavana io. Ny fianakavianay iray manontolo samy efa nandalo tao avoko nanomboka tao @ sekoly alahady ka atr@ diakona; ary ny sampana tsirairay samy efa nisy anay avoko. Kanefa @zao fotoana izaho IRERY no sisa tavela ny avy ao @nay (mandalo ihany anefa nohon’ny fianarana sy ny asa). fianakaviana maro afa koa, izay eo an’tanàna ihany, no efa niala tao nohon’ny fifampitondra tsy araka ny tokony ho izy ataon’i Fxxxxxxx zay misy sahy miantso oe « pasteur ». parcontre, maro dia maro ny nanambara (izaho anisany) fa tsy hita pesipesenina ny fandrosoan’io fiangonana io raha miala ity farany. ny mahagaga anefa dia ho ankalazaina atoato ny faha 25 taona ny fiharaha miasa @azy. Mampalahelo mahasosotra e!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :