Nanentana antsika ho tonga haneho ny tsy fahazakàna ny zava-misy iainana isanandro efa mila hahasempotra ny Wake UpMadagascar. Tsy nampitsanga-menatra azy ireo ny isan’ny olona namaly ny antso na tsy voahodidina tanteraka aza ny farihy.
Mety hoe kely angamba hoy ny nahita, saingy inoana kosa fa tafita ny hafatra. Tsara fidy rahateo ilay toerana teo anoloan’ny fiatoan’ny taxibe Anosy, akaikin’ny tranon’ny fampielezampeom-pirenena #rnm.
Araka ny lahatsoratra nalefa ho anao mpamaky, talohan’ito, dia isan’ireo vahiny efa nandrasana teny an-toerana ny polisy (tsy dia tiako intsony ny mampiasa ilay fiteny hoe mpitandro filaminana #EMMO, raha mbola ny eto an-tanàna no resahana), nalefan’ireo mpifehy (ho solon’ny hoe mpitondra koa io).
Fa maninona tokoa moa no ataoko hoe « mpifehy » ?
Mpifehy satria dia tena miezaka tokoa mifehy sy mitazona ny vahoaka ho eo ambanin’izay fifehezany izay. Anisan’izany ny resaka fifehezana ny serasera izay tsy nanjary mihitsy nanomboka omaly, nitohy hatramin’ny aninkeheo maraina, ary niverina tsara indray rehefa vita soa aman-tsara ny hetsika teny Anosy.
Vita soa ny androany ho an’ny WUM. Ary isaorana ireo tonga nijoro tamim-pahasahiana. Sahy haneho ny heviny, sahy hanaitra amin’ny zavatra tsapany fa mila amboarina mba hanarenana ny fireneny. Tsy nanan-tahotra mba handefa hafatra ho an’ireo « mpifehy » hilaza amin’izy ireo fa misy ny olana tokony hovahàna.
Ary ianao , mba ahoana?
Olom-pirenena manana hevitra ve ianao? Olom-pirenena mahatsapa fa misy mangidy tsy telina zakainao, na tsy isan’andro aza, fa matetika? Ataovy izay mba azonao atao hanarenana an’i Madagasikara. Tsy hiandry lava ny sasany hanao izany amin’ny toeranao ka hifanipitsipy andraikitra. Ny hoavinao, ny hoavin’ny taranakao no jereo.
Androany dia ny resaka fahatapahan-jiro sy rano (#delestazy #jirama) no tena hita nisoratra betsaka tamin’ireo takela-taratasy nolanjain’ireo mpandray anjara, saingy tsy voafetra ho amin’izany ihany ny hetsika #WUM tahaka izao raha ny fahafantarako ity hetsiky ny olom-pirenena miainga avy ao amin’ny Facebook ity. Azonao atao tsara ny maneho endrik’olana hafa ankaotra izay.
Aoka izay ny bla bla lavabe fa aleo mba hijery sary ary isika e! Mankafiza
Filed under: Non classé | Tagged: #delestazy, #EMMO, #WakeUpMadagascar, #wum, Anosy, JIRAMA, RNM | Leave a comment »