Fampanginana ny #WakeUpMadagascar – Fanampenam-bava Ny Serasera

Ny rehetra no nahamarika fa hatramin’ny omaly efa alim-be (05 Desambra 2014) dia faran’izay nanahirana tokoa  ny niditra tamin’ny tontolon’ny serasera (ny #TELMA #Moov aloha no tsikaritro, fa tsy haiko ny tambajotra hafa). Ny alina tokoa mantsy no mba afaka manokana fotoana betsaka kokoa hanarahana izay mitranga sy hifaneraserana ny ankamaroan’ny vahoaka.

Rehefa nifoha io maraina io indray dia izao no zavatra tsikaritra: afaka miditra amin’ny tontolon’ny aterineto ianao, saingy nobahanana ny fidiranao amin’ny #Facebook (tsy tapaka tanteraka fa nohasarotina). Marihako mihitsy hoe ny fidirana amin’io sehatra iray io no nobahanana (niniana amiko fa tsy hoe antony ara-teknika) satria izay tambajotra hafa rehetra fampiasako isanandro (mavesatra lavitra noho ny FB aza) dia azo nidirana vetivety daholo.

Tahotra:

Efa andro maro ihany koa no niarahan’ny rehetra nahafantatra ny fisian’ny fanentanana nataon’ny #WakeUpMadagascar ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, mba ho avy hanao tohivakana manodidina ny farihin’ #Anosy haneho ny tsy fahazakàna intsony ny fahatapahan-jiro sy rano #JIRAMA manjo matetika ny vahoaka. Sady ho fanairana ihany koa ny mpitondra momba ny hirifiry zakain’ny vahoaka.

Raha ny lamina tany aloha (izay tsy nisy fanovàna hatreto) dia anio Sabotsy 06 Desambra 2014 amin’ny 10 ora no hanaovana izay tohivakana izay. Kisendrasendra angamba hoy ianao no nifandrifian’ireo rehetra ireo. Tsia kosa anefa hoy aho!

Tsy kisendrasendra ny fibahanana ny fidirana Facebook (FB) nanomboka omaly Zoma, nitohy androany Sabotsy. Hetsika niainga avy tao anaty FB ny Wake Up Madagascar. Tsy vitsy ny olona no nahita ny hafatra (na dia tsy nilaza mivantana ny heviny teo amin’ilay pejy aza). Nifampizaràna rahateo tany anaty vondrona (groupes) isankarazany tany ny fisiana sy ny antom-pisian’ilay hetsika, izay efa nomarihana fa hatao am-pilaminana. Nasain’ny mpikarakara ny hetsika mihitsy aza ny EMMO mba ho tonga eny an-toerana ka hamerina ny olona izay midina anaty arabe, hiverina hiakatra eny ambony trottoir natao ho an’ny mpandeha an-tongotra. Tanjona amin’izany ny tsy hanelingelenana ny fifamoivoizana sy ny hahitàna izay miketrika korontana.  Tsy kisendrasendra, hoy aho, ilay fibahanana satria atahoran’ny mpitondra fanjakana fa sao mbola ho be no hahita ny hafatra ka ho avy hamaly ny antso; atahoran’ny fanjakana fa sao tena ho sahy hatramin’ny farany tokoa hiroso hanatanteraka ny hetsika ireo mpikarakara; atahoran’ny fanjakana fa sao ho vanja handrehitra ny afon’ny lonilonim-bahoaka efa nihotrika ela io.

Lonilony mihotrika:

Efa ela tokoa ny vahoaka no nilaza fa leo, efa ela no niaritra mangina, ary malaza loatra amin’ny fahendrena sy fahaizana miaritra ‘treffle’ amin’izay rehetra mitranga. Hatramin’izay anefa dia nifori-dava tsy niteny, ary samy nahita ireo rehetra nifandimby nitondra ity firenena ity, fa rehefa io vahoaka niaritra ‘trefle’ io no mitroatra, dia efa ratsy izay no fiafaran’ny tantara. Koa io loinilony nihotrika ela tany anaty fiarahamonina io no heveriko (izaho manoratra) ho antony iray nanosika ny Wake Up Madagascar hanaitra ny sain’ny maro. Io lonilony nihotrika ela io no mbola heveriko fa tian’ny mpifehy hampanginina mba tsy hihitatra lavitra fa sao hanapaka ny tongon-tsezany; io lonilony nihotrika ela io no mbola eritreretiko koa ho ao ambadiky ny fibahanana ny FB manjo ny maro nanomboka omaly ka mitohy androany.

Fomba hafa:

Entaniko ianareo rehetra izay afaka manao izany mba hikarokaroka sy hifanontany, hitady fomba hafa hifampizaràna vaovao sy fanentanana, satria misy tokoa izay fomba hafa izay, izay tsy hotononiko eto fa sao dia hosakanany eo koa sanatria. Tsy hoe manentana anao hanatrika ny hetsika androany akory no tanjoko amin’ny fanoroana anao hoe misy fomba hafa, fa fanoroako anao hoe « Zonao ny hahalala vaovao, zonao ny ho afaka hikaroka sy haharay izany vaovao izany », ka ny fanakànana anao toy izay mitranga ankehitriny tsy ho afaka hanatrika na miserasera amin’ny manodidina anao, dia fanimbazimbàna ny zo fototra omen’ny lalam-panorenana anao. Koa raiso fa « Anao ny fitenenana »

Fomba fanao:

Tsy i Madagasikara akory, na ny Wake Up Madagascar, no voalohany nampiasa ny fomba fanaovana tohivakan’olombelona mba ho fanehoana AM-PILAMINANA ny tsy fahafaliana, na ho fanairana. Firenena maro maneran-tany no efa nanao izany, vahoaka maro sesehena no efa nampihatra izany, ary isan’ny vahoaka iharan’ny tsy fetezan-javatra ihany koa na ny mpitandro filaminana aza, ka dia namela ireny hetsika ireny hizotra am-pilaminana. Tsy voatery hanao herisetra akory vao ho fantatra fa hoe NIHAINO NY VAHOAKANY NY MPIFEHY.

Avylavitra (http://mg.globalvoicesonline.org)

 

Publicités

Mikorapaka i Google

sary famantarana ny Google

Noho ny fahitàny fa misintaka mifaninana aminy ihany amin’ny alalan’ny fananganana ny orinasany manokana ny mpiasany, dia voatery nandray fepetra Google ka nanondrotra 10% ny karaman’ny mpiasa mba hisorohanay ny fialàn’ireto farany hampitombo isa indra ny efa lasa.

Injeniera maro tokoa mantsy no efa niala ka nanangana orinasa hilahatra amin’i Google eo amin’ny tsena.

Raha araka ny tatitry ny  Wall Street Journal, dia betsaka tamin’ireo mpiasany mitontaly 23.000 no lasa nanatevin-daharana ny  Facebook.

sary famantarana ny Facebook

Mety misy fifandraisany amin’ity resaka ity ilay fitsapana ny hevitry ny maro efa mandeha ao amin’ny Facebook ankehitriny hoe « Raha hanokatra tolotra mailaka i Facebook, hiala Gmail ve ianao? »  Hatreto moa dia mbola tsy manaiky mihitsy ny fifanakalozam-baovao (exportation de données) avy amin’ny andaniny sy ny ankilany i Google

Tsy avelan’i Google hanjono ao anaty rakitahiry momba ny adiresy mailakany, Gmail,  i Facebook. Kiana voalazany ho anton’izay ny  tsy fanehoan’ny Facebook « fiaraha-miasa iombonana » ho tombontsoan’ny orinasa roa tonta.Nahita fika mampiasa CSV anefa i Facebook mba hahafahan’ireo mpampiasa azy maka izay adiresy mailaky ny namany tiany hasaina hiditra Facebook.   Tsy mbola nihetsika aloha i Google taorian’io. Saingy ny azo inona dia tsy hijanona foytsiny hatreo ity fihantsiana nataon’ny Facebook ity.

Mety hanomboka rahampitso Alatsinainy 15 Novambra 2010 no hiasa ny tolotra mailaka avy amin’ny Facebook raha ny tatitry ny TechCrunch ifotorana. Hatao any San Francisco mandritra ny famelabelarana ho an’ny mpanao gazety ny fanolorana azy, izay mety hitondra ny anarana hoe TITAN ary ho afaka hanana adiresy mailaka toy izao ny rehetra mampiasa ny Facebook : xxxxx@facebook.com

Ny tantara dia mbola mitohy…

« Hono ho’aho Andriamatoa Filoha! » tamin’ny fomba Filipiana

Misy fandaharana iray mandeha izay ao amin’ny RNM rehefa faran’ny herinandro. I Andry Rajoelina no miteny sy mamaly fanontaniana ao amin’izay fotoana izay. Fa efa nisy toa io koa tany aloha. Tenin’ny filoham-pirenena no lohatenin’ilay fandaharana nahenoana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsaroako tampoka ireo fandaharana roa nifanolo ireo raha nijery vaovao avy any Filipina tao amin’ny Global Voices Online Malagasy aho. Manana ny kaontiny manokana ary amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny Facebook ny Filoha Filipiana izay azon’ny olom-pirenena rehetra ifandraisana aminy (Namaly taratasy nalefa tamin’ny alalan’ny facebook ny Filoha).

Tsy nihafihafy ireo olona nitondra ny fanakianany sy ny ahiahiny tamin’ny fandefasana ‘tweet’ ho azy. Ary tamin’ny maha-olon-dehibe azy koa no namaliany ireny olona nanoratra ho azy ireny.

Dia velom-panontaniana eto am-pitoerana etop aho hoe, « Raha misyu ny kaonty ofisialin’ny mpitondra Malagasy, azo fantarina ve?, Ary raha fantatra ka andefasan’ny olom-pirenena fanamarihana – mety ho mamaivay mihitsy angamba- dia mba hahazoana valiny amin’ny fomba mihaja sy tony koa ve? »

Fa mbola fanintaniana hfa koa anefa ny hoe « Raha misy izay kaonty ofisialin’ny mpitondra izay, mba hanoratra am-panajana ve izay hamela hafatra ao? »

Fa maninona moa no apetrako ny fanontaniana toy izany, hoy angamba ny sasany aminareo mpamaky. Tsotra ny antony, satria amin’ireo olona marobe mifanerasera sy mifanoratra amiko aty anaty aterineto, dia tena mirehitra miredareda tokoa ny fanohanana ny andaniny na ny ankilany amin’izao disadisa misy eto amin’ny firenena iza, ary tsy mifampitsitsy teny tokao ireo izay mifanoratra amin’izany. Teo aloha teo dia efa nahiako hiafara amin’ny ompa atao amin’ny fomba mivantana mihitsy ny fifanakalozan-dresaka, hay moa ka mba nihalefy ihany izay hafanana izay nony tato aoriana kely ary dia miverina nyu fifanajana sy ny fomba fiteny manao sangisangy zary tenany, ary ny vazivazy.

« Eny ho’aho Ra-Malagasy, Malagasy be fivoarana… » (santionan-tononkalon’i Randzazanamihoatra))