Elanelam-panahy

Zavatra isan’ny manahirana ankehitry ny miteny, na mitondra teny. Indrindra fa raha resaka raharaham-piaraha-monina no andraisanao anjara. Miteny tsy mety ataon’ny mpanohitra ianao dia sokajiana ho olon’ny mpitondra, milaza ny kivalavala ataon’ny mpitondra indray ianao dia lazaina fa hoe mpanohitra. Izany hoe bedy ianao raha vao mitoetra eo anelanelany. Fa na ho tezitra aza aloha ianao mamaky io na hibedy ahy, dia izay tiako ihany io. Metimety ny ataon’ny ankaviako, dia miara-miasa aminy aho, rehefa tsy lanin’ny vavoniko kosa dia kianiko. Dia toy izay koa ny ao ankavanako: manao ny tsara izy dia tohanako, mitady hivarina an-kady dia ahitsiko. Fa izay sarotra anarina kosa kapohako. Mijanona eo afovoany mandrakariva aho izany. Na ho bedy aza! Izay no tiako tsinona k’ah! Raha mety moa hoe izy roa mihitsy no hampiaraka amiko dia sakambiniko amin’ny tanako havia ny mpanohitra, ary entiko amin’ny tanako havanana ny mpomba, satria samy Malagasy daholo anie ireo e! Io tsy fahaizana mampandefitra hambom-po io no hitako ho kilema ratsy eo amin’ny ankabeazan’ny olona. Tonga dia misotro fotsiny ny « Halako hatramin’ny tsinay maintiny », dia izay. Ka na inona na inona hevitra, na zavatra tsara entin’ilay tsy nitovy firehana tamin’ny tena, dia « tsia » avy hatrany foana no asetry azy.Mba tiako ho hita ny fomba fisainan’ireny olona ireny raha apetraka ambony nosy kely iray anivon’ny ranobe feno voay: olona roa tsy mitovy fihevitra atao anaty lakana iray tsy misy afa-tsy fivoy roa,ny rano koa amin’io lalina tsy takatr’ilay hazo fitondran’ny mpaka fasika ireny. Ny lalana mody anefa tsy maintsy asiana olona. Dia ahoana? Hiara-hiakatra ao anaty lakana, hifanampy hivoy, sa hamela ny iray ho lanin’ny voay fa « raha maty aho, matesa rahavana », sa ahoana? . Enga anie ka mba hahita ny marimaritra iraisana, ka ny lakana hisosa (ny lakana eto dia anehoako ny firenena, na dia hiadana fisosa aza), ary ny olona tsy hisy ho faty (ny olona kosa indray dia ny mpanohitra, ny mpomba ny fitondrana, ny valalabemandry).Gaga angamba ianareo hoe inona no anton’ny lahatsoratra. Tsotra fotsiny: mahita ireto mpilaza vaovao mpomba ny fitondrana, mandranitra fotsiny ny saim-bahoaka ireto isan’andro aho ka leo, tena leo! Misy dia tsy manana hatao isan’andro afa-tsy ny mamorona lahatsoratra hamelezana na hanaratsiana an-dranona sy ranona. Fa mba rahoviana ilay fisainana hoe « esprit critique », sy « critique constructive » vao ho hainareo mpanao gazety ireny ampidirina sy hitaizana vahoaka e? (Tsy ny mpanao gazety rehetra kosa aloha no kianiko eto an! Aoka hahatsapa tena izay tokony hahatsapa tena). Sa dia izany tokoa no fomba filalao ity politika ity fa izaho no tsy mahay? Izaho mantsy tsy mpilalao io taranja iray io, koa aza gaga raha tsy haiko hatramin’ny fitsipi-dalao.

Une Réponse

  1. mety ka! raha io no hitan’ny gazetyavylavitra hoe hitoerana ny hoe hijanona eo @ ivon-toerana dia tsara io! io ilay hoe tsy baikon’ny atsy na ny aroa! raha any frantsa ianao dia modem izany ny antoko mety misy anao! ny eto @ tsika anie ry gazetyavylavitra dia ilay fisainana tsy manaiky ho diso ity no tsy mety e! efa hita izao fa tsy mety ny ataon’ny mpitondra dia mbola lazaina hoe mety foana, dia toy izany koa ny mpanohitra, ny hanohitra be fahatany fotsiny!
    ny gazety ihany koa eto @tsika dia latsaka @ io fa tsy mba misy ny mijoro ho mpanelanelana, fa ny misolelaka sy manakiana be fahatany no hisokajiantsika azy!
    soa ihany fa nisy ny blaogy hitenena sy hamoahana ny tena marina satria tsy misy faneriterena itony fa izay tena mianjady @ tena no resahana sy ampitaina

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :