Madagasikara sy ny Momba Azy

Variana amin’ny fiainana andavanandro ve ? Sa efa lasa entin’ny fahazarana fotsiny sisa isika – izaho anisany – ka tsy misy intsony mahatahiry ireo vakoka sy lovantsofina, na tantara tany aloha? Sa ireo ray aman-dreny mihitsy koa no tsy nampita intsony noho ny rotorotom-piainana sy ny fieritreretana fa efa nilaozan’ny toetrandro ny fomba fampitàna hafatra sy lovantsofina, hono ny fandrosoana mihazakazaka be ka iheveran’ny maro fa ny teknolojia no hahasolo ny boky sy ny vava ary ny sofina?

Betsaka tokoa no tsy tsaroana intsony sy adinodino izy ireny. Nefa raha manao ezaka mikaroka ny any ambany kidoro, anaty vata sarihana, na miresadresaka amin’ireo anti-panahy isika ankehitriny – dieny mbola eo izy ireny – toy izay ataon’i Fanjarivo Rakotonirina (Malagasy monina any Etazonia) amin’izao fotoana izao, dia azo antenaina fa mbola hisy ny masoandro hiposaka ho an’i « Madagasikara sy ny momba azy« .

Rehefa avy nifampiresaka tamin’i Fanjarivo  ny mpitantana ny bilaogy, dia nifanarahan’ny roa tonta fa ho avoaka matetika eto ny sombim-pikarohana nataony avy amin’ireo antontan-kevitra sy rakitahiry maro samihafa tratry ny tànany.

Ho ataontsika toy izao ny fivoahan’izy ireny:  Madagasikara: <laharana> – <lohateny omena ilay fizaràna>
Lasa toy izao rehefa avoaka => Madagasikara : 1 -Ny anaran’ny trondro  / Madagasikara: 2 – Ny tantaran’ny vary…

Ohatra ihany ireo, fa tsy hoe ireo no efa tena vonona. Eo ampiketrehana azy isika izao. Mahareta fa hanana ny soa.

Tsy ho ela

Publicités

RATSIMANDRAVA

 Hafatra nisy nandefa tamiko izy ity ary anio vao hitako. Tsy aritro fa zaraiko aminareo eto. 12-02-2008 isika izao, nefa ny teny rehetra voasoratra ato anatiny no mba tiako hodinihana sy hosaintsainin-tsika mamaky. Fa mba nankaiza tokoa moa ny fankasitrahana ireny olon’ny tantara ireny e? Sa dia hoe aleo ny lasa homba ny lasa ?

From: Rabesata

Sent: Saturday, February 09, 2008 11:14 AM

Subject: Mba RARINY vé ?

Natao tsy mba mahay mankasitra ve ? isika Malagasy . !  saha minia tsy mahalala ny adidy eo amin’ny firenena sy ny mpiray tanindrazana ?

Dia iray minitra monja no hatao amin’ny namohy ny ainy ho an’ny Firenena

IRAY MINITRA ISA-TAONA HO an-DRATSIMANDRAVA

          Feno 34 taona amin’ity taona ity ny namonoana ny Kolonely RATSIMANDRAVA.

Ny taona vitsy nanaraka dia nisy ny fahatsiarovana azy tamin’ny fomba nanetriketrika nokarakarain’ny Pastora isany RALIBERA sy FETY MICHEL ka nanaovana fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. . Hatramin’ny nahafatesan’izy mirahalahy dia nangina. Toa hadino RATSIMANDRAVA, ilay « tsy hiamboho adidy ».

          Ny SEDODIA no namoha ny ahatsiarovana taty aoriandriana kananatitra voninkazo teny amin’ny tsangambatony teny Ambohijatovo niaraka  tamin’ireo niaraka tany amin’ny Sekoly Saint-Cir sy ireo niaraka taminy tao amin’ny governemanta RAMANANTSOA. Tsy nisy kabary. IZAY NO MAHA IRAY MINITRA  ISA-TAONA HO AN-DRATSIMANDRAVA AZY.

Koa amin’ity  taona ity dia asaina ny mponin’Antananarivo hiaraka hanatitra voninkazo eny amin’ny tsangabaton’ ilay « tsy hiamboho adidy » androany Alatsinainy 11 Febroary amin’ny 11 ora. Asaina manokana ny fianakaviany,  ny  mpiangona ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, ireo niaraka taminy tany  amin’ny Sekoly Saint-Cyr, ireo niaraka taminy tao amin’ny Governemanta RAMANANTSOA.                     

        Ny olona maritiora toy izao dia tsaroan’ny mpiray tanindrazana lalandava. Ny an’ny amerikana ny pasitora MARTIN LUTHER KING izay maty nisy nitifitra dia namoahan’ny Prezida Ronald REAGAN didy ho androm-pirenena tsy iasana anefa andraisan-karama ny alatsinainy isan-taona izay tsingerin-taona nahaterahany, noho ny ady fitovian-jon’ ny mainty sy fotsy hoditra. Ny kolonely RATSIMANDRAVA dia niady hoan’ny « FOKONOLONA no fototra eo amin’ny fitondram-panjakana sy ho amin’ny fiandrianam- pirenena ».

Ny  rariny sy hitsiny dia ny Prezidan’ny Repoblika sy ny Ben’ny tananan’ANTANANARIVO- RENIVOHITRA no tokony hanao izao fahatsiarovana izao.

Izay liana te-hahafantatra bebe kokoa, indrindra ny tanora, dia tokony hamaky « Ny fokonolona », « Nahoana no avondrona ho fokonolona isika » nosoratan’i Pastora Fety MICHEL, « Maty ve RATSIMANDRAVA » nosoratan’i E.D. Andriamalala.

Antananarivo, faha 11 Febroary 2008-02-08

Ny SEDODIA

Sy ny Fikambanana Manaovasoa.

Aoka isika rehetra mba hihetsika hanohitra izany sy hanoratra mitambatra ho an’ny tomponandraikitra Malagasy fa tsy rariny izany .

**********************

Dia izay ny amin’iny Mailaka voaraiko iny. Mino aho fa nahaliana antsika rehetra.