Fandalinako Ny Fifidianana 31 Jolay 2015 #mdg2015 #communales #tnrRV

Tsy ho asiako sasinteny betsaka ity fa ny resaka ato anatiny aza efa ho lava rahateo. Vita iny fifidianana fa inona no azoko lazaina momba azy iny?

DSC_0262

FIDONGIANA
DSC_0257Antony maro no manosika ny olona tsy handray anjara. Na inona anefa na inona no antony tsy nandehanan’ny maro nandatsaka vatom-pifidianana, dia hafatra sahady izany ho an’ireo mpirotsaka hoe misy zavatra tsy lanin’ny vavonin’ny ‘maro’ ao. Araka izany dia tsy afaka ny hiteny koa izay lany fa hoe lanin’ny maro an’isa amin’ny vahoaka. Ekena fa lanin’ny maroan’isa tamin’izay tonga nandatsa-bato, fa tokony ho fantatra ihany koa hoe firy isan-jaton’ilay vahoaka maro an’isa no tonga nandatsaka ny safidiny. Sarotra araka izany ny hihevitra fa ho mamim-bahoaka daholo izay fanapahana hivoaka avy amin’ilay olom-boafidy, na dia natao tao anatin’ny faritry ny ara-dalàna aza. Mety hiteny ianao mpamaky hoe “diso ary tsy manan-jo haneho hevitra ireo rehetra tsy tonga tany”. Efa mariky ny fanehoankevitra ho an’ny mpikarakara fifidianana ny tsy nahatongavany, ary fanehoankevitra koa ho an’ireo mpirotsaka- raha ho hain’izy ireo ny maka lesona avy amin’izany, mazava loatra-

Fohy loatra ny fotoana napetraka hamantarana ny mpirotsaka tsirairay, ka tsy te-hihinana am-bolony ny olona. Naleony lavitra tsy nifidy toy izay hihinan-kena tsy fantatra. Tsy ao anatin’io ireo efa nifikitra sy mifikitra amin’izay efa nandrian’ny fony an-taona maro. Tsy dia naharesy lahatra ny olona loatra ny hoe handeha hamonjy birao ka hanao vato fotsy, sao hono mantsy, hisy lalàna miova eny am-pandehanana (toy izay hita tato ho ato) ka sanatria ny vato fotsy alefa hanampy izay nànana ny maro an’isa.

Ho an’ny hafa indray dia ny fieritreretany fa hanao ny fomba rehetra ny tompom-pahefana hampandresena ny azy, ary ho azy ireo dia toy ny efa fantatra mialoha ny ho vokatry ny fifidianana, antony tsy nandehanany nandatsa-bato. Fandaniam-potoana fotsiny, hono, izany. Tsy anomezan-tsiny azy ireny izany, raha ny hita tamin’izay fomba fanao teto amin’ny firenena hatrizay tokoa.

ANDRO ZOMA

Na dia nambara tamin’ny didim-panjakana aza fa andro tsy fiasàna fa andraisana karama ny Zoma 31/07/2015, nanaovana iny fifidianana iny, dia marobe ireo mpiasa amin’ny Zones Franches, Sinoa, sns… no NOTERENA HIASA. Very zo, araka izany, ireny Malagasy toa ahy sy ianao ireny. Tiako ho fantatra ny andraikitra horaisin’ny fitondràna foibe manoloana izany (ataovy fantatry ny rehetra izay fepetra raisinareo, ampahafantatro amin’ny haino aman-jery rehetra mihitsy), satria tsy voalohany izao no nisy fanimbazimbàna sy faniratsiràna didim-panjakana tahaka izany nataon’ireo vahiny miseho azy ho mifehy ny toekarena eto Madagasikara ireo.

OLAN’NY LISITRA

DSC_0269Ny 15 Aprily 2015 no farany nandalo hatao fanintsiana ilay lisi-pifidianana. Ary herinandro nialohan’ny fifidianana indray ny ankamaroany vao voaray teny amin’ny fokontany samihafa. Nisy aza andro vitsy mihitsy. Araka izany dia sarotra ho an’izay tsy tao anaty lisitra ny hahita hoe voaverina soa aman-tsara tao anaty lisitra ny anarany izay efa nitondràny fanitsana tamin’io Aprily io.
Nisy dia nisy tokoa ny nanao fanitsiana, saingy rehefa tonga ny androm-pifidianana, dia nitonantonana teny amin’ny birao fotsiny niaraka tamin’ity karapanondro sy kara-pifidianana teny an-tànany, fa hay voaendaka tao anaty lisitra indray ny anarany. Ary ny nahagaga ny sasany aza dia ny fianakaviany efa maty sy tsy tao anaty lisitra intsony tamin’ny 2013 no mbola nisoratra tao indray. Tsy lazaina intsony ireo ‘maro an-davaka’ nefa zara raha nisy iray na roa tafiditra tanaty lisitra. Ny an’ny hafa indray, rangahy vadiny efa maty am-bolana marobe no ao anaty lisitra fa i ramatoa mbola velona mirijarja soa aman-tsara, very zo.
Asa na mba noheverin’ireo nisahana iny lisitra iny ny fahasahiranan’ny olona nàka fahazoan-dàlana hanamarina ny anarany tany amin’ny fokontany – ho an’izay afaka nanao izany – sy ny tsy fahazotoan’ny olona hivezivezy lava handany fotoana hanamarina fanindroa, fanintelo sns… ny lisitra, izay raha ny tena marina dia tokony ho efa asa tsy azon’ny fokontany ialàna no sady tsy tokony hisy diso rahateo.
Teto anefa dia tsy an’ny fokontany ny hadisoana satria tsy olony no nanao ny fanisàna sy ny fanaovana ilay lisitra hatramin’ny farany. Olon’ny CENI-T no nanatateraka izany, ary dia betsaka tokoa no very zo. Na ny seketeran’ny fokontaninay aza, tao anaty lisitra tamin’ny voalohany, fa nony tonga ny fifidianana, tsy tao intsony ny anarany. Nihanahana fotsiny teo ambony dabilio ilay ramatoa, izay sady tokony ho mpifidy manana zo, no mpiandraikitra ny fanamarinana ny anaran’ireo olom-pirenena tonga hifidy nilahatra teo anoloany.
Fampielezampeo iray no nandrenesako ity (tsy tsaroako intsony hoe iza, fa raha misy afaka manamarina dia isaorana indrindra): Rehefa ampitahaina ny tomban’isan’ny mpifidy faran’ny volana oktobra 2013, tomban’isa azo avy tamin’ny projection-n’ny isan’ny mponina Instat -…, araka ny tomban’isa nomen’ny Ceni Madagascar, dia hita fa misy mpifidy tombanana hoe eo amin’ny 1 233 510 eo ho eo tsy tafiditra ao anaty lisi-pifidianana (tiako raha misy afaka manamarina ny vainm-potoana lazaina sy ny tarehimarika ao anatin’io zava-boasoratra io). Mampalahelo.

TSY MATOKY :

Mariky ny tsy hafalian'ireo nahazo kara-pifidianana saingy tsy hita tao anaty lisitra tamin'ny ora farany

Mariky ny tsy hafalian’ireo nahazo kara-pifidianana saingy tsy hita tao anaty lisitra tamin’ny ora farany

Tsy omen’ny olona fitokisana loatra intsony ny voka-pifidianana avoakan’ny andrim-panjakana natao hisahana izany. Raha vao resaka fifidianana mihitsy no resahana. Leo ampiesonina amin’ny resaka fampisehoana sy fizaràna zavatra izy, nefa rehefa mandeha ny taona mifandimby, tsy mahita fampanantenana tanteraka antsakany sy an-davany. Nilaza ny hahavita betsaka sy tsara kokoa noho ny teo aloha, nefa aotra no vokatra hita nony tonga eo amin’ny toerana. Sanatria toy ilay ‘mamo nanome toky’, ka nony nisava ny hamamoana, dia toy ny tsy niteny na inona na inona ilay nitokiana. Angamba ve efa manomboka mifoha ny mponina eto Antananarivo? Mety ho diso izay fihevitro izay, satria matoa mbola manao ireny fomba ireny ireo mpifaninana tamin’ity fifidianana Ben’ny Tanàna ity, dia fantatr’izy ireo fa mety mbola hisy hirika hampandaitra azy io. Diso anefa ny kajy ho an’ny sasany.
Any andro, any taona, rehefa tena mifoha tokoa, ka tena tonga saina amin’ny atao hoe politika sy afaka mamakafaka lalina ny vahoaka – tsy Antananarivo ihany, fa Madagasikara manontolo –  dia izay vao hisy fiovàna azo andrandraina ho antsika rehetra.

Vahaolana azo raisina angamba : terena ny olona handatsa-bato amin’ny manaraka. Apetraka ny sazy (ara-pitantanana) ho an’ireo izay tsy afaka manamarina ny antony tsy nandehanany nandatsa-bato (miainga eny amin’ny fkt no ampiharana an’izay) satria toa lasa heverin’ny olona ho zavatra tsy dia misy lanjany ity resa-pifidianana ity.
Rehefa jerena amin’ny ankapobeny ireo birao vitsy mba noteteziko tamin’iny andro iny, dia zara raha nahatratra ny 30% ireo olona tonga nanatanteraka ny adidiny isaky ny biraom-pifidianana (Ankadifotsy I- Ankadifotsy II- Behoririka – Andravoahangy I).

VOKA-PIFIDIANANA

DSC_0334Raha tsy misy ‘miracle’ sy zavatra hafa tsy takatry ny saina, dia tsy hiova intsny ny voka-pifidianana ho an’Antananarivo RV. Lany ary tolorana arahaba ny mpirotsaka Lalao RAVALOMANANA.
Tsy aritro anefa ny tsy hiteny ity ahiahiko ity: toa tandindon’ny tantara tamin’ny 1991-1996 nanjo ny AREMA ity fifidianana Ben’ny Tanàna, 31 Jolay 2015, ity. Tamin’izany fotoana rehefa nahilika RATSIRAKA, ka nomena ny hafa ny fitondràna ny firenena, dia nomena vintana fanindroany hanitsiany ny diany izy. Efa fomban’Antananarivo foana koa moa ity mikisaka manakaiky izay henjehina ity. Saingy haintsika ny tohin’ny tantara, fa taona vitsy taty aoriana, naloan’ny vahoaka indray ingahy RATSIRAKA. Ny tiako hahatongavana dia hoe: nisy fotoana nitondra fanjakana ny fianakaviana RAVALOMANANA, nisy ny nety, ary nisy ny tsy nety. Matetika dia ny tsy nety no mibahana indrindra amin’ny fisainana sy fijerin’ny olona ka mahatonga ny fanonganana sns… Fa izay nety dia voasarona àny. Fiainana iainantsika isanandro izany, ary iarahan’ny rehetra mahalala. Amiko dia lany noho ny ‘anarana’ sy ny ‘antoko’ nisalorany izy. Tsy misy maharatsy izany. Saingy raha sanatria ka mibolilalila fitondra eo izy, dia hisy fiantraikany ho an’i Marc RAVALOMANANA amin’ny 2018 izany. Mila mandray lesona avy amin’ny valim-pifidianana rehetra ho voaray manerana an’i Madagasikara araka izany. Tsy ho azy irery anefa io mila maka lesona io, fa hatramin’ny HVM izay noverezin’ny hafa lavitra mihitsy tamin’ny ankapobeny – na dia nisy aza toerana sasany nandreseny –

FIARAHA_MIASA

Katsaho izay ho fiaraha-miasa matotra, na io miaraka amin’ny mpitondra foibe, na ireo izay tsy mitovy hevitra nifaninana tamin’ny tena, ka tsy ho fialantsiny aroso ho an’ny vahoaka indray ny hoe ‘gafy ataon’ny fitondrana, fingampingana nataon’ny mpanohitra’ no tsy nahatanterahana ny tetikasa hanatsarana an’Iarivo. Izaho manokana mantsy aloha, talohan’ny fifidianana teo , dia tsy mbola nandre amin’ny antsipirihany izay tetikasan’ilay mpirotsaka lany ho Ben’ny Tanàna.
Hatrany am-boalohany dia zavatra efa notakiako tamin’ireo mpirotsaka ny hoe ‘iza no sahy hilaza fa hanàla ny mpivarotra amoron-dàlana (enta-madinika sy fiara) sy hanadio ny tanàna amin’ity resaka fako ity…Santionany ihany tamin’izay zavatra notakiako ireo. Ity resaka fako ity, mety ho mora ihany ny hamaha ny olana, fa ilay fanesorana ny mpivarotra amoron-dàlana no tena mba ho arahako akaiky ny fanatanterahana azy, satria dia sady manimba endrika ny tanàna no manelingelina ny mpiaramonina, amin’ny faritra rehetra misy azy ireny. Tsy hafa amin’izay koa ny resaka fiantsonan’ny fiara.
Hiaraka hiasa izany izao na ny lohalaharana na ny mpifaninana taminy. Aoka ny mpandresy tsy hihanjona ka hanambòny tena sy hilanja loha fa hoe azy izao ny tanàna, ka tsy mila mandray ny hevitry ny hafa, ary aoka koa ny resy mba hahay ‘hipetraka’ ary haneho fahavononana hiaraka hanatsara ny fiainam-bahoaka ao anaty hitsim-po madio. Avelao any izay fifanaratsiana teny an-kianjan’ady teny, fa ady hafa izao no mila iarahanareo roa tonta miatrika. Ny iray hitoetra ho ray aman-dreny lehibe, ny ankilany haka ny toeran’ny zanaka hendry, ka tsy hanara-poana koa anefa, no sady koa tsy hanao bontolo amin’ny fomba fanitsiana tokony hatao. Ny kiana dia kiana tokony ho fanatsaràna, ary ny kianina tokony hahay mijery sy mandray izay kiana hita fa mety sy mitombina. Tsy hitondra antsika ho aiza ny fifanolanana sy fifanenjehana lava eto. Ary aoka tsy hisy ny fitondràna mitanila araka izay ho hitantsika sy hohenoina etsy ambany. Ampitovio ny fitondra ireo boriborintany rehetra, na nahazoana vato betsaka, na tsia, satria ho azy ireny no nahalany anao, fa tsy ho an’olom-bitsy nifidy anao ihany. Sao dia ho sary hafa no ho hitan’ny vahoaka rehefa amperinasa ianareo: sanatria tsy hisento ny vahoaka hoe ‘hay toerana fotsiny no notadiavin’ireto!’. Ampiharo mandrakariva ny mangarahara amin’ny endri-pitantanana rehetra.
Raha ilainareo roa tonta hiaraka ao aza ny mampiasa jadona (iraisana) mba ho entina manarina ny gaboraraka eto amin’ny tanàna, dia ampiharo rehefa hita fa hahasoa ny vahoaka. Katsaho izay fomba hampiraisanareo ny vahoaka nanaraka tao an-damosinareo, fa raha mbola ianareo lohany no matsatso sy variana hifampihantsy lava eo, dia tsy ho gaga isika raha hifampihantsy sy hifanompa lava koa no hataon’ny mponin’Antananarivo. Atsaharo ny fizahozahana sy ny fidedahana ho ‘favori’ na manam-pahaizana. Sy hampandroso antsika izany. Fa ny maha-favori ny andaniny + ny maha-manampahaizana ny ankilany no ento hampandroso.

AHIAHY TSY IHAVANANA

Ahiahin’ny sasany amin’ireo tsy mpomba ny Ben’ny Tanàna vao lany – mbola tsy ofisialy hatreto – ny hoe ‘sao lahy ka rehefa tonga eo amin’ny fitantanana, dia ny hanonitra ny fahavoazana nanjo ny orinasam-pianakaviana no ho hazakazaka voalohany hatao!’ Manantena anefa aho fa ho olon-kendry izany hitantana tanàna izany, ka tsy sanatria hanatanteraka tokoa ny teny nolazainy nandritry ny alin’ny nahafantarany tamin’ny fomba tsy ofisialy fa azony ny fandresena. Ilay mibolisatra kely tahaka ireny mantsy, mety kely tokoa amin’ny hafa, fa zava-dehibe tokoa ho an’ny hafa mandinika akaiky ny raharaha.

FANAMBARANA TAORIAN’NY FANDRESENA

Maro ireo milaza hoe vaovao tsy marina hono ilay fanehoan-kevitra nataon’ny ben’ny tanana vaovao omaly. Averiko eto ilay Declaration an’i Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana, araka izay nilazany azy. » ……………arakakaraky ny pourcentage azoko eny amin’ny arrondissement no hanaovako ny asa……………….. »

by Noaheninkaja Vonin’Aina Herimonina Rakotomanantsoa on samedi 1 août 2015 – Facebook

AN’IZA NY TSINY

Ny lisitra ary ve izany no homena tsiny, sa ny safidy tsy handeha hifidy ka nahatonga ny taham-pandraisana anjara ho ambany be ? Betsaka no nanakiana mivantana sy tsy niolankolaka ny CENI-T tamin’ireo tsy fahatomombanana maro tsikaritra nandritra iny androm-pifidianana iny.
Ny fokontany no tokony nampiandraiketina ny fanisàna sy fandrafetana ny lisi-pifidianana (dingana voalohany), vao miditra aty aoriana ny anjaran’ny CENI-T araka izay tandrify azy rehefa avy natao ny fanamarinana rehetra. Ahoana moa no mba aneken’ny saina ny hoe ‘nahazo kara-pifidianana ianao’ dia nony tonga hifidy dia hoe ‘tsy ato anaty lisitra ny anaranao Madama’
Tsiny hafa koa ny tsy fisian’ny vata fandraisampeo tany anaty birao sasany, ka tsy nahenoan’izy ireo ny toromarika. Noho izany dia isan’ny fanapahana iray niteraka olana be ny fampitàna avy amin’ny CENI-T izay miovaova eny am-panidinana eny, toy ny hoe azo ampidirina atao ‘AJOUT’ ny anaran’ny tsy ao anaty lisitra (ary dia nisy nanatanteraka tokoa), nefa aty aoriana indray dia nofoanana. Dia ahoana? Maty ve izany ilay lisitra sy ny birao nisian’izay? Toa kilalaon-jaza izy ity an!

HO AN’NY TSIRAIRAY

Aza adino fa ny Ben’ny Tanàna dia Ben’ny Tanàna ihany. Manana izay programany izy, fa ianao vahoaka tsy mandady harona io, raiso koa ny anjara tandrify anao. Marina fa tsy hampiditra vola any am-paosinao ny olona lany eo, fa ny hàka aza no hataony (tsy fanenjehana io fa sao any indray no haneho hevitra ny fanatika an). Ilainy ianao handoa ara-dalàna ny hetra mba hanatanterahana ny asa, dia aloavy raha fantatrao fa izay no izy. Misy foto-drafitrasa efa mipetraka eny rehetra eny, tsarovy fa io hetra lazaiko io no nanaovana azy ireny. Izany hoe vola tany ampaosinao ihany. Tompony ianao araka izany, ka fadio manomboka izao ny toetsaina tia manimba izay mba tsara vitan’ny teo aloha. Ny mampitombo izany amin’ny alàlan’ny tsara avy amin’ny tsirairay no ilofosy. Iza no hizaka ny fahavoazana aterany? Isika tsirairay ihany. Indrindra fa ny taranaka ho avy

HADALANA HITA SY RE

Re avy any Ambohimanga –Fokontany Soavinimerina fa nisy kandidà mandeha amin’ny anaran’ny tenany nitondra olona tsy anaty lisitra mba hifidy, saiky hanararaotra ilay hoe afaka manao ‘Ajout’ voalaza tery ambony

VAZIVAZY SISA

Rehefa tsy tao anaty lisitra ny olona sasany dia naleony sisa nanara-maso ny zava-nitranga,  no sady nivazivazy ihany hoe: aleo miandriandry kely fa sao mba tafiditra anaty 2ème liste après délibération e!
Hoy indray ny sasany nanao vava tsy ambina hoe: Dia vitao ao ny anareo fa na ho inona na ho inona koa anie, tsangan’olona ny anareo no fidiana fa tsy tsangan’asa e

FEHINY

Raha 30% toy io hitako io no tena taham-pahavitrihana ho avoakan’ny CENI-T tamin’iny fifidianana iny, aoka tsy hihevitra ho lanim-bahoaka izay lany. Fa fotsiny lanin’ny maro an’isa tonga nifidy. Misy maha-samihafa azy izany satria ny ‘mpibodo fifidianana’ no betsaka tsy nandeha nifidy, ary efa manana ny mpifidy raiki-po aminy tsy miova ny TIM, izay mazava loatra fa tsy hamela irery ny mpirotsaka tohanany.
Tokony hahatsapa ny CENI-T fa kitoatoa sy tsy tombombana iny fifidianana iny.
Ho anareo HVM: afaka hakànareo lesona ny zavatra niseho rehetra sy ny vokatra nanerana ny Nosy. Manana notoriété ve sa tsia ? sns… Ohatra fotsiny ny tao Sabotsy Namehana sy SAMBAVA
Ny MAPAR, mety hihevitra ianareo fa duel entre TIM sy MAPAR no tena niseho, tsy olana izany, ary toa marina,  saingy raha mbola te-haka ny fon’ny olona, ovay ny famindra.
Ho anareo tsy tao anaty lisitra teo. Aza adino ny manamarina akaiky ny momba anareo any amin’ny fokontany manomboka izao, fa tsy rehefa tonga indray ny amin’ny manaraka vao hikamenona eto isika mianakavy
Ho anareo zatra tambatambazana amin’ny fety sy vola tsy mahavita firy andro akory, mandiniha amin’ny manaraka, fa ny vola tsy hangidy rahoviana.

DSC_0331Fanehoankevitra mifandraika amin’ny lahatsoratra: ato ny an’ny WYLD sy ny Liberty32

Publicités

TIM – Raharaha MADAGASCAR MATIN

Aoka tsy ho diso fihevitra fa tsy resaka antoko no tiana holazaina amin’ny lohateny
TIM, entina manafohy ny hoe ny Teo Ihany no Miverina, na mety ho manao bebe kokoa noho ny teo alohany aza angamba.
Ny tiana hasiana resaka ve? Tsy inona akory fa ny resaka fahalalahana maneho hevitra, mampita vaovao, maneho hevitra.
Namoaka taratasy avy amin’ny mpamaky ny gazety Madagascar Matin. Vokany: Voaantso teny amin’ny Zandary misahana ny fikarohana Heloka Bevava ny mpanao gazety tao aminy; talen’ny famoahana sy ny Tonian-dahatsoratra.
Taorian’ny fanadihadiana dia naiditra am-ponja vonjimaika ao Antanimora izy roalahy ireo, noho ilay taratasy voalaza fa niresaka andramena, ary nahavoatonona anaranà minisitra tao anatiny.
Ny fanontaniana apetraka amin’ny rehetra mahatsiaro ny tenany ho mpanao gazety izany izao dia ny hoe: Hiforitra noho ny tahotra ve, sa hanoratra mikasika ity raharaha ity amin’ny saina tony sy tsy misy tahotra, mba havoaka amin’ny famoahana rahampitso?
Fotoana efa naharitraritra ihany mantsy no nahitàna fa hiverina ity famoretana ny fahalalahana maneho hevitra ity.
Misy ny fivoriana handinihana ny resaka code de la communication any Antsirabe any amin’izao alina anoratana izao. Hanohy ny dinika ihany va re sa haneho firaisankina amin’ireo namana voatàna am-ponja?
Rahampitso isika mahita azy

Ambohijatovo 28 Aprily 2012 (#28042012)

Aty am-piandohana dia isaorako manokana i Carene R. nampindrana ahy ny sary rehetra miasa ato anatin’ity lahatsoratra androany ity. Tsy mba isan’izay afaka nanatrika teny  fa nandalo monja mantsy ny tena noho ny famaliana antso hafa nifanindry.

Izay no ela fa dia hiditra amin’ny votoatiny ary isika e.

Tanteraka tokoa moa izany ny famoriam-bahaka teny Ambohijatovo, nokasain’ireo Parlemantera avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana hanaanterahana tatitra ho an’ny vahoakan’Antananarivo. Ny famoriana olona no tanteraka fa tsy ny fanaovana tatitra akory. Tsy azo notsinontsinoavina ny hamaroan’ny olona tonga teny raha ny hitako tamin’ny fotoana niseranako teny an-toerana. Olona feno fahavononana, ary niandry tanaty fahatoniana tanteraka ny fahatongavan’ireo mpitarika nilaza hanao tatitra. Satria na ireo fiara mpitatitra aza dia mbola afaka nizotra tam-pilaminana tanatin’izany vahoaka izany.

Afaka nizotra milamina nanavatsava ny vahoaka ireo fiara mpitatitra

Ampahany amin'ireo olona marobe tonga teny. Tsy hita eto amin'ny sary kosa ny aty amin'ny manodidina ny Fiangnana Advantista Mandrosoa Ambohijatovo sy ny Camp RM1

Tany am-panatrehana fihaonana hafa tany ny tena no nandre sy nahazo tatitra amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera (twitter sy FB), fa rehefa tonga ny tokony ho tamin’ny roa ora mahery dia nivonona hiakatra an’Ambohijatovo i Mamy Rakotoarivelo. Tsy ela taorian’izay dia nirefotra ny entona mandatsa-dranomaso. Raikitra ny ‘ento aho ry tongotro‘ sy ny ‘Sakano, sakano‘.

Ireo entona nalefa ka niteraka fahasemporana sy faharatrana teny an'ivon'ireo mpanotrona

Nifanjevo nanomboka teo ny filazana isa: nisy ny niteny fa maro no naratra, be ny sempotra, misy ny voasambotra. Raha ny voalazan’ny HJRA dia 3 no olona naratra noraisiny. Tsy haintsika ny tany amin’ny toerana hafa. Ny tao amin’ny Antsiva indray nanambara fa 3 no olona voasambotra. Toa isa hafa noho izany anefa no voalazan’i Mamy Rakotoarivelo raha niverina teny amin’ny kianja MAGRO Behoririka hoy ny olona tafaresaka tamin’ny tena.

Ny tsikaritra teny Ambohijatovo dia efa niantrana teo daholo ireo fiara raitra sy vaovao azon’ny mpitandro filaminana. Toy ny efa mahazatra hatrany rehefa heno fa hisy hetsi-bahoaka. Dia nitsiriritra teo ny maro, ka samy niteny anankampo hoe: Raha mba ireto izao no nentina nisafotnanasy manao ‘la ronde’ isan-kalina an! Fa tsy hatao fandravana hetsika isaky ny mivoaka ny toby, dia angamba mba handry fahalemana ihany ny tanàna1″ Saingy sentosento tsy nijanona ela izany fa nosomparan’ny entona manempotra, ka zary toa nofy ratsy ihany.

Mba mandalova aty amin'ny tanàna fa mijaly zahay amin'ny mpangalatra eeee!

Toa fantatra sahady koa anefa ny mety ho valinteny ho azo raha hangataka an’izay amin’ny tompon’andraikitra ianao: Ny fiara misy, fa ny solika no tsy maharaka. Tsy mahagaga araka izany raha tany Toliary tany nisy  flàna vonjy tamin’ny mpitandro filaminana, tsy nihetsika izy ireo fa hoe tsy misy solika, ka na ny mpila vonjy no maka azy amin’ny fiara, na mividy solika ho azy.

Fa mandeha be koa ankehitriny ny resaka fa hoe sarin’ady no nataon’ingahy Mamy Rakotoarivelo teny Ambohijatovo, fa raha ny sitrapony dia efa nipetrapetraka tany amin’ny toeram-piadanany  tany fotsiny. Toy izao ny ampahany tamin’ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin’ny pejy Facebook, entina zaraina amintsika momba izay, Ary narahana sary mihitsy moa izy io:

Mamy appelle les gens à manifester à Ambohijatovo et lui il est tranquille et détendu au TV+ avec Andry Rajoelina EN PERSONNE.Prenez pas les gens pour des cons les gars

  • Andry Niaina RakotoarisonI don’t see the problem: that it remains with Andry Rajoelina,…, or that he left TV+,…, it doesn’t change anything,…, the moment that Ra8 be silent!

  • Nadia RaonimanalinaMahery Lanto Manandafy< aza mapme oa, amin’ny 1 vao manomboka ny eny Ambohijatovo e, az dia mapirohoroho sain’ny olona kosa e. Ny an’ny TV plus matinée ihany….
  • Samedi 28 avril 2012 :Concernant l’évènement d’aujourd’hui, nous sommes très étonnés de trouver ce genre de photos dans le forum du TIM MADAGASCAR…Nous estimons que tout ceux qui aime le PRM doivent le savoir…charge à vous de porter vos commentaires…

    Sary tao amin'ny Tranonkala TIM

    • Tita Ramanandraibe ontrany nampiakatra ny afoko nge le nataon’i Mamy androany iny e.Vetivety teo de tsita tampoka.
    • Mahery Lanto Manandafy Mamy Rakotoarivelo est un connard, rien d’autre, et il y en a encore qui trouve normal qu’il se la pète avec le PT, AU MEME MOMENT OU IL APPELLE LES GENS A VENIR SE FAURE CASSER LA GUEULE A AMBOHIJATOVO,
      Moi j’appelle ça faire la pute, et rant pis pour ceux qui sont pas contents, rien à cirer
    • Tita Ramanandraibe Zay mintsy!ze vandana de kary!NY TSARA @ TSIKA MANAO 1 SY 1 @ FOZA AMIN’IZAY

Tandremo ihany zalahy fa efa mitady handady anie izany trambon’ny ady an-trano izany e. Nefa izay mihitsy no tadiavin’ny sasany. Iza no hahita tombontsoa amin’izany? Tsy izaho aloha e, ary tsy iriko ho hitan’ny taranaka fara sy dimby akory.

Hijanona eo va re ity resaka ity sa mbola hitohy? Asa fa dia hiaraka hahita isika rehetra.

Ririnina no miandry antsika rehetra, nefa tsy nahasakana ny hetsiky ny mpomba an-dRavalomanana tsy hafana izany omaly.

Masoandro miposaka eo amin’ny fiainany no tadiavin’ny Malagasy tsirairay, koa raha tsy mitodika amin’izany lalan-jotra izany no fomba fitondra, dia tsy atao mahagaga raha mahita vahoaka mitroatra.  Ahoana tokoa moa no hahazakàny hijery isan’andro ny tsindry hazolena atao aminy sy ny taranany? Ny asa tsy misy, ny hanina zara raha misy ahiditra am-bava, ny ankizy tsy mianatra fa toa ireo nantenain-kanirina no mampivandravandra ( mbola apetrako ilay ilay fanontaniako tany aloha tany hoe, Mba ohatrinona ny vola raisin’ny mpiasan’ny Zone Franche no toa mbola tsy maty ihany izy ireny, nefa ireto mpampianatra misosa aminà fiara, tsy mahalala noana, sy mandray karama aminà tarehimarika 7 no mbola hilaza fa tsy ampy ny azy) Dia miseho lany etsy sy eroa ny fitakiana maro samihafa, izay tsy hita homena tsiny, satria ny hafa nangataka, nahazo, ary tsy misy mangataka voan-tehamaina rahateo koa mantsy hono eeeee

Iza no tompon’ny fahefana? Ary iza no tompon’ny vahoaka? Tsy anjarako ny hamaly an’io, saingy tokony hisaina ihany izay mihevitra ny tenany ho tompon’ny fahefana fa ‘indramina anie izy io e’, ary na ho ela na ho haingana, ary na iza na iza no mbola hitondra, dia tsarovy fa tsy maintsy hamerina ny ‘omby volavita’ izay an’ny hafa fa tsy anao akory. Mpiandry omby no toerana misy anao eto fa tsy tompony, koa tandremo ihany lahy ny hetraketraka.

Eo ampiandrasana izay fifidianana (raha hisy amin’ity taona ity) sy ny andro natokana erantany ho an’ny fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety ( raha halalaka tokoa), dia tsara ny manamarika fa tsy hisy sendika ho sahy hanao fanehoan-kevitra an-dalambe izany amin’ny 01 May. Mba inty aho eto! Efa hafatra mialoha sy mazava be ireny teny Ambohijatovo ireny.

Avela eo iny aloha fa mbola ho tantara mitohy, ka sao tsy hisy hambara any aoriana. Fa mamerina hatrany ny fanampian’ny namana Carene R omaly isika rehetra. Azonao atao koa ny mahita azy ireny ao amin’ny pejiny Facebook. Sary izay tena mazava tsara sy  miteny betsaka noho ny teny an’aliny aza.

Fampidirana sahady: hiresaka ny MIZANA TSINDRIAN’ILA ATAON’NY MPITONDRA ISIKA AMIN’NY LAHATSORATRA MANARAKA, na ilay antsoin’ny teny frantsay hoe 2 poids, 2 mesures.

Sakoroka androany 10 Novambra 2010

Dia raikitra indray ny sakoroka androany 10 Novambra 2010, taorian’ny nandraràn’ny prefektioran’ny polisy tsy hampiasan’ny Ankolafy Telo avy etsy amin’ny MAGRO ny kianja MALACAM Antanimena. Raha ny filazan’ny nanatri-maso ny fiandohany dia tany amin’ny 12 ora antoandro tany no nanomboka ny fangalam-piery.

Nisavoritaka tsy nisy hoatr’izany ny fifamoivoizana teto Antananarivo renivohitra, ka samy nitady làlana izay azony hanavotana ny ainy ny rehetra, na olona io na mpamily fiara. Nanery ireo mpamily fiara hianika an’Ambatonakanga sy Antaninarenina ny zava-misy.

Niova làlana nankany Amparibe sy Mahamasina ny taxibe

Fa izay tiana ho tsindriana fotsiny dia ity fanimbàna zavatr’olona sy famotehana ny fananan’ny hafa atao rehefa isak’izay misy fihetsiketsehana ity. Fiara roa (lazaina ho ana teratany karana avokoa) no nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana androany.

Fiara nodorana teo anoloan'ny Kolejy Saint François Xavier Annexe (Notre Dame teo aloha) - Antanimena ambany - Karana iray no tao anatiny

Ny iray tetsy Antanimena ambany, nanoloana ny Kolejy Notre Dame, raha teo amin’ny sampanana akaikin’ny foibe ara-tsaina Arabo Libiana teo aloha kosa ny faharoa

Teo amin'ny sampanana manoloana ny foibe ara-tsaina Arabo Libiana taloha - Fiara avy nàka zanaka karàna avy nianatra

Feo heno tety ihany koa moa ny hoe

Mila mandoro fiara isika, atao hitan-dry XXXXreo

Natosiky ny mpitandro filaminana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso aloha ireo mpanimba zavatra,

nalefa ny baomba mandatsa-dranomaso mba hanosehana ny olona

Vonoina sao hitera-doza, eny fa na dia ho an'ny fahasalamana fotsiny aza

ary rehefa avy eo dia nisy mpiasan’ilay tobin-tsolika nitondra famonoana afo mba hamonoana ny afo sisa tsy maty famin’ilay fiara nodoran’ireo mpanimba zavatra.

Tsy nijanona tamin’ireo ny fandoroana fa hatramin’ireny trano hazo kely napetraka ho fanatanterahana asa teny anivon’ny zaridainan’Antanimena ireny koa aza dia lasibatry ny afo.

Ilay tranohazo teo an-jaridaina afovoany Antanimena

Ny aza sendra ny mifanena tsy nahy tamin-dry zareo aloha fa dia mety hanidina ny « pare-brise » e!  – 4L taxi sy Jeep Cherokee ana teratany vahiny no niharan’ny setrasetra sy ny fanimbàna teny Antanimena nandritra ity andron’ny 10 Novambra 2010 ity.

Raha ny filazan’ny sasany tamin’ireo namana tafaraka teny mantsy dia nisy izany lehilahy vaventy iray izany rehefa nivoaka avy tao amin’ny MAGRO, dia efa feno rà ny tànany. Tsy fantatra hoe naninona, ary ràn’inona, na ràn’iza. Rehefa tonga tety an-dalam-be, hono, io ranamana io dia tsy nanao afa-tsy ny nila vaniny tamin’ny fiara sendra azy, ary isan’ny namaky ny fitaratry ny fiara iray teny amin’ny manodidina ny toerana nifamorian’izy ireo. Teo Andravoahangy ambony tsy lavitra ny tetezana no nisy iray tratran’ny toy izany, ankoatry ny sasany teny amin’ny manodidina ny MAGRO sy Antanimena. Tsara ihany araka izany ho an’ny mpamily fiara ny mba mihaino vaovao fa tsy ho faly rotsorotsian’ny hira fotsiny eny an-dàlana eny, ka tafalatsaka anaty kizo vao taitra. Maro amin’ny mpamily mantsy (indrindra fa ny taxibe, toy ity 183 ity) no tsy tia mihaino resadresaka amin’ny fampielezam-peo, fa raha vao izay no mitranga dia kinga ery iny tànana iny mamadika onjam-peo mitady hira. Hay vidiana lafo ihany ny hirahira fa dia mampatory saina tokoa an!

Mba henoy amin'ny sisa ny fampielezam-peo fa aza dia sondriana amin'ny hira fotsiny e!

Zavatra tsinjo tetsy Behoririka akaikin’ny « Look’s » ny fahasahiana diso tafahoatra nananan’ny sasany tamin’reo mpanao fihetsiketsehana, satria dia voalazan’ny mpitandro filaminana iray nanao fanamiana sivily miara-mitankosona amin’ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanangom-baovao, fa nisy lehilahy iray nitondra fitaovam-piadiana tao anatin’ireto farany. Efa naparitaka moa ny mombamomaba an-dranamana, ny fitafiany manomboka any an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany, saingy tafaporitsaka ny anao lahy

segondra vitsy taorian'ny nadalovan'ireto mpandalo ireto dia nisy vato natota sy kesika natsipy avy tany ambony tetezana. Saiky loza

Feo re teny an-toerana ihany koa no nahalalàna fa hiandry ny andro maizina ireto mpanao hetsika ireto (na mety ho ny mpanararaotra) mba hamerenana eto Antananarivo ny zava-nitrana tamin’ny 26 Janoary 2009. Ary mety ho ny OPK no ho itarihana azy. Feo re teny antsefantsefam-bohitra teny daholo izany ampitaintsika eto izany.

Raha izany no nitranga androany, mba hanao ahoana re ny fihantsiana nataon’i Monja Roindefo ny amin’ny tsy maintsy hihaonany amin’ny vahoakan’Antananarivo amin’ny Sabotsy 23 Novambra 2010 e?

Dia izao tokoa ve ilay hoe tsy avela hisy fitsapan-kevi-bahoaka izany eto na ho inona na ho inona?

Sadasada manan-tsoratra ihany tokoa aloha ilay ho fitsapana hevitra e! Ary ny mahavalalanina ny maro dia ny filazana zava-bita etsy sy eroa, na fampanantenana zavatra hatao mandritra ireny fitsidihana ofisialy ataon’ny mpikambana ao amin’ny HAT isaky ny faritra ireny – ankoatry ny hoe fanazavàna ny votoatin’ilay volavolan-dalampanorenana. Ny zavatra toy izany mantsy no efa nanakianana ny teo aloha, ary tsy lanin’ny vavonin’ny vahoaka, nefa dia mbola TIM (ny Teo Ihany no Miverina) hoy ny maro.  » Am-bava homana, am-po mierotra  » hoy ny ohabolan’ny Ntaolo.

Rehefa tsy milatsa-dranomaso noho ny baomba, dia tsy mifankahita noho ny setroka doro fiara

Mainty noho ny setroka doro fiara ny lanitr’Antananarivo androany hariva, ary mbola nanakoako teny Behoririka sy Andravoahangy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso hatramin’ny 7 ora sy sasany hariva  tany ho any.

Tsy tsara ho an'ny marary tratra ny nandalo teto

Sempotry ny setrok ireo trano teto amin'ny manodidina. Tsy lavitra tobin-tsolika SHELL koa ilay firehetana

Raha tsy niova ny zavatra hita talohan’ny ora nialàna teny an-toerana dia 3 lahy 2 vavy no voasambotra ka isan’izany ireto

ireo 2 lahy efa tafiditra tao anaty fiara

ilay iraikalahy fanintelony nenjehina hatrany anaty tranon'olona

Fanampim-baovao:
Fetison Andrianirina sy Lalatiana Ravololomanana ary Yves Aimé rehefa tonga tao amin’ny MAGRO ka nilaza tamin’ny mpomba azy fa hifampiraharaha amin’ny mpitandro filaminana
dia novalian’ny olona fa  tsy misy an’izany, toa izahay vahoaka foana no arosonareo, nefa avy eo tsy hita ianareo

Tohiny: tsy hita vetivety teo ireto mpitarika ary tsy voafehy intsony ny olony.

Rehefa naparitaka ireo olona avy ao Antanimena dia nizarazara ny làlany ka nisy ny rantsana nankany Analakely ary nikasa handoro ny Lapan’ny Tanana vaovao, izay 38 taona mahery taty aoriana vao nisy nahavita namerina indray. Raha tara kely foana ny mpitandro filaminana dia efa « vita matavy » ilay Lapa satria efa tonga teo an-toerana ny tavoahangy plastika nisy lasantsy.

TV Plus Madagascar: Nisy ny andian’olona, izay nahitana vehivavy, nitarika sy nandrindra ny asa fankorontanana natao teo Behoririka, hoy ny olona iray miasa eo akaikin’ny faritra nitrangan’izany, no sady nandre sy nahita maso ireto andian’olona ireto, saingy noho ny tahony dia tsy sahy naka sary fa nitadidy kosa  ny amin’ireo olona ireo (efa nampitain’ny TV Plus Madagascar tamin’ny vaovaony ny andron’ny 10 Novambra 2010 ny mombamomba ireo olona ireo, niaraka amin’ny fitantaran’ilay vavolombelona)

Ambohijatovo: Nirefotra indray ny lacrymogène

Tafiditra teo Ambohijatovo ny mpomba an-dRavalomanana omaly. Nazava ny amin’iny satria nahazo taratasy fahazoan-dàlana ara-dalàna avy amin’ny mpiadidy ny tanàna ry zareo.

Rehefa nandeha nody anefa dia nisy ny fifandranitana teny an-dàlana, izay niafara tamin’ny fifampikasihan-tànana. Niteraka ratra ho an’ny andaniny sy ny ankilany izany iny omaly iny.

Re tamin’ny haino aman-jery isankarazany ny harivan’iny [sy araka ny fanentanan’ireo mpitarika teny an-kianja ihany koa] fa hijanona eo Ambohijatovo ny hetsika ataon’izy ireo hatramin’ny Sabotsy 13 jona.

Dia tonga teny tokoa àry ny olona, nefa efa teny an-toerana ihany koa ny mpitandro filaminana anaty Fiarabe niambina ny faritra.

100_1175

Efa nomena ny Ministeran’ny Kolontsaina hikarakaràna hetsika ho an’ny ankizy ho fitsenana ny fetin’ny fahaleovantena mantsy ny kianja Ambohijatovo manomboka eto ka tsy misy fahazoan-dàalana hafa azon’ny mpiadidy navoaka intsony mandritra ity volan’ny ankizy ity.  Aorian’io indray vao azo atao ny fifampidinihana amin’ireo izay mila manao hetsika eo.

Tonga maraina teny ny mpitarika (Randrianatoandro) ka nitaona izay tratrany teo hamonjy an’Ankorondrano (MAGRO) satria tsy azo atao ny miditra hanao amboletra tao anaty kianja. Niaiky izy fa taratasy lany andro no teny aminy. Ary izay mijanona eo tsy manaraka azy dia tsy olony fa mpanakorontana.

Fotoana elaela taty aorian’io koa dia tonga teny i ‘Satrobory’ ary nifampiraharaha tamin’ny kolonely iray.

reverend Ndrianalijaona 'Satrobory' mifanazava amin'ny mpitandro filaminana

reverend Ndrianalijaona 'Satrobory' mifanazava amin'ny mpitandro filaminana

Nitondra taratasy ingahy io nasehony ny mpitandro filaminana. Dika mitovy (photocopie fa tsy ny tena izy). Rehefa nojerena tsara anefa ny taratasy dia efa lany andro, satria voasoratra mazava tao, ary voatsipika mena fa natao ho an’ny andron’ny 11 jona ihany ny fahazoan-dàlana nangatahana.

100_1177

Nitsotra tamin’ireo olona nanatona nihaino azy ingahy Reverend ary niaiky ampahibemaso fa azy ireo (mpitarika) ny hadisoana. ‘Tsy nitandrina izahay’, hoy izy. Ary dia nentaniny ireo olona efa nitangorona teo mba hamonjy an’i MAGRO.

100_1180

Nampanantena moa ny mpitandro filaminana fa tsy hikitika ireto vahoaka ireto raha am-pilaminana sy tsy manelingelina ny filaminan’ny hafa ny zavatra ataony. Nilazàn’izy ireo àry i Reverend mba hitondra ny olony hiala ny faritra. Nanaiky ity farany. Saingy ireto olona niangaviana hamonjy an’Ankorondrano kosa no tsy nety nandeha avy hatrany fa hoe ‘aleo aloha ho betsaka kokoa ny olona vao miainga’.

Lasa ingahy Reverend, ary ireto olona tavela kosa rehefa nahavory maromaro ho namany, dia nanomboka nihogahoga sy nihantsy mpitandro filaminana.

100_1182

Rehefa nandeha ny minitra sy ny segondra dia efa nanomboka voahodidina ihany ny mpitandro filaminana (na dia tsy tena voafefy tanteraka aza). Nahitàna olona nivorivory teo anoloan’ny tsangambato MDRM, teo amin’ny arrêt bus avy any amin’ny tunel, tery ambony akaikin’ny TELECEL taloha.  Izany hoe raha mitambatra ireo dia ho voahodidina eo ambavahadin’ny kianja Ambohijatovo ireo mpitandro filaminana sy ny fiarabeny.

Niroso àry ny mpitandro filaminana nanatona ireo andian’olona nivorivory teo anoloan’ny faritra nitobian’izy ireo, ary rehefa nitohy ny hogahoga sy ny fihantsiana, niharo teny ratsy sy ompa, hatramin’ny fitorahana BIG BOSS, dia nirefotra koa ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany teo Ambohijatovo.

Nanomboka ny fandosirana. Tsy nisy kosa anefa ny fanenjehana aloha hatreo.

Noho ny baomba lacrymogène iray nidona tamin’ny taribin-jiro JIRAMA dia nivily làlana ka namaky fitaratr’olona teo akaikin’ny College de France. Tafiditra tany anaty trano araka izany ny baomba ary dia tao no nijolofotra.

100_1191

Voatery niantso ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna araka izany ry zareo mpitandro filaminana mba hijery ny zava-misy sy hanao vonjy aina raha sanatria…

100_1199

100_1205

….

Ndeha ilaozantsika Ambohijatovo fa hikisaka kely amin’ny manodidina azy amin’izay isika ary ho tonga hatrany Faravohitra Antaninandro Ankadifotsy Ambatomitsangana.

Rehefa naparitaka àry ireo olona tsy nety nanaraka avy hatrany an’ingahy ‘Satrobory’, dia niakatra nankany Faravohitra ny sampany iray. Ity sampana ity no nametraka sakana (barrage) eraky ny arabe hatrany Antaninandro,  Ankadifotsy Ambatomitsangana. Tonga hatrany Antanimena. Avy eo rehefa tonga ny mpitandro filaminana nanàla ny sàkana sy hanenjika azy ireo, dia nanao tari-dositra nankany Ankorondrano ry zalahy. Teto izany vao nisy ny fanenjehana , na fanosehana (fa tsy fisamborana) Izaho moa dia teny aorian’ny fiaraben’ny mpitandro filaminana teny foana nandritra izany rehetra izany.

100_1214

100_1215

Nopotehin-dry zareo  daholo na sarona dalle, na sisin-jaridaina nolalovana, na ny rond point teo Antaninandro mba hahafahana manao sakana tamin’ireo toerana nolalovana.

Tsaroako etoana ny tenin’ilay mafana fo iray teny Ankorondrano (tety amin’ny sisiny io ary maro no nandre azy) fa tsy maintsy ataony izay tsy hahavanona ny Fetin’ny 26 jona.

Androany, raha niresaka tamin’ireo mpitandro filaminana teny Ambohijatovo aho, dia izao no teny nampitain-dry zareo: ‘Fetin’ny Foloalindahy ny 26 jona, koa iaraha-mahita eo izay sahy higafy an’izay, fa dia hataonay mahamay. Andramo moa hahitàna azy’.

Dia lasa ny saina. Fitiavan-tanindrazana manao ahoana re no mibaiko ny tsirairay e? Entanin’Ankorondrano tsy hanangana sainam-pirenena ny Malagasy rehetra amin’ny 26 jona. Fa maninona? Fa nahoana?

Ny ‘vidéo’ momba ny fiaikena nataon’i ‘Satrobory’ dia mbola eo an-dalam-pampidirana azy ao amin’ny Youtube aho ka ampidiriko eto ihany rehefa vita.

Vaovao azo farany: Nanapa-kevitra tsy hanohy intsony ny dinika etsy amin’ny Carlton ny solontenan’ny HAT

Lazao ny hevitrao

Mba tiako ho fantatra ny hevitry ny tsirairay izay afaka mahita ity hafatro ity. Na mpomba ny HAT ianao, na mpomba ny TIM, na tsy atsy sy tsy aroa.

Misy ny gidragidra ankehitriny, ka raha mitolona ho an’izay hevitra ijoroanao ianao (amin’iretsy roa voalaza mialoha -HAT – TIM), dia mitolona ho an’iza, sa ho an’ny inona? Mitolona ho anao ve? sa mitolona hanabe hatoka ny hafa? sa hafa noho ireo koa…?

Tari-dàlana tonga ato an-tsaiko fotsiny ireo fa na ianao aza mety mbola hahita fanontaniana , na antony hafa tokony horesahana, avoahy eto fa tsy olana mihitsy. Misokatra malalaka ho an’ny rehetra araka izany ny fanehoana hevitra.

Dia miandry ny gasy e! Ary misaotra mialoha.