24 ora nomen’ny Kung Fu ho an »ny miaramila

Raha tadidin-tsika dia nilaza aho hoe nisy taratasy naely tamin’ireo olona tao an-tokotanin’ny hopitaly HJRA ho fankahalana sy fanenjehana ny ankohonan’ireo mpitandro filaminana.
Ankehitriny dia nanangam-bovona koa ny maître Avoko fa hoe manome 24 ora ny miaramila.

Aoka tsy ho tsinontsinoavina ny 24 ora omenay anareo….manana fianakaviana … vady aman-janaka ianareo…

…sns

Dia manontany tena aho no sady manontany izay mahalala ihany koa: Moa ve anisan’ny nanao ilay taratasy niely tao amin’ny HJRA ny Kung Fu? Asa lahy?

Ny tantara momba ity resaka Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ity dia mbola mitohy….

Fifandonana androany teny Anosy sy ny manodidina

Ialako tsiny mialoha ny tsy fisian’ny sary na dia teny an-toerana aza ny tena fa tsy misy fitaovana.

Raha handeha ho any Anosizato izahay mianaka androany antoandro dia sahirana tokoa nitady lalana raha vao tonga teo Anosy. Nasaina nivily nihazo an’i Mahamasina izahay fa hoe gidragidra be ao aloha ao. Tsy nety anefa ny pelika fa nisampotina nivily nihazo ireo lalana mamakivaky tanàna manoloana ny Hopitalin’i Befetanana ihany, aty ambadiky ny Cercle Franco-Malagasy.

Rehefa tonga teo amin’ny rond point manoloana ny Sénat tokoa dia efa kamiao feno mpitandro filaminana no teo. Ery anoloan’ny Hopitaly koa dia mbola nisy mpitandro filaminana. Tsy lavitra eo indray dia feno olona Pro-Ravalomanana mamotika ny sisin-dalana mba hahazoana vato hitorahana ireo mpitandro filaminana ery ampita. Toy izany no hitanao mandra-pahatonga aty akaikin’ny hidin-dalamby mankany Anosibe.

Mandeha ny tora-bato, ary valin’izay koa dia mandeha ny tifitra grenade lacrymogène.

Fa ny tena loza dia ny nitondran’ny sasany tamin’ireo ‘mafana fo’ ny vahoaka niaraka taminy niditra tao amin’ny Hopitaly. Feno ny tokotany. Tetika efa nomanina ve sa ahoana? Tsy fantatro!

Dia nanohy ny dianay nankany Anosizato izahay mianaka, ary iny lalana iny ihany koa no niverenana rehefa avy any. Efa feno sakantsakana vato sy dor kodiarana eraky ny arabe.

Tonga nanandrify ny Hopitaly izahay dia nilazan’ny olona tsy hanohy ny dianat intsony fa nasaina niditra tao an-tokontanin’ny HJRA, sao, hono, anaovan’ny olona barofo hakàny lasantsy any ny Scooter.

Mandritrra izany rehetra izany dia mitohy ny fifanandrinan’ny Pro-Ravalomanana sy ny mpitandro filaminana.

Ireo Pro-Ravalomanana tafiditra ao anatin’ny tokontanin’ny hopitaly, mitoraka vato mankany amin’ireo mpitandro filaminana ao ivelany, ny sasany indray namaky ny vavahadin’ny Ministeran’ny Planina, ary nandoro ny fiara (5) teo an-tokontany, sy namaky ny vavahadin’ny hopitaly manandrify io Ministera io. Angamba koa hiandry ny andro maizina mba handrobana ny ao an-tranon’ilay Ministera (Enga anie tsy hiafara amin’izany!).  Tsy mbola niala tao mantsy ireo olona ireo hatramin’ny 6 ora sy sasany hariva nialanay teo, raha tamin’ny 2 ora izahay no efa tao an-tokontany tao.

Tonga hatrany amin’ny hopitaly ny setroky ny baomba fandatsahan-dranomaso sy ny firefodrefotry ny basy, izay tena nampiasana bala tena izy mihitsy.

Hatramin’ny fotoana nialanay mianaka tao an-tokontanin’ny hopitaly dia Telo (3) no voalaza fa maty ka polisy voatifitra ny iray, ary teo amin’ny 15 ny naratra. Tsy mbola isa farany ireo satria mbola mifanandrina ny roa tonta tamin’ny fotoana nialana teny an-toerana. Midika izany fa na any anatin’iretsy Pro-Ravalomanana aza izany dia misy ny efa vonona hifanandrina sy hifampitifitra, matoa nisy ny avy aty amin’ny mpitandro filaminana maty voatifitra.

Re teny an-toerana koa fa efa voasambotry ny olona tenay i Alain Ramarosoan fa votsotra ihany. Ary taorian’izay dia hitan’ny olona nitaingina fiara tsy mataho-dalana mitondra ny laharana 2??2 TAF sady tena mitifitra koa (Asa izay fahamarinan’izay, satria dia nihizingizina mihitsy ilay ramatoa fa ny masony no nahita fa tsy honohono!).

Feno olona sy lasa toerana fandosirana hatrany anaty lalantsaran’ny HJRA tany, ary dia niteraka tsy fahatonian-tsaina, na ho an’ireo mpitsabo, na ho an’ireo marary sy ny mpanaraka azy. Ny hiditra hanatitra havana marary, na fanadody, na sakafo dia sahirana. Ny te-hivoaka koa tsy mahita lalan-kizorana. Isan’izany izahay.

Tsy tao anatin’ny eritreritro velively ny handeha hanatontosa fanadihadiana teny, saingy tafiditra tsy satry tao anatiny ihany ny tena noho ny zava-nisy.

Na teo aza ny antso nataon’ingahy Alain Andriamiseza ny amin’ny tsy tokony hanaovana herisetra amin’ny mpanao gazety ho an’ireo mpanara-dia an’i ‘dadan-dry zareo’, dia mbola nisy ihany ny fandrahonana sy ny fikasana rasty raha vao fantatry ny sasany fa mpanangom-baovao ianao.

Nandeha moa ny fitenenana tao an-tokontanin’ ny hopitaly fa hoe voaporofo, hono, fa tsy nanimba zavatra toy ny tamin’ny andron’ny TGV ny Pro-Ravalomanana nandritry ny hetsika natao. Mahagaga an! Mahatalanjona an! Hoy aho hoe, angamba tena tsy tao anatin’ilay hetsika ireto olona ireto, na mpitazana lavitra taty anatiny tokoa ka tsy mahita ireo sisin-dalana manomboka aty amin’ny rond point manoloana ny Sénat hatrany akaikin’Anosibe any. Simba natao fakàna vato hitorahana ny mpitandro filaminana. Nodorana sy nosimbana ny Cercle Franco-Malagasy. Fa naninona anao ireo olona tao?

Tsy haiko avy eo izay nitranga tao anatin’ny faritry ny HJRA tao fa nisy tovolahy iray, nofanenjehan’ireo Pro-Ravalomanana ary dia nifandrimbonana nodarohana rehefa tratra. Tsy haiko izay niafarany.

Nisy fotoana koa tafiditra hatrany anaty faritry ny hopitaly ny mpitandro filaminana manao fisavana sy fanarahan-dia ireo mpitoraka sy mpandoro. Niteraka fisavoritahana izany rehetra izany.

Maro tamin’ireo naratra no vokatray ny bala, ary ilay iray maty aza moa dia nipotsaka ny atidohany.

Mino aho fa efa tratran’i Manandafy Rakotonirina ny tanjony. Dia i Manandafy Rakotonirina izay nilaza fa tsy mankasitraka fidinana an-dalam-be. Sa araka ilay tenin’i Sareraka hoe

Tsy zakan’ny sainy fa nisy nahavita ny tokony ho nataony, ka dia nivadik’ondana ingahy ‘praiminisitra’

Ary angamba faly ery izao Marc Ravalomanana sy izay rehetra ao ambadiky ny korontana, na izay izy na iza, amin’izao zavatra izao. Mirehaka anaty angamba ka hanao hoe ‘Tanteraka ihanyyyyy!’

Tao an-tokontanin’ny hopitaly aza moa dia efa maro ireo nitsinjaka ny Pro-Ravalomanana fa hoe

feno amin’izay ny fepetra hanafarana ny tafiky ny SADC

Fa angaha tokoa moa tsy efa nailiky ny SADC i Madagasikara e! Koa inona no mbola itsabahana amin’izany resaka tsy mandeha ilalana izay.

Mampalahelo! na mpomba ny andaniny ianao, na mpomba ny ankilany, dia tsotra ihany ny teniko: rehefa raikitra ny toy ireny, dia tadidio fa saribakoly hetsehin’ny mpitarika korontana fotsiony isika vahoaka (marina io na amin’ny andaniny na amin’ny ankilany) Fa rehefa raikitra tokoa ny tokoa, mba hitanao mandray vato sy mitoraka koa ve zareo? Mba nandray anjara mivantana ve izy? Ary rehefa vita izay vita, mba hitany ve ianao? Ianao ilay tsemboka ery nanovokovoka nitora-bato (mbola marina koa io na amin’ny andaniny na amin’ny ankilany), mba nahazo sitraka tokoa avy aminy ve ny tsirairay nihogahoga sy nitsemboka nanditra ireny fotoana ireny? Asa! Toa tsy mino aho. Mety ho diso tokoa aho fa ny any aoriana no tsinjovina. Marina izany fa ny any aoriana no tsinjovina, nefa ve talohan’izay ‘aoriana’ nojerena izay, efa mba nandalina sy nandanjalanja ny teo ambony mizàna ny tsirairay vao naka toerana ho atsy na ho aroa (izaho aloha dia efa naka toerana e!, na dia tsy tokony ho nitongilana aza ny mizànako. Jereo tsara daholo ary henoy tsara daholo aloha ny zava-nisy sy misy rehetra vao manapa-kevitra ho ankavia na ho ankavanana, fa tsy mety raha ny iray sy izay heverinao ho tianao ihany no tonga dia harahana an-jambany sy tsy asiana ‘Fa nahoana tokoa moa?’

Tsikaritra koa izao fa efa apetaka eraky ny araben’Antananarivo be mpandalo ny sarin’ireo ankizy maro tsy hita nandritra ireny korontana nisy teto irany, mba ho fanampiana amin’ny fitadiavana, raha sendra nisy na misy nahita.

Hatreo aloha fa rehefa misy vaovao dia ampitaina eo ihany.

Hatramin’ny efa alim-be ny andron’io 20/04/2009 io dia mbola nitohy hatrany akaikin’ny tunel Ambanidia tany ny gidragidra

Sahy hitifitra mpanao gazety ve ny RM1?

Mpanao gazety sy mpaka sary maro isika ry zalahy no nandrakotra ny andron’ny 28 mars 2009 teo.

Rehefa nidina ho eny amin’ny 13 mai ireo mpomba an-dRavalomanana avy eny Ambohijatovo ka tonga hatraty amin’ny tohotohobaton’Antaninarenina dia natosiky mpitandro filaminana avy aty amin’ny Hotel Le Glacier. Rehefa tonga teny amin’ny manandrify ny BNI Analakely anefa ireo olona marobe, dia nisy tifitra variraraka nataon’ireo tafika avy ao amin’ny RM1 nentina nanaparitahana ny vahoaka.

Rehefa tonga tery ambony manakaiky ny tsangambaton’ny 29 mars 1947 kosa ireo vahoaka sy ny sasantsasany tamin’ireo miaramila avy ao amin’ny RM1 nanosika azy ireo hiala ny faritra, dia efa nigadona tety akaikin’ny BNI indray kosa ireo mpaka sary ny mpanao gazety maro niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana avy aty amin’ny Le Glacier.

Nahazendana ny maro ny zavatra nitranga teto satria tsy nampoizina velively: nisy iray tamin’ireo miaramila avy tao amin’ny RM1 izay nivoaka teo amin’ny arabe no tonga dia nanondro basy AHY no sady niteny hoe:

Miala any ny mpanao gazety, Tsy mila mpanao gazety eto. Miala sao tifiriko eo an.

Tsy nahita izay hatao aho no sady nanangana fotsiny ny karatra niantona tety ambozoko. Eo ambony Scooter aho amin’io raha mandeha an-tongotra kosa ny maro tamin’ireo mpanao gazety sy mpaka sary maro namana teny an-kianja mafàna teny. Rehefa hitany fa tsy nihetsika aho no sady mbola nanangana ny karatra tety an-tànako, dia vao mainka niakatra ny feon’ilay ranamana. Tsy haiko na mpifehy ao amin’io toby io ilay zalahy iny, na iza. Fa ny fihetsika nataony aloha no niarahana nahita.

Nisy tamin’ireo mpanao gazety sasany no nihiaka niteny azy nanontany hoe :

Fa hatramin’ny oviana ny mpanao gazety no tsy mahazo maka sary sy manao ny asany. Sa efa niova indray koa ny lalàna?

Namaly ranamana no sady efa nikendry ny lohako. Ny elanelan’ny trottoir roa no manasaraka anay amin’io fotoana io. Hoy indrindra izy:

Rehefa hoe tsy mila mpanao gazety eto dia tsy mila, miala hoy aho sao tifiriko eo. Tifiriko ialahy an!’

Fahatsiarovana sady tsara no ratsy ho ahy iny ry zalahy namana. Kanefa tsy mba voatahiriko an-tsary, fa dia ny nanodina ny Scooter sy ny nidina ambanimbany namonjy ireo mpanao gazety sy mpaka sary sasany no nataoko sisa.

Koa miangavy anareo izay nahazo sary an’iny ‘scène’ iny aho, tena miangavy. Mba omeo sary hotehiriziko, na farafaharatsiny, mba omeo rohy hahafahako mijery azy.

Enga anie ka ho anatra ho an’ireo miaramila rehetra ny namoahako ity lahatsoratro ity, fa aleo hivoaka ny marina sy ny nisy. Izay rahateo no ezahako ijoroana hatrany amin’ity GazetyAdaladala ity.

Fintin’ny androany

Nifamotoana teny amin’ny kianjan’ny 13 mai ny mpomba an’i Andry Rajoelina androany, raha teny Mahamasina kosa ireo mpomba an-dRavalomanana Marc. Nilamina tanteraka ny testy Analakely, saingy asa izay nahazo ireto mpomba ny TIM sy ny fitondrana , fa nilaozany i Mahamasina ary niakatra ho eny Ambatomena ry zareo. Hanao sit-in eo anoloan’ny consulat sa Ambasady frantsay, hono. Asa na fantany na tsia fa toy ny manafika firenena iray any an-taniny izy amin’izany. Sa tsy fantatr’ireo mpitarika izany zavatra izany?

Miala tsiny fa ny sary momba izay rehetra izay dia nofafan’ny mpitandro filaminana tao anaty fakan-tsary tety an-tanako, satria tsy te-halaina sary,hono, izy ireo, eny fa na dia ny lamosiny fotsiny aza no azoko sary raha naka sary ireo mpomba ny TIM avy ao aorian’ny rindrina nataon’ireo miaramila tonga nanasaraka ny mpifanandrina aho. Fiangaviana mafy vao naveriny ilay fakan-tsary, saingy dia io tsy maintsy nofafana teo imasony io ny sary rehetra tao.  Ny antony dia satria tsy taty amiko ny karatro. Tsy olana iny fa mbola misy ihany ny azo nalaina taorina’izay ka atolotra anao

sunp0348

Nisy saiky hanita-kevitra anefa ireto avy any Mahamasina ireto,ka saika hidina ambanimbany kokoa taty akaikin’ny Restaurant Toko telo. Naheno izany ny teo amin’ny kianjan’ny 13 mai dia namarana hainga sy talohan’ny fotoana ny famoriam-bahoaka nataony. Ary dia lasa ireo minisitry ny tetezamita.

sunp0340

Ireo vahoaka kosa nandeha nitsena iretsy avy any Mahamasina teo anoloan’ny Conforama sy taty akaiki’ny Air Madagascar Ambatomena.

sunp0343

sunp0344

sunp0347

Commentaire Bosco
Mijoro, vonona hanohana hatramin’ny farany ny ara-dalàna ary hanohitra ny fanonganam-panjakana sy ny fandrobana miseho amin’ny endriny samihafa ireo olona marobe tonga teo anoloan’ny kianjaben’i Mahamasina androany.
Tsy mankasitraka ny fitsabahan’ny firenen-kafa hatramin’ny firenena mikambana amin’ny raharaham-pirenena ry zareo, araka ny fandraisam-pitenenana samihafa natao. Mikasika ny zava-misy eo anivon’ny tafika malagasy amin’izao fotoana izao dia nambaran’ireo olona manohana ny Filoham-pirenena Ravalomanana Marc fa tokony hijoro hatrany hiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireo. Ny fikomiana ataon’ny miaramila ao amin’ny CAPSAT dia tondroin’ireo olona ireo ho fanohanana ny  fanonganam-panjakana. Nanomboka tamin’ny sivy maraina moa no tonga eny Mahamasina ireo olona maro namaly ny antso natao taminy. Tamin’ny folo ora maraina kosa no nanomboka ny fandraisam-pitenenana sy ny fifanentanana samihafa. Voaresaka matetika nandritra ny lahateny nifandimbiasana tao ny filazana fa mitongilana amin’ny ankolafin-kery manohitra ny fitondrana ny FFKM, indrindra ny filohany, Mgr Odon Razanakolona. Nambaran’ireo mpitarika ny hetsika ho fankatoavan’ity filoham-piangonana ity ny fandrobàna sy ny herisetra ataon’ny andian’olona manakorontana sy mandroba tranombarotra ny fanakanana ny EMMO/NAT tsy handray ny andraikiny amin’ny fanenjehana azy ireo. Ankoatra izay, mikasika ilay hoe fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pirenena, dia nambaran’ireo mpandaha-teny teny Mahamasina fa ny frantsay no tena miditra be loatra amin’ny raharahan’i Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao ka tsy ekena. Tamin’ny 12 ora antoandro teo moa dia nitanjozotra nihazo ny ambasadin’ny Frantsa eny Ambatomena ireo olona maro tonga teo anoloan’ny kianjaben’ny Mahamasina. Fa isan’ny taratra teny Mahamasina ihany koa ny fikasihan-tànana mpanao gazety manao ny asany ara-dàlana.
Izay ny teny Mahamasina, fa teny amin’ny kianjan’ny 13 mai koa dia misy ny hetsika nataon’ireo mpomba an’Atoa Andry Rajoelina. Rehefa vita ny fotoam-pivavahana toy ny mahazatra teo amin’ny kianjan’ny 13mai dia nanomboka niditra podium ireo mpanao pôlitika ary nihatrana teo amin’ny toerana mahazatra azy ireo mpiambina eny amin’ny toeram-pikabariana. Rehefa nanokatra ny fanentanana toy ny mahazatra Atoa Sareraka dia nilaza mazava fa tsy tokony ho taitaitra isika raha misy fiarakodian’ny zandarimariam-pirenena anankiroa miditra sy misodisody eto amin’ny kianjan’ny 13mai androany. Tsy inona akory ireny, hoy ihany ity mpanentana eo amin’ny kianjan’ny 13mai ity, fa zandary hiambina antsika amin’ny fanakorontanana. Talohan’izay moa dia efa nisy kamiaon’ny miaramila nandalo ihany koa teny amin’ny faritra manodidina an’Analakely. Nahafaly ny olona teny analakely izay fanambaran’ny mpanentana Sareraka izay ary nisy aza no niteny fa eo amin’ny fitaratra alohan’ny fiarakodia na ny pare-brise dia misy soratra hoe FIGN izay azo alavaina hoe: Force d’Intervention de la Gendarmerie Nationale. Fahefatr’adiny taorian’izay anefa dia niely ny tsaho tao Analakely fa nisy mpitandro ny filaminana miala any efa miazakazaka be mihitsy ary handrava ny ao amin’ny 13mai. Nifandrombahana ny bus teo ambadiky ny Intsitut. Tsy fantatra hoe inona no hitranga. Eo amin’ny 13mai sy ny manodidina azy teo Analakely, tony dia tony ny fahitana azy. Fa ny tany Ambodifilao sy ny tany amin’iny ambadiky ny firaisana I iny dia nisahotaka ny olona, nanangon’entana ny mpivarotra. Vetivety toa hoatran’ny tsy misy inona, vetivety eo indray anefa dia miaraka mirona mankatsy sy mankaroa tsy fantatra intsony izay atao sy izay aleha. Nilamina ihany anefa nony farany tamin’ny faritra Avaratry ny 13mai iny. Fa nisy ihany kosa anefa ny sahotaka tamin’ny ilany Atsimo tamin’ny 13mai satria nifandona ny samy sivily mpomba an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina androany antoandro teny Ambatomena, manakaiky indrindra ny masoivoho frantsay.
Rehefa avy nivory teny Mahamasina ny mpomba an’Atoa Marc Ravalomanana dia nikasa hanao sit-in teo anoloan’ny masoivoho frantsay teo Ambatomena satria moa dia nilaza ny tsy hanaiky ny fampiantranoan’ny masoivoho frantsay an’Atoa Andry Rajoelina ireo mpomba ny filoha. Nambaran’izy ireo moa fa mpampihorohoro Atoa Andry Rajoelina ka tsy mendrika ny ho arovana. Tamin’ny 12 latsaka fahefany teo no tonga teny Ambatomena ireo mpanaradia ny filoha ireo. Ny vahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13mai kosa 15mn alohan’izay no nahare io vaovao io ka avy hatrany dia niakatra teny Andohan’Analakely manoloana ny Select Hotel nanao ny sakana. Nanampy azy ireo ny miaramilan’ny CAPSAT. Atao moa izany sakana izany sao midina eny amin’ny kianjan’ny 13mai ireto mpanara-dia an’Atoa Marc Ravalomanana ireto. Raha vantany vao tazan’ny vahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13mai midina iny Antaninarenina iny avy aty amin’ny BOA  aty ambany ireo vahoaka avy any Mahamasina dia efa samy naka kobay. Ny sasany nanongotra ireo vy natao fefy teo amin’ny zaridaina teo Analakely, ny sasany nivimbina vato. Niroso nankeo Ambatomena teo amin’ny fiantsoanan’ny fiara mpitatitra 115 ny vahoaka teo amin’ny 13mai tamin’ny 1 latsaka 10 teo ho eo. Nanakana azy ireo ny miaramilan’ny CAPSAT hisakana ny fifandonan’ny roa tonta. Nisy tamin’ny vahoakan’ny 13mai anefa no tafaporitsaka niankandrefana nihazo ny làlana miakatra any Ambatomena amin’iny misy ny Music Box sy Air Mad iny. Velona teo ny fifampihantsiana teo amin’ny mpomba ny roa tonta. Ny mpomba ny fitondràna eo amin’ny arabe ambany kelin’ny masoivoho frantsay, ny mpomba ny mpanohitra tety amin’ny hotely Mavo eo ambanin’ny Music Box. Tamin’ny 1 ora latsaka dimy teo, raikitra ny tora-bato sy ny vely kobay. Na dia teo anelanelan’ny mpifanandrina aza ireo miaramilan’ny CAPSAT dia tsy nahasakana ny fifandonana satria vitsy an’isa izy ireo. Ireto miaramila ireto rahateo dia tsy nampiasa hery, tsy nanapoaka basy. Naharitra teo amin’ny dimy minitra ny fifanjevona. Vaky nandositra ny ampahan’ny mpomba ny fitondràna, nijanona ihany anefa ny fifandonana taorian’izay satria nisy ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany samy nampitony ny vahoakany avy. Nanampy tamin’ny fandaminana ihany koa moa ny miaramilan’ny CAPSAT. Tamin’ny 1 ora 15 teo, tonga ny pôlisy iray kamiao hanatevin-daharana ny CAPSAT saingy efa nilamindamina ny teny Ambatomena sy Tsaralalàna tamin’izay fotoana izay. Tamin’ny 1 h 20 mn teo moa vao niala teo Ambatomena sy Tsaralalàna ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany. Tsy tapitra teo anefa ny raharaha fa niverina teo amin’ny kianjan’ny 13mai indray ny mpomba an’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny 1 h 25mn teo. Rehefa nivorivory sy nikaon-doha teo dia nilaza fa handeha ho any an-tranon’ny PDS Atoa Guy Rivo izay lazain’izy ireo ho lohandohany amin’ny mpanarama ireo antsoina hoe Gros Bras mpanakorontana. Marihana moa fa efa nifarana tanteraka ny famoriam-bahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13mai tamin’izay fotoana nivorivorian’ny mpomba an’Atoa Andry Rajoelina ireo izay.

Rehefa izany dia lasa namonjy an’Ampasampito ireo olona vorovory teo amin’ny 13 mai taorian’ny famoriaùm-bahoaka ireo ary dia toy izao ny tatitra an-tsary. Tsy an-kiteniteny

sunp0350

sunp0351

sunp0359

Harahinao ary ambany ary kosa ireo karazana fanambaràna maro samihafa, avy amin’ny ankolafin-kery samihafa.

sunp0361

sunp0365sunp0367

sunp0368

sunp0392

Ireto ireo karazana fanambaràna

RAVALOMANANA:

…Tokony hitsahatra amin’izay izao krizy andalovan’ny firenentsika izao. Be loatra ireo olona efa nitondra faisana, maro ny aina nafoy,ary maro ny lasa lavo(???). Ny laza malagasy mihitsy no voatohintohina. Tsy azo ekena fitavozan’ny toe-draharaha. Tsy vahaolana velively ny fandrobàna sy ny asa fanakorontanana,tsy tia herisetra isika malagasy. Tokony hifampihaino, hifampidinika, ary hifanaja isika ahafahana mamaha ny olana haingana. Ankehitriny, fantatra eran’izao tontolo izao i Madagasikara: ny ezaka nataony amin’ny fanamafisana ny demokrasia, sy noho izy nifidy ny lalan’ny fampandrosoana haingana sy maharitra. Satria isika mandala ny demokrasia, dia zava-dehibe ny fanajana ny lalam-panorenana. Masina ny lalam-panorenana ka tokony hajaina. Ary mbola averiko eto indray fa efa nanao fianianana aho fa hanaja ny lalam-panorenana toy ny anak’andriamaso. Hitodika aminareo izay tsy mitovy hevitra amiko aho, aoka isika hanaja ny lalam-panorenana. Io no lalàna ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Nho izany dia mbola averiko ihany ho antsika: aoka hitsahatra ny asa fanakorontanana, rehefa ny lalam-panorenana sy ny andrim-panjakana, ny repobilka no voatohintohina dia demokrasia sy fananganana firenena tena vanona no voatohintohina. Mbola marefo ny demokrasia eto Madagasikara ka tokony ho arovana. Tiako hanana ny maha-izy azy ka handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny ankolafin-kery rehetra eto Madagasikara. Nefa tsy maintsy ao anatin’ny fanajana ny lalàna izany. Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ahy, dia tsy maintsy mijery ny tombotsoan’ny malagasy rehetra aho. Ry vahoaka Malagasy, holazaiko aminareo ny tena ato am-poko, am-panetren-tena lehibe no anaovako izany. Tiako ho fantatrareo, raha nisy tsy nety nataoko, izay no maha-olombelona ahy. Nefa soa lavo hahay hamindra. Raha misy heverinareo fa hadisoana nataoko, dia raisiko ho andraikitra izany. Ho anareo izay mahatsiaro fahatezerana, azoko tsara ny fahatezeranareo. Miara-ory aminareo aho ary tsapako ny fangirifirianareo. Tiako ny hilaza aminareo fa vonona ny hiaino anareo aho. Ary manome toky aho fa handray fepetra, hitady vahaolana amin’izay zavatra hitarainanareo. Zava-dehibe ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra nasionaly ho ataontsika manomboka ny alakamisy ho avy izao ary haharitra telo andro. Manantena isika rehetra fa hitondra vahaolana haingana amin’izao disadisa misy eto amin’ny firenentsika izao izany fihaonana nasionaly izany. Mijoro aho ankehitriny amin’ny maha-Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy. Averiko indray fa mandala hatrany ny firaisam-pirenena aho, ny firaisan-kinam-pirenena ary ny demokrasia. Hiasa miaraka isika satria ny tanjona dia ny fampandrosoana ity tanindrazana malalantsika ity sy ny fanatsaràna ny fiainana isan-tokatrano. Masina ny tanindrazana. Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Fanambarana avy amin’ny Foloalindahy (tafika):

Eo alohan’izao olana lalina ara-politika mahazo ny firenena izao, izahay folo alin-dahy, miaramila, zandary, ary polisim-pirenena dia manao izao fanambarana izao:
Mba hiarovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny firaisam-pirenena, mba hitandrovana ny maha-iray tsy mivaky ny folo alin-dahy dia, voalohany : Manamafy ny fanajana tanteraka ny soatoavina demokratika repoblikana eo amin’ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny fanoavana tanteraka ny lalàna velona sy ny fitsipi-pifehezana manan-kery. Manameloka tanteraka ny fanapotehina ny fiarian-karena, ny fiaraha-monina ary ny firaisan-kina ny folo alin-dahy noho ny olana ara-politika misy eto amin’ny tanindrazana.
Fahatelo: Atsahatra tanteraka ireo fiantsiana sy hetsika politika ary fanaovana amboletra izay miteraka korontana. Koa noho izany, manome toky izahay fa tsy hiandany atsy na aroa ary manainga am-panajana ireo tompon’andraikitra politika, ny hery politika rehetra, ny fiaraha-monim-pirenena ary ny solotenan’ny hery velona samihafa eto amin’ny firenena hihaona tsy misy hatak’andro ary hifanaraka ka hitondra vahaolana ao anatin’ny 72ora hivoahan’ny firenena amin’izao krizy izao. Raha toa ka tsy misy ny vahaolana ao anatin’io fe-potoana io dia handray ny andraikitra izahay folo alin-dahy amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena, ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny firaisam-pirenena.

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Fanambaran’ny Collectif  des Officiers de Diégo

Eo anatrehan’ny toe-draharaha misy eto amin’ny tany sy ny firenena, ary amin’ny maha-tompon’andraikitra feno ny tafika malagasy sy ho fiaraha-mientana amin’ireo namanay dia manao izao fanambarana izao izahay eto amin’ny Collectif des Jeunes Officiers de la Garnison d’Antsiranana.
Voalohany: izahay miaramila dia miaro ny vahoaka sy ny fananany ary tsy miandany amin’ny firehana pôlitika.
Faharoa: Manameloka ary tsy handefitra mihisy amin’ny fandrobana.
Fahatelo: Manohitra sy manameloka ny fampiasana ny miaramila ho hery famoretana ny vahoaka.
Noho izany, tsy ekena intsony ny fampiasana miaramila amin’ny tsy rariny. Ho an’ny tanindrazana.
Antsiranana, faha 9 mars 2009.

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Fanambaràna avy amin’ny Masoivoho Amerikana miasa sy monina eto Madagasikara:

En tout cas, bon si je consens bien un peu les affrontements collectifs qu’il y a eu aujourd’hui, entre les pro-TGV et les pro-TIM concernés en ces questions. Et justement j’étais très très choqué de voir les gens réagir devant une ambassade de pays ami, aujourd’hui. C’est comme si les gens pensent qu’on est partisan dans cette affaire….Mais pas partisan, nous voulons aider Madagascar à trouver une sortie de la crise et nous pensons que le principe de protéger un des gens qui est essentiel à la réussite de la négociation est un principe important que nous partageons. Je crois que tout le monde en est conscient que Madagascar traverse vraiment un moment très difficile et nous, communauté internationale, moi, ambassadeur des USA, nous avons tous oeuvrés depuis des semaines et des semaines pour arriver… On est à la veille des assises malgaches qui vont commencer cette semaine. Je crois que vraiment ce sont les négociations de la dernière chance. Donc nous félicitons le travail du FFKM et les Nations Unies. Nous avons constaté avec beaucoup d’appréciation l’appel qui a été lancé hier par le FFKM, nous pensons que cette trève est la meilleure façon pour tous les malgaches de contribuer à l’apaisement qui est nécessaire pour la réussite de ces assises. Vraiment vous vous trouvez actuellement dans une situation très très très difficile et je crains ce qui pourrait se passer que les assises ne réussissent pas. Je trouve, bon les américains sont toujours optimistes, j’étais très très impressionné aujourd’hui par le discours qu’a fait le Président de la République de Madagascar cet après-midi avec un ton apaisant. Je crois que ça peut contribuer beaucoup à la réussite des assises. On a aussi eu des contacts aujourd’hui avec le gouvernement, avec le Premier Ministre, le Ministre des affaires étrangères, ainsi qu’avec le côté de l’ex-maire Andry Rajoelina.

Dia izay aloha ny androany fa dia samy miandry indray izay havoaky ny ampitso sika reketra.

Fikomian’ny miaramila, araka ny LE MONDE

Dika petaka tsy asiana resaka ity:

Sans commentaire!
http://www.lemonde. fr/afrique/ article/2009/ 03/08/mutinerie- dans-un-camp- militaire- a-madagascar_ 1165108_3212. html

Mutinerie dans un camp militaire à Madagascar
LEMONDE.FR avec AFP | 08.03..09 | 15h22

Une mutinerie est en cours, dimanche 8 mars, dans un important camp militaire situé près de la capitale malgache Antananarivo, où des soldats affirment qu’ils n’obéiront plus aux ordres du régime. Les accès à ce camp, le Corps d’armée des personnels et des services administratifs et technique, considéré comme le « poumon de l’armée malgache » et situé dans le district de Soanierana, à environ six kilomètres du centre la capitale, sont bloqués par des soldats mutins.

« Nous ne répondons plus aux ordres de nos supérieurs, nous répondons à notre coeur. Nous avons été formés pour protéger les biens et les personnes, pas pour tirer sur les gens. Nous sommes avec la population », déclare un soldat, sous couvert de l’anonymat. « Le chef d’état-major de l’armée est venu ce matin pour nous amadouer mais il est vite reparti dans sa voiture« ,

ajoute-t-il.

Madagascar est plongé dans une grave crise politique née du conflit entre le président Marc Ravalomanana et le maire déchu d’Antananarivo Andry Rajoelina, qui s’est autoproclamé en charge des affaires du pays. Au moins une centaine de personnes sont mortes depuis le début des violences le 26 janvier dans cette île de l’océan Indien. Menacé d’arrestation, l’opposant malgache Andry Rajoelina avait déclaré samedi qu’il était désormais caché en lieu sûr, et avait appelé à un élargissement du dialogue pour sortir l’île de la crise.

Mpanao gazety voadaroky ny mpanakorontana

Hita tokoa ankehitriny ny maha asa saro-pady ny asa fanangonam-baovao sy ny fanaovan-gazety. Niainanay rehetra izany androany teny 67Ha. Rehefa tsy nahazo nadalo tamin ‘ny faritra maro teto an-drenivohitra ny filaharana notarihan’i Pierre Andrianantenaina, tohin’ilay antso ho amin’ny diabe, dia nitodika hankeny 67Ha. Talohan’ny nahatongavan’izy ireo teny dia efa nisy ireo nolazaina fa hoe ‘gros bras’, efa nifanolana sy nifanandrina tamin’ny mponina teny an-toerana…

Ny nanahirana tamin’ny zava-nitranga dia ny fifanandrinan’ny olona samy olona ary rehefa tonga teny koa aza ireto nanao filaharana dia niafara tamin’ny fifampitorahana vato izany. Tao anatin’izany rehetra izany dia nisy ny namana mpanao gazety (Sitraka) tonga naka sary teny akaikin’ireto ‘gros bras’ ireto. Efa nisy ihany koa mpanao gazety hafa saiky haka sary teo an-toerana no efa nahazo fandrahonana talohany ka nihemotra sy nampirina hainga ny fitaovana no sady niala ny toerana, lasa namonjy tery akaikin’ny EMMO/NAT. Saingy ry Sitraka sy namana iray hafa kosa tavela sy mbola saiky hanohy ny asany. Nodarohan’ny mpanakorontana ilay mpanao gazety, Sitraka, ary dia vitan’ny sasany mihitsy aza ny saiky hanala ny ainy, tamin’ny alalan’ny fanjerana taminy ireny vy be eny an-tsena ireny. Naratra ranamana no sady voaroba daholo koa ny fitaovana teny aminy. Toy izay koa no nahazo ilay namana iray hafa teo akaikiny teo…

Tamin’ny 5 ora hariva no niala teny izahay mpaka sary sy mpanao gazety rehetra, ary isaorana ny EMMO/NAT fa izy ireo no nitondra anaty tamin’ny camion nivoaka iny faritra iny. Teny amin’ny statistique Anosy izahay rehetra no navela, ary teo koa no samy namonjy fodiana avy eo.

Saingy talohan’ny niakarana tao anaty camion dia mbola nisy iray taminay ihany koa no nisy nibeda ary dia voaendaka daholo na portefeuille nisy ny vola sy kara-panondro, na ny fitaovana fiasana.

Fa tonga teny Nanisana kosa nitondra fanampiana ho an’ireo sahirana sy nanao asa fanadiovana tanàna ny PDS notendren’ny fanjakana Guy Rivo Andrianarisoa

Vaovao voaray izao vao izao:

Tafiditra ao anaty Station VIVA ny EMMO/NAT amin’izao amin’ny 8 ora sy 23 mn izao. Efa tsy misy olona intsony anefa tao anatin’ity trano ity. Raikitra ny fandefasana grenady mandatsa-dranomaso handravana ny andrimasom-pokonolona. Ary misy fanamarihana nataon’ny mpanao gazety nanatrika ny zava-nitranga teny fa nisy olona sivily nentina niditra tao anatin’ity tranon’ny INJET ity. Tsy fantatra hoe iza, hanina, hatao inona, sns…

« 05 mars 2009 » – Film tena izy

Tsy film akory no hotantaraiko anao fa ny tena niainana. Ary tsy tany Texas na Liban, na Irak fa teo Antananarivo Renivohitra.

Toy ny omaly dia efa tomefy mpitandro filaminana nialohan’ny nahatongavan’ireo mpanao fihetsiketsehana ny tanàna. Ary dia tena tanteraka tokoa ilay antso avo nataon’i Andry Rajoelina fahiny hoe hatao « tanàna maty Antananarivo » – saingy ny fotoana no tsy nifanojo – satria tamin’ity indray mitoraka ity dia ny EMMO/NAT no nanao ‘fitokonana’ teo amin’ny kianjan’ny 13 mai ary nameno ny elakelan-trano rehetra sy ny vodi-rindrina, hatrany Ambodifilao sy Soarano, Behoririka, Analakely, Ambohijatovo, Ambanidia, Ankadifotsy.

Nivoaka indray aho androany ho anareo mpamaky, niakatra ny tetezan’ny Behoririka. Feno olona teo ambony teo.
sunp0257
sunp02641

Nisy ireny fiaraben’ny mpitandro filaminana ireny koa tonga nankeo aorian’ireo mpitangorongorona.
sunp02791

Rehefa elaela teo ny roa tonta, dia niteny ireo mpitandro filaminana fa tokony hiparitaka daholo ny olona ka tsy hisy hijorojoro sy hitangorongorona intsony. Tsy nahoan’ireo olona teo ambony tetezana izany rehetra izany. Hany herin’ireto mpitandro filaminana dia sady namelona ny fiara no nandatsaka baomba mandatsa-dranomaso ary dia nirifatra nandao ny toerana. Tsy niverina teo intsony izy ireo raha tsy fotoana ela taty aoriana, fa lasa kosa nidina namonjy ny tery ambany akaikin’ny toby fitsinjarana solika Galana ampitan’ny Pain Français.
sunp0265

Tsinjo ery ambany ery manakaiky ny ranomaimbo Behoririka hatrany kosa ireo namany mandeha an-tongotra sy manao sakana.
sunp0275

Rehefa lasa ny herin’ny entona nandatsa-dranomaso, dia niverina nitangorongorona indray ny olona. Nanoloana indrindra ny toeram-pivarotana Luxor ka hatraty amin’ny tohotohobato sy iny ambany tetezana iny. Nofenoin’ireo olona nitangorona ireo vato ny arabe nanoloana ny Luxor…

sunp0266

Minitra vitsy aho no teo dia lasa indray namonjy ireo namana mpaka sary sy mpanao gazety tany Ambohijatovo. Efa somary antoandro ihany ny andro, ka dia niara-namonjy toeram-pisakafoanana teo ampototry ny tohotohobato Tavao. Iray metatra eo amin’io toerana io kosa no misy ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana…

Rehefa avy nisakafo indray dia lasa nidina nmakivaky ny lalam-be migodanan’Analakely sy ny kianjan’ny 13 mai izahay rehetra.
sunp0289
Niato kely izahay rehefa teo ampitan’ny Hotel Select, haka aloka sy hamory aina vao. Nandritra ny fidinanay ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai no nahitanay ireo mpitandro filaminana isaky ny sampanan-dàlana sy elakelantrano. Tena tanàna maty tokoa Antananarivo androany ary ny mpitandro filaminana no nanohy ny hetsiky ny 13 mai. (sic). Ao ireo mitsotsotra maka aina, na matory ampitoerana mihitsy aza, ao ireo mahita fahafinaretana ‘manala azy’ amin’ireo mpandalo mba sendra azy, ka ampihazakazahana ny olona, dia avy eo indray asaina mandeha mora, ary dia ampifandimbiasina tahaka izay (sady arahana fihomehezana). Toy ny nahazo ilay boaikely tetsy amin’ny Firaisana voalohany no lalina. Nitaingina bisikilety i zandrikely. Handeha ho any Behoririka na Ambondrona any angamba no anton-dia. Avy any Ambodifilao izy no nipoitra. Rehefa tonga teo amin’ny fivoahan-dàlana teo amin’ny firaisana voalohany, dia nasaina niverina tany amin’ny 20 metatra aloha, ary dia nantsoina indray hiverina hanohy ny làlany, ary rehefa nahazo ny làla-mahitsy hihazo ny Econo Center iny dia nokorododosina sy nihogahogan’ireto mpitandro filaminana.

Rehefa nandalo kosa izahay teo amin’ny Econo Center ka nitodika miakatra amin’iny làlana miakatra ho any Ambondrona iny, dia nahita miaramila marobe miankin-drindrina sy makamaka aina tamin’ny ilany havian-dàlana. Nisy taminay no naka sary izany zavatra izany, ary dia nahazo vava be avy amin’ny iray tamin’izy ireo, nanao hoe:

Eh; inona no hakahakanao sary eo, Tsy mila maka sary, raha vao misy sakoroka eo dia ianao no pehako voalohany.

Saingy nisy tamin’ireto namany kosa no nahatsikaritra ny sasany taminay hoe nanao akanjo misy soratra PRESSE sy niambozona badge ka nampangiana hainga ity namany, no sady niteny hoe

avelao leroa ny olona hanao ny asany a! Mpanao gazety ireny, ka tsy azon’ialahy atao inona rehefa mitondra ny badge-ny

Zavatra iray nahazendana sy nahatsikaiky anay rehetra koa anefa ity iray ity: feno kapaoty an-jatony efa nampiasaina teo amin’ny faritra nisy ny sakana nataon’ireo miaramila nanoloana ny tsenaben’ny Pochard. Maro be ireo mpitandro filaminana teo, na ny mandeha an-tongotra, na ny tao anaty kamiao…

sunp02901

Tafaverina teo Behoririka ambany amin’izay izahay rehetra tokony ho tamin’ny 2 ora mahery tany ho any. Ireo olona marobe dia avy ery ambony tetezana sy manoloana ny Luxor ary iny ambanin’ny tobin-tsolika Galana iny.
Ireo ‘miaramila’ kosa dia mipetrapetraka toa tsy te-hahalala ery akaikin’ny Toyota Rasseta ery.
sunp0292
Tsy tapitapitr’izay dia indreny fiara tsy mataho-dàlana (4 X 4) roa nisosososo nidina an’i Behoririka nanitsy ho any amin’ireto olona nivorivory ka tsy nisy alaharo alaharo, fa tonga dia sady mandefa grenade lacrymogène sy manao tifi-danitra.
sunp02931
sunp0294
sunp0295

Izay angamba no efa nandrasan’iretsy ‘miaramila’ tsy nihetsika tery akaikin’ny Toyota. Rehefa mandeha moa ny tifitra sy ny grenady, dia milefa ny olona, ary rehefa dila indray izany dia miverina izy ireo. Nahatezitra ny olona ny zavatra nitranga, ka nahatonga azy ireo hanangona vato tao ambony tetezana, nataony tamin’ny sisiny. Vantany vao nandalo sy nitifitra grenady indray ireto fiara (izay lasa telo, ary hafa fa tsy ny teo aloha intsony), dia nandrasan’ireo olona teo ambony tetezana ny handalovany teo ambany, ary dia notontany vato avy any ambony any. Voatery nialoka tao ambany tetezana araka izany ireo fiara nitondra ireto mpitandro filaminana, ka nidina ny sasany mba hanipy grenady lacrymogène tany ambony tetezana ho fisavana ny làlan-kandosirana. Dia nifanao fangalam-piery teo foana ny roa tonta…

Rehefa tokony ho tamin’ny efatra ora hariva tany ho any, raha noheverina fa nilamina sy tsy nisy nitangorona intsony ny tety amin’ny manodidina an’i Behoririka sy ny tetezana , ary iny làlana mitondra ho any an-tsenan’Andravoahangy iny, dia nisosososo avy any indray ireto fiara 4 X 4, ka na dia efa tsy nisy intsony aza ny olona nivorivory sy nitangorongorona, dia mbola napaoka ihany ny grenade lacrymogène tamin’iny faritry ny tohotohobato sy ny tetezana iny. Mbola natahorany ihany angamba ny hisian’ny tora-bato. Aza mahavoa kosa aloha ny goavy manta e! Nefa anie ka efa tsy nisy na inona na inona e. Sa kosa mbola nangidihidy ny tànana? Na efa zatra nitsotra?

Ary aza mba tratran’ilay fisamborana noho ny lokon’akanjo koa an! Rehefa ry zalahy no mifaniraka, mandritry ny fisamborana, aorian’ny fanipazana grenade, ka manao hoe:

Ilay manao akanjo mena iny (na izay voatonona eo)

dia miomàna izay miakanjo mena ao, na tsy nanao aza, fa nitazantazana fotsiny, rehefa nahazo baiko izay ilay nirahana dia ‘sônegaly’. Mandeha ny daroka tsy misy fijerena ny maha-olona, tsy mahazo miteny na mifandahatra, fa rehefa mena dia mena. Satria tena misy tokoa ny hoe ‘ny kary no nanao ny nataony ka ilay saka nitazantazana no voatapa-drambo”.
sunp0286
sunp02871

Tsy sahy nalaina moa ny sarin’ny daroka sy ny ompa, noho ny fitaovana tsy zarizary,nefa kosa azonareo atao ny mijery izany amin’ny sarin’ireo fahitalavitra manana tranonkalan-tserasera.

Vehivavy iray no maty androany. Nisy ihany koa ny naratra, saingy tsy mbola fantatra ny isa farany, raha ny androany 05 martsa no resahana. Tontolo iray hafa mihitsy izao no iainana eto Antananarivo Renivohitra, satria sarotra be ny fivezivezena hanangonam-baovao.

Niantso diabe amin’ny Sabotsy kosa tao amin’ny fampielezam-peo tsy miankina iray eto Antananarivo i Andry Rajoelina izao hariva izao, tsy voafaritra ny toerana haleha.

Fa ity sary farany omeko anao ity kosa dia olona nandalo tamin’ny moto teo Behoririka, tsy nanao casque ranamana fa nahantony teo amin’ny guidon ilay izy. Ireo fiara 4 X4 anefa aoriany efa mirimorimo miakatra ho any ambany tetezana sady mitifitra grenady lacrymogène ihany, ary nisy tifitra hafa koa (tsy fantatra hoe tena nisy bala hafahafa raha tsy efa ny vokany no hitanay). Loaka tanteraka ilay casque teo amin’ny guidon, ary ny bala notsimponiko eran’ny làlana dia boribory fotsifotsy toy ny kanety ny habeny. Ireny hopno ilay balle en caoutchou e! Fa nahaloaka casque moto an!

sunp0309

toy izao ireo bala nahavoa azy, rehefa mitefoka indray mandeha ny basy avy eny amin’ireo 4 X 4 dia bala maromaro amin’itony no mivoaka avy any:

img00057

Ireto kosa indray dia mba ambinambin-tsary mifameno amin’ireo tany aloha

sunp0299
sunp0300
sunp0304
sunp0311
sunp0313
sunp0314

Gidragidra be androany 04 martsa 2009

Nangidihidy ny tanako ka dia tsy maintsy nanoratra sy nandeha nitady fitaovana indray hakàna sary ho anareo mpamaky. Fa nisy inona tokoa ary e? Tsenan’Andravoahangy rehefa Alarobia. Tsy zava-baovao amin’ny maro intsony araka izany ny mahita fitohanan’ny fifamoivoizana amin’iny faritra iny. Niasa toy ny andavanandro araka izany ny mpiasa, ny mpivarotra nivarotra. Samy nanao ny nataony izany e! Mbola sondriana teo ampototry ny solosaina fampiasana andavanandro iny aho no indreto ny mpiara-miasa niditra tampoka tao amin’ny birao ary samy namonjy ny lavarangana avokoa. Misy lavarangana mitodika any amin’ny arabe mantsy ny rihana faharoa misy ny birao.

Fa misy inona ary e?

Olona manao dia maika sy hazakazaka madinika no tsinjo avy ety ambony, nanaraka izany dia indreny fiara vitsivitsy nitodi-doha niverina ho any Andravoahangy, raha toa ka ny ho an’ny afovoan-tanàna no anton-diany. Lasa laharan-droa vetivety teo ny fiara miverina ho any Andravoahangy. Tsy naharitra ny tena ka dia lasa koa mba nidina nanangom-baovao. Tokony ho tamin’ny 10 ora teo ny andro tamin’io. Nandeha nijery ifotony ny raharaha ny tena, ka namonjy nidina tany Behoririka. Tonga teny akaikin’ny rano maimbo (Lac de Behoririka). Olona maromaro no nivorivory teo ambony sy ambanin’ny tetezana

sunp0255

hatreny ambany eny, ary tery ambony amin’ny làlana mankany Soarano sy Analakely kosa ireo Emmo/Nat (miaramila ahitana Zandary, polisy, tafika). Ireto olona avy ety ambany manakaiky ny rano maimbo no mihantsy iretsy miaramila manoloana azy. Misy eo amin’ny 200 m mahery eo ny elanelana manasaraka ny roa tonta. Avy eo nivadika ho tora-bato izany….

Niverina nankany amin’ny birao aho nanafatra fakàn-tsary sy naka akanjo. Naka ny zanako tany ampianarany aloha (eo ampitan’ny birao ihany ny sekoly), ka rehefa avy nanatitra azy tany an-trano (tsy lavitra fa ao ambadika ao koa) dia lasa amin’izay handeha hanangona ny zava-misy sy handrakitra izany an-tsary. Efa amin’ny 1 ora sy fahefany ny andro raha naka ny sary voalohany teo Behoririka aho. Avy eo kosa nanohy ny diako nankany Antaninandro manda-pahatonga tany akaikin’ny College de France sy ny “Planète” (Hotely eny Ambohijatovo mifanolo-bodirindrina amin’ny College de Fr.). Nangina be ny tsy nahenoana feo-na fiara ny làlana rehetra nolalovako, saingy feno olona mifanaretsaka kosa. Eny rehetra eny ihany koa anefa dia ahitana miaramila sy zandary mitam-basy sy baomba mandatsa-dranomaso. Tany foana sy malalaka sisa ny teny Analakely raha nalaiko sary avy ety amin’ny làlana midina ho any Ambohijatovo.

sunp0258

Miaramila vitsivitsy sy ny fiarabe mpitatitra azy ireo no tsinjonao eny. Nanempotra ny fofona baomba mandatsa-dranomaso raha vao tafakatra kely teo amin’ny Eglizy Katolika Faravohitra fotsiny. Mitampim-bava sy orona daholo izay olona mifanena amiko. Ao ireo sakodiavatra mitady izay lalan-kaleha hamonjena fodiana, satria feno sakana ny làlana (na io ataon’ny mpihetsiketsika, na io ataon’ny mpitandro filaminana).

Rehefa tonga teny Ambohijatovo dia namonjy avy hatrany ny toerana misy ny Emmo/nat sy ny mpaka sary namana no natao. Teo anoloan’ny College de France sy ny tery ampitany manamorona ny tambohon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

sunp_0262

sunp0264

Teo no nisy ny sakana iray nataon’ny Emmo/Nat, ary ny sasany tety ambodi-fiakarana miverina mankany Faravohitra (eo ambanin’ny fiangonana Advantista Mandrosoa).

sunp0263

Ireto teo ampototry ny fiakarana dia toe ry zareo avy ao amin’ny RM1 raha ny fahitako azy. Efa taty aoriana kely vao nisy Emmo/Nat nanatevin-daharana azy ireo…

Raha mijoro fotsiny mijery sy tsy nanao na inona na inona afa-tsy ny niandry no nataon’ny Emmo/Nat, ireo tanora entanin-kafanam-po diso tafahoatra tery ampita kosa dia tsy nitsahatra ny nanao fihantsiana sy nitora-bato. Ary tsy vato kely fa tena mafonja an! Tsy fantatro hoe taiza no nahitan’ireo andian-jatovo ireto kodiarana ho dorana fa nisy roa tamin’izany no nampirehetin’izy ireo ary nalefany nikodiadia nakeny amin’ireto mpitandro filaminana…

sunp0271

Ny tany, hono, tsy ilaozan’adala ka nisy tamin’ireto andian-jatovo ireto no niditra tany anelanelan’ireo tranohazo marobe fivarotam-boky eo Ambohijatovo, ary dia tonga metatra vitsivitsy teny akaikin’ny mpitandro filaminana mihitsy manipy ny vatony. Tsy very anjara tamin’izany koa izahay mpaka sary sy mpanao gazety. Tsy nisy tohina kosa anefa na izany aza…

Mifanampy moa ny mpitandro filaminana sy ny mpanao gazety teto tamin’ny fanoroana ny fiavian’ny tora-bato sy ny fisian’ny olona tany anelanelan-trano tany. Raikitra ny fandefasana tifitra baomba mandatsa-dranomaso nankao anatin’ny faritry ny tranohazo tao, ary koa ny fandrahonana ireo andian-jatovo tsy hanohy hietraketraka.

sunp0272

Nefa toa herim-po very maina izany. Toa izy ireo indray aza no be vava ka manao hoe

Raha izay feom-basy letsy efa mahazatra anay a! Raha lehilahy dia tifiro » , sady atondrotr’izy ireo mankany amin’ny mpitandro filaminana ny vodiny [azafady fa mivantana be iny].

Rehefa hita fa naneho fahasahiana saiky hanantona ny mpitandro filaminana ireo antokon’ny mpitora-bato avy tery akaikin’ny fiatoan’ny taxibe avy any Ankatso, dia nanomboka ny fandefasana tsy ankiato ny baomba mandatsa-dranomaso. Nahazo ny anjarany tamin’izany koa ireo sampany avy aty amin’ny fiakarana mankany Ambatonakanga (FJKM) …

Elaela ny fifanatrehana teo ary farany dia niroso nanatona ireto andian-jatovo ireto ny Emmo/Nat no sady nandefa baomba mandatsa-dranomaso hatrany. Voatosika nihazo ny Tunnel Ambanidia ny antokon’olona nanoloana ny tobin-dasantsy eo ambanin’ny tranoben’ny Minitseran’ny Mponina.

sunp0280

Ary ireo avy ato ankavanana amin’ny fiakarana mankany Ambatonakanga koa dia voatosika nihemotra lavitra tery ambony tery.

sunp0276

Toraka izay koa ny avy ao amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe mankany Ambohipo, Mandroseza sns …iny.

Tena nampihaiky volana ahy, ary nahazendana ny mpitandro filaminana koa ny fahasahian’ireto andian’olona ireto, satria raha voatosika ny tety amin’ny arabe, dia nisy kosa tamin’ireto olona ireto tafiditra tao anatin’ny kianjan’Ambohijatovo. Raha variana amin’ireo olona marobe nanoloana azy ny mpitandro filaminana, dia nisy olona kosa nivoaka teny ambaravarankelin’ny trano iray teo akaikin’ny toby famatsiana solika teo, ka niteny tamiko fa misy manomana cocktail Molotov ao an-jaridaina. Avo toerana moa ry zareo ka tsy nahagaga raha tsinjony tsara daholo izay nitranga tao an-kianja. Rehefa ren’ireo mpitandro filaminana izany dia efa niomana hiatrika izay koa ry zareo. Niezaka naka sary an’ireo telolahy nandady nitondra ilay tavoahangy feno lasantsy aho, saingy tsy nahasehaka loatra ilay fakantsary sinoa tety amiko ka dia ny vodi-poteau niafenan-dry zalahy no tratra farany.

sunp0281

Ry zalahy amin’izay mandady amin’iny sisin’ny fefin’ny zaridaina iny mba hanatona ireo mpitandro filaminana, ka rehefa nahita ny lohako nitsofoka tamin’ireo lavaka boribory amin’ny fefy mba haka sary azy ireo, dia iny koa ry zalahy no lasa nihemotra…

Toy ireny manao sarin’ady ireny no fihevitr’ireto andianolona ireto ny zava-mitranga. Tsy mitsahatra koa ny tora-bato mandritra izany rehetra izany.

Fa izay zavatra tena hitako ho nanahirana tokoa an’ireto mpitandro filaminana ireto dia ny fidiran’ireto andian’olona ireto tany an-tananan’olona, ary avy any ry zalahy no mitoraka vato na tavoahangy sy izay rehetra azo atsipy. Avy any ambadiky ny trano, ka manelanelana azy ireo amin’ireto miaramila amin’izany ny tafon-tranon’olona nidirany. Avy any ambadika any no misy manipy seau plastika sy daba vy voasesika zavatra nampirehetina, ary natsipy ho aty amin’ireo mpitandro filaminana.

sunp0282

Teo amin’ny sampanana mankany Ambatonakanga sy Antaninarenina izany no niseho. Hitoraka grenady an-dry zalahy ny mpitandro filaminana, toa sahirana ihany, satria tanànan’olona no ao, ary tsy fantatra izay mety hitontonan’ilay zavatra.

Fa ny tena nampalahelo dia ny fanimban-javatra.

sunp0290

sunp0277

Ankoatra ny fanimbàna ny tohotoho-bato teo akaiky teo mba hahazoana vato hitorahana ny mpitandro filaminana, dia nisy fiara niantsona tery amin’ny fiakarana ho anyAmbatonakanga iny (Peugeot 404). Tapitra novakian-dry zalahy ny fitaratry ny fiara mba hahazoany manala ny tsindry hisatra taminy. Avy eo dia nasosany nidina tamin’iny fidinana iny ilay fiara mba ho ety amin’ny mpitandro filaminana. Soa ihany fa nisy vato namily tampoka ny kodiarana, ka tany amin’ny rindrina amin’ilay trano avo teo antenantenam-piakarana teo ilay fiara no nifatratra. Goavana ny fahavoazana hita amin’ilay fiara…

sunp0285

Ireo faritra avo rehetra nanodidina an’Ambohijatovo dia saiky feno olona avokoa.

sunp0278

Ary ny lalàna rehetra miditra mamnkao Analakely dia nisy sakan’ny miaramila avokoa ary tsy azo nodinganina. Hatramin’ny fotoana nanoràtana ny hafatra ( 5 ora hariva sy sasany) dia mbola re foana ny poa-basy tety amin’ny faritra Andravoahangy. Tonga hatraty ambony tafon’ny lakozianay ny pitika baomba mandatsa-dranomaso. Nandositra eraky ny elakelan-trano ry zalahy, hatrany amin’iny mankany amin’ny ACCEM sy miakatra any amin’ny tranon’i RAIMBOAY any Mandialaza iny, ary dia ampolony indray no saiky hiditra tato an-tanana. Iray no efa tato anaty tokotany ka rehefa noroahana nivoaka nefa tsy nety, dia voatery notorahana kapila avy tany amin’ny terasse… Tezitra tamiko ny mpiara-manofa tato an-tanàna fa hoe sao anànan-dry zalahy kakày, hono, ny tanàna. Ka mba leo koa aho aloha e! Tsy te-hahita toy ilay tamin’ny 27 janoary intsony.

Saiky hadinoko, fa nisy teratany vahiny miteny anglisy be enina, tsy fantatro izay fihaviany fa lazain’ny namana mpaka sary sasany fa SudAf, nalain’ny mpanao gazety namana iray sary (fotsy be ry zalahy ireto teratany vahiny, ary izy ireo, hoy ny Tv Plus androany, no tena mibaiko) . Nezahana  nalaina ny fitaovana fakàna sary teny amin’ilay ranamana mpanao gazety, ary rehefa ela nifandroritana sy nifamaliana teo dia afaka nanohy ny asany ihany ilay namana. Heno mihitsy tao anatin’ny horonantsary tamin’ny fahitalavitra io hariva io ny baiko nomen’ilay mpitarika gasy hoe

alaivo ‘lay sary, alaivo fotsiny lay cam

  . Nolazain’ny EMMO/NAT fa hoe touriste moa ireto vahiny ireto, ka dia gaga sy sorena ny mpaka sary sy mpanao gazety rehetrahoe, fa rehefa vahiny izany dia afaka manitsaka zone rouge (ny 13 mai zay efa feno miaramila hatramin’ny vao mangiran-dratsy, ka tamin’ny valo ora maraina dia tsy nisy afa-tsy ireo fiara hivoaka ny faritra sisa no afaka nandeha, fa izay nihevitra ny handalo na hivezivezy tao dia tsy afaka nanao izany), fa rehefa Malagasy miezaka manao ny asany amin’ny fanaovan-gazety dia TSIA. Niteraka fahasorenana sy fifanazavana lavabe teo amin’ny andaniny sy ny ankilany izay, ary dia niseho mazava tsara tao main’ny fahitalavitra MaTV io hariva io. FA KOSA… FA KOSA… Nalain’ity olona tsy miteny Malagasy ity sary ilay ranamana mpanao gazety ( iniana tsy lazaina eto aloha ny gazety iasan’ilay ranamana anio!). Tsy fantatra hoe sary hatao inona. Saingy eto izany dia efa miomana sahady ireo namana rehetra mpaka sary sy mpanao gazety fa raha sanatria misy mahazo izay ranamana izay, dia efa fantatsika ny fiavian’ny olana. Fiaran’ny miaramila mitondra ny laharana T 1935 moa no tonga naka ireto teratany vahiny enina ireto niala ny kianjan’ny 13 mai.

Nisy moa ny fisamborana na teny amin’ny Petite Vitesse Isotry, na teny Ambohijatovo sns…

sunp0287

Fa raha ny tetika nentin’ireo mpitandro filaminana nitsimpona ny mpitora-bato (izay tsy nampoizin’ireto farany velively) no lazaina dia toy izao. Rehefa nifanao fangala-piery ela teo ny roa tonta, ary tsy nahita haleha intsony ireo mpitoraka sasany, dia mody mandeha mora toy ireny olona tsy nanao na inona na inona ireny. Miroso miadana manatona ireo sakana miaramila. Rehefa tonga eo amin’ny sakana kosa anefa,dia raikitra ny fisavana tànana, ka izay rehetra maloto tànana, toa feno biriky, na vovo-bato, dia tsy afa-bela fa raisim-potsiny eo.

Fa teny an-dàlana nody dia tsinjoko fa tena mbola tomefy olona teo anoloan’ny Luxor Behoririka, ary efananomboka niakatra nanatona azy ireo koa ny EMMO/NAT avy any ambany any.

sunp0293

Ilaozana kely aloha ny eny Ambohijatovo, fa ndeha hotsiahivina kely ny teny Antanimena (C.E.G): niditra nanao barofo tao ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanakorontana ny mpianatra rehetra tao sy nanao herisetra tamin’ireo mpanabe. Nisy mihitsy aza ny olona tao amin’ity toeram-pampianarana ity no naboridan’ireo mpanakorontana, Kiakiaka sy tomany no nanakoako avy tao amin’ity C.E.G ity raha ny tatitra voaray, satria mbola tao daholo ireo mpianatra marainatamin’ity sekoly ity. Soa ihany fa tsy isan’ireo mpianatra maraina ny zanako androany.

Fa raha toy izao kosa aloha no lazaina hoe tolona, dia hoy aho heo SIMBA TANTERAKA ARY TOKONY HOVANA ANY ANATY RAKIBOLANA NY HEVITRY NY TENY HOE “TOLONA”, ka asiana dikany iray faharoa hoe “FANDROBANA SY FANAOVANA AN-KERINY NY HAFA”. Miala tsiny raha masiaka fiteny fa raha ny zavatra hita androany, dia tsy voafehy mihitsy ireo olona nihetsika nanerana an’Antananarivo.

Fa nihaino Antsiva aho io hariva io (6ora sy 53 mn). Raha mbola miteny tsara manazava hevitra iny ingahy Ismael Razafinarivo, tonga dia ny feo avy amin’ny Radio Mada no niditra tampoka nanindry ilay onjam-peon’ny Antsiva (antso an-telefona fanakianana ranofotsiny ny hetsika ary fiantsoana ny fanjakana handray andraikitra no tao), ka nahatonga ireo tao amin’ farany hanapaka haingana ny onjam-peo. Nilaza moa ireo olona sendra tafaresaka tamiko fa isak’izay mamadika sy mitady onjam-peo ianao, dia ny Radio Mada no azonao…

Feno mpitandro filaminana eran’ny tanànan’Antananarivo. Asa izay mbola hitranga anio halina

8 no niditra hopitaly, miaramila ny iray, lehilahy lehibe jamba ny iray izay isan’ireo naratran’ny tora-bato. Roa tamin’ireo kosa ratra vokatry ny tifitra. Tatitra avy amin’ny HJRA nampitain’ny MaTV ireo.

Fa nasehon’ny TvPlus kosa fa nisy iray maty androany nandritra iny fifandonana iny. Mpivaro-boanjo mandehandeha no asany ary Haja no anarany, araka ny fanazavan’ny dadatoany. Roa ireo voatifitra teo amin’ny kibony ary nipotsaka ny tsinainy. Isan’izany ity maty ity. Hatreto kosa anefa dia tsy nahazoana fanamarinana na bala tena izy na tsia no nahavoa ireto olona ireto.

Hatramin’ny 7 ora hariva teo dia mbola mihidy eny amin’ny Hotely Le Hintsy ny solontenan’ny roa tonta sy ireo mpanelanelana manao fivoriana. Tsy hisy moa ny famintinana ho an’ny mpanao gazety amin’ity anio ity raha ny hafatra voaray nampitondraina mpiasa iray ao amin’ity Hotely ity.

Mbola niantso tamin’ny alalan’ny finday sy nalefan’ny TvPlus izao hariva izao ny antso nataon’i Andry Rajoelina nilazany fa mbola mitohy ny hetsika sy fiezahana hirotsaka ao amin’ny 13 mai rahampitso (amin’ny 8 ora sy 30 mn alina izao aty Madagasikara)

Diabe hametraka minisitra hoe?

Araka ny fotoana nifanomezan’ny teo amin’ny Kianja 13 mai dia niroso tamin’ny ho fametrahana ireo minisitra izy ireo.
Tsy hitako ary tsy fantatro izay zava-nisy talohan’ny nahatongavako teo anoloan’ny  RM1 (toby miaramila eo Andohan’Analakely).
Ny hitako tamin’ny fotoana nahatongavako dia ny olona marobe nanao antokony roa: ny iray tery Ambohijatovo manoloana ny Tsangambaton’ny 29 Mars,

ireo teny Ambohijatovo akaikin'ny tsangambato

ireo teny Ambohijatovo akaikin'ny tsangambato

ary ny faharoa kosa dia ety ambany mifanandrify indrindra amin’ny Bibliotheque Municipale

ireo tety anoloan'ny Bibliotheque Minicipale

ireo tety anoloan'ny Bibliotheque Minicipale

ireo mpiandry teo an-daharana

ireo mpiandry teo an-daharana

mipetraka ny eo anoloana ary mijoro eo anoloany eo ny mpiandry vitsivitsy. Tsy lavitra teo ny sono mobile tsy mitsahatra mandefa hirahira sy fanentanana.

Fotoana fohy taorian’izay nahatongavako teo izay (3 ora sy 5 mn / 15h 05) dia indreny nidina avy tany Ambohijatovo tany ireo solontenan’ny HAT (Haute Autorité de la Transition).

sunp0007

Saika hifampiresaka tamin’ireo tomponandraikitra isaky ny ministera (mponina sy fanatanjahantena) noheverina fa hapetraka ny androtry ny anio. Tsy nahazo fahafaham-po izy ireo satria trano sy vavahady nihidy no novantaniny. Tsy nisy noho izany ny resaka na zavatra azo natao.
Nifandrombahan’ireo mpanao gazety tonga teny (Malagasy sy vahiny)

nifanotofan'ny mpanao gazety ireo solontena

nifanotofan'ny mpanao gazety ireo solontena

nanontaniana ny fandehany tany izy ireo. Nambarany tamin’izany fa tsy nisy azo natao aloha fa hiverina hiaraka amin’ny vadintany ry zareo amin’ny manaraka. Ny antony naroso momba izay fanapahan-kevitra izay dia ny tsy hidirana amin’ny toerana mihidy raha tsy misy vavolombelona mahita momba izay entana sisa tavela ao anatin’ireny tranom-panjakana ireny, hisorohana ny mety hilazana azy ireo ho nangalatra ny entana tsy hita, na mety tsy ho hita ao anatin’izy ireny.
Vita ny anjaran’ny mpanao gazety dia niroso kosa indray hanao tatitra tamin’ny vahoaka indray

hanao tatitra amin'ireo mpanara-dia indray

hanao tatitra amin'ireo mpanara-dia indray

. Raha vao nandre ireto vahoaka fa hoe tsy nahomby ny dia, dia maro no tsy faly sy nihogahoga (miala tsiny aho raha milaza fa olona hafahafa daholo ireto hitako teo amin’ny lohalaharana nandritra ity andro androany ity). Efa nisy moa ny (barrage) rindrin’ny miaramila efa vonona teo alohany teo.

rindrina Miaramila (barrage) teo akaikin'ny Super Music sy ny BNI

rindrina Miaramila (barrage) teo akaikin'ny Super Music sy ny BNI

Ireto vahoaka (na ireto olona voalazako etsy aloha) dia tsy nety hihaino intsony ny tatitra nataon’i Monja Roindefo sy ny Jeneraly Organès.

Monja Roindefo mandresy lahatra ny mpanara-dia azy

Monja Roindefo mandresy lahatra ny mpanara-dia azy

Rehefa nifandresy lahatra ela teo ny solontena nandeha tany amin’ny ministera sy ireo ‘tsy mety hihaino’, dia hita fa tsy naharesy lahatra ireto farany izy ireo. Niafara tamin’ny fitoratorahana ny sono mobile sy ireo tao anatiny izany. Nahatsiaro ho diso fanantenana ve ireo olona ireo sa efa zavatra hafa mihitsy no noeritreretina, saingy diso ny teti-panorona? Nandeha ny toraka voatabia sy ny sisa. Nisy nanozongozeona ny fiara, ary dia nivilavila ampitoerana teo ilay fiara. Nisy nilaza aza moa fa hoe lasan’ireto mpanararaotra ireto ny baffle iray tamin’io fiara io, ary vetivety dia nanjavona tsy hita tany anaty vahoaka tany (tsy hitako maso io fa resaka heno). Hany herin’ireo mpitarika dia niteny tamin’ireto ‘olona tsy resy lahatra’ ireto fa raha tiany ny hamakivaky ireo mpitandro filaminana sy handeha ho an’ny amin’ny ministera dia mandehana izay sahy. Fa izy ireo kosa mbola hitady sy hiandry  huissier (vadintany) vao afaka miroso amin’izany indray. Rehefa izany dia lasa nilefa namonjy ny tany ambadiky ny kianjan’ny 13 mai ilay fiara. Ary dia niara-tonga tamin’i Andry Rajoelina tao an-toerana. Niezaka nihazakazaka nanenjika tato aoriana ireto tsy faly.

taty amin'ny pavillons mpanao elobe no nirifatra ilay fiara

taty amin'ny pavillons mpanao elobe no nirifatra ilay fiara

Tsy haiko izay niafarany tany satria izahay sy ireo mpanao gazety namana rehetra dia tsy niala lavitra fa teo anelanelan’ireto andry miaramila anankiroa foana nandritra ny fotoana nisehoan’ireo rehetra ireo (ho fiarovana ny aina).

ireo andry miaramila (barrage) nanodidina anay

ireo andry miaramila (barrage) nanodidina anay

Nanomboka ny toratoraka vato nataon’ireto andian’olona lohalaharana ireto nankany amin’ireo mpitandro filaminana.

ho an'izay tsy mijery eto dia ny loha no mitaty

ho an'izay tsy mijery eto dia ny loha no mitaty

Niezaka ny tsy nanao na inona na inona ireto farany. Nefa rehefa nanositosika ilay vy be fanariam-pako ireto andian’oloana ireto ary niha nanatona ny toerana nisy ireto mpitandro filaminana, no sady mbola nanohy hatrany ny tora-bato ihany, dia tsy maintsy niaro ny toerana nisy azy amin’izay ireto mpitandro filaminana avy amin’ny EMMONAT ireto, ka nandefa ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany tokony ho tany amin’ny manodidina ny tamin’ny efatra ora tany ho any.

fanaparitahana tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany

fanaparitahana tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany

Samy nandefa izany daholo ireo andry miaramila roa avy aty Ambohijatovo sy ny teo anoloan’ny BNI Analakely. Miroso hatrany koa izy ireo mba hanemorana ny olona tsy hanatona ny toby miaramila. Marihana fa feno mpivarotra volamena koa manodidina io Banky BNI io, ary ety akaikin’ny Bibliotheque Municipale kosa dia misy ireo mpivarotra electromenagers. Tonga hatrany anaty elakelantrano manodidina sy ireto tohatohabato manodidina ny baomba mandatsa-dranomaso nalefa mba hanaparitahana ny olona.
Mbola olona marobe mifanitsa-kitro no tsinjo raha mitodika mankany amin’ny gara ianao, avy ety amin’ny BNI Andohan’Analakely. Olona maro be sahy sy vonona amin’izay maha resy lahatra azy. Be ko anefa ireo mpanararaotra no nandeha niditra tany anaty pavillons tany. Ary narahan’ireto mpitandro filaminana mandeha miadana avy ety ivelan’ny arabe no sady nasainy niala ny toerana sy ny lalankely mamakivaky ny pavillons .

EMMONAT miaro ireo pavillons

EMMONAT miaro ireo pavillons

Ny zavatra mampalahelo dia ny toe-tsain’ireto andian’olona teo amin’ny lohalaharana ireto. Ny fiara izay tavela teny amin’ny sisiny teny dia nezahan’izy ireny nokitihana daholo. Ary ity fiara amin’ny sary ity dia nendahana ny retroviseur

fiara saiky voaroba

fiara saiky voaroba

sunp0086

sunp0088

sunp00891

ary natsipy tany amin’ny mpitandro filaminana ka raha tsy nalefa ny baomba mandatsa-dranomaso, dia angamba efa tsy nisy noraisina, na may izy io. Nisy mihitsy aza ireo izay tonga hatramin’ny mody manao mitondra ny namany maratra,hono, nefa rehefa tafiditra ao anaty fiara dia ny manendaka izay ao anatiny sy izay azo esorina no ataony. Toy izay nahazo ity lehilahy iray nitomany niantso an-telephone ny namany androany teny Andravoahangy.
Tokony ho tamin’ny efatra sy sasany mahery kely (16h 38) dia nirohotra ireto andian’olona ireto nanatona ny toeran’ny mpitandro filaminana no sady mitoraka sy miantsy .

sady mitoraka no manatona hatrany ireto olona ireto

sady mitoraka no manatona hatrany ireto olona ireto

Ny mahatsikaiky sy mahasorena ihany koa dia ny mahita azy ireo tondroina amin’ny basy mipoaka (balle blanc)

ireo vodibala notsimponiko teny an'arabe avy ato aorian'ny mpitandro filaminana

ireo vodibala notsimponiko teny an'arabe avy ato aorian'ny mpitandro filaminana

img00071

, ka rehefa mipoaka ny basy dia mody mitsirara ry vendrana, avy eo dia mifoha indray ary mikakakàka mihomehy sy mandrangitra ny miaramila.
Rehefa ela nifanatrehana teo ny roa tonta, ary nanoloana ny fahasahisahian’ireto olona ireto, dia nihemotra namonjy toby ireto miaramila nony farany. Isaorana azy ireo ny tsy fampiasany balle réelle hatramin’ny farany. Naleony niala sy nisintaka toy izay handatsa-drà. Fa raha tsy izany dia angamba ho zava-doza no hita. Nentin’izy ireo niditra ny toby daholo ireo mpaka sary sy mpanao gazety nanaraka ny consigne nomeny hoe ‘aza mandeha eo alohanay ianareo fa aty aoriana hatrany’. Nahita izany ireto andian’olona ireto dia toa nihevitra fa resy ny miaramila, ary dia niha nahazo aina. Tonga hatreo ambavahadin’ny toby saiky hanao amboletra izy ireo. Fahasahiana re izany! Saiky tsy voatosik’ireo miaramila mihitsy ilay vavahady mba hanidiana azy.

ireo andian'olona any ivelany manosika hamoha, ny ato anaty toby manosika hanidy

ireo andian'olona any ivelany manosika hamoha, ny ato anaty toby manosika hanidy

Voahidy ihany moa ilay vavahady be nony farany. Ny tora-bato avy any ivelany kosa dia nanimba fitaratra fiara vitsy tao anaty toby. Fa izay tena nahitako ny fahasahian’ireto olona dia ny fanatonany ny toby sy nandoroany ny cypres mamefy izany toby izany. Soa ihany fa hita haingana ny afo ka maty ara-potoana.

ireo tafika avy namono ny afo tamin'ny fefin'ny toby

ireo tafika avy namono ny afo tamin'ny fefin'ny toby

Nentina miaramila iray niakatra tany amin’ny rihana voalohany aho sy ilay mpaka sarin’ny Africa_International. Ary afaka nahita tsara izay niseho nanodidina ny toby. Nitodika taty amin’ilay tsangambato momba ny ady atao amin’ny SIDA io no nisy anay. Teo no nahitanay fa misy olona vitsivitsy avy ao anatin’ireto andian’olona ireto mampiasa pilotra

ilay tsangambato niafenan'ireto mpitoraka pilotra. Avy amin'ny ilany havia amin'ny sary izy ireo no mivoaka rehefa hitoraka

ilay tsangambato niafenan'ireto mpitoraka pilotra. Avy amin'ny ilany havia amin'ny sary izy ireo no mivoaka rehefa hitoraka

, ary tena mahitsy toraka sy mafy tokoa. Tsy azo natao mihitsy ny misehoseho be mandritry ny segondra maromaro eo amin’ilay varavarankely. Rehefa misy mandefa vato dia tsy maintsy misy miteny haingana izay mahita ka manao hoe ‘vato’, dia miara-miafina ambadiky ny andrin-trano daholo, na miondrika ambany. Feno vato sy vakim-pitaratra ny tao ambony rihana.  Zavatra nampalahelo ireto mpitandro filaminana ihany koa ny fahitana fa dia miandahy miambavy ireto olona manao INTIFADA GASY [fanafihana amin’ny alalan’ny tora-bato toy ny an’ny Palestiniana] ireto, ary ny salan-taona dia tena ankizy no azo ilazana azy. Satria moa ny fakantsary mba azoko nampiasaina hatreto dia tsy mahataka-davitra, ka dia ilay zalahy mpaka sary avy amin’ny Africa International no naka sary ireo mpanipy pilotra. Ary dia mazava be tokoa. Nifanome laharana finday moa izy sy ireo manamboninahitra tao amin’ny toby fa hanolo-tanana amin’ny fanomezana sary ny mpitandro filaminana izy. Indrindra fa ireo mpandefa pilotra. [ny aza voany kosa aloha an!]
Ankoatra ireo dia nisy Scooter iray nitondra olona roa nanitsy tamin’ny arabe mamakivakly ny pavillons iny. Nisomaritaka ireo andian’olona nankeny ary nihevitra aho fa norotahana ilay Scooter. Ireo miaramila izay tsara toerana nahita tsara ny niseho anefa no mitantara fa olona mpizara vola ho an-dry zalahy ilay nandeha scooter, fa tsy olona endahana akory. Minitra vitsy taorian’izay dia nilamina iny.
Nisy koa lehilahy iray tery an-joron’ny lalankely miditra mankany amin’ny Bibliotheque Municipale, toa naka sary, ka tsy nahafaly ireto andian’olona ireto, ary nitangoronan’izy ireo sy notaritiny lavidavitra nankeny akaikin’ny Paositra teny. Tsy hainay izay niafarany.
Niresaka moa ireto mpitandro filaminana (izy samy izy) fa dia ho henjana ny fanaovana patrouille anio alina.
Tsy tafavoaka tao an-toby, na ny marina kokoa dia tsy nanapa-kevitra hivoaka tao izahay mirahalahy mpaka sary, raha tsy efa azonay antoka fa azo natao ny nivoaka. Manondro amin’ny enina ora hariva ny famantaran’ora. Ireo mpanao gazety vahiny kosa moa dia efa ela talohanay no nivoaka sy nandehandeha hatreny akaikin’ny BNI teny.

Vaovao io hariva io

Milaza ny hivory (na tsy hatory mandrapaharainan’ny andro aza) ny HAT hitady izay stratejia hakàna ny ministera rehetra, ary nanome fotoana ny mpanara-dia azy indray eo ankianja rahampitso Talata.

Nasehon’ny TV Plus androany hariva teo ny sarin’ilay Olom-boafidy ao amin’ny Firaisana faha 4 nanakarana andian-jatovo sy nizara vola tao amin’ny Palais des Sports raha iny izy sy ireo mpiara-dia aminy miedinedina teny Anosy iny indrindra, ary nitarika iretsy olona hanampy ny miaramila teny Anosy hiambina ny Ministera.

Henjana be koa izao ny geurre de la communication an!

Hatramin’ny enina mahery dia mbola nandrenesana poa-basy hatrany Behoririka tany

MISAOTRA MANOKANA NY EMMONAT sy ny MPITANDRO FILAMINANA REHETRA IZAY NIARO MANOKANA NY MARO TAMINAY, sy INDRINDRA KOA TSY NAMPIASA BALA TENA IZY.
MANAMELOKA KOSA NY FIHETSIKA FENO FIHANTSIANA HITAKO SY NATREHIKO ANDROANY AVY AMIN’IREO ANDIAN’OLONA HAFAHAFA TEO AMIN’NY LOHAN’NY LAHARANA ANDROANY

Ny andron’ny 07 febroary 2009, hotsarain’ny ampitso

Dia nafàna sy nangotraka raha ity androany ity no lazaina.

sunp00661

Rehefa nifamotoana teny ankianja ny rehetra androany dia niandry tamim-pahatoniana izay ho mpikambana ao amin’ilay fitondrana tetezamita ‘Andry Rajoelina’

sunp0055

Mandra-piandry an’izay dia niosy ny fanentanana maro samihafa nentin’ireo artista maro nifandimby (samoela, Tearano, Krutambul,  Sareraka…)

Hipoka tanteraka Analakely, Soarano, Andohan’Analakely, Tsaralalana, sy ny manodidina.

Na teo aza anefa ny vahoaka maro teo an-kianja, dia nisy, ary tena maro tokoa ireo mpivarotra amoron-dàlana,  no nanohy nivarotra sy nitady vola toy isanandro. Tsy nihevitra velively araka izany ny maro fa hisy zavatra hafahafa hitranga, satria tokoa mantsy dia tamim-pahatoniana hatrany no nolazaina hitondràna ny tolona.

Rehefa tonga ary Andriamatoa Andry Rajoelina, ary nanao ny kabariny, dia nolazainy tamin’izany fa Andriamatoa Monja Roindefo Zafitsimivalo no notendreny ho Praiminisitra. Horakora-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka izany filazana izany. Ary satria an’ny Comune Urbaine Antananarivo ny Lapan’Ambohitsorohitra, dia omeny kosa ho toeram-piasan’ny Governemanta tetezamita.

Nanao lahateny tamin’ny teny Malagasy, Frantsay ary Anglisy ny Praiminitry ny fitondrana tetezamita, ary rehefa izany dia nanontany ny hevitry ny vahoaka.

‘Tsy mety raha hanao zavatra ka tsy hàka ny hevitrareo vahoaka…Inona no hataontsika? ».

Nilaza ny vahoaka fa ny haka avy hatrany ny Lapa no hatao, (ka i Mahazoarivo no nangatahan’ny olona haleha tao anatin’ny valin-teniny voalohany saingy ny teny ambony sehatra no niteny fa Ambohitsorohitra no omena ho trano fiasan’ny governemanta tetezamita).

Taorian’izay dia nametraka ny fandaminana faramparany ny mpitarika, fa dia hanainga haka ny Lapa izany, araka ny fanirian’ny vahoaka.

Nanomboka teo dia nihazakazaka ny toe-draharaha. Feno hafanam-po ireo vahoaka niakatra ho eny Antaninarenina. Ka rehefa tonga teny dia nifampiresaka tamin’ireo mpitarika ny tafika avy amin’ny andaniny ny Jeneraly Dolin Rasolosoa avy aty amin’ny Tetezamita. Tsy arako loatra izay fandehany tao fa tsy ela taorian’izay dia ny mpanao gazety nantsoin’ny Hotel Colbert hiditra ao aminy haingana no nanaitra ahy. Isaorana etoana ny Hotel Colbert amin’izay zavatra izay. Tsy nisy intsony sary azo teto fa nisafotofoto nanavotra aina ny rehetra. Sans sommation fa rehefa tsy nisy vokany izay fifanantonana tetsy aloha izay, dia tifitra variraraka avy hatrany nitodika tany amin’ireo vahoaka marobe no satriny. Be no lavo teo, be ny naratra. Ary izay nahazendana dia ny nijery ireo maty, izay saiky teny amin’ny tenda, na ny loha no voatifitra. Midika izany fa tena efa tifitra matihanina no nitranga fa tsy tifitifi-poana velively.

sunp01101

sunp0107

sunp0106

Raha ny fanisàna vonjimaika teny an-tany fiadiana, dia manodidina ny roapolo. Be koa ny naratra. Isan’ireo maty i Ando RATOVONIRINA, 26 taona,  mpanao gazety niditra niasa tao amin’ny RTA tamin’ny oktobra 2008, ary mpanao gazety vahiny iray hafa kosa no voatifitra teo amin’ny lohaliny, toa an’ny RFI hono ilay mpanao gazety iray hafa voatifitra teny amin’ny tanany angaha.

sunp0089

img000411

Noho ny hatezeran’ny olona dia voaroba ny Hotel iray teo ampitan’ny Trésor. Satria nisy tifitra niainga avy amin’ireo rihana ambonin’ny tranon’ny Trésor.

sunp0067sunp0066

Raha nitsirika  naka sary ny lapan’Ambohitsorohitra aho (avy ety amin’ny kihon-dàlana avy aty amin’ny BMOI, dia lohana miaramila mitam-basy manao ‘couchez-vous’, maromaro no tsinjoko amin’ny faritra ambanin’ny vavahady miditra mankao an-dapa. Nisy telolahy koa ao anatin’ireny trano hazo kely eo am-bavahady ireny.

sunp0091

…Nisy fotoana nidinako namonjy an’Andravoahangy mba hitady sakafo, ary rehefa hiverina ho eny Antaninarenina aho, no naheno tamin’ny olona teny an-dàlana, fa maro ireo fiara 4 X 4 nandeha nirifatra nitsoaka namonjy ny seranam-piaramanidin’Ivato. (ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, hoy ny olona). Araka ny loharanom-baovao mantsy dia any Mahajanga andriamatoa Ravalomanana. Izany hoe trano foana (vide) ity narovana mafy sy nadatsahana aina tsy an-kitsitsy ity.

Niantso tody ho an-dRavalomanana Marc sy ny fianakaviany ny vahoaka maro tonga teny sy nanatri-maso ny tantara. Toy izany koa ireo tonga nitady ny havany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA.

img000481

sunp0140

Ka na ny Ministra teo aloha Radavidson Andriamparany, izay tonga teny hampahery ny naratra sy hampionona ny manana ny maty aza, dia saiky niharan’ny hatezeran’ny oolona. Voateny teo  ny hoe

sunp0118

Inona no alehanao aty? Handatsa anay? Efa niara-nihinana tao ve ianao vao mody mijery anay aty! Maty ny havanay, Mandehana ianao mody. Tsy te-hahita ny tavanao izahay. Ianao koa tafiditra ao amin’ny afera Force One.

sunp0138

sunp0136

Tsy nitsahatra ny fivezivezen’ireo taxi sy fiaran’olon-tsotra ary fiara mpamonjy voina hatramin’ny fito ora hariva (19h) nialako teny amin’ny HJRA androany. Noho ny fahafenoan’ny toerana tao amin’ny tranom-paty dia nisy tamin’ireo razana no napetraka teny ambony bozaka teo an-tokontany aloha mandra-pandamina ny tao anatiny. Be ireo olona tsara sitrapo no namonjy hainga ny HJRA mba hanone maimaim-poana ny rany ho vonjy aina. Hatramin’ny karana aza dia tonga teny. Nanontany azy ireo aho ny amin’ny antony nahatongavany teny hanome rà. Sao mba misy havany marary ao. Rehefa tonga tety tokoa mantsy ka natao ny fanisana faramparany azoko natao talohan’ny nialako ny hopitaly dia dimampolo latsaka ny maty voatifitra. Ny naratra moa dia miditra isaky ny minitra angamba. Misy ny afaka nalefa nody fa ratra vokatry ny fifanosehana kely, fa nisy ireo nojerem-potsiny fa tsy nisy azo natao aminy intsony, nefa tsy vitan’ireo mpitsabo koa ny tonga dia hanatitra olona miala aina ho any amin’ny tranom-paty avy hatrany.

Toy izao no valin-tenin’izy ireo:

Teraka teto ny raiamandreninay, teraka teto izahay, monina eto izahay ary mbola honina eto. Tsy manana havana marary aty izahay, fa mahatsiaro fa Malagasy, ka tonga haneho solidarité amin’ireo mila izany. Marina fa tsy rà Malagasy angamba no aty anatinya, nefa rehefa mena ny rà, dia mena, ary raha mahavonjy aina, dia foinay.

Misaotra azy telo lahy karana aho. Indrindra fa ilay iray izay efa hitako fa nahazohazo taona ihany.

Ny HJRA no voatsidiko, fa ny toeram-pitsaboana lehibe rehetra teto an-tanàna dia saiky nivezivezen’ireo fiara mpamonjy voina daholo. Ny hitako tao amin’ny tranom-patin’ny HJRA fotsiny (efitrano iray ihany no azoko nidirana fa tsy nisy nodiavina tao noho ny habetsahan’ny olona), dia nisy faty 25, ka vehivavy ny 2 mandra-pialako tao. Misy ny potiky ny bala ny lohany, misy ny voa teny amin’ny vatany.

sunp01342

Fa izay tena nanohina ahy indrindra dia ny nahitako maso ny lehilahy iray voatifitra teo amin’ny Hotel du Louvre Antaninarenina. Nitodika nanatrika ny Trésor ilay ranamana, ary izahay kosa aty amin’ny ONE (kihon-dàlana avy aty amin’ny Hall de l4information taloha ho anareo efa ela tsy taty Dago). Raha sendra nitsipalotra nijery azy aho, noho ireo namany nikiakiaka niantso azy hiampita haingana, dia ini segondra iny indrindra no nahitako ny tratrany gorobaky ny bala sy nitambotsorany moramora. Tsy nisy azon’ireo namany natao intsony afa-tsy ny nihazakazaka nibata azy hiala teo amin’ilay toerana sisa, ka nanatitra ny vata-mangatsiakany teny amin’ny fiara mpamonjy voina an’ny Croix Rouge.

Tonga teny ihany ny Zandary maromaro tamin’ny kamiao, saingy ny nanao cordon nanosika ireto vahoaka mba hiataka ho eny an-jaridaina akaikin’ny Le Buffet. Nihevitra teto ny vahoaka fa hifanandrina amin’ireo ao an-dapa, araka ny antsoantso izay nataony, ireto Zandary tonga ireto. Nefa tsy izay no zava-nitranga. Talohan’io dia efa nisy ny fiara voadotra teo anelanelan’Ambohitsorohitra sy ny sampanana ety anoloan’ny Le Buffet du Jardin.

Rehefa tsy nanao afa-tsy ny nihazona ny vahoaka ary ireto Zandary ireto, dia tsy faly ny vahoaka ka niverina indray niditra ankeriny tao amin’ny hotel du Louvre naka izay tiany. Tsy nisakana sy tsy nisambotra azy ireo ireto mpitandro filaminana, satria be noho vitsy koa.

Tsy fantatra izay zava-nitranga fa nihataka kely indray ireto mpitando filaminana ireto, ary dia nisy indray ny tifitra avy tany anaty Lapa tany ka nahavoa olona teny amin’ny arabe.

Tsaroako eto ny tenin’ilay Komandin’ny Zandary nanakana ahy tsy hanala ny ain’ilay tonga nanafika tato an-tranoko tamin’ny fotoana nahavaky ny Supreme Center hoe:

Aoka ramose fa na izahay aza tsy mahazo mikasi-tànana azy

dia lasa ny saiko hoe, ‘raha mpangalatra aza moa narovana toy izany, dia mba ahoana ny amin’ireto olona voatifitra marobe ireto? Satria tokoa mantsy na aiza na aiza, dia ny vahoaka no tompon’ny fahefana fa mpindrana fotsiny ny mpitondra. Ka raha vahoaka haka izay nampindraminy no andraisana azy ireo, tsy ho azo natao ve ny nifampiresaka taminy? Raha ny fandraisako azy mants (tsy asiko firehana an!), dia rehefa tonga  amin’ny fara-tampony toy izao ny fitakian’ny vahoaka, dia efa lasa ambonin’ny lalàna rehetra izany fitakiana izany, ka mihisaka maka zoron-trano daholo aloha na ny Lalampanorenana, na ny hafa. Diso ve aho? Raha eny, mba hazavao ny saiko.

…Niala teny Antaninarenina ny tenako tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany mahery tany ho any, mety ho efa tamin’ny efatra ora hariva mba handeha hijery ny eny amin’ny teram-pitsaboana.

Vahoaka sesehena sy mifanitsa-kitro no teny.

Ireo onjam-peo izay henoina amin’izao ora izao dia mikiaka valifaty noho ny rà latsaka , ary mitaky ny fisamborana an-dRavalomanana daholo izay antso an-tarobia tafiditra. Miantso tody ihany koa ho amin’ny taranak’ingahy Ravalomanana, ary misy mihitsy aza ny midradradra ny amin’ny hisamborana sy hamonoana azy.

Fisaonam-pirenena rahampitso araka ny voalazan’ny rafitra tetezamita (Fanambarana avy amin’i Monja Roindefo sy Andry Rajoelina). Entina ho eny amin’ny Stade couvert Mahamasina avokoa ireo razana no andrasana. Iantohana ny fikarakarana ny fampodiana ireo razana entina lavitra sy ny fitsaboana ny naratra. Ary hisy takelaka hapetraka ao amin’ny Kianja Ambohijatovo hisy ny anaran’ireo namoy ny ainy tamin’ity andro ity.

Ampidiriko tsikelikely eto ny sary fa ny hamoaka ny lahatsoratra aloha no nahamaika.

Fa na ahoana na ahoana, ary na avy amin’iza na avy amin’iza dia helohiko tanteraka ny famonoana sy ny fandringanana. Na izay nitondra ny olona hovonoina ho sorona, na ny nanome baiko hamono. Ny nitondra tokony hahalala izay miandry azy, ary tokony ho nampiomana ny olona, ka izay sahy no manaraka, ary ny nampamono, tokony ho nanao ny fampilazana rehetra alohan’ny hitifirana.

Ny vahoaka koa tokony handinika tsara, fa ny mpitarika anie efa mahalala ny lalana hivoahany e. Izany hoe tsy voatery ho voa foana. Fa ianareo no sorona eo.

 

Ity ny rohy hijerenao ny sary sasantsasany amin’izay niseho androany