Fifandonana androany teny Anosy sy ny manodidina

Ialako tsiny mialoha ny tsy fisian’ny sary na dia teny an-toerana aza ny tena fa tsy misy fitaovana.

Raha handeha ho any Anosizato izahay mianaka androany antoandro dia sahirana tokoa nitady lalana raha vao tonga teo Anosy. Nasaina nivily nihazo an’i Mahamasina izahay fa hoe gidragidra be ao aloha ao. Tsy nety anefa ny pelika fa nisampotina nivily nihazo ireo lalana mamakivaky tanàna manoloana ny Hopitalin’i Befetanana ihany, aty ambadiky ny Cercle Franco-Malagasy.

Rehefa tonga teo amin’ny rond point manoloana ny Sénat tokoa dia efa kamiao feno mpitandro filaminana no teo. Ery anoloan’ny Hopitaly koa dia mbola nisy mpitandro filaminana. Tsy lavitra eo indray dia feno olona Pro-Ravalomanana mamotika ny sisin-dalana mba hahazoana vato hitorahana ireo mpitandro filaminana ery ampita. Toy izany no hitanao mandra-pahatonga aty akaikin’ny hidin-dalamby mankany Anosibe.

Mandeha ny tora-bato, ary valin’izay koa dia mandeha ny tifitra grenade lacrymogène.

Fa ny tena loza dia ny nitondran’ny sasany tamin’ireo ‘mafana fo’ ny vahoaka niaraka taminy niditra tao amin’ny Hopitaly. Feno ny tokotany. Tetika efa nomanina ve sa ahoana? Tsy fantatro!

Dia nanohy ny dianay nankany Anosizato izahay mianaka, ary iny lalana iny ihany koa no niverenana rehefa avy any. Efa feno sakantsakana vato sy dor kodiarana eraky ny arabe.

Tonga nanandrify ny Hopitaly izahay dia nilazan’ny olona tsy hanohy ny dianat intsony fa nasaina niditra tao an-tokontanin’ny HJRA, sao, hono, anaovan’ny olona barofo hakàny lasantsy any ny Scooter.

Mandritrra izany rehetra izany dia mitohy ny fifanandrinan’ny Pro-Ravalomanana sy ny mpitandro filaminana.

Ireo Pro-Ravalomanana tafiditra ao anatin’ny tokontanin’ny hopitaly, mitoraka vato mankany amin’ireo mpitandro filaminana ao ivelany, ny sasany indray namaky ny vavahadin’ny Ministeran’ny Planina, ary nandoro ny fiara (5) teo an-tokontany, sy namaky ny vavahadin’ny hopitaly manandrify io Ministera io. Angamba koa hiandry ny andro maizina mba handrobana ny ao an-tranon’ilay Ministera (Enga anie tsy hiafara amin’izany!).  Tsy mbola niala tao mantsy ireo olona ireo hatramin’ny 6 ora sy sasany hariva nialanay teo, raha tamin’ny 2 ora izahay no efa tao an-tokontany tao.

Tonga hatrany amin’ny hopitaly ny setroky ny baomba fandatsahan-dranomaso sy ny firefodrefotry ny basy, izay tena nampiasana bala tena izy mihitsy.

Hatramin’ny fotoana nialanay mianaka tao an-tokontanin’ny hopitaly dia Telo (3) no voalaza fa maty ka polisy voatifitra ny iray, ary teo amin’ny 15 ny naratra. Tsy mbola isa farany ireo satria mbola mifanandrina ny roa tonta tamin’ny fotoana nialana teny an-toerana. Midika izany fa na any anatin’iretsy Pro-Ravalomanana aza izany dia misy ny efa vonona hifanandrina sy hifampitifitra, matoa nisy ny avy aty amin’ny mpitandro filaminana maty voatifitra.

Re teny an-toerana koa fa efa voasambotry ny olona tenay i Alain Ramarosoan fa votsotra ihany. Ary taorian’izay dia hitan’ny olona nitaingina fiara tsy mataho-dalana mitondra ny laharana 2??2 TAF sady tena mitifitra koa (Asa izay fahamarinan’izay, satria dia nihizingizina mihitsy ilay ramatoa fa ny masony no nahita fa tsy honohono!).

Feno olona sy lasa toerana fandosirana hatrany anaty lalantsaran’ny HJRA tany, ary dia niteraka tsy fahatonian-tsaina, na ho an’ireo mpitsabo, na ho an’ireo marary sy ny mpanaraka azy. Ny hiditra hanatitra havana marary, na fanadody, na sakafo dia sahirana. Ny te-hivoaka koa tsy mahita lalan-kizorana. Isan’izany izahay.

Tsy tao anatin’ny eritreritro velively ny handeha hanatontosa fanadihadiana teny, saingy tafiditra tsy satry tao anatiny ihany ny tena noho ny zava-nisy.

Na teo aza ny antso nataon’ingahy Alain Andriamiseza ny amin’ny tsy tokony hanaovana herisetra amin’ny mpanao gazety ho an’ireo mpanara-dia an’i ‘dadan-dry zareo’, dia mbola nisy ihany ny fandrahonana sy ny fikasana rasty raha vao fantatry ny sasany fa mpanangom-baovao ianao.

Nandeha moa ny fitenenana tao an-tokontanin’ ny hopitaly fa hoe voaporofo, hono, fa tsy nanimba zavatra toy ny tamin’ny andron’ny TGV ny Pro-Ravalomanana nandritry ny hetsika natao. Mahagaga an! Mahatalanjona an! Hoy aho hoe, angamba tena tsy tao anatin’ilay hetsika ireto olona ireto, na mpitazana lavitra taty anatiny tokoa ka tsy mahita ireo sisin-dalana manomboka aty amin’ny rond point manoloana ny Sénat hatrany akaikin’Anosibe any. Simba natao fakàna vato hitorahana ny mpitandro filaminana. Nodorana sy nosimbana ny Cercle Franco-Malagasy. Fa naninona anao ireo olona tao?

Tsy haiko avy eo izay nitranga tao anatin’ny faritry ny HJRA tao fa nisy tovolahy iray, nofanenjehan’ireo Pro-Ravalomanana ary dia nifandrimbonana nodarohana rehefa tratra. Tsy haiko izay niafarany.

Nisy fotoana koa tafiditra hatrany anaty faritry ny hopitaly ny mpitandro filaminana manao fisavana sy fanarahan-dia ireo mpitoraka sy mpandoro. Niteraka fisavoritahana izany rehetra izany.

Maro tamin’ireo naratra no vokatray ny bala, ary ilay iray maty aza moa dia nipotsaka ny atidohany.

Mino aho fa efa tratran’i Manandafy Rakotonirina ny tanjony. Dia i Manandafy Rakotonirina izay nilaza fa tsy mankasitraka fidinana an-dalam-be. Sa araka ilay tenin’i Sareraka hoe

Tsy zakan’ny sainy fa nisy nahavita ny tokony ho nataony, ka dia nivadik’ondana ingahy ‘praiminisitra’

Ary angamba faly ery izao Marc Ravalomanana sy izay rehetra ao ambadiky ny korontana, na izay izy na iza, amin’izao zavatra izao. Mirehaka anaty angamba ka hanao hoe ‘Tanteraka ihanyyyyy!’

Tao an-tokontanin’ny hopitaly aza moa dia efa maro ireo nitsinjaka ny Pro-Ravalomanana fa hoe

feno amin’izay ny fepetra hanafarana ny tafiky ny SADC

Fa angaha tokoa moa tsy efa nailiky ny SADC i Madagasikara e! Koa inona no mbola itsabahana amin’izany resaka tsy mandeha ilalana izay.

Mampalahelo! na mpomba ny andaniny ianao, na mpomba ny ankilany, dia tsotra ihany ny teniko: rehefa raikitra ny toy ireny, dia tadidio fa saribakoly hetsehin’ny mpitarika korontana fotsiony isika vahoaka (marina io na amin’ny andaniny na amin’ny ankilany) Fa rehefa raikitra tokoa ny tokoa, mba hitanao mandray vato sy mitoraka koa ve zareo? Mba nandray anjara mivantana ve izy? Ary rehefa vita izay vita, mba hitany ve ianao? Ianao ilay tsemboka ery nanovokovoka nitora-bato (mbola marina koa io na amin’ny andaniny na amin’ny ankilany), mba nahazo sitraka tokoa avy aminy ve ny tsirairay nihogahoga sy nitsemboka nanditra ireny fotoana ireny? Asa! Toa tsy mino aho. Mety ho diso tokoa aho fa ny any aoriana no tsinjovina. Marina izany fa ny any aoriana no tsinjovina, nefa ve talohan’izay ‘aoriana’ nojerena izay, efa mba nandalina sy nandanjalanja ny teo ambony mizàna ny tsirairay vao naka toerana ho atsy na ho aroa (izaho aloha dia efa naka toerana e!, na dia tsy tokony ho nitongilana aza ny mizànako. Jereo tsara daholo ary henoy tsara daholo aloha ny zava-nisy sy misy rehetra vao manapa-kevitra ho ankavia na ho ankavanana, fa tsy mety raha ny iray sy izay heverinao ho tianao ihany no tonga dia harahana an-jambany sy tsy asiana ‘Fa nahoana tokoa moa?’

Tsikaritra koa izao fa efa apetaka eraky ny araben’Antananarivo be mpandalo ny sarin’ireo ankizy maro tsy hita nandritra ireny korontana nisy teto irany, mba ho fanampiana amin’ny fitadiavana, raha sendra nisy na misy nahita.

Hatreo aloha fa rehefa misy vaovao dia ampitaina eo ihany.

Hatramin’ny efa alim-be ny andron’io 20/04/2009 io dia mbola nitohy hatrany akaikin’ny tunel Ambanidia tany ny gidragidra

2 Réponses

  1. « izaho aloha dia efa naka toerana e!, na dia tsy tokony ho nitongilana aza ny mizànako »
    __________________________

    Dia nitongilana nankaiza hono ity fijery ry avylavitra?
    Ny mpanangom-baovao dia tokony ho neutre na farafaharatsiny milaza izay hita sans interprétation mba ahafahan’ny tsirairay handinika sy hamakafaka. Na tonga dia maka position avy hatrany fa tsy manao tahaka ny lelon-jaza e!

    • naka toerana any amin’ny sisiny ry se fa LEO a! Mbola hohazavaiko amin’ny manaraka ny tiako ho lazaina momba an’io. LEO ny mpanao politika maty hanina aho, na avy amin’ny andaniny na avy amin’ny ankilany, satria tadidio fa rehefa hitady toerana ry zalahy ireo dia isika vahoaka foana no atao sorona, dia mody miady eo. Alefa avy any ivelany ny baiko, dia manatanteraka sy manaraka anjambany ny vahoaka, dia atsipy avy any Ambohitsorohitra ny fanentanana, dia vonombonona hitroatra ny vahoaka. Fa rehefa vita izay ho vita, dia miova akanjo sy palitao daholo, ka manaraka volontany, dia ilay mpifanandrina omaly, lasa mpifampisakambina androany ary mpivady rahampitso, mandra-pisin’ny ady seza manaraka indray. Diso ve izay lazaiko izay? Ka mihevitra aho hitondra fanabeazana ho an’izay vonona hihaino. Ary mety tsy hiresaka ity politika ity intsony raha sitra-pon’Andriamanitra fa hiova taranja. Tsy mivoady anefa fa mbola ilana fisainana ny fanatanterahana azy

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :